|
Lesona 11 : Ny fiainana Kristianina |
08 - 14 Des. 2012 |
| Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma | Sabata |
| Ampahafolon-karena : ampahany bitika monja |
Alatsinainy 10 Des. |
«Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ny fahafolon-karena dia ho entin’ny Levita miakatra ho ao amin’ny efi-tranon’Andriamanitra, ho ao amin’ny efitra ao an-trano fitehirizan-drakitra. Fa ho ao amin’ireo efi-trano ireo no hitondran’ny Zanak’Isiraely sy ny Levita ny fanaitra asandratra (…)» (Neh. 10:39,40)
Diniho ny fiainanao; diniho hoe hatraiza ny hafohezany; diniho ny tsy fahafahanao mihitsy miala amin’ny fahafatesana (raha tsy hoe tonga ao anatin’ny andro iainanao anga i Kristy). Diniho hoe hidika inona aminao raha toa ny fasana no tena fiafaran’ny fiainanao, araka ny inoan’ny maro. Eto an-tany ianao, ary olona ihany izay fitambarana sela maro itoeran’ny fijaliana ara-nofo izay manao ny ataony rahateo (matetika ao anaty fanaintainana, zava-tsarotra, tahotra), avy eo dia tonga ny farany; na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, rehefa maty ireo sela rehetra, dia tsy hisy tavela intsony ny aminao afa-tsy nofo mangatsiaka izay hanin’ny olitra sy ny bia (‘bacteries’) mandra-pahafatiny koa.
Izany no mba anjaram-piainantsika rehetra eto amin’ity tontolo lehibe misy antsika ity, hany ny planeta, sy ny fiainantsika isam-batan’olona, ka toa zavatra tsy misy dikany akory, ary tsy hafa fa zava-mampihomehy kanefa tsy tsapan’ny ankamaroantsika akory izay mahatsikaiky aminy.
Mifanohitra indrindra amin’io seha-piainana io, jereo ny zavatra efa nomena antsika ao amin’i Kristy. Jereo ny zavatra efa natolotra antsika tamin’ny alalan’i Kristy. Jereo hoe milaza inona momba ny tombam-bidintsika sy izay natao ho antsika ny planin’ny famonjena, mba tsy hihaonantsika amin’ny laha-piainana aseho etsy ambony.
Inona no efa nomena antsika ao amin’i Kristy? 1 Kôr. 15:51; Apôk. 21:4; Gal. 3:13; Efes. 1:6; Apôk. 22:15. Tokony hidika inona amintsika ireo andininy ireo? Tokony hisy fiantraikany manao ahoana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fisiantsika ireo teny fikasana ireo?
«Miresaka ny amin’ny fomba fanaterana ampahafolon-karena aho, nefa toa tsinontsinona akory ny fahitako azy! Bitika loatra ny tombany! zava-poana ny hery lany ampiasana ny fitsipiky ny matematika enti-mikajy ny fotoana, ny vola, ary ny fitiavana manoloana ny fitiavana sy ny fahafoizan-tena izay tsy azo refesina sy tsy hay kajiana! Fahafolon-karena ho an’i Kristy! Eny, singan-javatra bitika monja, ary valisoa mahamenatra mihoatra amin’izay novidina lafo loatra! Avy tamin’ny hazo fijaliana teo Kalvary no iantsoan’i Kristy antsika ho amin’ny fanoloran-tena tsy misy fepetra.» - TFC, b. 4, tt. 119,120.
Aorian’ireny zavatra rehetra nataon’i Kristy ho anao ireny, moa tsy ho hainao va ny haneho finoana ampy ka hamerina Aminy ny ampahany bitika monja amin’izay efa nomeny anao?
| Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma | Sabata |
* Ho an'ireo izay mila ny boky mirakitra ny lesona telovolana dia manantona avy hatrany ny Trano Printy Advantista etsy Somanandrariny.