21 -27 JANOARY 2017
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 16:13,14; Rôm. 8:14-16; Rôm. 15:13; Jao. 14:6; Jao. 17:17; Rôm. 5:5.
Tsianjery: “Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” - Jao. 14:26.
Manoritsoritra ny Fanahy Masina ny Baiboly. Indraindray anefa ny Baiboly dia mampiasa fomba fiteny izay mampihevitra fa toa tsy Persônina ny Fanahy Masina. Tafiditra ao anatin’io fomba fiteny io ny sarinteny na ny tandindona tahaka ny rivotra sy ny afo. Vokatr’izany, misy olona sasany namoaka fehin-kevitra fa tsy tena Persônina velively ny Fanahy Masina, fa karazana hery avy amin’Andriamanitra. Mihevitra izy ireo, ohatra, fa tahaka ny herinaratra elektrika izay manome hery antsika, fa tsy Persônina izay tena misy tokoa Izy. Mora tokoa ny mahita andininy izay manaporofo io fomba fijery io, saingy ny tena fanontaniana mipetraka dia ny hoe: misy andininy matanjaka koa ve ao amin’ny Baiboly izay maneho fa manana fihetseham-po sy hevitra ary fihetsiky ny Persônina ny Fanahy Masina?
Misy andininy maro ao amin’ny Baiboly izay manome antsika sary feno kokoa momba ny Fanahy Masina. Handalina ireo andininy ireo isika amin’ity herinandro ity. Hanampy antsika hahafantatra misimisy kokoa ny momba ny Fanahy Masina izany. Io fahamarinana io dia hanampy antsika hahatakatra misimisy kokoa ny andraikitry ny Fanahy Masin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ary hanampy antsika ihany koa izany hahatakatra lalindalina kokoa hoe nahoana no zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ara-panahy ny mino fa Persônina ny Fanahy Masina. Rehefa marina irery ihany tokoa mantsy ny hevitsika momba ny Fanahy Masina vao afaka manome Azy ny fitiavana, ny fanajana, ny fitokiana ary ny fileferana tokony ho Azy isika.
Ny famaritan’i Jesôsy ny Fanahy Masina (Jao. 16:13,14)
Vakio ny Jao. 16:13,14; Jao. 15:26,27; ary ny Jao. 14:17,26. Ahoana no amaritan’i Jesôsy ny tenan’ny Fanahy Masina ao amin’ireo andininy ireo? Midika inona aminao ny famaritan’i Jesôsy ny Fanahy Masina ho Mpanampy na Mpananatra (parakletos amin’ny teny grika)?
Araka ny lazain’i Jesôsy, ny Fanahy Masina dia mitarika, miteny, mihaino, manambara, ary mankalaza (Jao. 16:13,14). Ny Fanahy Masina koa dia mampianatra sy mampahatsiahy antsika (Jao. 14:26). Mitoetra ao anatintsika Izy (Jao. 14:17), vavolombelona manambara Izy (Jao. 15:24,26), ary mampiaiky Izy(Jao. 16:8). Ireo asa ireo dia mitovy kokoa amin’ny asan’ny Persônina mahaleo tena izay mieritreritra tsara, noho amin’ny asan’ny hery iray izay tsy manana fihetseham-po.
Vakio ny Jao. 14:16-18. Ahoana no hahatanterahan’ny teny fikasana nomen’i Jesôsy? Ahoana no tsy hamelana irery ny mpianatra?
Miahy ireo mpanara-dia Azy i Jesôsy. Tsy hamela ny mpianany ho kamboty Izy. Nampanantena Izy fa haniraka ny Fanahy Masina. Milaza mazava tsara i Jesôsy eto fa haniraka “Mpanampy hafa” na “Mpananatra hafa” Izy. Tena manan-danja ireo teny ampiasain’i Jesôsy eto. Mampanantena Izy fa haniraka mpananatra hafa. Tsy hoe mpananatra tsy mitovy tsy akory. Ny teny grika ilazana ny “hafa” dia allos. Amin’ny fiteny grika ao amin’ny TT, ny “allos” dia midika fa haniraka mpananatra hafa i Kristy. Persônina mitokana io mpananatra io, saingy mitovy toetra amin’Andriamanitra, izany hoe mitovy Aminy. Amin’ny fiteny hafa dia hoe: nampanantena i Jesôsy fa haniraka Persônina tahaka Azy ihany, Persônina izay haka ny toerany, Persônina izay hanohy hanao ny asan’i Kristy ao anatintsika, ary Persônina izay solontenany.
Io asan’ny Fanahy Masina io no asan’ny mpanampy na mpananatra. Eto ny Baiboly dia mampiasa ny teny grika hoe parakletos (Jao. 14:16) mba hamaritana olona iray izay antsoina mba hanohana sy hanampy antsika. Koa tahaka ny maha-Persônina an’i Jesôsy, ny Fanahy Masina koa dia Persônina. Manohana io hevitra io ny Baiboly amin’ny fanoritsoritana ny fihetsiky ny Fanahy Masina amin’ny fomba manondro olona (Vakio ny Jao. 14:26; Jao. 15:26; Asa. 15:28; Rôm. 8:26; 1 Kôr. 12:11; ary ny 1 Tim. 4:1).
Nahoana no tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa Persônina ny Fanahy Masina fa tsy hery fotsiny?
Pejy ambony
Ireo lafiny amin’ny maha-Persônina ny Fanahy Masina: Fizarana 1 (Rôm. 8:14–16)
Vakio ireto andininy manaraka ireto: Rôm. 8:14-16,27; Rôm. 15:30; 1 Kôr. 2:10; Asa. 8:29; Asa. 10:19,20; ary ny Asa. 28:25. Miresaka momba ny hery tsy manana ny momba azy manokana ve ireo andininy ireo sa momba ny Persônina iray tahaka an’Andriamanitra? Nahoana?
Afaka manelanelana antsika eo anatrehan’Andriamanitra ve ny hery tsy manana ny momba azy manokana? Moa ve ny fanahy na hery tsy manana ny momba azy manokana afaka maneho amintsika ireo zavatra momba an’Andriamanitra? Afaka miteny ve ny hery tsy manana ny momba azy manokana? Misy heviny kokoa ireo fanambaran’ny Baiboly izay novakintsika rehetra teo raha mino isika fa Personina ny Fanahy Masina fa tsy hery tsy manana ny momba azy manokana.
Vakio ireto andininy manaraka ireto: Efes. 4:30; Asa. 5:3,9; 1 Kôr. 12:11; ary ny Rôm. 15:30. Ahoana no anehoan’ireo andininy ireo fa mahatsapa zavatra, mieritreritra ary mitondra tena tahaka ny tena Persônina ny Fanahy Masina?
Zavatra telo no mandrafitra ny olona: fahalalana (na fahatakaran-javatra), fahatsapan-javatra, ary sitrapo. Ohatra: ny olona manana aina irery ihany no afaka mahatsapa alahelo. Ny olona manana aina irery ihany no azo fitahina sy andaingana. Ny olona manana aina irery ihany no afaka mifidy izay tiany hatao sy manana ny sitrapony manokana. Ny fananana sitrapo angamba no iray amin’ireo toetra miavaka indrindra amin’ny olona iray. Ary ny olona manana aina irery ihany no manana fahafahana hitia. Na izany na tsy izany, tsy hay vinavinaina amin’ny fomba tsy azo tsapain-tanana sy tsy mifandraika amin’olona ny fitiavana. Miaraka amin’ny fikasihana tena manokana ny fitiavana.
Ireo ampahany amin’ny olona rehetra ireo dia maneho ny fahafantaran’ny Fanahy Masina hoe iza moa Izy. Manana ny sitrapony manokana Izy, ary afaka mifidy ny hanao araka ny heviny. Afaka mitia Izy. Tsy hery mikoriana fotsiny amin’izao Izy. Tsy hery tsy manana ny momba azy manokana Izy. Tsy izany, fa asongadin’ny Baiboly amin’ireo fomban’olona ireo ny Fanahy Masina. Nahoana? Satria Andriamanitra dia Andriamanitra tena manana ny momba Azy manokana. Ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra.
“Manana ny momba Azy manokana ny Fanahy Masina, raha tsy izany dia tsy afaka milaza amin’ny fanahintsika sy miara-milaza amin'ny fanahintsika Izy fa zanak’Andriamanitra isika. Tsy maintsy ho Andriamanitra koa Izy, raha tsy izany dia tsy afaka mamantatra ireo zava-miafina lalina ao an-tsain’Andriamanitra Izy.” – Ev., t. 617.
Tahaka ny Persônina no fahitan’ny Baiboly ny Fanahy Masina. Ahoana no hanefen’io fomba fijery io sy hamolavolany ny fifandraisantsika Aminy? Inona no zavatra hiova raha toa ka hery tsy manana ny momba Azy manokana fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy Andriamanitra mihitsy?
Pejy ambony
Ireo lafiny amin’ny maha-Persônina ny Fanahy Masina: Fizarana 2 (Rôm. 15:13)
Miatrika fihaikana isika eo amin’ny fahatakarana ny hoe iza marina moa ny Fanahy. Sarotra ny maminavina Azy hoe Persônina Izy. Tsy hita na re na azo kasihina Izy. Azontsika atao ny maminavina an’Andriamanitra amin’ny maha-Ray Azy miaraka amin’ny vatana izay mety ho hita na re na tsapain-tanana. Maro koa no manana sary mivaingana sy mazava momba an’i Jesôsy satria resahina ao amin’ny Filazantsara ny momba Azy. Naka ny maha-olombelona Izy ary niseho tamintsika tao anatin’ny vatan’olombelona.
Ny Fanahy Masina kosa anefa dia aseho amin’ny fomba tena hafa mihitsy. Toa tsy azo tsapain-tanana Izy, ka tena sarotra tokoa ny mahatakatra Azy noho ny mahatakatra ny Ray sy ny Zanaka.
Vokatr’izany, nisintona ny fehin-kevitra ny olona sasany fa hery tsy manana ny momba Azy manokana fotsiny ny Fanahy Masina. Araka ny efa hitantsika hatreto anefa dia tena tsy milaza ny marina mahakasika ny Fanahy Masina io hevitra io. Misy fanambaràna tokoa mantsy ao amin’ny Baiboly izay tsy hisy heviny raha toa ka hery tsy manana ny momba Azy manokana na fahefana ao amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina.
Vakio tsara ireto andininy roa manaraka ireto, ka jereo raha misy heviny ihany izany raha toa ka soloinao amin’ny teny tsy manondro persônina hoe “hery” ireo teny na hevi-teny ilazana ny Fanahy Masina. Nahoana no misy heviny ireo andininy rehefa tena Persônina ihany ny Fanahy Masina?
Rom. 15:13
1 Kor. 2:4
Ny Asa. 15:28 dia manomboka amin’ny fanambaràna hoe: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay...” Tsy hisy heviny io andininy io raha toa ka hery na fahefana tsy manondro persônina fotsiny no lazaina eto. Manondro Persônina hafa kosa io andininy io. Koa tahaka ny maha-Persônina ny Ray sy Zanaka, dia tahaka izany koa ny Fanahy Masina.
Ankoatra izany, ahoana no anaovana batisa ny mpino “ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Mat. 28:19), raha toa ka Persônina ireo roa voalaza voalohany, fa ny fahatelo kosa tsy Persônina? Tsy misy heviny izany. Fa tsy maintsy tsapantsika fa ireo Telo ireo dia ampahany amin’ny Anarana Iray mitovy izay anaovana batisa antsika. Izany no mahatonga ny Fanahy Masina, aseho eto, ho mitovy amin’Andriamanitra Ray sy amin’Andriamanitra Zanaka.
Nanambara tamin’ny fomba feno fahendrena i Ellen G. White fa “misy Persônina velona telo ao amin’ny Telo Izay Iray any an-danitra (...): ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina.” – Ev., t. 615. Koa tena mazava koa ny heviny momba ny maha-Persônina ny Fanahy Masina.
Pejy ambony
Ny Fanahin’ny Fahamarinana (Jao. 14:6)
Vakio ny Jao. 14:6 sy ny Jao. 17:17. Inona no hevitry ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo?Teny tena manan-danja ny hoe fahamarinana ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Matetika no tena manjavozavo sy ara-keviny fotsiny ny fahatakarantsika ankehitriny ny fahamarinana. Mifototra kokoa amin’ny hevitra momba izay marina izany noho ny amin’ny fampiharana ireo hevitra ireo. Any amin’ny faritra Tandrefana dia ireo filôzôfa grika no namolavola ny fahamarinana. Ao amin’ny Baiboly anefa, ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona manokana, ny fahamarinana dia manana heviny mivaingana sy miavaka: i Jesôsy no fahamarinana (Jao. 14:6). Raha fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra (ampitahao amin’ny Jao. 17:17; Sal. 119:142), dia aseho amin’ny fomba miezinezina ao amin’ny tenan’i Jesôsy Kristy koa ny fahamarinan’Andriamanitra. Omena antsika ao amin’i Jesôsy ny fahafantarana marina an’Andriamanitra, i Jesôsy izay resahin’ny Soratra Masina, satria naneho ny Tenany tamin’ny alalany Andriamanitra.
Vakio ny Jao. 15:26 sy ny Jao. 16:13. Inona no andraikitra tanan’ny Fanahy Masina amin’ny maha-Fanahin’ny fahamarinana Azy?
Milaza amintsika ny Jao. 16:13 fa hitarika antsika ho amin’ny marina rehetra ny Fanahin’ny fahamarinana. Amin’ny alalan’ny fanondroana an’i Jesôsy Kristy sy amin’ny alalan’ny fanampiana antsika hahatsiaro izay nolazain’i Jesôsy (Jao. 15:26) sy izay nataony ho antsika no anaovan’ny Fanahy Masina izany fitarihana antsika izany. Tena manokana tokoa, noho izany, ny fahamarinana itarihan’ny Fanahy Masina antsika: manandratra an’i Jesôsy Izy ary mitarika antsika ho amin’ny fifandraisana velona sy mahatoky miaraka amin’i Jesôsy. Niresaka momba ny Fanahy tamin’ilay vehivavy samaritanina koa i Jesôsy. Nilaza Izy fa tsy maintsy “amin'ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jao. 4:24) no ivavahana amin’Andriamanitra. Rehefa mangataka ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika, dia hitarika antsika ho eo amin’i Jesôsy Izy, izay “làlana sy fahamarinana ary fiainana” - Jao. 14:6.Tsy zavatra ara-keviny na petra-kevitra manjavozavo, tahaka izay fahita matetika amin’ny filôzôfia, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny fahamarinana dia mitaky ny fananantsika fifandraisana tena manokana sy mahatoky amin’ny Mpahary sy Mpanavotra antsika, izay antsoina hoe: “Andriamanitry ny fahamarinana” (ampitahao ny Deo. 32:4 sy ny Sal. 31:5). Koa rariny raha antsoina hoe: “Fanahin'ny fahamarinana” ny Fanahy Masina (Jao. 14:17; Jao. 16:13). Na izany na tsy izany, Andriamanitra Ray no naniraka ny Fanahy tamintsika (Jao. 15:26). Tsy maneho fotsiny ny toetrany amin’ny maha-Persônina Azy izany, fa ny maha-Andriamanitra Azy koa.
Midika inona aminao ny hevitra fa Persônina ny fahamarinana? Ento eo amin’ny kilasy amin’ny Sabata ny valinteninao.
Pejy ambony
Nahoana no zava-dehibe izany? (Rôm. 5:5)
Manana ny momba Azy manokana ve ny Fanahy Masina? Tena manan-danja tokoa io fanontaniana io, izay misy fiantraikany eo amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fiainantsika ara-panahy amin’ny fomba tena mivantana tokoa. “Raha Persônina iray amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa mieritreritra isika fa hery tsy manondro Persônina Izy, dia mandroba amin’ny Persônina iray amin’Andriamanitra ny haja sy voninahitra ary fitiavana tokony ho Azy isika.” - LeRoy Edwin Froom, The Coming of the Comforter, t. 40.
Raha raisintsika ho toy ny hery saro-pantarina avy amin’Andriamanitra fotsiny ny Fanahy Masina, dia ho tahaka izao no hevitsika: Ahoana no ahafahako mahazo Fanahy Masina misimisy kokoa? Fa raha raisintsika ho toy ny Persônina iray amin’Andriamanitra Izy, dia hanontany hoe isika: Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mahazo misimisy kokoa ahy? Ny teboka fototra dia ny hoe: Tianao ho fanananao ve ny Fanahy Masina, sa tianao ho fananan’ny Fanahy Masina ianao? Manohitra ny hery miasa mangina ananany ve ianao, sa vonona ny hanaraka Azy amin’ny fankatoavana feno fifaliana (Vakio ny Rôm. 8:12–14; Gal. 5:18–24)? Te hampiasa ny Fanahy Masina araka ny drafitrao ve ianao, sa te hiankina Aminy ka mba hahafahany manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesôsy Kristy kokoa sy hanao izay eritreretiny ho anao? Raisinao amim-pahamatorana ve ny zava-misy fa “ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra” - 1 Kôr. 6:19? Ary vonona ny hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fomba fiainanao ve ianao?
Vakio ny Rôm. 5:5 sy ny Efes. 2:18,19. Ahoana no ifandraisan’ny Fanahin’Andriamanitra sy ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’ireo andininy ireo? Inona no fiantraikan’izany fitiavana izany eo aminao manokana sy eo amin’ny fiangonana iray manontolo? Ny olona ihany no afaka mifidy malalaka ny hiara-miasa. Koa asaina isika mba hiara-miasa amin’ny Fanahy Masina, Izy kosa mitarika sy manova antsika manokana sy manova ny fiangonan’Andriamanitra iray manontolo. Raha tsy ekentsika ho Persônina iray ao amin’Andriamanitra Telo Izay Iray ny Fanahy Masina, dia ho mora amintsika ny manadino Azy, sy ny manentsina ny sofintsika amin’ny fanasana ataony, ary ny manamafy ny fontsika amin’ny hery miasa mangina ananany ho fanovana ny fiainana. Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa olona lavo sy simban’ny fahotana isika. Mila ny fahasoavan’Andriamanitra manova fiainana mandrakariva isika. Koa ny zavatra tsy tokony hataontsika indrindra dia ny manao tsinontsinona ny fampirisihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika mba hanao ny marina. Tena ilaintsika ny manolotra misimisy kokoa ny tenantsika ho Azy.“Tsy azontsika ampiasaina ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no tokony hampiasa antsika.” – IFM, tt. 725,726. Araka ny hevitrao, inona no tian’i Ellen G. White hambara amin’ireo teny ireo? Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina mampiasa antsika? (Vakio ny Fil. 2:13.)
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio izay voalazan’i Ellen G. White mahakasika ny Fanahy Masina ao amin’ny IFM, tt. 721-726. Vakio koa ny Ev., tt. 613-617.
“Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etý an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.” – Mat. 28:18-20. Mariho fa raha namelabelatra ny fiantsoana ireo mpanara-dia Azy sy ny asa hotanterahin’izy ireo i Jesôsy, dia nasainy izy ireo hanao batisa ny mpianatra amin’ny “anarana” milaza olon-tokana, anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy niteny Izy hoe “amin’ireo anaran’” ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, fa “amin’ny anarana” fotsiny, avy amin’ny teny grika hoe onoma. Porofo matanjaka kokoa io, hanamarinana fa ny Andriamanitra izay ivavahantsika dia Andriamanitra Telo Izay Iray. (Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” – Deo. 6:4)
Araka ny efa nomarihin’ny lesona tamin’ity herinandro ity, tsy misy olona misalasala ny amin’ny maha-manana ny momba Azy manokana ny Ray sy ny Zanaka. Koa nahoana no misy olona misalasala ny amin’ny maha-manana ny momba Azy manokana sy ny maha-Persônina Azy ny Fanahy Masina? Araka ny voalazan’ny Baiboly, isika dia mahazo ny fanatrehana mamy sy feno fitahiana ary mampahery avy amin’Andriamanitra, izay miasa ao amintsika sy amin’ny alalantsika. Izany ny Fanahy Masina sy ny zavatra ataony. Ary tsara lavitra manao ahoana koa ny mahafantatra fa Persônina io fanatrehana miahy io, tahaka ny maha-Persônina ny Ray sy i Jesôsy! Tena sarotra takarina amin’ny fahafenoany tokoa izany! Etsy ankilan’izany anefa, tsy vitantsika ny hahatakatra amin’ny fahafenoany ny zavatra tsotra tahaka ny fahazavana na ny rivotra. Koa mainka lavitra manao ahoana ny tsy ahafahantsika mahatakatra amin’ny fahafenoany ny toetran’ny Fanahy Masina?
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
1. Ao amin’ny kilasy, ivereno jerena ny valinteninao tamin’ny fanontaniana tamin’ny lesona Alarobia, momba ny maha-Persônina ny fahamarinana, dia i Jesôsy Kristy. Inona no hevitr’izany? Nahoana i Jesôsy no Fahamarinana? Ahoana no fahazoantsika izany hoe “fahamarinana” dia Persônina, fa tsy hevitra na petra-kevitra?
2. Nanoratra i Ellen G. White hoe: “Ilaintsika ny mahatakatra fa ny Fanahy Masina, izay Persônina tahaka ny maha-Persônina an’Andriamanitra, dia mamakivaky ity tany ity.” – Ev., t. 616. Inona no lazain’io fanambaràna io mahakasika ny fisian’ny Fanahy Masina sy ny fanatrehany?
3. Ivereno ny sasany amin’ireo toetra mampiavaka ny Fanahy Masina izay nianarantsika tamin’ity herinandro ity. Inona amin’ireo toetra ireo no mampahery anao amin’ny fomba manokana? Inona amin’ireo no midika zavatra indrindra ho anao? Zarao ao amin’ny kilasy ny antony nahatonga anao nifidy ireo toetra ireo.4. Amin’inona no ahafahanao mifandray tsara kokoa, amin-kery tsy manana ny momba azy manokana sa amin’ny Persônina? Inona no ampianarin’ny valinteninao anao mahakasika ny finoana sy ny tenanao manokana?