01 - 07 APRILY 2017
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 1:1,2; Jao. 3:16; Ezek. 33:11; 1 Pet. 1:3–21; Lev. 11:44,45; 1 Pet. 1:22–25.
Tsianjery: “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo.” - 1 Pet. 1:22.
Indreto misy fanontaniana vitsivitsy izay ilaina valiana, raha azo atao, rehefa mianatra ny Baiboly ny olona iray, indrindra fa rehefa mifantoka amin’ny fomba manokana amin’ny boky anankiray na amin’ny fizarana iray amin’ny boky iray koa aza.
Voalohany, tsara ny mahafantatra hoe iza no mpamaky kendren’ilay mpanoratra. Faharoa, manan-danja kokoa noho izany aza angamba, tsara ny mahafantatra ny antony marina nanoratana ilay boky ao amin’ny Baiboly. Inona no olana miavaka (raha toa ka misy izany) izay tian’ny mpanoratra atrehina (tahaka ny asasoratr’i Paoly ho an’ny Galatianina mahakasika ireo hevi-diso ao amin’ny teôlôjia momba ny famonjena sy ny lalàna nampianarin’ny olona)? Araka ny fantatsika, ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny TV dia nosoratana ho toy ny epistily na taratasy, ary matetika ny olona no manoratra taratasy mba hampitana hafatra manokana amin’ireo mpandray izany.
Raha atao amin’ny teny hafa, rehefa mamaky ny epistilin’i Petera isika, dia tsara ny mahafantatra, araka izay azo atao, ny zavatra nitranga teo amin’ny tantara tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ny epistiliny voalohany. Inona no nolazainy, ary nahoana? Ary mazava loatra, ity no fanontaniana manan-danja indrindra amin’ny fanontaniana rehetra: inona no hafatra azontsika sintonina avy amin’izany (isika izay nanoratana izany koa, tamin’ny alalan’ny tsindrimandry)?
Ary araka izay ho hitantsika tsy ho ela, na dia ao anatin’ireo andininy vitsy voalohany aza, i Petera dia manana fahamarinana manan-danja maro hambara amintsika ankehitriny, taonjato maro aorian’ny fotoana nanoratany.
Pejy ambony
Ho an’ireo atao sesitany (1 Pet. 1:1)
Raha omena taratasy izay manomboka amin’ny hoe: “Andriamatoa” ianao, dia takatrao avy hatrany fa mamaky taratasy ianao. Ary hieritreritra koa ianao fa avy amin’ny olona izay ampoizina fa tsy manana fifandraisana ety aminao ilay taratasy.
Tahaka ny ananan’ny taratasy ankehitriny fomba fanombohana raikitra, dia tahaka izany koa ireo taratasy fahiny. Manomboka tahaka ny fanombohan’ny taratasy fahiny rehetra ny 1 Petera. Lazainy eo ny mpanoratra sy ny andefasana.
Vakio ny 1 Pet. 1:1. Inona no ambaran’io andininy iray io momba ny toe-javatra izay nanoratana io taratasy io?
Manambara ny tenany mazava tsara i Petera. Ny anarany no teny voalohany ao amin’ilay taratasy. Mamaritra ny tenany avy hatrany ho “Apôstôlin'i Jesôsy Kristy” anefa izy. Koa, tahaka izay ataon’i Paoly matetika (Gal. 1:1; Rôm. 1:1; Efes. 1:1), dia apetrak’i Petera avy hatrany ny fifandraisany amin’i Jesôsy. Amin’ny fanaovany izany, dia asehony fa manan-jo handefa io taratasy io amin’ny mpamaky azy izy. Asongadiny manokana ny fiantsoan’Andriamanitra azy. “Apôstôly” izy, izany hoe “olona iray nirahina”, ary ilay Iray izay naniraka azy dia ny Tompo Jesôsy Kristy.
Marihin’i Petera koa ny toerana andefasana ny taratasiny: Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia. Faritra any Azia Minora avokoa ireo rehetra ireo. Ankehitriny dia hita any amin’ny ampahany amin’i Torkia môderina, izay any atsinanan’i Bosphore, ireo faritra ireo.
Koa misy adihevitra momba ny hoe: nanoratra ho an’i mpino jiosy kokoa ve sa ho an’ny mpino jentilisa i Petera? Ireo fomba fiteny ampiasain’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 1:1: “mpivahiny”, “am-pielezana” dia fomba fiteny nampiasaina mba hamaritana ireo Jiosy nipetraka ivelan’ny Tanàna Masina tamin’ny taonjato voalohany. Ireo voambolana “olom-boafidy” sy masina ao amin’ny 1 Pet. 1:2 dia azo ampiasaina mba hamaritana ny Jiosy sy ny Kristianina koa. Ao amin’ny taratasiny anefa i Petera dia mamaritra ireo izay any ivelan’ny fiombonan’ny mpino ho “jentilisa” (1 Pet. 2:12; 4:3). Toa milaza amintsika io fa manoratra ny taratasiny ho an’ny mpino, indrindra, ny jiosy i Petera.
Misy mpandinika sasany anefa miady hevitra, ho setrin’izany, fa izay lazain’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 1:18 sy 1 Pet. 4:3 dia sahaza kokoa raha lazaina amin’ny jentilisa niova ho Kristianina noho amin’ny Jiosy. Na izany na tsy izany, tena nanoratra tamin’ny Jiosy momba ny “fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana” ve i Petera, na nilaza tamin’ireo Jiosy mpamaky azy hoe: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra” - 1 Pet. 4:3?
Ny tena iankinan’ny aina ho antsika anefa, dia tsy dia ny hahafantatra loatra hoe iza no mpamaky, fa ny hahafantatra izay lazain’ilay hafatra.
Pejy ambony
Olom-boafidy (1 Pet. 1:1,2)
Vakio ny 1 Pet. 1:1,2. Inona koa no ambaran’io andininy io amintsika momba ireo olona izay nanoratan’i Petera? Ahoana no fiantsoany azy ireo?
Na nanoratra manokana ho an’ny mpino jiosy na ho an’ny mpino jentilisa, dia nisy zavatra iray napetrak’i Petera mazava tsara: izy ireo dia “olom-boafidy, araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray” - 1 Pet. 1:1,2.
Mila mitandrina tsara anefa isika eto. Tsy midika izany fa notendren’Andriamanitra mialoha ny hahaterahany mba ho voavonjy ny olona sasany ary ny sasany kosa ho very. Ary tsy midika koa izany fa ireo izay anoratan’i Petera dia ireo izay nofidin’Andriamanitra ho amin’ny famonjena, fa ny sasany kosa nofidin’Andriamanitra ho amin’ny fahaverezana. Tsy izany no ampianarin’ny Baiboly.
Vakio ny 1 Tim. 2:4; 2 Pet. 3:9, Jao. 3:16, Ezek. 33:11. Ahoana no anampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra izay tian’i Petera hambara rehefa miantso ireo olona ireo hoe “olom-boafidy” izy?
Ambaran’ny Soratra Masina mazava tsara fa ny hahavoavonjy ny olona rehetra no drafitr’Andriamanitra, drafitra napetraka ho azy ireo mialoha ny famoronana ny tany mihitsy aza: “araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao” – Efes. 1:4. “Olom-boafidy” avokoa ny “rehetra” amin’ny heviny hoe: ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany dia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, ary mba tsy hisy ho very na dia iray aza. Notendreny mialoha ho amin’ny fiainana mandrakizay ny olombelona rehetra. Midika izany fa ampy hamonjena ny olona rehetra io drafi-pamonjena io. Natao ho voasaron’ny fanavotana nataon’Andriamanitra noho ny ota ny olona rehetra, na dia tsy ny olona rehetra aza no hanaiky izay atolotr’io fanavotana io ho azy ireo.
Koa ny fahafantaran’Andriamanitra mialoha ny olom-boafidy dia ny fahafantarany mialoha fotsiny ny safidy malalaka hataon’izy ireo manoloana ny famonjena. Andao hatao hoe fantatry ny reny iray mialoha fa aleon’ny zanany mofomamy toy izay tsaramaso tanora. Midika ve ny fahafantaran’ilay reny mialoha izay hofidin’ny zanany fa nanery ny zanany hifidy mofomamy izy? Mazava loatra fa tsia! Tahaka izany koa, ny fahafantaran’Andriamanitra izay hofidintsika dia tsy fanerena ny safidintsika tsy akory. Afaka mifidy malalaka isika.
Nofidin’Andriamanitra mba ho voavonjy ianao. Inona no karazana toky azonao avy amin’io fahamarinana mampahery io?
Pejy ambony
Lohahevitra manan-danja (1 Pet. 1:3–12)
Vakio ny 1 Pet. 1:3–12. Inona no hafatra fototra ampitain’i Petera ao amin’ireo andininy ireo?
Tao anatin’ny fiarahabany ny mpamaky azy ao amin’ny 1 Pet. 1:1,2, dia efa nanoratra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina i Petera (1 Pet. 1:2). Ireo mambra telon’ny Andriamanitra Telo Izay Iray no mandrafitra ny lohahevitry ny 1 Pet. 1:3–12. Ny Ray sy ny Zanaka no lohahevitra resahina ao amin’ny 1 Pet. 1:3–9, ary ao amin’ny 1 Pet. 1:10–12 no misongadina ny Fanahy Masina.
Raha nanoratra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny asan’ny Fanahy Masina i Petera, dia nampiditra ny ankamaroan’ireo lohahevitra izay hiverenany atỳ aoriana izy.
Atombok’i Petera ny 1 Pet. 1:3 (jereo koa ny Jao. 3:7) amin’ny filazana fa ny Kristianina dia nateraka indray. Ny fiainan’izy ireo manontolo dia voaovan’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty sy ny lova mahatalanjona izay miandry ny Kristianina any an-danitra (1 Pet. 1:3,4). Eto, tahaka ny any amin’ny toerana maro hafa ao amin’ny TV, dia tena manan-danja eo amin’ny fanantenan’ny Kristianina ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty.
Io fanantenana io dia manolotra antony hiravoravoana ho an’ny Kristianina, na dia nijaly aza ny ankamaroan’ireo Kristianina mpamaky an’i Petera. Misedra sy manamboatra ny finoan’izy ireo io fijaliana io, tahaka ny isedrana sy anadiovana ny volamena amin’ny afo. Na dia tsy nahita an’i Jesôsy nandritra ny asany teto an-tany aza ireo mpamaky an’i Petera, dia tia Azy sy nino Azy izy ireo. Ary ny vokatry ny finoan’izy ireo Azy dia famonjena sy fampanantenana “lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo” - 1 Pet. 1:4.
Nampahafantarin’i Petera azy ireo koa fa ireo mpaminany fahiny dia nanambara mialoha ny “fahasoavana ho anareo” (1 Pet. 1:10). “Notadiavin'ny mpaminany”, dia ireo mpaminany tamin’ny andron’ny TT, “sy nokatsahiny fatratra” (1 Pet. 1:10) ny famonjena izay andraman’ireo olona ireo ao amin’i Jesôsy ankehitriny.
Raha miaritra fanenjehana noho ny finoany izy ireo, dia marihin’i Petera fa ampahany amin’ny fifanandrinana lehibe kokoa eo amin’ny tsara sy ny ratsy izany. Raha tsorina, miezaka ny manampy azy ireo hijoro ho mahatoky amin’ny fahamarinana izy, na dia eo anatin’ny fizahan-toetra aza.
Milaza ny 1 Pet. 1:4 fa misy lova “voatahiry any an-danitra ho anareo”. Eritrereto ho anao manokana io; misy toerana manokana voatahiry any an-danitra ho anao, ho anao manokana. Koa inona no tokony ho valiny hasetrinao manokana io teny fikasana mahafinaritra io?
Pejy ambony
Miaina ny fiainam-pamonjena (1 Pet. 1:13–21)
Vakio ny 1 Pet. 1:13–21. Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, inona no tokony hanosika ny Kristianina hiaina fiainana masina sy mahatoky?
Ny teny hoe “Koa amin'izany” izay manomboka ny 1 Pet. 1:13, dia maneho fa mipoitra avy tamin’izay vao avy nolazain’i Petera teo ny zavatra holazainy manaraka. Araka ny hitantsika tamin’ny lesona omaly, vao niresaka momba ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanantenana ananan’i Kristianina ao amin’i Jesôsy Kristy i Petera (1 Pet. 1:3–12).
Ho vokatr’io fahasoavana sy fanantenana io, dia mananatra ny mpamaky azy i Petera hoe: “sikino ny sainareo” (1 Pet. 1:13). Izany hoe: ho valin’ny famonjena, dia tsy maintsy manomana ny sainy izy ireo mba hijoroany ho tsy azo hozongozonina sy ho mahatoky (1 Pet. 1:13).
Vakio ny 1 Pet. 1:13. Inona no hevitr’izany hoe: manantena tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy?
Tsy isalasalana fa niteny ny mpamaky azy i Petera fa ao amin’i Jesôsy irery ihany no itoeran’ny fanantenan’izy ireo. Rehefa avy eo anefa dia amafisiny fa misy fatram-pitondran-tena takiana amin’ny Kristianina, vokatry ny famonjena azy ireo. Mitanisa antony lehibe telo izay manosika ny Kristianina hanana fitondran-tena mendrika izy: ny toetran’Andriamanitra (1 Pet. 1:15,16), ny fitsarana ho avy (1 Pet. 1:17), ary ny saran’ny fanavotana (1 Pet. 1:17–21).
Ny toetran’Andriamanitra no antony voalohany manosika ny Kristianina hanana fitondran-tena mendrika. Azo fintinina amin’izao fomba izao io toetrany io: masina Andriamanitra. Averin’i Petera izay voalaza ao amin’ny Lev. 11:44,45 rehefa milaza izy hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho” - 1 Pet. 1:16. Noho izany, tsy maintsy masina koa izay manara-dia an’i Jesôsy (1 Pet. 1:15–17).
Ny antony faharoa manosika ny Kristianina hanana fitondran-tena mendrika dia hita ao amin’ny fahatsapana fa hitsara tsy misy fiangarana ny olon-drehetra Andriamanitra, izay masina, araka izay nataon’ny tsirairay avy (1 Pet. 1:17).
Misy antony manosika fahatelo izay mipoitra avy amin’ny fahamarinana lehibe fanavotana ny Kristianina. Midika io fa novidina izy ireo, ary tamin’ny sarany lafo dia lafo tokoa: ny ra soan'i Kristy (1 Pet. 1:19). Hamafisin’i Petera fa tsy zavatra kisendrasendra teo amin’ny tantara ny fahafatesan’i Jesôsy, fa zavatra napetraka fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao (1 Pet. 1:20).
Inona no manosika anao ho Kristianina? Inona no havalinao, ary nahoana, raha toa ka misy olona manontany anao hoe: Nahoana ianao no Kristianina? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.
Pejy ambony
Mifankatiava (1 Pet. 1:22–25)
Manaraka izany dia tarihin’i Petera eo amin’ny fanehoana fara tampony ny endrik’izany hoe miaina fiainana masina sy mahatoky izany ny Kristianina.
Vakio ny 1 Pet. 1:22–25. Inona no teboka manan-danja lazain’i Petera eto momba ny hevitr’izany hoe Kristianina izany?
Ny teny fanombohana ataon’i Petera dia ny filazana fa ny Kristianina dia efa nodiovina (“Satria efa nodiovinareo ...”) ary miaina amin'ny fanarahana ny fahamarinana (1 Pet. 1:22). Ny matoanteny hoe “diovina” dia mifandray ety amin’ny voambolana hoe masina sy fahamasinana, izay misy ifandraisany amin’izay nosoratan’i Petera eo amin’ny andininy vitsivitsy teo aloha (1 Pet. 1:15). Amin’ny alalan’ny fanoloran-tenany amin’i Jesôsy sy amin’ny alalan’ny batisa (ampitahao amin’ny 1 Pet. 3:21,22), no anadiovan’ny Kristianina ny tenany. Amin’ny fanaovany izany dia manokana ny tenany ho an’Andriamanitra izy. Ary ataony amin’ny fanarahana ny fahamarinana izany rehetra izany.
Mitondra fiovana hafa io fiovana io eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fifandraisana ety amin’ny olona hafa izay mitovy finoana sy fomba fijery aminy izy ireo. Tena ety tokoa izany fifandraisana izany hany ka mampiasa ny fomba fitenin’ny mpianakavy izy mba hamaritana izany. Tokony hanao zavatra amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy sy mpirahavavy ny Kristianina. Miresaka momba ny “fitiavan-drahalahy” i Petera ao amin’ny 1 Pet. 1:22. Ny voambolana grika entina ilazana ny fitiavana, philadelphia, no nampiasainy teto. Io voambolana io dia midika ara-bakiteny hoe: “fitiavan-drahalahy/rahavavy”. Io no fitiavana izay asehon’ny mpianakavy amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Misy voambolana maro samihafa amin’ny teny grika izay adika hoe “fitiavana”: philia (fisakazaina), eros (fifankatiavana miredaredan’ny mpivady), agape (fitiavana madio izay mitady ny mahasoa ny hafa). Ny teny soratan’i Petera rehefa manoratra izy hoe: “mifankatiava fatratra” (1 Pet. 1:22) dia mifandray amin’ny agape – izay mazàna no ilay fitiavana madio izay mitady ny mahasoa ny hafa. Azo antoka fa izany no antony nanampiany ny teny hoe: mifankatiava “amin'ny fo” (1 Pet. 1:22). Io no ilay karazana fo avy amin’ny hoe “teraka indray” (1 Pet. 1:23; vakio koa ny 1 Pet. 1:3) tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra tsy mety levona. Avy amin’Andriamanitra irery ihany io karazana fitiavana io. Tsy afaka maneho io fitiavana io ny fo tsy nohavaozina, izay feno fitiavan-tena sy mijery ny tenany fotsiny irery ihany. Ary azo antoka fa izany no antony mahatonga an’i Petera hanamafy fa ilaina ny ho voadio sy ny “fanarahana ny fahamarinana” (1 Pet. 1:22). Tsy zavatra inoana fotsiny ny fahamarinana; tsy maintsy iainana izany.
Ahoana no ahafahantsika mianatra ny ho mahate ho tia kokoa? Inona ireo safidy tsy maintsy raisintsika mba ahafahantsika maneho ilay karazana fitiavana avy “amin’ny fo”?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio ny Ellen G. White, “Christ the Way of Life”, tt. 365–368, sy ny “Perfect Obedience Through Christ”, tt. 373–376 ao amin’ny SM, b. 1
Mahagaga tokoa fa tena manan-karena sy lalina io toko voalohany amin’ny epistilin’i Petera voalohany io. Ary maro koa ny lohahevitra voarakitra ao anatiny. Manomboka ny epistiliny i Petera amin’ny fandinihana lalina ny toetran’Andriamanitra, ka ampahafantariny ny mpamaky azy ny momba ny Ray sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Nanolotra Mpamonjy Andriamanitra, dia ny Zanany, i Jesôsy Kristy, ary olom-boafidy ao Aminy ho amin’ny fanamasinana sy ny fankatoavana isika. Lasa tia an’i Jesôsy isika. Ary miravoravo ao Aminy amin’ny fifaliana lehibe isika, satria tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty, dia manana ny fampanantenana “lova tsy mety simba” any an-danitra isika. Koa na dia eo anivon’ny fizahan-toetra maro aza, dia afaka ny hiravoravo fatratra isika amin’ny famonjena omena antsika ao amin’i Kristy. “Nampitambelona ny herimpo sy nanatanjaka ny finoan’ireo izay nandalo tamin’ny fitsapana sy ny fampahoriana ny epistily [epistilin’i Petera] nalefany, sady nanavao ny asa tsara nataon’ny mpino, izay nianjadian’ny fakam-panahy maro, ka saika very finoana an’Andriamanitra.” – VM, t. 455. Mandritra izany fotoana izany, dia niasa tamin’ny alalan’ny mpaminany ny Fanahy Masina mba hamelabelatra ny andro izay iainan’i Petera sy ireo mpamaky azy. Noho izany, ny Kristianina dia tokony hiaina fiainana masina, feno fankatoavana ny fahamarinana, ao anatin’ny fiombonan’ny mpino izay voafaritry ny karazam-pitiavana avy “amin’ny fo”.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
1. Rehefa ao amin’ny kilasy, dia ivereno ny valinteninareo tamin’ny fanontaniana tamin’ny lesona Alarobia: Inona no manosika antsika ho Kristianina? Inona no mampitovy ny valinteninareo? Inona no tsy mampitovy izany?
2. Indroa miantoana i Petera no manasongadina ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty ao amin’io toko voalohany io (1 Pet. 1:3,21). Inona no mahatonga ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ho zavatra tena iankinan’ny aina eo amin’ny finoantsika?
3. Niresaka momba ny “lova tsy mety simba” i Petera (jereo koa ny Dan. 7:18). Inona no hevitr’izany? Eritrereto ireo zavatra rehetra eto amin’izao tontolo izao sy eto amin’izao fiainana izao izay mandalo na mety ho simba eo no ho eo. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny tena hatsaran’ny lova nampanantenaina antsika?
4. Ahoana no ahafahan’ny finoantsika hitombo, na dia eo anivon’ny fitsapana aza; izany hoe: inona no safidy azontsika raisina mba hanampiana antsika hianatra lesona avy amin’ireo fahoriana iaretantsika?
Pejy ambony