09 - 15 SEPTAMBRA
VELONA ARAKA NY FANAHY
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 5:16-25; Deo. 13:4; Rôm. 7:14-24; Jer. 7:9; Hôs. 4:2; Mat. 22:35-40.
Tsianjery: “Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.” – Gal. 5:16
I Robert Robinson no nanoratra ny hira hoe “Avia, Ianao Loharanon’ny fitahiana rehetra”. Iray amin’ireo hira be mpitia indrindra hatrizay izany. Tsy hoe olon’ny finoana mandrakariva anefa i Robinson, nahatezitra azy fatratra ny nahafatesan- drainy. Nanomboka nisotro sy niaina fiainam-pahotana izy. Nandre toriteny iray nataon’ny mpitory malaza antsoina hoe George Whitefield anefa izy, ka nahatonga azy hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra izany. Nanjary pasitora Metôdista izy. Nosoratany io hira io niaraka tamin’ireto andalana ireto: “Malaky mania aho, Tompo, tsapako izany. Malaky mandao Ilay Andriamanitra tiako.”
Taty aoriana, dia nisy nanova ny hiran’i Robinson. Tsy dia tian’ilay olona loatra ny ampahany milaza mikasika ny fon’ny Kristianina izay maniasia lavitra an’Andriamanitra, koa novainy ho toy izao ny tononkira: “Maniry ny hidera aho, Tompo, tsapako izany. Maniry ny hitia Ilay Andriamanitra tompoiko.”
Ny teny nofidin’i Robinson anefa no maneho ny fahamarinana mikasika ny tolona atrehin’ny Kristianina. Amin’ny maha-mpino antsika, dia manana lafin-toetra roa isika: ny nofo sy ny Fanahy. Miady ireo lafiny roa ireo. Malaky maniasia lavitra an’Andriamanitra ny lafiny maha-mpanota antsika. Tokony hanaiky hanolo-tena tanteraka amin’ny Fanahiny anefa isika, mba tsy hahatonga antsika ho lasa andevon’ny filan’ny nofo. Izany hafatra izany no votoatin’ny toko sy andininy hodinihintsika mandritra ity herinandro ity.
Pejy ambony
MANDEHA ARAKA NY FANAHY (Gal. 5:16)
Vakio ny Gal. 5:16. Eto i Paoly dia mampiasa ny fanoharana an-tsary hoe “mandeha”. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny hoe “mandeha” sy ny fiainam-pinoana? (vakio ny Deo. 13:4,5; Rôm. 13:13; Efes. 4:1,17; ary ny Kôl. 1:10).
Ny hoe “mandeha” dia sarin-teny noraisina avy tao amin’ny TT izay manazava ny fomba tokony hitondran’ny olona iray tena. Matetika i Paoly no mampiasa io teny io ao anatin’ny epistiliny. Mampiasa izany hoenti-manazava ny tokony ho fiainan’ny Kristianina izy. Ny fampiasany io fanoharana io dia mifandraika koa amin’ny anarana voalohany nampifandraisina tamin’ny fiangonana voalohany. Nialoha ny niantsoana ny mpanara-dia an’i Jesôsy hoe Kristianina (Asa. 11:26), dia fantatra tamin’ny anarana hoe mpanaraka ny “Lalana” izy ireo (Jao. 14:6; Asa. 22:4; Asa. 24:14). Izany dia mampiseho fa, tany am-boalohany, ny fivavahana Kristianina dia tsy hoe fitambarana fampianarana fotsiny ihany izay niorina tamin’i Jesôsy, fa “lalan’” ny fiainana natao “handehanana” koa.
Vakio ny Eks. 16:4; Lev. 18:4; ry ny Jer. 44:23, inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fanoharana amin’ny fandehanana? Vakio kosa indray izay lazain’i Paoly mikasika ny hoe “mandeha” ao amin’ny Gal. 5:16 sy ny Rôm. 8:4. Inona no maha-samy hafa ny fanoharana ataon’i Paoly mikasika ny fandehanana amin’izay ambaran’ny TT?
Tsy ampy hilazana ny fananana fiainana araka an’Andriamanitra tao amin’ny TT ny teny hoe “mandeha”, ny teny hoe “mandeha araka ny lalàna” no nilazana izany. Halakhah no teny jiosy ilazana ny didy sy ny fitsipika hita ao amin’ny lalàna sy ny fomba amam-panaon’ny raby izay notandreman’ireo razamben’izy ireo. Matetika no adika hoe “lalàna jiosy” ny Halakhah, kanefa avy tamin’ny teny Hebreo ilazana ny hoe “mandeha” no niaviany, izay midika hoe “ny fomba fandeha”.
Ny teny ataon’i Paoly mikasika ny “fandehanana araka ny Fanahy” dia tsy manohitra ny lalàna na ny fankatoavana izany. Ny zavatra toherin’i Paoly dia ny fomba diso ampiasana ny lalàna. Ny fankatoavana marina izay andrasan’Andriamanitra amintsika dia tsy azo avy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàna fa avy amin’ny fiovan’ny fo irery ihany. Avy amin’ny Fanahy Masina izany fiovana izany (Gal. 5:18).
Nanao ahoana ny “nandehananao araka ny Fanahy”? Ahoana no nahavitanao izany? Inona no ataonao eo amin’ny fiainanao izay manasarotra kokoa izany fandehanana izany?
Pejy ambony
NY ADY ATREHIN’NY KRISTIANINA (Gal. 5:17)
“Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.” – Gal. 5:17. Vakio koa ny Rôm. 7:14-24. Amin’ny maha-mpino anao, nanao ahoana ny niainanao ny fanandramana mikasika ny fahamarinana maharary ambaran’ireo teny ireo teo amin’ny fiainanao?
Ny tolona resahin’i Paoly ao amin’ny Gal. 5:17 dia ny ady ao anaty atrehin’ny Kristianina tsirairay. Teraka tao anatin’ny fahalavoana ny olombelona, koa mandeha ho azy aminy ny mihevitra araka ny fihevitry ny nofo (Rôm. 8:7). Rehefa ateraky ny Fanahy Masina indray ny olombelona vao tena manomboka miseho ny ady ara-panahy. Tsy midika akory izany fa tsy mba miatrika tolona momba izay tsara sy ratsy ny olona tsy Kristianina, miatrika ady koa izy ireo. Ny Kristianina kosa dia manana lafin-toetra roa ao anatiny, dia ny nofo sy ny Fanahy; ireo lafin-toetra ireo no miady.
Manerana ny tantara, dia hita fa naniry ny hohafahana amin’izany tolona izany ny Kristianina. Ny sasany niezaka namarana izany ady izany tamin’ny fihatahana amin’ny fiarahamonina. Ny hafa kosa indray dia nilaza fa ny maha-olombelona lavo azy sy ny maha-mpanota azy dia azo foanana tanteraka amin’ny alalan’ny fahagagana ataon’Andriamanitra. Samy diso ny fihevitr’ireo sokajin’olona roa ireo. Azo antoka ny handresentsika ny faniriana feno otan’ny nofo avy amin’ny herin’ny Fanahy, saingy tsy manampy amin’izany ny fihatahana amin’ny fiarahamonina. Nahoana? Satria mitondra izany ady izany manaraka antsika isika na aiza na aiza alehantsika. Hanohy hanao izany isika mandra-pahafatintsika na mandra-pahatonga ny fiavian’i Jesôsy fanindroany.
Noho ny fananantsika lafin-toetra roa, dia amin’ny laniny roa amin’ny ady isika. Ny ara-panahy ao anatintsika dia maniry ny zava-panahy ary mankahala ny nofo. Ny maha-nofo antsika kosa dia maniry ny zavatry ny nofo ary manohitra ny zava-panahy. Koa satria malemy loatra ny saina voaova ka tsy hahatohatra ny nofo amin’ny herin’ny tenany, ny hany fanantenana ananantsika mba handresena ny nofo dia ny fandraisana fanapahan-kevitra isan’andro ny hiandany amin’ny Fanahy mba hanoherana ny tenantsika feno fahotana. Izany no antony nanindrian’i Paoly mafy ny hisafidianantsika ny handeha araka ny Fanahy.
Eritrereto ny tolona misy eo amin’ireo lafin-toetra roa ireo. Inona no holazainao amin’ny Kristianina iray izay miezaka mafy hamarana izany ady tsy mety tapitra atao amin’ny tena izany?
Pejy ambony
NY ASAN’NY NOFO (Gal. 5:19-24)
Mampiditra ny hevitra mikasika ny ady mitohy ao anatin’ny Kristianina i Paoly: ady eo amin’ny nofo sy ny Fanahy. Ao amin’ny Gal. 5:18-26, i Paoly dia miresaka bebe kokoa mikasika ny fahasamihafana eo amin’ireo lafin-toetra ao anatintsika ireo. Ataony ny lisitr’ireo fahazaran-dratsy izay antsoina koa hoe fahalemena, ary ny fahazarana tsara na toetra tsara.
Vakio ny lisitr’ireo fahalemena sy ny toetra tsara voalazan’ireto toko sy andininy manaraka ireto: Jer. 7:9; Hôs. 4:2; Mar. 7:21; 1 Tim. 3:2,3; 1 Pet. 4:3; Apôk. 21:8. Inona no mampitovy ireo lisitra ireo amin’izay tanisain’i Paoly ao amin’ny Gal. 5:19-24? Inona no maha-samy hafa azy?
Fantatr’i Paoly tsara ny amin’ireo lisitry ny fahalemena sy ny toetra tsara ao amin’ny Baiboly, saingy misy fahasamihafana tsy azo tsinontsinoavina ao amin’ireo lisitra ataony ao amin’ny bokin’ny Galatianina. Voalohany, dia notanisainy ireo fahalemena, dia ireo “asan’ny nofo”. Antsoiny hoe “vokatry ny Fanahy” kosa ny toetra tsara. Zava-dehibe ny fahasamihafan’izany anarana izany. Hazavain’i James D.G Dunn ny anton’izany: “Ny nofo dia mitaky, fa ny Fanahy kosa mamokatra. Ny nofo mitady izay ho azy, fa ny Fanahy kosa mihevitra ny ho an’ny hafa. Ireo fahalemena voatanisa dia maneho ny zavatra ratsy ataon’ny olona mba hahazoana izay tiany. Ny lisitry ny toetra tsara kosa dia maneho ny fanovan’Andriamanitra antsika. Mampiseho izany fa ny ivon’ny fiovana ara-panahy marina dia ny fanaovana ny marina.” – EG, t. 308.
Ny fiainana ao amin’ny nofo dia tsy mitondra afa-tsy fisarahana sy zava-tsarotra marobe, fa ny fiainana ao amin’ny Fanahy kosa dia mamoa ny vokatry ny Fanahy, vokatra izay asehon’ireo toetra tsara sivy tanisain’i Paoly. Ireo toetra tsara ireo no mampiray ny Kristianina amin’ny finoana.
Ny olona sasany dia milaza fa tsy dia midika inona loatra izay inoan’ny Kristianina momba an’Andriamanitra rehefa tsara toetra izany olona izany. Manalavitra ny fahamarinana anefa izany. Ny fahalemena notanisan’i Paoly dia mampiseho fa ny fomba fijery diso mikasika an’Andriamanitra dia mitarika ho amin’ny hevi-diso momba ny fifandraisana, ny fivavahana ary ny tokony ho fitondrantenantsika eo anivon’ny fiarahamonina. Ny fahadisoan-kevitra tahaka izany dia mitarika ho amin’ny faharavan’ny fifandraisan’ny olombelona, ary koa mitarika ho amin’ny famoizana ny fiainana mandrakizay (Gal. 5:21).
Jereo indray ny lisitra nataon’i Paoly amin’ireo “asan’ny nofo”. Amin’ny fomba ahoana no andikan’ny fahalemena tsirairay ny lalàna iray na mihoatra izany ao amin’ny didy folo?
Pejy ambony
NY VOKATRY NY FANAHY (Gal. 5:22-24)
“Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.”- Gal. 5:22,23. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fankatoavana ny didy folo ny vokatry ny Fanahy araka izay voalazan’ireo andalan-teny ireo? (vakio koa ny Mat. 5:21,22,27,28; Mat. 22:35-40).
Tsy natao haka ny toeran’ny fitiavana tsy akory ny didy folo, fa manampy amin’ny fitarihana antsika ho amin’ny fanehoana fitiavana amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. Tsy miady amin’ny lalàna ny fitiavana. Tsy mandrava ny didy folo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiray vodirindrina amintsika. Ny fanambarana izany zavatra izany dia tsy misy heviny, tahaka ny filazana fa ny fitiavana zavaboary dia manimba ny lalàn’ny ivom-besatra.
Toetra tsara sivy no ilazalazan’i Paoly ny vokatry ny Fanahy. Ireo mpandinika ny Baiboly dia mino fa ireo toetra tsara ireo dia voatsinjara ho tsitelotelo. Ny olona sasany dia mihevitra fa ny isa telo dia manondro an’Andriamanitra telo izay iray. Ny hafa kosa dia mihevitra fa ny isa telo dia manondro ny fomba telo tokony ho fifandraisantsika amin’Andriamanitra, amin’ny mpiray monina ary amin’ny tenantsika. Misy mahita io lisitra io ho toy ny filazalazana ny momba an’i Jesôsy. Samy tsara ireo hevitra ireo, fa ny teboka lehibe indrindra dia ny lanja nomen’i Paoly ny fitiavana eo amin’ny fiainan’ny Kristianina.
Tsy kisendrasendra ny nametrahan’i Paoly ny fitiavana eo amin’ny lohalaharana amin’io lisitra io. Ao amin’ny Gal. 5:6,13 dia asehony ny maha-zava-dehibe ny fitiavana eo amin’ny fiainana kristianina. Ampidiriny ao anaty lisitry ny toetra tsara any amin’ny boky hafa koa aza ny fitiavana (2 Kôr. 6:6; 1 Tim. 4:12; 1 Tim. 6:11; ary ny 2 Tim. 2:22). Ny fitiavana no mampiavaka ny Kristianina, satria ireo toetra tsara rehetra notanisain’i Paoly dia hita any amin’ny tontolo tsy kristianina koa. Hitantsika amin’izany fa tena miavaka tokoa ny fitiavana fa tsy hoe lafin-toetra tsara iray fotsiny ihany. Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ny toetra tsara, ary izany no fanalahidy hahazoana ireo lafin-toetra tsara ambiny. Ny fitiavana no zava-dehibe indrindra amin’ireo vokatry ny Fanahy (1 Kôr. 13:13; Rôm. 5:5). Indraindray dia sarotra tokoa ny maneho fitiavana, nefa izany no tokony hamolavola ny fiainana sy ny fisainana ary ny fihetsehampon’ny Kristianina tsirairay (Jao. 13:34,35), amin’ny fotoana rehetra na aiza na aiza.
Fandavan-tena manao ahoana no tokony hanehoana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafa? Azonao atao ve ny mitia kanefa tsy mandà tena? Inona no fampianaran’i Jesôsy mikasika ny fitiavana sy ny fandavan-tena?
Pejy ambony
NY LALANA MANKANY AMIN’NY FANDRESENA (Gal. 5:16-26)
Mangotraka tokoa ny ady eo amin’ny nofo sy ny Fanahy ao am-pon’ny mpino tsirairay, saingy tsy tokony hibahana eo amin’ny fiainana kristianina ny faharesena sy ny tsy fahombiazana ary ny ota.
Vakio ny Gal. 5:16-26. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo izay hanampy antsika hanana fiainana mandresy ny nofo?
Ahitana matoanteny manan-danja miisa dimy ny Gal. 5:16-26. Matoanteny izay manoritsoritra ny karazam-piainana anjakan’ny Fanahy. Voalohany, dia ilain’ny mpino ny “mandeha” araka ny Fanahy (and. 16). Ny teny Grika ilazana izany dia ny peripateo, izay midika ara-bakiteny hoe “manaraka”. Ny filazam-potoana ampiasain’i Paoly amin’izany dia ny ankehitriny, izay maneho fa tsy indray miseho tsy akory ny fandehanana, fa fanandramana atao isan’andro izany. Ny fandehanana araka ny Fanahy dia safidy tokony hataontsika isan’andro isan’andro. Ny matoanteny faharoa dia ny hoe “tarihina” (and. 18). Io matoanteny io dia maneho fa ilaintsika koa ny mamela ny Fanahy hitarika antsika any amin’izay tokony handehanantsika (vakio koa ny Rôm. 8:14; 1 Kôr. 2:2). Tsy anjarantsika ny mitarika fa ny manaraka.
Misy voanteny roa hafa manan-danja koa ao amin’ny Gal. 5:25. Voalohany, dia ny hoe “velona” (zao amin’ny teny Grika). Ny tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “velona” dia ny fahateraham-baovao ao amin’i Kristy. Tokony ho hita eo amin’ny fiainan’ny mpino tsirairay izany. Ny fanandraman’ny fahateraham-baovao dia tokony hisy isan’andro. Velona araka ny Fanahy isika, koa ilaintsika koa ny “mandeha” araka ny Fanahy. Ny teny nadika hoe “mandeha” dia tsy mitovy amin’izay ao amin’ny and. 16. Eto dia stoicheo izany teny izany. Teny fampiasan’ny miaramila izany, izay midika hoe “milahatra”, “stay in step” na “miara-mamindra” na “miray hevitra”. Ny hevitra tian’i Paoly hampitaina dia izao: tokony hitarika ny fiainantsika isan’andro ny Fanahy.
Ny matoanteny ampiasain’i Paoly ao amin’ny and.24 dia ny “nanombo” tamin’ny hazo fijaliana. Somary manohina izany hevitra izany, kanefa dia tsy maintsy misafidy ny hamono ny fanirian’ny nofo isika vao afaka hanaraka ny Fanahy. Mazava loatra fa sary an’ohatra izany hevitra izany. Manombo ny nofo isika amin’ny famelomana ny fiainana ara-panahy sy famonoana ny fanirian’ny nofo.
Inona no fandresena ampanantenaina anao ao amin’i Kristy? Inona no fanovana sy safidy tsy maintsy ataonao mba hahazoanao izany?
Pejy ambony
ZOMA
FIANARANA FANAMPINY: “Hiharatsy hatrany ny famelezan’i Satana arakaraka ny hanatonantsika ny fiafaran’ny tantara. Hiezaka izy hanao izay hinoan’ny Kristianina ny zavatra tsy marina. Hamandrika azy ireo amin’ny fahotana izy, hamely azy matetika kokoa. Ireo izay miala amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana dia hanjary mafy fo ka tsy hahita ny fitarihan’ny Fanahy. Hanjary masiaka amin’ireo izay tia an’Andriamanitra sy mankatò ny didiny izy.” – SDABC, b. 6, t. 1111.
“Ny Fanahy Masina no mahatonga an’i Kristy hitoetra ao am-po. Tsy mahita maso an’i Kristy isika izao, na miresaka Aminy mivantana, fa ny Fanahy kosa dia akaiky antsika na aiza na aiza. Ny Fanahy no miasa ao anaty sy amin’ny alalan’ny olona tsirairay izay mandray an’i Kristy. Ireo izay mandray ny Fanahy ho ao anatiny dia haneho ny vokatry ny Fanahy. Ny vokatry ny Fanahy dia ahitana ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy ary ny finoana.” – SDABC, b. 6, t. 11112.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Inona no hevitry ny hoe manombo ny fanirian’ny nofo eo amin’ny hazo fijaliana? Ahoana no hanaovantsika izany? Impiry isika no tokony hanao izany? Inona no antony nampiasan’i Paoly sary an’ohatra mahery vaika tahaka izany? Inona no ambaran’ny fanomboana ny fanirian’ny nofo eo amin’ny hazo fijaliana mikasika ny tolona mafy atao amin’ny tena?
2. Nilaza i Paoly fa ny finoana no hamonjena antsika fa tsy ny asa. Nilaza koa anefa izy fa ireo izay manao ny asan’ny nofo dia tsy hiditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha atao indray mitopy maso dia tahaka ny tsy mifanaraka ireo hevitra roa ireo, ahoana anefa no ifanohanan’ireo hevitra ireo?
3. Inona no tolona lehibe indrindra atrehinao eo amin’ny dia ataonao amin’ny maha-Kristianina anao? Nahoana isika no tokony hahatsiaro mandrakariva fa ny famonjena antsika dia miankina manontolo amin’izay nataon’i Jesôsy?
Famintinana: Misy ady eo amin’ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny Fanahy. Miseho eo amin’ny fiainan’ny mpino rehetra izany ady izany. Tsy tokony ho fiainam-paharesena ny fiainana kristianina, satria efa nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana i Kristy. Araka izany, ny fiainana kristianina dia afaka ny ho tonga fiainana anjakan’ny Fanahy. Ny Fanahy no afaka hitondra fanomezana isan’andro ho amin’ny fiainana kristianina, dia ny fahasoavan’Andriamanitra izany. Io fahasoavana io no manampy antsika handresy ny fanirian’ny nofo.
Pejy ambony