Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Levitikosy 15

< Levitikosy 15 >

 

Ny lalàna ny amin'ny fitsihana sy ny fadim-bolana

1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: »
2) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany. »
3) « Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany. »
4) « Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany. »
5) « Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
6) « Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
7) « Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
8) « Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro »
9) « Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika. »
10) « Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
11) « Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
12) « Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra. »
13) « Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio. »
14) « Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy. »
15) « Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany. »
16) « Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro; »
17) « ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany. »
18) « Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
19) « Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro. »
20) « Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa. »
21) « Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
22) « Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
23) « Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro. »
24) « Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa. »
25) « Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany. »
26) « Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany. »
27) « Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro. »
28) « Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy. »
29) « Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. »
30) « Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy. »
31) « Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany. »
32) « Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany, »
33) « ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto. »


Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.