15 - 21 JOLAY
FANAMARINANA AMIN'NY FINOANA IRERY IHANY
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 2:15–21; Efes. 2:12; Fil. 3:9; Rôm. 3:10–20; Gen. 15:5,6; Rôm. 3:8.
Tsianjery: “Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” – Gal. 2:20.
Araka ny hitantsika tamin’ny herinandro lasa, dia nifanatrika ampahibemaso tamin’i Petera tany Antiokia i Paoly. Tsy nifanaraka tamin’ny finoana notanan’i Petera mantsy ny fihetsika nasehony. Ny fanapahan-keviny tsy hiaraka hihinana intsony amin’ireo mpanompo sampy niova fo dia toa milaza hafatra fa Kristianina tsy dia nanao ahoana loatra ireo. Toa midika mantsy izany fa ilain’ireto farany aloha ny hoforana raha tena irin’izy ireo ny ho anisan’ny ankohonan’Andriamanitra sy hifaly amin’ny fiarahana amin’ny besinimaro.
Inona ireo teny tena nambaran’i Paoly tamin’i Petera tamin’io toe-draharaha nafampana io? Amin’ity herinandro ity isika dia hijery izay azo inoana fa tena nitranga marina tamin’io fotoana io. Milaza zavatra betsaka ao anatin’ny teny vitsy monja ireo andalan-teny ao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly mikasika io resaka io. Manan-danja ireo andalan-teny ireo satria mampahafantatra antsika, voalohany indrindra, ireo teny sy vondron-teny izay tena ilaina tokoa mba hahatakarana ny filazantsara sy ny ambiny rehetra amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Galatianina. Anisan’izany teny izany ny hoe: fanamarinana, fahamarinana, asan’ny lalàna, finoana, ary tsy finoana ihany fa finoana an’i Jesôsy mihitsy.
Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ireo teny ireo ary mampianatra inona antsika izy ireo mikasika ny drafi-pamonjena?
Pejy ambony
Ny resaka “Fanamarinana” (Gal. 2:15,16)
Ao amin’ny Gal. 2:15 i Paoly dia nanoratra izao: “Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa”. Inona no tiany holazaina araka ny hevitrao?
Fantatra amin’ny fandinihana ny tontolon-kevitra misy azy ny hevitr’io andalan-teny io. Mba handresena lahatra ireo Kristianina jiosy mitovy aminy, dia niainga tamin’ny zavatra izay itovian’izy rehetra hevitra aloha i Paoly. Tsy inona izany fa ny lafiny fototra mampiavaka ny Jiosy sy ny Jentilisa. Ny Jiosy dia vahoaka nofidin’Andriamanitra, nanankinany ny lalàny ary nisitraka ny tombontsoan’ny fifandraisam-panekena Taminy. Ny Jentilisa kosa dia mpanota, tsy nametra ny fitondrantenan’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra ary tany ivelan’ny teny fikasan’ny faneken’Andriamanitra izy ireo (Efes. 2:12, Rôm. 2:14). Na dia “mpanota” marina tokoa aza ny Jentilisa, dia mampitandrina ny Kristianina jiosy i Paoly ao amin’ny and. 16 fa ny tombontsoa ara-panahy ananan’izy ireo dia tsy mahatonga azy ho azo ekena kokoa eo imason’Andriamanitra. Tsy misy na iza na iza mantsy azo hamarinina amin’ny “asan’ny lalàna”.
Inefatra no nampiasan’i Paoly ny teny hoe hamarinina ao amin’ny Gal. 2:16,17. Inona no tiany holazaina amin’ny hoe “fanamarinana”? Diniho ny Eks. 23:7 sy ny Deo. 25:1.
Voambolana manana ny lanjany tokoa ho an’i Paoly ny hoe “manamarina”. In-39 no isehoan’izany ao amin’ny TV ka ny 27 amin’ireo dia hita ao amin’ny taratasin’i Paoly avokoa. In-8 no ampiasany izany ao amin’ny Galatianina, ao anatin’izany ny fampiasana azy inefatra ao amin’ny Gal. 2:16,17. Ny teny hoe fanamarinana dia voambolana fampiasa eny amin’ny fitsarana. Misy ifandraisany amin’ny didim-pitsarana tononin’ny mpitsara izy io rehefa ambara hoe tsy meloka amin’ny fiampangana natao taminy ny olona iray. Mifanohitra amin’ny hoe fanamelohana kosa izany. Ankoatra izany, koa satria teny Grika iray ihany no niavian’ny voambolana roa samihafa mifandraika amin’ny hoe marina, dia azo isaina ho “marina” izany ny olona iray izay “nohamarinina”. Tsy famelan-keloka fotsiny anefa araka izany no voaresaka ao anatin’ny hoe fanamarinana fa fanambarana amin’ny fomba mampahery mihitsy fa marina ny olona iray.
Ho an’ny mpino jiosy sasany anefa, ny fanamarinana dia nifantoka koa tamin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy ny fanekeny. Ho azy ireo, ny hoe “hamarinina” dia midika fa ny olona iray dia mambra mahatoky ao amin’ny ankohonan’i Abrahama.
Vakio ny Gal. 2:15-17. Inona no ambaran’i Paoly aminao eto ary ahoana no fomba hivelomanao ny fahamarinan’ireo teny ireo eo amin’ny fanandramana kristianina lalovanao?
Pejy ambony
Ny asan’ny lalàna (Gal. 2:16,17)
Inenina no ilazan’i Paoly ao amin’ny Gal. 2:16 fa tsy mba hamarinina amin’ny “asan’ny lalàna” ny olona. Inona no tiany hambara amin’ny hoe “asan’ny lalàna”? Vakio ny Gal. 2:16,17; 3:2,5,10; Rôm. 3:20,28, ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny tiany holazaina?
Mialoha ny hahazoantsika ny teny hoe “asan’ny lalàna”, dia ilaintsika aloha ny mahatakatra ny tian’i Paoly holazaina amin’ny teny hoe lalàna. Zavatra maro samihafa no mety ho tiany hambara; anisan’izany ohatra ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, ireo boky dimy voalohany nosoratan’i Mosesy, ny TT iray manontolo, na ny fitsipika an-kapobeny mihitsy aza. Na izany aza anefa, dia nampiasa ny teny hoe “lalàna” i Paoly mba hilazana ireo lalàn’Andriamanitra rehetra nomena ny vahoakany tamin’ny alalan’i Mosesy.
Araka izany ny teny hoe “asan’ny lalàna” dia mahakasika ireo fitakiana rehetra hita ao amin’ny didy nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, na lalàm-pitondrantena io na lalàna seremoniely. Ny tian’i Paoly ahatongavana dia hoe na miezaka toy inona aza ny olona iray hanaraka sy hankatò ny didin’Andriamanitra, dia tsy ampy hahazoan’Andriamanitra manamarina azy na koa hahamarina antsika eo anatrehany ny fankatoavany izany.
Tsy hita voasoratra ao amin’ny TT ny teny hoe “asan’ny lalàna” ary tsy hita ao amin’ny TV koa ankoatra ny fampiasan’i Paoly azy. Ny fahitana ireo horonan-taratasy tao amin’ny Ranomasina Maty tamin’ny taona 1947 anefa, dia manampy hanazava ny tian’i Paoly hambara. Izany horonan-taratasy izany dia andiana asasoratra nadikan’ny antokona Jiosy antsoina hoe “Les Esséniens” izay velona tamin’ny fotoan’andron’i Jesôsy. Hita tao amin’ny anankiray amin’ireo horonan-taratasy tamin’ny teny Hebreo ny hoe “fankatoavana ny lalàna”. Mitondra ny lohateny hoe Miqsat Ma’as Ha-Torah izany horonan-taratasy izany, izay azo adika koa hoe “Asa lehibe ataon’ny lalàna”. Lafin-javatra maro miainga amin’ny lalàn’ny Baiboly mikasika ny fiarovana ny zava-masina tsy ho voaloto no tantarain’izany horonan-taratasy izany. Anisan’izany koa ireo lafiny maro hafa manamarika ny tsy tokony hikambanan’ny Jiosy amin’ny Jentilisa. Any amin’ny farany, ilay mpanoratra ny horonan-taratasy dia milaza fa ny fanarahana ireo “asan’ny lalàna” ireo no hahatonga ny olona iray ho vita fihavanana amin’Andriamanitra. Tsy mitovy hevitra i Paoly sy io mpanoratra io. Hamafisiny mantsy fa ny fitandremana ny lalàna no hahazoana fanamarinana, saingy i Paoly kosa milaza fa amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no hahazoana izany.
Manao ahoana ny fankatoavanao ny lalàn’Andriamanitra? Tsapanao ve fa efa mitandrina izany tsara tokoa ianao ka ny fankatoavanao no hahamarina anao eo anatrehan’Andriamanitra? (Vakio ny Rôm. 3:10-20). Raha tsy izany, nahoana? Ahoana no hanampian’ny valinteninao anao hahatakatra ny tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe tsy vonjena amin’ny asa isika?
Pejy ambony
Ny fototra iorenan’ny fanamarinana antsika
“Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana” – Fil. 3:9.
Tsy azontsika atao ny hihevitra fa ireo Kristianina jiosy dia milaza fa tsy zava-dehibe ny finoana an’i Kristy; na ahoana na ahoana mantsy dia mpino an’i Jesôsy avokoa izy rehetra. Ny fihetsik’izy ireo anefa dia nampiseho ny fahatsapany fa tsy ampy raha ny finoana fotsiny ihany. Mila ampiana fankatoavana koa izany hoy izy. Nohamafisiny hatrany àry fa ny finoana sy ny asa no hanamarinana antsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Ho an’i Paoly koa, ny finoana dia tsy foto-kevitra fotsiny fa lafin-javatra tsy azo sarahina amin’i Jesôsy mihitsy. Ilay teny nadika indroa hoe “finoana an’i Kristy” ao amin’ny Gal. 2:16 dia manan-karena lavitra amin’ny hevitra fonosiny. Ny teny Grika milaza izany dia azo adika ara-bakiteny hoe “ny finoana” na “ny fahatokian’” i Jesôsy. Io dikan-teny malalaka io dia mampiseho ny fifanoherana mazava apetrak’i Paoly eo amin’ny asan’ny lalàna izay tanterahintsika sy ny asan’i Kristy izay tanterahiny ho antsika. (Izany hoe amin’ny alalan’ny “fahatokian’i Jesôsy”).
Tena ilaina ny mitadidy fa raha ny finoana amin’ny maha-finoana azy fotsiny dia tsy hahamarina antsika velively eo anatrehan’Andriamanitra. Raha ny marina mantsy dia ny finoana no fomba hamikirantsika amin’i Kristy sy ny asa ataony ho antsika. Tsy miainga amin’ny finoana ananantsika no hanamarinana antsika fa amin’ny fahatokian’i Kristy ho antsika, izay takintsika ho an’ny tenantsika amin’ny alalan’ny finoana.
I Kristy no nanatanteraka izay tsy vitan’iza na iza tamintsika, dia izao: Izy irery ihany no nahatoky tamin’Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra nataony. Ao amin’ny fahatokian’i Kristy izany no misy ny fanantenantsika, fa tsy ao amin’ny antsika. Io no fahamarinana lehibe sady manan-danja, izay nampiroborobo ny fanavaozam-pivavahana prôtestanta. Fahamarinana izay mitoetra ho goavana hatrany na dia amin'izao androntsika izao aza, toy ny tamin’ny andro vao nanombohan’i Martin Luther nitory azy taonjato maro lasa izay.
Mazava tsara ny tian’i Paoly hambara raha ny dikan-teny Syrianina tany am-boalohany: “Ary noho izany dia fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona iray, fa amin’ny finoany an’i Jesôsy ho Mesia, ary isika dia mino Azy, mino an’i Jesôsy ilay Mesia fa amin’ny finoana ananany no hahazoantsika fanamarinana fa tsy amin’ny asan’ny lalàna” (Gal. 2:16).
Vakio ny Rôm. 3:22,26; Gal. 3:22; Efes. 3:12; ary ny Fil. 3:9. Ahoana no hanampian’ireo toko sy andininy ireo sy izay vao novakintsika tetsy ambony hahatakatra ilay fahamarinana mahatalanjona fa tsy misy afa-tsy ny fahatokian’i Kristy ho antsika sy ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra irery ihany no fototra iorenan’ny famonjena antsika?
Pejy ambony
Ny fanekena ny finoana (Jao. 8:32,36)
Mazava ny tenin’i Paoly fa ny finoana no mampijoro ny fiainana kristianina. Ny finoana no manampy antsika hifikitra amin’ireo teny fikasana ananantsika ao amin’i Kristy. Saingy inona marina moa no atao hoe finoana? Inona no voaresaka ao anatiny?
Vakio ny Gen. 15:5,6; Jao. 3:14-16; 2 Kôr. 5:14,15; Gal. 5:6. Inona no ampianarin’ireo andalan-teny ireo antsika momba ny fiandohan’ny finoana?
Mandrakariva, ny finoana tena ara-Baiboly dia valinteny asetry an’Andriamanitra. Ny finoana dia tsy fihetseham-po tian’ny olona iray hananana satria mitaky izany aminy Andriamanitra. Ny finoana marina dia miainga avy ao amin'ny fo heniky ny fankasitrahana sy ny fitiavana ny fahatsaran’Andriamanitra. Toy izany no fiasan’ny finoana teo amin’ny fiainan’ny lehilahy sy vehivavy maro ao amin’ny Baiboly. Mandrakariva, ny finoana dia vokatry ny dingana efa noraisin’Andriamanitra. I Abrahama, ohatra, dia nanana finoana ny teny fikasana nataon’Andriamanitra taminy (Gen. 15:5,6). Farany, ny finoana dia miainga avy amin’ny fahatakarantsika ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana.
Raha toa ny finoana ka fihetsika hasetrintsika ny fitiavan’Andriamanitra, dia inona kosa no tokony ho hita ao anatin’izany fihetsitsika izany? Vakio ny Jao. 8:32,36; Asa. 10:43; Rôm. 1:5,8; Rôm. 6:17; Heb. 11:6; Jak. 2:19. Milaza inona ireo andalan-teny ireo momba ny toetry ny finoana?
Olona maro no mamaritra ny finoana ho “toky avy amin’ny zavatra maharesy lahatra ny saina voafetra”. Miteraka olana anefa izany hevi-teny izany satria ny teny Grika nadika hoe “finoana” dia anarana avy tamin’ny matoanteny hoe “mino”. Ny fampiasana ny matoanteny hoenti-manazava ny anarana àry dia toy ny milaza hoe “ny finoana dia fananana finoana”. Tsy milaza na inona na inona amintsika izany fanazavana izany.
Ny fandinihana amim-pahamalinana tsara ny Soratra Masina dia ahitana fa tsy fahalalana ny momba an’Andriamanitra fotsiny ihany no hita ao anatin’ny atao hoe finoana. Antony anankiray io izay manazava fa zava-dehibe tokoa ny fananana sary tena izy mikasika an’Andriamanitra. Ny fahadisoan-kevitra momba ny toetran’Andriamanitra, dia vao mainka hampanano sarotra tokoa ny fananana finoana. Ny fanekena ara-tsaina ny filazantsara anefa dia tsy ampy satria “na ny demonia koa aza mba mino”. Ny finoana marina koa dia miantraika eo amin’ny fomba fiainan’ny olona iray. Ao amin’ny Rôm. 1:5, i Paoly dia manoratra momba ny “fanekena ny finoana”. Tsy milaza tsy akory i Paoly fa mitovy ny fanekena sy ny finoana. Milaza izy fa ny finoana marina dia miantraika eo amin’ny fiainan’ny olona iray manontolo mihitsy, fa tsy eo amin’ny sainy fotsiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloran-tena ho an’i Jesôsy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, fa tsy ho amina andiana lalàna fotsiny. Ny finoana dia mahakasika ny zavatra ataontsika sy ny fomba fiainantsika ary ny hoe iza no itokiantsika sy izay inoantsika.
Pejy ambony
Mitarika hanota ve ny finoana? (Gal. 2:17,18)
Anisan’ireo fiampangana lehibe indrindra natao tamin’i Paoly ny hoe namporisika ny olona hanota ny filazantsara momba ny fanamarinana amin’ny finoana izay notoriny (jereo ny Rôm. 3:8;6:1). Tsy misy isalasalana fa raha ny fiheveran’ireo mpiampanga dia hoe raha tsy voatery hitandrina ny lalàna ny olona vao ho azon’Andriamanitra hekena, dia inona moa no hiraharahany intsony izay tokony ho fomba fiainany? Fiampangana toy izany koa no nahazo an’i Lotera.
Vakio ny Gal. 2:17,18. Ambaran’ireo mpiampanga an’i Paoly fa mamporisika ny olona hanota izy raha nampianatra fa amin’ny finoana irery ihany no hamonjena ny olona. Inona no navalin’i Paoly teo anatrehan’izany fiampangana izany?
Hentintra indrindra ny valinteny nasetrin’i Paoly ny fiampangan’ireo mpanohitra azy: “Sanatria izany!” Na dia mety ho tafalatsaka amin’ny ota aza ny olona iray taorian’ny nanatonany an’i Kristy, dia tsy i Kristy kosa no nahatonga izany. Raha mandika ny lalàna isika, dia isika no mpandika lalàna, fa tsy mba i Kristy, tsy hitaona antsika na oviana na oviana hanota Izy.
Vakio ny Gal. 2:19-21. Ahoana no fomba fitantaran’i Paoly ny firaisany amin’i Jesôsy Kristy? Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny valinteniny fa diso hevitra ireo mpiampanga ireo?
Tsy misy heviny sady mahatsikaiky ihany raha ny fahitan’i Paoly ny eritreritr’ireo mpiampanga azy. Tsy mba manamarina ny olona iray Andriamanitra raha tsy hovainy aloha ny fiainan’izany olona izany. Ny hoe manaiky an’i Kristy amim-pinoana dia firaisana tanteraka Aminy mihitsy: na amin’ny fahafatesany io na amin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Hevitra ara-panahy no resahin’i Paoly eto, izany hoe voahombo miaraka amin’i Kristy isika ka vita hatreo ireo fombantsika feno ota sy nanjakan’ny fitiavan-tena teo aloha (Rôm. 6:5-14). Tafasaraka tanteraka tamin’ny lasantsika isika ary efa tonga olom-baovao (2 Kôr. 5:17). Efa natsangana ho amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy koa isika. Velona ao anatintsika Ilay Kristy natsangana tamin’ny maty, izay mahatonga antsika hanahaka Azy bebe kokoa isan’andro.
Ny finoana an’i Kristy, araka izany, dia tsy fialan-tsiny amin’ny ota atao fa antso ho amin’ny fifandraisana lalina sy feno kokoa Aminy mihitsy. Ary izany fifandraisana lalina izany dia tsy ho azo velively avy amin’ny fivavahana izay mampianatra fa ny fitandremana ny lalàna no mahavonjy.
Inona no tsapanao mikasika ny fampianarana fa ny finoana irery ihany no hamonjena antsika? Tsapanao ve fa fialan-tsiny ny amin’ny ota izany fampianarana izany? Sa mitondra hafaliana ho anao izany? Milaza inona ny valinteninao mikasika ny fahatakaranao ny famonjena?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: “Efa naseho ahy ombieny ombieny ny fahadisoan-kevitra mampidi-doza mety hahazo ny olona mikasika ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana. Efa an-taonany maro no nanehoana ahy fa hiasa amin’ny fomba manokana i Satana hampanjavozavo ny saina mikasika io resaka io. Efa notorina tamin’ny vahoakantsika ny lalàn’Andriamanitra saingy tsy nisy fahalalana marina an’i Kristy na koa ny fifandraisany amin’ny lalàna tahaka ny fanatitra nasehon’i Kaina. Hitako fa maro no nanjary tsy nanam-pinoana vokatry ny foto-kevitra manjavozavo sy nifangaroharo mikasika ny famonjena ary koa vokatry ny fomba diso nampiasain’ny mpitandrina hitaomana ny fon’ny maro. Efa tao an-tsaiko an-taonany maro ny momba ny fahamarinan’i Kristy izay hatafy antsika (...)
“Tsy misy lohahevitra izay tena mila ny fifantohantsika lalina sy matetika indrindra ankoatra ny hoe ny finoana an’i Kristy irery ihany no hamonjena antsika. Tsy vitan’olombelona, na iza izy na iza ny hahazo izany amin’ny alalan’ny asa ataony, eny fa na dia ny asa tsara indrindra ataontsika aza dia tsy hahavonjy antsika. Avy amin’ny finoana an’i Jesôsy Kristy irery ihany ny famonjena” – FW, tt. 18,19.
“Ny lalàna dia mitaky fankatoavana tanteraka ary tompon’antoka amin’ny fankatoavana izany ny mpanota. Tsy ananantsika anefa ny hery hankatoavana. Amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no hahazoantsika fanamarinana. Amin’ny finoana no hahazoantsika manatitra ny fahamendrehan’i Kristy eo anatrehan’Andriamanitra, ary ny Tompo kosa manisa ho an’ny mpanota ny fankatoavan’ny Zanany. Ny fahamarinan’i Kristy no ekena eo amin’izay tsy hahombiazan’ny olona. Andriamanitra kosa mandray, mamela heloka, manamarina ilay fanahy mibebaka sy mino ary mitondra azy ho toy ny marina sady tia azy tahaka ny itiavany ny Zanany” – SlM, b. 1, t. 367.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
-Ao anatin’io andalan-teny voalohany eo ambony io, i Ellen G. White dia milaza fa tsy misy lohahevitra hafa mila antitranterina kokoa noho ny fanamarinana amin’ny finoana. Ifanakalozy hevitra eo amin’ny kilasy raha mbola mihatra amintsika amin’izao andro izao koa ny fanazavany, tahaka ny tamin’ny andro nanoratany izany ihany, an-jato taonany maro izay. Raha eny, nahoana?
-Samihafa tanteraka ny vanim-potoana sy ny toerana niainan’i Paoly sy i Lotera. Nahoana anefa ny fahamarinana izay asehon’i Paoly eto no tena manan-danja tokoa eo amin’ny fanafahana ny fisainan’ny olona an-tapitrisany maro tany Rôma amin’ny fanandevozana ara-panahy?
Famintinana: Ny fihetsika nasehon’i Petera dia toa nilaza fa tsy afaka ny ho tonga tena Kristianina ireo mpanompo sampy niova fo raha tsy foràna aloha izy ireo. Notsindrian’i Paoly ny maha-diso izany eritreritra izany. Ilaintsika àry, araka izany, ny manaiky izay efa nataon’Andriamanitra ho antsika tao amin’i Kristy. Amin’izay ihany ny mpanota vao azo hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra.
Pejy ambony