SS 4 2T 2017

LESONA 4

15 - 21 APRILY  2017

NY FIFANDRAISANTSIKA AMIN'NY HAFA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 2:13-23; 1 Pet. 3:1-7; 1 Kôr. 7:12-16; Gal. 3:27,28; Asa. 5:27-32; Lev. 19:18.

Tsianjery: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’” – 1 Pet. 4:8

Ny epistily voalohany nosoratan’i Petera dia miresaka momba ireo lohahevitra sarotsarotra teo amin’ny fiarahamonina nisy azy tamin’izany fotoana izany. Ohatra tamin’izany ny hoe: ahoana no tokony ho fiainan’ny Kristianina eo anatrehan’ny fitondram-panjakana lozabe sy ratsy fanahy? Inona no nambaran’i Petera tamin’ny mpamaky ny epistiliny? Midika inona amintsika amin’izao fotoana izao izany teny nataony izany?
  
 Ahoana no tokony hataon’ny andevo Kristianina raha manao fitondrana mafy sy tsy ara-drariny aminy ny tompony? Ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa amin’izao vaninandro izao dia samy hafa amin’ny an’ny mpanompo sy ny tompony tamin’ny andron’i Petera. Tsy isalasalana anefa fa izay lazain’i Petera dia misy heviny lehibe ho an’ireo izay manana mpampiasa manao ny tsy rariny. Mahaliana ny firesahan’i Petera momba an’i Jesôsy! Izy rahateo no maneho izay tokony hataon’ny Kristianina raha sendra ratsy ny fitondrana azy (1 Pet. 2:21-24).

Ahoana no tokony hifampitondran’ny mpivady? Ahoana no tokony hifampitondrany rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny zavatra manan-danja iray tahaka ny finoana izy ireo?
    
Ary ny farany, Ahoana no tokony ho fifandraisan’ny Kristianina amin’ny fitondram-panjakana misy eo aminy? Inona no tokony hataony rehefa ratsy fanahy sy mifanohitra amin’ny finoana kristianina izay ataon’izy ireo?

Pejy ambony

 

ALAHADY


NY FIANGONANA SY NY FITONDRAM-PANJAKANA (1 Pet. 2:13-17)

Voasoratra taona maro lasa ny Baiboly, saingy mbola miresaka ireo olana izay misy lanjany tokoa ho antsika amin’izao fotoana izao izany. Iray amin’izany olana izany ny fifandraisana eo amin’ny Kristianina sy ny fitondram-panjakana.
    
Vakio ny 1 Pet. 2:13-17. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika, an-kapobeny, ny amin’ny fomba tokony hifandraisantsika amin’ny fitondram-panjakana?
    
Fantatr’ireo izay nonina tao anatin’ny faritaniny ny faharatsiam-panahin’ny fanjakana rômanina. Lehilahy lozabe no nanorina izany fanjakana izany. Nampiasa miaramila marobe izy ireo mba hahatanteraka ny drafitra efa nataony. Nampiasa herisetra tamin’ireo izay sahy nanohitra azy izy ireo. Fomba fampijaliana tsy mifaditrovana no nentiny namaizana ireo fahavalony. Fomba fampijaliana iray nataony ny famonoana ny fahavalony eo amin’ny hazo fijaliana. Nanjakan’ny fanaovana an-trano an-trano sy ny kolikoly ny fanjakana rômanina.
    
Araka izany, fantatr’i Petera tsara ny maha-lozabe an’i Rôma. Na izany aza anefa dia mbola mangataka ny mpamaky ihany izy hanaiky ny fahefana ambony ananan’ny olona eo amin’ny fanjakana, ny mpanjaka hatrany amin’ny mpanapaka (1 Pet. 2:13, 14).
    
Nambaran’i Petera fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia mamaly ratsy izay manao ratsy ary midera izay manao tsara (1 Pet. 2:14). Amin’ny fanaovany izany, dia manana andraikitra manan-danja amin’ny famolavolana ny fiarahamonina ireo mpitarika ireo.
    
Nanana kilema marobe ny fanjakana rômanina; na dia teo aza izany dia nitondra fahamarinan-toerana izy. Ny fanjakana rômanina, ohatra, no nanafaka tamin’ny ady. Nanao fitsarana mafy izy saingy fitsarana niorina teo amin’ny fitsipiky ny lalàna. Nanamboatra lalana maro izy. Izany fanjakana izany dia nametraka rafitra ara-bola hanohanana ny tafika ao aminy. Tamin’ny fanaovana izany dia namorona tontolo nahafahan’ny mponina nivelatra i Rôma. Nanjary nanan-karena sy nahomby tokoa ny olona sasany. Koa raha atao an-tsaina ireo rehetra ireo, dia feno fahendrena ny teny nambaran’i Petera mikasika ny fitondram-panjakana. Tsy misy fitondram-panjakana tonga lafatra, ary azo antoka fa tsy tonga lafatra i Rôma. Araka izany, ny lesona azontsika ianarana avy amin’i Petera dia izao: tokony ho olom-pirenena vanona ny Kristianina. Ilain’ny Kristianina ny mankatò ny lalàn’ny tany araka izay fahafahany manao izany, ary tokony hanao izany izy na dia tsy manana fahatanterahana aza ny fitondram-panjakana misy eo aminy.
  
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny Kristianina ny maha-olom-pirenena vanona azy araka izay tratrany, na dia tsy tonga lafatra aza ny toe-draharaha ara-pôlitika? Inona no azonao atao mba hahatsaratsara kokoa ny fiarahamonina misy anao, na dia amin’ny fomba kely fotsiny aza?


Pejy ambony

ALATSINAINY


MPANOMPO SY TOMPO (1 Pet. 2:18-23)
    
Vakio ny 1 Pet. 2:18-23. Ahoana no fahatakarantsika ny tian’ireo toko sy andininy ireo hambara amin’izao fotoana izao? Inona no fitsipika manan-danja azontsika raisina avy amin’ireo andalan-teny ireo ho an’ny tenantsika manokana?
   
Ny fandinihana tsara ny 1 Pet. 2:18-23 dia ahitana fa tsy manohana ny fanandevozana tsy akory ireo andalan-teny ireo, fa manome torohevitra ara-panahy ho an’ireo olona ao anaty toe-java-tsarotra izay tsy afa-mioitra mandritra ny fotoana iainany.
    
Ny dikan-teny “mpanompo” na “andevo” ao amin’ny 1 Pet. 2:18 dia oiketes. Io teny io dia ampiasaina mazava tsara hilazana ny andiana mpanompo izay miasa ao an-tranon’ny Rômanina tompony. Sokajin’olona samy hafa no nandrafitra ny fanjakana rômanina ka ny mpanompo no ambany indrindra; fananan’ny tompony izy ireny ary nananany fahefana feno ny ainy. Azon’ny tompony natao ny nitondra azy tsara na amin-karatsiam-panahy.
    
Azo novidina anefa ny fahafahan’ny mpanompo; raha voavidy ny fahafahany dia nantsoina hoe “voavotra” izy. Ampiasain’i Paoly io teny io hilazana izay nataon’i Jesôsy ho antsika (Efes. 1:7; Rôm. 3:24; Kôl. 1:14).
    
Zava-dehibe ny fitadidiana fa maro tamin’ireo Kristianina voalohany no mpanompo. Araka izany, dia tao anatin’ny rafitra tsy azony novana izy ireo. Mpanompo maro no sendra tompo lozabe sy manao izay tsy rariny; tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra tokoa izy ireo tamin’izany. Na ireo mpanompo nanana tompo tsara koa aza dia mety niatrika toe-java-tsarotra.
    
Mitovy amin’izany ihany ny torohevitra nomen’i Petera ireo Kristianina mpanompo tany an-toeran-kafa tao amin’ny TV. Tokony hanaiky ny fahefan’ny tompony ny Kristianina ary tokony hanana faharetana. I Kristy koa dia nandefitra sy naharitra nandritra ny toe-java-tsarotra (1 Pet. 2:18-20). Izy no ohatra ho azy ireo. Tsy misy dera ho an’ireo izay miaritra famaizana noho ny ratsy nataony. Tsy izany, fa ny tena toe-tsain’i Kristy dia miseho rehefa miaritra fahoriana noho ny ratsy izay tsy nataony ny olona na koa rehefa anaovana ny tsy rariny. Tahaka an’i Jesôsy, dia tsy tokony hamaly izany amin’ny herisetra isika. Tsy tokony hanao fandrahonana ny Kristianina fa tokony hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra izay hanao fitsarana marina (1 Pet. 2:23).
    
Inona no torohevitra ilaina azontsika sintonina avy amin’izay nosoratan’i Petera eto? Midika ve izany fa tsy tokony hijoro ho an’ny zontsika isika? Ento ao amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.


Pejy ambony

TALATA


NY MPIVADY (1 Pet. 3:1-7)
    
Vakio ny 1 Pet. 3:1-7. Inona no toe-javatra manokana resahin’i Petera ao amin’ireo andalan-teny ireo? Ahoana no mampisy heviny ireo teny ireo amin’ny fanambadiana eo amin’ny fiarahamonina misy amin’izao fotoana izao?
    
Misy famantarana manan-danja iray ao amin’ireo andalan-teny ireo izay manampy ny mpamaky feno fahalianana hahita ny lohahevitra resahin’i Petera. Ao amin’ny 1 Pet. 3:1, i Petera dia miresaka momba ireo lehilahy izay “tsy manaiky ny teny”. Araka izany, dia hitantsika i Petera eto miresaka momba izay tokony hiseho rehefa misy vehivavy Kristianina iray manambady lehilahy tsy Kristianina.
    
Ny vehivavy Kristianina iray dia hahita fahasarotana maro raha manambady lehilahy iray tsy mitovy finoana aminy. Inona no tokony hitranga rehefa misy toe-javatra tahaka izany? Tokony handao ny vadiny ve izy? Tahaka izay nambaran’i Paoly, i Petera dia tsy milaza ny handaozan’ny vehivavy Kristianina ny vadiny izay tsy mino (vakio ny 1 Kôr. 7:12-16). Milaza kosa i Petera fa tsy maintsy miaina fiainana feno fahatokiana sy fahamasinana ilay vehivavy amin’izay mba ho hitan’ny hafa ka hiriny hotahafina.
    
Ny vehivavy Rômanina izay manambady dia nanana zo teo ambanin’ny lalàna mikasika ny fananana. Manan-jo koa izy ireo handray fepetra araka ny lalàna hanitsiana ny zavatra tsy rariny iray. Tany amin’ny fiarahamonina sasany tamin’ny taonjato voalohany kosa, dia tsy navela hiditra amin’ny raharaha pôlitika, amin’ny fitondram-panjakana na ny fitarihana ao amin’ny ankamaroan’ny fivavahana ny vehivavy. Koa nananatra ny vehivavy Kristianina i Petera mba hitondra tena amim-pahamendrehana na inona na inona toe-javatra atrehiny.

Mananatra izy ny hananana fitondran-tena madio sy hanehoana fahatahorana an’Andriamanitra (1 Pet. 3:2). Nambarany fa ny vehivavy Kristianina dia tokony hihevitra kokoa ny amin’ny fahatsarana ao anatiny noho ny firandranam-bolo, ny firavaka ary ny fitafiana lafo vidy (1 Pet. 3:3-5). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny vehivavy Kristianina dia hitondra tena tsara mba hahatonga ny vadiny ho voataonan’ny maha-Kristianina azy.
    
Tsy tokony horaisin’ny lehilahy ho fanomezana fahafahana azy hanao izay tsy mety amin’ny vadiny ny tenin’i Petera. Araka izay nambarany, dia tokony haneho fiheverana amim-pitiavana ny vadiny ny lehilahy (1 Pet. 3:7).
    
Marina fa mahakasika ireo vehivavy Kristianina izay manambady lehilahy tsy mino ny torohevitra omen’i Petera, na izany aza anefa dia hitantsika ao amin’ireo toko sy andininy ireo ny fenitra na ohatra tonga lafatry ny fanambadiana kristianina. Asehon’izany toko sy andininy izany fa ny mpivady Kristianina dia tokony hifanohana eo amin’ny fiainana. Tokony ho hita taratra eo amin’ny asa ataony isan’andro ny fanajany sy fahatahorany an’Andriamanitra. Ny fananana fomba fiaina tahaka izany dia fomba iray iankohofana amin’Andriamanitra.


Pejy ambony

ALAROBIA


FIFANDRAISANA ARA-TSOSIALY (Rôm. 13:1-7)    
    
Vakio izay lazain’i Paoly ao amin’ny Rôm. 13:1-7; Efes. 5:22-23; 1 Kôr. 7:12-16; ary ny Gal. 3:27,28. Ahoana no mampitovy na maha-samy hafa izay lazain’i Paoly amin’izay nambaran’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 2:11--3:7?
    
Miresaka momba ny sasany amin’ireo lohahevitra resahin’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 2:11--3:7 i Paoly. Izay lazain’i Paoly dia misy fitoviana be amin’izay hita ao amin’ny 1 Pet. Ohatra amin’izany ny samy ananaran’izy ireo ny mpamaky azy mba “hanaiky ny fahefana lehibe” (Rôm. 13:1), satria Andriamanitra no manendry ny mpanapaka. Ny mpanapaka no manameloka izay manao ratsy fa tsy ireo manao tsara (Rôm. 13:3). Araka izany, amin’ny maha-Kristianina dia “mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.” –Rôm. 13:7.
    
Nasongadin’i Paoly koa fa ny vehivavy manambady lehilahy tsy mpino dia tokony hanana fiainana feno fahatokiana sy fahamasinana. Izany no hahatonga ny vadiny hikambana amin’ny fiangonana (1 Kôr. 7:12-16). Nambaran’i Paoly antsika koa ny fanambadiana Kristianina môdely izay ahitana fifamaliam-pitiavana. Tahaka ny fitiavan’i Kristy ny fiangonana no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny (Efes. 5:25). I Paoly koa dia milaza fa tokony hankatò ny tompony ety an-tany ny mpanompo tahaka ny fanekeny an’i Kristy ihany (Efes. 6:5).
    
Araka izany, dia vonona ny hanaraka ny lalàna izay efa nipetraka teo amin’ny fiarahamonina i Paoly. Takany izay azo ovaina sy tsy azo ovaina momba ny kolontsainy. Mahita teboka koa izy ao amin’ny maha-Kristianina izay mety hanova ny fomba fisainan’ny fiarahamonina mikasika ny hafa. Tahaka izany koa, i Jesôsy dia nampiasa ny lalàna izay efa nipetraka teo amin’ny fiarahamonina. Tsy niezaka nitondra fomba fanao pôlitika Izy tsy akory. Tsy nanao izay hampiongana ny fitondram-panjakana Izy mba hanovana ny lalàn’ny fiarahamonina. Tahaka izany koa i Paoly sy i Petera. Izy ireo dia nino fa tokony hisy ny fiovana avy amin’ny hery mahataona ananan’ny olona araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina. Izany hery miasa mangina izany no miely manerana ny fiarahamonina ka mahatonga fiovana eo amin’ny hafa.
    
Vakio ny Gal. 3:27-29. Inona no ampianarin’ireo andalan-teny ireo antsika mikasika ny tokony ho fifandraisan’ny samy Kristianina noho izay efa nataon’i Jesôsy ho azy?

Pejy ambony

ALAKAMISY


NY KRISTIANINA SY NY FANKATOAVAN-DALANA (Asa. 5:27-32)
    
Samy mahalala i Paoly sy i Petera fa manana ny kilemany ny fitondram-panjakana sy ny rafitra ataon’olombelona, ary indraindray aza be fahotana; ary izy roa lahy ireo dia samy efa nanana fanandramana ratsy noho ny fitondram-panjakana sy ny mpitarika fivavahana. Na izany aza anefa, dia samy mananatra ny Kristianina izy ireo ny hankatoavana ny fahefan’ny olona (1 Pet. 2:13-17; Rôm. 13:1-10). Nilaza koa i Paoly sy i Petera fa tokony handoa hetra ny Kristianina ary tokony ho olom-pirenena vanona.
    
Vakio ny Asa. 5:27-32. Mampirisika ny hankatoavana ny fahefana i Petera (1 Pet. 2:13-17). Inona anefa no nataony sy ireo mpianatra hafa ao amin’ny Asa. 5:27-32? Inona no tiany holazaina rehefa niteny izy hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona”? Nahoana ny fankatoavana an’Andriamanitra no tokony ho ambonin’ny zava-drehetra?  
   
Ny fahombiazana tany am-boalohany teo amin’ny fivavahana kristianina dia nitarika ho amin’ny fisamborana an’i Petera sy i Jaona (Asa. 4:1-4). Nadinin’ireo mpanapaka sy loholona ary mpanora-dalàna izy ireo. Rehefa izany dia nalefany handeha i Petera sy i Jaona sady nampitandremany mafy tsy hanohy intsony ny fitoriana nataony (Asa. 4:5-23). Tsy ela taorian’izay dia voasambotra indray izy ireo. Nanontaniana azy ny antony tsy nanarahany araka izay nolazain’ireo manam-pahefana azy hataony (Asa. 5:28). Hoy ny navalin’i Petera hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asa. 5:29).
    
Inona no fahamarinana manan-danja azontsika raisina avy amin’ny tenin’ny apôstôly ao amin’ny Asa. 5:29?
    
Tsy nihatsaravelatsihy i Petera ka nilaza zavatra iray nefa nanao zavatra iray hafa. Andeha atao hoe tsy maintsy misafidy ny hanaraka an’Andriamanitra na ny olona isika; mazava ny safidy fa tsy maintsy hanaraka an’Andriamanitra isika. Mandra-pahatonga izany anefa, dia tokony hanohana sy hankatò ny fitondram-panjakana ny Kristianina. Tokony hanohana sy hankatò ny lalàn’ny tany misy azy izy ireo raha eo am-piezahana hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina.
    
Vakio ny Lev. 19:18 sy ny Mat. 22:39. Ireo andalan-teny ireo dia mibaiko antsika hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ahoana no mahatonga izany baiko izany hahafaoka ny ilàna hanaovana asa izay hitondra fiovana mba hahatonga ny fiainana ho tsara kokoa sy azo iainana ho an’ireo namanao?

Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: vakio ny “Mananontanona ny fifandonana farany”, toko. 36; “Fiarovana azo antoka”, toko. 37; “Ny andro fahoriana”, toko. 39 ao amin’ny HM.
    
Ny lalàna dia nitaky ny hamerenana ny mpanompo nandositra ho any amin’ny tompony. I Ellen White kosa dia niteny nanohitra izany lalàna izany. Nilaza tamin’ny Advantista izy tsy hankatò izany lalàna izany na dia mety hahitany fahoriana aza. “Raha toa ka manohitra ny Baiboly sy ny didin’Andriamanitra ny lalàn’olombelona, dia ny Baiboly sy ny didin’Andriamanitra no tsy maintsy hankatoavintsika. Natao hankatò izay ambaran’ny Baiboly isika, na inona na inona vokatr’izany. Ny lalàna eto amin’ny tanintsika dia mitaky ny hamerenana ny mpanompo amin’ny tompony, saingy tsy tokony hanoa izany lalàna izany isika. Tsy maintsy miaina ny vokatry ny fanoherana izany lalàna izany isika. Ny mpanompo dia tsy fananan’iza na iza. Andriamanitra no Tompo manan-jo aminy. Ny olona dia tsy manan-jo haka olona iray ho eo am-pelatanany sy hilaza azy ho fananany.” – Testimonies for the Church, b. 1, t. 201, 202.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.    Tsy tokony hijoro ho an’ny zony mihitsy ve ny Kristianina? Raha eo am-pifanakalozan-kevitra ianareo, saino koa ny momba ity fanontaniana ity: inona avy moa ny zontsika?
2.    Inona avy ireo ohatra ahitana ny herin’ny Kristianina amin’ny fitondrana fiovana maharitra eo amin’ ny fiarahamonina? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ireo ohatra ireo?
3.    Ny 1 Pet. 2:17 dia milaza hoe: “Manajà ny mpanjaka”. Azo heverina fa i Néron no mpanjaka tamin’izany fotoana izany, iray tamin’ireo mpanjaka ratsy fanahy tany Rôma. Inona no hafatra ampitain’io andalan-teny io amintsika amin’izao fotoana izao? Vakio izay lazain’i Petera ao amin’ny fiantombohan’io andalan-teny io: “manajà ny olona rehetra”. Ahoana no anampian’ny ampahan’io toko sy andininy io antsika hahatakatra bebe kokoa izay lazain’i Petera mikasika ny tokony hanajantsika ny mpanjaka eo amin’ny tanintsika?
4.    Vakio ao amin’ny kilasy ny 1 Pet. 2:21-25. Ahoana ny fanehoana ny hafatry ny filazantsara ao amin’ireo toko sy andininy ireo? Inona no fanantenana entiny ho antsika? Inona no asainy ataontsika?

Pejy ambony