17 - 23 JONA 2017
IREO LOHAHEVI-DEHIBE AO AMIN'NY PETERA 1 SY 2
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 53:5,6,9; Lev. 16:16-19; Lev. 11:44; Rôm. 13:1-7; 1 Kôr. 14:40; 2 Tim. 3:16.
Tsianjery: “Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" – 1 Pet. 2:24.
Nanoratra ireo epistiliny roa voalohany i Petera mba hanampiana ireo mpino amin’ny fiatrehana ny olana hitany amin’ny fiainana. Tao amin’ny epistiliny voalohany, ny olana lehibe natrehin’i Petera dia ny fanenjehana nahazo ny Kristianina. Ao amin’ny 2 Petera kosa, dia ny mpampianatra sandoka no olana.
Ny tena zava-dehibe dia ny namalian’i Petera ireo olana roa ireo tamin’ny filazana ny fahamarinana ara-Baiboly. Ny fahoriana vokatry ny fanenjehana dia nahatonga an’i Petera hihevitra momba ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesôsy izay nahazoantsika famonjena. Hiatrika fitsarana ireo mpampianatra sandoka, izany dia hiseho ao aorian’ny fotoana hiverenan’i Jesôsy eto an-tany indray. Ireo ny sasany amin’ireo lohahevitra noresahin’i Petera ao amin’ireo epistiliny anankiroa.
Mandritra ny lesona amin’ity herinandro farany ity, dia hojerentsika an-tsipiriany kokoa ireo lohahevitra dimy noresahin’i Petera: (1) ny fahorian’i Jesôsy izay nahazoantsika famonjena, (2) ny asetrintsika ny fahamarinana izay milaza fa hitsara ny asantsika Andriamanitra amin’ny fitsarana farany, (3) ny fanantenantsika miorina amin’ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, (4) Fandaminana ao amin’ny fiarahamonina sy ao amin’ny fiangonana, (5) Ary ny maha-zava-dehibe ny Baiboly ilay mpitarika ho amin’izay fomba tokony hiainantsika.
Pejy ambony
NY FIJALIANA SY I JESÔSY ARY NY FAMONJENA (1 Pet. 2:22-25)
Vakio ny toko sy andininy manaraka eto. Soraty izay ampianarin’ny tsirairay amin’izany mikasika ny famonjena:
1 Pet. 1:2
1 Pet. 1:8,9
1 Pet. 1:18,19
1 Pet. 2:22-25
1 Pet. 3:18
Matetika i Petera no miteny momba ny famonjena rehefa miresaka mikasika ny fijalian’i Jesôsy ho solon’ny mpanota. Ao amin’ny 1 Pet. 2:22-24 ohatra, dia manoratra momba ny nijalia’i Jesôsy izy. Nampiasainy tamin’izany ireo teny hita ao amin’ny Isa. 53:5,6,9. Ny teny nampiasain’i Petera dia manome sary na sary an’ohatry ny fisoloana na ny sorona.
Marobe ny sorona voaresaka ao amin’ny TT. Nitondra ny fanatitra ho an’ny tempoly ny mpanota, apetrany eo amin’ny lohan’ireny ny tanany. Tandindona izany fihetsika izany, izay naneho fa nafindra tamin’ilay biby ny fahotana tao amin’ilay mpanota. Ilay biby no maty amin’ny toeran’ilay mpanota avy eo (Lev. 4:29,30,33,34; Lev. 14:10-13). Ny ra dia tandindon’ny fahotana teo amin’ny alitara. Nodiovina sy nesorina izany fahotana izany rehefa tonga ny androm-panavotana (Lev. 16:16-19).
Nitana anjara toerana lehibe tokoa ny ran’ilay fanatitra tamin’ny fanefana ny vidin’ny fahotana. Tahaka izany koa, i Petera dia nilaza fa ny Kristianina dia efa novidina tamin’ny ra sarobidin’i Jesôsy (1 Pet. 1:18,19). I Paoly koa dia niresaka momba ny fisoloana; nolazainy fa tsy nahalala ota i Jesôsy nefa dia natao ota ho antsika (2 Kôr. 5:21). Araka izay hita ao amin’ny 1 Pet. 3:18, dia nijaly noho ny otantsika i Jesôsy. Izy irery no Ilay masina nijaly ho an’ireo tsy manana fahamasinana.
Tahaka izay nataon’i Paoly (Rôm. 3:21,22), i Petera koa dia niresaka momba ny ilana ny finoana (1 Pet. 1:8,9). Nasongadiny fa tsy ny fananana toetra araka an’Andriamanitra tsy akory no miantoka ny famonjena, fa omen’Andriamanitra antsika izany rehefa inoantsika izay nataon’i Jesôsy ho antsika ka mandray Azy ho mpamonjy ny tenantsika manokana isika. Ny fahazoana antoka ny famonjena dia ao amin’i Jesôsy fa tsy ao amin’ny tenantsika.
I Jesôsy no Mpisolo antsika. Nahoana no Izy no fanantenana ho amin’ny famonjena? Inona no fampaherezana azonao raisina avy amin’izany fahamarinana mahatalanjona izany?
Pejy ambony
AHOANA NO TOKONY HO FIAINANTSIKA? (2 Pet. 3:10,11)
Misy lohahevitra iray izay resahin’i Petera matetika mihoatra noho ireo hafa. Izany dia hita ao amin’ny fanontaniana apetrany ao amin’ny 2 Pet. 3:10,11: “Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo (…) dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo (…)”?
Vakio ireto toko sy andininy ireto: 1 Pet. 1:15-17,22; 1 Pet. 2:1; 1 Pet. 3:8,9; 1 Pet. 4:7-11; 2 Pet. 3:11. Inona no ambaran’i Petera ao amin’ireo toko sy andininy ireo momba ny fitondran-tenan’ny Kristianina?
Teboka maro amin’ny fitondran-tenan’ny Kristianina no noeritreretin’i Petera tamim-pahamalinana fatratra ao amin’ireo epistiliny roa, ary naverimberiny imbetsaka ireo lohahevitra ireo. Voalohany, dia noresahiny ny fifandraisana misy eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra sy ny fitondran-tena kristianina (1 Pet. 1:17 sy ny 2 Pet. 3:11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hotsarain’Andriamanitra ny asan’ny tsirairay. Koa tokony hanana fiainam-pahamasinana ny Kristianina.
Faharoa, imbetsaka i Petera no nanamarika fa tokony ho masina ny Kristianina. Ao amin’ny Baiboly Hebreo, ny zava-masina dia natokana hampiasaina tao amin’ny tempoly (Eks. 26:34; Eks. 28:36; Eks. 29:6,37), na koa natokana ho an’Andriamanitra (ohatra amin’izany ny Sabata ao amin’ny Gen. 2:3). Raha ny marina, dia drafitr’Andriamanitra ny hahamasina ny olony tahaka ny fahamasinany ihany (Lev. 11:44; 19:2). Noresahin’i Petera koa izay lohahevitra izay (1 Pet. 1:15,16). Antsoina hoe “fanamasinana” ny fanokanana ny zavatra iray ho masina. Tian’i Petera ny hanokanana ny mpamaky azy ho masina, ka ny Fanahy Masina no hanao izany. Izy no hanome azy ireo ny hery entina manoa an’i Jesôsy (1 Pet. 1:2).
Fahatelo, i Petera dia nanome tsipiriany ny amin’ireo karazam-pitondran-tena tokony hananan’ireo izay nohamasinina (1 Pet. 2:1). Tokony hiray saina izy ireo, tokony hifankatia ary tokony hanana fanetren-tena (1 Pet. 3:8). Tokony ho tsara toetra izy ireo, manana toetra araka an’Andriamanitra ary be fitiavana (2 Pet. 1:5-7). Tokony haneho fitiavana amin’ny fotoana rehetra izy ireo (1 Pet. 4:7-11). Ary farany, dia nananatra ny mpihaino azy i Petera mba hametraka ny fanahiany sy ny tebitebiny eo amin’i Jesôsy (1 Pet. 5:7).
Ahoana no hianarantsika hifampahery kanefa tsy mifampitsikera na mifampitsara? Ahoana no hananantsika ny fiainana ampirisihin’i Petera ao amin’ny epistiliny?
Pejy ambony
FANANTENANA AO AMIN’NY FIAVIANA FAHAROA (2 Pet. 3:1-10)
Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto. Inona no ambarany mikasika izay hiseho amin’ny ho avy?
1 Pet. 1:4
1 Pet. 1:17
1 Pet. 4:5,6
1 Pet. 4:17
2 Pet. 3:1-10
Iray amin’ireo olana manan-danja indrindra natrehin’ireo izay namaky ny epistily voalohany nosoratan’i Petera ny fanenjehana. Mampahery ny mpamaky i Petera amin’ny fisainana fa misy valisoa miandry azy ireo any an-danitra. Tsy azo rombahina aminy izany, na dia mafy aza ny fiainan’izy ireo noho ny fanenjehana.
Nanamarika zavatra roa izay hiseho amin’ny hoavy i Petera: (1) ny fitsarana farany sy ny (2) famongorana ny ratsy amin’ny afo. Eny tokoa, misy ny fanenjehana amin’izao fotoana izao, saingy asehon’i Petera fa hisy ny famaliana ara-drariny sy ny fitsarana.
Notononin’i Petera intelo tao amin’ny epistily voalohany nosoratany ny fitsarana (1 Pet. 1:17; 1 Pet. 4:5,6; 1 Pet. 4:17). Nolazainy fa Andriamanitra Ray dia tsy miangatra, fa mitsara ny olon-drehetra araka izay nataony (1 Pet. 1:17). Nomarihin’i Petera fa i Jesôsy mihitsy no mijoro, vonona hitsara ny velona sy ny maty (1 Pet. 4:5). Mahaliana koa ny nanambaran’i Petera fa manomboka amin’ireo ankohonan’Andriamanitra ny fitsarana (1 Pet. 4:17). Nilaza koa izy fa “ny ratsy fanahy” dia haringana amin’ny afo (2 Pet. 3:7).
Nandany fotoana maromaro niresahana olana hafa i Petera. Ny iray amin’izany dia miresaka raha toa ka ho avy indray tokoa i Jesôsy (2 Pet. 3:1-10). Asongadin’i Petera ny anton’ny “fitarazohan’”ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, dia ny mba hanomezana fotoana bebe kokoa ny olona hialany amin’ny fahotana mba hahavonjy azy. Noresahiny koa fa azontsika antoka ny hisian’ny fitsarana amin’ny hoavy. Araka izany, izany toe-javatra izany dia tokony hitarika ny tsirairay hanana fiainana masina sy tsy misy tsiny. Ary tokony handroso amim-pinoana sy amim-pankatoavana isika na inona na inona atrehintsika.
Nahoana ianao no tsy maintsy mandroso amim-pinoana sy amim-pankatoavana, na inona na inona atrehinao? Misy safidy hafa ve?
Pejy ambony
FANDAMINANA AO AMIN’NY FIARAHAMONINA SY AO AMIN’NY FIANGONANA (1 Pet. 2:11-21)
Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto. Inona no ambaran’i Petera ao amin’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny lanjan’ny fitarihana ao amin’ny fitondram-panjakana sy ao amin’ny fiangonana? Araka izay nambaran’i Petera, ahoana no tokony hataon’ny Kristianina eo anatrehan’izy roa tonta ireo? Ahoana no tokony hampiharana ny tenin’i Petera amin’ny toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao, na aiza na aiza no misy antsika?
1 Pet. 2:11-21
1 Pet. 5:1-5
I Petera sy i Paoly dia samy niresaka momba ny tanjon’ny mpanapaka sy ny fampiasana tsara ny fahefana. I Petera dia niaina tamin’ny fotoana izay nanenjehan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpitarika ara-pivavahana ambony ireo Kristianina. Izany toe-javatra izany no mampisy heviny bebe kokoa izay nambaran’i Petera sy i Paoly mikasika ny andraikitry ny mpitondra fanjakana (1 Pet. 2:13-17; Rôm. 13:1-7). Ho an’izy mirahalahy ireo, ny fitondram-panjakana dia napetrak’Andriamanitra mba hitsara ireo izay manao ny ratsy. Mazava loatra, mety misy fotoana mahatonga ny mpitondra ho olana. Nisedra izany ireo Kristianina tamin’ny andron’i Petera, ary niharatsy hatrany izany nandritra ny taona maro.
Amin’ny kapobeny anefa, ny fitondram-panjakana tsara dia miaro ny lalàna sy ny fandaminana ary ny fandriam-pahalemana. Ny fitondram-panjakana tsara dia iray amin’ireo fitahiana nomen’Andriamanitra ny olombelona.
Tsy isalasalana fa samy nino i Petera sy i Paoly fa ilaina ao amin’ny fiangonana ny fandaminana (1 Kôr. 14:10). I Petera koa dia nangataka ny mpitondra fiangonana ho mpiandry ny “ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo” (1 Pet. 5:2). Ny mpiandry, araka izany, dia natao hitarika sy hitandrina ny mambran’ny fiangonana. Ilain’ny fiangonana rahateo ny fitarihana tsara. Mametraka drafitra sy tanjona ho an’ny fiangonana ny mpitarika tsara. Manana fahafahana hampiray ny olona izy ireo sy hampitambatra azy amin’ny asa. Manampy ny hafa hampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomena azy koa izy ireo mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Hoy ny 1 Pet. 5:5: “misikina fanetren-tena hianareo, ka mifanompoa”. Ahoana no hianarantsika izany? Inona no azonao atao ho fampiharana izany fitsipika izany amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa?
Pejy ambony
NY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY SORATRA MASINA (2 Pet. 1:16–20)
Vakio ireto andalan-teny manaraka ireto. Inona no ambaran’izany momba ny Baiboly, izay mety hanampy antsika hahatakatra amin’izao fotoana izao ny tokony ho anjara asany eo amin’ny fiainantsika sy ny finoantsika?
1 Pet. 1:10–12
2 Pet. 1:16–20
2 Pet. 3:2
2 Pet. 3:16
Miatrika mpampianatra sandoka i Petera ao amin’ny epistiliny faharoa. Mampitodika ny mpamaky azy ho amin’ny loharanom-pahefana anankiroa izy rehefa miteny hoe: “mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho aty aminareo” - 2 Pet. 3:2. Ankehitriny koa isika dia mampiasa ny tenin’ireo “mpaminany masina” – izany hoe: ny TT. Mazava loatra fa tsy velona eto anivontsika intsony ireo apôstôly, saingy manana zavatra tsara kokoa isika, amin’ny heviny iray: ny fanambaran’izy ireo, izay noraisiny avy tamin’ny alalan’ny tsindrimandry, araka izay aseho ao amin’ny TV. Namela ho antsika tantara feno momba ny fiainan’i Jesôsy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Ao amin’ny Asan’ny Apôstôly kosa indray dia nomena antsika ny tantaran’ny asan’ireo apôstôly. Ary afaka mamaky tsara ny tenin’ireo apôstôly, izay azony avy tamin’ny tsindrimandry mihitsy isika. Manizingizina mafy ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra i Paoly. Mampitodika ny mpamaky azy ho amin’ny Soratra Masina i Petera, amin’ny maha-loharanom-pahefan’ny foto-pinoana sy ny fitondran-tena mendrika izany Soratra Masina izany.
Ao amin’ny 2 Pet. 3:16 dia mampitandrina ireo mpamaky sy mpihaino azy i Petera fa na dia loharanom-pahamarinana aza ny Soratra Masina, raha tsy mihaino tsara ny hafatra tian’ny Fanahy Masina ho takatsika isika, dia mety tsy ho azo araka ny tokony ho izy io loharanom-pahamarinana io, ary mety hitarika ho amin’ny vokatra mahatsiravina izany.
Tokony hampahatsiahy tsara antsika ankehitriny ireo fitsipika fototra ho fandalinana ny Baiboly ny teniny. Tokony hovakintsika amim-bavaka ny andalan-teny tsirairay ao amin’ny Soratra Masina. Tokony hovakintsika mifandraika amin’ny tontolon-keviny ao anatin’ny toko sy ny boky ary ny Baiboly iray manontolo mihitsy izany. Inona no tena noresahin’ilay mpanoratra rehefa nanoratra izy? Tokony ho takatsika ny tantara na ny toe-javatra nisy tamin’ny nanoratana izany. (Ho an’ny 1 Pet. sy 2 Pet., dia nifandraika tamin’ny fanjakana Rômanina, tamin’ny taonjato voalohany, izany). Tokony hovakintsika ho fitadiavana fahamarinana ara-panahy izany, ao anatin’ny fahalalana fa ny famonjena nentin’ny fahafatesan’i Kristy no ivon’ny hafatra ara-Baiboly rehetra (1 Pet. 1:10–12). Farany, tokony hovakintsika ao anatin’ny tontolon-kevitry ny fiainantsika manokana izany. Inona no fahamarinana irin’Andriamanitra horaisintsika? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny Teny Voasoratra eo amin’ny fiainantsika, amin’ny fomba izay hitondra akony tsara eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra?
Pejy ambony
ZOMA
FIANARANA FANAMPINY: Na dia teo aza ireo foto-pisainana lalina resahiny, dia misongadina tsara ao amin’ny epistilin’i Petera ny momba ny fiainana kristianina sy ny fomba tokony hifampitondrantsika. Amin’ny teny hafa, tena ilaintsika tokoa ny mahafantatra ny fahamarinana ao amin’i Kristy. Zava-dehibe kokoa mihoatra noho izany anefa: ilaintsika koa ny miaina ny fahamarinana. Hatrany am-piandohana dia efa nahazo ireto teny miavaka ireto isika: “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo” - 1 Pet. 1:22. Mariho ny fomba fampifandraisany ny fanadiovana ny fanahintsika sy ny fankatoavana ny fahamarinana. Manova antsika ny fahamarinana, ka manao izay hahatonga antsika ho olona mifankatia fatratra sy “amin’ny fo”. Fankatoavana, fahadiovam-po, ary fitiavana – mifandray avokoa ireo telo ireo. Io no filamatra tokony hokatsahintsika fatratra. Azonao sary an-tsaina ve ny fiovana hisy eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiangonantsika raha toa ka manaraka io baiko io isika? Eritrereto ny zavatra ho vitan’izany eo amin’ny firaisan’ny fiangonana, fara faharatsiny. “Ranadahy, hoentinareo miaraka aminareo ve ny toe-tsain’i Kristy rehefa miverina any an-tranonareo na mankany am-piangonana ianareo? Hesorinareo lavitra anareo ve ny tsy finoana sy ny fitsikerana? Tonga amin’ny fotoana izay hilantsika ny hikambana sy hiara-miasa isika, mihoatra noho ny tamin’ny lasa rehetra. Ao anatin’ny firaisana no misy tanjaka. Tsy misy afa-tsy fahalemena ao anatin’ny fifandirana sy ny fisaratsarahana.” - SlM, b. 2, tt. 373,374.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Ao amin’ny 2 Pet. 3:12 no anoratan’ny apôstôly Petera fa tokony “sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra” isika. Inona no tiany hambara amin’ny hoe: tokony “mampahafaingana” ny andron'Andriamanitra isika? Ahoana no ahafahantsika mampahafaingana ny andron’Andriamanitra, izany hoe: ny fiavian’i Kristy fanindroany?
2. Milaza isika fa “boky faharoa” avy amin’Andriamanitra ny zavaboary. Mampalahelo anefa fa mety hadika tsy araka ny tokony ho izy koa io boky faharoa io, tahaka ny bokin’Andriamanitra voalohany (ny Baiboly) ihany. Ohatra: ho an’ny maro dia voafafa teo amin’ny voary ny hafatra momba famoronana sy ny tanjon’izany, fa nosoloin’ny foto-kevitr’i Darwin, izay milaza fa misy fivoarana kisendrasendra eo amin’ny voary. Lazaina amintsika fa tsy novolavolaina izany izao tontolo izao, fa isika fotsiny no toa mahita izany. Koa ahoana àry no tokony hamakiantsika sy hanazavantsika io boky faharoa io amin’ny fomba tena marina? Aiza ho aiza ny fetran’ny zavatra azon’io boky faharoa io ampianarina antsika momba an’Andriamanitra? Inona no fanampiana azontsika raisina avy amin’ilay boky voalohany, izay hanohana antsika eo amin’ny fahatakarana ilay boky faharoa araka ny tokony ho izy? Inona no mitranga rehefa manohitra ny fanazavantsika ilay boky voalohany, ny Baiboly, ny fanazavantsika ny zavaboary, ilay boky faharoa? Aiza no misy ny olana?
Pejy ambony