SS 2 4T 2018

LESONA 2

6 - 12 Oktobra

IREO ANTONY MAHATONGA NY TSY FIRAISANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jer. 3:12, 13; Mpits. 17:6; 1 Mpanj. 12:1-16; 1 Kôr. 1:10-17; Asa. 20:29.

Tsianjery: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.”- Ohab. 9:10.

TAMIN’NY     ANDRON’NY     TT,     dia     nilaza     tamin’ny Isiraely ny mpaminany mba hankatò ny torolalana avy amin’Andriamanitra. Nampitandrina ny vahoakan’Andriamanitra ireny iraka ireny ny amin’ny loza ateraky ny tsy fankatoavana. Inona no nitranga rehefa tsy nankatò ny vahoakan’Andriamanitra? Nanjary nisy ny fifandirana vokatry ny tsy fankatoavana izay nampanalavitra azy tamin’Andriamanitra. Ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra dia natao hiarovana ny olona amin’ny vokatra ateraky ny fahotana sy natao  hanamasinana azy ireo eo anivon’ny firenena vahiny maro izay tsy nahafantatra Azy. Inona no mitranga rehefa manaraka ny drafitr’Andriamanitra ny olony ka mankatò ny didiny? Manjary vahoaka mahery izy ireo, ary manana fiadanana. Niala tamin’ny fiankohofana sandoka izay nisy teo amin’ny manodidina azy izy ireo. Fanirian’Andriamanitra ny hahamasina ny vahoakany sy hahatonga azy ireo ho vavolombelona eo amin’ny firenena rehetra manodidina (Deo. 4:5, 6).

Tian’Andriamanitra raha mitoetra ho mahatoky Aminy ny vahoakany. Nampanantena Izy fa hitahy azy ireo amin’ny fomba mahagaga raha mankatò Azy izy. Tiany koa raha ho fitahiana ho an’ny hafa ny olony izay notahiany. Nifidy ny tsy hankatò Azy anefa izy ireo, izay nahatonga olana marobe tokoa, ary anisan’izany ny fifandirana.


Pejy ambony

 

ALAHADY


MIVERENA AMIN'ANDRIAMANITRA ! (Jer. 3:12, 13)

Nahitana toe-javatra maro naneho tsy fankatoavana ny tantaran’ny Isiraely. Marobe ihany koa ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny fiverenan’ny Isiraely tamin’Andriamanitra kanefa avy eo niodina taminy indray. Namerimberina izany hatrany ny Isiraely. Niaina tao anaty fiadanana sy nifaly tamin’ny fiainana izy ireo rehefa nankatò ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainany. Rehefa tsy nankatò anefa izy ireo ary nanao araka izay tiany, dia nameno ny fiainany ny ady sy ny fifandirana. Fantatr’Andriamanitra fa tsy hankatò Azy ny Isiraely, koa nomeny drafitra manokana izy ireo hanampiana azy hanalavitra ny fanaovan-dratsy sy ny voka-dratsy miseho rehefa manota izy.

Vakio ny Deo. 28:1-14. Inona ny zava-tsoa ampanantenain’Andriamanitra homena ny olony raha manoa Azy izy ireo?

Ao amin’ny Jer. 3:14-18, dia milaza amin’ny Isiraely Andriamanitra mba hiala amin’ny fahotany ary hiverina Aminy. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika momba ny fitiavan’Andriamanitra? Hatraiza ny faharipon’Andriamanitra amin’ny olony?

Ny bokin’i Jeremia dia maneho zava-mahatalanjona momba an’Andriamanitra. Maneho ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famelankeloka ary ny famindrampo asehony amin’ny olony izany. Nandika ny lalàna ny vahoakan’Andriamanitra, nifanditra izy ireo ary niankohoka tamin’ andriamanitra sandoka. Andriamanitra anefa tsy nitsahatra nitaona azy ireo hiala amin’ny fahotany ary hiverina Aminy. Manome toky Izy fa hanome fiainam-baovao ho an’ny olony, ary mbola mampanantena hoavy tsara kokoa raha miverina Aminy izy ireo (Jer. 3:12, 13).

Hafatra manokana avy amin’Andriamanitra ho an’ny vahoakany ny Jer. 3:12, 13. Nampitondrainy an’i Jeremia hampitaina amin’ny Isiraely izany. Nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fotoana nandikan’izy ireo ny didiny izany hafatra izany. Marina tokoa fa nanomboka fanovana tsara i Josia mpanjaka tamin’ny fotoana nanjakany, saingy taorian’izay dia tsy nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny vahoaka ary tsy nankatò ny didiny. Nanimba ny fiainan’ireo vahoaka ireo ny fahotana sy ny fo feno fitiavantena ary ny fanompoan-tsampy. Arakaraka ny nandikany ny lalàn’Andriamanitra no nitomboan’ny fahoriany. Naniraka an’i Jeremia Andriamanitra hitalaho amin’ny olony mba hiverina Aminy. Nanana hoavy tsara kokoa ho an’ny olony Andriamanitra, niriny ny hitahy azy ireo amin’ny fiadanana sy ny fahasalamana ary ny andro maro. Niriny fatratra ny hanolotra ireo fanomezana ireo ho an’ny olony, kanefa nilain’ireto farany aloha ny manome toky fa hiaina amin’ny finoana sy ny fankatoavana Azy izy ireo.

Milaza inona aminao ny fanandramanao manokana mikasika ny mahatsara kokoa ny mankatò an’Andriamanitra noho ny mandika ny teniny?

Pejy ambony

ALATSINAINY


SAMY NANAO IZAY NATAONY HO MARINA NY OLONA REHETRA (Mpits. 17:6)

Mitantara ny toe-javatra ratsy niseho vokatry ny tsy fankatoavan’ny Isiraely an’Andriamanitra ny bokin’ny Mpitsara. Tsy ela akory, raha vao nanomboka nitoetra tao Kanàna ny Isiraely, dia nanomboka niankohoka tamin’ny sampy ary nanaraka ny fivavahan-dison’ireo olona manodidina azy. Nampitandrina azy ireo tsy hanao izany Andriamanitra. Araka izay ho hitantsika manaraka eto anefa dia tsy izay ihany ny olan’ny Isiraely.

Vakio ny momba ireo olana hafa natrehin’ny Isiraely ao amin’ny Mpits. 17:6 sy ny Mpits. 21:25. Inona izany olana vaovao izany? Nanao ahoana ny niantombohan’izy ireo? Inona no lesona azontsika raisina mikasika ny fomba fiandohan’ny olana eo anivon’ny olon’Andriamanitra?

Mampianatra antsika ireo andininy ireo ny amin’izay manjo ny olona manao izay tiany. Hisy ny fisarahana sy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, fa ny olony kosa hifaly amin’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina rehefa mahatoky Aminy sy mankatò Azy sy mahatoky amin’ny fanekeny izy ireo. Teo amin’ny lalana mampidi-doza anefa izy ireo raha nanao araka izay noheveriny fa mety, indrindra noho ny hery miasa mangina avy tamin’ireo firenena manodidina. Olombelona mety lavo isika rehetra, kanefa raha manao araka izay tiantsika isika, raha manaraka izay fironan’ny fontsika, dia azo antoka fa hanalavitra ny lalana izay tian’Andriamanitra halehantsika.

Ny Mpits. 2:11-13 sy ny Mpits. 3:5-7 dia milaza amintsika momba ny toepanahin’ny Isiraely, ary maneho koa ny fitondran-tenan’ny vahoaka tamin’ny andron’ny mpitsara. Inona no ampianarin’izany antsika momba izany vanimpotoana izany? Nanao ahoana ny toe-panahin’izy ireo?

“Nanoritsoritra ny vokatry ny tsy fahatokiana tamin’ny alalan’i Mosesy ny Tompo. Nanala ny tenany irery ihany tamin’ny fiainan’Andriamanitra sy ny fitahiana avy amin’izany ny Isiraelita rehefa nandà tsy hitandrina ny fepetra tao amin’ny fanekem-pihavanany. Nihaino ny fampitandremana natao taminy izy ireo indraindray ka nisy fitahiana safononoka avy amin’izany ary nampahita soa ireo firenena nifanila taminy izany. Fa mazàna no nanadino an’Andriamanitra izy ireo, ka tsy nahatsinjo intsony ny tombontsoa lehibe maha-solontenany azy eto antany. Tsy nahatanteraka taminy ny asa nampanaovina azy izy ireo ary nofoanany niaraka tamin’izany koa ny fampianarana an’ireo namana momba ny fivavahana mbamin’ny fanehoana oha-pitondran-tena masina. Naniry haka ho fananany tamin’ny alalan’ny tenany ihany ny vokatry ny tanimboaloboka izay napetraka hoteheriziny izy ireo. Ny fitsiriritana sy ny fitiavan-karena fatratra tao aminy no nanamavoan’ny mpanompo sampy azy ireo. Toy izany koa no nahavoatarika ny Jentilisa tsy hahafantatra ny toetran’Andriamanitra sy ny lalàm-panjakany.”- MM, tt. 14, 15

Inona no “endrik”’Andriamanitra asehon’ny teninao sy ny fihetsikao amin’ny olona manodidina anao?

Pejy ambony

TALATA


NY NIZARAZARAN'NY FIRENENA HEBREO (1 Mpanj. 12:1-6))

Tsy tao anatin’ny indray alina tsy akory no nialan’ny vahoakan’Andriamanitra     teo     amin’ny lalan’ny fahamarinana. Tsy indray niseho taminy koa ny toe-javatra ratsy. Nanao safidy ratsy ireo vahoakan’Andriamanitra ireo, ka rehefa nandeha teny ny fotoana dia nitarika ho amin’ny toe-java-tsarotra mahatsiravina ireny safidy ratsy ireny.

Vakio ny tantaran’ny mpanjaka Rehoboama ao amin’ny 1 Mpanj. 12:1-6. Inona no nahatonga ny fisarahana mampalahelo teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra?

“Raha fantatr’i Rehoboama sy ny mpanolotsainy tsy nanam-panandramana mantsy ny fikasan’Andriamanitra momba an’Isiraely, dia ho nihaino ny fitakian’ny vahoaka izay nitady fanavaozana mahery vaika teo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Tamin’ny fivoriambe natao tany Sekema anefa, dia tsy fantatr’izy ireo akory ny votoatin’ireo fitakiana ireo ka nahatonga ny fahalemen’ny heriny tamin’izany fomba nataony izany teo amin’ny ankamaroan’ny vahoaka. Ny fikasany haharitra mandrakizay sy ny hampitombo ny vesatry ny zioga nampitondrain’i Solomona dia nifanohitra tanteraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra ary niteraka fisalasalana mafy teo amin’ny fahatsoran’ny herimpo nananan’ny Isiraely. Nampiseho avonavona sy fanjakazakana ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy tamin’ny fitiavany hanapaka tamin’ny fomba tena adala.”- MM, tt. 71, 72.

Resahin’ny Ohab. 4:1-9 sy ny Ohab. 9:10 ary ny Jak. 1:5 ny amin’ny antony ilantsika ny fahendrena mba handraisana ny fanapahan-kevitra tsara. Avy aiza ny tena fahendrena marina?

Ratsy tokoa ny fanapahan-kevitra noraisin’i Rehoboama mpanjaka. Nisafidy ny hampitombo ny asa ampanaovina ny vahoakan’Andriamanitra izy. Nangataka torohevitra tamin’ny vondrona zokiolona anankiroa izy, rehefa izany dia nisafidy ny hihaino ny torohevitra nomen’ireo izay nitovy taona taminy. Tsy nanana ny fanandramana maha-mpitarika anefa ireo zokiolona tanora ireo, izay nanoro hevitra an-dRehoboama mba ho henjana amin’ny vahoaka. Nony farany dia nasehony fa olon-doza izy ka tsy mendrika akory ny fankatoavan’ny vahoaka sy ny fitokisany. Nahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hizara ho firenena roa ny fanapahan-kevitra noraisiny, fisarahana izay tsy tao anatin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny Isiraely velively, ary tsy tokony ho nisy akory.

Pejy ambony

ALAROBIA


FISARAHANA TEO AMIN'NY FIANGONANA TANY KORINTO (1 Kor. 1:10-17)

Araka izay hitantsika omaly, dia ny tsy fifanarahantsaina sy ny fisarahana no olana teo amin’ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny andron’ny TT. Nitranga tamin’ny andron’ny TV koa izany.

I
ndro misy ohatra mikasika ny fisarahana nosoratan’i Paoly. Tao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Kôrintianina, dia nangataka i Paoly ny hifankatiavan’ny olona sy hiraisany saina momba ny fahamarinan’ny Baiboly. Raha tany Efesôsy i Paoly, dia nandre fa nizarazara ho vondrona samy hafa ny fiangonana tao antoerana. Araka izany, dia nanomboka niresaka momba ny ilàna ny fifanarahantsaina izy ao amin’ny epistiliny. Lazainy fa zava-dehibe ny fampitsaharana ny fifandirana sy ny ady. Matahotra fatratra ny amin’ny hizaran’ny fiangonana tao Kôrinto izy. Te hanome torohevitra hendry ho an’ny fiangonana izy ho fanampiana azy hamaha ny toe-javatra sarotra atrehiny.

Hitantsika ao amin’ny 1 Kôr. 1:10 ny fisarahana tao amin’ny fiangonana tany Kôrinto. Inona no nahatonga ny fisarahana sy ny tsy firaisan-tsaina teo amin’ny mambran’ny fiangonana?

Nisy olona tao amin’ny ankohonan’i Kloa nitantara tamin’i Paoly ny olan’ny fiangonana tany Kôrinto. Nampitombo ny tebitebin’i Paoly mahakasika ireo rahalahy sy anabavy tao amin’io toerana io izany. Ny teny voalohany nataon’i Paoly tao amin’ny epistily nosoratany dia maneho fa lalina ary tena izy ny fitiavany ireo mpino kôrintianina. Ny vahaolana nomeny dia ny fampahatsiahivana ireo mpino fa tokony ho vondrona iray ihany izy ireo ary “ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.”- 1 Kôr. 1:10. Niriny ny hampitsaharana ny antony nahatonga ny tsy fifanarahana sy ny fisarahana.

Milaza amin’ireo mpino kôrintianina i Paoly mba hahatsiaro fa i Jesôsy no niantso azy ireo, ka tsy tokony hanaraka olona izy, na dia izay olona manantalenta maro sy manana fahaizana manokana aza. Nilaza koa i Paoly fa tsy drafitr’Andriamanitra ny hisarahan’izy ireo rehefa misy ny fifandirana. Ny firaisan-tsaina marina eo amin’ny Kristianina hoy izy, dia manomboka amin’ny fahafantarany an’i Jesôsy sy ny fanekeny ny fahafatesany ho an’ny otany teo amin’ny hazo fijaliana (1 Kôr. 1:13).


Manambara inona amintsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izany fahamarinana izany? Milaza izany fa tokony hokolokoloina ny fihavanana sy ny fifanarahan-tsaina, izay fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra. Manimba ny firaisan’ny fiangonana ny fisarahana sy ny tsy fitovian-kevitra, tsy maintsy mamela an’Andriamanitra hifehy ny fontsika isika.

Ahoana no hisorohantsika ny karazana loza izay resahin’i Paoly eto? Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mandrakariva eo amin’ny fanarahana olona fa tsy i Kristy?

Pejy ambony

ALAKAMISY


"HISY AMBOADIA MASIAKA HIDITRA" (Asa. 20:29))

Mampitandrina ny fiangonana efesianina i Paoly ao amin’ny Asa. 20:25-31 mikasika ny loza izay hitranga amin’ny hoavy. Inona no loza ampitandreman’i Paoly azy ireo? Inona no lazainy fa tokony hataon’ny mpitarika mba tsy hisehoan’izany olana izany?    

Matetika i Paoly no tojo olona nanohitra azy teo am-panaovana ny asan’Andriamanitra. Fantany fa zava-dehibe tokoa ny fiarovana ny fahamarinana momba ny filazantsaran’i Jesôsy. Rehefa nanao ny lahateny fanaovam-beloma tamin’ireo mpitarika tao Efesôsy izy, dia nampiasa ny sary an’ohatry ny mpitily ao amin’ny Ezek. 33:1-6. Io sary io dia maneho mazava tamin’ny mpitarika efesianina fa tompon’andraikitra ny amin’ny fiarovana ny filazantsara izy ireo ary tokony ho “mpiandry” mahatoky ny mpitarika izay hikarakara ny “ondriny”.

Mampiasa ny teny hoe “amboadia masiaka” (Asa. 20:29) i Paoly hoenti-milaza ny mpampianatra sandoka. Mampahatsiahy antsika ny amin’ny fampitandreman’i Jesôsy ny teny nataon’i Paoly momba ny mpampianatra sandoka. Nampitandrina i Jesôsy fa ho avy ny mpampianatra sandoka izay “mitafy hodi-janak’ondry”- Mat. 7:15, (DIEM), “nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby” (DIEM). Azo antoka fa tonga tao amin’ny fiangonana ireo mpampianatra sandoka ireo taoriana kelin’ny fampitandreman’i Paoly ary namely ireo mpino tany amin’ny fiangonana tany Azia izay naorin’i Paoly. Hitantsika ny fampitandremana nataon’i Paoly tamin’ireo fiangonana any Azia Minora, izay any amin’ny faritra misy an’i Turquie amin’izao fotoana izao, ao amin’ny Efes. 5:6-14 sy ny Kôl. 2:8.    

Ao amin’ny 2 Tim. 2:14-19 sy ny 2 Tim. 3:12-17 i Paoly dia milaza amin’i Timoty ny amin’izay tokony hatao eo anatrehan’ny mpampianatra sandoka. Inona no torohevitra omen’i Paoly an’i Timoty momba ny fiarovana ny fiangonana?

Voalohany, milaza i Paoly fa zava-dehibe ny fahafantarana ny fahamarinan’ny Baiboly (2 Tim. 2:15). Hampitsahatra ny fifandirana adaladala sy ny hevidiso izany. Araka izany, tokony ho takatry ny mpino araka ny tena heviny ny fahamarinan’ny Baiboly ary hampianariny ny hafa. Tsy tokony hanan-danja mihoatra noho ny fahamarinana ara-Baiboly ny olana sy ny hevitra tsy misy lanjany. Ny fahamarinana ara-Baiboly ihany no hanampy ny mpino handresy amin’ny ady atao amin’ny fahotana. Faharoa, milaza amin’i Timoty i Paoly hoe: “Ialao kosa ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina” - 2 Tim. 2:16, DIEM. Ny fahamarinana irery ihany no mitarika ho amin’ny fiadanana sy manamasina antsika.

Ahoana no hiarovantsika ny fiangonana amin’ny fampianaran-diso?

 Pejy ambony


ZOMA

Fianarana fanampiny: Vakio ny “Ny fizaran’ny fanjakana” ao amin’ny MM, toko 6, tt. 69-77 sy ny “Fananarana sy Tamin’ny torohevitra” ao amin’ny VM, toko 29, tt. 261-269.


“Tian’Andriamanitra raha mianatra miara-miasa ny mpanompony. Misy olona anefa mihevitra fa tsy mitovy ny fahaiza-manao ananany sy ny an’ny hafa, ka heveriny hanasarotra ny fiaraha-miasa izany fahasamihafana izany. Tokony hotsaroan’izy ireo fa ireo olona ezahiny taomina dia manana fisainana hafa ihany koa. Misy ny olona handà ny fahamarinana zarain’ny mpanompon’Andriamanitra, kanefa ireny olona ireny dia handray ny fahamarinana raha olon-kafa no mizara izany aminy. Koa aoka izany fisainana izany hanampy ny vahoakan’Andriamanitra hiaramiasa ho iray ihany. Eo ambany fitarihan’ny Fanahy iray ihany ny fahaizamanao samy hafa ananan’izy ireo, dia hifaneho fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ny teny sy ny asa rehetra ataony ny mpiasan’Andriamanitra. Tokony hanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy ny mpiasa tsirairay, dia hivaly ny vavaka nataon’i Jesôsy, dia ny hiraisan’ireo mpanara-dia Azy. Ho fantatry ny olon-drehetra fa mpanara-dia Azy izany mpiasa izany.”- GW, t. 483, (nasiampanamboarana).


Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Amin’izao andro izao dia maro ny mpandinika no tsy manaiky fa ny lalàn’Andriamanitra dia afaka manapa-kevitra ny amin’izay marina sy diso ho an’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany. Nahoana izany fisainana izany no mampidi-doza? Ahoana no mahatonga izany hitondra korontana sy ny fitondran-tena feno herisetra izay ampitandreman’ny Baiboly?

2. Saintsaino misimisy kokoa ny amin’ny tantaran’i Rehoboama sy ny nampisaraka ny vahoakan’Andriamanitra (1 Mpanj. 12). Inona no lesona ampianarin’io tantara io antsika amin’izao fotoana izao?

3. Ahoana no hampitsaharan’ny mpitarika sy ny mambra ny fifandirana ao amin’ny fiangonana? Nahoana no zava-dehibe ny fampitsaharana ireny olana ireny mba tsy hahatonga azy ho ratsy kokoa? Amin’ny maha-mambran’ny fiangonana antsika, inona no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika ho latsaka ao amin’ny fandrika nahalavo ny mambra sasany tany Kôrinto?

4. Ny Ohab. 6:16-19 dia miresaka momba ny fomba fisorohana ny fifandirana. Inona no asainy ataontsika mba tsy hisian’ny fifandirana eo anivon’ny fiangonana?

 Pejy ambony