Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Eksodosy 11

< Eksodosy 11 >

Filazana ny hihavian'ny loza fahafolo

1) « Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala aty izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala aty. »
2) « Koa mitenena amin'ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny namany avy, ary ny vehivavy amin'ny namany avy koa. »
3) « Dia nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin'ny tany Egypta, dia teo imason'ny mpanompon'i Farao sy teo imason'ny vahoaka. »
4) « Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta, »
5) « dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. »
6) « Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. »
7) « Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely. »
8) « Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy. »
9) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta. »
10) « Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy. »


Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.