APRILY - MAY - JONA
TELOVOLANA FAHAROA
| Lesona 1 | FANTARO I PETERA | 25/03 - 31/03 |
| Lesona 2 | LOVA TSY METY SIMBA | 01/04 - 07/04 |
| Lesona 3 | FANJAKA-MPISORONA | 08/04 - 14/04 |
| Lesona 4 | FIFANDRAISANA AMIN'NY HAFA | 15/04 - 21/04 |
| Lesona 5 | MIVELONA HO AN'ANDRIAMANITRA | 22/04 - 28/04 |
| Lesona 6 | MIJALY NOHO NY AMIN'I KRISTY | 29/04 - 05/05 |
| Lesona 7 | FITARIHAN'NY MPANOMPO | 06/05 - 12/05 |
| Lesona 8 | I JESOSY AO AMIN'NY ASA-SORATRA | 13/05 - 19/05 |
| Lesona 9 | TANO NY MAHA-IZY ANAO | 20/05 - 26/05 |
| Lesona 10 | NY BAIBOLY SY NY HO AVY | 27/05 - 02/06 |
| Lesona 11 | MPAMPIANATRA SANDOKA | 03/06 - 09/06 |
| Lesona 12 | NY ANDRON'NY TOMPO | 10/06 - 16/06 |
| Lesona 13 | IREO LOHAHEVI-DEHIBE (PETERA 1&2) | 17/06 - 23/06 |
Fampidirana
"Fahano àry ny ondriko”: 1 Petera sy 2 Petera
Handinika ny 1 Petera sy ny 2 Petera isika mandritra ity telovolana ity. Ny tenin’i Petera mihitsy mantsy no hovakintsika. Fientanam-po manao ahoana no hiseho eo am-pamakiana ny tenin’ilay niaraka tamin’i Jesôsy nandritra ny ankamaroan’ireo fotoana miavaka nanaovany ny asan’Andriamanitra! Tsy vitan’ny hoe niaraka tamin’i Jesôsy nandritra ny fotoana maharitra ihany i Petera, fa tonga mpitarika fanta-daza koa teo amin’ireo mpino kristianina voalohany. Na dia ireo ihany aza dia tokony hahatonga ny taratasy nosoratany ho mahaliana antsika. Misy lafiny hafa koa maha-manokana izany epistily izany satria dia nosoratan’i Petera ho an’ireo fiangonana nandalo fotoan-tsarotra izany. Niharan’ny fanenjehan’ny fahavalo tetỳ ivelany mantsy ny fiangonana, ary teo aminy mandrakariva koa ny mpampianatra sandoka izay avy teo amin’izy ireo ihany.
Mampitandrina ny amin’ny zavatra hataon’ireo mpampianatra sandoka ireo i Petera. Hamafy fisalasalana eo amin’ny olona mantsy izy ireo momba ny fiavian’i Kristy fanindroany. “Ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza” – 2 Pet. 3:4. Efa ho roa arivo taona izay no lasa hatramin’ny fotoana nanoratan’i Petera ireo teny ireo voalohany. Amin’izao fotoana izao isika, dia resy lahatra tanteraka ny amin’ny fahamarinan’ireo teny ireo.
Ankoatra ny fampitandreman’i Petera ny amin’ny mpampianatra sandoka, dia lohahevitra iray nosoratany koa ny fahoriana lalovan’ny fiangonana. Imbetsaka no iresahany mikasika izany ao anatin’ny taratasiny, izay anambarany fa maneho ny fahorian’i Jesôsy ny fahorian’ny fiangonana. Nilanja ny fahotantsika teo amin’ny tenany mantsy i Jesôsy rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana (1 Pet. 2:24). Izao anefa no vaovao mahafaly: tsy fahafahana fotsiny amin’ny fahafatesana mandrakizay vokatry ny fahotana no nentin’ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana, na koa fiainam-pahamarinana eto sy amin’izao fotoana izao ho an’ireo izay mitoky Aminy (1 Pet. 2:24).
Voalazan’i Petera mantsy fa tsy vitan’ny hoe maty noho ny otantsika ihany i Jesôsy fa mbola hiverina eto an-tany indray Izy hitondra ny fitsaran’Andriamanitra (2 Pet. 3:10-12). Ambaran’i Petera mazava fa tokony hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny mpino tsirairay avy ny fitsarana ho avy. Horavan’i Jesôsy avokoa ny ota rehetra rehefa hiverina Izy ary hodioviny amin’ny afo ny tany (2 Pet. 3:7). Rehefa izany dia handray ny lova izay efa notehirizin’Andriamanitra ho azy ireo tao an-danitra ny Kristianina (1 Pet. 1:4).
Voambolana tena sahaza ny amin’ny fomba tokony hiveloman’ny Kristianina no ampiasain’i Petera. Ny Kristianina hoy izy, dia tokony hifankatia mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra (1 Pet. 4:8). Fintinin’i Petera amin’ity teny manaraka ity ny fomba fijeriny: “Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena” – 1 Pet. 3:8.
Ny epistilin’i Petera koa dia fanambarana mahery vaika ny filazantsara, izay hafatra fototry ny Baiboly iray manontolo. Raha misy olona tokony hahafantatra ny fahasoavana mahavonjy nasehon’ny Tompo, dia i Petera. Io Petera io ihany, izay nandà ny Tompony ampahibemaso sy tamin’ny fomba tsy voahevitra (vitany hatramin’ny niozona sy nianiana), ka nilaza hoe: “Tsy fantatro izany Lehilahy izany” – (Mat. 26:74), no ilay nitenenan’i Jesôsy tatỳ aoriana hoe: “Fahano àry ny ondriko” – Jao. 21:17. Tsy misy afa-tsy ny fanatanterahana izany – dia ny famahanana ny ondrin’ny Tompo – no asehon’ireo epistily roa ireo.
Ary mazava loatra fa tafiditra ao anatin’io famahanana ny ondry io ilay fahamarinana lehibe momba ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Ny apôstôly Paoly koa, izay mpiara-miasa taminy, dia nanambara tamin-kery io lohahevitra io. Tsy inona izany fa ny fahamarinan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Fantatr’i Petera ny momba izany; tsy ara-keviny na amin’ny maha-fampianarana azy fotsiny anefa, fa satria izy tenany mihitsy no efa nanandrana ny maha-zava-misy marina izany fahasoavana izany sy ny heriny.
Izao no nosoratan’i Martin Luther momba an’i Petera: “Anisan’ny boky manan-danja indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao ity epistily nosoratan’i Masindahy Petera ity. Filazantsara marina izany sady madio. Tsy niala tamin’ny zavatra nataon-dry Paoly sy ireo Evanjelisitra hafa i Petera. Nampidiriny tsara tao ny foto-pampianarana marina momba ny finoana, sy ny fomba nanomezana an’i Kristy ho antsika, dia i Kristy izay manaisotra ny fahotantsika sy mamonjy antsika” - Commentary on the Epistles of Peter and Jude (Grand Rapids: Kregel Publications, 1982), tt. 2,3.
Nandidy an’i Petera i Jesôsy mba hamahana ny ondriny. Anisan’izany ondry izany isika, koa aoka hanaiky hofahanana!
Tany Nouvelle-Zélande no nahabe an’i Robert K. McIver. Tao Avondale College no nandaniany ny ampahany betsaka tamin’ny fotoam-piasany. Nampianatra Baiboly sy arkeôlôjia tao izy ary efa nanoratra boky marobe koa. Anisan’izany ny boky “The Four Faces of Jesus” sy ilay hoe “Beyond the Da Vinci Code”.