27 MAY - 02 JONA 2017
NY BAIBOLY SY NY FILAZANA MIALOHA NY HO AVY
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 53:1-12; Dan. 7:13,14; 2 Pet. 1:16-20; Mat. 17:1-6; 2 Tim. 3:15-17.
Tsianjery: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro” – 2 Pet. 1:19
Mbola manohy hatrany ny fandinihana ireo epistilin’i Petera isika. Izao no teboka tokony hisongadina: azony antoka tokoa izay inoany.
Ny toko sy andininy hodinihina mandritra ity herinandro ity dia maneho amintsika bebe kokoa momba ny finoan’i Petera sy ny fitokiany amin’izay inoany. Lazainy antsika mihitsy aza ny antony ananany finoana sy fitokiana tahaka izany. Nilaza i Petera fa tsy mino “anganongano noforonin’ny hafetsen’ny saina” izay nataon’olombelona isika (2 Pet. 1:16). Nilaza izany izy satria ny tantara toy izany dia tafiditra tao anatin’ny fivavahana amin’ny sampy tamin’ny androny. I Petera dia nahazo antoka ny amin’izay ninoany noho ny antony roa.
Voalohany, dia vavolombelona nahita maso an’i “Jesosy Kristy Tompontsika” izy (2 Pet. 1:16). Azo inoana anefa fa zava-dehibe kokoa ny antony faharoa. Nahoana? Satria ny ankamaroan’ny olona dia tsy ho nahita maso an’i Jesôsy tahaka azy. Inona, araka izany, ny antony faharoa nahazoany antoka ny zavatra ninoany? Nahazo antoka tokoa izy satria ny finoany dia niorina tamin’ny “teny faminaniana” (2 Pet. 1:19). Araka izany, dia niverina tamin’ny Baiboly i Petera. Noresahiny ireo faminaniana manaporofo ny maha-Izy an’i Jesôsy. Ny faminaniana dia hafatra manokana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olony. Milaza mialoha izay hiseho amin’ny hoavy ny faminaniana. Tsy isalasalana fa ny faminaniana izay noresahin’i Petera dia mikasika ireo izay efa nambaran’i Jesôsy ihany momba ny Tenany (Mat. 26:54; Lio. 24:27). Araka izany, raha nandray tamim-pahamatorana ny Baiboly tahaka izany i Jesôsy sy i Petera, dia tokony hanao toy izany koa isika.
Pejy ambony
I JESOSY AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA (Sal. 22)
Manerana ny epistiliny, dia asehon’i Petera fa azony antoka izay inoany. Fantany izay resahiny satria fantany i Jesôsy Ilay anton-dresany. Fantatr’i Petera fa i Jesôsy Ilay tondroin’ireo mpaminanin’ny TT. Fantany fa ny Baiboly no Tenin’Andriamanitra natao an-tsoratra, ary ny fitokiany amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manampy azy hahalala ilay Teny “tonga nofo” (Jao. 1:14).
Ao amin’ny 1 Pet. 1:10-12 dia mampitodika ny sain’ny mpamaky amin’ny Baiboly Hebreo i Petera. Noresahiny izay nampianarin’ny mpaminany momba an’i Jesôsy. Araka izay nambaran’i Petera, dia hazavain’ny Fanahy Masina ao amin’ny TT ny fahamarinana manan-danja roa mikasika an’i Jesôsy. Ny fahamarinana voalohany dia ny “fijalian’i Kristy”, ary ny faharoa kosa dia ny “voninahitra manaraka izany” (1 Pet. 1:11).
Vakio ny Sal. 22; Isa. 53:1-12; Zak. 12:10; Zak. 13:7; Jer. 33:14,15; ary ny Dan. 7:13,14. Ireo toko sy andininy ao amin’ny TT ireo dia nilaza mialoha zavatra marobe momba an’i Jesôsy. Inona no ampianarin’izy ireo?
Ao amin’ny 1 Pet. 1:10-12, i Petera dia manome toky ny mpamaky azy fa mitana anjara toerana manokana ao amin’ny tantaran’ny fanavotana izy ireo. Nahoana? Izao no antony: marobe no nampahafantarina azy ireo mihoatra noho izay nampahafantarina ny mpaminany fahiny. Niteny tamin’ny androny ireo mpaminany ireo, saingy ny ampahany manan-danja tamin’ny hafatra nentiny dia tsy niseho mandra-pahatonga an’i Kristy tety an-tany.
Nilaza zavatra maromaro izay tsy nitranga raha tsy tamin’ny andro niainan’ny mpamaky ny epistilin’i Petera ireo mpaminany. Ireo mpamaky ireo dia nandray ny fahamarinana avy tamin’ireo “nitory ny filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina” (1 Pet. 1:12). Koa dia notorina tamin’ny olona ny filazantsara. Vokatr’izany, dia fantatr’izy ireo an-tsipiriany kokoa ny fahamarinana mikasika ny fijalian’i Kristy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana mihoatra noho izay fantatr’ireo mpaminany fahiny. Mazava loatra fa tsy maintsy mbola miandry miaraka amintsika ny “voninahitra manaraka” (1 Pet. 1:11) ireo mpino tamin’ny andron’i Petera. Efa niseho ny ampahany voalohany amin’ireo faminaniana, koa mahazo antoka isika fa ho tanteraka koa ny ampahany farany.
Inona ny teny fikasan’ny Baiboly tanteraka teo amin’ny fiainanao? Inona no mbola andrasanao? Midika inona aminao izy ireny? Ahoana no hianaranao hifikitra amin’izy ireny, eny fa na dia amin’ny fotoam-pitsapana aza?
Pejy ambony
FAHITANA MASO NY FIANDRIANANA (2 Pet. 1:16-18)
Vakio ny 2 Pet. 1:16-18. Inona ny porofo hafa nambaran’i Petera nanehoany ny finoany an’i Jesôsy?
Fantatsika fa ny finoan’i Petera dia miorina amin’ny faminanian’ny Baiboly tao amin’ny TT. I Petera koa anefa dia nahita maso ny zavatra marobe notoriny. Nolazainy fa ny finoana kristianina dia tsy miorina amin’ny “anganongano” noforonin’olombelona (2 Pet. 1:16), fa miorina amin’ny zava-nisy marina izay nitranga teo amin’ny tantara.
Azontsika vakina ireo fanandramana niainan’i Petera ao amin’ireo boky efatra voalohany ao amin’ny TV. Ireo boky ireo dia antsoina koa hoe Filazantsara. Araka izay hita ao amin’ny Filazantsara, dia teo i Petera nandritra ireo fotoana nanan-danja teo amin’ny fiainan’i Jesôsy sy ny asany. Teo izy nandritra ny toriteny, ny fampianarana ary ny fahagagana. Nahita maso ny fahagagana voalohany momba ny hazandrano i Petera ao amin’ny Lio. 5:4-6. Hitany koa i Jesôsy tany Galilia rehefa nitsangana tamin’ny maty (Jao. 21:15).
Ao amin’ny 2 Pet. 1:17,18 dia mifantoka amin’ny toe-javatra iray i Petera. Toe-javatra izay hitany manokana izany. Inona izany? Ary inona ny hevitr’izany manokana?
Nifantoka tamin’ny toe-javatra iray izay natrehiny maso i Petera. Tsy inona izany fa ny fiovan-tarehin’i Jesôsy. Nandritra izany fotoana izany no nitondran’i Jesôsy an’i Petera sy i Jaona ary i Jakôba tany an-tampon-tendrombohitra mba hivavaka (Lio. 9:28). Raha tany amin’izany toerana izany izy ireo, dia niova tarehy teo imasony i Jesôsy, namirapiratra ny tavany ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava (Mat. 17:2; Lio. 9:29). Niseho tamin’ny mpianatra niaraka tamin’i Jesôsy koa i Mosesy sy i Elia. Ary nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: “Izy no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Mat. 17:5).
Marobe ny zavatra hitan’i Petera nandritra ny fotoana niarahany tamin’i Jesôsy, saingy niavaka ity toe-javatra iray ity, izay naneho fa Zanak’Andriamanitra i Jesôsy. Nampiseho izany fa nolanina araka ny drafitr’Andriamanitra ny fotoana niainan’i Jesôsy teto an-tany, ary naneho koa fa nanana fifandraisana manokana tamin’ny Ray Izy.
Mieritrereta momba ny toe-javatra iray izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainam-panahinao sy ny finoanao. Inona izany toe-javatra izany? Midika inona ho anao izany amin’izao fotoana izao? Araka ny hevitrao, nahoana izany no nisy fiantraikany taminao tahaka izany?
Pejy ambony
NY FITARIK’ANDRO AO AM-PONTSIKA (2 Pet. 1:19)
Vakio tsara 2 Pet. 1:19. Inona no lazain’i Petera izay tena manan-danja tokoa amintsika, eny na amin’izao fotoana izao aza?
Ao amin’io toko sy andininy io, dia asehon’i Petera fa misy ny fahasamihafana eo amin’ny mazava sy ny haizina. Hitantsika izany fahasamihafana izany any amin’ny boky maro ao amin’ny Baiboly (Gen. 1:4; Jao. 1:5; Isa. 5:20; Efes. 5:8). Ho an’i Petera, ny Baiboly dia mamiratra tahaka ny fahazavana ao anaty “haizina” (ny dikan-teny sasany dia mandika io teny io amin’ny hoe “maharikoriko” na “maloto” koa). Izany no antony nilazany mazava tsara fa ilaintsika ny manaraka izay lazain’ny Baiboly mandra-pahatonga ny andro hiavian’i Jesôsy. Olombelona lavo isika, monina eto amin’ny tontolo lavo sy feno haizina. Ilaintsika ny herin’Andriamanitra hitarika antsika hiala ao amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana. Tsy iza izany fahazavana izany fa i Jesôsy.
Nampitodika ny sain’ny mpamaky tamin’ny tanjona iray i Petera. Ny olona sasany dia mino fa ny teny hoe “mandra-pahazavan’ny andro” dia midika ho ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. Ary izany tokoa ny fanantenantsika lehibe indrindra. Mifanindran-dalana amin’izay, ny hevitry ny “fitarik’andro” miposaka ao am-pontsika dia tahaka ny hoe efa miseho amin’izao fotoana izao izany. Toa mahakasika ny tsirairay manokana izany. Voalohany, ny “fitarik’andro” dia i Jesôsy (Apôk. 2:28; Apôk. 22:16). Ny fananana ny fitarik’andro miposaka ao am-pontsika dia sary an’ohatra izay manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny fifikirana amin’i Jesôsy, ary tokony hifikitra Aminy tanteraka isika. Amin’izay vao hiainantsika ny fisian’i Kristy velona ao amin’ny fiainantsika. Tsy tokony ho fampianaran’ny fiangonana fotsiny ihany i Jesôsy, fa tokony ho ivon’ny fiainantsika mihitsy. Izy no tokony ho loharanon’ny fanantenantsika sy ny finoantsika. Araka izany, dia nataon’i Petera mazava tsara ny fifandraisana misy eo amin’ny fandinihana ny Baiboly sy ny fananana fifandraisana mahavonjy amin’i Jesôsy Ilay “fitarik’andro”.
Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tokony hirehitra ao anatintsika ny fahazavana, ary haelintsika amin’ny hafa izany avy eo. “Natao hohazavain’ny voninahitry ny fahamarinan’Andriamanitra ny tany manontolo. Natao hamirapiratra amin’ny tany rehetra sy ny olona rehetra ny fahazavana. Ireo izay nandray izany no tokony hampamirapiratra izany. I Jesôsy no fitarik’andro izay miposaka eo amintsika. Asaina mitaratra izany fahazavana izany isika eny amin’ny lalan’ireo izay ao anatin’ny haizina.” – CETEG, t. 220.
Ahoana no hanampian’ny fandinihanao manokana ny Baiboly amin’ny fahalalanao an’i Jesôsy bebe kokoa?
Pejy ambony
NY TENY FAMINANIANA MAFY ORINA KOKOA (2 Pet. 1:19-21)
Vakio ny 2 Pet. 1:19-21. Inona no faminaniana resahin’i Petera mikasika ireo toko sy andininy ireo? Inona no tiany hambara rehefa nilaza izy fa “ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany”?
Hazavain’i Petera tsara fa ny finoana kristianina dia tsy miorina amin’ny “anganongano” noforonin’ny hafetsen’ny saina (2 Pet. 1:16). Milaza toe-javatra roa manaporofo izay nambarany izy: voalohany, dia ireo vavolombelona nahita maso an’i Jesôsy raha nanome voninahitra sy haja Azy Andriamanitra Ray (2 Pet. 1:16-18). Faharoa, dia ny faminanian’ny Baiboly izay nilaza mialoha ny fiavian’i Jesôsy (2 Pet. 1:19-21).
Nilaza koa i Petera hoe: “ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany” (2 Pet. 1:20). Tamin’ny fanambarana izany fahamarinana izany, dia tsy nandrara antsika tsy handinika samirery ny Baiboly i Petera. Tsy mifanaraka amin’izay nosoratany ao amin’ny 1 Pet. 1:13 izany fomba fisainana izany. Ankasitrahany aza ny nataon’ny mpaminany fahiny tamin’ny fandinihana tamim-pitandremana ny Baiboly mba hahafantarana ny hevitry ny faminaniana nomena azy ireo (1 Pet. 1:10).
Inona àry, araka izany, no tian’i Petera hambara? Niara-nitombo sy niara-nianatra ny fiangonan’ny TV. Anisan’ny tena iray lehibe ny Kristianina (1 Kôr. 12:12-14). I Petera dia nampitandrina ny amin’ny karazam-pandinihana nanoheran’ny Kristianina ny fahamarinana na ny fahazavana avy amin’ny fianakaviamben’ny mpino na ny fiangonana. Koa amin’ny fiarahana miasa, dia miara-mitombo ny fiarahamonina, satria miara-miasa aminy sy ny olona tsirairay ao anatiny ny Fanahy Masina. Azo zaraina sy ambara amin’ny fomba maro ary halalinina tahaka izany ny fahamarinana. Raha misy miasa irery ka mandà ny haka torohevitra avy amin’ny hafa na ny fiangonana, dia ho tonga amin’ny fahatakarana amin’ny hevitra diso izy, indrindra mikasika ny faminaniana.
Ao amin’ny andininy manaraka, dia mahita antony iray nanasongadinan’i Petera io lohahevitra io isika. Nanoratra tamin’ireo Kristianina izay nanana “mpaminany sandoka” sy “mpampianatra sandoka” (2 Pet. 2:1) teo amin’izy ireo izy. Nananatra azy ireo i Petera mba hitondra ny fanazavany ny Baiboly ho eo amin’ny fiangonana ho amin’ny fanekena izany. Olona marobe rahateo no niala tamin’ny fiangonana ho amin’ny fizirizirian-tsaina sy ny fahadisoana satria nandà tsy hihaino ny torohevitra avy amin’ny fiangonana izay tarihin’ny Fanahy Masina. Nampidi-doza izany tamin’izany andro izany, ary hatramin’izao.
Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mandray ny torohevitra ombam-pahendren’ny fiangonana? Hatraiza no tokony hanekentsika ny hafa?
Pejy ambony
NY BAIBOLY EO AMIN’NY FIAINANTSIKA (2 Tim. 3:15-17)
Araka izay hitantsika, dia nanome lanja lehibe ny Baiboly i Petera. Ny 2 Pet. 1:19-21 dia maneho ny maha-zava-dehibe ny Baiboly ho an’ny fanandramana amin’ny maha-Kristianina antsika. Milaza ireo andalan-teny ireo fa avy tamin’ny herin’Andriamanitra ny Baiboly. Mazava kokoa ny fanambarany izany ao amin’ny 2 Pet. 1:21. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny Baiboly dia tsy vokatry ny fisainana sy fihetseham-pon’olombelona tahaka ny boky hafa, fa tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no nisian’izany. Araka izay nitondran’ny Fanahy Masina no “nitenenan’ny olona”.
Vakio ny 2 Tim. 3:15-17. Ahoana no hanampian’ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no anohanany ny fahamarinana hita ao amin’ny 2 Pet. 1:19-21?
Nampitandrina an’i Timoty i Paoly momba ireo loza nananontanona azy sy ny fiangonana. Novelabelariny fohifohy ao amin’ny 2 Tim. 3:16 avy eo ny maha-zava-dehibe ny Baiboly.
Andeha hojerentsika ireo teboka telo nentin’i Paoly nilazana fa tena ilaina ny Baiboly.
Fampianarana na foto-pinoana: ny foto-pinoana dia ireo fampianaran’ny fiangonana. I Kristy no tokony ho ivon’ny foto-pinoana tsirairay, ary izany dia tokony hampianatra antsika zavatra izay hanampy antsika hahafantatra ny tokony ho fomba fiaina mifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra. “(…) ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” (Rôm. 12:21).
Fanitsiana ny fahadisoantsika: Nolazain’i Paoly tamin’i Timoty fa ilaina ny Baiboly “(…) ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana” (2 Tim. 3:16). Tahaka izany koa no nambaran’i Petera rehefa nilaza izy fa tahaka ny jiro mahazava ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mahazava ao amin’ny toerana maizina izany (2 Pet. 1:19). Ny tiany hambara dia izao: mitari-dalana antsika ny Baiboly amin’izay tokony hitondrantsika ny fiainantsika. Mampianatra antsika izany ny amin’ny fitondran-tena mety sy tsy mety hatao. Ny Fanahy Masina no nitari-dalana ireo lehilahy nanoratra ny Baiboly. Araka izany, ny Baiboly dia manana ny fahefana hampiseho antsika ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika.
“Ho hendry ho amin’ny famonjena”: i Paoly dia nilaza fa ilaina ny Baiboly hahatonga ny fiainantsika ho feno indray. Mampianatra antsika izay hahatongavana “ho amin’ny famonjena” (2 Tim. 3:15) izany. Nohamafisin’i Paoly fa mitarika antsika ho eo amin’i Jesôsy ny Baiboly, satria ny famonjena dia miorina amin’ny finoana fa maty noho ny otantsika i Jesôsy. Araka izany, ny Baiboly dia manome antsika fampianarana, fanitsiana ary fahalalana momba ny famonjena. Tsy tokony hahagaga ny Baiboly raha tahaka ny “jiro mahazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro” (2 Pet. 1:19).
Pejy ambony
ZOMA
FIANARANA FANAMPINY: “Adidy voalohany indrindra sy ambony indrindra mipetraka amin’ny olona misaina rehetra ny mianatra ny fahamarinana avy amin’ny Soratra Masina, ary manaraka izany dia ny mandeha amin’ny fahazavana sy ny mampahery ny hafa hanaraka ny ohatra nomeny. Tokony hianatra ny Baiboly amim-pahazotoana isan’andro isika, ka handanjalanja ny hevitra rehetra sy hampitaha ny Soratra Masina amin’ny Soratra Masina. Tokony hamolavola ny hevitry ny tenantsika amin’ny fanampian’Andriamanitra isika satria isika ihany no hampamoahana ny amin’ny tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra.
“Ireo fahamarinana izay nambaran’ny Baiboly amin’ny fomba mazava indrindra dia nampidiran’ny manam-pahaizana fisalasalana sy haizina; manam-pahaizana izay mihambo ho manam-pahendrena lalina ka mampianatra fa ny Soratra Masina dia misy heviny miafina ara-panahy izay tsy miharihary eo amin’ny teny ampiasaina. Mpampianatra sandoka ireny olona ireny. Antokon’olona toy ireny no nilazan’i Jesosy hoe: ‘Tsy fantatrareo ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra’ (Mar. 12:24). Tokony horaisina araka ny heviny mazava tsy misy tandindona na sary ny fitenin’ny Baiboly. Nanome teny fikasana Kristy nanao hoe: ‘Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy’ (Jao. 7:17). Raha raisin’ny olona araka ny amakiany azy ny Baiboly, raha tsy misy mpampianatra sandoka handiso lalana sy hampikorontana ny sainy, dia hisy asa ho vita izay hahafaly ny anjely ka hahatonga olona arivoarivo izay mirenireny ao amin’ny hevi-diso ankehitriny ho tafiditra ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy.” – HM, tt. 624,625
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Inona ireo fitsipika manan-danja hafa tafiditra ao anatin'ny fitadiavana izay fomba hahatakarana mazava tsara ny Baiboly?
2. I Martin Luther dia nanoratra toy izao: “Fahazavana ho an’ny tenany ny Baiboly”. Ny tiany hambara dia izao: miray hevitra ireo boky ao amin’ny Baiboly. Ny ampahany iray dia azo ampiasaina hahatakarana ny ampahany hafa. Inona avy ireo ohatra hitanao ny amin’izany fitsipika izany?
3. Raha misy olona manontany anao hoe ahoana no mahatonga ny fandinihana ny Baiboly hanamafy orina hatrany ny fandehananao miaraka amin’Andriamanitra, inona no havalinao? Inona no foto-kevitra nianaranao avy tamin’ny fanandramanao manokana momba ny fikatsahana ny fahalalana an’i Jesôsy Tompo tamin’ny alalan’ny fandinihana ny Teniny?
Pejy ambony