SS 4T 2018

FIRAISANA AO AMIN'I KRISTY

OKTOBRA - NOVAMBRA - DESAMBRA


TELOVOLANA FAHAEFATRA


Lesona 1 Ny famoronana sy ny fahalavoana
28/09 - 05/10
Lesona 2 Ireo antony mahatonga ny tsy firaisana
06/10 - 12/10
Lesona 3 "Mba ho iray ihany izy rehetra"
13/10 - 19/10
Lesona 4 Ny fanalahidin'ny firaisana
20/10 - 26/10
Lesona 5 Ny firaisana teo amin'ny Fiangonana teo aloha
27/10 - 02/11
Lesona 6 Ireo sary nanehoana ny firaisana
03/11 - 09/11
Lesona 7 Rehefa tonga ny fifandirana
10/11 - 16/11
Lesona 8 Firaisana ao amin'ny finoana
17/11 - 23/11
Lesona 9 Ny porofo maharesy lahatra indindra
24/11 - 30/11
Lesona 10 Ny firaisana sy ny fifandraisana tapaka
01/12 - 07/12
Lesona 11 Ny firaisana ao anatin'ny fiankohofana
08/12 - 14/12
Lesona 12 Ny fandaminana ny Fiangonana sy ny Firaisana
15/12 - 21/12
Lesona 13 Mamerina amin'ny laoniny ny firaisana 22/12 - 28/12

Fampidirana

Ny firaisantsika ao amin’i Kristy

Ankohonan’Andriamanitra etỳ an-tany ny fiangonana. Miara-manompo Azy ny mambran’ny fiangonan’ Andriamanitra, ary koa miara-mianatra sy miara-midera Azy. Mijery an’i Jesôsy izay Mpitarika sy Mpamonjy azy ny fiangonana. Nifidy ny fiangonana Andriamanitra hizara ny vaovao mahafaly momba an’i Jesôsy amin’ny olona rehetra eto an-tany.


Andeha hojerentsika ny foto-pinoana faha-12 izay tanan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito: “Ny Fiangonana dia fikambanan’ny mpino manaiky an’i Jesôsy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Fitohizan’ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny Testamenta Taloha isika, ka voantso avy amin’izao tontolo izao; ary mivory mba hivavaka, hanana firaisam-po, hianatra ny Teny, hiara-mankalaza ny Fanasan’ny Tompo, hanompo ny taranak’olombelona ary mba hitory manerana ny tany ny filazantsara. Avy amin’i Kristy no andraisan’ny Fiangonana ny fahefany, Izy Izay Teny tonga nofo, ary avy amin’ny Soratra Masina izay Teny voasoratra. Ny Fiangonana dia ankohonan’Andriamanitra, natsangany ho zanany; ny mambra ao aminy dia mivelona araka ny fanorenan’ny fanekena vaovao. Ny fiangonana dia tenan’i Kristy, fiombonan’ny mpino ka i Kristy mihitsy no Lohany. Ny Fiangonana no ilay ampakarina izay nanoloran’i Kristy ny ainy ho amin’ny fahafatesana mba hanamasinany sy hanasany azy. Amin’ny fiverenany amimpandresena, dia hanolotra azy ho an’ny Tenany Izy ho Fiangonana be voninahitra, dia ireo mahatoky nandritra ny taona nifandimby, izay novidiny tamin’ny rany, ary tsy misy pentimpentina na fiketronana.”

Inona moa no hevitry ny teny hoe “fiangonana” ho antsika Advantista? Iza no anisan’ny “fiangonana”? Miankina amin’ny fandikantsika ny teny hoe “fiangonana” ny valin’ireo fanontaniana ireo.    

Fikambanan’ny mpino ny fiangonana, izay mino an’i Jesôsy, mankatò ny lalàny ary miaramiankohoka amin’Andriamanitra sy manompo Azy. Mety hanao fivoriana any an-tokantranon’olona na any amin’ny toerana lehibebe kokoa izy ireo. (Rôm. 16:10,11). Rehefa miteny hoe fiangonana isika, dia manondro ihany koa ny trano izay ivorian’ny Kristianina hanatanterahana fanompoam-pivavahana. Mihoatra lavitra noho izany anefa ny atao hoe fiangonana, izay tsy momba ny vatan-trano ihany fa ny olona ihany koa.    

Ao amin’ny TV, ny fiangonana dia mety ho vondrona mpino izay monina eo amin’ny faritra iray na firenena iray. Araka izany, rehefa miresaka momba ny fiangonana any Galatia i Paoly, dia ireo vondrom-piangonana tao amin’ny tanàna sy ny vohitra tao amin’io faritra io no resahiny (Gal. 1:2; vakio ihany koa ny 1 Pet. 1:1). Ny fiangonana ihany koa dia izay anarana ampiasaintsika ho an’ny vondrona Kristianina samy hafa, ohatra amin’izany ny fiangonana Loteranina.

Ny fiangonana koa dia ireo vahoakan’ Andriamanitra maneran-tany. Manana mpanaradia mahatoky i Jesôsy any amin’ireo vondrona kristianina maro samy hafa, maro amin’izy ireny no hikambana amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro farany (Apôk. 18:1-4). Mandritra ity telovolana ity isika dia hianatra momba ny fiangonantsika, ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Hianarantsika ny amin’ny fiangonantsika sy ny firaisana: ny firaisan-tsaina, firaisam-po ary ny firaisana ao amin’ny fahamarinana. Hojerentsika ny hevitry ny firaisana ao amin’i Jesôsy amin’ny maha-Advantista antsika. Zava-dehibe tokoa ny fampianaran’ny fiangonana momba izany. Ny “Firaisana ao amn’ny Tenan’i Kristy” no fotopinoana faha-14 tanan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Izao no voalaza ao: “Ny Fiangonana dia tena iray misy rantsana maro, nantsoina avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra. Ao amin’i Kristy dia noforonina indray isika; ny fanavakavahana ny fihodirana, ny kolontsaina, ny fahaizana amam-pahalalana, ny foko amam-pirenena, ny fahasamihafana ateraky ny maha-ambony na ambany, ny mpanan-karena sy ny mahantra, lehilahy sy vehivavy, dia tsy azo ekena mihitsy hahatonga fisaratsarahana eo anivontsika. Ao amin’i Kristy dia mitovy saranga avokoa isika rehetra, Izy Izay nampiray antsika amin’ny Fanahy Iray Aminy sy amintsika samy isika; isika dia natao hanompo sy hotompoina tsy misy fizahan-tavan’olona na fepetra na inona na inona. Amin’ny alalan’ny fanambaràna an’i Kristy ao amin’ny Soratra Masina dia manana anjara amin’ny finoana iray sy ny fanantenana iray isika, ary miezaka ny ho vavolombelona iray eo imason’ny olona rehetra. Ao amin’Andriamanitra telo izay iray, Izay nanangana antsika ho zanany no loharanon’ity firaisana ity.

Amin’ity telovolana ity isika dia hianatra ny hevitry ny firaisana ao amin’ny fiangonana amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika. Misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra ao amin’ny fiangonana mandrapahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao, saingy mampiseho amintsika fahamarinana maro mikasika ny tokony hiraisantsika saina sy hihavanantsika ny Baiboly. Fanomezana atolotr’Andriamanitra ny fiangonana izany firaisana izany. Hojerentsika amin’ity telovolana ity ireo fahamarinan’ny Baiboly mahakasika izany.

I Denis Fortin dia mpampianatra Baiboly ao amin’ny Andrews University, any Berrien Springs, Michigan, Etazonia. Niditra ho mpampianatra tao amin’izany sekoly ambony izany ingahy Fortin tamin’ny taona 1994. Niandraikitra ny prôgrama Master of Divinity izy nanomboka tamin’ny taona 1999 hatramin’ny taona 2001. Nitana ny toeram-panompoan’ny sojabe mpanampy izy ny 2000-2004. Tamin’ny taona 2006 izy dia talen’ny Departemantan’ny Teôlôjia sy ny Filôzôfia kristianina, ary mbola talen’io departemanta io ihany ny 2006-2013.