Ny Baiboly
  • Subscribe to RSS

Return to Blog

Salamo 15

< Salamo 15 >

Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin’ Andriamanitra

1 Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?

2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;

3 Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,

4 Tsy manaja ny ratsy fanahy, Fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; Tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,

5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

Pingbacks

0 Comments

Add Comment
 

Add your comment

To add a comment you need to login or register.