SS 14 3T 2017

LESONA 14

23 - 29 SEPTAMBRA

MIREHAREHA AMIN'NY HAZO FIJALIANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 6:11–18; Rôm. 6:1–6; 12:1–8; 2 Kôr. 4:10; 5:17; 11:23–29.

Tsianjery: “Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.” - Gal. 6:14.

Sarotra ny fandalinana ny bokin’ny Galatianina. Ny antony dia satria ilay boky mihitsy no sarotra. Fantatr’i Paoly ny fiantsoana azy, ary fantany koa ny fahamarinan’ny zavatra notoriny (na izany na tsy izany, araka ny nolazainy imbetsaka, dia avy tamin’ny Tompo izany fahamarinana izany). Izany no nahatonga azy hanoratra tamin’ny hafanam-po masina nananan’ireo mpaminanin’ny TT, dia ry Isaia sy Jeremia ary Hôseà. Tahaka ny nitalahoan’ireo mpaminany ireo ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny androny mba hiala amin’ny fahadisoany, no nitalahoan’i Paoly koa ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny androny.

Samy hafa tanteraka ireo toe-javatra nitranga mivantana tamin’ny andron’i Jeremia sy tamin’ny andron’i Paoly. Na izany aza, amin’ny farany dia azo ampiharina mora foana amin’ny Galatianina ireo tenin’i Jeremia, tahaka ny nampiharana izany tamin’ireo olona tamin’ny androny: “Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etý ambonin'ny tany; Fa izany no sitrako, hoy Jehovah.” - Jer. 9:23,24.  

Tsy misy toerana isehoan’ny maha-zava-poana ny fahendrentsika olombelona sy ny fananantsika ary ny herintsika “be voninahitra” mihoatra noho ny eo anoloan’ny hazo fijalian’i Kristy. Ary io hazo fijaliana io no ifantohan’ny taratasin’i Paoly ho an’ny ondriny mania any Galatia.

Pejy ambony

 

ALAHADY


Ny tanan’i Paoly mihitsy (Gal. 6:11-18)

Ampitahao ny fanamarihana famaranana ataon’i Paoly ao amin’ny Gal. 6:11–18 sy ireo fanamarihana farany ataony ao amin’ireo bokiny hafa. Inona no mampitovy sy mampiavaka ny famaranana ny Galatianina amin’ny famaranana ireo boky hafa? (Jereo ireo fanamarihana farany ao amin’ny Rômanina, 1 sy 2 Kôrintianina, Efesianina, Filipianina, Kôlôsianina, ary 1 sy 2 Tesalônianina.)
    
Tsy mitovy hatrany ireo fanamarihana famaranana ataon’i Paoly, saingy misy zavatra mahazatra hita amin’izy ireo: (1) fanaovam-beloma olona manokana (2) fananarana farany, (3) filazana ny anarany, ary (4) tso-drano famaranana. Rehefa ampitahaina amin’ireo fanamarihana farany ataon’i Paoly ao amin’ny Galatianina ireo toetoetra miavaka ireo, dia misy fahasamihafana lehibe anankiroa misongadina.
    
Voalohany, tsy mirakitra fanaovam-belona olona manokana ny Galatianina, tsy tahaka ireo taratasy hafa nosoratan’i Paoly. Nahoana? Nianarantsika tany aloha tany, nandritra ity telovolana ity, fa tsy misy tenim-pisaorana fahita mahazatra koa any amin’ny fiandohan’ny taratasy ho an’ny Galatianina. Koa ny tsy fisian’ireo ampahany roa ireo ao amin’io epistily io dia maneho ny fifandraisana mihenjana eo amin’i Paoly sy ireo Galatianina. Mahalala fomba i Paoly, saingy manaraka fombafomba koa.
    
Faharoa, tokony hotsaroantsika fa fanaon’i Paoly ny mampanoratra ny taratasiny amin’ny mpanoratra (Rôm. 16:22). Avy eo, rehefa vita izany, dia nandray ny penina izy, matetika, ka nanoratra teny fohy vitsivitsy tamin’ny tanany mihitsy mba hamaranana ilay taratasy (1 Kôr. 16:21). Niala tamin’io fahazarany io anefa i Paoly ao amin’ny Galatianina. Rehefa nalain’i Paoly teny an-tanan’ilay mpanoratra ny penina, dia mbola tena feno fanahiana mikasika ny toe-javatra tany Galatia izy, hany ka mbola lasa nanoratra zavatra maro noho izay mahazatra. Tsy afaka nametraka ilay penina fotsiny amin’izao izy raha tsy efa nitalaho farany ireo Galatianina mba hiala amin’ny fomban’izy ireo feno hadalana.
    
Ao amin’ny Gal. 6:11 dia hamafisin’i Paoly fa nosoratany tamin’ny sora-baventy ny taratasiny. Tena tsy fantatsika mihitsy ny antony. Nisy olona sasany nieritreritra fa tsy niresaka momba ny haben’ny sorany i Paoly, fa momba ny haratsin’ny bikany. Manoso-kevitra izy ireo fa angamba mety tena nitondra takaitra noho ny kapoka nahazo azy ny tanan’i Paoly, na koa mety nikarainkona noho ny fanamboarana lay, hany ka tsy vitany intsony ny nanoratra tsara ny taratasiny. Ny sasany indray mino fa manome porofo fanampiny momba ny tsy fahitany tsara io fanamarihany io. Mety ho marina ireo fomba fijery anankiroa ireo. Toa mitombina kokoa anefa ny mieritreritra fotsiny fa ninia nanoratra tamin’ny sora-baventy i Paoly mba hanindriana na hanamafisana indray ny heviny. Manao tahaka izany isika rehefa maniry ny hanasongadina na hanindry voambolana na hevitra manan-danja iray. Azontsika atao ohatra ny manipika ilay voambolana, na manao izany amin’ny sora-mandry, na manoratra izany amin’ny SORA-BAVENTY.
    
Na inona na inona ny antony, azo antoka fa tian’i Paoly hihaino ny fampitandremany sy ny fananarany ireo mpamaky azy.

    
Pejy ambony

ALATSINAINY


Mirehareha amin’ny nofo (Gal. 6:12,13)

Vakio ny Gal. 6:12,13. Inona no ambaran’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo?

Efa nanome toromarika momba ny fikasana sy ny antony manosika ireo mpanohitra azy i Paoly tany aloha tany (jereo ny Gal. 1:7; 4:17). Ireo teniny ao amin’ny Gal. 6:12,13 anefa no fanamarihana mazava voalohany ataony momba ireo mpanohitra azy. Milaza izy fa “te-hiseho ho tsara amin'ny nofo” izy ireo. Ny teny hoe “hiseho ho tsara” amin’ny teny grika dia midika ara-bakiteny hoe manisy “endrika tsara”. Ny voambolana entina hilazana ny “endrika” eto tokoa mantsy dia ilay voambolana grika entina hilazana ny saron-tavan’ny mpilalao sarimihetsika. Nampiasaina ara-keviny mihitsy aza io voambolana io mba hanondroana ny anjara lalaovin’ilay mpilalao sarimihetsika. Raha atao amin’ny teny hafa dia hoe: milaza i Paoly fa tahaka ny mpilalao sarimihetsika ireo mpanohitra azy ireo, izay mitady ny fankasitrahan’ny mpihaino azy. Ao anatin’ny kolontsaina mifototra amin’ny voninahitra sy ny henamaso, dia tena zava-dehibe ny fanarahana ny fanaon’ny besinimaro. Ary ireo izay nampianatra hevi-diso dia hita fa niezaka nampitombo ny tahan’ny voninahiny teo anatrehan’ireo Jiosy namany tany Galatia sy ireo Kristianina jiosy hafa tany Jerosalema.
    
Milaza teboka manan-danja momba ny iray amin’ireo antony manosika ireo mpanohitra azy i Paoly: ny faniriana hisoroka ny fanenjehana. Amin’ny kapobeny, isika dia mandray ny fanenjehana amin’ny endriny mahatsiravina kokoa, izay mahafaoka fampijaliana ara-batana. Mety manimba koa anefa izany na dia amin’ny endriny “malefaka” kokoa, tahaka ny fanorisorenana sy ny fanilikilihana. Taloha i Paoly sy ny zelota mafana fo hafa dia nanatanteraka io karazana fanenjehana voalohany io (Gal. 1:13), saingy nisy akony teo amin’ny Kristianina koa ny karazany faharoa.
    
Mbola nanana fahefana ara-pôlitika lehibe ihany ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy teo amin’ny sehatra maro. Mbola nanana ny fankatoavan’i Rôma izy ireo; noho izany dia dodona ny hihazona fifandraisana tsara amin’izy ireo ny mpino jiosy maro. Nahita marimaritra niraisana niaraha-nanaiky tamin’ireo mpitarika jiosy ireto mpanakorontana tany Galatia ireto. Ny famorana ny Jentilisa sy ny fampianarana azy ireo hitandrina ny Torah izany. Hanampy azy ireo hihazona fifandraisana tsara amin’ny sinagoga izany. Tsy izany ihany anefa fa afaka hanamafy ny fifandraisany amin’ireo mpino jiosy any Jerosalema izany, izay nanana ahiahy nitombo hatrany momba ny asa natao tamin’ny Jentilisa (Asa. 21:20, 21). Tsy isalasalana koa fa, tamin’ny heviny iray, dia mety ho nahatonga ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny Jiosy ho nahomby kokoa ny asan’izy ireo.
    
Eritrereto tsara ny antony nahatonga ireo olona ireo hampianatra ny hevi-disony? Toa tena mitombina izany, raha dinihina avokoa ny zava-drehetra. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny hoe: na dia ireo antony manosika “tsara indrindra” aza dia mety hampiala antsika amin’ny lala-marina raha toa ka tsy mitandrina isika? Oviana no fotoana farany nanaovana zavatra ratsy avy amin’ny antony manosika tsara?  

Pejy ambony

TALATA


Mirehareha amin’ny hazo fijaliana (Gal. 6:14)
    
“Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.” - Gal. 6:14.     

Sarotra ho antsika velona amin’izao taonjato faha-21 izao ny mahatakatra ny fanafintohinana nateraky ny tenin’i Paoly momba ny hazo fijaliana (Gal. 6:14) tamin’ny androny. Ankehitriny dia famantarana mahazatra sy lalaina ary manainga fihetseham-po tsara eo amin’ny ankamaroan’ny olona maro ny hazo fijaliana. Tamin’ny andron’i Paoly anefa dia zavatra tsy mampirehareha fa zavatra nohamavoina izany. Nanafintohina ny Jiosy izany hoe Mesia voahombo teo amin’ny hazo fijaliana izany, ary ny Rômanina dia nandray ny fanomboana amin’ny hazo fijaliana ho tena maharikoriko, ka tsy natao ho fomba fanasaziana sahaza ho an’ny olom-pirenena rômanina akory izany.
    
Inona no fiovana nentin’ny hazo fijalian’i Kristy teo amin’ny fifandraisan’i Paoly tamin’izao tontolo izao? Gal. 6:14; Rôm. 6:1–6; 12:1–8; Fil. 3:8.

Inona no nataon’ny Hazo fijaliana izay nitondra akony teo amin’ny fifandraisanao tamin’izao tontolo izao? Inona no fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainanao? Hafa manao ahoana ny fomba fiainanao ankehitriny raha ampitahaina amin’ny fomba fiainanao talohan’ny nanoloranao tena ho an’ny Tompo, izay maty ho anao?

Pejy ambony

ALAROBIA


Zavaboary vaovao (Gal. 6:15)

Nanasongadina ny maha-ivo ny hazo fijalian’i Kristy eo amin’ny fiainana kristianina i Paoly teo aloha teo. Izao kosa dia manasongadina ny foto-kevitra manan-danja lehibe faharoa amin’ny hafatry ny filazantsara entiny izy: ny fanamarinana amin’ny finoana.
    
Hitantsika nandritra ny telovolana iray manontolo fa amin’ny kapobeny dia nasehon’i Paoly fa mifanipaka ny famorana sy ny filazantsara. Tsy nanohitra io fomba amam-panao io anefa izy. Nanao fanambarana hentitra maro ho fanoherana ny famorana i Paoly (jereo ny Gal. 5:2–4). Tsy tiany anefa ny handraisan’ny Galatianina tsoa-kevitra fa tian’Andriamanitra kokoa ny tsy forana noho ny forana. Tsy izany no tiany hambara, satria mety hitady famonjena amin’ny alalan’izay ataon’ny tena sy izay tsy ataon’ny tena koa ny olona iray. Tsy misy ifandraisany eo amin’ny resaka ara-panahy ny resaka momba ny fanaovana famorana. Ny fivavahana marina dia tsy mifototra amin’ny fitondran-tena etỳ ivelany, fa mifototra kokoa amin’ny toetran’ny fon’olombelona. Araka ny nambaran’i Jesôsy, mety hiseho ho mahafinaritra ny olona iray etỳ ivelany, saingy lo ara-panahy kosa ao anatiny (Mat. 23:27).

Inona no hevitr’izany hoe zavaboary vaovao (DIEM) izany? Gal. 6:15; 2 Kôr. 5:17. Ahoana no niainanao ny hevitr’izany?

Ktisis no voambolana grika nandikana ny hoe “zavaboary”. Izy io dia mety manondro ny “zavaboary” tsirairay (Heb. 4:13, DIEM), na ny “zavatra àry rehetra” mihitsy (Rôm. 8:22). Samy manondro ny asan’ny Mpamorona ilay voambolana eo amin’ireo lafiny roa ireo. Izany no tena tian’i Paoly hambara. Tsy zavatra mety hateraky ny ezaka ataon’ny olombelona izany hoe lasa “zavaboary vaovao” izany – na famorana io na zavatra hafa. “Fahateraham-baovao” no ilazan’i Jesôsy io dingana io (Jao. 3:5–8). Izy io dia fihetsika ataon’Andriamanitra, izay akany olona iray maty ara-panahy sy ifofonany aim-panahy ao aminy. Mbola sary an’ohatra iray hafa koa io, izay ampiasain’i Paoly mba hanazavany ny hoe fanamarinana amin’ny finoana.
    
Miresaka amin’ny tsipiriany kokoa ny momba io fanandramana amin’ny maha-zavaboary vaovao io i Paoly ao amin’ny 2 Kôr. 5:17. Hazavain’i Paoly ao anatin’io andininy io fa izany hoe lasa zavaboary vaovao izany dia midika zavatra mihoatra lavitra noho ny hoe fiovan’ny satantsika ao amin’ny bokin’ny lanitra; mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika ankehitriny izany. Araka ny fanamarihan’i Timothy George, izy io dia “mahafaoka ny dingan’ny fiovana iray manontolo: ny asa fanavaozana ataon’ny Fanahy Masina, izay mitarika ho amin’ny fibebahana sy ny finoana. Voafaoka ao koa ny fahafatesana ny amin’ny tena isan’andro sy ny fahavelomana indray ao amin’i Kristy. Tafiditra ao koa ny fitomboana mitohy amin’ny fahamasinana, izay mitarika ho amin’ny fanahafana ny endrik’i Kristy.” – Galati., t. 438.
    
Tsy ny mahalasa antsika ho zavaboary vaovao anefa no manamarina antsika. Io fiovana tanteraka io no fanehoana mitohoka amin’ny tenda ny hevitry ny hoe nohamarinina.
 


Pejy ambony

ALAKAMISY


Fanamarihana farany (Gal. 6:16–18)

Nomen’i Paoly ny tsodranony ireo; hoy izy: “mandeha araka ity fitsipika ity” - Gal. 6:16. Araka ny tontolon-kevitra, inona no “fitsipika” heverinao fa resahin’i Paoly eto?
    
Ny voambolana nadika hoe “fitsipika” dia manondro ara-bakiteny hazo mahitsy izay ampiasain’ny mpandrafitra mba hametarana. Tatỳ aoriana dia lasa nampiasaina ho sary an’ohatra io voambolana io, ka nanondro ireo fitsipika sy fenitra nahafahan’ny olona iray nanombana ny zavatra iray. Ohatra, rehefa miresaka momba ny TV ny olona, dia ireo boky 27 ao amin’ny TV no tian’izy ireo lazaina, izay raisina ho toy ny manana fahefana hamaritra ny zavatra tokony inoan’ny fiangonana sy ny zavatra tokony ataony. Noho izany, tsy ekena ny fampianarana izay tsy “mifanandrify” amin’izay hita ao anatin’ireo boky ireo.

Vakio ny Gal. 6:17; 2 Kôr. 4:10; 11:23–29. Inona ireo “marik'i Jesosy” entin’i Paoly eo amin'ny tenany? Inona no tiany hambara rehefa manoratra izy fa tsy tokony hisy olona “hanahirana” azy intsony noho ny amin’ireo marika ireo? Mety hanampy amin’ny famaliana io fanontaniana io ve ny Gal. 6:14?

Ny voambolana hoe marika dia avy amin’ilay voambolana grika hoe stigmata, izay niavian’ny voambolana anglisy hoe stigma (holatra) ihany koa. Mety ilay fanao mahazatra rehefa manamarika ny andevo amin’ny mariky ny tompony ho famantarana ilay andevo no tondroin’i Paoly eto. Mety ho ilay fomba amam-panao ao amin’ny fivavahana feno zava-miafina hafa koa anefa no tondroiny eto. Ao amin’ireo fivavahana feno zava-miafina ireo dia ilay mpivavaka mihitsy no manamarika ny tenany ho famantarana ny fanokanany ny tenany ao amin’izany fivavahana izany. Na izany na tsy izany, “tsy isalasalana fa manondro ireo holatra tavela teo amin’ny vatany noho ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra i Paoly rehefa miresaka momba “ny marik’i Jesôsy’ (jereo ny 2 Kôr. 4:10; 11:24–27). Manizingizina ireo mpanohitra azy ankehitriny ny hanerena ireo Jentilisa niova fo mba hanaiky ny mariky ny famorana ho famantarana ny fileferan’izy ireo amin’ny fivavahana jodaisma. I Paoly anefa dia manana marika izay maneho hoe lasa andevon’iza izy, ary ho azy dia tsy misy mari-pahatokiana afa-tsy amin’i Kristy. (...) Nilaza zavatra tamin’ny fomba mahery vaika indrindra momba ny fanokanan’i Paoly ny tenany ho an’i Kristy ireo holatra azony avy tamin’ny fahavalony, raha teo am-panompoana ny Tompony izy.” — SDABC, b. 6, t. 989.

Inona ireo “marika”, ara-batana na ara-panahy, izay entinao noho ny finoanao an’i Jesôsy? Raha atao amin’ny teny hafa, inona no saran’ny finoanao ho anao?


Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: “Mandefa fihaikana amin’ny herin’izao tontolo izao sy ny herin’ny devoly ny hazo fijalian’i Kalvary, ary handresy izany amin’ny farany. Mifantoka eo amin’ny hazo fijaliana ny hery miasa mangina rehetra, ary avy eo aminy no iaingan’ny hery miasa mangina rehetra. Io no ivon’ny finoantsika; satria teo no namoizan’i Kristy ny ainy ho an’ny taranak’olombelona. Natao ho famerenana indray ny olona ho amin’ny fahatanterahany voalohany io sorona io. Eny, ambonin’izany, natao izany fanatitra izany mba hanovana ny toetran’ny olona iray manontolo, ka nahatonga azy ho manoatra noho ny mpandresy.
“Ireo izay mandresy ny fahavalo lehiben’Andriamanitra sy ny olona amin’ny alalan’ny herin’i Kristy, dia hitana toerana izay ambony noho ny an’ny anjely tsy mbola lavo mihitsy rehefa any an-danitra.
“Hoy ny fanambaran’i Kristy: ‘Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.’ Raha tsy mahazo hery miasa mangina ho azy ny hazo fijaliana, dia mamorona hery miasa mangina izany. Nandritra ireo taranaka nifandimby dia naseho ho toy ny fahamarinana ankehitriny ny fahamarinana amin’izao fotoana izao. I Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana no fomba nampihaonana ny famindram-po sy ny fahamarinana sy nampifanorohana ny rariny sy ny fihavanana. Io no fomba nentina nanozongozonana izao tontolo izao.” — SDABC, b. 6, t. 1113.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

- Inona no zava-dehibe hitanao amin’ny hoe natombok’i Paoly sy nofaranany tamin’ny filazana momba ny fahasoavan’Andriamanitra ny taratasiny? Ampitahao ny Gal. 1:3 sy ny 6:18.

- Hoy i Paoly ao amin’ny Gal. 6:14: “(...) ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko”. Amin’ny fahazavan’io fanambarany io, dia ahoana no tokony ho fifandraisan’ny Kristianina amin’izao tontolo izao, amin’izao fotoana izao? Ahoana no tokony hiatrehan’ny Kristianina ny resaka momba ny tontolo iainana, ny fanavakavahana fihodirana, ny fanalan-jaza, sy ny sisa, raha toa ka maty ny amin’izao tontolo izao izy ireo?

- Ahoana no ahafantaran’ny olona iray raha toa ka niaina ny “famoronana vaovao” izay noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny izy?

- Araka ny zavatra nianaranao nandritra ity telovolana ity, dia ahoana no amintinanao ny fomba fijerin’i Paoly momba ireto lohahevitra manaraka ireto: ny lalàna, ny asan’ny lalàna, fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana, ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao, ny asan’i Kristy, ny fanamasinana, ary ny endriky ny fiainana kristianina?

Famintinana: Tsy mahakasika ny fitondran-tena eny ivelany fotsiny ihany ny fivavahana marina, fa amin’ny toetry ny fo koa. Rehefa atolotra an’Andriamanitra ny fo, dia haneho hatrany hatrany ny toetran’i Kristy ny fiainan’ny olona iray, rehefa mitombo ao amin’ny finoana izy. Tsy maintsy milefitra eo ambanin’i Kristy ny fo; hanaraka daholo ny zavatra hafa rehetra rehefa mitranga izany.



 Pejy ambony