Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Levitikosy 1

< Levitikosy 1 >

 

Ny fanatitra odorana

1) « Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe: »
2) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo. »
3) « Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy. »
4) « Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. »
5) « Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; »
6) « ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara. »
7) « Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo. »
8) « Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara; »
9) « fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. »
10) « Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny. »
11) « Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. »
12) « Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara; »
13) « fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. »
14) « Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny. »
15) « Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny; »
16) « ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona; »
17) « ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. »


Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.