NY BOKIN'NY ASAN'NY APOSTOLY
JOLAY - AOGOSITRA - SEPTAMBRA
TELOVOLANA FAHATELO
Fampidirana
Ny Fandresen’ny Filazantsara
Mpahay tantara maro no mino fa ny fotoana manan-danja indrindra eo amin’ny tantara, dia ilay nilazan’ny vondrona lehilahy vitsivitsy tamin’izao tontolo izao ny momba an’i Jesôsy sy ny filazantsara. Saika Jiosy avokoa izany lehilahy izany ary ny Fanahy Masina no nomba azy.
Ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly no mirakitra ny tantaran’izany fotoana manan-danja izany. Tao anatin’ny 30 taona mahery kely teo ho eo no nisehoany, izany hoe nanomboka tamin’ny nitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty, tamin’ny taona 31 TrK ka hatramin’ny fotoana voalohany nampidirana an’i Paoly an-tranomaizina tany Rôma, tamin’ny taona 62 TrK (Asa. 28:30). Azo inoana fa raha vao nampidirana am-ponja i Paoly, dia nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly i Lioka. Nahoana hoy ianao? Satria taorian’ny nanaovana azy an-tranomaizina no nifarana ny tantara tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly. Ny Baiboly dia milaza fa navotsotry ny Rômanina i Paoly taty aoriana ary noho izany dia afaka nanohy nitory ny filazantsara momba an’i Jesôsy tamin’ny olona indray. Nanohy ny asa fitoriana sy ny diany hatrany i Paoly mandrapahatonga azy ho voasambotra fanindroany indray, taona vitsy taorian’izany. Tamin’izay no namonoana azy tao Rôma, tamin’ny taona 67 TrK.
Tsy milaza na inona na inona momba ny mpanoratra azy ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly saingy mpitondra fiangonana maro no nilaza, taona maro taty aoriana, fa i Lioka no nanoratra izany. I Lioka ihany koa no ilay “malala, mpanao fanafody” noresahin’i Paoly ao amin’ny Kôl. 4:14. Naman’i Paoly i Lioka, ary efa nanao dia lavitra niaraka taminy izy (1 Tim. 4:11; Fil. 24). Maro no mino fa i Lioka ihany koa no nanoratra ny tantara ao amin’ny filazantsara fahatelo, izay azo inoana fa ilay “boky voalohany” noresahiny ao amin’ny Asa. 1:1 (ampitahao amin’ny Lio. 1:3). Na ny filazantsaran’i Lioka na ny bokin’ny Asan’ny Apôstoly dia samy mampahafantatra ny fomba niandohan’ny fivavahana kristianina avokoa. Mitantara ny fiainan’i Jesôsy sy ny asany ny filazantsaran’i Lioka, ary ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly kosa dia miresaka momba ny asan’ireo mpanara-dia an’i Jesôsy voalohany tamin’ny nitorian’izy ireo hatraiza hatraiza teto an-tany ny vaovao mahafaly momba an’i Jesôsy, tamin’ny andron’ny TV.
Ny fitambaran’ny filazantsaran’i Lioka sy ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly no mameno ny 27% na ny ampahatelony eo ho eo amin’ny TV. Midika izany fa i Lioka no nanoratra betsaka kokoa ao amin’ny TV mihoatra noho ny mpanoratra hafa. Toa milaza i Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kôlôsianina fa tsy Jiosy i Lioka (Kôl. 4:7-14). I Lioka irery ihany no mpanoratra tsy Jiosy amin’ireo mpanoratra ny TV rehetra, ankoatra izay Jiosy avokoa.
Rehefa fantatsika hoe tsy Jiosy i Lioka, dia ho azontsika an-tsaina ilay lohahevitra lehibe noresahiny mikasika ny hoe: te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra. Tsy mba manavakavaka Andriamanitra ary mandidy ny fiangonana Izy mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra hatraiza hatraiza (Asa. 1:8; Asa. 2:21, 39,40; Asa. 3:25; Asa. 10:28, 34,35). Raha tsy manao izany asa izany isika, dia ny Filazantsara mihitsy no toherintsika, sy ilay fahamarinana ara-Baiboly tena manan-danja hoe: mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Mpanota mila an’i Jesôsy mba hamonjy antsika avokoa isika.
Ireto koa misy lohahevitra manan-danja hafa: (1) Ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra sy ny drafiny ho famonjena antsika (Asa. 17:24, 25; Asa. 20:27; Asa. 23:11). (2) Ny fahamarinana momba ny maha-Tompo sy Mpamonjy an’i Jesôsy (Asa. 2:32,36; Asa. 3:13,15; Asa. 4:10–12; Asa. 5:30,31); ary (3) ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fitarihana ny fiangonana sy ny fanomezana tanjaka azy eo amin’ny fantanterahana ny asan’Andriamanitra (Asa. 2:1–4; Asa.4:24–31; Asa. 8:14–17,29,39; Asa. 10:19,20). Tsy avy amin’ny fahendrena na ny fahaizan’olombelona ny fahombiazan’ny fiangonana tao amin’ny TV fa avy tamin’Andriamanitra. Toy izany koa ny amin’izao andro izao. Tsy misy mpitondra fiangonana tamin’ny andron’i Paoly ka nahavita ny nataony (1 Kôr. 15:10). Nampiasa an’i Paoly hanova izao tontolo izao amin’ny fomba mampitolagaga indrindra Andriamanitra, ary mbola hampiasainy koa isika hanao toy izany.
Tantarain’ny Asan’ny Apôstôly ny amin’ny firoboroboan’ny fiangonana tao amin’ny TV. Mahita ohatra iray ny amin’izany isika rehefa mamaky ireo valina fanontaniana sarotra napetraka tamin’ny fiangonana. Anisan’izany ny momba (1) ny finoana sy ny fomba hanampiany antsika eo amin’ny famonjena, (2) ireo zavatra tsy maintsy ataon’ny mambra tsy Jiosy ary (3) ny fotoana izay hiverenan’i Jesôsy eto an-tany indray. Maro be tokoa ny asa vitan’ny fiangonan’ny TV tao anatin’ny fotoana fohy, ary ny fahombiazany dia mampiseho izay azon’Andriamanitra atao rehefa manolotra ny fiainantsika ho Azy sy mivavaka isika. Tokony hanana fanetren-tena anefa isika, ary tsy tokony hamela ireo olana na fifandirana amin’ny mpino hafa hisakana ny asantsika ho an’Andriamanitra. Amin’izay ny Fanahy Masina dia afaka hampiasa antsika hanome voninahitra sy haja ho an’Andriamanitra.
Ny Asan’ny Apôstôly dia tantaran’ireo olona izay nantsoin’Andriamanitra mba hanomboka ny asany. Inona no azontsika hianarana avy amin’ny tantaran’izy ireo, dia isika izay nantsoin’Andriamanitra hamita izany asa izany?
Mpampianatra momba ny fanazavana ny Testamenta Vaovao eny amin’ny Oniversite Advantista any Brésil (UNASP), any Engenheiro Coelho, São Paulo, i Wilson Paroschi. Manana ny maripahaizana PhD momba ny Testamenta Vaovao tao amin’ny Oniversite Andrews izy (2004) ary nanohy ny fianarany tao amin’ny Oniversiten’i Heidelberg, Alemaina (2011).
JOLAY - AOGOSITRA - SEPTAMBRA
TELOVOLANA FAHATELO
| Lesona 1 | Ianareo no vavolombeloko | 30/06 - 06/07 |
| Lesona 2 | Ny Pentekôsta | 07/07 - 13/07 |
| Lesona 3 | Ny fiainan'ny fiangonana voalohany | 14/07 - 20/07 |
| Lesona 4 | Ireo mpitondran'ny fiangonana voalohany | 21/07 - 27/07 |
| Lesona 5 | Ny fiovam-pon'i Paoly | 28/07 - 03/08 |
| Lesona 6 | Ny asa fanompoan'i Petera | 04/08 - 10/08 |
| Lesona 7 | Ny dia misionera voalohany nataon'i Paoly | 11/08 - 17/08 |
| Lesona 8 | Ny fihaonambe voalohany tany Jerosalema | 18/08 - 24/08 |
| Lesona 9 | Ny dia misionera faharoa | 25/08 - 31/08 |
| Lesona 10 | Ny dia misionera fahatelo | 01/09 - 07/09 |
| Lesona 11 | Fisamborana an'i Paoly tao Jerosalema | 08/09 - 14/09 |
| Lesona 12 | Fitazomana an'i Paoly tao Kaisaria | 15/09 - 21/09 |
| Lesona 13 | Ny dian'i Paoly tany Roma | 22/09 - 28/09 |