SS 1 2T 2017

LESONA 1

25 MARTSA 2017 - 31 MARTSA 2017

FANTARO I PETERA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 5:1-11; Mat. 16:13-17; Mat. 14:22-33; Lio. 22:31-34,54-62; Gal. 2:9,11-14.

Tsianjery:
“Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?” – Mat. 14:30,31

I Petera no nanoratra ireo epistily na ireo boky roa, izay fantatra amin’ny hoe 1 sy 2 Petera. Anisan’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesôsy izy. Nitoetra niaraka tamin’i Jesôsy i Petera nandritra ny asa nataon’i Jesôsy tety an-tany, ary izy no anisan’ireo mpianatra nahita fa foana ny fasana nisy an’i Jesôsy. Araka izany, efa niaina zavatra maro izay nanampy azy tamin’ny fanoratana ireo epistily roa manan-kery ireo i Petera. (vakio ny 2 Pet. 1:16). Ary ny Fanahy Masina no nitari-dalana azy tamin’ny fanoratana izany.

Hita matetika ao anatin’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara i Petera. Ireny tantara ireny no maneho amintsika ny fandresen’i Petera sy ny fahareseny, ny heriny sy ny fahalemeny koa. Matetika izy no nitondra ny tenin’ireo mpianatra hafa tamin’i Jesôsy nandritra ny fotoana niainan’i Jesôsy tetỳ an-tany. Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesôsy ary niakatra ho any an-danitra, dia nanjary mpitarika fanta-daza teo amin’ireo mpino Kristianina voalohany i Petera. Miresaka mikasika azy ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly, tahaka izany koa ny bokin’ny Galatianina.

Ny zava-dehibe indrindra, dia ny fahafantaran’i Petera ny hevitry ny hoe manao fahadisoana. Fantany ny hevitry ny hoe voavela heloka, ary fantany izay ilaina mba handrosoana amim-pinoana amin’ny fo tsy misy avonavona. Efa hitan’i Petera ny fanandramana mikasika ny fahasoavan’Andriamanitra. Ilaintsika koa ny miaina izany fanandramana momba ny fahasoavana izany. Izay no antony mahatonga an’i Petera mbola ho feo mahery ho antsika amin’izao fotoana izao.

Pejy ambony

 

ALAHADY


“MIALA AMIKO!” (Lio. 5:1-9)
   
Iza moa i Petera? Inona no nataony raha vao hitantsika ao amin’ireo boky telo voalohany ao amin’ny TV izy? Teo amin’ny ranomasin’i Galilia i Petera nanarato, tamin’izay (Mat. 4:18; Mar. 1:16; ary ny Lio. 5:1-11).
   
Vakio ny Lio. 5:1-9. Inona no ambaran’ny teny nataon’i Petera tamin’i Jesôsy ao amin’ny Lio. 5:8 momba azy? Izany hoe, inona ny fahatakarana marina entin’ny tenin’i Petera ho antsika mikasika ny toetra ara-panahiny?
   

Azo antoka fa nisy fiantraikany mahery vaika teo amin’i Petera ny fanatrehan’i Jesôsy. Mety talanjona tanteraka tamin’izay fantany momba an’i Jesôsy izy. Teto, mialoha ny nisehoan’ny fahagagana momba ny trondro, dia niteny tamin’ireo andian’olona ireo i Jesôsy ny handatsahany ny haratony ao anaty rano. Nanana olana tamin’ny finoana ny teny nambaran’i Jesôsy i Petera. Vao avy nandany ny alina manontolo tamin’ny fanaratoana rahateo izy sy ireo namany, ary tsy nahazo na inona na inona. Izao anefa no nambaran’i Petera tamin’i Jesôsy: “(…) kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato” (and. 5). Azo antoka fa efa nahalala zavatra momba an’i Jesôsy i Petera ary nanosika azy hankatò izany. Misy ny porofo ampy hanehoana fa efa nisy fotoana niarahan’i Petera tamin’i Jesôsy, fotoana fohy nialoha ity tranga ity.
   
Ny Lio. 5:3 angamba no afaka manampy antsika hahatakatra ny antony nahatonga an’i Petera ho vonona ny hankatò an’i Jesôsy. Ny Lio. 5:3 dia miresaka momba ny toe-javatra nitranga mialoha ny fahagagana momba ny trondro. “Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.”  Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nihaino ireo fampianaran’i Jesôsy koa i Petera. Ireo teny nataon’i Jesôsy tao anaty sambokely aza angamba no antony nahatonga an’i Petera ho vonona hankatò Azy.
   
Nanao ilay fahagagana i Jesôsy avy eo. Nahatsapa zavatra hafa mihoatra izany tao amin’i Jesôsy i Petera, dia fahamasinana, zavatra izay tsy nananany noho ny fahitany ny tenany ho mpanota. Naniry ny hiresaka momba izany fahamarinana izany ampahibemaso izy. Ny filazany teo imason’olona fa mpanota ny tenany dia naneho ny tsy fiafinafenany tamin’Andriamanitra. Tsy mahagaga raha niantso an’i Petera hanaraka Azy i Jesôsy! Eny tokoa, marobe ny fahadisoana efa vitany, saingy lehilahy nandeha araka an’Andriamanitra izy, ary vonona ny hanara-dia ny Tompo na inona na inona takin’izany.
   
Vakio ny Lio. 5:11. Inona ny fitsipika manan-danja hitantsika ao amin’io toko sy andininy io? Neken’ireto mpanarato ireto ny hamela ny zava-drehetra na dia feno aza ny haratony. Inona no ampianarin’izany toe-javatra miavaka izany antsika mikasika ny fahatokiana takin’i Jesôsy amintsika?

Pejy ambony

ALATSINAINY


NIAIKY I PETERA FA I JESOSY NO KRISTY (Mat. 16:13-17)
   
Vakio ny Mat. 16:13-17. Inona no mitranga ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Ahoana no maha-zava-dehibe ny teny nolazain’i Petera tamin’i Jesôsy?
   
Eto i Petera dia miresaka amim-pahasahiana ny amin’ny finoany an’i Jesôsy. Ary ny Mat. 16:20 dia maneho mazava fa mino tahaka an’i Petera ireo hafa fa i Jesôsy no Mesia. Izay mitranga eto dia kihon-dalana iray eo amin’ny asan’i Jesôsy. Mbola maro anefa ny zavatra ilain’ireo mpianatra, anisan’izany i Petera, ho fantatra. 
   
“Mbola nanantena an’i Kristy hanjaka amin’ny maha-Andrian-dahy ara-nofo ny mpianatra. Na dia nafeniny ela taminy aza ny fikasany, dia nino izy ireo fa tsy hijanona ho mahantra sy ao amin’ny haizina mandrakariva Izy; akaiky ny fotoana izay hananganany ny fanjakany. Na dia ho resy mihitsy aza ny fankahalan’ny mpisorona sy ny raby, ary tsy maintsy hotsipahan’ny fireneny Kristy ka hohelohiny toy ny mpamitaka sy homboina toy ny olon-dratsy eo amin’ny hazo fijaliana, dia mbola tsy niditra tao an-tsain’ireo mpianatra ireo velively izany eritreritra izany.” IFM, t. 445.
   
Raha vao nanaiky ireo mpianatra fa i Jesôsy no Mesia, dia nanomboka nampianatra Izy fa tsy maintsy hijaly sy ho faty (vakio ny Mat. 16:21-23). Tsy neken’i Petera anefa izany fampianarany izany. Tonga hatramin’ny “fitenenana mafy” an’i Jesôsy mihitsy aza izy. Nitodika tany amin’i Petera i Jesôsy ary nilaza hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana” (Mat. 16:23). Ireo teny ireo no anisan’ny teny mafy indrindra nataon’i Jesôsy tamin’olona nandritra ny asa nataony. Nolazainy mba hahatsara an’i Petera anefa izany. Mampiseho ny fanirian’ny tenany manokana mantsy ireo teny nolazain’i Petera. Maneho ny toetra feno fitiavan-tena mikasika izay tiany izany. Koa tsy maintsy nampiato azy teo amin’ny lalany i Jesôsy, tamin’izay fotoana izay indrindra teo amin’izay nisy azy. (Tena miteny mivantana amin’i Satana tokoa i Jesôsy eto, saingy maharay izany hafatra izany koa i Petera). Ilain’i Petera ny mahafantatra fa mety hiteraka fahoriana ny fanompoana an’Andriamanitra. Hita araka izay nosoratan’i Petera taty aoriana fa nisintona lesona avy tamin’izany izy (vakio ny 1 Pet. 4:12).
   
Impiry ny fanirianao manokana no mifanipaka amin’izay fantatrao fa tian’Andriamanitra hataonao? Ahoana no fandraisanao fanapahan-kevitra ny amin’izay hatao rehefa tojo toe-javatra toy izany?

Pejy ambony

TALATA


MANDEHA AMBONIN’NY RANO (Mat. 14:22-33)   

Vakio ny tantara ao amin’ny Mat. 14:22-33. Inona no hafatra manan-danja indrindra ao anatin’io tantara io? Ahoana no hanampian’izany antsika amin’ny fiarahantsika amin’Andriamanitra?
   
Namahana ireo vahoaka tsy omby dimy arivo i Jesôsy. Ireo mpianany dia nanatri-maso tamin’ny fomba miavaka ny fahefany tamin’ny alalan’ny fahagagana. Izy irery no afaka mibaiko ny zavaboary rehetra. Koa satria vao avy nahita fahagagana i Petera, dia azo antoka fa izany fahefana izany no anisan’ny antony nahatonga azy tsy nisalasala mihitsy. Izany no antony nanomezany valinteny feno fahasahiana ka nitenenany hoe: “Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.” (Mat. 14:28). Teny maneho finoana manao ahoana re izany!
    
Neken’i Jesôsy ny fanehoan’i Petera ny finoany. Nilaza tamin’i Petera izy mba hiala avy ao anaty sambokely ho eo ambonin’ny rano. Nankatò i Petera. Fanehoana finoana iray hafa ny nivoahany avy tao anaty sambokely. Mety ho hafa kokoa izany mandeha eo ambony rano izany raha toa ka tony ny rano, saingy tao anaty tafio-drivotra no nandehanan’i Petera teo ambonin’ny rano!
   
Ny lesona izay matetika ampianarina antsika avy amin’ity tantara ity dia ny tsy hialan’ny fijerintsika eny amin’i Jesôsy. Misy mihoatra izay anefa: tena azo antoka tokoa fa nitoky tamin’i Jesôsy i Petera. Ny fitokiany no nanome azy finoana ka nahasahiany nanao fangatahana tamin’i Jesôsy. Finoana koa no nanome hery azy hanao izay nasain’i Jesôsy hataony, ka dia niala teo amin’izay nisy azy izy ho eo ambony rano. Natahotra anefa izy avy eo ka nanomboka nilentika.
   
Nahoana? Tsy azon’i Jesôsy natao ve ny nihazona azy tsy hilentika ka tsy nijery izay tahotra tao anatiny? Mazava loatra! Saingy navelan’i Jesôsy i Petera ho tonga amin’ny teboka izay tsy hahafahany manao na inona na inona. Tsy nisy azon’i Petera natao afa-tsy ny niantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” (Mat. 14:30), ka naninjitra ny tanany i Jesôsy, nataony izay nangatahin’i Petera. Toy izao ny filazan’ny Baiboly izay nitranga: “Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy” (Mat. 14:31). Azon’i Jesôsy natao ny nihazona azy tsy hilentika na dia tsy nikasika azy aza, saingy nanatona Izy ary nisintona an’i Petera avy tao anaty rano. Azo antoka fa nanampy an’i Petera ny fikasihan’i Jesôsy mba hahitany fa tena ilainy tokoa ny mianatra miankina amin’i Jesôsy.
   
Afaka manomboka amin’ny finoana lehibe isika, ary azontsika atao ny mitoky amin’ny herin’ny Tompontsika. Indraindray anefa dia mampivarahontsana ny toe-javatra misy antsika. Ilaintsika, amin’izay fotoana izay, ny mahatsiaro ny teny nataon’i Jesôsy tamin’i Petera hoe: “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?” (Mat. 14:31).

Pejy ambony

ALAROBIA


NANDA NY TOMPONY (Lio. 22:31-34, 54-62)
   
Vakio ny Lio. 22:31-34, 54-62. Araka izay voalaza ao amin’ireo andalan-teny ireo, inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ny tsy fahombiazan’i Petera?
   
Tsara ny fikasana tao anatin’i Petera. Ary raha ny marina, dia manana herim-po lehibe noho ireo mpianatra hafa izy. Nanaraka an’i Jesôsy izy mba hahitany izay hitranga Aminy. Tamin’ny nanaovany izany anefa dia nanapa-kevitra ny hanafina ny maha-mpianatr’i Jesôsy azy i Petera. Nahatonga azy handao ny lalan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana ny fanaovana izany fihetsika tsy nety izany. Nahatonga azy handà ny Tompony intelo izany. Efa nilaza taminy mialoha i Jesôsy fa hanao izany tokoa i Petera.
   
Amin’ny fomba mahonena no ampianaran’ny tantaran’i Petera antsika ny maha-mampidi-doza ny marimaritra iraisana.
   
Ny tantara kristianina dia voaloton’ny voka-dratsy izay miseho rehefa miala amin’ny fahamarinana manan-danja ny Kristianina. Marina fa ny fiainana mihitsy indraindray no misy marimaritra iraisana, misy fotoana isika manaiky ny hanome sy handray, saingy tokony tsy ho azo hozongozonina kosa isika rehefa ny fahamarinana manan-danja no resahina. Amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika, dia tokony ho fantatsika ireo zavatra tsy azontsika anaovana marimaritra iraisana na oviana na oviana. Tsy maintsy mijoro tsara amin’ny fahamarinana isika amin’ny fotoana rehetra. (vakio ny Apôk. 14:12).
   
I Ellen G. White dia milaza amintsika fa tany Getsemane no nanomboka ny marimaritra iraisana sy ny faharesen’i Petera. Raha tokony ho nivavaka izy dia resin-tory. Koa tsy nanana fahavononana ara-panahy ho amin’izay hitranga izy. Tokony ho nahatoky tamin’ny fivavahana izy. Dia “tsy ho nandà ny Tompony izy”- IFM, t. 764.
   
Nahatsiravina tokoa ny faharesen’i Petera. Na dia lehibe nanao ahoana aza anefa izany, dia mbola lehibe lavitra noho izany ny fahasoavan’Andriamanitra. “Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra” (Rôm. 5:20). Araka izany, ny famelan-keloka nomen’i Jesôsy no nahatonga an’i Petera ho iray tamin’ireo mpitarika nanana ny maha-izy azy indrindra teo amin’ny fiangonana kristianina voalohany. Lesona lehibe manao ahoana ho antsika rehetra re izany, mikasika ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra! Lesona ho antsika rehetra mikasika ny tokony handrosoantsika amim-pinoana na inona na inona tsy fahombiazana efa hitantsika izany.
   
Eny tokoa, fantatr’i Petera ny hevitry ny hoe voavela heloka. Fantany tsara izay rehetra ambaran’ny filazantsara. Efa hitany ny maha-olombelona mpanota azy, nefa efa niainany koa ny halalina sy ny halehiben’ny fitiavana ary ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny mpanota.

Ahoana no hianarantsika hamela ny helok’ireo izay niteraka fahadisoam-panantenana lehibe ho antsika tahaka izay nataon’i Petera tamin’i Jesôsy?

Pejy ambony

ALAKAMISY


PETERA ILAY MPITARIKA FIANGONANA (Gal. 1:18,19)
   
Matetika i Petera no nanao ny asan’ny mpitarika teo amin’ireo roa ambin’ny folo lahy, nandritra ny asa nataon’i Jesôsy teto an-tany. Izy no mpitondra tenin’izy ireo. Rehefa nitanisa ireo mpianatra i Matio, dia hoy izy hoe: “Ny voalohany, (…) Petera” (Mat. 10:2). Nitana anjara andraikitra tamin’ny fitarihana i Petera tao amin’ny fiangonana voalohany. Izy no voalohany nanoso-kevitra ny hifidianana mpianatra vaovao hisolo ny toeran’i Jodasy Iskariota ilay namadika an’i Jesôsy (Asa. 1:15-25).
   
Tamin’ny andron’ny Pentekôsta, dia i Petera no nanazava tamin’ny vahoaka fa nandatsaka ny Fanahiny tamin’ny olony Andriamanitra (Asa. 2:14-36). I Petera no voasambotra noho ny fitenenany mikasika ny andro izay hananganan’i Jesôsy ny maty. Izy koa no nandaha-teny teo anatrehan’ireo mpisorona sy mpitarika Jiosy (Asa. 4:1-12). Mbola izy koa no notarihina ho any amin’i Kôrnelio, ilay olona tsy Jiosy voalohany nekena ho mpanara-dia an’i Jesôsy (Asa. 10:1-48). I Petera ilay olona novangian’i Paoly rehefa nanaiky an’i Jesôsy ho Mpamonjy azy izy (Gal. 1:18). Tato aoriana i Paoly dia nanome ny anaran’ireo andry telo lehiben’ny Fiangonana: i Petera, i Jakôba rahalahin’i Jesôsy ary i Jaona ilay mpianatra malala (Gal. 2:9).
   
Vakio ny Gal. 1:18,19; Gal. 2:9,11-14. Hita mazava fa mpitarika i Petera teo amin’ny fiangonana voalohany. Inona anefa no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika momba azy? 
   
Tamin’ny andro niandohan’ny fiangonana, dia saika Jiosy avokoa ireo Kristianina. Maro tamin’izy ireo no “fatra-pitana ny lalàna” (Asa. 21:20). Ho an’ireo Kristianina Jiosy dia olana ny fiaraha-mihinana amin’ny Jentilisa. Nino mantsy izy ireo fa ny lalàna dia nilaza fa tsy madio ny Jentilisa. Nisy Kristianina Jiosy tonga tany Antiokia nony avy eo, avy tany amin’i Jakôba izay nonina tany Jerosalema izy ireo. Rehefa tonga izy ireo dia tsy nihinana niaraka tamin’ny Jentilisa tany Antiokia intsony i Petera.
   
Ho an’i Paoly, ny fihetsika tahaka izany dia famelezana atao amin’ny filazantsara mihitsy. Hitany fa fihatsarambelatsihy izany ary tsy nampatahotra azy ny niteny mafy an’i Petera noho ny amin’izany. Nohararaotin’i Paoly ny fotoana nahafahany nilaza ny ivon’ny fampianaran’ny finoana kristianina. Izany foto-pampianarana izany dia ny fanamarinana amin’ny finoana (vakio ny Gal. 2:14-16).
   
Na dia nantsoin’Andriamanitra aza i Petera, dia nanana kilema nila fanitsiana izy. Ahoana no avalintsika rehefa injay ny hafa milaza amintsika ny fahalemena na ny fahadisoantsika?


 Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny:
IFM, “Ny antso teo amoron’ny ranomasina”, toko. 25, “Indray alina teo amin’ny farihy”, toko. 40.
   

“Nialoha ny fahalavoana lehibe nahazo an’i Petera, dia olona sahisahy mandrakariva izy ary nanjakazaka. Tiany ny milaza amin’ny hafa izay tokony hatao. Fahazarany ny miteny tsy amim-piheverana. Ary vonona ny hanitsy ny hafa mandrakariva izy. Nanova an’i Petera anefa ny Fanahy Masina. Samy hafa tanteraka amin’ilay Petera mafana fo izay nanao zavatra tsy tamim-piheverana ilay Petera vaovao. Mbola tao amin’ilay Petera vaovao ny hafanam-po tao aminy fahiny, saingy namboarin’ny fahasoavan’i Kristy ny faniriana feno firehetana tao anatiny. Tsy ilay olona manao fihetsika tsy amim-piheverana intsony i Petera. Tsy natoky tena be loatra intsony izy, fa nanjary olona tony. Nahafehy ny fihetseham-pony sy ny fihetsiny izy, ary vonona ny hianatra. Nahatonga azy ho afaka hamahana ny zanak’ondry sy ireo andian’ondrin’i Kristy ny fony voaova.” – Ellen G.White, Testimonies for the Church, b. 5, t. 334, 335.    

Mety misy ifandraisana amin’i Petera ihany isika rehetra, sa tsy izany? Iza moa no mbola tsy nijoro tamim-pahasahiana ho an’ny finoany? Iza no mbola tsy lavo tamin’ny fomba mahatsiravina?

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Niodina tamin’i Jesôsy i Petera, saingy nanjary mpitarika nanan-danja teo amin’ny finoana Kristinina izy. Inona no ambaran’izany toe-javatra izany amintsika mikasika ny fahasoavan’Andriamanitra? Inona ny lesona azontsika avy amin’ny fiverenan’i Petera indray tamin’Andriamanitra? Ary inona no lesona entin’ny fiovany momba ny tokony hatao amin’ ireo izay efa nandiso fanantenana an’Andriamanitra?

2. Resaho ao amin’ny kilasy ny loza ateraky ny marimaritra iraisana ho an’ny fiangonana. Ahoana no hahaizantsika manavaka ny zavatra azontsika anaovana marimaritra iraisana sy izay tsy azontsika hialana mihitsy? Inona ny ohatry ny fialana amin’ny fahamarinana hitantsika ao amin’ny tantaran’ny fiangonana? Ahoana no mahatonga ny fialana amin’ny fahamarinana hitarika ho amin’ny loza? Inona no lesona azontsika sintonina avy amin’ireo trangan-javatra ireo? Mafy tamin’i Petera ny fomba nandraisany lesona. Raha mijery tsara ny fahadisoana nataony isika, ahoana no ahazoantsika misintona ny lesona ilaintsika ianarana amin’ny fomba tsotsotra kokoa noho izay nianaran’i Petera izany?

 Pejy ambony