Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Salamo 120

< Salamo 120 >

 

Fitarainana ataon’ ny olona miara-mitoetra amin’ izay tia ady

1 Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,

2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka

3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?

4 Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.

5 Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!

6 Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.

7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.