26 AOG. - 01 SEPT.
IREO FANEKENA ROA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 4:21–31; Gen. 1:28; 2:2,3; 3:15; 15:1–6; Eks. 6:2–8; 19:3–6.
Tsianjery: “Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo” – Gal. 4:26.
Ny Kristianina izay mandà ny fahefan’ny TT dia matetika no mahita fa tsy mifanaraka amin’ny filazantsara ny nanomezana ny lalàna teo Sinay. Mihevitra izy, araka izany, fa efa nilaozan’ny toetr’andro ny fanekena nomena teo Sinay ary natao ho an’ny vanim-potoana izay niankinan’ny famonjena tamin’ny fankatoavana ny lalàna. Saingy satria tsy nahavita niaina araka ny fitakian’ny lalàna ny olona, hoy izy ireo, dia nanao fanekena vaovao izay miorina eo amin’ny fahamendrehan’i Jesôsy Kristy Andriamanitra.
Diso anefa io fomba fijery saika iraisan’ny maro io. Tsy avy amin’ny fankatoavana ny lalàna velively ny famonjena. Efa hatrany am-boalohany ny fivavahan’ny Jiosy no fivavahan’ny fahasoavana sy ny famindram-po. Tany Galatia i Paoly dia nanohitra ny foto-pinoana momba ny famonjena azo amin’ny alalan’ny asa ary izany fahadisoan-kevitra izany no nanalavitra ny olona tamin’ny fahamarinana sy ny TT. Tsy momba ny fotoana tsy akory ireo fanekena roa ireo; ny mifanohitra amin’izany aza satria fomba roa samihafa ireo izay maneho ny fiezahan’ny olona hahazo famonjena. Efa hatrany amin’ny andron'i Kaina sy i Abela izany fomba izany. Ilay fanekena voalohany dia tandindon’ireo izay mitoky amin’ny asa ataony mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Nitoky tamin’ny fahatsaran’ny tenany mantsy i Kaina. Ny fanekena vaovao kosa dia mampiseho ny fanandraman’ireo izay matoky an’Andriamanitra fa hanatanteraka izay rehetra nampanantenainy Izy. Toy izany koa, natoky an’Andriamanitra i Abela fa hamela ny helony Izy.
Pejy ambony
Ny mombamomba ny fanekena (Gen. 2:2,3,15-17)
Ao amin’ny Gal. 4:21-31, i Paoly dia nanoratra mikasika ny tantaran’ny Isiraely. Olona maro no mihevitra fa ireo andalan-teny ireo no saro-takarina indrindra ao amin’ny taratasy nosoratany. Ny dingana voalohany tokony hatao mba hahatakarana ny tenin’i Paoly dia ny fahafantarana ny tiany holazaina amin’ny hoe “fanekena”. Ny fanekena dia azo lazaina hoe fifanarahana na fifanekena ataon’Andriamanitra sy ny vahoakany.
Berit no teny Hebreo nandikana ny hoe “fanekena”. Efa ho intelonjato no isehoan’io teny io ao amin’ny TT ary fifanekena ara-dalàna mihitsy no resahiny. Efa an’arivo taonany maro no nitanan’ny fanekena anjara asa feno teo amin’ny famaritana ny fifandraisana nisy teo amin’ny vahoaka sy ny firenena nanerana ny “Proche-Orient” fahiny. Tafiditra ao anatin’ny fanaovana fanekena ny famonoana biby. Izany dia mampiseho ny zavatra hitranga raha misy tsy mahatanteraka ny fampanantenany na ny adidy tokony hataony ny anankiray amin’ireo mpifanaiky.
“Nampiasain’Andriamanitra ny fanekena mba hanehoana amin’ny taranak’olombelona ny drafiny. Hatrany amin’ny fotoan’andron’i Adama no nanatanterahany izany. Ny Mesia ho avy no notondroin’ny teny fikasana momba ny fanekena. Ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida no fetra ambony indrindra tratran’izany teny fikasana izany (Vakio ny Gen. 12:2,3; 2 Sam. 7:12-17; Isa. 11). Tonga andevo tany Babilônina ny Isiraely taorian’izay ary nandritra izany fotoana izany, Andriamanitra dia nampanantena fanekena tsara kokoa tamin’ny Isiraely. Izany fifanarahana izany no ilay “fanekena vaovao” (Jer. 31:31-34) ka ny Mesia ho avy no noresahiny (Ezek.36:26-28; Ezek. 37:22-28). Ny Mesia no ilay nofidin’Andriamanitra hamonjy ny olona amin’ny fahotany ary nampanantena Andriamanitra fa ho avy amin’ny taranak’i Davida izany” – OCR, t. 4.
Vakio ny Gen. 1:28; Gen. 2:2,3,15-17. Nanao fanekena tamin’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena Andriamanitra talohan’ny nanotan’izy ireo. Inona no fototra niorenan’izany fanekena izany?
Niorina teo amin’ny baiko nomen’Andriamanitra izany fa tsy azony hihinanana ny voan’ny hazo anankiray. Tsy hoe tsy azo notandremana anefa izany didy izany. Nohariana hankatò ny olombelona saingy nifidy ny tsy hankatò i Adama sy i Eva. Notapahiny ny fanekena nomena azy ireo tamin’ny famoronana ary dia nanjary tsy mahay mankatò ny olona vokatry ny ota. Andriamanitra ihany anefa no namerina tamin’ny laoniny izany fifandraisana notapahin’i Adama sy Eva izany. Nohavaoziny tamin’ny alalan’ny fampanantenana Mpamonjy izany ary io fampanantenana io no tonga fanekem-pamindrampo vaovao.
Vakio ny Gen. 3:15. Ao amin’io andininy io no ahitana ny teny fikasan’ny filazantsara voalohany ao amin’ny Baiboly. Ahoana no anehoan’io andininy io ny fanantenana ananantsika ao amin’i Kristy?
Pejy ambony
Ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama (Gen. 12:1-5)
Inona no fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrama ao amin’ny Gen. 12:1-5? Inona no navalin’i Abrama?
Ny fampanantenana voalohany nataon’Andriamanitra tamin’i Abrama dia ireo andininy miezinezina indrindra ao amin’ny TT. Momba ny famindrampon’Andriamanitra avokoa izany andininy izany. Andriamanitra no nanome ny teny fikasana fa tsy i Abrama ary tsy nisy na inona na inona nataony ka nahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona koa ao amin’izany andininy izany ka maneho fa nisy fiaraha-miasa ihany teo amin’Andriamanitra sy i Abrama mba hahatongavana amin’izany fanekena izany. Nampanantena ny zavatra rehetra Andriamanitra ary ny hany nangatahina tamin’i Abrama dia ny hananany finoana ny teny fikasan’Andriamanitra. Tsy mba finoana osaosa izany finoana izany fa nibaribary tamin’ny nandaozany ny ankohonany ka nandehanany tany amin’ny tany nampanantenaina teo amin’ny faha-75 taonany.
Vakio ny Gen. 15:1-6. Nampanantena zanakalahy tamin’i Abrama Andriamanitra. Taorian’ny 10 taona niandrasana ny fahaterahan’ilay zanaky ny teny fikasana, dia inona avy ireo fanontaniana tao an-tsain’i Abrama mikasika ny fampanantenan’Andriamanitra?
Matetika no mora erỳ ny mihevitra an’i Abrama ho lehilahin’ny finoana izay tsy mba nanana ahiahy na koa fanontaniana nanitikitika tao an-tsainy tao. Tantara hafa mihitsy anefa no ambaran’ny Baiboly. Nino i Abrama saingy mba nanam-panahiana koa izy teny an-dalana teny; na izany aza anefa dia nitombo koa ny finoany. Amin’ny lafiny sasany dia mitovy amin’ilay ray ao amin’ny Mar. 9:24 ihany i Abrama. Ny tena nolazain’i Abrama tamin’Andriamanitra ao amin’ny Gen. 15:8 mantsy dia toy ny hoe: “vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako”.
Nilaza tamin’i Abrama Andriamanitra fa azo antoka sady mahatoky ny teny fikasany. Nanao fifanekena ara-dalàna tamin’i Abrama Izy mba ho hitany fa azony atao tsara ny mitoky Aminy (Gen. 15:7-18). Ny tena mahasondriana amin’io andalanteny io dia tsy ilay nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’i Abrama loatra, fa ilay Izy vonona hanetry tena hidina mba hanatanteraka izany. Tsy mba tahaka ireo mpanapaka hafa tany amin’ny faritr’i “Proche-Orient” fahiny, izay tsy naniry hanao fanekena ara-dalàna tamin’ny mpanompony, fa Andriamanitra kosa dia tsy vitan’ny hoe nanome ny teniny fotsiny ihany, fa namakivaky teo amin’ny silatsilak’ireo biby novonoina mihitsy. Mampiseho izany fa vonona ny hanolotra ny ainy Andriamanitra hihazonany ny fampanantenany, ary izany indrindra no niseho teo amin’ny hazo fijaliana rehefa nanolotra ny ainy tao Kalvary i Jesôsy. Ny fahafatesany no nahatanteraka ny fampanantenana nataony.
Lafiny inona eo amin’ny fiainanao no ilànao finoana mba hinoanao izay zavatra toa tsy azo tanterahina? Ahoana no hianaranao mifikitra amin’ny finoana, na inona na inona hitranga?
Pejy ambony
I Abrahama sy i Saraha ary i Hagara (Gal. 4:21-31)
Vakio ny Gal. 4:21-31 sy ny Gen. 16. Nahoana i Paoly no manana fomba fijery somary henjankenjana mikasika izay niseho tamin’i Hagara? Inona no fanazavana lehibe omen’i Paoly eto raha nampiasa io tantara ao amin’ny TT taloha io izy?
Andevovavy egiptianina tao an-tokantranon’i Abrama i Hagara. Ny toeran’i Hagara ao amin’ny tantaran’ny Genesisy dia mifandray mivantana amin’ny tsy ninoan’i Abrama ny teny fikasan’Andriamanitra.
Taorian’ny folo taona niandrasana ny fahaterahan’ilay zanaky ny teny fikasana, dia tsy mbola nanan-janaka ihany i Abrama sy i Saray. Nihevitra i Saray fa nila ny fanampian’izy ireo Andriamanitra, ka dia nomeny hovadin’i Abrama i Hagara. Na dia hafahafa ho antsika amin’izao fotoana izao aza ny tetik’i Saray; dia feno faharanitan-tsaina kosa izany. Raha ny fomba amam-panao fahizany mantsy, dia ara-dalàna tsara ny mampanana anaka ny andevovavy mba hanome zaza ho an’ny tompovaviny momba. Azon’i Saray atao tsara araka izany ny mandray ho toy ny zanany naterany izay mety ho zaza hateraky ny vadiny sy i Hagara eo. Na dia nampisy zaza tokoa aza ilay tetika, dia tsy izany zaza izany no zanaky ny teny fikasan’Andriamanitra.
Ohatra iray lehibe no hitantsika ao amin’io tantara io ny amin’izay mitranga rehefa latsaka amin’ny tsy finoana ny lehilahin’Andriamanitra iray. Ao amin’ny Gen. 17:18,19 i Abrahama dia niangavy an’Andriamanitra mba hanekeny ny handovan’i Isimaela azy. Nolavin’Andriamanitra ny fangatahany. Tsy misy zavatra hafa mahagaga tamin’ny fahaterahan’i Isimaela ankoatran’ny fahavononan’i Saraha hizara ny vadiny tamina vehivavy hafa! Zaza teraka “araka ny nofo” i Isimaela (Gal. 4:29). Tsy ho nitranga velively ny toe-javatra rehetra manodidina an’i Hagara raha natoky ny teny fikasana nataon’Andriamanitra taminy i Abrahama. Alahelo marobe tokoa no ho azo nialana.
Vakio ny Gen. 17:15-19, Gen. 18:10-13 ary ny Heb. 11:11,12. Mifanohitra amin’ny nahaterahan’i Isimaela, jereo indray kosa izao ireo toe-javatra manodidina ny fahaterahan’i Isaka.
Nahoana no tena mila finoana matanjaka avy amin’i Abrama sy i Saray tokoa ireo toe-javatra ireo?
Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fahoriana vokatry ny tsy finoanao ny teny fikasan’Andriamanitra? Eo anatrehan’izany fahadisoana izany, dia ahoana no hianaranao mandray an’Andriamanitra amin’ny teniny, na inona na inona hitranga? Inona no safidy azonao atao mba hahatonga anao ho vao mainka hifikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra?
Pejy ambony
I Hagara sy ny tendrombohitra Sinay (Gal. 4:21-31)
Vakio ny Eks. 6:2-8, Eks. 19:3-6 ary ny Deo. 32:10-12. Inona no karazana fifandraisam-panekena tian’Andriamanitra haorina miaraka amin’ny vahoakany teo Sinay? Inona no mampitovy izany amin’ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama?
Nirin’Andriamanitra ny hizara amin’ny zanak’Isiraely teo Sinay ilay fifandraisam-panekena nozarainy tamin’i Abrahama. Misy fitoviany mantsy ny teny nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ao amin’ny Gen. 12:1-3 sy ny teny nataony tamin’i Mosesy ao amin’ny Eks. 19. Ao amin’ireo andalan-teny roa ireo, Andriamanitra dia manantitrantitra izay hataony ho an’ny vahoakany. Tsy mangataka ny Isiraelita Andriamanitra eto mba hanome toky fa hanao izay rehetra vitany mba hahazoana ny fitahiany; tokony hankatò kosa izy ireo ho setrin’izany fitahiana izany. Ny teny Hebreo nadika hoe “mankatò” ao amin’ny Eks. 19:5 dia midika ara-bakiteny hoe “mandre”. Tsy midika akory ny tenin’Andriamanitra fa vonjena amin’ny asa isika. Mifanohitra amin’izany aza, tiany ny Isiraely raha manana ilay finoana izay nasehon’ny valintenin’i Abrahama teo anatrehan’ny teny fikasany.
Ny fanekena teo Sinay dia nokendrena hanehoana amin’ny olona fa ny famindrampon’Andriamanitra no fanoitra amin’ny ota. Tsy avy tamin’Andriamanitra ny olana mahakasika ny fanekena teo Sinay fa avy amin’ny toky nomen’ny olona (Heb. 8:6). Fahatokian-tena no nasetrin’ny Isiraelita ny teny fikasan’Andriamanitra, raha tokony ho finoana sy fanetren-tena. “Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay" – Eks. 19:8. Rehefa avy niaina fiainam-pahandevozana nandritra ny efapolo taona mahery tany Egipta izy ireo dia tsy nahafantatra mazava ny fahalehibiazan’Andriamanitra na ny halalin’ny maha-mpanota azy ireo. Tahaka ny niezahan’i Abrahama sy i Saraha hanampy an’Andriamanitra amin’ny fanatanterahany ny teny fikasany, ny Isiraelita koa dia niezaka hamadika ny fanekem-pahasoavan’Andriamanitra ho fifanarahana araka asa. Tandindona maneho ny fahadisoana nataon’ny Isiraely teo Sinay i Hagara araka izany, satria asehony fa tsy afaka ny hahazo famonjena amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tenany ny olombelona.
Tsy milaza tsy akory i Paoly fa ratsy na koa noravana ilay lalàna nomena teo Sinay. Ny manahiran-tsaina azy dia ny tsy fahatakaran’ny Galatianina ny lalàna. “Raha tokony ho nandresy lahatra azy ireo ny lalàna fa tsy hahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra ny fitandremana azy, dia vao mainka izy ireo niankina tamin’ny ezaka manokana nataony mba hahazoana izany sitraka izany. Tsy nanampy hitarika ireo mpampianatra jiosy ho eo amin’i Kristy araka izany ny lalàna fa vao mainka nampanalavitra azy ireo Taminy” - COC, t. 181.
Pejy ambony
I Isimaela sy i Isaka amin’izao fotoana izao (Gal. 4:28-31)
Ny tantara fohy nataon’i Paoly mikasika ny Isiraely dia nokendrena hanoherana ireo hevitra naroson’ny mpiampanga azy. Nilaza mantsy izy ireo fa izy ireo irery ihany no tena zanak’i Abrahama ary i Jerosalema no reniny. Nolazainy koa fa ny Jentilisa dia tsy mba zanaka ara-dalàna, koa raha iriny ny ho tonga zanak’i Abrahama marina sy tena mpanara-dia an’i Kristy dia tokony hoforana aloha izy ireo.
Ny mifanohitra amin’izay no marina hoy i Paoly. Ireo fatra-pitandrin-dalàna diso toerana ireo no tsy mba zanak’i Abrahama fa zanaka tsy ara-dalàna, tahaka an’i Isimaela. Tamin’ny nametrahany ny fitokiany tamin’ny famorana, dia toy ny hoe niankina tamin’ny “nofo” izy ireo, tahaka ny nataon’i Saraha tamin’i Hagara ary tahaka ny nataon’ny Isiraelita tamin’ny lalàna teo Sinay. Ny mpino jentilisa kosa no zanak’i Abrahama. Tsy hoe nisy ifandraisany tamin’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fiterahana tsy akory izy ireo fa zanany tahaka an’i Isaka ihany noho ny fahagagana avy amin’Andriamanitra. “Tahaka an’i Isaka dia izy ireo no fahatanterahan’ny teny fikasana natao tamin’i Abrahama (...); tahaka an’i Isaka, ny fahaterahan’izy ireo ho amin’ny fahafahana, dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; tahaka an’i Isaka, dia mitovy laharana amin’izay manana ny teny fikasan’ny fanekena ihany izy ireo” - EG, t. 256.
Vakio ny Gal. 4:28–31, Gen. 21:8–12. Inona no hatrehin’ireo tena taranak’i Abrahama eto amin’ity tontolo ity?
Tsy fitahiana ihany no azon’ilay zanaky ny teny fikasana fa fanoherana sy fanenjehana koa. Ao amin’ny Gen. 21:8-10 i Isaka dia nomem-boninahitra tamin’ny fomba manokana ary i Isimaela kosa dia toa naneso azy. Ny teny Hebreo ao amin’ny Gen. 21:9, dia midika ara-bakiteny hoe “mihomehy”, saingy ny fihetsika nasehon’i Saraha dia milaza fa naneso na nanao ho fihomehezana an’i Isaka i Isimaela. Na dia mety tsy hanome tsiny loatra ny fihomezan’i Isimaela aza isika amin’izao fotoana izao, dia maneho ny fankahalana lalina misy eo amin’ny ankohonana voazarazara kosa izany rehefa tandindomin-doza ny lafiny fandovana.
Amin’ny maha-taranak’i Isaka ara-panahy antsika, dia tsy tokony ho gaga isika raha mandalo fahoriana sy fanoherana, na dia avy amin’ireo mpiray fanantenana amintsika aza.
Tamin’ny fomba ahoana no efa niatrehanao fanenjehana noho ny finoanao, indrindra indrindra fa avy tamin’ireo izay akaiky indrindra anao? Na apetraho aminao koa ity fanontaniana somary henjana ity: Mety ho meloka noho ny fanenjehanao ny hafa vokatry ny finoany ve ianao? Saintsaino ny momba izany.
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio ny PM, toko 32: “Ny lalàna sy ny fanekena”.
“Nefa-mety hisy hanontany-fa raha tamin’i Abrahama no vita ny fanekena misy ny fampanantenana ny fanavotana, fomba ahoana indray no hanazavana fa misy fanekena natao tao Sinay taty aoriana? – Ny antony, dia satria nandritra ny fanandevozana, dia saika hadinon’ny Hebreo manontolo ny fahalalana an’Andriamanitra sy ireo fitsipika voarakitra tao amin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama (...)
“Mba hampianarana izany rehetra izany azy, dia nentin’Andriamanitra tao Sinay izy, ka nanehoany ny voninahiny sy nomeny ny Lalàny ary nampanantenainy zava-tsoa marobe ho valin’ny fankatoavany: ‘Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo, ka hitandrina ny fanekeko, (...) dia ho fanjakà-mpisorona ho Ahy hianareo” – Eks. 19:5,6. Niditra tsy tamim-pisalasalana tamin’ny fanekena nolazaina azy ny olona, satria tsy tsapany ny faharatsian’ny fon’olombelona; ary tsy fantany fa tsy ho azony atao ny hitandrina ny lalàn’Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy (...)
“Vao tsy lasa akory ny herinandro vitsivitsy nisehoan’ny toe-javatra miezinezina sy mampihorohoro nandrenesany tamin-kovitra ny fanambarana ny Lalàn’Andriamanitra, dia novotsorany sahady ny fanekena nataony tamin’i Jehovah, ka niankohoka teo anoloan’ny sary an-idina izy! Tsy azony natao intsony ny nitady sitraka tamin’Andriamanitra noho ny fivadihany tamin’ny fanekena. Fa ankehitriny kosa, rehefa nahatsiaro ny amin’ny fahoriany ara-panahy sy ny tokony hitadiavany famelan-keloka izy, dia voaofana hahalala fa mila Mpamonjy azo tamin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama sy ny fanatitra natao tandindona. Hatramin’io fotoana io, dia afaka hankasitraka ny soa noraisiny tamin’ny fanekena vaovao izy, rehefa nentanin’ny finoana sy ny fankasitrahana an’Andriamanitra izay nanafaka azy tamin’ny fanandevozan’ny fahotana” – PM, tt. 363-364.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
-Moa ve araka ny “fanekena taloha” sa araka “ny fanekena vaovao” ny fiarahanao mandeha amin’Andriamanitra? Ahoana no ahafantaranao izany?
-Inona avy ireo olana mahatonga fahoriana ao amin’ny fiangonanao? Ahoana no fomba hamahana izany? Ahoana no hahazoanao antoka fa tsy ianao no anisan’ny mahatonga izany fahoriana izany? (Vakio koa ny Mat. 18:15-17).
-Efa nampanantena zavatra tamin’Andriamanitra ve ianao kanefa tsy nahatanteraka izany akory? Ahoana no hanampian’izany toe-javatra mampalahelo izany anao hahatakatra ny tena hevitry ny famindrampon’Andriamanitra?
Famintinana: Ny tantaran’i Hagara sy i Isimaela ary ny zanak’Isiraely teo Sinay dia maneho fa fahadalana ihany ny fiezahana mitoky amin’ny ezaka ataon’ny tena manokana mba hahatanteraka izay efa nampanantenain’Andriamanitra. Ny fanekena vaovao no fanekem-pahasoavana maharitra mandrakizay izay natao tamin’i Adama sy i Eva taorian’ny nanotany aloha, avy eo nohavaozina tao tamin’i Abrahama ary farany notanterahina tao amin’i Kristy.
Pejy ambony