11 - 17 MARTSA 2017
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 7:51; Heb. 10:24,25; Efes. 4:25--5:2; 1 Tes. 5:19-21; Mar. 3:28,29.
Tsianjery: “Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana” – Efes. 4:30.
Ny Fanahy Masina dia manana fahafahana manokana hitarika antsika mpanota hahatakatra tsara ny tena maha-mpanota antsika. Manampy antsika hanaiky an’i Jesôsy koa Izy. Ny Fanahy no manampy antsika haniry ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina irery ihany mantsy no manana ny hery izay tsy itoviany amin’ny hafa. Izy no mahatonga antsika ho mpandresy sy haneho ny toetra kanton’i Jesôsy.
Mpanota malemy isika, saingy mbola afaka manohitra ny herin’ny Fanahy Masina ihany. Tsy manery antsika handray Azy anefa ny Fanahy Masina.
Mahataona sady mambabo tokoa ny fahotana kanefa tena mamitaka ary mitarika any amin’ny fahafatesana mihitsy. Ny anton’izany dia satria mifanohitra tanteraka amin’Andriamanitra ny ota. Andriamanitra mantsy dia madio sy masina ary tsara, ary ny Fanahy Masina dia mampiseho amintsika ny fahatsaran’Andriamanitra.
Manohitra ny ota amin’ny endriny rehetra ny Fanahy Masina. Malahelo Izy rehefa manota isika na koa tsy te hiala amin’izany. Manan-kery be tokoa ny Fanahy Masina, saingy ny heriny tsara izay mitaona antsika dia mety hodian’ny olona tsy re na maty mihitsy aza, tahaka ny afo matin’ny rano. Manohitra ny herin’ny Fanahy Masina isika rehefa miroso hatrany ao amin’ny fiainam-pahotantsika. Milaza amintsika ny bokin’ny Filazantsara fa misy ny ota izay tsy hahazoantsika famelan-keloka. Tsy inona izany fa ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (Mat. 12:31,32).
Amin’ity herinandro ity isika dia handinika izay voalazan’ny Baiboly momba ny fampalahelovana ny Fanahy Masina, ny tsy fihainoana ny teniny ary ny fanoherana Azy. Hodinihintsika koa ny amin’ny ota tsy hahazoana famelan-keloka.
Manohitra ny Fanahy Masina (Asa. 7:51)
Vakio ny Asa. 7:51. Inona no fampitandremana omena eto ao amin’ny Asa. 7:51? Manao ahoana koa ny lanjan’izany ho antsika izay velona amin’izao vanim-potoana izao?
Fahotana maro no ambaran’ny Baiboly fa ataon’ny olona amin’ny Fanahy Masina. Ao ireo fahotana amin’ny Fanahy izay ataon’ny isam-batan’olona. Ao kosa ireo ataon’ny vondron’olona miaraka. Hitantsika izany fahamarinana izany rehefa mamaky ny Asa. 7:51 isika. Ambaran’i Stefana ho “mafy hatoka” ireo mpiampanga azy. Tahaka ireo Isiraelita izay nivavaka tamin’ny ombilahy kely volamena ihany izy ireo (Eks. 33:3). Nilaza izany i Stefana satria nandà tsy hihaino izay nolazain’ny Fanahy Masina taminy izy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminanin’Andriamanitra. Tao koa ireo olona sasany izay nampitandremin’i Stefana kanefa tsy nihaino. Nandà an’i Jesôsy Kristy Tompo izy ireo. Raha tokony ho nanaraka an’i Jesôsy izy ireo, dia natakalony fivavahana ivelambelany fotsiny ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra velona.
Mahagaga ny saina ihany ny mahafantatra fa isika olombelona lavo sady malemy ary mila miantehitra amin’Andriamanitra dia mbola afaka manohitra ny asan’ny Fanahy Masina ihany ary farany dia ny fahasoavan’Andriamanitra mihitsy. Marina tokoa fa mahery indrindra Andriamanitra, kanefa tsy mba manery ny safidintsika Izy. Manaja ny safidintsika Izy.
Andeha atao hoe teren’Andriamanitra hankatò Azy isika. Koa nahoana àry no tsy tany Edena dia efa notereny i Adama sy i Eva hankatò Azy? Azon’Andriamanitra natao tsara tamin’ny alalan’izany ny nisakana ny olan’ny fahotana iray manontolo. Noharian’Andriamanitra ho zava-manana aina manana safidy malalaka isika. Nomeny antsika ny fahefana hifidy ny tsara na ny ratsy ary koa ny marina na ny diso. Nomeny antsika koa ny fahazoana mifidy ny fiainana na ny fahafatesana. Fanomezana masina sy sarobidy manao ahoana re izany nomen’Andriamanitra antsika izany e!
Na dia tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny aza ny tsirairay avy, ny rehetra kosa dia manana andraikitra iraisana. Tokony hifampirisika ny ho mahatoky isika, ny hankatò ny tenin’Andriamanitra ary ny hitoetra eo akaikin’i Jesôsy (Heb. 10:24,25). Manohitra ny Fanahy Masina isika rehefa tsy mihaino izay ambaran’ny mpaminaniny amintsika.
Mora tokoa ny mitsaratsara sy mitsikera ny vahoaka isiraelita tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly noho ny fahadisoana vitan’izy ireo. Ahoana anefa ny amin’ny safidy mampalahelo ataontsika? Ahoana hoy ianao raha haharihary ampahibemaso tahaka ny fahadisoan’ny Isiraely fahizay izany safidy mampalahelo izany?
Inona avy ireo fomba hahazoantsika manampy ny hafa ho tia manao asa tsara? Inona no andraikitsika amin’ny hafa mba hanampiana azy ireo hanatanteraka izany zavatra izany?Mampalahelo ny Fanahy Masina: Fizaràna 1 (Efes. 4:30)
Vakio ny Efes. 4:30. Baiko hentitra no ampiasain’i Paoly ao amin’io andininy io mba hampitandremana antsika tsy “hampalahelo ny Fanahy Masina”. Inona no hevitry ny hoe mampalahelo ny Fanahy Masina?
Ny Fanahy Masina dia Persôna, fa tsy hery avy amin’Andriamanitra fotsiny. Izany no antony mahatonga azy ho mety malahelo. Ahoana anefa no fomba ampalahelovantsika ny Fanahy Masina? Tokony hotsaroantsika angamba fa anankiray amin’ireo asan’ny Fanahy Masina ny manokatra ny masontsika hahita ny ota (Jao. 16:8). Amin’izany fomba izany no hitarihany antsika ho eo amin’i Jesôsy, izay mamela ny helotsika sy manamasina antsika. Ny Fanahin’Andriamanitra rahateo dia antsoina hoe: “Masina”. Masina Izy satria halany ny ota. Faly kosa anefa Izy rehefa mankatò an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra isika. Mahafaly ny Fanahy isika rehefa misaintsaina sy miteny zavatra madio sy masina. Malahelo ny Fanahy rehefa manao zavatra mifanohitra amin’ny fiainana izay asainy iainantsika isika. Izay safidy rehetra mbola mampifikitra antsika amin’ny fahotana dia mampalahelo Azy avokoa. Mampalahelo ny Fanahy koa isika rehefa manao ny ota ho zavatra tsy dia mampaninona loatra. Tsy mba zavatra maivamaivana ny fampalahelovana ny Fanahy Masina.
Miresaka ny amin’ny fanomezana alahelo ny Fanahy Masina àry i Paoly ao amin’ny Efes. 4:30. Mialoha io andalan-teny io anefa, dia miresaka ny amin’ny tokony handaozantsika ny fiainantsika teo aloha i Paoly. Resahiny amin’izany ny tokony ho fomba fiainantsika rehefa ao amin’i Kristy isika. Izany hoe, ilaintsika ny manomboka fiainam-baovao. Mila miaina fiainana masina sy tsara tahaka an’Andriamanitra isika. Araka izany dia tokony hanana fanetren-tena sy fahalemem-panahy, ary fahari-po sy hifandefitra amin'ny fitiavana isika, ka hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana (Efes. 4:2,3). Na ahoana na ahoana, isika dia nohavaozina amin’ny Fanahy (Efes. 4:23). Mpanara-dia an’i Kristy isika izao, ary Izy no Lohantsika vaovao (Efes. 4:15). Tsy tokony hiaina ny fiainan’ny tsy mpino intsony isika araka izany (Efes. 4:17), fa tokony hiaina fiainana izay mahafaly an’Andriamanitra (Efes. 4:24-31).
Tsy tokony havelantsika haka toerana ao am-pontsika akory ireo zavatra ratsy voatanisa ao amin’ny Efes. 4 ireo. Malahelo ny Fanahy rehefa misy amin’ireo voalaza ireo no miseho eo amin’ny fitenintsika sy ny zavatra ataontsika. Ny fampalahelovana ny Fanahy Masina anefa dia midika ho fandavana Azy. Tena manamasina antsika tokoa Izy ary manova ny fiainantsika, saingy tsy afaka ny hanova antsika raha mbola tiantsika ihany ny manohy manota.
Tena mihevitra ny fomba fiainantsika tokoa ny Fanahy Masina. Vakio ny Efes. 4:25-31. Tanisao ireo zavatra ataontsika ka mampalahelo ny Fanahy Masina. Nahoana no malahelo amin’ireo zavatra ireo ny Fanahy Masina?
Mampalahelo ny Fanahy Masina: Fizaràna 2 (Efes. 4:25--5:2)
Mety malahelo ny Fanahy Masina, ary midika indrindra izany fa tena mihevitra antsika sy ny ataontsika tokoa Andriamanitra. Misy fiantraikany eo amin’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra raisintsika sy ny fomba fiainantsika.
Vakio ny Efes. 4:25--5:2. Inona no asain’ireo andalan-teny ireo ataontsika? Hanao ahoana ny fiovan’ny fiainantsika raha manaraka ireo baiko ireo isika?
Mahafaly ny Fanahy Masina isika rehefa milaza ny fahamarinana amin’ny fitiavana. Mahafaly Azy isika rehefa malahelo ny amin’ny ota, saingy tsy manota ao amin’ny fahatezerana kosa. Mahafaly Azy isika rehefa miasa amin’ny tanantsika sy mampiasa ny vokatr’izany hanasoavana ny malahelo. Maharavoravo ny Fanahy Masina isika rehefa milaza ny marina sy mampianatra izany amin’ny hafa. Mahafaly ny Fanahy isika rehefa mizara ny vaovao mahafaly momba ny famindrampo sy ny famelan-kelok’Andriamanitra. Mahafaly Azy isika rehefa malemy fanahy sy mifandefitra ary tia mamela heloka.
Milaza antsika ho Kristianina isika. Noho izany dia mila maneho isika fa eo amin’ny fiainantsika i Kristy. Ilaintsika ny mampiseho fa nampiova antsika ny fitarihany sy ny fitiavany. Malahelo anefa ny Fanahy Masina raha miaina toy ny hoe tsy hita taratra velively eo amin’ny fiainantsika ny fisiany. Malahelo koa Izy raha milaza isika fa mino ny Fahamarinana, kanefa manohitra izany ny zavatra ataontsika sy ny fitondran-tenantsika. Manome alahelo Azy isika ohatra raha tsy mahatoky. Tsy tokony hisaraka velively amin’ny fomba fitondran-tenantsika ny ezaka ataontsika eo amin’ny fitaomana ny hafa ho eo amin’Andriamanitra. Ilaintsika araka izany ny maneho eo amin’ny fomba fiainantsika fa tena zanak’Andriamanitra marina isika. Mila maneho amin’ny hafa isika fa mahafantatra an’i Jesôsy, ary amin’izay fotoana izay dia hitondra fifaliana ao am-pon’Andriamanitra isika.
Vakio ny Efes. 4:3,4,15,16,32. Inona no ampianarin’ireo andalan-teny ireo antsika ny amin’ny atao hoe miaina ao amin’ny Fanahy? Ahoana no fomba fisehon’ny fiainana feno ny Fanahy eo anivon’ny fiarahamonin’ny mpino?
Miresaka ny amin’ny fomba tokony hifampitondran’ny samy Kristianina ny Efes. 4. Voalazan’i Paoly fa tokony ho iray ihany izy ireo ao amin’ny finoana. Imbetsaka no ilazany izany hevitra izany. Nahoana hoy ianao? Izao no antony: Isika dia miaina ny fiainan’Andriamanitra miaraka amin’ny mpino hafa (Efes. 4:32). Ny fomba fifandraisantsika samy isika ao am-piangonana araka izany dia ampahany lehibe tokoa eo amin’ny tsy tokony hanomezana alahelo ny Fanahy: “mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana” – Efes. 4:3.
Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: ny fiangonana dia tempolin’ny Fanahy Masina (1 Kôr. 3:16,17), ka ny fomba fifampitondrantsika ao anatin’ny fiangonana dia tena zava-dehibe tokoa eo imason’Andriamanitra. Tena miahy lalina ny fomba fifampiheverantsika ao amin’ny fiangonan’i Kristy tokoa ny Fanahin’Andriamanitra.
Tena ilaina indrindra ny mahafantatra ny fahamarinana raketin’ny hafatry ny anjely telo ao amin’ny Apôk. 14:6-12, saingy apetraho amin’ny tenanao ity fanontaniana ity: Ahoana no fomba fitondranao ny hafa, indrindra fa ireo izay eo ambanin’ny fahefanao na ireo izay tsy afaka manao na inona na inona ho anao? Izany hoe, ahoana no fomba fitondranao ireo izay tsy manan-kavaly eo anatrehan’ny zavatra ataonao?
Mamono ny Fanahy Masina
Vakio ny 1 Tes. 5:19-21. Ao amin’ireo andniny ireo, ahoana no mety hahavoavono ny Fanahy?
Ny afo no tonga ao an-tsaina raha vao ny teny hoe “mamono” no resahina. Ampiasaina ao amin’ny 1 Tes. 5:19 sy ny Efes. 6:16 ny foto-teny grika nandikana azy io. Midika izany fa azo vonoina tahaka ny afo ny Fanahy Masina. Tokony hotsaroantsika fa zavatra roa lehibe no ataon’ny Fanahy Masina amintsika: mampahafantatra antsika ny ota Izy ary manome hery antsika handresena izany. Ireo zavatra roa ireo dia samy mifandraika amin’ny dingan’ny fanamasinana antsika.
Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahy. Ambarany amintsika amin’ny alalan’ny Teny ny zavatra ilaintsika mba hahazoantsika miaina fiainam-pahamasinana. Velona ao anatintsika ny heriny. Manampy antsika hiova fiainana izany amin’ny alalan’ny fahamarinana vakintsika ao anaty Baiboly. Milaza fomba iray amintsika i Paoly mba hialantsika amin’ny famonoana ny Fanahy. Voalazany fa tsy tokony “hanao tsinontsinona ny faminaniana” – 1 Tes. 5:20 isika. Ambarany amin’ny mpino koa anefa fa tokony hizaha toetra ny faminaniana rehetra izy ireo mba ho azony antoka tsara raha avy amin’Andriamanitra izany na tsia. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: tokony hisokatra ho an’ny fiasan’ny Fanahy ny fiainan’ny fiangonantsika. Ary noho izany dia tsy tokony hamono ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny fiangonana isika. Ilaintsika ihany koa anefa ny mahay mamantatra raha avy amin’Andriamanitra marina ny hafatra anankiray na tsia. Nahoana hoy ianao? Satria hitohy hamely ny fiangonana hatrany ny fampianaran-diso sy ny mpaminany sandoka.
Mampalahelo anefa fa tsy ny fanahy rehetra no tsara na mitondra fihavanana. Soa ihany fa ny Baiboly izay avy tamin’Andriamanitra, dia fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika (Sal. 119:105). Izy no fandrefesana hahazoantsika mamantatra raha avy amin’Andriamanitra ny faminaniana iray na tsia. Ny fanilo tamin’ny andron’ny Baiboly dia lahin-jiro nirehitra. Ireo fanilo ireo dia nandefa ny hazavany teo anolonan’ny tongotr’izay mandeha amin’ny alina. Milaza amintsika ny fomba handehanantsika araka ny Fanahy ny Baiboly (Gal. 5:25). Amin’ny fileferantsika amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fankatoavana ny fitarihan’ny Fanahy irery ihany no hahazoantsika manao izany. Izy no manoro ny tokony ho fomba fiainantsika.
Maro no mino ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra kanefa manaisotra ny fahefany amin’ny fomba fanazavany azy. Tsy hita eo amin’ny fiainany koa ny heriny. Misy antony iray hafa koa tsy tokony hanaovantsika tsinontsinona ny Tenin’Andriamanitra na tsy hanisiantsika haja izany. Raha izany mantsy dia mamono ny fanilo izay nomena antsika mba hitari-dalana antsika isika. Izany fanilo izany koa mantsy no mitarika antsika hanao asa tsara, ka dia ilaintsika indrindra ny mivelona amin’ny fahamarinany eo amin’ny fiainantsika.
Vakio ny 1 Tes. 4:7,8. Inona no hevitry ny hoe nantsoina ho “amin’ny fahamasinana” ao amin’ireo andininy ireo? Ampahany inona eo amin’ny fiainanao no ilaina “hamasinina”?
Miteny ratsy ny Fanahy Masina (Mar. 3:28,29)
Vakio ny Mar. 3:28,29 ary ny Mat. 12:31,32. Voalazan’ireo andininy ireo fa hahazoana famelan-keloka avokoa ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra. Inona kosa anefa no tsy hahazoana famelan-keloka?
Angamba tsy misy fahotana hafa izay manjavozavo indrindra ho an’ny Kristianina ny fahazoana azy ankoatra ilay hoe fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Ao ny mihevitra fa ny noresahin’i Jesôsy dia karazana ota anankiray izay tena mahatsiravina tokoa. Tokony hotsaroantsika anefa fa ny ota rehetra dia mahatsiravina avokoa eo imason’Andriamanitra. Marina fa mety hitondra vokatra mampihoron-koditra kokoa noho ny hafa ny ota sasany, saingy inona no tian’i Jesôsy hambara rehefa niresaka ny amin’ny ota izay tsy hahazoana famelan-keloka Izy?
Raha ny marina, dia tsy misy amin’ireo andalan-teny ireo ny milaza fa tsy azo avela izany ota izany; milaza kosa izy fa tsy hahazoana famelan-keloka izany. Inona no hevitr’izany? Andeha hotsiahivintsika ny asan’ny Fanahy Masina. Izy dia mitarika ny mpanota hahafantatra ny fahotany, ary avy eo dia mahatonga faniriana ao aminy hanaiky an’i Jesôsy. I Jesôsy irery ihany mantsy no mamela heloka. Ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina dia safidy mitohy. Safidy ny hitohy ao anatin’ny fandavana tsy hamela an’i Jesôsy hamonjy antsika. Ny fitenenan-dratsy ny Fanahy araka izany dia miseho rehefa mikiry hatrany ny olona iray hifidy ny tsy handray ny tolo-pamonjena ao amin’i Kristy avy amin’ny Fanahy Masina.
Tsy ny olona izay milaza teny manaratsy ny hafa na mandainga no resahin’i Jesôsy eto. Tsy miseho ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina raha tsy ilay olona mihitsy no mikiry miala amin’i Jesôsy sy mandà tsy hino Azy. Ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina dia tsy toe-javatra miseho indray mandeha monja fa fomba fiaina nofidina mihitsy.
“Izao no zavatra nataon’ny olona sasany. Tsy manaiky ny fahamarinana momba an’i Jesôsy izy ireo fa tohizany hatrany ny fiainam-paharatsiana efa niainany. I Jesôsy indray no nampangainy ho nanao asa mahagaga tamin’ny alalan’ny demonia. Ota tamin’ny Fanahy Masina izany.” – Ellen G. White, Loma Linda Messages, t. 156.
Rehefa mikiry hanohitra an’Andriamanitra hatrany ny fon’olombelona, dia ao anatin’ny fahatsapan-tena tanteraka no handavany hanolotra ho an’i Jesôsy ny voninahitra mendrika Azy. Ny fo izay nohamafisina dia tsy mahavita manaiky ny fahamarinana avy amin’ny Fanahy Masina fa i Jesôsy no mamonjy antsika. Tsy azo avela izany fahotana izany. Tena manan-kery be tokoa i Jesôsy ary azony atao tsara ny mamela ny fahotana rehetra sady vonona ny hanao izany rahateo Izy. Tsy azony atao kosa anefa ny mamela ny olona izay tsy miaiky ny fahotany. Noho izany dia tsy manaiky ny famelan-keloka avy amin’i Jesôsy izany olona izany. Izany toetra izany, mazava loatra, dia misy vokatra maharitra mandrakizay.
Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy miaina fianana manohitra an’Andriamanitra isika na koa miala amin’ny Fanahy Masina? (Vakio ohatra ny 1 Jao. 5:3 sy ny Rôm. 8:14).
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Ny fametrahan’ny olona fanontaniana amin-tebiteby raha efa nanatanteraka ota tsy hahazoana famelan-keloka izy ireo, dia mampiseho mazava fa tsy mbola nanao izany izy. Raha efa nanatanteraka izany mantsy izy, dia azo inoana fa tsy rototra akory mahakasika izany. Ny fahasahiranan-tsainy mantsy dia tena porofo lehibe tokoa izay mampiseho fa mbola misokatra ho an’ny fitarihan’ny Fanahy ihany izy. Ny ilain’ny tsirairay avy dia ny mitaky ny fahamarinan’i Jesôsy, ny mifikitra amin’ny fahamendrehany, ary ny mitozo hatrany amim-pinoana sy fankatoavana. Ny fitafiana ny fahamarinan’i Kristy irery ihany, izay “fahamarinana avy amin’Andriamanitra” – Rôm. 10:3, no hahazoan’izy ireo ny fiadanana sy ny toky izay katsahiny fatratra amin’izao fotoana izao.
Raha ny marina dia olona tokana monja no tsy azon’Andriamanitra havela heloka. Izany olona izany dia ilay mandà hatrany ny hanatona an’i Jesôsy mba havelany heloka. “Tsy miseho amin’ny alalan’ny teny na fihetsika iray monja ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Izany dia safidy tsy miova ary miverimberina hatrany, dia ny fialana amin’ny fahamarinana sy ny porofo maneho izany” – SDABC, b. 5, t. 1093. “Ny ota amin’ny Fanahy Masina dia tsy zavatra saro-takarina na sarotra hazavaina. Izany dia ota amin’ny fandavana hatrany hatrany ny hamaly ny fitaomany hibebaka”. – t. 1093.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA
1. Raha misy olona manatona anao ary maneho ny tahony fa efa nanatanteraka ota tsy azo avela izy, dia inona no holazainao aminy ary inona no toko sy andininy hanampianao azy? Nahoana no tsy misy afa-tsy ny fahatakarana ny famonjena amin’ny finoana irery ihany no tena manan-danja indrindra eo amin’ny fanampiana ny olona izay mahatsiaro ho very tanteraka?
2. Mamono ny Fanahy Masina isika rehefa mandà ny hiasa na hiteny araka izay itarihany antsika. Ahoana no mahatonga antsika ho tafalatsaka amin’ny famonoana ny Fanahy Masina? Eo amin’ny lafiny inona amin’ny fiainantsika no handavantsika tsy hotarihin’Andriamanitra? Ahoana no ianarantsika mametraka ireo lafim-piainantsika ireo Aminy?
3. Indraindray dia avelan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainantsika ny toe-javatra mahatsiravina sasany izay mety tsy ho tiantsika velively na koa tsy takatsika ny antony. Izany no niseho tamin’i Jôba. Nahoana no mety hanohitra ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ny eritreritra ratsy? Ahoana no hitokiantsika amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa? Ahoana koa no hanolorantsika manontolo ny fiainantsika ho Azy, na dia amin’ny fotoana sarotra indrindra aza?
4. Misy olona sasany matahotra ny ho “voapoizin’” izay heverin’izy ireo fa hery miasa mangina ratsy ao am-piangonana. Vokatr’izany dia mihataka tanteraka amin’ireo mpino hafa izy ary mandeha samirery. Inona no maha-diso izany fisainana izany? Inona kosa anefa no ohatra asain’ny Baiboly harahintsika?