Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Salamo 1

< Salamo 1 >

BOKY VOALOHANY

Ny tsi-fitovian’ ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy

1 Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;

2 Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.

3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.

4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.

5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.

6 Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.

Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.