SS 3 2T 2017

LESONA 3

08 - 14 APRILY  2017

FANJAKA-MPISORONA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 2:1–3; Heb. 4:12; 1 Pet. 2:4–8; Isa. 28:16; Eks. 19:3–6; 1 Pet. 2:5,9,10.

Tsianjery: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga” – 1 Pet. 2:9.

Tafaroboka tanteraka ao anatin’ny kolontsaina sy ny fivavahana ary ny tantara jiosy ny fo sy ny sain’i Petera. Hita taratra eo amin’ny asasorany izany. Miantso ny vahoakan’Andriamanitra ho “firenena masina” izy, ohatra. Mampiasa ny voambolana nampiasain’ny TT hilazana ny Isiraely fahizay izy, araka ny hitantsika eto, ary nentiny nilazana ny fiangonana ao amin’ny TV koa izany.

Tsy mahagaga izany satria ireo jentilisa mpino an’i Jesôsy dia efa tafakambana amin’ny mpino Jiosy. Nampiasa teny manokana ny Baiboly ho fanampiana antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe tafakambana. Hitantsika ao amin’ny Rômana izany, dia ilay teny hoe “natao grefy” (DIEM). Ny atao hoe manao grefy dia manakambana na mampiray zava-maniry roa samy hafa. “Natao grefy” tamin’ny Jiosy, izay vahoakan’Andriamaitra, ny mpino vaovao. Izao ireo mpino jentilisa dia manjary mpiombona anjara amin’ny teny fikasan’ny TT natao ho an’ny Jiosy. (Vakio ny Rôm. 11:17,18 DIEM).

Mampahatsiahy ny mpamaky azy i Petera ao anatin’ny tsianjery amin’ity herinandro ity, fa vahoaka voafidin’Andriamanitra izy ireo. Sarihiny ho amin’ny andraikitra masina sy ny fiantsoana ambony natolotra azy ny sainy. Efa “natao grefy” tamin’ny hazo oliva izy, izay tandindon’i Jesôsy. Misy amin’ireo andraikitra tanan’ny mpino vaovao no iraisany amin’ireo vahoaka Isiraely ao amin’ny TT. Anisan’izany ny fanambarana amin’ny hafa ny fahamarinana lehibe fa mamonjy antsika amin’ny otantsika i Jesôsy ary manolotra antsika ny fiainana mandrakizay.

Pejy ambony

 

ALAHADY


Fiainana maha-Kristianina (1 Pet. 2:1-3)

Miantomboka amin’ny teny hoe “koa” ny 1 Pet. 2:1. Ny hoe “koa” dia midika fa ny teny manaraka eo dia vokatr’ilay voalohany. Hitantsika fa ny 1 Pet. 1 dia fanazavana mafonja ny amin’izay efa nataon’i Kristy ho antsika. Ampianariny antsika ny tokony havalintsika eo anatrehan’ny famonjena natolony antsika. Ato amin’ity toko manaraka ity àry dia somary itarin’i Petera lavidavitra kokoa ny lohahevitra.

Vakio ny 1 Pet. 2:1-3. Inona no ambaran’i Petera amintsika momba ny tokony ho fiainantsika?

Sary roa miavaka tsara no ampiasain’i Petera hanehoana fa misy zavatra anankiroa takin’Andriamanitra amin’ny Kristianina. Voalohany, misy lafin-javatra sasany izay tsy maintsy afointsika. Faharoa, ny Kristianina dia tokony hiezaka hanao zavatra tsara ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Ao amin’ilay voalohany, i Petera dia mampirisika ny Kristianina “hanaisotra” na hanary ny faniriana hanisy ratsy ny hafa. Tsy tokony hamitaka na handainga amin’ny hafa ny Kristianina. Natao hilaza ny marina izy ireo. Tsy tokony hitsiriritra ireo izay heveriny ho manan-karena kokoa noho izy koa ny Kristianina, fa hifaly amin’izay ananany kosa. Eo amin’izay nametrahan’Andriamanitra azy mantsy no hahombiazany. Ankoatra izany, ny Kristianina dia tsy tokony hanao fanosoram-potaka ny hafa.

Ny sary an’ohatra faharoa ampiasain’i Petera dia ny zaza vao teraka izay maniry rononom-panahy (1 Pet. 2:2). Mampiseho ny lafiny tsara eo amin’ny fiainan’ny Kristianina ity sary ity. Ny fiainana kristianina rahateo dia tsy vitan’ny fahafoizana ny zavatra ratsy fotsiny. Ho zava-poana ihany mantsy raha ny fiainana toy izany, fa mitaky faniriana ny ho voafahana amin’ny sakafom-panahy mihitsy izany. Mila sakafo ara-panahy tahaka ny anirian’ny zaza ronono ny Kristianina.  

Misarika ny sain’ny mpamaky azy any amin’ilay loharanon’ny sakafom-panahy i Petera (vakio koa ny Heb. 4:12; Mat. 22:29; 2 Tim. 3:15–17). Ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, izany loharano izany. Raha misakafo aminy isika, dia hitombo, ho araka an’Andriamanitra kokoa ary hahafantatra ny marina sy ny diso.
Ny Baiboly no fanehoana feno sy mazava indrindra an’i Jesôsy Kristy, izay Ohatra lehibe indrindra maneho an’Andriamanitra amintsika. Ao amin’i Jesôsy kosa indray no ahitantsika Ilay Andriamanitra masina izay tokony hotiavintsika sy tompointsika.

Mila “misakafo” amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Nahoana ny fanaovana izany no tena hanampy antsika tokoa hiala amin’ireo fitondran-tena sy foto-pisainana ratsy efa nampitandreman’i Petera antsika?

Pejy ambony

ALATSINAINY


Ilay vato velona (1 Pet. 2:4-8)

Vakio ny 1 Pet. 2:4-8 (Vakio koa ny Isa. 28:16; Sal. 118:22; Isa. 8:14,15). Fahamarinan-dehibe inona no resahin’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 2:4-8? Inona no ambarany amintsika mikasika ny tokony havalintsika an’i Jesôsy? Ahoana no tokony hataontsika?

Rehefa avy nampirisika ny mpamaky i Petera mba haniry hanim-panahy, dia nisarika ny sain’izy ireo avy hatrany ho eo amin’i Jesôsy Kristy ilay “Vato velona”. Azo inoana fa nanondro ny tempolin’i Jerosalema i Petera rehefa nampiasa ilay teny hoe “vato”. Namerina andalan-teny telo avy tao amin’ny TT izy ao amin’ny 1 Pet. 2:4-8 mba hilazana ny ilàna ny vatofehizoro. Ny vatofehizoro dia fanoharana entina anehoana ny asa ataon’i Kristy ao amin’ny fiangonany.

Ny tian’i Petera hazavaina dia ny hoe: na dia nolavina sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana aza i Jesôsy, dia nofidin’Andriamanitra kosa Izy mba ho vato velon’ny trano fanahin’Andriamanitra. Ny Kristianina koa dia vato velona narafitra ao amin’izany trano fanahy izany. Miorina eo amin’i Jesôsy ny fiangonana ary ny mpanara-dia Azy kosa no mandrafitra izany.

Mariho fa ny fahatongavana ho Kristianina dia midika fa tonga anisan’ny fikambanan’ny Kristianina na ny fiangonana ianao. Ampiasaina hananganana rafi-trano lehibebe kokoa ny biriky. Toy izany koa, ny Kristianina dia natao hanorina ny fikambanan’ny mpino mivelatra kokoa. Tsy nantsoina izy mba ho mpanara-dia an’i Jesôsy mihataka amin’ny hafa, fa ilainy kosa ny miara-mivavaka sy miara-miasa amin’ireo Kristianina namany mba hanorina ny fanjakan’Andriamanitra. Ny Kristianina tsy manao ireo zavatra ireo, dia tsy azo heverina velively ho tena Kristianina. Nahoana hoy ianao? Natao batisa tao amin’i Kristy mantsy ny Kristianina, ary ny hoe vita batisa ao amin’i Kristy dia midika fa vita batisa ao amin’ny fiangonan’i Kristy izy.

Miresaka ny amin’ny tanjon’ny fiangonana koa i Petera. “Mpisorona masina” – 1 Pet. 2:5 (DIEM) no mandrafitra ny fiangonana ary “fanati-panahy” no atolotr’izy ireo. Ao amin’ny Baiboly hebreo, ny mpisorona dia manelanelana. Sady manompo an’Andriamanitra izy no manompo ny olony. Mampiasa matetika ny hoe “tempoly” na “mpisorona” i Petera sy ireo hafa ao amin’ny TV mba hanehoana fa ny fiangonana no tempolin’Andriamanitra velona ary ny vahoakany no mpisorony. Miverina manondro ny rafi-panompoam-pivavahana tany amin’ny TT izy mba hanehoana ireo fahamarinana momba ny tokony ho fiainana sy fiasan’ny Kristianina amin’izao fotoana izao.

Vakio indray ny 1 Pet. 2:5. Inona no tian’i Petera hambara rehefa nilaza izy hoe: “hanatitra fanati-panahy [ianareo]”? Ahoana no fomba hanatanterahan’ny Kristianina izany?

Pejy ambony

TALATA


Vahoakan’ny teny fikasana (Gen. 17:1-4)

Tsy miala amin’ny TT mihitsy ny fijerin’i Petera rehefa manoratra izy. Miainga amin’ny foto-kevitry ny fanekena, izay lohahevitra fototry ny teôlôjia jiosy sy kristianina ny fomba fijeriny.

Inona moa no atao hoe “fanekena”?
Avy amin’ny teny Hebreo berit izany, ary midika ho fifanarahana ara-dalàna eo amin’ny ankolafy anankiroa. Mety hiseho eo amin’ny olona anankiroa ny fanekena (Gen. 31:44) na eo amin’ny mpanjaka anankiroa, (vakio ohatra ny 1 Mpanj. 5:12) na koa eo amin’ny mpanjaka sy ny vahoakany (2 Sam. 5:3).

Misy fanekena anankiray izay miavaka amin’ireo hafa anefa. Tsy inona izany fa ny fifandraisam-panekena misy eo amin’Andriamanitra sy ny vahoaka nofidiny.

Vakio ny Gen. 17:1-4; Eks. 2:24; ary ny Eks. 24:3–8. Milaza inona amintsika ireo andalan-teny ireo momba ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely?

Mitantara ny amin’ny nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’i Abrahama ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly (Gen. 15:9-21; Gen. 17:1-27). “Nahatsiaro” izany fanekena izany Andriamanitra rehefa namonjy ny vahoakany tamin’ny fanandevozana azy tao Egipta (Eks. 2:24). Nohavaozin’Andriamanitra indray izany fanekena izany rehefa nanome ny Didy folo sy lalàna hafa tamin’ny zanak’Isiraely Izy (Eks. 19:1-24; indrindra fa ny Eks. 24:3-8).

Misy fepetra anefa takin’ny teny fikasan’ny faneken’Andriamanitra. “Nanao fanekena tamin’ny vahoakany Andriamanitra. Mila mahatoky sy mankatò ny fitakiany izy ireo eo anatrehan’izany. Amin’izay ihany Izy vao hitahy ny ankohonany sy ny fananany ary ny asan’ny tanany rehetra” – TFC, b. 2, t. 574.

Nanome toky ilay fanekena fa hitahy ny vahoakany Andriamanitra. Tsy hotanterahin’Andriamanitra anefa izany raha tsy mintandrina ny lalàny izy ireo. Milaza ny hisian’ny fandravana koa ny fanekena, saingy ireo izay tsy mankatò ny faneken’Andriamanitra irery ihany no hiantefan’ny fampitandremana.

Midika inona aminao ny hoe voaray ao anatin’ny fifandraisam-paneken’Andriamanitra? Inona no fitakiana manokana apetrak’izany fifandraisana izany eo aminao?

Pejy ambony

ALAROBIA


Fanjakà-mpisorona (1 Pet. 2:5,9,10)

Niresaka tamin’i Mosesy Andriamanitra ao amin’ny Eks. 19:3-6. Hoy Izy: “Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely: ‘Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo’. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely” – Eks. 19:3-6.

Hitantsika eto ny hafatry ny filazantsara izay nambara an’arivon-taonany maro talohan’ny Hazo fijaliana: Nanavotra ny olony Andriamanitra. Nanavotra azy ireo tamin’ny ota sy ny fatoran’ny ota Izy, ka dia mandidy azy ireo mba ho tia sy hankatò Azy amin’ny maha-vahoakan’ny fanekena manokana azy, eo anatrehany sy eo anatrehan’izao tontolo izao.

Vakio ny 1 Pet. 2:5,9,10 sy ny Eks. 19:6. Inona no tian’i Petera holazaina rehefa nilaza ny Kristianina ho “fanjakà-mpisorona” sy “firenena masina” izy (1 Pet. 2:9)? Milaza inona amintsika Kristianina Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ireo teny ireo momba ny andraikitsika eo anatrehan’Andriamanitra sy izao tontolo rehetra izao?

Samy teny mitory voninahitra avokoa na ny “firenena masina” na ny “fanjakà-mpisorona” ary ny hoe “olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. Ampiasain’ny Baiboly ireo mba hamaritana ny fifandraisana manokana misy eo amin’Andriamanitra sy ny taranak’i Abrahama. Mbola ampiasain’i Petera koa izany rehefa miresaka ny amin’i Jesôsy sy ny hazo fijaliana ary ny mambran’ny fiangonana izy.

Ny teny fikasana natao ho an’ny Isiraely dia natao ho an’ny Jiosy izay nino an’i Jesôsy sy ireo Jentilisa tonga mpino koa. Eny, amin’ny alalan’i Jesôsy dia afaka milaza ny tenany ho zanak’i Abrahama koa ny Jentilisa. “Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana” – Gal. 3:29. Araka izany dia afaka ny ho anisan’ny “fanjakà-mpisorony” ny olona rehetra, ary tsy voatery ho tonga Jiosy aloha.

Firenena masina hoe? Fanjakà-mpisorona? Tokony hilaza inona amintsika ireo teny ireo momba ny karazam-piainana tokony hananan’ny isam-batan’olona sy ny fiangonana? Ahoana no hiainantsika amin’ny fomba tsaratsara kokoa izany fiantsoana ambony izany?

Pejy ambony

ALAKAMISY


Midera an’Andriamanitra (1 Pet. 2:10)

Tsy mijanona hatreo amin’ny famonjena sy ny fiantsoana antsika ho vahoaka voafidin’Andriamanitra fotsiny ireo lafin-javatra mampitovy ny TT sy ny TV. Izao àry ny fanontaniana mipetraka: Nantsoina ary nofidina hanao inona? Omen’i Petera antsika haingana ny valiny.

Asongadin’i Petera fa nokendrena ho amin’ny antony anankiray izany fifandraisana manokana misy eo amin’Andriamanitra sy ny fiangonana izany: nantsoina “hilaza (...) ny hatsaran'Ilay niantso (...) anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga” – 1 Pet. 2:9. Io asa io no niantsoana ny Isiraely tamin’ny andron’ny TT. Nantsoin’Andriamanitra izy ireo mba ho vavolombelony eo amin’izao tontolo izao.  Ny tanjon’Andriamanitra dia ny hitahy izao tontolo rehetra izao amin’ny alalan’ny Isiraely, vahoakan’ny fanekeny.

Vakio ireto andalan-teny manaraka ireto: Deo. 4:6; Deo. 26:18,19; Isa. 60:1–3; Zak. 8:23. Inona no iraisan’ireo andininy rehetra ireo?

Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekena ny Isiraely, dia andraikitr’izy ireo ny mitondra ny filazantsara eo amin’izao tontolo izao. Izany koa no asa niantsoana ny Kristianina. Nirahina hizara amin’ny hafa izay nataon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Kristy izy ireo.

Vakio ny 1 Pet. 2:10. Nahoana no tena manana ny lanjany tokoa io andininy io ho an’ny iraka sy ny antom-pisian’ny Kristianina?

Tafalatsaka lalina ao anatin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fandravana ho avy izao tontolo izao. Nanolotra ny ainy hamonjena ny olona rehetra amin’izany fandravana izany anefa i Jesôsy. Ireo anarana sy teny mitory voninahitra nomena ny Isiraely dia nomena ny Kristianina koa: fanjakà-mpisorona isika ary firenena masina. Tahaka ny Isiraely fahiny, dia tsy mijanona hatreo izany fa mitaky andraikitra koa. Natao hitondra ny hafa ho eo amin’i Kristy isika.

Ambaran’ny 1 Pet. 2:10 mazava fa mijoro amin’ny maha-vahoaka azy manokana amin’izay ny Kristianina. Tsy vahoaka voafaritra mantsy izy ireo teo aloha, saingy efa nandray ny famindram-po ho tonga vahoaka masina (vakio ny Hôs. 1,2) kosa. Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe masina dia midika hoe natokana hivavaka amin’Andriamanitra. Amin’ny maha-firenena “masina” azy, ny Kristianina dia natao hiala amin’izao tontolo izao mba hiankohoka amin’Andriamanitra ary ho hita eo amin’ny karazam-piainana iainany izany fisarahana izany. Natao ho tahaka ny afo amin’ny alina mangatsiaka koa izy ireo, ka hisarika ny hafa handray ny hafanana avy aminy. Toy izany fomba izany no anomezan’Andriamanitra ny Kristianina ny asa momba ny fizarana amin’ny hafa ny famonjena izay efa nandraman’izy ireo rahateo.

Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: “Sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra ny fiangonana. Manome tombam-bidy azy Izy, tsy araka ny fahamboniana miseho ety ivelany, fa araka ny fitiavam-bavaka marina izay mampiavaka azy amin’izao tontolo izao. Sarobidy eo anatrehany izy araka ny fitomboan’ny mambra eo amin’ny fahalalana an’i Kristy, araka ny fitomboany eo amin’ny fanandramana ara-panahy.

“Maniry koa i Kristy raha maniry ny handray ny voan’ny fahamasinana sy ny tsy fitiavan-tena avy amin’ny tanim-boalobony. Ny zava-kanto tsara indrindra dia tsy afaka hifampitaha amin’ny hatsaran-tarehin’ny toetra amam-panahy hita ao amin’ireo solon-tenan’i Kristy. Ny rivo-piainan’ny fahasoavana izay manodidina ny fanahin’ny mpino, ny Fanahy masina izay miasa eo amin’ny saina sy ny fony, no mahatonga azy ho hanitry ny fiainana ho amin’ny fiainana, ka mamela an’Andriamanitra hitahy ny asany” – HF, t. 304.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Manao ahoana izany hoe antsoina hiala amin’ny maizina ho amin’ny “fahazavan’[Andriamanitra] mahagaga” – 1 Pet. 2:9 izany? Midika inona io andininy io? Raha asaina manazava io foto-kevitra io amin’ny olona tsy mino an’i Jesôsy ianao, dia inona no holazainao? Inona ilay hoe maizina? Inona kosa ilay hoe fahazavana? Jereo àry izao izay voasoratr’i Petera. Midika inona ny fahazavana sy ny aizina ao amin’ny taratasiny? Inona no tsy itovian’ireo?
2. Vakio ny Deo. 4:5-8. Milaza inona amintsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ireo teny ireo? Ahoana no hanampian’ireo antsika hahatakatra ny zavatra izay niantsoan’Andriamanitra antsika eo anatrehan’ny zavatra izay efa nomeny antsika?
3. Vakio ny 1 Pet. 2:3. Inona no tian’i Petera hambara rehefa nilaza izy hoe: “(...)nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo”? Tamin’ny fomba ahoana no efa “nanandramanao” fa tsara ny Tompo?
4. Eritrereto ny fiangonanao. Inona no toetry ny fiangonanao ka mahatonga ireo mambra ao aminy ho mahasarika ireo izay tsy mahafantatra na inona na inona momba ny Advantista na ny zavatra inoantsika?

Pejy ambony