SS 3 3T 2017

LESONA 3

8 - 14 JOLAY

NY FIRAISANA AVY AMIN'NY FILAZANTSARA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 2:1-14; 1 Kôr. 1:10-13; Gen. 17:1-21; Jao. 8:31-36; Kôl. 3:11.

Tsianjery: “Dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra” – Fil. 2:2.

Mpanao fivavahana iray i Jean Calvin izay nino fa fitaovam-piadiana roa no ampiasain’i Satana hamelezana ny fiangonana: (1) ny tsy fifanarahan-tsaina sy ny (2) fisaratsarahana. Nampitandrina i Calvin fa tokony hanalavitra izay mety hampizarazara ny fiangonana ny Kristianina.
    
Tokony ho zava-dehibe noho ny fahamarinana ve ny fihazonana ny fiangonana tsy hizarazara? Eritrereto ny momba an’i Martin Luther izay mpanavao fivavahana koa. Nentina notsaraina tao amin’ny filan-kevitry ny fanjakana foiben’i Worms i Luther noho ny ninoany fa amin’ny finoana irery ihany no hamonjena antsika.
    
“Raha nilefitra tamin’ny zavatra iray fotsiny ilay mpanavao fivavahana, dia ho lasan’i Satana sy ny tafiny ny fandresena. Ny fijoroany tsy azo nohozongozonina anefa no nentina nanafaka ny fiangonana sady fiantombohan’ny andro vaovao sy tsara kokoa” – HM, t. 169.
    
Ao amin’ny Gal. 2:1-14, dia hitantsika ny apôstôly Paoly manao ny zava-drehetra amin’ny heriny manontolo mba hihazonana ny firaisana ao amin’ny fiangonana. Zava-dehibe ho azy izany, saingy nolaviny ny hamela ny fahamarinan’ny filazantsara hihamalemy mba hisian’ny fifanarahana na ny firindrana. Azo ekena ny fahasamihafan’ny hevitra ao am-piangonana, saingy tsy tokony hohalefahina ny fahamarinan’ny filazantsara.


Pejy ambony

 

ALAHADY


NY LANJAN’NY FIRAISANA (1 Kôr. 1:10-13)
    
Vakio ny 1 Kôr. 1:10-13. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny lanjan’ny fiheveran’i Paoly ny fifanarahan-tsaina tao amin’ny fiangonana?
    
Ao amin’ny Gal. 2:1,2 dia nampitodika ny sainy tamin’ny famelezana ny finoany iray hafa i Paoly. Ireo mpampianatra sandoka tany Galatia dia nilaza fa tsy nifaraka tamin’izay nampianarin’i Petera sy ireo apôstôly hafa ny filazantsaran’i Paoly. Araka ny nambaran’izy ireo dia nihemotra tamin’ny finoana i Paoly.
    
Ho setrin’izany fiampangana izany, dia nitantara ny dia lavitra nataony tany Jerosalema efatra ambin’ny folo taona taorian’ny nahatongavany ho mpino i Paoly. Tsy tena azontsika antoka ny fotoana marina nanaovany izany dia lavitra izany, saingy fantatsika fa tsy nisy mora ny dia lavitra natao tamin’ny andron’ny Baiboly. 300 maily niala tany Antiokia hatrany Jerosalema izany. Araka izany, dia azo heverina ho naharitra telo herinandro fara fahakeliny izany, ary azo antoka fa nisedra loza sy fahasarotana marobe i Paoly teny an-dalana. Vitany ihany anefa izany dia izany na dia teo aza ny zava-tsarotra, tsy noho ny amin’ireo apôstôly fa noho ny fanirahan’ny Fanahy Masina azy hanao izany. Ary rehefa tonga tany izy, dia nametraka ny filazantsarany teo anatrehan’ireo apôstôly.
    
Nahoana i Paoly no nanao izany? Azo antoka fa tsy noho ny fananany fisalasalana ny amin’izay nampianariny tsy akory. Tsy nilainy ny fankatoavan’ny apôstôly ny hafany sy haneken’ireo ny tenany. Efa nandritra ny efatra ambin’ny folo taona rahateo no nitoriany ny filazantsara, saingy nilain’i Paoly ny fanohanana sy ny fampaherezana avy tamin’ireo apôstôly ireo.
    
Koa ny fiampangana izay milaza fa hafa ny hafatr’i Paoly dia tsy niantefa taminy ihany fa namelezana ireo apôstôly koa, ary namelezana ny fiangonana ihany koa. Zava-dehibe tokoa ny fifanarahan-tsaina teo amin’ny apôstoly satria miteraka vokatra mahatsiravina eo amin’ny asa nataon’i Paoly tany amin’ny Jentilisa sy ny renim-piangonana tany Jerosalema ny fisaratsarahana. Raha tsy nisy ny fifankatiavana teo amin’ny Kristianina Jiosy sy Jentilisa, dia “ho voazarazara i Kristy, ary tsy ho tontosa ny asa rehetra nataon’i Paoly hampielezana ny filazantsara amin’ireo Jentilisa.” – F.F.Bruce, The epistle to the Galatians (Grand Rapids, Mich.: William B. Eerdmans Publishing Company, 1982), t. 111  
    
Inona avy ireo olana ao amin’ny fiangonana amin’izao andro izao izay mety hampihena ny heriny na hampizarazara azy? Ahoana ny fiatrehantsika ireny olana ireny? Inona no manan-danja noho ny firaisana?


Pejy ambony

ALATSINAINY


IREO FAMPIANARANA SANDOKA SY NY RAHALAHY SANDOKA (Gal. 2:3,5)
    
Nahoana ny famorana no teboka iray nampisy fifandirana teo amin’i Paoly sy ireo Kristianina Jiosy sasany? Jereo ny Gen. 17:1-22; Gal. 2:3-5; 5:2,6; Asa. 15:1,5. Mora ny mahita avy amin’ireo toko sy andininy ireo ny antony niheveran’ny Kristianina Jiosy fa tokony hoforana ireo mpino Jentilisa. Inona no antony mety ho nahatonga azy ireo hihevitra izany?
    
Ny famorana dia famantarana ny fifanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, rain’ny firenena Jiosy. Ny lehilahy tamin’ny taranak’i Abrahama ihany no noforana, saingy asaina hanana fifanekem-pihavanana amin’Andriamanitra ny olon-drehetra. Nomena an’i Abrahama ho famantarana ny famorana ao amin’ny Gen. 17.  Nitranga izany rehefa niezaka hanana anaka tamin’ny mpanompon’ny vadiny izy. Naniry ny “hanampy” an’Andriamanitra hanatanteraka ny teny fikasany ny amin’ny hanomezana azy zanaka lahy izy.
    
Famantarana nifanaraka tsara tamin’ny fanekena ny famorana. Izany dia fampahatsiahivana fa ny drafitra mipetrapetraka indrindra ataon’olombelona dia tsy hahatanteraka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra. Ny famorana ivelany dia tandindon’ny asa fanavotana ataon’Andriamanitra amin’ny fanahin’ny mpanota (vakio ny Deo. 10:16; Deo. 30:6; Jer. 4:4; Rôm. 2:29). Izany koa dia maneho ny fahafatesan’ny fatokian-tenantsika sy ny fiankinana feno fahatokiana amin’Andriamanitra.
    
Tamin’ny andron’i Paoly anefa dia nanjary famantarana ny maha-Jiosy ny famorana - tsy araka izay tokony ho heviny hatrany am-piandohana. Teo amin’ny 150 taona TlK teo, dia noteren’ny Jiosy sasany ireo Jiosy rehetra sy ny Jentilisa tany Palestinina hoforana. Ny Jiosy sasany aza dia nino fa ny famorana no “pasipaoro” hahazoana famonjena. Hita taratra eo amin’ny fomba fiteny fahiny izany, izay manao hoe: “Ny lehilahy voafora dia tsy midina any amin’ny helo” – C.E.B. Cranfield, A critical and Exegetical commentary on the epistle to the Romans (Edinburgh: T.& T. Clark Ltd., 1975), t. 172.
    
Fahadisoana ny fiheverana fa nitsipaka ny famorana i Paoly. Ireo mpampianatra sandoka no notoheriny, dia ireo izay nilaza, ao amin’ny Asa. 15:1, fa ny mpino Jentilisa dia tsy maintsy forana mba hahavoavonjy azy. Araka izany, tsy mikasika ny famorana loatra ny olana fa mikasika ny famonjena. I Paoly dia nilaza fa avy amin’ny finoana an’i Kristy irery ihany ny famonjena, nefa ireo mpampianatra sandoka dia nilaza fa avy amin’ny fankatoavana ny lalàna izany.
    
Amin’izao androntsika izao, dia mety tsy miady hevitra amin’ny ilàna ny famorana mba hahazoam-pamonjena isika, saingy inona no mampiady hevitra antsika?


Pejy ambony

TALATA


FIRAISANA AO ANATIN’NY FAHASAMIHAFANA (Gal. 2:1-10)
    
Ao amin’ny Gal. 2:4, dia hoy i Paoly: “ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika”. Afaka amin’ny inona ny Kristianina? Vakio ny Jao. 8:31-36; Rôm. 6:6,7; Rôm. 8:2,3; Gal. 3:23-25; Gal. 4:7,8; Heb. 2:14,15. Ahoana no iainantsika ny fanandramana izany fahafahana izany?
    
Hevitra iray manan-danja ho an’i Paoly ny fahafahana. Ho azy dia manoritsoritra ny fanandraman’ny Kristianina izany. Mampiasa izany teny izany matetika kokoa noho ireo mpanoratra hafa ao amin’ny TV izy. Ao amin’ny epistily nosoratany ho an’ny Galatianina aza, dia mampiasa ny teny “afaka” sy “fahafahana” imbetsaka izy.
    
Zavatra iray manan-danja ho an’ny Kristianina koa ny fahafahana. Ho an’ny Kristianina, ny fahafahana dia midika hoe afaka ao amin’i Kristy. Izany no tombontsoa ahafahana miaina fiainana feno fitiavana sy fahatokiana amin’Andriamanitra ary tsy voasakana amin’izany. Izany fiainana vaovao izany dia mahafaoka ny fahafahana avy amin-javatra telo: (1) ny fanandevozan’ny fahotana, (2) ny fanamelohan’ny fandikan-dalàna, ary (3) ny herin’ny fahafatesana.
    
Neken’ireo apôstôly fa nomen’Andriamanitra asa manokana i Paoly. Araka ny filazan’i Paoly izany, dia “notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora” – Gal. 2:7.
    
Ninoan’ny apôstôly fa nifidy an’i Paoly Andriamanitra mba hitory ny filazantsara ho an’ny Jentilisa. Tahaka izany koa no nifidianany an’i Petera hitory tamin’ny Jiosy. Mitovy ny filazantsara notorin’ireo lehilahy roa ireo, saingy ny fomba nizaràny izany no niankina tamin’ny olona noezahiny notratrarina. “Hampitambatra ny mpino rehetra ho iray ny filazantsara na dia eo aza ny fahasamihafana misy eo amin’izy ireo. Izany firaisana izany no hampisy fifanarahan-tsaina eo amin’ny Kristianina.” – James D.G.Dunn, the Epistle to the Galatians (Peabody, Mass.: Hendrickson Publishers, Inc., 1993), t.106
    
Manao ahoana no tokony ho fisokafantsika manoloana ny fomba hafa hizarana ny filazantsara? Karazana fijoroana ho vavolombelona toy ny ahoana no mahasorena anao, nahoana? Ahoana no hahafantarantsika fa tsara ny fomba fitoriana iray vaovao?



Pejy ambony

ALAROBIA


FIFANDIRANA TANY ANTIOKIA (Gal. 2:11-13)
    
Namangy tany Antiokia, ilay toerana nisy ny fiangonana Jentilisa voalohany i Petera. Io koa no foiben’ny asa nataon’i Paoly ho fanatrarana ny Jentilisa. Niara-nihinana tamin’ireo mpino Jentilisa tany Antiokia i Petera, saingy nony tonga kosa ireo Kristianina Jiosy avy tany amin’i Jakôba dia natahotra izy ny amin’izay heverin’izy ireo momba azy noho ny fiarahany misakafo amin’ny Jentilisa, koa dia nitsahatra tsy nanao izany izy.
    
Vakio ny Gal. 2:11-13 sy ny Asa. 10:28. Ahoana no tokony hahafantaran’i Petera fa tsy nety ny nampiatoany izay nataony? Inona no ambaran’ny fihetsika nataony amintsika mikasika ny hery ananan’ny fomba amam-panao sy ny finoana niainana hatramin’ny lasa eo amin’ny fiainantsika?   
    
Ny olona sasany dia nihevitra fa tsy nanaraka ny lalàna Jiosy mikasika ny zava-pihinana ao amin’ny TT i Petera sy ireo Jiosy hafa, saingy tsy marina izany. Raha nanao izany izy ireo dia tsy maintsy ho voarakitra tany ho any, saingy tsy misy. Ary ny safidy tahaka izany dia ho niteraka fitabatabana lehibe teo amin’ny fiangonana. Araka izany, ny olana eto dia ny fiaraha-mihinana amin’ny Jentilisa. Tsy madio ny fahitan’ny Jiosy maro ny Jentilisa, ka dia nohalaviriny araka izay azo natao ny fifandraisana taminy.
    
Tahaka izany koa no tsapan’i Petera mikasika ny Jentilisa fahiny, saingy nanome fahitana azy Andriamanitra. Taorian’izay dia nandeha tany amin’ny tranon’i Kôrnelio, miaramila iray tao amin’ny tafika Rômanina, i Petera. Dia hoy i Petera taminy: “izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.” – Asa. 10:28. Araka izany, io andininy io dia maneho amintsika fa nahazo fahalalana bebe kokoa i Petera, saingy natahotra ny hampahatezitra ireo mpiray firenena aminy izy. Dia niverina tamin’ny fombany fahiny indray izy. Hita tokoa fa mavesa-danja ny herin’ny kolontsaina sy ny fomban-drazana teo amin’ny fiainan’i Petera.
    
Nahitsin’i Paoly anefa i Petera. Ao amin’ny Gal. 2:13, dia nolazain’i Paoly fa tsy “marina” ny fihetsika nasehony. Ny dikan-teny hafa dia mandika izany teny izany hoe “fihatsarambelatsihy”. Hoy i Paoly: fa na “Barnabasy avy aza mba voataonan’ny fihatsarambelatsihiny koa”. Teny mahery tokoa izany ataon’ny lehilan’Andriamanitra amin’ny lehilahin’Andriamanitra iray hafa izany.
    
Ahoana no maha-mora ny fihatsarambelatsihy? (Moa ve tsy miezaka manajamba ny tenantsika isika amin’ireo fahadisoantsika raha mailaka mikaroka ny fahadisoana eo amin’ny hafa?) Amin’ny fomba ahoana no maha-tsy marina antsika eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no hianarantsika mahita izany fihatsarambelatsihy izany ka miala aminy?
 


Pejy ambony

ALAKAMISY


NY TEBITEBIN’I PAOLY (Gal. 2:14)
    
Sarotra ny toe-javatra niseho tany Antiokia. Mpitarika tao amin’ny fiangonana i Paoly sy i Petera nefa nisy fifandirana teo amin’izy ireo. Tsy nitsitsy fananarana i Paoly raha niteny an’i Petera.
    
Vakio ny Gal. 2:11-14. Inona ny antony nanosika an’i Paoly hiteny mafy an’i Petera teo anatrehan’ny hafa?
    
Araka ny fomba fijerin’i Paoly, tsy ny safidy nataon’i Petera hihinana miaraka amin’ny Jiosy avy tany Jerosalema no olana. Nitaky izany mantsy ny lalàn’ny fandraisam-bahiny, fa ny olana dia mikasika ny fandemena ny herin’ny hafatry ny filazantsara.
  
Vakio ny Gal. 3:28 sy ny Kôl. 3:11. Ahoana no anampian’ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny teny mahery nataon’i Paoly tamin’i Petera?
    
Nandritra ny fihaonan’i Paoly tamin’i Petera sy ireo apôstôly hafa tany Jerosalema, dia niara-nanaiky izy ireo fa afaka mahazo ny fitahian’i Kristy ireo Jentilisa na dia tsy forana aza. Loza nananontanona ho an’izany firaisan-kevitra izany anefa ny fihetsika nasehon’i Petera. Talohan’izao, dia tafaray tao anatin’ny firahalahiana ny Kristianina Jiosy sy Jentilisa, saingy izao kosa dia mizarazara ny fiangonana any Antiokia. Ary izany fivakiana izany dia mety handrava ny fiangonana amin’ny hoavy.
    
Raha ny fomba fijerin’i Paoly dia nampita hafatra tsy tsara tamin’ireo Kristianina Jentilisa ny fihetsik’i Petera, fihetsika izay toa naneho fa tsy mitovy amin’ireo mpino Jiosy ny Kristianina Jentilisa. Noheverenin’i Paoly fa ny fihetsik’i Petera dia hahatonga ny Jentilisa hahatsapa fa tokony hoforana izy ireo mba hananany firaisana feno amin’ny fiangonana. Dia hoy i Paoly tamin’i Petera: “Raha ianao izay Jiosy aza manao toy ny hafa firenena, fa tsy toy ny Jiosy, nahoana ny hafa firenena no terenao hanaraka ny fanaon’ny Jiosy?” – Gal. 2:14, DIEM. Ny teny hoe “manaraka ny fanaon’ny Jiosy” dia azo adika hoe “manao ny fomba fiainan’ny Jiosy”. Nampiasaina hiantsoana ireo Jentilisa nanaraka ny fomban-drazana Jiosy izany. Nantsoina tamin’izany anarana izany matetika ireo fahavalon’i Paoly tany Galatia.
    
Ratsy izay nataon’i Petera, kanefa dia voataona hanao tahaka izany koa i Barnabasy, na dia samy nanam-pahalalana izy roa lahy ka tsy tokony ho nanao izany. Ohatra iray mampiseho mazava ny “tsindry ataon’ny hafa” mahery vaika izany! Ahoana no hiarovantsika ny tenantsika tsy ho voatarika any amin’ny lalan-dratsin’ireo manodidina antsika?
 



 Pejy ambony


ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Mba hahafantaranao bebe kokoa momba ny firaisana sy ny fahasamihafana eo amin’ny fiangonana dia vakio ny “Investigation of New Light”, nosoratan’i Ellen G.White, tt. 45,47 ao amin’ny Counsels to Writers ans Editors; “An Explanation of Early Statements” t. 75 ao amin’ny Selected Messages, b. 1; “Tactfulness”, tt. 117-119, ao amin’ny Gospel Workers; ary ny “Manuscript Release 898”, tt. 1092,1093, ao amin’ny 1888 Materials, b. 3.
    
“Na ny olona tsara indrindra aza dia hanao fahadisoana mahatsiravina rehefa tsy tarihin’Andriamanitra. Arakaraka ny andraikitra maro apetraka amin’ny olona iray, no maha-ambony kokoa ny toerany hahafahany mibaiko sy mifehy ary hananany toetra ratsy hoenti-manimba ny saina sy ny fo raha tsy manaraka amim-pitandremana ny lalan’Andriamanitra izy. Nampiseho tsy rariny sy tsy marina i Petera tany Antiokia. Tsy maintsy nijoro nanohitra ny ohatra ratsy nasehony i Paoly. Noraketina ao amin’ny Baiboly izany fifanandrinana izany mba hahafahan’ny hafa misintona lesona avy aminy. Fampitandremana ny olona manana fahefana lehibe izany, fanampiana azy ireo tsy haneho tsy fahitsiana fa mba hitoetra ho marina amin’ny lalàn’Andriamanitra.” – Ellen G.White, SDABC, b. 6, t. 1108.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.    Vitsy ny olona tia mifanandrina mivantana amin’olona iray hafa, saingy ilaina izany indraindray. Oviana ny fiangonana no tokony hanasazy ny olona manao ny tsy mety kanefa mandà ny hahitsy?

2.    Arakaraka ny hitomboan’ny fiangonana no maha-betsaka ny fahasamihafana ao aminy. Inona no dingana azon’ny fiangonana hatao mba hahazoana antoka fa tsy very ny firaisana ao anatin’ny fahasamihafana tahaka izany? Ahoana no hianarantsika manaiky na mitia mihitsy aza ny fahasamihafan’ny kolontsaina sy ireo fomba amam-panao eo amintsika kanefa mihazona ny firaisana?

3.     Rehefa mizara ny filazantsara any amin’ny kolontsaina hafa, inona no singa fototra tsy tokony hovana, inona kosa no azo ovana? Ahoana no ianarantsika manavaka izay tsy maintsy mitoetra sy ireo izay azontsika avela?
Famintinana: Ny Kristianina jiosy sasany dia nanizingizina fa tsy maintsy forana ny Jentilisa mba ho tonga mpanara-dia marina an’i Kristy. Saika nampizara ny fiangonan’ny TV ho roa izany finoana izany, saingy niara-niasa ireo apôstôly mba hisorohana izany loza nananontanona izany tsy hitranga. Navelan’izy ireo ny fahasamihafana tao aminy, ka afaka nampitoetra ny tenan’i Kristy ho iray izy ireo ary ho mahatoky amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.


 Pejy ambony