18 - 24 MARTSA 2017
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 16:8-11; Rôm. 5:10; Heb. 4:15,16; 1 Pet. 5:8,9; 1 Jao. 5:12,13; Sal. 31:24.
Tsianjery: “Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina” – Rôm. 15:13.
Tonga amin’ny fihafaran’ny fianarantsika mandritra ity telovolana ity isika ankehitriny, izay momba ny Fanahy Masina sy ny fananana fiainana ara-panahy. Ato amin’ity lesona farany ity indray isika dia hijery ny asa lehibe anankiray izay sahanin’ny Fanahy Masina. Asa tsy mbola nisarika ny saintsika loatra izany.
Rehefa nilaza tamin’ny mpianatra i Jesôsy fa ho any amin’ny Ray, dia nampanantena fa handefa ny Fanahy Masina ho eo amin’izy ireo: “Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” – Jao. 14:26.
Araka ny voalazan’i Jesôsy, ny Fanahy Masina dia parakletos, izany hoe “mpananatra” na “mpampahery” na koa “mpisolovava”, izay manelanelana ho antsika. Nambaran’i Jesôsy koa ny asa hotanterahan’io mpisolovava io: “Hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana” – Jao. 16:8.
Mandritra ity herinandro farany ity isika dia handinika an-tsipiriany kokoa izany asa manokana ataon’ny Fanahy Masina izany. Ho hitantsika koa ny fomba fifandraisan’io asa manokana io amin’ireo ampahany roa hafa lehibe ao anatin’ny asa izay tanterahiny ho antsika, dia ny fanantenantsika ny famonjena ary ny fanantenana be voninahitra izay mampisy aina ny fiainantsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesôsy Kristy antsika.
Miaiky ny fahotana (Jao. 16:8,9)
Vakio ny Jao. 16:8,9. Inona no asa manokana ataon’ny Fanahy Masina ho antsika? Nahoana no manan-danja izany asa izany?
Nantsoin’i Jesôsy hoe paraclete ny Fanahy Masina. Manan-karena ara-kevitra tokoa io teny io. Mpananatra, Mpanelanelana ary Mpampahery no heviny. Ny Fanahy Masina àry izany dia manampy antsika hahatakatra ny tsy mety nataontsika sy ny ilaintsika mba hanaovana ny mety. Tsy mpiampanga antsika kosa anefa Izy. Tsy nandefa ny Fanahy i Jesôsy mba hanameloka antsika fa mba hanampy antsika kosa hahita fa mila ny fahasoavana isika.
Mahafinaritra ny manana mpampahery, saingy tsy mijanona hatreo ihany ny asany fa mila manampy koa izy. Mampalahelo anefa fa Kristianina maro, matetika, no manana toe-tsaina miampanga raha tokony hanampy. Tsy isika velively no natao hanondro ny fahotana eo amin’ny fiainan’ny hafa. Tsy izany no zavatra nasain’i Jesôsy ataontsika. Na ahoana na ahoana, iza moa isika no hanondro ny otan’ny hafa? Isika koa aza mba mpanota tahaka azy ihany.
Vakio ny Rôm. 2:1 sy ny Mat. 7:3. Inona no hafatra ilaintsika raisina avy amin’ireo andalan-teny ireo?
Isika dia vavolombelon’Andriamanitra fa tsy natao ho mpitsara ny hafa. Nantsoina isika hilaza amin’ny hafa ny fomba namonjen’i Jesôsy antsika. Tsy natao hanameloka ny hafa isika noho ny fahadisoan’izy ireo. Raha miezaka ny handresy lahatra ny hafa ny amin’ny otany isika, dia toy ny manatanteraka asa izay tsy antsika fa an’ny Fanahy Masina.
Ny Mpananatra, fa tsy isika, no “hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana” – Jao. 16:8. Hasehony azy ireo ny fahotany. Ny anton’izany dia satria ny olona izay tsy mbola nanolotra ny fiainany ho an’i Jesôsy, matetika, dia tsy mahafantatra marina ny tena atao hoe ota. Tsy fantany fa tena mandrava tokoa izany.
Tsy milaza tsy akory ireo andalan-teny ireo fa hamaritra ota manokana ny Fanahy. Ilay fahotana fototry ny ota hafa rehetra mihitsy no vantaniny, dia ny tsy finoana an’i Jesôsy Kristy (Jao. 16:9). Mety hanontany tena isika hoe inona no mahatonga ny fahoriantsika lalina indrindra sy ny fahatsapantsika ho manirery. Tsy ireo toetsika misy kilema no anton’izany fa ny tsy fanekentsika handray ny Fanahy Masina. Nalefan’Andriamanitra Izy mba hamonjy antsika ao anatin’ny alahelo sy ny fanirery mahazo antsika.
Ny olana amin’izay mety ho ota rehetra àry izany, dia ny tsy finoantsika an’i Jesôsy. I Jesôsy irery anefa no afaka hamonjy antsika amin’ny otantsika sy ny helotsika. Tsy azontsika atao, araka izany, ny mandà Azy na ny Fanahiny. Fahotana ny fandavana an’i Jesôsy sy ny Fanahiny. Izany ota izany dia mametraka ny izaho ho eo anivon’ny zavatra rehetra, ary tsy mety mino ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manokatra ny fo sy ny saintsika hahatsapa lalina fa mila miala amin’ny fahotana isika. Izy irery ihany no afaka hitarika antsika hanaiky ny famonjena izay hita amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy ho antsika.Ny ilàna ny fahamasinana (Rôm. 5:10)
Voalazan’ny Jao. 16:8 fa ny Fanahy Masina no “hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana”. Hasehony koa fa tsy fantatr’izy ireo ny hevitry ny hoe masina, satria izao tontolo izao dia tsy mahafantatra ny tena atao hoe ota. Tsy fantany koa noho izany ny tena atao hoe fahamasinana.
Ny olona izay tsy mbola nanolotra ny fiainany ho an’i Kristy dia mino fa ny fahatsaran-toetran’izy ireo sy ny asa soa ataony dia ampy hamonjena azy. Tsy mila ny fahamasinan’Andriamanitra izy ireo fa ny fahatsarana avy amin’ny asa ataony. Ohatra, tian’izy ireo ny hovonjena amin’ny fankatoavany ny lalàn’Andriamanitra. Ny fankatoavana ny lalàna anefa tsy hahatonga antsika hadio na oviana na oviana eo imason’Andriamanitra.
Ao amin’ny Isa. 64:6, ny mpaminany Isaia dia miresaka ny amin’ireo asa feno hatsaram-panahy rehetra nataon’ny olona tamin’ny androny. Nambarany fa ny fahatsaran’izy ireo rehetra dia “lamba mihosin-drà” ihany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: na dia ny asa tsara indrindra ataontsika aza dia tsy ampy hamonjena antsika.
Ny fahamarinan’i Jesôsy irery ihany no ampy hamonjena antsika. Izany ihany no mahatanteraka ny fitakiana rehetra ataon’ny lalàn’Andriamanitra. Zava-dehibe amin’Andriamanitra tokoa izany, ary azontsika takina ho antsika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesôsy Kristy irery ihany.
Vakio ny Rôm. 5:10 sy ny Heb. 4:15,16. Manao ahoana ny fahamarinantsika eo anatrehan’ny asa ataon’i Kristy ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra ao an-danitra?
Ny lalàna dia mitaky fahamarinana ka ny fiainan’i Jesôsy feno fahatanterahana irery ihany no mahatanteraka izany fitakiana izany. Maty ho antsika Izy. Na dia nolavin’ireo izay namono Azy teto an-tany aza i Jesôsy, dia noraisin’ny Ray tany an-danitra kosa. Novelomin’Andriamanitra indray i Jesôsy, ka tamin’ny alalan’izany fananganana amin’ny maty izany no nametrahany ny fanombohan-kasen’ny fanekeny teo amin’ny ain’i Jesôsy sy ny asa fanavotana nataony. Midika izany fa asehon’Andriamanitra ny fanekeny ny asa nataon’i Jesôsy hamonjena antsika. Amin’izao fotoana izao i Jesôsy dia Mpanalalana antsika amin’ny Ray (Heb. 4:15,16). Ny fiainany masina no nasolony ilay “lambantsika mihosin-drà”, satria tsy ampy velively hamonjena antsika ny asa tsara ataontsika.
Velona isika satria velona ao anatintsika Izy. “Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” – Gal. 2:20. Rehefa mitoetra ao anatintsika i Jesôsy, dia mandeha araka ny Fanahy isika (Rôm. 8:4) sy mandray fiainam-panahy vaovao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (ampitahao amin’ny Gal. 3:2-5; 5:16,18).
Nomen’Andriamanitra Ray voninahitra i Jesôsy. Nasehony fa ny fahafatesany dia ampy hamonjena antsika. Ny fanomezana ny Fanahy araka izany dia porofo fa ny anaran’i Jesôsy dia afaka amin’izay mety ho fiampangana diso nataon’i Satana. Nolazain’i Satana fa tsy vitan’ny olona ny mitandrina ny lalàna. I Jesôsy kosa anefa tonga olombelona ary nahavita nitandrina ny lalàna tamin’ny fahafenoany. Amin’izao fotoana izao àry dia izany hery izany koa no omen’i Jesôsy ny mpanara-dia Azy mba hitandreman’izy ireo ny lalàny sy hiainany fiainam-pahamasinana.
Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa “mihosin-drà” ny asa tsara ataonao? Milaza inona aminao izany momba ny ilànao ny fahamarinan’i Kristy?
Voatsara teo amin’ny hazo fijaliana i Satana (Jao. 16:8,11)
Vakio ny Jao. 16:8,11. Inona no fitsarana resahin’i Jesôsy eto? Nahoana izany fitsarana izany no vaovao mahafaly?
Miresaka ny amin’ny fitsarana i Jesôsy ao amin’ny Jao. 12:48. Ambarany mazava tsara fa zavatra tena misy tokoa ny fitsarana. Tsy io fitsarana ho avy io anefa no resahin’i Jesôsy ao amin’ny Jao. 16:11. Raha ny marina mantsy dia tsy izany velively no asehon’ireo teny ireo. Ny ampahany amin’ny fitsarana izay resahin’i Jesôsy eto dia ny vaovao mahafaly fa efa voatsara teo amin’ny hazo fijaliana i Satana. Ny devoly no fahavalo lehiben’ny fahamarinana ary efa voaisa ny androny. Ho avy ny fitsarana, saingy ampahafantarin’io andininy io antsika fa efa voaheloka “ny andrianan’izao tontolo izao” – Jao. 12:31.
Vakio ny 1 Pet. 5:8,9. Ahoana no fomba filazalazan’i Petera an’i Satana ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no fomba hanoherantsika azy?
Fantatr’i Satana fa kely sisa ny fotoany. Fantany fa efa resy teo Kalvary izy. Velona anefa izy ary feno hatezerana. Tiany ny handrava olona maro araka izay tratrany. Fahavalo efa resy anefa izy satria efa azon’i Jesôsy ny fandresena. Ny ràn’i Jesôsy mantsy no manafaka antsika.
Inty misy ohatra iray teo amin’ny tantara, izay hahazoantsika an-tsaina fa miady mafy tokoa ny devoly hamotehana antsika. Nanafika an’i Frantsa tamin’ny 6 Jona 1944 ny Tafika mpiara-dia tamin’ny ady lehibe faharoa. Hita mazava fa ho resy i Hitler. Niady tamin’ireo Tafika mpiara-dia ny Nazis nandritra ireo 11 volana manaraka mandra-pahatapitry ny ady, ka ireo 11 volana ireo no be rà nandriaka indrindra. Toy izany koa, fantatr’i Satana fa efa resy tanteraka Izy teo anatrehan’ny hazo fijaliana. Tsy hilavo lefona anefa izy fa mbola hiady mafy ihany sy hiezaka hamery olona maro araka izay vitany.
Miaina ao anaty fotoan-tsarotra isika izao. Miantso antsika i Petera ao amin’ireo andininy ireo mba hijery akaiky ny loza mananontanona ny fiainam-panahintsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: ilaintsika ny miambina, saingy azontsika apetraka amin’i Jesôsy avokoa ny tahotsika sy ny tebitebintsika rehetra satria Izy no miahy antsika (1 Pet. 5:7,8).
Nahoana no vaovao mahafaly ny fitsarana? Iza no ananantsika toky amin’ny fitsarana? Ahoana no hitoriantsika ny amin’ny fitsarana amin’ny fomba izay mitondra fanantenana ho an’ny olona fa tsy tahotra?
An’i Kristy (1 Jao. 5:12,13)
Vakio ny 1 Jao. 5:12,13; Rôm. 8:15-17; ary ny
2 Kôr. 5:5. Voalazan’ny Baiboly fa, voalohany indrindra, dia mila mandray an’i Kristy ho Mpamonjy antsika isika. Afaka matoky isika avy eo fa manana ny teny fikasan’ny fiainana mandrakizay. Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, nahoana isika no afaka matoky io teny fikasana io?
Ny Fanahy Masina no mitarika ny mpanota ho eo amin’i Jesôsy, satria i Jesôsy dia maty teo amin’ny hazo fijaliana ho solontsika. Ny fahafatesany no namerina antsika ho eo amin’Andriamanitra ary ny famelan-kelok’i Jesôsy dia manafaka antsika. Izao isika dia afaka manana fiainam-baovao. Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika, ary efa tsy fahavalony intsony aza (Rôm. 5:10). Mifehy ny fomba fiainantsika ny Fanahy Masina (Rôm. 8:4) ka izany dia manampy antsika “hihevitra izay zavatry ny Fanahy” – Rôm. 8:5. Tsy manapaka antsika intsony ny herin’ny ota amin’izay fotoana izay satria efa mitoetra ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra, ary efa an’i Kristy isika (Rôm. 8:9).
Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia handray izay rehetra efa notehirizin’Andriamanitra ho antsika isika. Ambaran’ny Fanahy amintsika fa hizara izay efa nozarain’i Jesôsy isika (Rôm. 8:17). Natsangan’ny Fanahy tamin’ny maty i Jesôsy, ary izao ny Fanahy dia manome fiainana antsika (Rôm. 8:10). Manampy antsika ny Fanahy hahafantatra ao am-pontsika fa tena an’Andriamanitra marina isika (Efes. 1:13). Isika dia “nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona” – Efes. 1:13,14. Afaka manana izany toky sy finoana izany avokoa ny mpino rehetra (1 Jao. 5:12,13).
Vakio ny Efes. 1:13,14. Inona no hevitry ny hoe nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina?
Ireo izay mandray an’i Kristy dia ateraka indray. Rehefa izany dia ateraky ny Fanahy isika (Jao. 3:5). Ataon’ny Fanahy Masina ao am-pontsika mantsy izany fahamarinana izany. Asiany tombo-kase isika mba hananantsika toky fa nahazo famonjena. Avy eo dia tsapantsika ny fifaliana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Asian’ny Fanahy Masina tombo-kase koa isika amin’ny maha-an’i Kristy antsika: “Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy” – Rôm. 8:9. Noho io tombo-kase io, dia fantatsika fa Andriamanitra no Raintsika be fitiavana ary inoantsika fa zanany malalany isika. Ny Fanahy Masina araka izany no antoka amin’ny fahazoana ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany no hanolorana antsika io fanomezana io (1 Kôr. 15:51-54). Ny finoantsika izany teny fikasana izany no tombo-kasen’ny tena finoantsika marina. Na ahoana na ahoana, ny Kristianina dia mila mino fa manana ny fiainana mandrakizay izy ireo. Tsy ho vitan’izy ireo mihitsy ny hijoro ho vavolombelona amin’izay mety ho hery ananany raha tsy manana io finoana ny teny fikasana io izy.
“Miresaha faherezana. Miresaha finoana sy fanantenana, dia ho fahazavana ao amin’ny Tompo avokoa ianareo. Saintsaino lalandava ilay varavarana misokatra efa napetrak’i Kristy eo anoloanareo. Tsy misy olona maharindrina izany varavarana izany fa Andriamanitra no hanidy azy tsy hidiran’ny ratsy rehetra. Tsy maintsy mamela Azy hanakatona izany anefa ianao satria hirohotra hiditra ao tahaka ny riaka be ny ratsy. Ny Fanahin’Andriamanitra kosa anefa dia hanangana faneva lehibe ho anao hanoherana izany” - Ellen G. White, The Advent Review and Sabbath Herald, April 16, 1889.
Ny Fanahy Masina sy ny fanantenana (1 Kôr. 13:13)
Vakio ny Rôm. 5:4,5; Rôm. 15:13; ary ny 1 Kôr. 13:13. Ahoana no fomba ifandraisan’ny fitiavana sy ny fanantenana eto? Inona no anjara asa tanan’ny Fanahy Masina amin’ny fanomezana antsika fitiavana sy fanantenana?
Ny Fanahy Masina no mandrotsaka ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika. Izy no mampifandray antsika amin’Andriamanitra. Izy no mampitoetra ny fitiavan’Andriamanitra ao anatintsika. Ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy miova sady marina ary izany no anton’ny finoantsika. Raha tsy misy ny fitiavana dia tsy misy ny fanantenana. Ny fitiavana ihany mantsy no mamorona ny fanantenana. Ny anton’izany dia satria ny fitiavan’Andriamanitra dia mikambana amin’ny toetra mahatoky ananany. Ananantsika araka izany ny fanantenana mahafinaritra fa ho avy indray Izy ka handray antsika hody any amin’izay misy Azy.
Vakio ny Sal. 31:24. Inona no ambaran’io andalan-teny io mikasika ny fiantraikan’ny fanantenana eo amintsika?
Mameno antsika amin’ny eritreritra sy fihetseham-po tsara ny fanantenana. Ataony ao anatintsika ny faniriana zavatra tsara. Manome hery vaovao ho antsika ny fanantenana sady mahatonga antsika ho velon-kira sy feno haravoana. Tena manan-danja eo amin’ny fiainantsika tokoa, araka izany ny fanantenana. Raha tsy misy ny fanantenana, dia inona no ilàna ny fiainana?
Ny fananana fanantenana anefa dia tsy mitovy amin’ny finoana fa ho tsaratsara kokoa ny hoavy. Inoan’ny olona sasany fa hisy fihatsarany ihany ny zavatra rehetra: ny toetr’andro, ny isa azo any am-pianarana, ny vola miditra, sy ny sisa. Ny fanantenana anefa dia tsy finoana an-jambany fa hisy izany fihatsarana izany. Izany dia miorina eo amin’ny finoana fa Andriamanitra dia mahatoky tokoa ka hihazona ireo teny fikasana efa nomeny tany amin’ny lasa sy hanatanteraka izany. Efa nasehon’Andriamanitra mantsy fa afaka miantehitra Aminy isika satria tsy mba miova Izy. Afaka mitoky Aminy isika fa hanatanteraka izay rehetra nolazainy Izy. Izany fahamarinana izany no anton’ny fanantenantsika.
Tsy iadian-kevitra intsony ny hoe ny anton’ny fanantenantsika dia hita ao amin’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana. Rehefa mibanjina ny hazo fijaliana isika, dia mahita ao amin’io fomba mahatalanjona indrindra io fa azo tsapain-tanana tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Ny hazo fijaliana dia fanehoana amintsika sy amin’izao tontolo izao amin’ny fomba tsy manam-paharoa hoe manao ahoana marina Ilay Andriamanitsika. Na dia zava-manana aina lavo sy fohy andro iainana ary miaina ao anatin’ny tontolo midadasika aza isika, dia mbola manana fanantenana ihany. Tsy vitantsika amin’izao anefa ny manana azy io ao anatintsika na dia amin’ny fanatanterahana izay zavatra “goavana” mety ho hefantsika aza. Ao amin’Andriamanitsika irery ihany, izay naneho ny Tenany tamintsika teo amin’ny Hazo fijaliana no hahazoantsika izany.
Manao ahoana ny fiorenan’ny fanantenana ny fiavian’i Kristy fanindroany ao amin’ireo teny fikasan’Andriamanitra mahatoky? Inona no akony tsara entin’ny fanantenana eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no hananantsika fomba fiaina izay maneho fanantenana fa tsy fahakiviana?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio ny andalan-teny ao amin’ny asasoratr’i Ellen G. White, You Shall Receive Power, indrindra indrindra ny ao amin’ny fizaràna volana Oktôbra: “Ready for the Spirit”.
Azo fintimpintinina toy izao ny asa rehetra ataon’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia miara-miasa amim-pirindrana amin’Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka mba hamonjena antsika. Mamoha antsika ao amin’ny fahafatesantsika ara-panahy ny Fanahy Masina. Sokafany ny masontsika hahita fa olona very isika. Mameno antsika amin’ny faniriana hiova anefa Izy, ka tarihiny ho eo amin’i Jesôsy Kristy isika, izay hany afaka hameno ny zavatra ilain’ny fanahintsika.
Manome antsika fanantenana ny Fanahy fa voavonjy isika. Mampitodika antsika mandrakariva any amin’i Jesôsy sy izay nataony ho antsika Izy. Ampiany isika hanahaka bebe kokoa an’i Jesôsy. Arovany isika ho mahatoky eo amin’ny fiarahantsika mandeha amin’Andriamanitra. Ampiany isika hanao ny sitrapon’Andriamanitra ka omeny antsika ny hery hahatonga antsika ho mpiara-miasa Aminy.
Ny Fanahy Masina koa no nanampy ny olona hanoratra ny Baiboly, izay mpitari-dalana sy bokim-pitsipika azo antoka ho an’ny fiainantsika Kristianina. Mampiseho antsika ny fahamarinana Izy.
Aiza ho aiza àry no misy antsika raha tsy eo ny Fanahy Masina? Inona no vitantsika raha tsy eo ny Fanahy Masina? Mahantra sy very isika raha tsy eo Izy. Tsy misy na inona na inona vitantsika ka hanome voninahitra sy laza ho an’Andriamanitra. Isaorana i Jesôsy fa nampanantena sy nandefa ny Fanahy Masina ho ety amintsika Izy. “Ny Fanahy Masina no fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra izay nangatahin’i Jesôsy tamin’ny Rainy. Nangataka izany Izy mba hanandratana ny vahoakany”. – You Shall Receive Power, Ellen G. White, t. 13.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Saintsaino misimisy kokoa ny valin’ireto fanontaniana ireto: Inona no atao hoe ota? Inona no atao hoe fahamasinana? Mino isika fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra. Inona araka izany no tokony haha-samy hafa ny fahatakarantsika ny atao hoe ota sy fahamasinana amin’ny fahatakaran’ireo izay tsy mino ny Baiboly mikasika izany? Inona avy izany tsy fitoviana izany? Inona no ampianarin’ny Baiboly antsika mikasika ny ota sy ny fahamarinana, izay tsy hitantsika any amin’ny foto-pinoana sy tari-dalana hafa?
2. Ampahany inona mahakasika ny asan’ny Fanahy Masina no sarobidy indrindra taminao? Nahoana no nanan-danja tokoa izany? Zarao amin’ny kilasy ny valinteninao. Ahoana no nanovan’izany ny fiainanao?
3. Resaho eo amin’ny kilasy ny fanantenana ananantsika ao amin’i Jesôsy. Inona avy no anton’izany fanantenana izany? Andeha atao hoe misy olona manontany anao momba ny anton’ny “fanantenana ao anatinao” (1 Pet. 3:15). Inona no havalinao, ary nahoana?
4. Ny lesona tamin’ity herinandro ity dia miresaka momba ny finoana sy fitokiana amin’ny teny fikasana fa mamonjy antsika i Jesôsy. Midika inona ny fananana izany fanantenana izany? Raha manana izany isika, nahoana? Inona no anton’izany fanantenana izany? Ahoana no maha-samy hafa izany amin’ny fitokiana be loatra amin’ny tenantsika sy ny fitokiana amin’ny fahatsarantsika mba hahazoantsika famonjena?