Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Levitikosy 19

< Levitikosy 19 >

 

Didy maro samy hafa

1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »
2) « Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. »
3) « Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
4) « Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
5) « Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany. »
6) « Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany. »
7) « Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana; »
8) « fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany. »
9) « Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao. »
10) « Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
11) « Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga. »
12) « Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. »
13) « Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina. »
14) « Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. »
15) « Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. »
16) « Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. »
17) « Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. »
18) « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. »
19) « Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. »
20) « Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy. »
21) « Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana; »
22) « ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany. »
23) « Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina; »
24) « ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah; »
25) « fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
26) « Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro. »
27) « Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao. »
28) « Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah. »
29) « Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana. »
30) « Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. »
31) « Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
32) « Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. »
33) « Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy. »
34) « Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
35) « Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana. »
36) « Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. »
37) « Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah. »


Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.