SS 11 2T 2017

LESONA 11

03 - 09 JONA  2017

MPAMPIANATRA SANDOKA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 2:1-22; Jao. 8:34-36; Mat. 12:43-45; Joda 4-19; Gen. 18:16-33.

Tsianjery: “Fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.” - 2 Pet. 2:19.
    
    
Niezaka nampahery ny mpamaky manoloana ny fanenjehana i Petera ao amin’ny epistiliny voalohany, niahiahy mafy tokoa amin’ny maha-mpiandry ny fiangonana azy. Tsy fantatsika mazava tsara ny endri-panenjehana noresahiny manokana, saingy fantatsika kosa fa hiatrika fitsapana mamaivay ny fiangonana satria hiezaka hamongotra ilay fihetsehan’olona eo an-dalam-pitomboana antsoina hoe “Kristianina” ny Ampira rômanina jentilisa.
    
Nandefa fanafihana roa sosona anefa i Satana. Azo antoka fa fitaovana nahery vaika ny fanenjehana avy any ivelany – izany hoe fanaporetana sy herisetra henjana. Niatrika fandrahonana hafa koa anefa ny fiangonana, fandrahonana iray izay mety ho mampidi-doza kokoa noho ny fanenjehana avy any ivelany mihitsy aza angamba. Ary dia fandrahonana avy tao anatiny izany. Tahaka ny tsy maintsy niatrehan’ny firenena jiosy ireo mpaminany sandoka tamin’ny lasa, no tsy maintsy niatrehan’ny mpanara-dia an’i Jesôsy tamin’ny andron’i Petera ireo mpampianatra sandoka izay “hahatonga mangingina sain-diso mahavery” (2 Pet. 2:1) ao am-piangonana mihitsy. Ary, ratsy kokoa noho izany aza, nampitandrina i Petera fa maro no hanaraka “ny fijejojejoany” (2 Pet. 2:2).  
Inona avy ireo fampianarana sasantsasany izay nampitandreman’i Petera? Nanao ahoana ny fihetsik’i Petera nanoloana azy ireny? Ary inona no lesona azo tsoahina avy amin’ireo fampitandremany ireo, ho antsika manokana amin’izao vanim-potoana izao, raha miatrika fandrahonana avy ao anatiny koa isika?

Pejy ambony

 

ALAHADY


Mpaminany sy mpampianatra sandoka (2 Pet. 2:1–3,10–22)
   
Matetika no mora tokoa ny mandray ny fiangonana voalohany ho tonga lafatra, ny mieritreritra izany ho fotoana nisian’ny fiadanana sy firindrana lehibe teo anivon’ireo mpino voalohany indrindra an’i Jesôsy.
Hadisoana anefa izany. Na dia tamin’ny andron’i Jesôsy aza dia efa niatrika tolona ny fiangonana, ary matetika no avy tao anatiny izany (eritrereto ny amin’i Jodasy). Avy tamin’ireo fampianaran-diso teo anivon’ny fiangonana ny ankamaroan’ireo olana, araka izay asehon’ireo epistilin’ny TV. Tsy nitolona tamin’ny fanenjehana avy tany ivelany fotsiny ihany ny fiangonana voalohany, fa tamin’ny olana avy tao anatiny ihany koa. Miresaka momba ny sasany amin’ireo fihaikana ao anatiny ireo i Petera ao amin’io taratasiny io. Inona avy izy ireo? “Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan'ny fahamarinana. Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.” – 2 Pet. 2:1-3. Zara raha nahitana soritra fotoana nisian’ny fiadanana lalina sy firindrana anatiny teo anivon’ny mpirahalahy sy ny mpirahavavy, sa tsy izany?
  
Vakio ny 2 Pet. 2:1-3,10-22. Inona no ampitandreman’i Petera eto? Inona ny sasany amin’ireo zavatra diso izay naindraindra tao amin’ny fiangonana?

Tena ampoizina fa maneho ny antony nanindrian’ny Tompo mandry an’i Petera hanoratra ny taratasiny ny 2 Pet. 2:1. Nampitandrina ny mpino izy fa tahaka ny nisian’ny mpaminany sandoka tamin’ny lasa, no hisian’ny mpampianatra sandoka amin’ny hoavy. Mitanisa fiampangana maro an’ireo mpampianatra ireo i Petera: avy amin’ny “sain-diso” (2 Pet. 2:1), mankamin’ny fitarihana ireo tsy mitandrina ho amin’ny fanandevozana (2 Pet. 2:19), ary fampianaran-diso maro dia maro koa. Hitantsika avy amin’izay nosoratany fa fampianarana tena nampidi-doza tokoa izany. Manazava ny antony mahatonga azy hanana fihetsika tena hentitra manoloana azy ireo izany. Nino tanteraka i Petera fa misy fiantraikany ny zavatra ampianarintsika.
   
Jereo ny fihetsika hentitra nananan’i Petera manoloana ireo fampianaran-diso ireo. Inona no tokony ambaran’izany amintsika mahakasika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana? Ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika amin’izay rehetra mety ho fanandrakandramana hitondra fampianaran-diso ao amin’ny fiangonana?

Pejy ambony

ALATSINAINY


Fahafahana ao amin’i Kristy (2 Pet. 2:18)  

“Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony” - 2 Pet. 2:18. Inona no ampitandreman’i Petera ao amin’io andininy io? Inona no lazainy ao amin’ny 2 Pet. 2:19 izay manampy amin’ny fanazavana ny ahiahiny? Inona no maha-zava-dehibe ny voambolana “fahafahana” na “fahalalahana” (NKJV) eo amin’ny and. 19?

   
Nampiasa ny fomba fiteny hentitra indrindra i Petera mba hampitandremana ireo mpamaky azy manoloana ny loza aterak’ireo mpampianatra sandoka. Nampitandrina izy ao amin’ny 2 Pet. 2:18-21 fa mampanantena fahalalahana sy fahafahana ireo mpampianatra sandoka ireo, kanjo nitarika ny olona ho amin’ny fanandevozana izy ireo, raha ny tena marina.
    
Fanolanana tanteraka ny filazantsara manao ahoana re izany e! Tokony hidika fahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahotana ny fahafahana ao amin’i Kristy (Rôm. 6:4-6). Ny hevitra momba ny fahafahana ao amin’i Kristy izay mbola mamela ny olona iray ao anatin’ny fanandevozan’ny fahotana no ilay karazana fahadisoana izay ampitandreman’i Petera ny olona. Na dia niady hevitra momba ny fampianaran-diso resahiny eto aza ireo mpandinika ny Soratra Masina, dia hita mazava fa mifandray amin’ny olan’ny fahotana iray manontolo sy ny fahandevozan’ny olona iray amin’izany ny resaka eto.
   
Vakio ny Jao. 8:34-36. Ahoana no anampian’ny tenin’i Kristy eto antsika hahatakatra izay lazain’i Petera?
   
Na inona na inona naroson’ireo mpampianatra sandoka ireo, dia nitarika ny hazany - izay olona vao haingana no nahita an’i Jesôsy Tompo - hiverina amin’ny fomba fiainany feno fahotana teo aloha izy ireo. Mora tokoa ny maka sary an-tsaina fa nampianatra karazana filazantsaram-pahasoavana mora vidy izay nanamaivana ny ilàna fahadiovana sy fahamasinana ireo mpampianatra sandoka ireo. Nahatonga ireo mpino ho tafaroboka indray tao anatin’ny “fahalotoana” (2 Pet. 2:19) eo amin’izao tontolo izao izay vao avy nandosiran’izy ireo izany. Tsy mahagaga raha nanohitra mafy sy tamin’ny fomba hentitra ireo fampianarana ireo, sy nampitandrina momba ny ho vokatry ny fanarahana azy ireny i Petera.

Ahoana no fahazoanao izany hoe fahafahana ao amin’i Kristy izany? Nafahan’i Kristy tamin’ny inona ianao?


Pejy ambony

TALATA


Miverina indray amin'ny loany ny amboa (2 Pet. 2:17–22)
   
Vakio ny 2 Pet. 2:17-22 sy ny Mat. 12:43-45. Inona no loza mitranga rehefa miverina indray amin’ny fomba fiainany teo aloha ny olona izay efa niova fo ka lasa Kristianina?
  
Tena feno fanahiana manokana i Petera momba ny hoavin’ireo izay voasarik’ireo mpampianatra sandoka hiverina ho amin’ny fahotan’izy ireo teo aloha indray (2 Pet. 2:18). Mampanantena fahafahana ireo mpampianatra sandoka. Araka ny marihin’i Petera anefa, tena hafa amin’ny karazam-pahafahana izay nampanantenain’i Kristy ireo nanara-dia Azy ny fahafahana ampanantenain’izy ireo.
    
Jereo ny fampitandremana mahery vaika nomen’i Petera. Tsara kokoa raha “tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana” (2 Pet. 2:21) mihitsy izy ireo, toy izay nahalala izany, nefa miverina amin’ny fombany teo aloha indray.
Mazava loatra fa tsy midika izany fa tsy misy antenaina intsony ny amin’izy ireo. Samy mahafantatra tantara isika momba ireo izay niala tamin’ny Tompo, nefa niverina indray tatỳ aoriana. Ary fantatsika fa tena faly ny Tompo rehefa miverina izy ireo, ary faly ny handray azy ireo indray Izy (jereo ny Lio. 15:11-32). Midika fotsiny izany fa ny faniasiavana dia lalana tena mampidi-doza raha izorana, ary tsy lalana mahafinaritra koa. Fomba iray tena mafy sy hentitra entina hanoharana izany ny alika miverina amin’ny loany, saingy manazava ny heviny amin’ny alalan’io sary io i Petera.
    
Angamba tena niniana ny famerenana ny tenin’i Jesôsy eo amin’ny 2 Pet. 2:20 (jereo ny Mat. 12:45; Lio. 11:26). Nanao fanoharana momba ny lehilahy iray izay nafahana tamin’ny fanahy maloto i Jesôsy. Nirenireny tsy nanan-toerana ho azy ilay fanahy, ka niverina nijery ny “tranoko izay nivoahako” (Mat. 12:44). Tonga izy ary hitany fa foana sy nilamina tsara izany. Koa niverina nifindra tao izy, saingy nitondra fanahy maro hafa ratsy kokoa noho izy niaraka taminy. Araka ny nolazain’i Jesôsy, “ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany” - Mat. 12:45. Tena zava-misy ny loza mandindona nasehon’i Jesôsy sy nosoritsoritan’i Petera. Ilain’ny mpino vaovao ny manao izay ahazoana antoka fa soloiny zavatry ny Fanahy ireo zavatra teo aloha izay zatra nanapaka ny fiainany. Raha tsy soloina fandraisana anjara ao am-piangonana sy fizaràna ny finoana vaovao ireo hetsika teo amin’izao tontolo izao teo aloha, dia ho mora foana ny miverina amin’ireo fanao teo aloha.
   
Amin’ny maha-fiangonana antsika, amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mamahana sy mampianatra tsara kokoa ireo mambrantsika rehetra, indrindra fa ireo vaovao?

Pejy ambony

ALAROBIA


I Petera sy i Joda (2 Pet. 2:1–-3:7)
  
Olona maro no nahatsikaritra fa ny Joda 4-19 dia mamerina amin’ny ampahany betsaka ny hafatra ao amin’ny 2 Pet. 2:1--3:7. Isaky ny mamerina hafatra iray ny Soratra Masina, dia tokony ho tsapantsika fa maniry hampita zavatra manan-danja Andriamanitra. Ao anatin’ireo andalan-teny mitovy ireo, dia nanao ezaka goavana i Petera sy i Joda mba hampahafantarana antsika fahamarinana manan-danja anankiray: eo ambany fifehezan’Andriamanitra ny anjaran’ireo ratsy fanahy. Tsy mamela antsika ao anatin’ny fisalasalana i Petera sy i Joda, fa milaza mazava tsara fa mifehy akaiky ny faharatsiana Andriamanitra. Hitan’Andriamanitra na ny faharatsian’ireo olona tsy marina na ny faharatsian’ireo anjely lavo, ary efa namolavola ny famaliana azy ireo amin’ny andro fitsarana Izy. (2 Pet. 2:9,17; Joda 6).  
   
Vakio ny 2 Pet. 2:1--3:7 sy ny Joda 4-19. Inona no santionany amin’ireo famalian’Andriamanitra tany aloha omen’i Petera sy i Joda mba hanamafisana ny zava-misy fa tsy misangisangy Andriamanitra eo amin’ny fiatrehana ny fahotana?

Mirakitra santionany telo amin’ny famalian’Andriamanitra tamin’ny lasa i Petera sy i Joda. Ampidirin’izy ireo ao anatin’izany ny fandringanana ny tontolo talohan’ny safodrano tamin’ny alalan’ny Safodrano, sy ny fandevonana an’i Sôdôma sy Gômôra tamin’ny alalan’ny afo, ary ny famatorana ireo anjely lavo ho amin’ny fandringanana (2 Pet. 2:4-6; 3:7; Joda 6,7). Ireo trangan-javatra rehetra ireo dia mifamatotra amin’ny hevi-javatra farany, tsy azo atsimbadika intsony. Marina fa miresaka betsaka momba ny famindrampo sy ny fahasoavan’Andriamanitra ny Soratra Masina, saingy mitana andraikitra goavana eo amin’ny fandringanana farany ny fahotana koa ny fahamarinan’Andriamanitra.
    
Inona ireo fahotana izay niteraka famaizana hentitra tahaka izany? Voafaoka ao anatin’izany ny fampidirana sain-diso manimba; fanamavoana ny manam-pahefana; fanandevozana ny olona amin’izay nanandevo azy ireo; famadihana ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahazoan-dalana haneho fitondran-tena maloto; fandavana ny maha-Andrian-tokana sy Tompo an’i Jesôsy Kristy; tsy ho tsy mendrika; mpandoto ny tenany ihany; mpilaza teny foana sy mandokandoka; ary mpanendrikendrika (2 Pet. 2:1,10,19; Joda 4,8; 2 Pet. 2:18; Joda 10).
    
Mahaliana tokoa fa tsy tafiditra ao anatin’ireo famaritana ireo ny fihetsika mahery setra sy ireo habibiana feno faharatsiana hafa izay matetika no mahatezitra antsika. Tsy izany fa fahotana misoko mangina izay manan-javatra iray itoviany no soritana eto. Fahotana izay matetika no leferina eo anivon’ny fiangonana izy ireo. Tokony hanaitra antsika izany fa tena ilaina ny fibebahana marina sy ny fanavaozana marina ao amin’ny fiangonana.
   
Vakio ny 2 Pet. 2:12 sy ny Joda 10. Eto, i Petera sy i Joda dia manoritra ireo izay miatrika fandringanana ho nitotongana tahaka ny biby “tsy manan-tsaina” izay fehezin’ny saim-pantany fotsiny. Ampitahao amin’izay namoronan’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny olombelona izany famaritana izany. Ahoana no ahafahanao misoroka ny tsy hitrangan’izany eo amin’ny fiainanao?


Pejy ambony

ALAKAMISY


Lesona hafa avy ao amin’ny TT
   
Vakio ny 2 Pet. 2:6-16. Inona koa ireo ohatra hafa ampiasain’i Petera mba hampitandremana antsika mikasika ny vokatry ny faharatsiana?

Ao amin’ny Gen. 13:12,13 no misy ny filazana fototra voalohany an’i Sôdôma. Nanapa-kevitra ny hisara-dalana noho ny antony “ara-bola” i Lota sy i Abrahama. Nifidy ny lohasahan’i Jôrdana i Lota, ka “nifindrafindra toby hatrany Sodoma” (Gen. 13:12). Rehefa izay dia nanazava ny Baiboly: “Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.” - Gen. 13:13. Tatỳ aoriana, dia nampandre an’i Abrahama Andriamanitra fa nikasa ny handrava an’i Sôdôma Izy. Koa nifampiraharaha tamin’Andriamanitra i Abrahama ny mba hisian’ny fanekena fa tsy horavan’Andriamanitra ny tanàna raha toa ka misy olo-marina folo hita ao (Gen. 18:16-33). Voaporofo tamin’ny fahafenoany tamin’ny alalan’ny zavatra nitranga tamin’ireo iraka nalefa mba hitsidika an’i Lota fa tsy antenaina ny hahitana na dia olo-marina folo aza ao Sôdoma. Noravana araka izay efa nokasaina ilay tanàna. I Lota sy ireo zanany roa vavy ihany no afa-nandositra (Gen. 19:12-25).

Nanatsoaka lesona anankiroa avy tamin’io tantara io i Petera. Voalohany, manome fananarana ny amin’ny famaizana ho tonga amin’ireo ratsy fanahy ireo tanàna roa ireo (2 Pet. 2:6). Faharoa, maneho izany fa fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny marina amin’ny fitsapana (2 Pet. 2:7-9). Rehefa izay dia marihin’i Petera ny sasany amin’ny toetoetr’ireo izay naringana tao Sôdôma sy Gômôra: mampanaram-po ny nofony amin’ny filan-dratsy izy ireo, manamavo ny manam-pahefana, sahisahy sy mitompo teny fantatra, ary tsy misalasala ny hanendrikendrika anjely (2 Pet. 2:10,11). Misy itoviany amin’ny famaritan’i Petera ireo mpampianatra sandoka sy ny mpanara-dia azy ireo toetoetra ireo.
    
Hita ao amin’ny Nom. 22:1--24:25 ny tantaran’i Balama. Nokaramain’i Balaka, mpanjakan’i Môaba, izy mba hanozona ny Isiraelita. Nisalasala izy tamin’ny voalohany. Resy lahatra ihany anefa izy nony farany ka nanaiky io andraikitra io, rehefa nomena vola betsaka kokoa (Nom. 22:7-21). Teny an-dalana, dia nifanehatra tamin’ny “Anjelin'i Jehovah” izy, ary tsy ho avotra tamin’ny fahafatesana raha tsy nivily ny borikiny. Rehefa izay dia nokapohin’i Balama ny borikiny. Tsy tsapany ny hadisoany raha tsy efa nampahiratina ny masony, ka izy tenany mihitsy no nahita ilay “Anjelin'i Jehovah” (Nom. 22:22-35). Tamin’ny farany, dia nitahy ny Isiraely ihany i Balama (Nom. 23:4--24:24). Nampiasa an’i Balama i Petera ho fananarana ireo izay voasariky ny fijangajangana sy ny fitiavan-karena (2 Pet. 2:14,15). Tahaka an’i Balama ny olona tahaka izany. Niala ny lalana tokony hizorany izy ireo.
   
Eritrereto ny zavatra rehetra nomena antsika, ao anatin’ny Baiboly sy ao anatin’ireo asasoratr’i Ellen G. White. Noho izany, nahoana isika no tsy afaka hilaza na oviana na oviana fa tsy nampitandremana, amin’ny maha-Advantista antsika?

Pejy ambony

ZOMA


Fianarana fanampiny: Tena matetika isika no mandre Kristianina miresaka momba ny “fahafahana ao amin’i Kristy”. Ary mazava loatra fa foto-kevitra mitombina izany. Tena afaka tokoa izany hoe afaka amin’ny fanamelohan’ny lalàna sy izany hoe manana antoka fa voavonjy noho izay nataon’i Kristy ho antsika, fa tsy noho ny asantsika. Ohatra lehibe ny amin’ny mety ho hevitr’io fahafahana io ny tantaran’i Martin Luther sy ny fanandevozana izay nampijaly azy mialoha ny nahatakarany ny atao hoe fahasoavana. Araka ny hitantsika tao amin’ny epistilin’i Petera anefa, dia mety misy manolana ny fahamarinana mahafinaritra. “Mitoetra eo akaikin’ny hevi-dison’ny fahasahisahiana ny fahamarinana lehibe momba ny fiankinantsika tanteraka amin’ny famonjena atolotr’i Kristy. Matetika loatra no afangaro amin’ny fandikan-dalàna ny fahafahana ao amin’i Kristy; ary satria tonga i Kristy mba hanafaka antsika amin’ny fanamelohan’ny lalàna, dia maro no manambara fa ny lalàna mihitsy no efa nofoanana, ary ireo izay mitandrina izany dia efa lavo niala tamin'ny fahasoavana. Noho izany, satria toa tena mitovy ny fahamarinana sy ny hevi-diso, dia ho voatarika hanaiky ny hevi-diso ny saina izay tsy tarihin’ny Fanahy Masina, ka mametraka ny tenany ho eo ambanin’ny herin’ny fitak’i Satana, amin’ny fanekeny izany. Amin’ny fitarihana ny olona handray ny hevi-diso ho fahamarinana tahaka izany no iasan’i Satana ho fitandroana ny voninahitry ny tontolo Prôtestanta.”— CT, t. 324.

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1. Diniho lalina ny 2 Pet. 2:19 sy ireo zavatra hafa lazain’i Petera momba ny vokatry ny fampianaran-diso. Nahoana no tsy maintsy ataontsika izay hahazoana antoka fa isika mihitsy no mandalina ireo fahamarinana iankinan’ny aina izay inoantsika? Nahoana no zava-dehibe ny ifanekentsika rehetra ny amin’ny zavatra tokony hinoantsika? Rehefa oviana no lasa “mampidi-doza” ny manana eritreritra hafa amin’ny an’ny mpiray finoana amintsika sisa rehetra?

2. Jereo ny sasany amin’ireo teny mafy ampiasain’i Petera mikasika ny resaka momba ny famaizana sy ny fitsarana: “hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany”
(2 Pet. 2:1); “haringana tokoa amin'ny fahalotoany” (2 Pet. 2:12); “hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana” (2 Pet. 2:9); “ary tsy rendremana ny fahaverezany” (2 Pet. 2:3). Inona no tokony hambaran’ireo andalan-teny ireo amintsika momba ny anamelohan’Andriamanitra mafy ireo izay mitarika ny olona ho amin’ny hevi-diso?

3. Rehefa misy olona miresaka momba ny “fahafahana ao amin’i Kristy”, dia matetika izy ireo no manao izany, tsy mikasika ny lalàna rehetra (na dia misy manao izany ihany aza), fa mikasika ny fitandremana ny didy fahefatra, dia ny didy momba ny Sabata izany.  Araka ny hevitrao, inona no hevitr’izany? Ahoana no anampian’io petra-kevitra io antsika hahita porofo hafa fa misy manolana ny hevitra momba ny “fahafahana ao amin’i Kristy”?

Pejy ambony