SS 10 1T 2017

LESONA 10

04 - 10 MARTSA  2017

NY FANAHY MASINA NY BAIBOLY ARY NY VAVAKA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 15:7; Mat. 7:7; Sal. 66:18; Jak. 1:6-8; 1 Jao. 5:14,15; Asa. 2:38.

 

Tsianjery: “Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala ny hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.” - Rôm. 8:26,27.

 

Miara-dalana ny tena toe-panahy marina sy ny vavaka. Tsy misy fiainana ara-panahy tena izy raha tsy misy vavaka mafana. Tena ilaintsika tokoa ny fibebahana. Aorian’ny fibebahana anefa, dia angamba ny fifohazana eo amin’ny fiainam-bavaka no iray amin’ireo zavatra lehibe sy maika indrindra ilaintsika. Ny vaovao mahafaly dia hoe: mahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina isika na dia eo amin’ny vavaka ataontsika aza. Misintona antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra ny vavaka; manandratra antsika ho eo amin’ny fanatrehany izany. Manampy antsika hiaina araka ireo teny fikasana maro avy amin’Andriamanitra ny vavaka atao amim-pinoana. Miova ny fiainantsika rehefa mangataka ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny isika.

Afaka mahatanteraka izay rehetra tokony ho antsika araka ny hareny Andriamanitra (Fil. 4:19). Manana an’Andriamanitra ho ivon’ny fifantohantsika sy mifototra amin’ny Teniny ny tena fivavahana marina sy ny tena toe-panahy marina.

Tsy tokony hifototra amin’ny fanandramantsika tsy miorim-paka na amin’ny fihetseham-pontsika tsy marim-pototra ny fiainantsika ara-panahy. Ary tsy tokony hifantoka amin’ny fahazarana ara-panahy diso na amin’ny hevitra tsy azo itokiana ny fivavahantsika. Tokony hotarihin’ny Baiboly sy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, araka izay hita ao amin’ny Teniny, ny toe-panahintsika. Ary ny Fanahy Masina no mamoha ao anatintsika ny faniriana hitady ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy hifampitondra am-bavaka.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra (Jao. 15:7)

 

Na dia voasarona ao anatin’ny fitafiana ara-panahy, dia hita fa antony mampametra-panontaniana no mitarika ny vavaka maro. Mety hivavaka isika mba hiarovana ny ain’ny olona iray satria tsy te hiaina samirery isika. Mety hivavaka isika mba hahombiazan’ny asan’Andriamanitra satria mitana andraikitra lehibe ao anatin’izany isika. Mety hivavaka isika mba hiovan’ny olona iray fo satria amin’izay dia ho mora kokoa ny fiainantsika. Matetika ny vavaka ataontsika no mifantoka misimisy kokoa eo amin’izay tiantsika noho eo amin’izay tian’Andriamanitra. Manana tanjona hafa anefa ny vavaka ankasitrahan’Andriamanitra.

 

Vakio ny Jao. 15:7. Nahoana no zava-dehibe eo amin’ny vavaka ataontsika ny iraisantsika amin’i Jesôsy sy ny itoeran’ny Teniny ao anatintsika? Inona no mety ho tanjon’ny vavaka ataontsika raha toa ka tsy miray amin’i Jesôsy isika?

 

Zava-dehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra mety omen’Andriamanitra antsika ny fitadiavana Azy voalohany indrindra sy ny fankamamiana ny fiarahana Aminy. Raha Andriamanitra no mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika, dia haniry ny hanao izay tiany isika. Hamolavola ny faniriantsika ny heviny. Vantany vao Andriamanitra no ivon’ny vavaka, dia hanomboka hivavaka avy amin’ny fomba fijeriny isika. Hanomboka hijery ny fiainantsika iray manontolo amin’ny fomba fijeriny isika. Hahamendrika ny vavaka io fomba fijery io.

Tena liana fatratra ny amintsika Andriamanitra. Iriny fatratra ny ho tafiditra eo amin’ny ampahany rehetra amin’ny fiainantsika. Tiany resahintsika Aminy ny momba ny ahiahintsika, ny tahotsika, ny fikasantsika, ny fanantenantsika, ny faniriantsika, ny fahombiazantsika, ny fifaliantsika, ny tsy fahombiazantsika - ny zava-drehetra. Ary azontsika atao ny miresaka momba ireo zavatra ireo Aminy, tahaka ny amin’ny sakaiza tsara. Ary hijery ireo rehetra ireo amin’ny fomba fijeriny isika.

Tsy manova an’Andriamanitra anefa ny vavaka. Manova antsika izany, satria mitondra antsika ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, izay manova ny fiainantsika.

Ny fivavahana dia famborahana ny fo amin’Andriamanitra, toy ny amin’ny sakaiza tiana indrindra. Tsy maintsy atao izany, tsy noho ny mba hampahafantatra an’Andriamanitra ny toetsika, fa ny mba hahatonga antsika ho afaka handray Azy. Ny fivavahana dia tsy mampidina an’Andriamanitra ho atỳ amintsika, fa mampakatra antsika ho any Aminy kosa.” — TH, t. 110.

Teny mahery vaika manao ahoana re izany e! Mahalaza tsara ny fahamarinana momba izay ataon’ny vavaka amintsika sy ho antsika izany. Ny vavaka irery ihany no mahatonga antsika hisokatra ka handray ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny ary ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika. Iza no tsy mbola nanandrana, tamin’ny fotoana iray, ny amin’ny fahafahan’ny vavaka hisintona antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra?

 

Saintsaino ny momba ny fiainam-bavakao, izany hoe: inona no angatahinao; amin’ny fotoana manao ahoana ianao no mivavaka; nahoana ianao no mivavaka; sy ny sisa. Inona no ambaran’ny valinteninao aminao mahakasika ny toe-panahinao manokana sy ny fifandraisanao manokana amin’Andriamanitra? Inona ireo fiovana mety ilainao hotanterahina?

 Pejy ambony

ALATSINAINY

Ny fototra iorenan’ny vavaka ara-Baiboly: Mangataha amin’Andriamanitra (Mat. 7:7)

 

Vakio ny Mat. 7:7. Milaza io andininy io fa tsy maintsy mangataka isika mialoha ny hahazoantsika zavatra iray avy amin’Andriamanitra. Nahoana no tena zava-dehibe ny fangatahantsika, raha toa ka efa fantatr’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra?

 

Mampiharihary ny faniriantsika sy maneho ny fatokiantsika an’Andriamanitra ny fangatahana. Amin’ny alalan’ny vavaka no anatonantsika Azy, izay angatahintsika fanohanana sy fanampiana. Rehefa mangataka zavatra amin’Andriamanitra isika, dia manome Azy lalana koa hiditra an-tsehatra mivantana ho amin’ny mahasoa antsika. Ary tian’Andriamanitra ny hangatahantsika zavatra Aminy. Maniry Izy ny hitondrantsika eo Aminy ireo antom-bavaka rehetra avy amintsika. Tsy hahazo ireo fanomezana izay nampanantenainy isika raha tsy mangataka Aminy. Hoy i Jesôsy: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.” - Lio. 11:9,10).

 

Vakio ny Mar. 11:24; 1 Jao. 5:14,15; ary ny Sal. 66:18. Nahoana no tsy misy mihitsy izany hoe antom-bavaka lehibe loatra ka tsy hain’Andriamanitra valiana izany? Nahoana no tsara ny mahafantatra fa malala-tanana Andriamanitra ary tia manome avy amin’ny zavatra rehetra ananany? Inona no fepetra mialoha takian’Andriamanitra avy amintsika mba hahafahany mamaly ny vavaka ataontsika?

 

Tena azontsika atao tokoa ny mangataka ny zava-drehetra amin’Andriamanitra. Tsy misy fangatahana kely loatra na koa tsy manan-danja eo imasony. Tsy misy fangatahana lehibe loatra ka tsy azony karakaraina. Mahefa ny zava-drehetra Izy. Koa azontsika angatahina amim-pinoana ny teny fikasana tsirairay ao amin’ny Baiboly. Ary azontsika raisina amim-pinoana avy eo am-pelatanany, araka ny sitrapony, koa ny fanomezana nampanantenaina (2 Kôr. 1:20).

Misy fepetra tsy maintsy tanterahina anefa mba hahazoana ny zavatra angatahintsika. Mila vonona ny hilefitra tanteraka eo amin’Andriamanitra isika. Ary tsy tokony haneho fitiavan-tena na avy amin’ny faniriantsika feno fahotana ny vavaka ataontsika. Raha tsy izany dia tsy hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra (Vakio ny Isa. 59:1,2).

Misy fepetra iray hafa ilaintsika tanterahina mba hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika: tsy maintsy vonona ny hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy ho mpankatò Azy isika. “Ny fanomezana rehetra dia nampanantenainy raha misy fankatoavana.” — HF, t. 138.

Fantatsika fa malala-tanana Andriamanitra, ka afaka manatona Azy amim-pahasahiana isika. “Tsy omem-boninahitra Andriamanitra amin’ny fitalahoana tsy misy hafanana izay maneho fa tsy misy zavatra antenaina ho azo. Tiany raha hanatona ny seza fiandrianam-pahasoavana amim-pahamatorana sy amin’ny toky fa hamaly ny vavaka asandrany ny olona rehetra mino.” — Ellen G. White, Signs of the Times, 07 Aog. 1901.


 Pejy ambony

TALATA

 

Ny fototra iorenan’ny vavaka ara-Baiboly: Minoa (Mar. 11:24)   

Omaly isika dia nianatra fa mitaky fangatahana amin’Andriamanitra izay ilaintsika ny vavaka. Vakio ny Mar. 11:24. Inona koa no lazain’i Jesôsy fa tsy maintsy ataontsika rehefa mivavaka isika?

Tsy ampy ny mangataka fotsiny ihany. Misy lafiny manan-danja faharoa izay ilaina ho hita eo amin’ny vavaka ataontsika: finoana. Milaza amintsika ny bokin’ny Hebreo fa: “raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” - Heb. 11:6. Koa ilaintsika ny mahatsiaro fa misy teny fikasana mihoatra ny telo arivo ao amin’ny Baiboly. Ary tahaka izao no tokony hangatahantsika ireo teny fikasan’Andriamanitra: mila mandohalika eo anatrehan’Andriamanitra, ary mila manokatra ny Baiboly ao amin’ny iray na mihoatra amin’ireo teny fikasana marobe ireo isika. Mila manana fo madio sy tsotra ary feno fatokiana tahaka ny an’ny zazakely isika. Mila mangataka ny mba hanatanterahan’Andriamanitra ny teny fikasany ho antsika isika. Ary mila mino isika fa hanao ny tsara indrindra ho antsika Izy, amin’ny fotoana efa notendreny.

Vakio ny Jak. 1:6-8. Ahoana no anoritan’ireo andininy ireo ny olona tsy ampy finoana? Nahoana ny finoana no fepetra takina amin’ny fahazoana ireo fanomezana nampanantenaina?

Raha manatona an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mino fa misy Izy ary hamaly soa izay mitady Azy. Ny vavaka ahazoana valiny dia tsy maintsy arahin’ny finoana fa, tsy hoe afaka mamaly fotsiny ihany Andriamanitra, fa hamaly araka ny sitrapony Izy.

Ao amin’ny Baiboly, ny finoana dia mifandray amin’ny fatokiana. Tsy afaka matoky ny olona iray isika raha tsy efa fantatsika fa azo itokiana ilay olona. Rehefa mikolokolo fisalasalana isika fa tsy hihazona ny teniny Andriamanitra, dia hiahanahana isika ka tsy afaka hanampo ny handray zavatra avy Aminy. Ny hoe mino dia midika hoe fandraisana an’Andriamanitra amin’ny teniny. Midika izany fa miankina amin’Andriamanitra sy amin’ny teny fikasany isika, na dia miteny amintsika mba hisalasala aza ny fihetseham-pontsika. Satria: “ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” - Heb. 11:1. Mifikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny finoana, satria matoky izay nolazainy isika (Heb. 11:11). Fantatry ny finoana fa tsy mahay mandainga Andriamanitra (Heb. 6:18). Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. (Heb. 13:8). Fantatry ny finoana fa tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra (Lio. 1:37).

Koa manokatra mandrakariva ny varavarana amin’ny trano firaketan’Andriamanitra ny finoana. Miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra mba hanetsika ny fon’ny lehilahy sy vehivavy mba hatoky ny Teniny. Ary amin’ny alalan’ny finoana, dia manetsika ny sandrin’ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ny vavaka ataontsika.

 

Inona no manampy anao hitombo amin’ny finoana? Ahoana no anampian’i Jesôsy anao mba hatoky fa vonona Izy sady afaka manampy anao amin’ny fotoana hilanao fanampiana?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Ny fototra iorenan’ny vavaka ara-Baiboly: Takio ireo teny fikasan’Andriamanitra (1 Jao. 5:14,15)

Tsy misy ilana azy ny finoana rehetra raha tsy mitaky ireo zavatra nampanantenain'Andriamanitra sy nentintsika am-bavaka isika.

Vakio ny 1 Jao. 5:14,15. Milaza ireo andininy ireo fa afaka mahazo antoka isika fa mihaino antsika Andriamanitra. Ary afaka mahazo antoka koa isika fa azontsika ny zavatra nangatahintsika Taminy. Inona no ambaran’i Jaona fa antony mahatonga antsika hatoky ireo teny fikasana ireo?

Ny lafiny fahatelo amin’ny vavaka ara-Baiboly dia ny fandraisana. Aorian’ny fangatahana amin’Andriamanitra sy ny finoana ireo teny fikasany, dia ilaintsika ny mitaky ny zavatra nampanantenainy. Azontsika atao ny mitaky ny teny fikasan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisaorana Azy fa azontsika ny zavatra nangatahintsika Taminy. Amin’izay dia mitoetra ao am-pontsika ireo teny fikasan’Andriamanitra. Hoy i Ellen G. White: “Azontsika angatahina ny fanomezana rehetra nampanantenain’Andriamanitra. Rehefa izay dia tokony hino isika fa azontsika ny teny fikasana, ary tokony hisaotra an’Andriamanitra fa efa azontsika izany.” — Ed., t. 258.

Ao amin’ny Lio. 8:1–11, dia ampitovian’i Jesôsy amin’ny voa ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra: voafaoka ao anatin’ny voan’ny paoma ilay hazon’ny paoma iray manontolo. Tahaka izany koa, voafaoka ao anatin’ireo teny fikasany ny fanomezan’Andriamanitra. Rehefa mitaky ilay teny fikasana isika ka misaotra an’Andriamanitra noho izany, dia efa azontsika sahady ny fanomezana nampanantenaina, na dia mety mbola tsy tsapantsika na rentsika aza izany.

Ny ohatry ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty ao amin’ny Jao. 11 dia maneho fa nivavaka tahaka izany i Jesôsy. Fantatr’i Jesôsy tsara ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’io toe-javatra io. Milaza amintsika ny Jao. 11:11 fa vonona ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra Izy ary vonona ny hankatò Azy. Ao amin’ny Jao. 11:39-41, dia hitantsika fa nisaotra mialoha ny Ray i Jesôsy fa hanangana an’i Lazarosy Izy, na dia mbola tao am-pasana aza i Lazarosy. Nandray tokoa ny valin’ny fangatahany i Jesôsy rehefa nisaotra an’Andriamanitra Izy. Zanak’Andriamanitra isika, ka amin’ny maha-zanany antsika dia tokony hiaina amin’ny teny fikasany isika, fa tsy amin’ny fanazavana omeny. Na dia tsy afaka manazava ny zava-drehetra aza isika, dia azontsika itokiana ireo teny fikasany.

     “Hoy ny Tompo: ‘Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana’ - Sal. 50:15. Manasa antsika Izy hitalaho mafy Aminy sy hitondra eo anatrehany ny fahasahiranantsika sy ny fahantrantsika ary ny hilantsika fanampian’Andriamanitra. Mibaiko antsika ho dodona eo amin’ny fivavahana Izy. Raha vantany vao mitranga ny zava-manahirana, dia tokony hatolotsika Azy ny fangatahantsika mafana dia mafana ny amin’ny tena midona marina amintsika. Ny fanantitranterantsika ny fivavahantsika dia maneho mazava ny fahatokiantsika an’Andriamanitra. Ny fahatsapantsika izay ilaintsika no mitarika antsika hivavaka amim-kafanam-po ary voatohina amin’ny fitalahoantsika ny Raintsika izay any an-danitra.” – HF, t. 170.

Nahoana no tena zava-dehibe ny mitondra mandrakariva eo amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka, ny zava-drehetra?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Mangataka ny Fanahy Masina (Efes. 3:16)

Vakio ny Efes. 3:16 sy ny Asa. 2:38. Inona no ambaran’ireo andininy ireo mahakasika ny fandraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika?

Misy zavatra maro azontsika angatahina amim-bavaka. Misy zavatra iray tena ilaina anefa amin’izao fotoana isian’ny loza mandindona izay iainantsika izao: ny fanomezana ny Fanahy Masina izany.  Io no fanomezana lehibe indrindra azon’i Jesôsy atolotra. Tsy misy zavatra hafa ambonin’ny Fanahy Masina azon’Andriamanitra omena ny vahoakany. Tsy misy zavatra hafa azo anampiana io fanomezana io (inona tokoa moa no azo anampiana an’Andriamanitra?) Tanteraka avokoa ny zavatra rehetra ilaintsika, amin’ny alalany sy amin’ny alalan’ny fiasany eo amin’ny fiainantsika. Fitahiana ny Fanahy Masina, ary hitondra ireo fitahiana hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika izany.

Misy sakana lehibe eo amin’ny fandraisantsika io fitahiana io anefa, dia isika ihany izany. Ny antony dia satria matetika isika no tsy vonona ny handray ny Fanahy Masina.

Tahaka ny tamin’ny andron’ny fiangonana tamin’ny TV, dia tokony ho tsapantsika fa ilaintsika voalohany indrindra ny mibebaka sy ny manolotra feno ny fiainantsika ho an’i Jesôsy. Ary ny fiasan’ny fanetsehan’ny Fanahy Masina irery ihany no manampy antsika hanao izany.

Rehefa mamaly ny fanetsehan’ny Fanahy Masina anefa isika, dia ny fibebahana amin’ny fahotana no vokatra voalohany ateraky ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Mila miaiky ny fahotantsika amim-panetren-tena sy amim-pinoana isika mba ahafahan’Andriamanitra manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Ilaintsika ny mahatakatra fa tena olona lavo isika ary tena mila an’Andriamanitra sy ny fahasoavany eo amin’ny fianantsika. Raha tsy eo Izy dia very isika, maty ao anatin’ny fahotantsika ary voaheloka ho amin’ny fahaverezana mandrakizay.

Koa ao anatin’ny vavaka matotra no hanatanterahantsika ireo fepetra napetrak’Andriamanitra mba hanomezana antsika ny Fanahy Masiny. Ny mangataka Aminy sisa no zavatra hataontsika, dia hatolony antsika amim-pifaliana ny Fanahiny. “Ilay Ray any an-danitra dia vonona kokoa ny hanolotra ho an’ireo mangataka Aminy ny Fanahy Masina noho ny maha-vonona ireo ray aman-dreny eto an-tany ny hanolotra fanomezana tsara ho an-janany.” — Ellen G. White, Ye Shall Receive Power, t. 284.

Tsy fiafaran-javatra na oviana na oviana anefa ny fanomezana ny Fanahy Masina, tahaka ireo zava-panahy hafa ihany. Nomena ny Fanahy Masina mba hanandratana an’i Jesôsy. Nomena koa ny Fanahy Masina mba hanampiana antsika hanana ny toetran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika. Ny Fanahy Masina koa dia manampy antsika hanompo ny hafa eo amin’ny fanorenana ny tenan’i Kristy, dia ny fiangonana. Koa ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana na ao an-tokantrano izay manandratra ny Fanahy ho ambonin’i Jesôsy Kristy dia diso. Satria amin’ny alalan’i Jesôsy no “ananantsika (...) fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.” - Efes. 2:18.

 

Nahoana ny fanomezana ny Fanahy Masina no fanomezana lehibe indrindra azon’i Jesôsy natolotra antsika? Nanao ahoana ny fanandramanao eo amin’ny fananana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao? Hafa nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy io fanomezana io?


 Pejy ambony

ZOMA

Vakio ny Ellen G. White, “Mangataka mba hanome,” t. 131-144, ao amin’ny HF. Raha mila tahirin-kevitra mahasoa izay ahitana teny fikasana mampahery, dia vakio ny Ellen G. White, God Has Promised (Washington, D.C.: Review and Herald, 1982).

 

Tsy hanana hery ara-panahy eo amin’ny fiainantsika isika raha tsy misy ny vavaka, satria mampifandray antsika amin’ilay Loharanon-kery ny vavaka. Tsy hanana fifandraisana velona amin’Andriamanitra isika raha tsy misy vavaka. Ho lasa siny foana isika, izay mety hanana “ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra” (2 Tim. 3:5), nefa tsy hanana ny hery sy ny teny fikasan’ireo fanomezana avy any ambony. Ary tsy isalasalana fa nomena teny fikasana mahafinaritra mahakasika ny famalian’Andriamanitra vavaka isika, araka izay hitantsika nandritra ity rehetra ity.

Ahoana anefa ny amin’ireo fotoana izay tsy nahazoantsika ny zavatra nangatahintsika tamim-bavaka, na dia efa niezaka ny hanatanteraka tsara ireo fepetra rehetra takin’Andriamanitra aza isika? “Aza kivy anefa raha toa tsy mahazo valiny eo noho eo ny vavaka ataonareo. Hitan’ny Tompo fa matetika ny vavaka ataontsika no mifangaro amin’ny fitiavan-tena. Mangataka zavatra izay hanome fahafaham-po ireo faniriany feno fitiavan-tena ny olona. Koa tsy mamaly ny fangatahany amin’ny fomba nanampoizany azy ny Tompo. Ampandaloviny fitsapana sy fisedrana izy ireo, ary ampandaloviny fahafaham-baraka, mandra-pahitany mazava tsara kokoa ny zavatra tena ilainy. Tsy hanome ny olona ireo zavatra izay hanome fahafaham-po ny hanoanany zavatra feno fahotana Izy. Tsy hanome antsika ireo zavatra izay hanimba antsika na hitarika antsika tsy hanome voninahitra Azy Izy. Tsy hanome antsika ireo zavatra izay hanome fahafaham-po ny rendrarendrantsika sy hanandratra fotsiny ny tenantsika Izy. Rehefa manatona an’Andriamanitra isika, dia tokony hanana fo milefitra sy torotoro, mampilefitra ny zava-drehetra eo ambanin’ny sitrapony masina.” - Ellen G. White, In Heavenly Places, t. 89.


Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ara-panahy iray manontolo ny vavaka. Amin’ny fomba ahoana? Izany hoe, inona no fiantraikan’ny vavaka eo aminao rehefa mivavaka ianao? Mety tsy mitovy amin’ny fiainanao talohan’ny nivavahanao ny fiainanao rehefa avy nivavaka ianao. Amin’ny lafiny inona?

 

2. Andao hatao hoe nisy olona nivavaka ary nivavaka ho amin’ny zavatra iray, tahaka ny hoe fahasitranan’ny zaza marary na ny mitovy amin’izany. Tsy nitranga araka izay nantenainy sy nangatahiny anefa izany. Inona no hambaranao amin’izany olona izany? Ahoana no ahafahantsika mianatra ny hatoky an’Andriamanitra na dia ao anatin’ny toe-javatra tahaka izany aza?

 

3. Zarao amin’ny kilasy ny fanandramanao manokana teo amin’ny vavaka, sy ny hevitr’izany aminao? Inona no nianaranao mahakasika ny vavaka izay mety hanampy ny hafa, izay mety mitolona amin’ny fahatakarana ny tanjon’ny vavaka?

 

4. Nahoana no zava-dehibe ny mivavaka na dia tsy takatrao amin’ny fahafenoany aza ny fomba fiasany?

 Pejy ambony