10 - 16 JONA 2017
NY ANDRON'NY TOMPO
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 3:1,2; Jao. 21:15–17; 2 Pet. 3:3–13; Sal. 90:4; Mat. 24:43–51; 2 Pet. 3:14–18.
Tsianjery: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra” – 2 Pet. 3:11.
Tamin’ny andro fahiny, ny olona izay tsy nino an’Andriamanitra dia noheverina ho olona tsy mendri-pitokisana, ary mety hampidi-doza mihitsy aza. Inona no anton’izany? Tsotra ny valiny: raha tsy nino an’Andriamanitra mantsy izy ireo, dia tsy nino izay mety ho fitsarana ho avy koa, izay tsy maintsy hanomezany valinteny an’Andriamanitra ny amin’ny zavatra nataony. Vokatr’izany dia mirona bebe kokoa hanao ratsy ny olona tahaka izany.
Na dia efa tsy manaraka ny toetr’andro intsony aza izany foto-pisainana izany (sady tsy azo heverina ho mitombina rahateo), dia tsy azo lavina ny lôjika sy ny eritreritra ao ambadika. Mazava loatra, fa olona maro no tsy voatery hatahotra ny fitsarana ho avy vao hanao ny marina. Kanefa, ny faharesen-dahatra ny hisian’ny fampamoahana eo anatrehan’Andriamanitra koa dia azo antoka fa hanampy ny olona ihany hanao ny marina.
Araka ny efa hitantsika, dia tsy natahotra ny nampitandrina ny mpanao ratsy momba ny fitsarana azy eo anatrehan’Andriamanitra i Petera. Mazava mantsy ny voalazan’ny Baiboly momba ny hiavian’izany. Ao anatin’io tontolon-kevitra io no iresahan’i Petera mazava tsara ny amin’ny andro farany sy ny fitsarana ary ny fiavian’i Jesôsy fanindroany sy ireo “zavatra rehetra ho levon’ny afo” (2 Pet. 3:10). Fantatr’i Petera fa mpanota avokoa isika rehetra, ary eo anatrehan’izay voalaza rehetra izay, dia apetrany amintsika ny fanontaniana hoe: “tokony hanao ahoana moa hianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra?” (2 Pet. 3:11).
Pejy ambony
Ny loharanon’ny fahefana nanoratan’i Petera (2 Pet. 3:1,2)
Nampitandrina ny mpamaky azy momba ny karazana fampianarana mampidi-doza hatrehin’ny fiangonana i Petera. Nampitandrina koa izy ny amin’ireo izay mampanantena fahafahana, kanefa hamerina ny olona any amin’ny fanandevozan’ny ota indray. Mifanohitra tanteraka amin’ny fahafahana izay nampanantenaina antsika ao amin’i Kristy mantsy izany.
Indrisy anefa fa tsy izay ihany no hany fampianaran-diso hiseho eo anatrehan’ny fiangonana. Hisy anankiray mbola ho avy koa, izay mampidi-doza. Na izany aza, dia mbola misy ny zavatra hafa ambaran’i Petera mialoha ny nilazany izany fampitandremana manokana izany.
“Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho aty aminareo” – 2 Pet. 3:1,2. Inona no tian’i Petera holazaina eto mikasika ny tokony hihainoan’ny mpamaky azy ny zavatra soratany? Jereo koa ny Jao. 21:15-17.
Ao amin’ny 2 Pet. 3:1,2 i Petera dia mampahatsiahy ny mpamaky azy ny amin’ny teny avy amin’ny tsindrimandry izay efa nomen’ireo “mpaminany masina” hatry ny ela. Araka izany, dia mampitodika ny sain’izy ireo any amin’ny Baiboly, izany hoe any amin’ny TT indray izy. Nampahatsiahiviny fa “manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa” – 2 Pet. 1:19 izy ireo. Tiany ho takatry ny sainy fa ny foto-pinoany dia miorina eo amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona ao amin’ny TV milaza fa tsy manan-kery intsony na tsy manan-danja firy intsony ny TT. Mifanohitra amin’izany aza, io no mampanan-kery ny TV sy ireo fanambaran’i Petera mikasika an’i Jesôsy.
Mbola misy zavatra hafa koa tsara ho fantatry ny mpamaky azy. Asehon’i Petera avy eo fa ny fahefany dia mifandraika amin’ny an’ireo mpaminany masina ao amin’ny TT. Anankiray amin’ireo apôstôlin’ny Tompo sady Mpamonjy rahateo izy. Takany mazava tsara ny antso izay noraisiny avy tamin’ny Tompo mba hanatanteraka ny iraka nataony. Tsy mahagaga raha misy faharesen-dahatra sy toky lehibe toy izany ny teniny. Fantany tsara ny loharano nipoiran’ny hafatra nentiny.
Nahoana no ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ny kolontsaintsika manokana na ny fomba fisainantsika na koa ny fomba fiheverantsika, no tompon’ny fahefana farany eo amin’ny fiainantsika? (Inona rahateo moa no antony hafa mahatonga antsika hitandrina ny Sabata ankoatra ny Tenin’Andriamanitra?)
Pejy ambony
Ireo mpaniratsira (2 Pet. 3:3,4)
Rehefa avy nitady izay fomba hahatonga ny mpamaky azy hahatsiaro “ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho aty aminareo” – 2 Pet. 3:2 i Petera dia nampiditra ny fampitandremana manokana tiany hatao. Angamba noho ny fahafantarany tsara ny maha-zava-doza izany fampianarana izany no niezahany hanaitra ny sain’izy ireo amin’ny fahefana nahazoany nanoratra.
Vakio ny 2 Pet. 3:3,4. Inona avy ireo hevitra haroson’ireo izay misalasala ny amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany?
Misy lafin-javatra lehibe mampitovy ireo mampanantena fahafahana sandoka sy ireo maneho fisalasalana mikasika ny fiverenan’i Jesôsy eto an-tany. Ilay antoko voalohany dia “mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto” – 2 Pet. 2:10; ary ireo nandà ny fiverenan’i Kristy kosa dia ireo izay “mandeha araka ny filàny” – 2 Pet. 3:3.
(Tsy toe-javatra kisendrasendra ny hitarihan’ny filan-dratsy mankany amin’ny fampianaran-diso, sa tsy marina izany?)
Ny mpaniratsira, hoy izy nampitandrina, dia hametraka izao fanontaniana izao: “Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany?” – 2 Pet. 3:4. Amin’izany no hanozongozonany ny finoan’ny Kristianina momba ny hiavian’i Kristy tsy ho ela intsony, izay efa nohazonina hatry ny ela. Haroson’ireo mpiroaroa saina ny zava-misy tsy azo lavina, dia ny fahamaroan’ireo Kristianina efa nodimandry, ary izany indrindra no entiny ilazana fa mitohy tsy miova ihany ny zavatra rehetra.
Toa mitombina izany amin’ny lafiny iray. Na dia i Enôka aza, araka ny voalazan’i Ellen White, dia nahita fa “samy hiverina ho vovo-tany avokoa” ny marina sy ny ratsy fanahy (PM. t. 65), ary dia nampalahelo azy izany. Raha i Enôka aza, izay velona talohan’ny safo-drano, very hevitra tamin’izany fanontaniana izany, tsy mainka ve ireo velona an’arivo taonany maro taty aoriana, eny, hatramin’isika izay velona amin’izao andro farany izao aza?
Ahoana ny amintsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito amin’izao vaninandro izao? Ny anarana entintsika mihitsy mantsy dia efa manantitrantitra ny mbola hiverenan’i Kristy indray. Tsy mbola tonga anefa Izy hatramin’izao, ary mbola eto amintsika hatrany koa ny mpaniratsira, araka izay efa nolazain’i Petera mialoha.
Eo amin’ny fanandramam-pinoanao manokana, ahoana no fomba fiatrehanao ny tsy mbola fahatongavan’i Kristy hatramin’izao? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.
Pejy ambony
Ny arivo taona toy ny indray andro (2 Pet. 3:8-10)
Ao amin’ny 2 Pet. 3:8-10, ahoana no fomba famalian’i Petera ny hevitra aroson’ireo mpaniratsira? Inona no voalazany ka afaka hanampy antsika hahatakatra ny antony tsy mbola hahatongavan’i Kristy?
Maro ireo mihomehy ny ho fiverenan’i Kristy tsy ho ela intsony. Ambaran’izy ireo mantsy fa mitohy tsy miova ihany ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao. Mampahatsiahy ny mpihaino azy izy fa tsy marina izany rehetra izany. (Mariho ny fitodihan’i Petera avy hatrany any amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay loharanon’ny fahefany). Nisy ny fotoana nanjakan’ny faharatsiana lehibe ka nandravan’Andriamanitra izao tontolo izao tamin’ny safo-drano (2 Pet. 3:6). Fiovana lehibe tokoa no nentin’ny safo-drano teto amin’izao tontolo izao (2 Pet. 3:6), fiovana izay mbola mitoetra hatramin’izao androntsika izao. Nilaza koa i Petera avy eo fa mbola horavana indray ny tany, saingy tsy amin’ny alalan’ny rano, fa amin’ny alalan’ny afo (2 Pet. 3:10).
Nanoratra izao koa i Petera: “Ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro” – 2 Pet. 3:8. Raha nilaza io teny io i Petera, dia mety nisaintsaina ireo teny ao amin’ny Sal. 90:4 manao hoe: “Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina”. Raha hazavaina misimisy kokoa dia izao: tsy mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny fahatakarantsika ny amin’ny fotoana; noho izany dia ilaintsika ny mitandrina eo amin’ny fanombantombanana ataontsika momba ny fotoana.
Raha miainga amin’ny fijerin’olombelona, dia toa tena misy fihemorany be tokoa raha ny fiverenan’i Kristy, saingy fomba fijerintsika ihany izay. Raha amin’ny fijerin’Andriamanitra indray, dia tsy misy izany. Voambaran’i Petera mantsy fa nampitomboina aza ny fotoana satria mampiseho ny faharetany ny Tompo. Tsy tiany hisy ho very isika na dia iray monja aza (2 Pet. 3:9). Izany fanampim-potoana izany àry, dia natao hanomezana tombontsoa ho an’ny maro mba hibebahany.
Mampitandrina koa anefa i Petera, fa tsy tokony hararaotina hanemorana ny fanndraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fanarahana an’i Jesôsy ny fahari-pon’Andriamanitra. Ho avy tampoka toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Ny mpangalatra tonga amin’ny alina dia azo inoana fa hanao izay tsy handrenesana ny fahatongavany. Raha ho avy tahaka ny mpangalatra anefa ny andron’ny Tompo, dia tena ho hita izany. Araka ny voalazan’i Petera: “ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra” – 2 Pet. 3:10. Mitovy amin’ny an’i Paoly ny hafatra nentin’i Petera: “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena” – 2 Kôr. 6:2.
Pejy ambony
Koa inona moa? (2 Pet. 3:11-13)
Niezaka ny hijoro ho vavolombelona tamin’ny reniny ny tovolahy anankiray. Noresahiny taminy ny momba ny fahafatesan’i Jesôsy, ny teny fikasana momba ny fiverenany. Faly tamin’ny zavatra nataony izy ka nihevitra fa nahavita namosaka teny manan-danja avy tao am-pony. Rehefa avy nahavita ny toriteny keliny momba an’i Jesôsy sy ny fiaviany fanindroany izy, dia nijery azy ny reniny sady niteny hoe: “Koa inona moa no ifandraisan’izany amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao?”
Vakio ny 2 Pet. 3:11-13. Ahoana no fomba amalian’i Petera io fanontaniana io, hoe: “Koa inona moa no ifandraisan’izany amin’ny fiainako amin’izao fotona izao?” Jereo ny Mat. 24:43-51.
Araka ny efa hitantsika, dia ny anarantsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito mihitsy no maneho ny finoantsika ny fiverenan’i Kristy. Miorina eo amin’izany fanantenana izany mantsy ny finoantsika. Tsy hisy heviny ny finoantsika Kristianina iray manontolo raha tsy hisy ny fiverenan’i Kristy sy izay rehetra ampanantenainy.
Saingy moa tsy tokony hatahotra ny ho tonga tahaka ilay mpanompo ratsy fanahy ao amin’ny Mat. 24:43-51 ve isika? Mety tsy hanao ilay karazana faharatsiana voalaza ao anatin’io fanoharana io isika. Tsy izay loatra no tiana hambara (fanoharana fotsiny rahateo io). Ny fampitandremana tiana hatao amintsika dia ny hoe: mety ho moramora kokoa amintsika ny hampidina ho ambanimbany kokoa ny fanevantsika, indrindra eo amin’ny fomba fitondrantsika ny hafa. Mety hirona bebe kokoa ho tahaka izao tontolo izao isika ka tsy hafana fo firy intsony eo amin’ny finoana ny fiverenan’ny Tompo.
Manao ahoana no tokony ho fiantraikan’io fiverenan’i Kristy tsy maintsy ho avy io eo amin’ny fiainanao andavanandro sy ny fomba fisainanao? Milaza inona momba ny fiainanao sy ny finoanao ny valinteninao?
Pejy ambony
Antso farany (2 Pet. 3:14–18)
Mamarana ny epistiliny amin’ny lohahevitra izay efa voaresaka hatrany am-piandohana i Petera: fananana fiainam-pahamasinana ary fitandremana tsara mba tsy havilivilin’ny “fahadisoan'ny ratsy fanahy” (2 Pet. 3:17).
Vakio ny 2 Pet. 3:14–18. Iza no andefasan’i Petera antso eto, ary inona no zavatra ampitandremany ao anatin’ilay antso?
Mahaliana tokoa ny famaranan’i Petera ny epistiliny amin’ny fisarihana ny sain’ireo mpamaky azy amin’izay voasoratr’i “Paoly, rahalahy malalantsika” - 2 Pet. 3:15. Nanoratra ihany koa i Paoly fa ilaina ny mihavana amin’ny olona rehetra, eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, sy ny manararaotra ny fotoana mba hikolokoloana fiainana masina (jereo ny Rôm. 2:4; Rôm. 12:18; Fil. 2:12).
Mariho koa fa ny firesahan’i Petera momba ireo asasoratr’i Paoly dia mampiseho fa nomena tombambidy ambony teo amin’ny tantaran’ny Kristianina izany asasoratra izany. Tsy voafaritra mazava raha ireo asasoratr’i Paoly rehetra izay hita ao amin’ny TV amin’izao fotoana izao no resahin’i Petera, na ny ampahany amin’izany ihany. Na izany aza, ireo fanazavana nataon’i Petera dia maneho fa nomen-danja ambony tokoa ireo taratasin’i Paoly.
Farany, manazava i Petera fa mety tsy ho araka ny tokony ho izy ny fahatakarana ireo asasoratr’i Paoly, tahaka ny Soratra Masina hafa ihany. Ny voambolana grika grapha dia midika ara-bakiteny hoe “asasoratra”, saingy eto amin’ity tontolon-kevitra ity dia midika mazava tsara hoe “asasoratra masina” izany, tahaka ireo bokin’i Mosesy sy ny bokin’ireo mpaminany. Io no porofo voalohany indrindra fa nanana fahefana, tahaka ny fahefan’ny Baiboly hebreo, ireo asasoratr’i Paoly.
Ary raha jerena izay novakintsika tany aloha tany momba ireo mpampianatra sandoka izay nampanantena fahafahana, dia tsy sarotra ny mahazo an-tsaina fa nampiasa ireo asasoratr’i Paoly momba ny fahafahana sy ny fahasoavana ny olona ho fanalana tsiny ny fitondran-tenany feno fahotana. Nanizingizina mafy ny fanamarinana amin’ny finoana irery ihany i Paoly (Rôm. 3:21,22), saingy tsy misy na inona na inona ao amin’ny asasorany izay manome lalana ny olona hanota (jereo ny Rôm. 6:1–14). Na i Paoly aza dia tsy maintsy niatrika io fahadisoana io, manoloana ny zavatra notoriny sy nampianariny momba ny fanamarinana amin’ny finoana. Mbola mampitandrina ihany anefa i Petera fa ireo izay manolana ny asasoratr’i Paoly dia manao izany ho amin’ny “fahaverezana ho an'ny tenany” ihany (2 Pet. 3:16).
Inona ireo safidy azonao atao, izao ankehitriny izao, izay afaka hanampy anao hanana ilay karazam-piainana niantsoan’i Jesôsy Kristy antsika?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Raha amin’ny fomba fijerintsika, dia mety ho toa maharitra ela tokoa ny fiavian’i Kristy fanindroany. Fantatr’i Jesôsy mazava tsara fa hanana izany fahatsapana izany isika, ary nampitandrina tamin’ny alalan’ny fanoharana sasany Izy ny amin’izay mety hitranga raha toa ka tsy mitandrina sy tsy miambina isika mandritra io fotoana io. Raiso ny fanoharana momba ireo mpanompo roa ao amin’ny Mat. 24:45–51 (voaresaka tao amin’ny lesona Alarobia). Samy niandry ny hiverenan’ny tompony izy ireo, saingy tonga tamin’ny fehin-kevitra roa samy hafa momba ny fiverenany. Nanapa-kevitra ny iray fa tsy maintsy mivonona amin’ny fiverenan’ny tompony amin’ny fotoana rehetra izy. Ny iray kosa nilaza fa maharitra ela ny tompony, ka nohararaotiny izany mba hanehoana fitondran-tena ratsy. “Satria tsy fantatsika ny fotoana marina hiaviany, dia hafatrafarana isika hiambina. ‘Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy Izy’. Izay miambina ny hiavian’ny Tompo dia tsy midonanaka foana eo am-piandrasana. Mahatonga ny olona hatahotra ny Tompo sy hatahotra ny fitsarana hahatra amin’ny fandikan-dalàna ny fiandrasana an’i Kristy. Mamoha azy hiala amin’ny fahotana lehibe dia ny fitsipahana ny famindrampo atolony izany. Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin’ny fankatoavana ny fahamarinana.” – IFM, t. 681.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Rehefa ao amin’ny kilasy, dia ifanakalozy hevitra ny valinteninareo tamin’ny fanontaniana tao amin’ny lesona Alatsinainy, momba ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. Ahoana no fomba fiatrehantsika ny tsy mbola fahatongavan’i Kristy? Manomeza ohatra vitsivitsy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’ny tsirairay?
2. Inona ireo fampianarana sy fanao ary foto-pinoana izay hazonintsika, amin’ny maha-Advantista antsika, ka tsy avy amin’ny kolontsaina na avy amin’ny foto-pisainana na avy amin’ny lovantsofina, fa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany?
3. Araka ny hitantsika nandritra ny herinandro, dia nampifandraisin’i Petera tamin’ny fironana sy faniriana miredareda feno fahotana ny fampianaran-diso. Nisy fanambarana tahaka izao tao amin’ny lesona: “Tsy toe-javatra kisendrasendra ny hitarihan’ny filan-dratsy mankany amin’ny fampianaran-diso, sa tsy marina izany?” Nahoana no tsy kisendrasendra fotsiny tokoa izany? Inona avy ireo mety ho fifandraisana eo amin’ireo zavatra roa ireo?
4. Naneho tamin’izao tontolo izao ilay foto-kevitra mahatalanjona i Albert Einstein fa tsy mitovy ny fotoana ho an’ny olona rehetra. Izany hoe: arakaraka ny toerana misy anao sy ny hafainganam-pandeha ihetsehanao no hamaritanao ny fotoana. Koa ny fotoana aminao, araka ny famaritanao azy, dia tsy ho araka izay hiheveran’ny hafa azy, araka ny famaritany azy. Ny tian-kambara dia izao: zavatra tena saro-pantarina ny fotoana, ary mihetsika amin’ny fomba izay tsy takatsika amin’ny fahafenoany izany. Ahoana no mety hanampian’io hevitra io antsika hahatsapa fa ny fotoana amin’Andriamanitra dia tsy araka izay iheverantsika azy, indrindra ao anatin’ny tontolon-kevitry ny mbola tsy fiverenan’i Kristy?
Pejy ambony