SS 11 3T 2017

LESONA 11

02 - 08 SEPTAMBRA

FAHAFAHANA AO AMIN'I KRISTY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 5:1–15; 1 Kôr. 6:20; Rôm. 8:1; Heb. 2:14,15; Rôm. 8:4; 13:8.     

Tsianjery: “Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana” - Gal. 5:13.

Ao amin’ny Gal. 2:4, dia niresaka fohifohy momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny “fahafahana” ananantsika ao amin’i Kristy Jesôsy i Paoly. Inona anefa no tian’i Paoly hambara rehefa miresaka momba ny “fahafahana” izy, izay averimberiny imbetsaka? Inona no voafaoka ao anatin’io fahafahana io? Hatraiza io fahafahana io? Misy fetrany ve izany? Ary inona no ifandraisan’ny fahafahana ao amin’i Kristy sy ny lalàna?
    
Miatrika ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fampitandremana ny Galatianina ny amin’ny zava-doza roa i Paoly. Ny voalohany dia ny fiezahana hahazo famonjena amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna. Ireo mpanohitra an’i Paoly tany Galatia dia tena tafalatsaka tamin’ny fiezahana hahazo sitraka avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitondran-tenany, hany ka hadinony ny fanafahana ataon’ny asa nataon’i Kristy, sy ny famonjena izay efa nananany tao amin’i Kristy, tamin’ny alalan’ny finoana. Ny loza mandindona faharoa dia ny fironana hanararaotra ny fahafahana novidin’i Kristy tamin’ny alalan’ny rany ho antsika, amin’ny filibana ao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena. Ireo izay mihazona io fomba fijery io dia manana eritreritra diso fa mifanohitra ny fahafahana sy ny lalàna.
    
Samy mifanohitra amin’ny fahafahana ny fitadiavana famonjena amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna sy ny filibana ao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena, satria samy mihazona ireo mpomba izany hevitra izany ao anatin’ny endrika fanandevozana izy ireo. Ny antson’i Paoly ho an’ny Galatianina anefa dia ny hijoroan’izy ireo tsy azo hozongozonina ao anatin’ny tena fahafahana marina, izay fananany ara-dalàna ao amin’i Kristy.

Pejy ambony

 

ALAHADY


Nanafaka antsika i Kristy (Gal. 5:1)

“Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.” – Gal. 5:1.

Mibaiko ny Galatianina i Paoly mba tsy hahafoy ny fahafahana ananan’izy ireo ao amin’i Kristy. Tahaka ny ibaikoan’ny mpitarika miaramila iray ireo miaramilany mbola misalasala mba hiandany amin’ny tafika misy azy ireo no iresahany amin’izy ireo. Hentitra sady mafy ny lantom-peon’i Paoly, hany ka efa toa hila hitsambikina avy ao amin’ireo takila ka hivoaka ho asa mihitsy ireo teniny. Toa izany mihitsy tokoa mantsy ny zavatra nokendren’i Paoly. Raha jerena ny lohahevitra ambarany, dia mifandray amin’izay nolazaina teo alohany sy izay holazaina ao aoriany io andininy io. Ny fitontonan’izany tampoka sy ny tsy fanarahany ny fomba fanoratra grika anefa dia toa milaza fa tian’i Paoly hiavaka tahaka ny peta-drindrina lehibe izany. Mamintina ny hevitra rehetra nambaran’i Paoly ny hoe fahafahana ao amin’i Kristy, kanefa tandindomin-doza ny hahafoy izany ny Galatianina.

Vakio ny Gal. 1:3,4; 2:16; ary 3:13. Inona ny sasany amin’ireo sary an’ohatra ampiasaina ao amin’ireo andininy ireo, ary ahoana no anampian’ireo antsika hahatakatra ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika?

Ohatra ny milaza ny tenin’i Paoly manao hoe: “Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika” (Gal. 5:1) fa nisy sary an’ohatra hafa tao an-tsaina teto. Ny teny ampiasaina amin’io andininy io dia mitovy amin’ny teny nampiasaina tamin’ny andron’ny Baiboly mba hanafahana andevo. Satria tsy manana zo ara-dalàna ny andevo, dia noheverina fa afaka nividy ny fahafahany ny andriamanitra iray, ka ho setrin’izany, dia an’ilay andriamanitra nanafaka azy ara-dalàna ilay andevo, na dia tena afaka aza. Mazava loatra fa misy zavatra foronina eo amin’io dingana io rehefa tena atao ny fampiharana. Ilay andevo ihany tokoa mantsy no no nandoa ny vola hividianana ny fahafahany, ka nandrotsaka izany ao amin’ny trano firaketan’ny tempoly. Jereo, ohatra, ny teny nampiasaina tao amin’ny iray amin’ireo taratasy fanamarinam-pandoavam-bola efa ho arivo izay hita tao amin’ny tempolin’i Apollo, tany Delphi, tany ho any amin’ny taona 201 TlK hatramin’ny 100 TrK: “‘Nividy andevo vavy avy tamin’i Sosibus an’i Amphissa i Apollo, andriamanitry ny masoandro, ho fanafahana io andevo io. Nicaea no anaran’io andevo vavy io. (...) I Nicaea anefa no nividy ny fahafahany tamin’i Apollo.’” — GG, t. 340.

Misy fitoviana tsotsotra eo amin’io soratra eo io sy ny teny ampiasain’i Paoly, saingy misy fahasamihafana goavana koa. Eo amin’ny sary an’ohatra ampiasain’i Paoly, dia tsy misy zavatra foronina tafiditra ao. Tsy isika no nanome ny saran’ny fividianana antsika (1 Kôr. 6:20; 7:23). Ambony loatra ho antsika ny saran’izany. Tsy nanan-kery hamonjena ny tenantsika isika, fa i Jesôsy no niditra an-tsehatra ka nanao ho antsika izay tsy azontsika natao ho an’ny tenantsika (fara faharatsiny raha tsy mamoy ny aintsika isika). Naloany ny sazy noho ny fahotantsika, ka nanafaka antsika tamin’ny fanamelohana.

Jereo ny fiainanao manokana. Efa nieritreritra ve ianao fa afaka mamonjy ny tenanao? Inona no tokony hambaran’ny valinteninao aminao momba ny tokony hahafeno fankasitrahana anao noho ny zavatra nomena antsika ao amin’i Jesôsy?
 


Pejy ambony

ALATSINAINY


Ny toetran’ny fahafahana kristianina (Rôm. 6:14,18)

Tsy nosoratana mitokana ny baiko nomen’i Paoly mba hijoroana tsy azo hozongozonina amin’ny fahafahana. Misy fanambarana manan-danja momba ny zava-misy mialoha io baiko io: nanafaka antsika i Kristy. Nahoana ny kristianina no tokony hijoro tsy azo hozongozonina amin’ny fahafahana nomena azy? Satria efa nanafaka azy ireo i Kristy. Raha atao amin’ny voambolana hafa, dia izao: vokatry ny zavatra efa nataon’i Kristy ho antsika ny fahafahantsika.
    
Mampiavaka ny taratasin’i Paoly io fomba fanoratra io: fanambarana ny zava-misy aloha, dia arahin’ny famporisihina ny olona avy eo (1 Kôr. 6:20; 10:13,14; Kôl. 2:6). Jereo, ohatra, ny Rôm. 6. Manao fanambarana maro momba ny toetrantsika rehefa ao amin’i Kristy i Paoly ao. Hoy izy, ohatra, “fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy” - Rôm. 6:6. Miainga avy amin’io zava-misy io, dia afaka manoratra famporisihina no sady baiko izy manao hoe: “Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty” - Rôm. 6:12. Io no fomba entin’i Paoly hilazana hoe: “Aoka ho tonga amin’ny toerana efa anananareo sahady ao amin’i Kristy”. Ny filazantsara dia tsy mampitondra ny enta-mavesatry fiezahana hanao zavatra mba hanehoana fa zanak’Andriamanitra isika. Tsy izany velively, fa manao izay ataontsika isika satria efa zanak’Andriamanitra.

Nohafahan’i Kristy tamin’ny inona isika? Rôm. 6:14,18; 8:1; Gal. 4:3,8; 5:1; Heb. 2:14,15.

Ny fampiasana ny voambolana hoe “fahafahana” mba hamaritana ny fiainana kristianina dia hita misongadina kokoa ao amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly no ho ny any amin’ny toeran-kafa ao amin’ny TV. Mipoitra in-28 ny voambolana hoe “fahafahana”, sy ireo teny mitovy sy mifandraika aminy, ao amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly, raha in-13 fotsiny any an-toeran-kafa.

Inona no tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “fahafahana”? Voalohany, tsy hevitra an-javony fotsiny ihany izany. Tsy manondro fahafahana ara-pôlitika, na fahafahana ara-bola, na fahafahana mivelona araka izay mety ho tiantsika izany. Tsy izany velively, fa fahafahana mifototra amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesôsy Kristy izany. Toa milaza ny tontolon-kevitra fa ny tian’i Paoly resahina eto dia ny fahafahana amin’ny fanandevozana sy ny fahamelohana noho ny fivavahana miorina amin’ny lalàna. Mahafaoka zavatra betsaka lavitra noho izany anefa ny fahafahantsika. Mahafaoka fahafahana amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana mandrakizay ary amin’ny devoly izany.  

“Raha tsy ao amin’i Kristy, dia voafaritry ny fanandevozana ny fisian’ny olombelona – fanandevozana amin’ny lalàna, fanandevozana amin’ireo zavatra ratsy izay mifehy izao tontolo izao, fanandevozana amin’ny fahotana sy ny nofo ary ny devoly. Naniraka ny Zanany teto amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hamotipotika ny fanapahan’ireo mpamabo andevo rehetra ireo.” - Galati, t. 354.

Inona no zavatra tsapanao fa manandevo anao eo amin’ny fiainana? Ataovy tsianjery ny Gal. 5:1, dia angataho Andriamanitra mba hanao ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ny fahafahana anananao ao amin’i Kristy.


Pejy ambony

TALATA


Ireo vokatra mampidi-doza amin’ny fitadiavam-pamonjena amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna (Gal. 5:2–12)    
    
Ny fomba fampidiran’i Paoly ny Gal. 5:2–12 dia maneho ny lanjan’ny zavatra lazainy. “Indro, izaho Paoly milaza aminareo”, “Jereo” (ESV), “Henoy!” (NRSV), “Mariho tsara ny teniko!” (NIV). Tsy miolakolaka i Paoly. Amin’ny fampiasany amin-kery ny voambolana hoe “Jereo” (ESV), dia tsy hoe miantso ny hifantohan’ny mpamaky azy fotsiny ihany izy, fa mampahatsiahy koa ny fahefany amin’ny maha-apôstôly azy. Tiany ho takatr’izy ireo fa raha tsy maintsy hoforana ny Jentilisa mba hahavoavonjy azy ireo, dia tsy maintsy tsapan’ireto Galatianina ireto ny vokatra mampidi-doza amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Vakio ny Gal. 5:2–12. Inona no ampitandreman’i Paoly mahakasika ny resaka iray manontolo momba ny famorana?
    
Ny vokatra voalohany amin’ny fiezahana hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famorana, dia izao: manery ilay olona hitandrina ny lalàna iray manontolo izany. Misy lalaon-teny mahaliana eo amin’ny fomba firesak’i Paoly eo amin’ny and. 2,3. Milaza izy fa tsy hahasoa azy ireo i Kristy (ophelesei), fa ho mpitrosa (opheiletes) tsy maintsy mankatò ny lalàna izy ireo. Raha maniry ny hiaina araka ny lalàna ny olona iray, dia tsy afaka ny haka na hifidy ny fitsipika tiany harahina fotsiny. Na mitandrina ny rehetra izy, na tsy mitandrina ny rehetra.
    
Faharoa, ho “tafasaraka amin'i Kristy” izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fanapahan-kevitra ny hohamarinina amin’ny alalan’ny asa koa ny fandavana ny fomba fanamarinan’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’i Kristy. “Tsy ho indray azonao izy roa ireo. Tsy afaka ny handray an’i Kristy ianao, izany hoe miaiky fa tsy afaka mamonjy ny tenanao, no sady mandray ny famorana, izany hoe milaza fa afaka mamonjy ny tenanao.” — MG, t. 133.
    
Ny fanoherana fahatelo ataon’i Paoly manoloana ny famorana dia noho ny fanakanany ny fitomboana ara-panahy. Ny sary ampiasainy dia ny amin’ny mpihazakazaka izay misy minia misompatra ny fivoarany mankamin’ny fahatongavany eny amin’ny marika. Ny voambolana nadika hoe “nisakana” (and. 7) tokoa mantsy dia nampiasaina teo amin’ny sehatry ny miaramila mba entina hilazana ny “fanapahana lalana na fanimbana tetezana na fametrahana sakantsakana eo amin’ny lalan’ny fahavalo iray, mba hampitsaharana ny fandrosony.” — SDABC, b. 6, t. 978.

Farany, manaisotra ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana ny famorana. Amin’ny fomba ahoana? Ny hafatra entin’ny famorana dia midika fa afaka mamonjy ny tenanao ianao; ary noho izany, mandoka ny avonavon’ny olombelona izany. Ny hafatry ny hazo fijaliana anefa dia manohitra ny avonavon’ny olombelona, satria tsy maintsy miaiky isika fa miankina tanteraka amin’i Kristy.
Tena sorena tamin’ireo olona ireo i Paoly noho ny fanizingizinany ny resaka momba ny famorana, hany ka nilaza mihitsy izy fa tiany raha hisolifatra ny antsy ka dia hamotsitra ny tenany any mihitsy izy ireo! Hentitra izany teny izany, saingy maneho fotsiny ny lantom-peon’i Paoly fa tena raisiny amim-pahamatorana io olana io.
 


Pejy ambony

ALAROBIA


Fahafahana fa tsy filibana ao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena (Gal. 5:13)

Manamarika kihon-dalana ao amin’ny bokin’ny Galatianina ny Gal. 5:13. Hatreto dia nifantoka tanteraka teo amin’ny hevitra ara-teôlôjikan’ny hafatra nentiny i Paoly. Ankehitriny kosa izy dia mitodika eo amin’ny resaka momba ny fitondran-tena kristianina. Ahoana no tokony hiveloman’ny olona iray izay tsy vonjena amin’ny alalan’ny asan’ny lalàna?

Inona ireo mety ho fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fahafahana, izay tian’i Paoly hiarovana ny Galatianina ka tsy hanaovan’izy ireo izany? Gal. 5:13.

Fantatr’i Paoly tsara ny mety ho fahatakaran-diso izay nanaraka ny fanamafisany ny momba ny fahasoavana sy ny fahafahana ananan’ny mpino ao amin’i Kristy (Rôm. 3:8; 6:1,2). Tsy ny filazantsaran’i Paoly anefa no olana, fa ny fironan’ny olombelona ho amin’ny fampanaranam-po ny tena. Ireo pejin’ny tantara dia feno soratra momba ny tantaran’olona sy tanàna ary firenena izay nahitana fa nifandray mivantana tamin’ny tsy fananan’izy ireo fifehezan-teny ny fahasimbana sy ny fitotonganany ho amin’ny faharatsiam-pitondran-tena. Iza no tsy mbola nahatsapa io fironana io koa teo amin’ny fiainany? Izany no antony nahatonga an’i Paoly niantso mazava tsara ireo mpanara-dia an’i Jesôsy mba hisoroka ny fampanaranam-po ny tena. Tiany hanao ny mifanohitra amin’izany tokoa mantsy izy ireo, izany hoe: “mifanompoa amin'ny fitiavana”. Zavatra tsy vita raha tsy amin’ny alalan’ny fahafatesan’ny tena sy fahafatesan’ny nofo ihany izany, araka ny efa fantatr’izay manompo ny hafa amim-pitiavana. Ireo izay mampanarana ny nofony dia tsy ireo izay mirona ho amin’ny fanompoana ny hafa, fa ny mifanohitra amin’izany.
    
Noho izany, ny fahafahantsika ao amin’i Kristy dia tsy fahafahana amin’ny fanandevozan’izao tontolo izao ihany, fa antso ho amin’ny karazam-panompoana hafa, dia ny andraikitra hanompo ny hafa amim-pitiavana. Izy io dia “tombony fanararaotra ny hitia ny namana tsy misy sakantsakana, fahafahana hamorona vondron’olona miorina amin’ny fifanoloran-tena fa tsy amin’ny fitadiavana fahefahana na toerana.” – Ga, t. 145.
    
Noho ny efa fahazarantsika amin’ny finoana Kristianina sy ny voambolana ampiasain’ireo dikanteny môderina ho an’ny Gal. 5:13, dia mora foana ny manadino ny fahefana mahatalanjona nasehon’ireo teny ireo ho an’ny Galatianina. Voalohany, ny fiteny grika dia maneho fa tsy fitiavan’olombelona mahazatra ny fitiavana izay manosika io karazana fanompoana io – tsy ho vita mihitsy izany. Miankina amin’ny fepetra loatra ny fitiavan’olombelona. Ny fampiasan’i Paoly ny mpanoritra (ny) eo anoloan’ny voambolana hoe “fitiavana” amin’ny fiteny grika dia maneho fa manondro “ny” fitiavan’Andriamanitra izay raisintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina irery ihany izy (Rôm. 5:5). Ny zavatra tena mahagaga dia mitoetra eo amin’ny zava-misy fa ny voambolana nadika hoe “mifanompoa” dia ilay voambolana grika entina hilazana ny hoe “andevozina”. Ny fahafahantsika, noho izany, dia tsy ho amin’ny fahaleovantenan’ny tsirairay, fa ho amin’ny fanandevozan’ny ankilany amin’ny andininy, izay miorina amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Aoka ho mahitsy: efa nieritreritra ve ianao fa afaka mampiasa ny fahafahana anananao ao amin’i Kristy mba hampanaranana ny tenanao amin’ny fahotana kely etsy sy eroa? Inona no tena ratsy amin’izany karazam-piheverana izany?


Pejy ambony

ALAKAMISY


Manatanteraka ny lalàna rehetra (Gal. 5:13–15)

Ahoana no ahafahanao mampifandrindra ny fanakianana ataon’i Paoly momba ny hoe “mankatò ny lalàna rehetra” (Gal. 5:3) sy ny fanambarany maneho famporisihana momba ny fanatanterahana ny lalàna rehetra (Gal. 5:14)? Ampitahao ny Rôm. 10:5; Gal. 3:10,12; 5:3 sy ny Rôm. 8:4; 13:8; Gal. 5:14.

Maro no mahita fa mifanohitra ny tenin’i Paoly, dia ny fanakianana ataony momba ny hoe “mankatò ny lalàna rehetra” sy ny fanambarany maneho famporisihana momba ny fanatanterahana ny lalàna rehetra. Tena tsy mifanohitra mihitsy anefa ireo. Ny vahaolana dia mitoetra eo amin’ny fampiasan’i Paoly ny teny tsirairay, izay niniany natao mihitsy, mba hanavahana tsara ireo fomba roa samy hafa hamaritana ny fitondran-tenan’ny Kristianina manoloana ny lalàna. Ohatra, rehefa milaza zavatra tsara momba ny fitandreman’ny Kristianina ny lalàna i Paoly, dia tsy namaritra izany ho “fankatoavana ny lalàna” na oviana na oviana. Atokany io teny io mba hoentina hanondroana fotsiny ny fitondran-tena diso ananan’ireo izay mivelona eo ambanin’ny lalàna sy miezaka mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “fankatoavana” izay baikoin’ny lalàna.

Tsy entina hilazana akory izany fa tsy mankatò ireo izay nahita famonjena tao amin’i Kristy. Tsy misy zavatra azo atao ivelan’ny lalàna. Milaza i Paoly fa “manatanteraka” ny lalàna izy ireo. Ny tiany holazaina dia hoe: ny fitondran-tena kristianina marina dia mihoatra lavitra noho ny fankatoavana ivelambelany ny lalàna, fa fanatanterahana ny lalàna. Mampiasa ny voambolana “manatanteraka” i Paoly satria mipaka lavitra ambonin’ny “fankatoavana” fotsiny ihany izany. Mifototra amin’i Jesôsy io karazana fanatanterahana ny lalàna io (jereo ny Mat. 5:17). Tsy fahafoizana ny lalàna izany, na fanovana ny lalàna ho fitiavana fotsiny ihany, fa lalana izay ahafahan’ny mpino manandrana ny tena zava-kendrena amin’ny lalàna sy ny heviny marina!

Aiza no ahitana ny hevitra fenon’ny lalàna, araka izay voalazan’i Paoly? Lev. 19:18; Mar. 12:31,33; Mat. 19:19; Rôm. 13:9; Jak. 2:8.

Mampiasa teny avy ao amin’ny Levitikosy i Paoly. Na dia izany aza, mifototra tanteraka amin’ny fampiasan’i Jesôsy ny Lev. 19:18 ny fanambarana ataon’i Paoly ao amin’ny Galatianina. Tsy i Jesôsy irery ihany anefa no mpampianatra jiosy izay nampiasa ny Lev. 19:18 ho famintinana ny lalàna iray manontolo. Ny raby Hillel, izay velona teo ho eo amin’ny taranaka anankiray mialoha an’i Jesôsy, dia nilaza hoe: “Ny zavatra halanao, dia aza atao amin’ny namanao; izany no fehin’ny lalàna”. Tena hafa mihitsy anefa ny fomba fijerin’i Jesôsy (Mat. 7:12). Tsy hoe milaza zavatra amin’ny lafiny tsara ihany izany, fa maneho ihany koa fa tsy mifanipaka ny lalàna sy ny fitiavana. Raha tsy eo ny fitiavana, dia foana sy mangatsiaka ny lalàna; ary raha tsy misy lalàna, dia tsy misy lalan-kizorana ny fitiavana.

Inona no mora kokoa, ary nahoana: ny mitia ny hafa, sa ny mankatò fotsiny ny Didy Folo? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao.



 Pejy ambony


ZOMA


Fianarana fanampiny: “Miasa mandrakariva amin’ny alalan’ny fitiavana ny tena finoana marina. Rehefa mijery an’i Kalvary ianao, dia tsy ho fampandriana ny fanahinao ao anatin’ny tsy fanatanterahana ny adidy izany, ary tsy ho fampitoniana anao mba hatoritorianao, fa ho famoronana finoana an’i Jesôsy, dia finoana izay miasa sy manadio ny fanahy amin’ny fitiavan-tena. Rehefa mamikitra amin’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana isika, dia izay vao nanomboka ny asantsika. Ny olona tsirairay dia manana fahazarana ratsy sy feno fahotana izay tsy maintsy horesena amin’ny alalan’ny ady mangotraka. Takina hiady ny adin’ny finoana ny fanahy tsirairay. Raha mpanara-dia an’i Kristy ny olona iray, dia tsy afaka ny tsy hahitsy eo amin’ny asa aman-draharahany, na koa ho mangatsiaka sy tsy manana fangoraham-po. Tsy afaka ny haneho tsy fahalalam-pomba izy ireo amin’ny fiteniny. Tsy afaka ny ho feno fizahozahoana sy fanandratan-tena izy. Tsy afaka ny hanjakazaka izy, ary tsy afaka ny hampiasa teny henjana, na fanakianana na fanamelohana.
    
“Miboiboika avy amin’ny asan’ny finoana ny asan’ny fitiavana. Midika ho asa tsy ankiato ny fivavahan’ny Baiboly. ‘Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra’ – Mat. 5:16. ‘Miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.’ – Fil. 2:12,13. Tsy maintsy mafana fo amin’ny asa tsara isika; hitandrina fatratra fa hanao asa tsara mandrakariva. Ary dia hilaza ilay Vavolombelona marina hoe: ‘Fantatro ny asanao’.
    
“Marina fa tsy hiantoka ny famonjena antsika ireo asa ataontsika, saingy marina koa fa ny finoana izay mampiray antsika amin’i Kristy dia hanetsika ny fanahintsika hiasa. (MS 16, 1890).” — SDABC, b. 6, t. 1111.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

- Ao amin’ny kilasy, miverena amin’ny valinteninareo tamin’ny fanontaniana farany tamin’ny lesona Alakamisy. Inona no safidy hitan’ny ankamaroan’ny olona fa mora kokoa, ary nahoana? Inona ireo fahamarinana manan-danja asehon’ny valinteninao momba ny hevitry ny hoe manatanteraka ny lalàna?

- Milaza i Paoly fa “miasa” amin’ny alalan’ny fitiavana ny finoana. Inona no tiany lazaina amin’izany?

- Diniho ilay hevitra hoe: mitady hampiasa ny fahafahana anananao ao amin’i Kristy mba hanaranana ao amin’ny fahotana. Nahoana no tena mora tokoa ny manao izany? Inona anefa no fandrika mahalatsaka ny olona, rehefa mieritreritra tahaka izany izy ireo? (Jereo ny 1 Jao. 3:8.)

Famintinana: Iray amin’ireo voambolana tian’i Paoly indrindra ho famaritana ny filazantsara ny hoe “fahafahana”. Voafaoka ao anatin’izany ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika raha nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’izao tontolo izao Izy. Voafaoka ao anatin’izany koa ny fomba iantsoana antsika mba hivelona ny fiainana kristianina. Mila mitandrina anefa isika mba tsy ho lasa rembin’ny fitadiavana famonjena amin’ny alalan’ny asa na ny filibana ao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena ny fahafahantsika. Tsy nanafaka antsika i Kristy mba hahafahantsika manompo ny tenantsika, fa mba hahafahantsika manolotra ny fiainantsika ho fanompoana ny namantsika.


 Pejy ambony