SS 3 4T 2018

LESONA 3

13 - 19 Oktobra

"MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA"

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 17:1–5; Jao. 17:9–19; Jao. 17:20; Mar. 9:38–41; 1 Jao. 2:3–6; Jao. 13:34,35.


Tsianjery: “Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.” - Jao. 17:20, 21.


INONA NO TENA NANAHIRAN-TSAINA INDRINDRA AN’I JESOSY mialoha ny hahafatesany? Mamaly io fanontaniana io i Jaona ao amin’ny Jao. 13–-17. Ao anatin’ireo toko dimy manan-danja ireo no itantaran’i Jaona ny teny farany nataon’i Jesôsy tamin’ny mpianany. Rehefa izay dia nivavaka Izy (Jao. 17). Misy olona sasany milaza fa asehon’ny fivavak’i Jesôsy fa Izy no Mpisoronabentsika.

“Ao amin’io vavaka io no anoloran’i Jesôsy amin’ny fahafenoany ny Tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra noho ny otantsika. Sady Mpisoronabentsika i Jesôsy no fanatitra noho ny otantsika. Nivavaka ho an’ny olona rehetra hanolorany ny ainy tsy ho ela intsony Izy, ka ao anatin’izany ny mpanara-dia Azy tamin’izany fotoana izany sy ny olona hino Azy atỳ aoriana.” - GJ, t. 328.

Maneho ny faniriany lalina ny mba hiraisan’ny mpanara-dia Azy rehetra ny vavak’i Jesôsy (Jao. 17:9,10). Amin’ity herinandro ity isika dia handinika ny vavaka nataon’i Jesôsy ny mba hahatonga ny vahoakany ho iray ihany ao Aminy. Hamaly ireto fanontaniana ireto isika: Inona no antom-bavak’i Jesôsy? Iza no nentiny amim-bavaka? Inona no hevitr’izany vavaka izany ho antsika ankehitriny?


Pejy ambony

 

ALAHADY


NIVAVAKA HO AN'NY TENANY I JESOSY (Jao. 17:1-5)

Andeha     hojerentsika     akaiky     kokoa     ny vavaka nataon’i Jesôsy ho antsika amin’ny mahaMpisoronabentsika Azy. Mizara telo ny vavak’i Jesôsy.

Nivavaka ho an’ny Tenany aloha Izy voalohany indrindra (Jao. 17:1–5), ary avy eo ho an’ny mpianany (Jao. 17:6– 19). Farany, nivavaka ho an’ny olona rehetra izay hino Azy any aoriana any Izy (Jao. 17:20–25).

Vakio ny vavaka nataon’i Jesôsy ho an’ny Tenany ao amin’ny Jao. 17:1–5. Inona no antom-bavak’i Jesôsy teto? Inona no hevitr’izany vavaka izany ho antsika?

Nangataka ny fanampian’Andriamanitra Azy i Jesôsy. Tany aloha, dia nilaza Izy fa tsy mbola tonga ny fotoana hahafatesany (Jao. 2:4; Jao. 7:30; Jao. 8:20). Fantany amin’izay anefa izao fa ankehitriny no fotoana mety hanolorany tena ho faty noho ny otantsika. Nila an’Andriamanitra Izy mba hampahery Azy, amin’izay dia ho vitany ny asany teto an-tany. Fotoam-bavaka io fotoana mahatahotra teo amin’ny fiainan’i Jesôsy io.

Hanome voninahitra ny Rainy amin’ny fanaovana ny zavatra rehetra asain’Andriamanitra hataony i Jesôsy. Tsy maintsy manaiky ny hazo fijaliana Izy. Inona no hevitry ny hoe “tsy maintsy manaiky ny hazo fijaliana Izy”? Midika ve izany fa tsy nanan-tsafidy i Jesôsy? Tsia, tsy izany velively. Midika izany fa nifidy ny hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra Azy Izy, ary nampiasainy mba hifidianana ny ho faty ho antsika izany. Koa dia tsy hoe noterena ho faty i Jesôsy. Vonona ny ho faty tokoa mantsy Izy mba hanomezany voninahitra ny Rainy. Ny hazo fijaliana no antony nahaterahan’i Jesôsy toy ny olombelona. Tonga tao anatin’ny tenan’olombelona Izy ary nifidy ny ho faty teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fahotan’ny olona rehetra eto an-tany.

Manoritsoritra amintsika ny atao hoe fiainana mandrakizay ny Jao. 17:3. Inona moa izany? Inona no hevitry ny hoe mahafantatra an’Andriamanitra?

Milaza i Jesôsy fa avy amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay, ary avy amin’ny fahatakarana ny zavatra nataon’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana izany fahafantarana izany. Takatsika izany rehefa mifandray amin’Andriamanitra Ray isika. Amin’ny maha-olombelona dia ferantsika ho amin’ny zava-misy sy ny fampahafantarana ampitaina fotsiny ny fahalalantsika. Tian’i Jesôsy haseho amintsika anefa fa tena lalina tokoa ny fahalalana marina. Fifandraisana tena misy sy manokana amin’Andriamanitra izany. Tonga teto antany i Jesôsy mba hitari-dalana antsika olombelona eo amin’ny fikatshana ny fahalalana momba an’Andriamanitra sy mba hanampy antsika hitady firaisana sy fiadanana.

Inona no tsy mampitovy ny hoe mahafantatra ny momba an’Andriamanitra sy ny tena mahalala hoe Iza moa Izy?


Pejy ambony

ALATSINAINY


NIVAVAKA HO AN'NY MPIANANY I JESOSY (Jao. 17:9-19)

Ao amin’ny Jao. 17:9–19, dia mivavaka ho an’ ny mpianany i Jesôsy. Inona no angatahany mba hataon’Andriamanitra Ray ho azy ireo?

Rehefa avy nivavaka ho an’ny Tenany i Jesôsy, dia nivavaka ho an’ny mpanara-dia Azy. Tandindomin-doza hanary ny finoany mantsy izy ireo ao aoriandriana ao, rehefa tsy hiaraka aminy intsony i Jesôsy. Koa nangataka an’Andriamanitra Ray Izy mba hikarakara azy ireo.

Tian’i Jesôsy raha mba harovan’ny Ray amin’ny faharatsiana eto an-tany ny mpanara-dia Azy. Tsy nivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesôsy satria fantany fa manohitra ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny vahoakany rahateo izany (1 Jao. 5:19). Koa satria ny tany no toerana hanompoan’ny mpianany Azy, dia nivavaka Izy mba hiarovan’Andriamanitra azy ireo. Tena mihevitra ny tsirairay tokoa i Jesôsy. Izy no Mpamonjy. Ho an’izay rehetra mino Azy ny fahafatesany. Izany no antony nahatonga Azy hivavaka ho an’ny mpanara-dia Azy mba tsy handresy azy ireo ny devoly (Mat. 6:13).

Efa nandresy ny iray tamin’ny mpanara-dia an’i Jesôsy anefa i Satana, dia i Jodasy izany. Raha nanomboka iny alina iny, dia efa nanambara tamin’ny mpianany i Jesôsy fa hamadika Azy ny iray amin’izy ireo (Jao. 13:18–30). Nilaza mihitsy aza Izy fa efa nampitandrina ny amin’izay hataon’i Jodasy ny Baiboly (Sal. 41:9). Tsy noterena hamadika an’i Jesôsy i Jodasy. Nandritra ny fiarahamisakafo farany tamin’ny Paska, dia naneho fitiavana sy fisakaizana taminy i Jesôsy (Jao. 13:26–30). “Nopoforoin’i Jesôsy ny maha-Andriamanitra, tamin’ny Paska, tamin’ny nampibaribariany ny fikasan’ilay mpamadika [Jodasy]. Noraisiny tamim-pitiavana ho anisan’izay nandray ny fanompoana natao tamin’ny mpianatra izy. Tsy noraharahainy anefa ny antso faran’ny fitiavana.” – IFM, t. 772.

Fantatr’i Jesôsy fa mety hampisaraka ny mpianatra ny fialonana, tahaka ny efa niseho hatramin’izay. Koa nivavaka ho azy ireo Izy mba hiray saina sy fo (Jao. 17:11). Andriamanitra irery ihany no afaka nampiray saina sy fo ny vahoakany, ary tanteraka izany satria iray ihany ny Ray sy ny Zanaka. Ilaina io firaisan-tsaina sy firaisam-po io mba hampahomby ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra.

Amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika, dia mila manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny fahafenoany isika mba ho tonga amin’ny fahamasinana. Ilaina izany mba hahavonona antsika hiasa ho Azy. Mila ovain’ny fahamarinana izay ampianarintsika ny hafa isika.  


Ahoana no tokony hivelomantsika ny fiainantsika mba hanehoana fa “tsy naman’izao tontolo izao” isika (Jao. 17:14)?

Pejy ambony

TALATA


HO AN'IZAY MINO AHY (Jao. 17:20)

Vita ny vavaka nataon’i Jesôsy ho an’ny mpianany. Rehefa izay dia nivavaka Izy “ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny [tenin’ny mpianatra]” - Jao. 17:20.

Vakio ao amin’ny Jao. 17:20–26 ny fanirian’i Jesôsy lehibe indrindra ho an’ireo mpino Azy any aoriana. Inona izany? Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny fahatanterahan’io vavaka nataony io?

Koa satria iray ihany ny Ray sy ny Zanaka, dia nivavaka i Jesôsy mba ho iray ihany koa ireo mpino rahatrizay. Inona no hevitry ny hoe iray ihany ny Ray sy ny Zanaka? Miara-miasa ao anatin’ny firaisana tanteraka izy ireo eo amin’ny zavatra rehetra ataony (Jao. 5:20–23). Miray ao anatin’ny fitiavana ny mpanota ny fon’izy ireo. Tena lalina tokoa mantsy ny fitiavany ny olona hany ka nanaiky ny hanolotra ny Zanany mba hamonjy antsika ny Ray ary ny Zanaka koa nanaiky an-tsitrapo hanolotra ny ainy (Jao. 3:16; Jao. 10:15).

Nivavaka i Jesôsy mba hananan’ny mpanara-dia Azy ny fitiavana ananan’ny Ray sy ny Zanaka (Jao. 13:35). Rehefa haneho ny fitiavan’i Jesôsy amin’ny olona ny mpianany, dia ho hitan’ireo olona ireo fa tena manana firaisana marina amin’i Jesôsy sy ny Ray izy ireo. “Ny Kristianina izay miray fo sy saina dia maneho amin’ny olona hafa fa marina ny Filazantsara.” - J, t. 498. Ny firaisantsika dia haneho amin’ny olona rehetra eto an-tany fa i Jesôsy no Mpamonjy. Zavatra tsy azontsika afenina ny firaisana marina, fa tsy maintsy asehontsika. Raha tsy hitan’ny olona ny firaisantsika, dia ahoana no hinoany fa marina ny Filazantsara momba an’i Jesôsy?

“Irin’Andriamanitra ny hampikambana ho iray ny vahoakany ao anatin’ny zavatra inoany. Mialoha indrindra ny hahafatesany eo amin’ny hazo fijaliana, dia nivavaka ho an’ny mpianany i Jesôsy mba hiray fo sy saina izy ireo, tahaka ny maha-iray ny Ray sy ny Zanaka. Rehefa hitan’ny olona eto an-tany fa miray tahaka izany ny mpianatr’i Jesôsy, dia hino izy ireo fa nirahin’Andriamanitra i Jesôsy mba hamonjy azy ireo koa. Nanao io vavaka tsara loatra sy mampihetsipo io ho antsika Izy. (…)
“Tokony hivavaka isika mba hamalian’Andriamanitra io vavaka io sy hahatanteraka izany eo amin’ny fiainantsika.” – TFC, b. 4, t. 17.

Inona no azontsika tanterahina eo amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fiangonana mba hisian’ilay firaisana noresahin’i Jesôsy?


Pejy ambony

ALAROBIA


FIRAISANA EO AMIN'NY SAMY KRISTIANINA (Mar. 9:38-41)

Ao amin’ny Mar. 9:38–41 sy Jao. 10:16, dia mampitandrina antsika i Jesôsy mba tsy hitsara na hanilikilika ny olona tsy mitovy hevitra amintsika mikasika izay tokony ho mpianany. Inona no anton’izany fampitandremana izany?

Mino ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa ny mba hisian’ny firaisana eo amin’ny fiangonana no votoatin’ny vavaka nataon’i Jesôsy ao amin’ny Jao. 17. Ny firaisana dia midika fa mitovy ny fahatsapana sy ny hevitra ary ny finoan’ny mambran’ny fiangonana momba an’Andriamanitra. Amin’ny maha-Advantista antsika, dia mino isika fa tsy maintsy miray isika mba hamita ny asa nankinin’Andriamanitra tamintsika, dia ny hitory ny hafatry ny Anjely Telo amin’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany.

Ahoana kosa indray ny momba ny firaisantsika amin’ny Kristianina hafa? Tian’i Jesôsy hifandray amin’izy ireny ve isika? Inona no ambaran’ny vavaka nataony ao amin’ny Jao. 17 amintsika? Mazava ny voalazan’ny Baiboly: manana mpanara-dia mahatoky Aminy Andriamanitra, eny fa na ao Babilônina aza. I Babilônina dia sary an’ohatra enti-maneho ireo fiangonana niala tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly (Apôk. 18:4).

Etsy ankilan’izany, fantatsika avy amin’ny bokin’ny Apôkalipsy fa olona maro no hiala amin’ny fahamarinan’ny Baiboly amin’ny andro farany. Hisy Kristianina sandoka koa hikambana amin’ny fanjakana mba hanenjika ireo mpanara-dia an’Andriamanitra mahatoky (Apôk. 13:1–17). Noho ireo antony ireo no mahatonga ny Advantista ho mailo mandrakariva manolona ny firaisana amin’ny fiangonana hafa.

Koa amin’ny lafiny inona àry izany no tokony hifandraisantsika amin’ny Kristianina avy amin’ny fiangonana hafa? Indreto misy torohevitra feno fahendrena nomen’i Ellen G. White momba io lohahevitra io: “Naseho ahy fa tsy tokony hihatakataka amin’ny mpiasan’ny W.C.T.U. [Women’s Christian Temperance Union (Fikambanam-behivavy mitory ny fahalalana onony kristianina] isika. Azontsika atao ny mikambana amin’izy ireo mba hitory ny hafatra momba ny loza ateraky ny fisotroana toaka. Tsy midika anefa ny fiarahantsika miasa aminy fa hanjary tsy hahatoky amin’ny fahamarinana momba ny Sabata isika. Rehefa miara-miasa amin’ny mpiasan’ny W.C.T.U. isika, dia manana tombontsoa haneho amin’izy ireo fa tiantsika ny hafatra toriny momba ny toaka. Mahazo fanampiana avy amin’izy ireo koa isika eo amin’ny fitoriana izany hafatra isika. Rehefa mikambana amintsika izy ireo, dia hahafantatra fahamarinana vaovao, fahamarinana izay maha-dodona ny Fanahy Masina ny hametraka azy ao am-pony.” — WM, t. 163.

Manolotra antsika fitsipika manan-danja vitsivitsy azo ampiharina ny tenin’i Ellen White. Voalohany, afaka mikambana amin’ny Kristianina hafa isika mba hanampy olona. Faharoa, rehefa miara-miasa amin’ny Kristianina hafa isika, dia tsy tokony hahafoy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay inoantsika. Fahatelo, azontsika ampiasaina io tombontsoa io mba hizarana amin’izy ireo ny fahamarinana.

Pejy ambony

ALAKAMISY


JESOSY OHA-PITIAVANA MAHATALANJONA (Jao. 13:34,35)

Ao amin’ny Jao. 17:3, dia milaza i Jesôsy fa ny fiainana mandrakizay dia ny fahafantarana an’Andriamanitra. Vakio ny 1 Jao. 2:3–6. Manambara inona ireo andininy ireo mikasika ny tena hevitry ny hoe mahafantatra an’Andriamanitra? Ahoana no anehoantsika fa manana an’Andriamanitra isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

Olona maro ankehitriny no milaza azy ho olom-pirenena mendrika. Mankatὸ ny lalàn’ny fireneny izy ireo. Matetika koa anefa ireo olom-pirenena ireo ihany no milaza fa tsy ilaintsika intsony ny mankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. “Tsy fepetra hahafantarana an’Andriamanitra ny fankatoavana ny lalàny, fa fanehoana amin’ny olona hafa fa efa mahafantatra Azy sy tia Azy isika. Koa tena manan-danja ny fahafantarana an’Andriamanitra. Tsy mahasoa antsika anefa izany fahafantarana izany raha tsy ampiasaintsika. Ny fahafantarana an’Andriamanitra dia mitarika antsika haneho miharihary ny zavatra fantatsika momba Azy.” - LJ, t. 39. I Jesôsy mihitsy no nilaza fa mitarika ho amin’ny fankatoavana ny fitiavantsika Azy (Jao. 14:15,21), ary amin’ny fitandremantsika ny lalàny no anehontsika izany fitiavana izany (1 Jao. 5:2,3).

Inona no didy vaovao nomen’i Jesôsy ny mpianany? Vakio ny Jao. 13:34,35. Ahoana no ifandraisan’io didy vaovao io amin’ny firaisan’ny mambran’ny fiangonana? Araka ny efa nianarantsika, ny firaisana dia midika fa mitovy ny fahatsapana sy ny hevitra ary ny finoan’ny mambran’ny fiangonana momba an’Andriamanitra.

Tsy vaovao velively ny didy nomen’Andriamanitra ny mpanara-dia Azy mba hitia ny namany. Efa nomen’Andriamanitra an’i Mosesy io didy io (Lev. 19:18). Ny vaovao dia ny nandidian’i Jesôsy ny mpianany mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. Naneho ny ohatry ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena tamin’ny mpianany tokoa mantsy Izy. Io fitiavana io no manjary fomba vaovao hanehoan’ny Kristianina fitiavana.

Endrey, oha-pitiavana mahatalanjona tokoa izany! Fitiavana voaseho tamin’ny asa ny fiainan’i Jesôsy iray manontolo. Nasehony ny hevitry ny hoe mivelona fiainam-pahasoavana. Rehefa mameno ny fiainantsika ny fahasoavan’Andriamanitra, dia tsy hiaina mba hampifalifaly ny tenantsika fotsiny isika fa hanao tahaka an’i Jesôsy. Tsy nitsahatra nanasoa olona Izy. Nafoiny avokoa ny zavatra rehetra mety hisakana Azy tsy hanampy azy ireo. Koa ny fitsipika izay nanetsika an’i Jesôsy koa no tokony hanetsika ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny asany.  

Ahoana no anehoantsika ny fitiavan’i Jesôsy, izay tsy misy fitiavan-tena, amin’ny olona hafa?


 Pejy ambony


ZOMA

Fianarana fanampiny: Vakio ny: “Ny lalàn’Andriamanitra tsy azo ovana” ao amin’ny HM, tt. 455-460; vakio koa ny lahatsoratra: “Denominations, Relations to Other”, tt. 763,764, sy “Roman Catholic Church”, 1110, ao amin’ny The Ellen G. White Encyclopedia.

“Antokom-pivavahana maneran-tany misy fiangonana amin’ny toerana maro ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. (…) Na izany aza, tsy milaza izy fa izy irery ihany no tena fiangonan’i Kristy. Tsy milaza koa anefa izy etsy andanin’izany, fa azo heverina ho fiangonan’Andriamanitra marina ireo fiangonana kristianina hafa. Inoan’ny Advantista fa ny olona rehetra izay tena mino Azy marina no mandrafitra ny fiangonan’Andriamanitra marina ary fantatr’Andriamanitra ireo olona ireo. Ny Advantista koa anefa dia tena milaza fa izy ireo no fiangonan’Andriamanitra manokana amin’ny andro farany. Zanak’Andriamanitra sisa ihany koa no anarana hafa iantsoana io fiangonana io. [Sary an’ohatra entina hiantsoana ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito io hoe zanaka sisa io, izay maneho fa navahan’Andriamanitra tamin’ny vondron’olona hafa rehetra eto an-tany isika mba ho vahoakany manokana amin’ny andro farany. Mankatὸ ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika amin’ny maha-fiangonan’Andriamanitra sisa antsika.] Mino ny Advantista fa izy ireo no zanak’Andriamanitra sisa sady manokana izay velona amin’ny andro farany, ary resahin’ny Baiboly ao amin’ny Apôk. 12:17 sy Apôk. 12–-14.” - UCNT, t. 37

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Nirin’i Jesôsy ny hanandraman’ny fiangonana tamin’ny andron’ny TV firaisana. Inona no asehon’izany momba ny faniriany ny hanandramantsika koa ny firaisana ao amin’ny fiangonana ankehitriny?

2. Efa niara-niasa tamin’ny Kristianina hafa ve ny fiangonanao mba hamahana olana teo anivon’ny fiarahamonina? Raha eny, fanandramana tsara ve izany? Ahoana no ahafahantsika miara-miasa amin’ny Kristianina sasany no sady mijoro ho mahatoky koa amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

 Pejy ambony