SS 13 3T 2017

LESONA 13

16 - 22 SEPTAMBRA

NY FILAZANTSARA SY NY FIANGONANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 6:1-10; Mat. 18:15-17; 1 Kôr. 10:12; Rôm. 15:1; Jao. 13:34; Lio. 22:3.  

Tsianjery: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana” – Gal. 6:10.

Tapa-kevitra ireto mpamboly fa hihazona izay vokatra lehibe indrindra ka hifantina ny kelikely kokoa mba hatao masomboly. Taorian’ny fijinjana vitsivitsy izay nandiso fanantenana azy anefa vao voarainy ny lesona lehibe indrindra teo amin’ny fiainany.

“Nianarany nanomboka teo fa tsy azony natao ny hihazona ho an’ny tenany ny tsara indrindra teo amin’ny fiainany ka hampiasa ny sisa hatao masomboly. Nasehon’ny lalàn’ny zavaboary mazava tsara fa ny vokatra no maneho ny toe-pamafazana. Be no ataontsika ao, dia be koa no ho azontsika. Kely no ataontsika ao, dia kely koa no horaisintsika.
“Mbola manao tahaka ireo mpamboly ireo ihany isika. Hazonintsika ho antsika izay zavatra lehibe indrindra ka izay sisa tavela no “afafintsika”. Dia mihevitra isika fa hovaliana soa izany fitiavan-tena izany” — ISF, Mar. 2007.

Io lalàn’aina io koa no ampiasain’i Paoly ao amin’ny Gal. 6:1-10. Milaza izy fa ny mambra dia tsy tokony “hifanao izay zavatra mampalahelo amin’izy samy izy” (Gal. 5:15). Raha ny marina, ny fiangonana dia tokony ho toerana izay hitarihan’ny Fanahy Masina antsika hametraka ny hafa hialoha antsika. Novonjena tamin’izay nataon’i Jesôsy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana isika ary izany no tokony hanampy antsika hanana fanetren-tena sy fahari-po ary fahalemem-panahy ho an’ny hafa.
 
Pejy ambony

 

ALAHADY


Mamerina ny lavo ho eo amin’Andriamanitra (Gal. 6:1)

Vakio ny Gal. 6:1; Mat. 18:15-17. Inona no lazain’i Paoly sy i Jesôsy fa tokony hataon’ny Kristianina rehefa misy mpino iray latsaka amin’ny fahadisoana?

Ilaintsika ny mahatakatra ny karazana toe-javatra resahin’i Paoly ao amin’ny Gal. 6:1. Ny teny voalohany manampy antsika dia ny hoe “azo”, izay midika hoe “voasambotra ka tsy afa-mandositra”. Lafin-kevitra roa samihafa no nampiasan’i Paoly ny teny hoe “azo”. Voalohany, dia ny toe-javatra misy ny mpino anankiray izay tratry ny mpino iray hafa nanao fahadisoana. Midika koa anefa io hoe “voafatotry” ny ota (vakio ny Ohab. 5:22 DIEM), izay azon’ny mpino anankiray nialana soa aman-tsara.

Ny fampiasan’i Paoly ny voambolana nofidiny dia mampiseho fa ny fahotana izay azon’ny olona iray nialana soa aman-tsara no resahiny. Avy amin’ny teny Grika hoe paraptoma ny teny hoe ota. Tsy ilay ota inian’ny olona hatao no tiana hambara eto fa fahadisoana na fahatafintohinana na koa dingana tsy nahy nankany amin’ny lalan-diso. Ankoatra izany dia vao avy niresaka momba ny “fandehanana” araka ny Fanahy mihitsy i Paoly talohan’io ary noho izany dia manampy antsika io teny io hahatakatra ny tian’i Paoly hambara amin’ny hoe tafavily tsy nahy tany amin’ny lalan-tsy izy. Na dia tsy fialan-tsiny velively amin’ny fahadisoana vita aza izany, dia hita mazava kosa fa tsy ny mikasika ilay ota iniana atao no resahin’i Paoly (1 Kôr. 5:1-5).

Tsy famaizana na fanamelohana na koa famonoana anarana ao amin’ny bokim-piangonana no fomba mety indrindra hiatrehana ny toe-javatra toy izany fa famerenana ilay nania ho eo amin’Andriamanitra. Ny teny Grika nadika hoe “mamerina” dia katartizo izay midika hoe “manamboatra” na “mamerina amin’ny laoniny”. Ao amin’ny TV dia ampiasaina amin’ny hoe “manamboatra” harato (Mat. 4:21) izany, ary entina ilazana koa ny fomba famerenana amin’ny laoniny ny taolana tapaka raha ny voambolana grika momba ny fitsaboana no jerena. Toy izany koa, tsy zavatra fanaontsika velively ny mandao ny mpiray fanantenana izay lavo ka tapa-tongotra, ary amin’ny maha-mambran’ny tenan’i Kristy antsika, dia tokony hokarakaraintsika amin-kalemem-panahy koa ny mpiray tampo amintsika ao amin’i Kristy, izay mety ho tafintohina na koa lavo eny an-dalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Matetika indrindra isika no manaratsy ny olona nahatezitra antsika, ka manao otri-po na koa manotrika valifaty ao anaty ao. Raha tokony ho ny tenin’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 18:15-17 no harahintsika, dia nahoana no ny mifanohitra amin’izay hatrany no ataontsika?


Pejy ambony


ALATSINAINY


Tandremo ny fakam-panahy (1 Kôr. 10:12)

“Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy” – 2 Sam. 12:7.

Mampitandrina antsika i Paoly ao amin’ny Gal. 6:1-10 mba hiaro ny fiainantsika amin’ny ota. Hentitra tokoa izany fampitandremana izany ary ahitana taratra ny fahasahiranan-tsaina lalina tao amin’i Paoly. Ny teny nadika hoe “mihevera” dia midika hoe “jereo tsara” na “mitandrema tsara”. (Vakio koa ny Rôm. 16:17; Fil. 2:4). Ny tena tian’i Paoly hambara àry, araka izany, dia izao: “Ambeno tsara ny tenanao” sao handavo anao tampoka ny ota. Mba hanasongadinana izany fampitandremana izany dia niainga tamin’ny hoe “Ry rahalahy” aloha i Paoly ao amin’ny tapany voalohany amin’ny andalan-teny ary avy eo nampiasa ny hoe “...nao” (manondro olon-tokana) ao amin’ny tapany farany. Midika izany fa natao ho an’ny isam-batan’olona tao amin’ny fiangonana mihitsy izany fampitandremana manokana izany.

Tsy manonona mazava ilay fakam-panahy izay nampitandremany mafy ny Galatianina i Paoly. Angamba tsy nisy ota voafaritra mazava tao an-tsainy fa ny tiany hambara dia ny filatsahana amin’izany ota izany, na mety ho inona io na inona, izay iezahan’izy ireo hifanarenana. Ny teny nampiasain’i Paoly ao amin’ny Gal. 5:26 mba tsy hahatonga ny mpino “handrani-tena foana” dia milaza fa mampitandrina azy ireo izy tsy hihevitra ny tenany ho ara-panahy kokoa mihoatra noho ireo izay ezahiny haverina ho eo amin’ny Tompo.
Nahoana no nilain’i Paoly ny nampitandrina ny Galatianina tsy hirehareha ara-panahy? Diniho ny 1 Kôr. 10:12; Mat. 26:34; 2 Sam. 12:1–7.

Anisan’ireo loza lehibe indrindra eo amin’ny dia ataon’ny Kristianina ny fananany avonavona ara-panahy izay mahatonga azy hihevitra fa misy karazana fahotana izay tsy hahavoa azy na oviana na oviana. Raha ny marina mantsy dia samy mpanota avokoa isika rehetra ary mirona mandrakariva hanatanteraka ny mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany, raha tsy ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra no miaro antsika, dia ho lavo amin’ny ota, arakaraka izay toe-javatra miseho eo. Ny fahafantarana io toerana misy antsika raha miala amin’i Kristy io no hiaro antsika tsy ho lavo amin’ny fanamarinan-tena ary koa hahatonga antsika hangoraka bebe kokoa ny hafa izay manao fahadisoana.

Impiry izay ianao no nitsikera ny hafa (mety hoe tao am-ponao ihany), noho ny ota izay mety hahameloka anao koa indray andro any?

Pejy ambony

TALATA


Mitondra enta-mavesatra (Gal. 6:2-5)

Ankoatra ny famerenana ny lavo ho eo amin’Andriamanitra, dia inona koa no toromarika izay nomen’i Paoly ho an’ireo mpino tao Galatia? (Gal. 6:2–5; jereo koa ny Rôm. 15:1, Mat. 7:12).
Ny teny Grika nadika hoe “mavesatra” ao amin’ny Gal. 6:2 dia baros. Enta-mavesatra ara-bakiteny izay tsy maintsy lanjain’ny olona iray mandritra ny lalana lavabe halehany no hevitr’izany. Rehefa ela ny ela dia nanjary nampiasaina hanoharana izay mety ho karazana olana na fahasarotana izany, toy ny asa mafy natao nandritra ny tontolo andro tao anatin’ny hafanana migaingaina (Mat. 20:12) ohatra. Mamporisika antsika i Paoly mba "hifampitondra izay mahavesatra" - Gal. 6:2, ary azo inoana fa ao anatin'izany ny fanehoana halemem-panahy amin'ny olona lavo amin’ny fitondrantena. Mihoatra lavitra noho izany anefa ny tian'i Paoly hambara. Fahamarinana ara-panahy maro mantsy no asehon'ny toroheviny mahakasika ny fiainana kristianina, ary tsy tokony holalovana fotsiny izany.

Voalohany, araka ny voalazan'i Timothy George dia: "Milanja enta-mavesatra avokoa ny Kristianina rehetra. Ny sasany mitondra ny enta-mavesatry ny fahalavoana amin'ny ota. Ny hafa indray, mety ho aretin'ny saina na ny vatana no enta-mavesany, na koa mety ho olana eo anivon'ny fianakaviana, tsy fananana asa, ampahorian'ny demonia na zavatra hafa toy izany. Tsy misy Kristianina tsy manana enta-mavesatra anefa" – Galati., t. 413.

Faharoa, tsy nataon'Andriamanitra hitondra samirery ny enta-mavesatsika rehetra isika. Mampalahelo anefa fa matetika isika no vonona kokoa hanampy ny hafa amin’ny fitondrany ny enta-mavesany noho ny hoe mamela ny hafa hanampy antsika hiantsoroka ny antsika. Melohin'i Paoly io toetra miseho ho mahavita tena io (Gal. 6:3). Ny fo feno avonavona dia tsy miaiky ny fananany fahasahiranana sy fahalemena. Tsy vitan'ny hoe misakana ny fampaherezana tokony homen'ny hafa fotsiny izany fa misakana azy ireo koa tsy hanatanteraka ny asa asain'Andriamanitra ataony.

Farany, dia miantso antsika Andriamanitra hitondra ny enta-mavesatry ny hafa satria amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy hasehontsika amin’ny hafa no hisehoan’ny fitiavana sy ny fampaherezana avy amin’Andriamanitra. Manome ohatra iray momba izany fahatsaram-panahy izany i Paoly ao amin’ny 2 Kôr. 7:6. Asehon’io andininy io ny fomba nampaherezan’Andriamanitra an’i Paoly tamin’ny alalan’ny namany sy ny filazantsara nentin’izany namany izany.

“Tafiditra ao anatin’ny drafitra ataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany ny fisakaizana eo amin’ny samy olombelona. Amin’ny alalan’izany mantsy no hifampitondran’izy ireo izay mahavesatra” - MG, t. 158.
Inona no misakana anao tsy hangataka fanampiana amin’ny hafa? Avonavona ao am-po ve? Sa henatra? Sa tsy fatokiana olona? Sa mahatsiaro ho tsy mila fanampiana ianao? Maninona moa raha mitady olona itokiana ianao ka miangavy azy hanampy anao hitondra ny enta-mavesatrao?

Pejy ambony

ALAROBIA


Ny lalàn’i Kristy (Gal. 6:2-5)

Vakio ny Gal. 5:14; Gal. 6:2; Jao. 13:34; ary ny Mat. 22:34-40. Ampifandraisin’i Paoly amin’ny fitondrana enta-mavesatra ara-panahy ny fitandremana ny lalàn’i Kristy. Inona no tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “lalàn’i Kristy” (Gal. 6:2)?

Nampiasa ny teny hoe “lalàn’i Kristy” i Paoly, nomon tou Christou amin’ny teny Grika. Tsy hita any an-toeran-kafa ao amin’ny Baiboly io teny io na dia nampiasa vondron-teny mitovy amin’io aza i Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 9:21 (ennomos Christou). Fanazavana maro samihafa no nentin’ireo mpandinika ny Baiboly mikasika io teny io. Diso hevitra ny sasany raha nilaza fa porofo manazava io fa efa nosoloina lalàna hafa, dia ny lalàn’i Kristy ny lalàn’Andriamanitra nomena teo Sinay. Ny hafa indray milaza fa midika ho “fitsipika” an-kapobeny fotsiny ihany ny teny hoe lalàna (jereo Rôm. 7:21), ka rehefa mitondra ny enta-mavesatry ny hafa isika dia manaraka ny ohatr’i Jesôsy. Misy fahamarinany ihany raha io ohatra farany io.

Zavatra hafa mihitsy anefa no asehon’ireo andininy manodidina io teny io sy izay hita ao amin’ny Gal. 5:14. Asehon’izy ireo fa ny fanajana ny lalàn’i Kristy dia midika ho fankatoavana ny lalàny amim-pitiavana. Voalazan’i Paoly tao amin’ny taratasiny teo aloha fa tsy noravana niaraka tamin'ny fahatongavan’i Kristy tsy akory ny lalàna môraly. Raha ny marina dia mbola mitana anjara asa goavana eo amin’ny fiainana kristianina mihitsy izany. Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny lalàna i Jesôsy nandritra ny asany tety an-tany. Nampihatra ny fahamarinan’izany Izy teo amin’ny fiainany iray manontolo, eny, hatramin’ny fahafatesany aza. Manaraka ny dian-tongony isika, araka izany, rehefa mitondra ny enta-mavesatry ny hafa, ary mitandrina ny lalàm-pitiavany.

Misy olana hafa koa miseho eo amin’ireo andalan-teny ireo, dia ny toa fifanoherana misy eo amin’ny Gal. 6:2 sy ny 6:5. Tsy saro-bahana anefa izany olana izany rehefa takatra tsara fa mampiasa teny roa samihafa i Paoly hanazavana toe-javatra anankiroa tsy mitovy. Araka ny efa hitantsika, ny teny hoe enta-mavesatra ao amin’ny and. 2 (baros), dia milaza entam-be mila tsy ho zaka kanefa tsy maintsy lanjaina mandritra ny lalan-davitra haleha. Ny teny hoe phortion ao amin’ny and. 5 anefa dia miresaka ny amin’ny entana fitondran’ny sambo, kitapobe eny am-baben’ny miaramila na zaza ao an-kibo mihitsy aza. Raha ireo enta-mavesatra roa voalohany dia azo apetraka ihany saingy ilay farany kosa dia tsy azo avela. Ilay reny mitondra vohoka ihany no tsy maintsy mitondra ny zaza ao an-kibony. Araka ny asehon’io ohatra io, dia misy ny enta-mavesatra izay azon’ny olona hanampiana antsika ny mitondra azy, saingy misy kosa ny entana izay tsy azon’ny hafa hoentina eo amin’ny toerantsika, toy ny vesatry ny fahatsapan-tena ho meloka ohatra, na fahoriana na koa fahafatesana. Raha ny amin’ireo voalaza ireo, dia mila mitoky amin’ny fanampian’Andriamanitra irery ihany isika (Mat. 11:28-30).


Nahoana no tsy maintsy omenao hoentin’ny Tompo ny zavatra izay tsy vitanao ny mitondra azy? Ahoana no hianaranao manao izany?


Pejy ambony

ALAKAMISY


Mamafy sy mijinja (Gal. 6:6-10)

Ny teny nadika hoe “vazivazina” (mukterizo) ao amin’ny Gal. 6:7 dia eto ihany no miseho raha ho an’ny TV, ary ampiasaina matetitetika kosa any amin’ny dikan-teny grikan’ny TT. Raha ny heviny ara-bakiteny dia hoe: “manao tsinontsinona amin’ny alalan’ny fihetsika aseho”. Ao amin’ny TT dia nentina nilaza ny fanaovana tsinontsinona ny mpaminanin’Andriamanitra (2 Tant. 36:16, Jer. 20:7) izany, ary efa nampiasaina indray mandeha mba hamaritana mazava ny toe-pikomiana naseho tamin’Andriamanitra (Ezek. 8:17).
Ny tian’i Paoly hambara dia hoe mety tsy hiraharaha an’Andriamanitra ny olona na koa tsy hitandrina ny didiny, saingy tsy afaka hamitaka Azy. Izy no Mpitsara fara tampony, ary tsy maintsy hijinja ny valin’ny nataony izy ireo amin’ny farany.

Vakio ny Gal. 6:8. Inona no tian’i Paoly hambara eto? Inona avy ny ohatra hitanao ao amin’ny Baiboly momba ireo olona mamafy ho an’ny nofo sy mamafy ho an’ny Fanahy? (Jereo ohatra ny Asa. 5:1–5; Lio. 22:3; Dan. 1:8; Mat. 4:1)

Zavatra efa mahazatra ny fanoharana nataon’i Paoly momba ny famafazana sy ny fijinjana. Toe-javatra eo amin’ny fiainana izay hita teo amin’ireo ohabolana maro fahiny izany. Ny tena zava-dehibe eto anefa dia ny fomba nampiasan’i Paoly izany mba hanantitranterana ireo fanazavana nataony teo aloha mikasika ny nofo sy ny Fanahy. Izao no fanamarihana nataon’i James D. G. Dunn: “Zontsika ny mifidy, saingy tsy zontsika ny misafidy izay vokatry ny safidy nataontsika” – Galati., t. 330.
Na dia tsy manafaka antsika mandrakariva amin’ny vokatry ny fahotantsika aza Andriamanitra, dia tsy tokony ho kivy noho ny safidy ratsy nataontsika isika. Afaka mifaly isika fa efa namela ny otantsika Izy ary efa nanangana antsika ho zanany. Tokony hararaotintsika ireo tombontsoa ananantsika amin’izao fotoana izao mba hitaomana ny hafa ho eo amin’Andriamanitra.
Ny Gal. 6:10 dia mampiseho fa “Mizara roa ilay antsointsika hoe fitsipi-pitondrantena kristianina. Ny voalohany dia mahafaoka izao tontolo rehetra izao: ‘Andeha hanao soa amin’ny olona rehetra’; ny faharoa kosa dia voafaritra kokoa, ‘ho an’ireo ao anatin’ny fianakaviam-ben’ny mpino indrindra indrindra’. Ny antso ataon’i Paoly mba hanao soa amin’ny hafa dia miorina eo amin’ny hoe nohariana araka ny endrik’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra na avy aiza izy na avy aiza. Raha manadino io fitsipika voalohany ambaran’ny Baiboly io ny Kristianina, dia efa jamban’ny fanavakavahana eo amin’ny lafiny volonkoditra, maha-lahy na maha-vavy, foko niaviana, saranga, antokom-pinoana, izay efa nampidi-doza ny fiarahamonin’olombelona hatrany amin’ny andron’i Adama sy i Eva ka mandraka ankehitriny” – Galati., tt. 427,428.  

Na ianao mamafy ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Diniho ny fiainanao. Inona no karazana vokatra hojinjainao?

Pejy ambony

ZOMA


Fianarana fanampiny: “Nomen’ny Fanahin’Andriamanitra hery handresena ny ratsy ny sain’olombelona. Rehefa manandratra ny tenany tsy hiasan’ny Fanahy ny olona, dia hijinja ny vokatry ny fahotana. Miha-mihena tsikelikely eo amin’izany olona izany ny herin’ny Fanahy izay tokony hiaro azy tsy hamafy ny voan’ny tsy fankatoavana. Tsy manan-kery firy eo aminy intsony ny fampitandremana ataon’Andriamanitra ary dia miha-mihena koa ny fahatahorany Azy. Mamafy ho an’ny nofo izy ka hijinja fahasimbana. Efa eo an-dalam-pahamasahana ny voa izay nafafiny. Manao tsinontsinona ny lalàna masin’Andriamanitra izy ka tonga fo vato ilay fo nofony teo aloha. Miseho eo amin’ny toetram-pahotana misy azy ny fanoherany ny fahamarinany. Koa satria namafy ny voan’ny faharatsiana ny olona, dia nanjary nanjaka be teo amin’ireo taranaka talohan’ny safodrano ny tsy fanarahan-dalàna, ny heloka bevava ary ny herisetra.

“Tsy tokony ho tompon-trano mihono ny rehetra mahakasika ny fahapotehan’ny fanahy. Fahazavana sy porofo ampy no efa nomen’Andriamanitra ho fanampiana antsika hahalala ny marina sy ny diso. Tsy manery antsika hanaiky ny fahamarinana anefa Andriamanitra. Omeny fahalalahana isika hisafidy ny tsara na ny ratsy. Raha misy olona manohitra ny fitarihan’Andriamanitra ka mifidy ny ratsy, dia ho mora aminy kokoa ny hanatanteraka izay ratsy manaraka eo. Ary amin’ny fanintelony, dia vao mainka hiha-malavitra an’Andriamanitra bebe kokoa hatrany izy ary hisafidy ny hiandany amin’i Satana mihitsy. Izany lalana izany no hitarika azy hino fa ny lainga dia marina. Ny fanoherana an’Andriamanitra dia mitondra vokatra mahatsiravina (MS 126, 1901)” – SDABC, b. 6, t. 1112.


Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

-Inona no hevitry ny hoe mamerina ny mpiray fanantenana iray izay lavo ho eo amin’Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ilay fahadisoana natao eo amin’ny fomba famerenana azy ho eo amin’Andriamanitra? Moa ve izany famerenana izany midika fa hiverina ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra? Ifanakalozy hevitra.
-Misy ny enta-mavesatra izay tsy maintsy ny tompony ihany no milanja azy (Gal. 6:5). Ahoana àry no hahafantaran’ny mpino iray raha tokony hanampy ny olona iray hafa izy na tsia?
-Manao ahoana ny fampiharan’ny fiangonanao ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Gal. 6? Ahoana no hitondranao fiovana manokana?


 Pejy ambony