Ny Baiboly
Return to BlogEksodosy 17
Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy
1) « Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona. »
2) « Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo? »
3) « Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? »
4) « Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. »
5) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. »
6) « Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely. »
7) « Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia? »
8) « Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima. »
9) « Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra ety an-tanako. »
10) « Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana. »
11) « Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. »
12) « Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro. »
13) « Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra. »
14) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra. »
15) « Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. »
16) « Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby. »

0 Comments
Add CommentAdd your comment
To add a comment you need to login or register.