1 - 7 JOLAY
FAHEFAN'I PAOLY SY NY FILAZANTSARANY
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 3:15,16; Gal. 1; Fil. 1:1; Gal. 5:12.
Tsianjery: “Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.” - Gal. 1:10.
Nisy mpianatra tao amin’ny Oniversite anankiray nanangana ivontoerana iray tao amin’ny tobim-pianaran’izy ireo izay nandraisana soa aman-tsara ny olona rehetra – na inona na inona ny firazanany, na ny toerany eo amin’ny fiarahamonina, na ny finoana, na lahy izy na vavy. Alaivo sary an-tsaina hoe niverina teo amin’ilay ivontoerana ireo mpianatra ireo, taona maro tatỳ aoriana, ka hitany fa novain’ny mpianatra hafa ilay ivon-toerana. Tsy nisy efitrano lehibe malalaka ho amin’ny fifaneraserana intsony – efitrano nokendrena hitondra rivotry ny firaisana ho an’ny olona rehetra tonga ao. Nozarazaraina ho efitrano kely maro io efitrano lehibe io, ary misy fepetra ny fidirana ao, izay mifototra amin’ny firazanana, lahy na vavy, sy ny sisa. Mety hanohana ny heviny ireo mpianatra tompon’andraikitra tamin’ny fanovana fa avy tamin’ny fanao napetraka efa an-jato taonany maro ny fahefan’izy ireo hanao ireo fiovana ireo.
Zavatra mitovy amin’ny toe-javatra natrehin’i Paoly io, raha nanoratra ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Galatia izy. Nametraka drafitra izy fa afaka mikambana amin’ny fiangonana araka ny finoana irery ihany ny Jentilisa. Nihaika io drafitra io anefa ireo mpampianatra sandoka, ka nanizingizina fa tsy maintsy forana koa ny Jentilisa mialoha ny hahafahan’izy ireo ho tonga mambran’ny fiangonana.
Hitan’i Paoly fa famelezana ny hevitra fototry ny filazantsara io fomba fijery io; noho izany dia tsy maintsy mamaly izany izy. Ny epistily ho an’ny Galatianina no valinteniny.
Pejy ambony
I Paoly, ilay mpanoratra epistily (2 Pet. 3:15,16)
Vakio ny 2 Pet. 3:15,16. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika momba ny fomba fijerin’ny fiangonana voalohany ireo asasoratr’i Paoly? Inona no ampianarin’izany amintsika momba ny fomba fiasan’ny tsindrimandry?
Tsy niezaka namokatra asasoratra kanto i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Galatianina. Tsy izany fa nanoratra momba ny toe-javatra miavaka izay nahafaoka azy sy ireo mpino tany Galatia izy, teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Nitana anjara asa manan-danja teo amin’ny asan’i Paoly amin’ny maha-apôstôly azy ireo epistily tahaka ny epistily ho an’ny Galatianina. Amin’ny maha-misiônera azy tany amin’ny tontolon’ny Jentilisa, dia nanorina fiangonana maro niely nanerana ny Mediteraneanina izy. Na dia nitsidika ireo toerana ireo rehefa afaka nanao izany aza izy, dia tsy afaka nijanona ela loatra teo amin’ny toerana anankiray. Ho fanonerana ny fotoana tsy naha-teo azy, dia nanoratra epistily ho an’ny fiangonana izy mba hanomezana tari-dalana ho azy ireo. Teny an-tsefatsefa-potoana teny dia nozaraina tamin’ny fiangonana hafa ireo dika mitovy amin’ny epistilin’i Paoly (Kôl. 4:16). Na dia very aza ny sasany tamin’ireo epistilin’i Paoly, dia fara faharatsiny boky telo ambin’ny folo ao amin’ny TV no mitondra ny anarany. Araka izay asehon’ireo tenin’i Petera etsy ambony etsy koa, dia nisy fotoana nandraisana ireo asasoratr’i Paoly ho ampahany amin’ny Soratra Masina mihitsy. Maneho izany fa, nony farany, tena nahazo fahefana tokoa ny asany teo amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny fiangonana.
Nisy fotoana, nino ny Kristianina sasany fa niavaka mihitsy ny endriky ny epistilin’i Paoly – endrika manokana noforonin’ny Fanahy Masina mba hirakitra ny Tenin’Andriamanitra azo tamin’ny alalan’ny tsindrimandry. Niova anefa io fomba fijery io rehefa nahita zava-baovao manan-danja tany Egipta ny tanora avara-pianarana anankiroa tao Oxford, dia i Bernard Grenfell sy i Arthur Hunt izany. Nahita tapatapaka tahirin-kevitra nosoratana teo amin’ny papirosy ankevitry ny dimy hetsy izy ireo. Ny papirosy dia fitaovam-panoratana nahazatra, izay nampiasaina nandritra ny an-jato taonany maro taloha sy taorian’i Kristy. Nahita dika mitovy amin’ny TV tena tranainy ireo tanora lahy ireo tao anatin’ireo tahirin-kevitra nosoratana teo amin’ny papirosy ireo. Ankoatra izany dia nahita faktiora sy fanambarana vola raisina, rosia, ary taratasy manokana izy ireo.
Tena gaga ny rehetra raha nahita fa nahazatra ireo mpanoratra rehetra tamin’ny androny ny endrika fototry ny epistilin’i Paoly. Ireto avy no voafaoka tao anatin’izany endrika izany: (1) fiarahabana fanokafana izay nilaza ny anaran’ny mpandefa sy ny andefasana; (2) tenim-pisaorana; (3) ny vataben’ilay taratasy; ary, farany, (4) fanamarihana famaranana.
Raha fintinina dia nanaraka ny endrika fototra nanoratana taratasy tamin’ny androny i Paoly, ka niresaka tamin’ireo mpiara-belona taminy tamin’ny fitaovana sy firafitra izay nahazatra azy ireo.
Raha nosoratana amin’izao vanim-potoana izao ny Baiboly, dia inona no karazana fitaovana, endrika, ary firafitra izay heverinao fa ho nampiasain’ny Tompo mba hanatrarana antsika ankehitriny?
Pejy ambony
Ny fiantsoan’Andriamanitra an’i Paoly (Gal. 1:1,2)
Na dia manaraka ny endrika fototr’ireo taratasy fahiny aza ny epistilin’i Paoly amin’ny kapobeny, dia mirakitra toetoetra miavaka izay tsy hita ao amin’ireo epistily hafa nosoratan’i Paoly ny epistily ho an’ny Galatianina. Rehefa tsikaritra ireo fahasamihafana ireo, dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny toe-javatra natrehin’i Paoly izany.
Ampitahao ny fiarahabana fanombohana nataon’i Paoly ao amin’ny Gal. 1:1,2 sy izay nosoratany ao amin’ny Efes. 1:1; Fil. 1:1, ary 2 Tes. 1:1. Amin’ny lafiny inona no mampitovy sy tsy mampitovy ny fiarahabana ataon’i Paoly ao amin’ny Galatianina amin’ny fiarahabana ataony ao amin’ny boky hafa?
Tsy hoe somary lava kokoa noho ny any amin’ireo bokiny sasany fotsiny ihany ny fiarahabana fanombohana ataon’i Paoly ao amin’ny Galatianina, fa niezaka nanoritsoritra ny fototry ny fahefany amin’ny maha-apôstôly azy koa izy. Raha amin’ny heviny ara-bakiteny, ny voambolana hoe apôstôly dia midika hoe “olona izay irahina” na “iraka”. Ao amin’ny TV, amin’ny heviny mifandraika aminy indrindra, io teny io dia manondro ireo mpanara-dia an’i Jesôsy roa ambin’ny folo voalohany sy ireo mpanara-dia Azy hafa izay nirahiny mba hilaza ny momba Azy amin’ny olona (Gal. 1:19; 1 Kôr. 15:7). Manambara i Paoly fa isan’io antokon’olona voafidy manokana io izy.
Mandà mafy i Paoly fa tsy miorina eo amin’ny olombelona ny maha-apôstôly azy. Toa manambara izany fa nisy olona sasany tany Galatia izay niezaka nanozongozona ny fahefany amin’ny maha-apôstôly azy. Nahoana? Araka ny efa hitantsika, nisy olona sasany tao amin’ny fiangonana tsy faly tamin’ny hafatr’i Paoly, izay milaza fa mifototra amin’ny finoana an’i Kristy irery ihany ny famonjena fa tsy amin’ny asan’ny lalàna. Nahatsiaro izy ireo fa nanozongozona ny foto-kevitra momba ny fankatoavana ny filazantsaran’i Paoly. Nisoko mangina ireo mpanakorontana ireo. Fantatr’izy ireo fa nifamatotra mivantana tamin’ny loharanon’ny fahefany amin’ny maha-apôstôly azy ny fototry ny hafatry ny filazantsaran’i Paoly (Jao. 3:34), ka dia tapa-kevitra lalina izy ireo fa handefa hamely amin’ny fomba mahery vaika ny fahefany.
Tsy nandà mivantana ny maha-apôstôly an’i Paoly anefa izy ireo; nilaza fotsiny izy ireo fa tsy dia manan-danja loatra ny maha-apôstôly azy. Ampoizina fa nilaza izy ireo fa tsy iray amin’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesôsy i Paoly; noho izany dia tsy avy tamin’Andriamanitra ny fahefany fa avy tamin’olombelona – angamba avy tamin’ireo mpitarika ny fiangonana tany Antiokia, izay nanendry an’i Paoly sy i Barnabasy ho misiônera (Asa. 13:1–3). Na, angamba, avy tamin’i Ananiasy, izay nanao batisa an’i Paoly voalohany indrindra (Asa. 9:10–18). Araka ny hevitr’izy ireo dia iraka avy any Antiokia na avy any Damaskôsy fotsiny ihany i Paoly – tsy misy ankoatra izay! Vokatr’izany, niady hevitra izy ireo fa hevitr’i Paoly fotsiny ihany ny hafatra nentiny, fa tsy Tenin’Andriamanitra.
Tsapan’i Paoly ny kizo naterak’ireo fanambarana ireo, ka niaro avy hatrany ny maha-apôstôly notendren’Andriamanitra azy izy.
Amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba misoko mangina aza, no ametrahana fisalasalana eo amin’ny fahefan’ny Soratra Masina ao amin’ny fiangonantsika ankehitriny? Ahoana no ahafantarantsika ireo fisalasalana ireo? Manan-danja kokoa noho izany, inona no fiantraikan’izany (angamba) teo amin’ny hevitrao momba ny fahefan’ny Baiboly?
Pejy ambony
Ny filazantsaran’i Paoly (Gal. 1:3–5)
Ankoatra ny fiarovany ny maha-apôstôly azy, dia inona koa no asongadin’i Paoly ao amin’ny fiarahabana fanombohana nataony ho an’ny Galatianina? Ampitahao ny Gal. 1:3–5 sy ny Efes. 1:2; Fil. 1:2; ary ny Kôl. 1:2.
Iray amin’ireo toetoetra miavaka ananan’ny taratasin’i Paoly ny fomba fampifandraisany ny voambolana hoe “fahasoavana” sy “fiadanana” ao amin’ny fiarahabana ataony. Ny fanakambanana ireo voambolana roa ireo dia fanovana ireo fiarahabana mampiavaka indrindra ny tontolon’ny Grika sy Jiosy. Rehefa manoratra ny mpanoratra grika hoe “Fiarahabana” (chairein), dia soratan’i Paoly hoe “Fahasoavana”, izay voambolana mitovitovy fanononana amin’io amin’ny teny grika (charis). Ampian’i Paoly ilay fiarahabana miavaka eo amin’ny Jiosy io, dia ny hoe “Fiadanana”.
Tsy noho ny fahalalam-pomba fotsiny ihany ny fanakambanana ireo voambolana anankiroa ireo. Tsy izany, fa manoritsoritra amin’ny kapobeny ny hafatry ny filazantsarany ireo voambolana anankiroa ireo. (Mampiasa ireo voambolana anankiroa ireo mihoatra noho ny mpanoratra hafa ao amin’ny TV tokoa mantsy i Paoly). Tsy avy amin’i Paoly ny fahasoavana sy ny fiadanana, fa avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesôsy Kristy Tompo.
Inona ireo lafiny amin’ny filazantsara izay ampidirin’i Paoly ao amin’ny Gal. 1:1–6?
Na dia tsy manana toerana betsaka hamelabelarana ny toetran’ny filazantsara aza i Paoly ao amin’ny fiarahabana fanombohana ataony, dia soritsoritiny amim-pahakingana ao anatin’ny andininy vitsy, fohy monja ny hevitra fototry ny filazantsara. Inona no fahamarinana fototra iorenan’ny filazantsara? Araka ny voalazan’i Paoly, dia tsy ny fanarahantsika ny lalàna – io ilay teboka torin’ireo mpanohitra an’i Paoly. Tsy izany velively, fa miorina feno amin’izay notanterahin’i Kristy tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty ny filazantsara. Nanao zavatra izay tsy ho azontsika hatao ho an’ny tenantsika na oviana na oviana ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Nandrava ny herin’ny fahotana sy ny fahafatesana izany, ka nanafaka ireo mpanara-dia Azy tamin’ny herin’ny ratsy, izay mangeja ny olona maro ao anatin’ny tahotra sy ny fanandevozana.
Raha nandinika lalina ny vaovao mahafaly momba ny fahasoavana sy ny fiadanana izay noforonin’Andriamanitra ho antsika tao amin’i Kristy i Paoly, dia voataona ho azy izy hanao hiakam-piderana an’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny and. 5.
Soraty eo amin’ny taratasy ny fahatakaranao manokana ny tena ambetin’ny filazantsara. Miezaha mampiasa teny tsy mihoatra noho izay nampiasain’i Paoly ao amin’ny Gal. 1:1–5. Ento eo amin’ny kilasy ny teninao manokana amin’ny Sabata.
Pejy ambony
Tsy misy filazantsara hafa (Gal. 1:6)
Amin’ny kapobeny, inona no manaraka ny fiarahabana fanombohana ao amin’ireo taratasin’i Paoly? Inona no mampiavaka ny Galatianina? Ampitahao ny Gal. 1:6 sy ny Rôm. 1:8; 1 Kôr. 1:4; Fil. 1:3; ary ny 1 Tes. 1:2.
Miresaka momba izao karazana fihaikana sy olana rehetra izao i Paoly ao amin’ireo taratasiny ho an’ny fiangonana. Na dia izany aza anefa, dia nataony fahazarana mandrakariva ny nanonona tonom-bavaka na fiderana an’Andriamanitra noho ny finoan’ireo mpamaky azy, aorian’ny fiarahabana fanombohana ataony. Nanao izany koa aza izy tao amin’ireo taratasiny ho an’ny Kôrintianina, izay nitolona tamin’izao karazam-pitondran-tena mampiahiahy rehetra izao (ampitahao ny 1 Kôr. 1:4 sy 5:1). Tena nandreraka sy nampalahelo anefa ny toe-javatra tany Galatia, hany ka nodinganin’i Paoly tanteraka ny fisaorana, fa avy hatrany dia novantaniny ny resaka.
Inona ireo voambolana hentitra ampiasain’i Paoly izay maneho ny haben’ny ahiahiny manoloana ny zavatra nitranga tany Galatia? Vakio ny Gal. 1:6–9; 5:12.
Tsy nitsitsy teny nolazaina i Paoly raha nanameloka ny Galatianina. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, dia nanameloka azy ireo izy noho ny famadihany ny fiantsoana azy ireo ho Kristianina. Ny voambolana “miala” izay hita eo amin’ny and. 6 tokoa mantsy dia matetika no ampiasaina mba hilazana ireo miaramila izay nahafoy ny fahatokiany tamin’ny tanindrazany amin’ny fandosirana avy ao amin’ny tafika. Raha atao amin’ny resaka ara-panahy, dia milaza i Paoly fa mpamadika ireo Galatianina izay miala amin’Andriamanitra.
Ahoana no nandosiran’ny Galatianina an’Andriamanitra? Tamin’ny fifindrana ho amin’ny filazantsara hafa. Tsy milaza i Paoly eto fa misy filazantsara mihoatra noho ny anankiray, fa misy olona sasany ao amin’ny fiangonana izay mitondra tena tahaka ny hoe misy filazantsara iray hafa - amin’ny alalan’ny fampianarana fa tsy ampy ny finoana an’i Kristy (Asa. 15:1–5). Tena nalahelo i Paoly noho io fanolanana ny filazantsara io, hany ka naniry mihitsy izy ny hahavoaozona ny olona izay mitory filazantsara hafa! (Gal. 1:8). Tena hentitra mihitsy i Paoly manoloana io resaka io, ka nolazainy indroa mihitsy izany zavatra izany (Gal. 1:9).
Misy fironana ankehitriny, na dia ao amin’ny fiangonantsika aza (any amin’ny toerana sasany), izay manindrahindra ny fanandramana ho ambonin’ny fampianarana. Koa misy milaza amintsika fa ny tena zava-dehibe dia ny fanandramantsika, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Na dia zava-dehibe aza ny fanandramana, dia inona no ampianarin’ny asasoratr’i Paoly amintsika momba ny lanjan’ny fampianarana marina?
Pejy ambony
Ny niavian’ny filazantsaran’i Paoly
Nilaza ireo mpanakorontana tany Galatia fa tena notarihin’ny faniriany hahazo ny fankatoavan’ny olona hafa ny filazantsaran’i Paoly. Inona ireo zavatra hafa mety ho nataon’i Paoly raha toa ka nitady ny fankatoavan’ny olombelona fotsiny ihany izy? Diniho ny Gal. 1:6–9,11–24.
Nahoana no tsy nitaky ny hamorana ireo Jentilisa niova fo i Paoly? Nilaza ireo mpanohitra an’i Paoly fa nitady olona hiova fo maro hiditra ao am-piangonana izy, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Angamba nieritreritra izy ireo fa satria fantatr’i Paoly fa hanana fisalasalana momba ny famorana ny Jentilisa, dia naleony tsy nitaky ny fanaovana izany amin’izy ireo. Mpila sitraka amin’olona izy! Ho valin’ny fiampangana tahaka izany, dia natodik’i Paoly teo amin’ireo teny hentitra vao avy nosoratany eo amin’ny and. 8 sy 9 ireo mpanohitra azy. Raha fankatoavan’olombelona fotsiny ihany no notadiaviny, dia azo antoka fa ho hafa amin’izany ny valinteniny.
Nahoana i Paoly no milaza fa tsy ho lasa mpanara-dia an’i Kristy mihitsy ny olona iray raha mbola miezaka ny mitady sitraka avy amin’ny olona?
Aorian’i fanambaran’i Paoly eo amin’ny and. 11,12 fa noraisiny mivantana avy tamin’Andriamanitra ny filazantsarany sy ny fahefany dia ahoana no anamafisan’ny teniny ny resany eo amin’ny and. 13-24?
Ny Gal. 13–24 dia manome fitantarana ataon’i Paoly ihany momba ny fiainany mialoha ny fiovam-pony (and. 13,14), sy tamin’ny fiovam-pony (and. 15,16), ary taorian’ny fiovam-pony (and. 16–24). Milaza i Paoly fa ireo toe-javatra manodidina ny trangan-javatra tsirairay teo amin’ny fiainany dia tena tsy ahafahan’ny olona iray hilaza fa noraisin’i Paoly tamin’ny olona ny filazantsarany fa tsy tamin’Andriamanitra. Tsy hipetra-potsiny amin’izao i Paoly ka hamela ny olona hanaratsy ny hafatra entiny amin’ny fametrahana fisalasalana eo amin’ny fiantsoana azy. Fantany ny zavatra nitranga taminy, fantany ny zavatra niantsoana azy mba hampianariny, ary hanao izany izy, na manao ahoana na manao ahoana ny saran’izany.
Hatraiza no fahazoanao antoka fa nantsoin’i Kristy mba hanompo Azy ianao? Ahoana no hahafantaranao tsara ny zavatra niantsoan’Andriamanitra anao mba hataonao? Etsy ankilan’izany, na dia azonao antoka aza ny fiantsoana anao, dia nahoana ianao no tsy maintsy mianatra ny mihaino ny torohevitry ny hafa?
Pejy ambony
ZOMA
Fanazavana fanampiny: “Saika tany amin’ny fiangonana tsirairay dia nisy mambra sasany izay teraka Jiosy. Niasa tamin’ny alalan’ireo mambra ireo mba hahazoana fahefana teo amin’ny fiangonana ireo mpampianatra jiosy. Tsy ho vita mihitsy, raha amin’ny alalan’ny tsangan-kevitra ara-tSoratra Masina, ny hanafoana ny foto-pinoana nampianarin’i Paoly. Noho izany dia nihazakazaka tany amin’ny fomba faran’izay tsy misy fiheverana indrindra izy ireo mba hanoherana ny hery miasa mangina avy aminy sy hanamaivanana ny fahefany. Nilaza izy ireo fa tsy mpianatr’i Jesôsy i Paoly, ary tsy nahazo baiko hitory teny avy Aminy; kanefa dia nanapa-kevitra izy [i Paoly] ny hampianatra foto-pinoana manohitra mivantana amin’izay notorin’i Petera sy i Jakôba ary ireo apôstôly hafa. (...)
“Niontana erỳ ny fanahin’i Paoly raha nahita ny faharatsiana izay nandrahona ny hanimba haingana ireo fiangonana ireo. Avy hatrany izy dia nanoratra tamin’ireo Galatianina, ka nampiharihary ny fampianaran-dison’izy ireo, sy nananatra tamin’ny teny hentitra ireo izay niala tamin’ny finoana.” — SFLP, tt. 188,189.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
- Vakio ao amin’ny kilasy ny zavatra nosoratanao momba ny fahatakaranao ny filazantsara. Inona no azontsika hianarana avy amin’ny zavatra nosoratan’ny andaniny sy ny ankilany avy?
- Ao amin’ny fiarahabana nataon’i Paoly tamin’ny Galatianina, dia nanambara izy fa nitranga noho ny antony tena manokana ny fahafatesan’i Jesôsy. Inona izany antony izany, ary inona no hevitr’izany ho antsika ankehitriny?
- Ao amin’ny Gal. 1:14 dia milaza i Paoly fa tena “fatra-pitana” ny fampianarana voatolotry ny razany izy. Ampoizina fa ireo fampianarana am-bava ataon’ireo Fariseo no tiany hambara amin’ny hoe “fampianarana” voatolotry ny razana. Inona no anjara toerana (raha misy izany) tanan’ny fampianarana voatolotry ny razana eo amin’ny finoantsika? Inona no fampitandremana mety atolotry ny fanandramana nolalovan’i Paoly ho antsika ankehitriny mikasika ny resaka iray manontolo momba ny fampianarana voatolotry ny razana?
- Nahoana i Paoly no toa tena “tsy nahazaka” ireo izay nino zavatra hafa amin’izay nolazainy sy ninoany? Vakio indray ny sasany amin’ireo zavatra nosoratany momba ireo izay nanana fomba fijery hafa momba ny filazantsara. Ahoana no mety handraisan’ny fiangonantsika ankehitriny ny olona izay mihazona hevitra hentitra sy tsy azo anaovana marimaritra iraisana tahaka izany?
FAMINTINANA: Nanohitra an’i Paoly ireo mpampianatra sandoka tany Galatia. Nilaza izy ireo fa tsy nifidy an’i Paoly ho apôstôly na nanome azy ny hafatra hotoriny Andriamanitra. Niatrika ireo famelezana anankiroa ireo tao amin’ireo andininy fanombohana ny taratasiny ho an’ny Galatianina i Paoly. Nilaza tamim-pahasahiana izy fa fomba tokana ihany no amonjena antsika. Ary notantarainy ny fomba nahatonga azy ho mpanara-dia an’i Kristy mba hanehoana fa tsy ho avy tamin’ny olona velively fa avy tamin’Andriamanitra irery ihany ny fiantsoana azy sy ny filazantsarany.
Pejy ambony