|
Lesona 01 : Ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy |
29 Sept - 05 Okt 2012 |
| Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma | Sabata |
| Ny fiadian'Andriamanitra |
Talata 02 Okt. |
“Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao hanorotoro ny ombelahin-tongony.” - Gen. 3:15. Ahoana no fomba isehoan’ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana ao amin’io andininy io?
Voalaza mialoha ao anatin’io andalan-teny mifono zava-miafina voalazan’ny Gen. 3:15 io ny fifanandrinana, ary atsidiny amintsika ireo fitsipiky ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra eo amin’izany ady izany. Teo amin’ny vehivavy sy ny menarana no niantombohany teto an-tany ary hitantsika fa ho tafiditra ao anatin’izany koa ny mpanara-dia ireo mpifandrafy voalohany ireo: dia ny “taranaky” ny vehivavy sy ny “taranaky” ny menarana izany. Amin’ny farany moa araka ny fantatsika, dia ho tonga amin’ny fifandonana mahafaty eo amin’i Satana sy i Jesôsy avy any Nazareta, izay lehilahy taranaky ny vehivavy mihitsy izany. I Jesôsy no fiadiana nofidin’Andriamanitra — izay tonga hiady ho an’ilay vehivavy, hiharitra ny “dian-kapoka”, kanefa amin’ny farany, dia hamely hahafaty ilay menarana ihany. Ny fiadiana nofidina, dia ny fanoloran-tena nataon’i Jesôsy, izay fanehoana fitiavana tsy misy fitiavan-tena.
Ahoana no anampian’ireto andininy manaraka ireto antsika hahatakatra ireo olana mahakasika ny ady ifanandrinan’ny ratsy sy ny tsara? Ahoana no maha-zava-dehibe ny drafi-pamonjena eo amin’ny resaka iray manontolo?
Ampitahao ireto andininy ireto:
Gen. 4:4 sy ny Heb. 11:4 ______________________________________________
Gen. 12:3, 22:18 sy ny Gal. 3:16 ________________________________________
Eks. 25:8 sy ny Heb. 4:2 _______________________________________________
Isa. 53:6 sy ny Rom. 5:8 _______________________________________________
Mat. 16:18 sy 18:16–20 ________________________________________________
Heb. 8:1,2 ___________________________________________________________
| Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma | Sabata |
* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.