24 - 30 JONA
PAOLY : APOSTOLON'NY JENTILISA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 6:9–15; 9:1–9; 1 Sam. 16:7; Mat. 7:1; Asa. 11:19–21; 15:1–5.
Tsianjery: “Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana” – Asa. 11:18.
Tsy sarotra ny mahatakatra izay nanjo an’i Saoly avy any Tarsosy (izay fantatsika amin’ny hoe Paoly apôstôly taty aorian’ny fiovam-pony) sy ny anton’ireo fihetsika nasehony tamin’izany. Jiosy tena nafana fo tokoa mantsy i Saoly. Nandritra ny fiainany no efa nampahafantarana azy fa zava-dehibe indrindra ny lalàna. Nampianarina azy ny hiavian’ny Mesia izay hanafaka ny Isiraely amin’ireo fahavalony ara-pôlitika. Efa hatry ny ela no niandrasan’ny Jiosy izany fiavian’ny Mesia izany, saingy rehefa tonga tokoa Izy, dia novonoina tahaka ny jiolahy faran’izay tsy mifaditrovana indrindra. Noho izany, dia sarotra ho an’i Saoly ny hanaiky izany rehetra izany.
Tsy mahagaga raha nihevitra i Saoly fa tsy nahatoky tamin’ny lalàna ny mpanara-dia an’i Jesôsy. Ninoan’i Saoly mantsy fa lainga mahatsiravina tokoa ny nambaran’izy ireo mikasika ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Izay rehetra mino izany lainga izany hoy izy dia mendrika ny ho faizina, koa tapa-kevitra i Saoly fa hamongotra izany finoana izany tsy ho eo amin’ny Isiraely. Anisan’ireo fotoana voalohany nahitantsika an’i Saoly ao amin’ny Baiboly ny nanenjehany ny Jiosy izay nino an’i Jesôsy.
Nanana drafitra hafa tanteraka ho an’i Saoly anefa Andriamanitra, drafitra izay tsy tonga tao an-tsainy akory na dia kely monja aza: Tsy vitan’ny hoe hitory ny maha-Mesia an’i Jesôsy ihany izy fa hanatanteraka izany any amin’ny Jentilisa ihany koa!
Pejy ambony
Saoly avy any Tarsosy: Mpanenjika ny Kristianina (Asa. 6:9-15)
Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly no ahitantsika voalohany an’i Saoly avy any Tarsosy. Nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Stefana tamin’ny alalan’ny fitoraham-bato izy tamin’izay (Asa. 7:58). Hitantsika indray izy avy eo ao amin’ny Asa. 8:1-5, izay nidirany an-tsehatra koa tamin’ny famonoana ho faty ireo Kristianina tao Jerosalema.
Nisy fiantraikany lalina tao amin’i Saoly ny toriteny nataon’i Stefana sy ny fahafatesany ho an’i Kristy. Jiosy niteny Grika i Stefana ary anisan’ireo diakona fito voalohany nofidina hanompo tao amin’ny fiangonana kristianina (Asa. 6:3-6). Araka ny voalazan’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly, dia nifampiady hevitra tamin’i Stefana mikasika ny fitoriany an’i Jesôsy ny antokona Jiosy niteny Grika izay tonga honina tao Jerosalema (Asa. 6:9). Azo inoana àry fa nandray anjara tamin’izany adihevitra izany koa i Saoly avy any Tarsosy.
Vakio ny Asa. 6:9-15. Inona no niampangana an’i Stefana? Mampahatsiahy anao an’iza izany lainga izany? (Vakio ny Mat. 26:59-61 hahitanao ny valiny).
Raha ny fahitana azy dia toa nianga avy tamin-javatra roa samihafa ny fankahalana mivaivay izay naseho manoloana ny toritenin’i Stefana. Voalohany, tsapan’ny Jiosy fa tsy nanome lanja firy ny lalàna sy ny tempoly i Stefana. Ireo lafiny roa ireo indrindra anefa no tena ivon’ny fanompoam-pivavahana jiosy, ary famantarana ny atao hoe Jiosy. Faharoa manaraka izany, tsy vitan’ny hoe nampihen-danja ireo voalaza ireo fotsiny i Stefana fa nambarany tamin-kery koa fa i Jesôsy, ilay Mesia maty nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty no tena ivon’ny finoana jiosy.
Tsy mahagaga àry raha nanetsika ny fahatezeran’i Saoly Fariseo izy (Fil. 3:3-6). Ny Fariseo dia olona tao anatin’ny antokom-pivavahana jiosy izay tena hentitra sy saro-piaro tokoa raha ny lalàna jiosy no resahina. Hitan’i Saoly fa tsy mbola tanteraka ireo teny fikasana ara-paminaniana lehibe momba ny fanjakan’Andriamanitra (Dan. 2, Zak. 8:23, Isa. 40-55). Koa angamba nino izy fa andraikiny ny hanampy amin’ny fanatanterahan’Andriamanitra izany amin’ny alalan’ny fanadiovana ny Isiraely ho afaka amin’ny fahadisoan-kevitra ara-pivavahana aloha voalohany indrindra. Ao anatin’izany ny fiheverana an’i Jesôsy ho Mesia.
Resy lahatra i Saoly fa nanana ny marina izy ary dia nentin-kafanam-po hamono an’ireo izay noheveriny fa diso hevitra. Marina tokoa fa ilaintsika ny hafanam-po sy ny fahavitrihana ny amin’izay inoantsika, saingy ahoana no hahaizantsika mandanjalanja, satria fantatsika tsara fa mety ho diso hevitra koa isika indraindray?
Pejy ambony
Tonga Kristianina i Saoly (Asa. 9:5)
“Ary hoy izy: ‘Iza moa hianao, Tompoko?’ Dia hoy Izy: ‘Izaho no Jesosy Izay enjehinao’” – Asa. 9:5.
Na dia tsy tena nibaribary loatra aza tany am-piandohana ny fanenjehan’i Saoly ny fiangonana voalohany (tsy nanao afa-tsy ny nihazona ny akanjon’ireo mpitora-bato an’i Stefana mantsy izy), dia niha-nahery vaika kosa izany avy eo (jereo ny Asa. 8:1–3; 9:1,2,13,14,21; 22:3–5). Maro amin’ireo teny ampiasain’i Lioka hanoritsoritana an’i Paoly no maneho sarina bibidia masiaka na koa miaramila efa maika dia maika handavo ny fahavalony. Ny teny nandikana ny hoe “nampahory mafy” ao amin’ny Asa. 8:3, ohatra, dia nampiasaina tao amin’ny dikan-teny grikan'ny TT (Sal. 80:13) hilazalazana ny fihetsika mampihorohoro sy mampivarahontsana asehon’ny lambodia iray. Mampiseho amintsika izany teny izany fa ny fifofoan’i Saoly ny ain’ny Kristianina dia drafitra efa tena maty paika mba hamongorana ny finoana kristianina tsy ho eto an-tany intsony.
Vakio ny Asa. 9:1-18, Asa. 22:6-21 ary Asa. 26:12-19. Inona no anjara asan’ny famindrampo sy ny famelan-keloka nasehon’Andriamanitra teo amin’ny fiovan’i Saoly? Moa ve mendrika ny nanehoan’Andriamanitra ny fahatsarany i Saoly?
Niova ho mpino kristianina i Saoly raha mpanohitra izany finoana izany izy teo aloha. Raha amin’ny fijerin’olombelona dia toa tsy tokony hitranga velively ny toe-javatra toy izany.
Famaizana, izay ihany no mendrika an’i Saoly, kanefa Andriamanitra dia nanatsotra ny tanam-pahasoavany tamin’ity Jiosy mafana fo ity. Ilaina anefa ny manamarika fa tsy hoe nitranga fotsiny tamin’izao na koa hoe noterena ny fiovam-pon’i Saoly.
Tsy hoe olona tsy mino ny fisian’Andriamanitra tsy akory i Saoly. Lehilahy mpivavaka izy, na dia nanana fahadisoana lehibe teo amin’ny fahatakarany ny momba an’Andriamanitra aza. Ny tenin’i Jesôsy tamin’i Saoly nanao hoe: “Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana” – Asa. 26:14, dia milaza fa niasa ny Fanahy Masina ary nampahafantatra an’i Saoly ny helony. Tamin’ny andro fahiny, ny “fanindronana” dia hazo lavalava marani-doha izay nampiasaina hanindronana ny omby rehefa tsy nety niasa izy. Nisy fotoana i Saoly nanohitra ny fanindronan’Andriamanitra, saingy nony farany, rehefa teny an-dalana ho any Damaskôsy, dia nifidy ny tsy hitolona intsony izy rehefa nihaona tamin’ny fomba mahagaga tamin’i Jesôsy izay efa nitsangana tamin’ny maty.
Somary ivereno kely ny fiovam-ponao manokana. Mety tsy ho nampangitakitaka tahaka ny an’i Saoly angamba izany (tsy toy izany mantsy ny ankamaroany), saingy tamin’ny fomba ahoana no nandraisanao ny fahasoavan’Andriamanitra, tahaka izay niseho taminy? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy tokony hanadinoana velively ny zavatra efa nomen’i Kristy antsika?
Pejy ambony
Saoly tany Damaskôsy (1 Kôr. 4:5)
Lasa tsy nahita ny mason’i Saoly taorian’ny nifanenany tamin’i Jesôsy. Nasain’i Jesôsy nandeha tany an-tranon’ny lehilahy atao hoe Jodasy izy ka hiandry ny lehilahy iray hafa antsoina hoe Ananiasy. Tsy misy isalasalana fa ny fahajambana ara-batana nanjo an’i Saoly dia natao hampahatsiahy ny fahajambana ara-panahy lehibe kokoa izay nitarika azy hanenjina ny mpanara-dia an’i Jesôsy.
Nanova ny zavatra rehetra ny fihaonan’i Jesôsy taminy teo an-dalana ho any Damaskôsy. Nihevitra ny tenany ho nandeha tamin’ny fahamarinana i Saoly kanjo tao anatin’ny fahadisoan-kevitra tanteraka no nisy azy. Raha tokony ho niasa ho an’Andriamanitra izy, dia niasa hanohitra Azy kosa. Olom-baovao tanteraka i Saoly raha vao niditra tao Damaskôsy fa tsy ilay Fariseo feno rehareha sy hafanam-po teo aloha intsony raha vao niainga avy tao Jerosalema. Raha tokony ho nihinana sy nisotro i Saoly dia nandany ireo andro telo voalohany tao Damaskôsy tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fisaintsainana lalina ny zava-drehetra niseho.
Vakio ny Asa. 9:10-14. Alao sary an-tsaina ny tao an’eritreritr’i Ananiasy: tsy vitan’ny hoe tonga mpino an’i Jesôsy fotsiny ihany izao ilay Saoly mpanenjika teo aloha, fa izy koa no Paoly, apôstôly voafidy hitondra ny filazantsara any amin’ny tontolo jentilisa (jereo ny Asa. 26:16-18).
Tsy mahagaga raha somary sahiran-tsaina ihany i Ananiasy. Raha ny fiangonana tao Jerosalema aza afaka telo taona taorian’ny fiovam-pon’i Saoly vao tsy nisalasala intsony handray tsara azy (Asa. 9:26-30), koa mainka ve fa ireo mpino tao Damaskôsy tao anatin’ny telo andro monja niovan’i Saoly fo?
Mariho koa fa nomen’ny Tompo fahitana i Ananiasy mba hilazana aminy ny vaovao mahagaga sy tsy ampoizina momba an’i Saoly avy any Tarsosy. Raha tsy izany fahitana izany dia mety tsy ho resy lahatra velively ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra reny izy, dia ny hoe: tonga mpiandany amin’izy ireo izao ilay fahavalon’ny mpino jiosy.
Fahefana sy iraka avy tamin’ny lohandohan’ny mpisorona no nentin’i Saoly niala avy tao Jerosalema mba hamongorana hatrany amin’ny fotony ny finoana kristianina (Asa. 26:12). Nanana iraka hafa tanteraka hampanaovina an’i Saoly anefa Andriamanitra, dia iraka avy tamina fahefana lehibe lavitra. Nirahina hitory ny filazantsara any amin’ny Jentilisa i Saoly, ary azo inoana fa io no vao mainka hanafintohina an’i Ananiasy sy ireo mpino Jiosy hafa mihoatra noho ilay fiovam-pony.
Raha nitady izay hisakanana ny fitaran’ny finoana kristianina i Saoly, dia nampiasain’Andriamanitra kosa izy izao hanitatra izany mihoatra lavitra noho izay azon’ny mpino jiosy eritreretina.
Vakio ny 1 Sam. 16:7, Mat. 7:1, ary ny 1 Kôr. 4:5. Inona no hafatra ampitain’ireo andininy ireo mikasika ny antony tokony hitandremantsika eo amin’ny fomba fijerintsika ny fanandramana ara-panahin’ny hafa? Inona no fahadisoan-kevitra efa nahavoa anao teo amin’ny fitsaratsarana ny hafa, ary inona no lesona noraisinao tamin’izany?
Pejy ambony
Tonga tany amin’ny Jentilisa ny filazantsara (Asa. 11:19-21,26)
Taiza no niorenan’ny fiangonana jentilisa voalohany indrindra? Inona no toe-javatra nahatonga ny mpino handeha ho any? Mampahatsiahy anao toe-javatra inona tamin’ny andron’ny TT izany? (Jereo ny Dan. 2).
Nirongatra be izay tsy izy ny fanenjehana tao Jerosalema taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana. Mpino Jiosy maro no nandositra nianavaratra nankany Antiokia, izany hoe 483 km latsaka kely niala avy teo. Renivohitr’i Syria i Antiokia, ary tanàna fahatelo lehibe indrindra ao amin’ny fanjakana rômanina, aorian’i Rôma sy i Aleksandria. 500.000 eo ho eo ny isan’ny mponina ao aminy ary kolontsaina sy fomba amam-panao isan-karazany avy any amin’ny firenen-tsamihafa no hita ao. Izany no nahatonga azy ho toerana mety indrindra, tsy ho an’ny fiangonana ahitana Jiosy sy Jentilisa marobe ihany fa ho fototra iaingan’ny asa maneran-tany hataon’ny fiangonana voalohany mihitsy.
Inona no niseho tao Antiokia ka nahatonga an’i Barnabasy hitsidika io tanàna io ary koa ho tapa-kevitra taorian’izay fa hanasa an’i Paoly hiaraka aminy ho any? Inona no sary aseho eto mikasika izany fiangonana izany? (Asa. 11:20-26).
Sarotra ny hamaritra mazava ny filahatr’ireo zava-niseho rehetra teo amin’ny fiainan’i Paoly. Raha ny fahitana azy anefa dia toa dimy taona no lasa teo anelanelan’ny fitsidihan’i Paoly an’i Jerosalema ao amin’ny Asa. 9:26-30 sy ny fanasan’i Barnabasy azy hiaraka aminy ho any Antiokia. Inona no nataon’i Paoly tao anatin’ireo taona rehetra ireo? Tena sarotra ny hamaly izany. Misy pitson-javatra kely ihany anefa omen’ny Gal. 1:21 antsika. Mety ho nitory ny filazantsara tany amin’ny faritr’i Syria sy Kilikia izy. Ao ny milaza fa angamba tao anatin’io fotoana io no nanesoran’ny fianakavian’i Paoly ny zo maha-mpandova azy ara-dalàna mba tsy hahazoany mandray vola na tany rehefa maty izy ireo (Fil. 3:8).
Vokatr’izany dia nandalo fahasahirana maro tokoa i Paoly araka ny voalaza ao amin’ny 1 Kôr. 11:23-28. Niroborobo be teo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fiangonana tao Antiokia. Ny fitantarana ao amin’ny Asa. 13:1 dia mampiseho fa tsy ela dia hita taratra teo amin’ny fiangonana ny fisiana kolontsaina sy fomba amam-panao samihafa ara-pirazanana. (I Barnabasy, ohatra, dia avy any Kyprosy; i Losio avy any Kyrena; i Paoly avy any Kilikia ary i Simeona azo antoka fa avy any Afrika, ankoatra ireo mpino Jentilisa avy any amin’ny faritra hafa rehetra). Fanirian’ny Fanahy àry izao ny hitondra ny filazantsara any amin’ny Jentilisa maro hafa any ivelan’ny faritr’i Syria sy i Jodia, ka i Antiokia no ho ivon-toerana hiaingan’ny fivelaran’ny asa.
Vakio indray ny Asa. 11:19-26. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiangonan’i Antiokia, izay ahitana kolontsaina sy fomba amam-panao tena samihafa, ka hanampy ny fiangonana amin’izao andro izao hanatanteraka asa tsara kokoa noho izay vita tamin’izany?
Pejy ambony
Tsy fitovian-kevitra tao anatin’ny fiangonana (Asa. 15:1-5)
Mazava loatra fa tsy lavorary ny olombelona, ka tsy ela akory dia nipoitra teo anivon’ny fikambanan’ireo mpino voalohany ny olana.
Voalohany indrindra, dia tsy ny rehetra no faly tamin’ny fidiran’ny mpino jentilisa tao amin’ny fiangonana. Tsy ny asa fitoriana hatao eo anivon’ny Jentilisa loatra no tsy nitovian’izy ireo hevitra fa ny hamelana ireo Jentilisa ireo ho tonga ho isan'ny fiangonana. Ny sasany mihevitra fa tsy ampy hahatonga ny olona iray ho Kristianina raha ny finoany fotsiny an'i Jesôsy. Nilaza izy ireo fa ilain'ny lehilahy jentilisa rehetra aloha ny hoforàna ary koa tokony hankatò ny lalàn'i Mosesy izy ireo.
Ny Asa. 10:1--11:18 dia mitantara ny fanandraman'i Petera niaraka tamin'i Kornelio, lehilahy Jentilisa. Miaramila rômanina tsy nifora i Kornelio ary i Petera no nanao batisa azy. Nanafintohina ny mpino jiosy tao amin'ny fiangonana izany batisa izany. Ny fihetseham-pon'izy ireo dia ohatra mazava maneho ny tsy fitovian-kevitra nisy tao amin'ny fiangonana mikasika ny Jentilisa. Mety ho ny mpino sasantsasany ihany no ho tafintohina raha Jentilisa iray na roa no havela hiditra ho anisan'ny fiangonana. Saingy tian'i Paoly hivoha midanadana ho an'ny Jentilisa rehetra izay mino fotsiny ihany an'i Jesôsy ny varavaran'ny fiangonana. Noho izany antony izany indrindra no niezahan'ny mpino sasany hisakana ny asan'i Paoly teo amin'ny Jentilisa.
Tamin'ny fomba ahoana no nanoheran'ny mpino sasany avy tany Jodia ny fiara-miasan'i Paoly tamin'ny Kristianina jentilisa tao Antiokia? Asa. 15:1-5.
Na dia niandany tamin’i Paoly ihany aza nony farany ny filan-kevitra tao Jerosalema mikasika ny famoràna, dia mbola nitohy ihany ny fanoherana ny asany. Nony afaka fito taona teo ho eo, nandritra ny fitsidihana farany nataony tany Jerosalema, dia maro no mbola niahiahy ihany mikasika ny filazantsaran’i Paoly. Rehefa nitsidika ny tempoly mantsy i Paoly, dia efa saika namoy ny ainy rehefa nisy Jiosy avy any Azia niantsoantso hoe: “Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina ity” (Asa. 21:28; jereo koa ny 21:20,21).
Apetraho eo amin’ireo mpino jiosy sahiran-tsaina tamin’ny fampianaran’i Paoly ny toeranao. Nahoana no toa misy heviny ihany ny fiahiahiany sy ny fanoherany? Mampianatra inona amintsika izany momba ny hoe mety hahadiso lalana antsika ihany ny hevitra manokana tanantsika? Ahoana no hahaizantsika miaro tena mba tsy hilatsaka amin’ny fahadisoan-kevitra toy izany?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio ny “Individual Independence”, ao amin’ny tt. 430-434 amin’ny boky Testimonies for the Church, b. 3, Ellen G. White. Io toko io dia miresaka ny amin’ny atao hoe Kristianina marina ao amin’ny fiangonana. Vakio koa ny SDABC, b. 6, tt. 225-234. Ireo takila ireo dia mamariparitra ny fiainan’i Paoly tany am-piandohana ary miresaka koa ny fomba nahatongavany ho Kristianina.
“Fantatra tamin’ny maha-mpiaro mafana fo ny fivavahana Jiosy azy i Paoly teo aloha, sy mpanenjika tsy mety sasatra ireo mpanaraka an’i Kristy. Be herim-po, tsy mba miankin-doha ary manana faharetana izy; ary ny talentany sy ny fahaizana noraisiny dia ho nahafahany nanao amim-pahombiazana saika ny zavatra rehetra. Afaka mandahatra ny heviny amin’ny fomba mazava mahagaga izy, ary ny fanesoesoany mahamaina dia mametraka ny mpanohitra azy ho amin’ny toerana tsy mahatsiriritra hitarafana azy. Hitan’ny Jiosy anefa izao fa niray tamin’ny nenjehiny ity tovolahy nampanantena hoavy mamirapiratra ity, ka mitory tsy amin-tahotra ny anaran’i Jesosy.
“Ny jeneraly maty an’ady dia very ho an’ny tafika misy azy, nefa tsy mitondra fanampin-kery ho an’ny fahavalony ny fahafatesany. Mifanohitra amin’izany kosa, rehefa misy olona manana ny maha-izy azy miandany amin’ny herin’ny mpanohitra, dia tsy hoe very fotsiny ny asa vitany, fa mahazo tombony mazava koa ireo izay iandaniany. Raha ho any Damaskosy Saoly avy any Tarsosy, dia nety ho faty mora foana izy tamn’ny kapoka nataon'i Jehovah azy, ka ho betsaka ny hery niala tamin’ny fahefana nanenjika. Nefa tsy ny ain’i Saoly ihany no narovan’ny fitondran’Andriamanitra, fa novany koa ny fony, ka tamin’izany dia namindra kalazalahy hiala avy tamin’ny antokon’ny fahavalo ho amin’ny antokon’i Kristy Izy. Mpandaha-teny mahay sy mpitsikera sarotiny i Paoly ary ny toetra nilaina indrindra tao amin’ny fiangonana voalohany no hita teo amin’ny fikasany hentitra sy ny herim-pony tsy resy” – VM, t. 112.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
-Ny sasany tamin’ireo fahavalon’i Paoly masiaka indrindra dia Jiosy nino an’i Jesôsy. Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
-Tena ilaina tokoa ny mijoro amin’ny zavatra inoana. Ahoana koa anefa no hitandremantsika mba tsy ho hanoherantsika an’Andriamanitra?
Famintinana:
Ny nifanenan’i Saoly tamin’i Jesôsy efa nitsangana tamin’ny maty raha teny an-dalana ho any Damaskôsy izy, dia fotoan-dehibe izay nanamarika ny fiainany sy ny tantaran’ny fiangonana voalohany. Novain’Andriamanitra ho apôstôly nofidiny manokana ilay mpanenjika ny fiangonana teo aloha mba hitondra ny filazantsara any amin’ny Jentilisa. Ny namelan’i Paoly ny Jentilisa ho anisan’ny fiangonana amin’ny alalan’ny finoana irery ihany anefa dia toe-javatra izay tena sarotra ho an’ny mpino jiosy tokoa ny nanaiky azy. Ohatra iray maharesy lahatra io ny amin’ny mety hahavoasakana ny asantsika vokatry ny foto-kevitra sy ny fihetseham-po diso toerana izay hazonintsika.
Pejy ambony