SS 5 1T 2017

LESONA 5

28 JANOARY - 03 FEBROARY 2017

NY BATISA SY NY FIROTSAHAN'NY FANAHY MASINA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 1:8; Efes. 5:18; Asa. 13:52; Lio. 11:8-10; Asa. 5:32; Gal. 5:16-26.


Tsianjery:
“Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.”Jao. 10:10.

 

Amin’ny maha-Kristianina dia tsy maintsy feno ny Fanahy Masina isika. Raha tsy eo Izy, dia tsy hanan-kery ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika, ary hanjary enta-mavesatra ny fiainana kristianina iainantsika. Andeha atao hoe manam-pahaizana isika, manan-talenta ary mahay mandaha-teny tokoa, saingy tsy manana ny Fanahy, dia tsy afaka ny hiaina ny fiainana araka izay irin’Andriamanitra ho antsika isika, ary tsy hahazo antoka ny amin’ny famonjena. Tsy fantatsika ny hafaliana azo avy amin’ny fanompoana ny Tompontsika. Ho Kristianina anarany fotsiny isika amin’izay, ary ny Kristianina anarany fotsiny dia tsy tena Kristianina.

Tian’i Jesôsy anefa ny hiainantsika ny fiainana amin’ny fahafenoana. Tiany hiaina finaritra sy hanana fiainana misy heviny isika. Tiany ny hanome antsika fiainana araka ny tokony hiainana izany. Tiany raha miorina amin’ny Loharanon’ny fiainana rehetra, dia i Jesôsy Kristy, ny fiainantsika. I Jesôsy ilay Mpamorona antsika no hany lalana mitondra amin’ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.” (Jao. 14:6). Izany dia midika fa izany fahafenoan’ny fiainana izany dia tanteraka amin’ny fiarahana amin’i Jesôsy irery ihany. Ary ny fiarahana amin’i Jesôsy dia amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika irery ihany.

Amin’ity herinandro ity dia hianarantsika izay ambaran’ny Baiboly mikasika ny batisan’ny Fanahy. Hianarantsika ny hevitry ny hoe fenon’ny Fanahy Masina. Hojerentsika koa ny ampahana porofo maneho fa feno ny Fanahy Masina isika.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

NY BATISAN’NY FANAHY MASINA (Mar. 1:8)

Vakio ny Mar. 1:8. (Ampitahao amin’ny Mat. 3:11; Lio. 3:16 ary ny Jao. 1:33 izany). Vakio koa ny Asa. 1:5 sy ny Asa. 11:16. Araka izay hita ao amin’ireo toko sy andininy ireo, inona ny zavatra manan-danja miaraka amin’ny batisan’ny Fanahy?


Ao amin’ny TV, dia fito ihany ny toko sy andininy miresaka momba ny hoe vita batisan’ny Fanahy Masina. Ny efatra amin’ireo toko sy andininy ireo dia miresaka momba an’i Jaona Mpanao batisa ary koa miresaka momba ny Pentekôsta. Tamin’ny Pentekôsta, dia nomen’i Kristy an’ireo mpanara-dia Azy ny Fanahy Masina. Izany fanomezana izany no nanamarika ny fiantombohan’ny “andro faran’ny” tantaran’ny famonjena.

Ireo filazantsara efatra dia miresaka momba ny batisan’ny Fanahy Masina, saingy tsy miresaka momba izany batisa izany tahaka izay filazan’ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka ary i Lioka ny Filazantsaran’i Jaona. I Jaona ohatra dia tsy miresaka momba ny batisan’ny Fanahy tahaka ny zavatra iray izay tsy hitranga raha tsy amin’ny hoavy. Nolazainy mazava mantsy fa fanandramana efa iainana ny batisan’ny Fanahy. Manana hery misy fitohizana eo amin’ny fiainan’ny mpino izany (vakio ny Jao. 1:33).

Tahaka izany koa no iresahan’i Jaona mikasika ny asa manan-danja ataon’i Jesôsy terỳ aloha ao amin’ny Jao. 1:29. Tafiditra ao amin’izany asan’i Jesôsy izany ny fanalana ny fahotantsika sy ny fanomezana antsika ny Fanahy Masina. samy hita ao amin’ny Asa. 2:38 ireo fanandramana ireo. Nahiratra hahita an’i Kristy ny mason’ireo mpianatra, ka nandray ny famelan-keloka sy ny Fanahy Masina izy ireo avy eo. Ny Asa. 10:43,44 dia milaza fa fanandramana mitovy amin’izany koa no niseho tamin’ireo mpino tao an-tranon’i Kôrnelio. Tatỳ aoriana i Petera no nitantara tamin’ireo mpitarika Jiosy tany amin’ny fiangonan’i Jerosalema momba izay nitranga. (vakio ny Asa. 11:16). Nolazainy fa nirotsaka tamin’i Kôrnelio sy izay rehetra tao an-tranony ny Fanahy Masina. Araka izany, dia nilaza i Petera fa tsy misy na dia iray aza afaka hanakana ireo olona ireo tsy hatao batisa amin’ny rano. Ny batisan’ny rano dia fantatra amin’ny hoe batisan’ny fibebahana (Asa. 19:4). Maniry ny handray ny Fanahy Masina ve isika (Asa. 2:28-39)? Raha izany dia tsy maintsy miala amin’ny fahotana isika, ary tsy maintsy atao batisa amin’ny anaran’i Jesôsy.

Ao amin’ny TV, ny fandraisana ny Fanahy Masina dia miara-dalana amin’ny batisa. Samy manondro fahateraham-baovao mantsy ireo, satria ao amin’ny batisa no mahatonga antsika ho an’i Kristy. Nahoana no nomen’i Jesôsy antsika ny Fanahy Masina? Satria tiany isika raha mivelona ao amin’ny Heriny, ary tiany ny hizarantsika ny vaovao mahafaly amin’ny hafa. Ny vaovao mahafaly dia ny fanesorany ny otantsika.

Ny mpino rehetra izany dia natao hisotro amin’ny Fanahy. Ao amin’ny 1 Kôr. 12:13, i Paoly dia nilaza fa vita batisan’ny Fanahy ho tena iray ihany isika mpino rehetra. Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny firaisam-po sy firaisan-tsain’ny mpino rehetra izy. Zava-dehibe tokoa ny teny hoe “rehetra”. Ampifandraisin’i Paoly amin’ny batisan’ny Fanahy izany firaisan’ny mpino rehetra ao amin’i Kristy izany.


Inona ny fanandramana manokana niainanao amin’izany vita batisan’ny Fanahy Masina izany? Nidika inona teo amin’ny fiainanao Izy? Mety ho toy ny ahoana ianao raha toa ka tsy niasa tao anatinao Izy?



 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

FENO NY FANAHY MASINA (Efes. 5:18)


Vakio ny Efes. 5:18; Asa. 13:52; ary ny Rôm. 8:9. Midika inona ny hoe feno ny Fanahy Masina? Ahoana no fisehon’ny firotsahan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao?


Tsy maintsy atao batisa ka manjary an’i Kristy aloha isika, izay vao hiaina ao amin’ny herin’ny Fanahy. Ny hoe miaina ao amin’ny Fanahy dia midika hoe feno ny Fanahy. Toko sy andininy marobe ao amin’ny TV no miresaka momba ny olona izay feno ny Fanahy (Lio. 1:41,67; Asa. 2:4; Asa. 4:8,31; Asa. 9:17; Asa. 13:9). Ny apôstôly Paoly dia mampiasa ny teny hoe feno hilazana ny olona izay nanolotra tanteraka ny fiainany ho an’Andriamanitra. Izany olona izany dia manaiky ny hotarihin’ny Fanahy Masina. Amin’izay vao ho hita eo amin’ny fiainany ny asan’Andriamanitra.

Midika inona ny hoe feno ny Fanahy Masina? Izany dia midika fa manolotra ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ho an’ny Heriny isika mba hanova antsika, ka ny lalantsika, ny resatsika ary ny fisainantsika dia hampiseho an’i Jesôsy.

Mandray ny Fanahy Masina isika amin’ny finoana izay rentsika momba Azy (Gal. 3:2), ary mandray Azy amin’ny alalan’ny finoana isika (Gal. 3:14) amin’ny fanaovana batisa antsika (Tit. 3:5,6). Ilaintsika koa anefa ny mitady ny firotsahan’ny Fanahy Masina amintsika isan’andro. Tsy afaka ny hiaina ny fanandramana mahery vaika izay niainantsika tamin’ny taona lasa na tamin’ny volana, na omaly isika. Mila ny Fanahin’Andriamanitra hameno antsika isan’andro isika. Nahoana? Satria isan’andro dia misy ny fitsapana sy zava-tsarotra vaovao.

Ao amin’ny Asa. 13:52, ny teny Grika nadika hoe “feno” dia tena midika tokoa hoe “feno (hatrany)”. Araka izany, ny hoe feno ny Fanahy dia tsy toe-javatra indray miseho monja, fa zavatra izay tokony hokatsahintsika sy horaisintsika isan’andro. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy maintsy miverimberina izany famenoana izany. Izay vao ho feno ny fanatrehany ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, ka homena antsika ny hery enti-miaina ny fiainana araka ny tokony hiainana izany.

Ny hoe feno ny Fanahy Masina dia tsy midika fa manana Azy bebe kokoa isika, fa manana antsika bebe kokoa Izy. Tsy maintsy atolotsika ny Fanahy ny lafim-piainantsika rehetra isan’andro. Rehefa vita izay vao afaka ny hampiasa antsika ho voninahitr’Andriamanitra Izy.  


“Iriko ny hanampy anao hahatakatra fa ireo izay manana an’i Jesôsy mitoetra ao am-po amin’ny finoana dia efa nandray ny Fanahy Masina. Ny olona tsirairay izay mandray an’i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany manokana koa dia mandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no hitarika ny mpino tsirairay. Izy no hanamasina ny olona iray, ka hijoro ho vavolombelona aminy Izy mikasika an’Andriamanitra.” – Ellen G. White, Manuscript Releases, volume 14, page 71.


 Pejy ambony

TALATA

 

IREO FEPETRA: FIZARANA 1 (Asa. 2:37,38)

Ny Tenin’Andriamanitra dia manondro ireo fepetra takian’ny Fanahy mba hitoerany ao anatintsika. Hojerentsika ny sasany amin’ireo fepetra manan-danja ireo mandritra ny roa andro manaraka eto.


Vakio ny Asa. 2:37,38. Araka izay ambaran’ireo toko sy andininy ireo, inona ny fepetra voalohany handraisana ny Fanahy Masina?


Ny fepetra iray ho amin’ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana. Ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra dia mitarika antsika hahatakatra fa mpanota sy very isika. Ny alahelo marina noho ny fahotana dia mihoatra noho ny alahelo izay tsapa noho ny vokatra mahatsiravin’ny fahotana. Fiovam-po sy saina tanteraka izany. Izany no manampy antsika hahita ny fahotana araka ny toetrany: ratsy sady tsy maha-te ho tia. Ady atao amin’Andriamanitra mantsy ny fahotana. Ny hany fomba iainantsika ny tena fibebahana marina dia ny fikasihan’ny fitiavan’Andriamanitra: “Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?” – Rôm. 2:4.  


Vakio ny Gal. 3:14 sy ny Jak. 1:6-8. Ireo toko sy andininy ireo dia milaza fa tokony hatoky an’Andriamanitra isika. Tsy afaka handray ny Fanahy Masina isika raha tsy eo ny finoana ny Teniny. Nahoana?


Nampanantena ny handefa ny Fanahy ho solontenany i Jesôsy. Ao amin’ny finoana no andraisantsika izany fanomezana nampanantenaina izany. Raha toa isika misalasala ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ka tsy matoky ny Teniny, dia ho tahaka ny olona miroaroa saina isika amin’izay. Ny olona toy izany dia tsy afaka hanantena ny handray na inona na inona avy amin’Andriamanitra. Ny finoana rahateo dia mihoatra noho ny fetezana hino fa marina ny zavatra iray. Izany dia midika ho fiainana ny zavatra inoana. Midika koa izany ho fatokiana fa mitana ny Teniny Andriamanitra ka tsy mandao antsika, na inona na inona mitranga.


Vakio ny Lio. 11:8-10,13. Araka izay hita ao amin’ireo toko sy andininy ireo, nahoana no mampisy fahasamihafana ny vavaka tsy mitsahatra?


Tsy hoe malaina ny hanome antsika ny Fanahy Andriamanitra. Te hanao izany Izy, tsara ary mora fo Andriamanitra. Tsara fanahy amintsika mihoatra ny fahatsarantsika amin’ny zanatsika mihitsy aza Izy. Koa ny vavaka mitohy dia tsy hanova ny fisainany, ny vavaka mantsy dia tsy hoe mampidina an’Andriamanitra ho eo amintsika; ny vavaka no manova antsika. Mitondra antsika ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ny vavaka. Mampiakatra antsika ho any Aminy izany. Ny vavaka ataontsika no maneho ny fikasantsika. Ireny no manomana antsika ho amin’ny fanomezan’ny Fanahy Masina.


Ahoana no hianarantsika ho matotra kokoa, hiasa mafy, ary tsy ho tia tena eo amin’ny fiainam-bavaka? Nahoana no zava-dehibe ny fianarantsika izany zavatra izany?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

IREO FEPETRA: FIZARANA 2 (Asa. 5:32)

Vakio ny Asa. 5:32. Nahoana ny fankatoavana ny Tenin’     Andriamanitra no fepetra manan-danja ho amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina?

Tahaka ny amin’izao andro izao, dia omena ny rehetra izay mankatò an’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ao amin’ny Baiboly, dia miara-dalana ny fitiavana sy ny fankatoavana. Ny finoana marina dia aseho amin’ny fankatoavana. Tsy maintsy mitoky amin’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, ary hankatò ny didiny. Araka izay nambaran’i Jesôsy hoe: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy” (Jao. 14:23).

Safidy ny fankatoavana. Izany dia mitarika ho amin’ny toe-piaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay aseho ao amin’ny lalàna. Ny fankatoavana an’Andriamanitra dia ny fanekena an’i Jesôsy ho Tompontsika (Lio. 6:46). Ao amin’ny 1 Jao. 2:4,5 dia hitantsika hoe “Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.” Teny mafonja tokoa ireo. Fantatsika avy tamin’i Jaona koa fa “Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika” – 1 Jao. 3:24. Na iza na iza manatanteraka ny baikon’Andriamanitra, dia hahazo fiadanan-tsaina.

Vakio ny Joda 18-21. Nahoana no ilaina ny fandosirana ny eritreritra sy ny fitondran-tena tsy madio rehetra? Ahoana no hanampian’ny fihazonantsika ny fontsika sy ny saintsika ho madio antsika ho feno ny Fanahy Masina?

Tsy afaka ny hirehitra hatrany eo amin’ny fiainantsika ny afon’ny Fanahy Masina raha toa isika misaina araka izao tontolo izao. Araka izany, dia ilaintsika ny ho fenon’ny fitiavan’Andriamanitra. Ilaintsika ny mifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Raha manao izany isika, dia hiaro antsika amin’ny eritreritra sy ny asa tsy madio ny fitiavan’Andriamanitra. Raha manao izany isika, dia hanampy antsika hanana fanahy mahery, fitiavana ary fahononan-tena (2 Tim. 1:6,7) ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy maintsy manao tolona mafy amin’ny tena isika, amin’izay isika vao ho tonga araka izay tokony ho toetsika. Mazava loatra fa tsy afaka ny hanao izany irery isika, fa mila ny fanampian’ Andriamanitra.  Manana safidy roa isika, azontsika atao ny manolotra ny fontsika sy ny saintsika ho an’ny Fanahy Masina na mamela ny nofontsika feno ota hanapaka antsika. Antsika ny safidy.


“Tsy misy fetra ny fahazoana manao asa soa miavosa be indrindra. Tsy misy fetra ny fahazoana manao soa eo amin’izay mametraka ny “izaho”, ary mamela toerana hiasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny fony, ka miaina amin’ny fiainana voatokana tanteraka ho an’Andriamanitra.” – IFM, tt. 252-253. Ahoana no hahafahanao mampihatra ireo teny ireo eo amin’ny fiainanao ara-panahy?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

NY FAHASAMIHAFAN’NY FIAINANA MIORINA AMIN’NY TENA SY NY FIAINANA HO AN’I KRISTY (Gal. 5:16-26)

Vakio ny Gal. 5:16-26 ary ampitahao amin’ny Efes. 5:1-9, 17-20. Tanisao ny fahasamihafana eo amin’ny fiainana miorina amin’ny tena sy ny fiainana feno ny Fanahy Masina.

Ny fiainan’ny olona izay tsy miaina ao amin’ny Fanahy dia samy hafa tanteraka amin’ny fiainan’ny olona feno ny Fanahy Masina.

Olona tia tena

Olona tarihin’ny Fanahy Masina

Tia izay feno fahotana sy izay tsy tian’Andriamanitra

Tia ny zava-panahy sy izay mahafaly an’Andriamanitra

Voabaikon’ny faniriana feno ota

Tarihin’ny Fanahy

Tsy mampiasa ny fahafahana amim-pahendrena ary andevon’ny ota

Nohafahana tamin’ny ota ary nantsoina ho amin’ny fahafahana ao amin’i Kristy

Mandika ny sitrapon’Andriamanitra

Mankatò ny sitrapon’Andriamanitra

Tia tena

Tsy tia tena

Maneho ny vokatry ny fahotana

Maneho ny vokatry ny Fanahy

Tsy mahita ny ilàna ny famelan-keloka no sady mirehareha

Mahita fa ilaina ny famelan-keloka sy ny fiderana an’i Jesôsy noho izay nataony ho antsika

 

Ny olona izay feno ny Fanahin’Andriamanitra dia ho tia mankatò ny lalàny. Haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny hafa izy (vakio ny 2 Kôr. 5:14). Hiova ny tombambidintsika rehefa mahazo fo vaovao isika. Tsy maniry hiaina ny fiainana amin’ny herin’ny tenantsika intsony isika, fa hilefitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina (Gal. 3:3).

Tsy afaka manova ny tenantsika isika, satria tsy manana ny hery ahafahana manao izany. Latsa-paka ao amintsika loatra ny fahotana. Tsy maintsy avy amin’Andriamanitra ny hery manova antsika. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no hisian’ny fiovam-po sy fiovan-tsaina amintsika. Tsy ny fiovana ivelany, tahaka ny fanovana ny fahazaran-dratsy no maha-Kristianina antsika, tsy maintsy avy ao am-po izay nohavaozin’ny Fanahy Masina izany.

Izany fanovana izany dia asa mandritra ny fiainana iray manontolo, asa izay ifandimbiasan-javatra maro, saingy asa izay nampanantenain’Andriamanitra fa hataony ao amintsika raha manolo-tena ho Azy isika. Hoy ny Fil. 1:6: “ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy”.


Lafiny inona eo amin’ny fiainanao no ahitanao fitiavan-tena? Lafiny inona kosa no ahitanao ny fiasan’ny Fanahy Masina ao aminao? Inona no ambaran’ny valinteninao mikasika ny tenanao sy ny safidy tokony hataonao?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: Samy te hitondra ny fiainany avy isika rehetra. Mazàna isika no miankina amin’ny ezaka ataontsika manokana mba hahatanteraka izay azontsika atao. Raha ny marina, dia olona maro no mandany ny fiainany amin’ny fiezahana hahazo ny fifehezana. Ny sasany indray matahotra mafy ny hahavery ny fifehezana eo aminy. Ao amin’Andriamanitra irery ihany no vahaolana ho amin’izany olan’ny olombelona izany, satria Izy no Mpamorona sy Mpamonjy antsika. Tiany isika raha manome Azy ny fitantanana feno ny fiainantsika, mahafantatra antsika sy tia antsika mihoatra noho ny olon-drehetra Izy.


Izany fitiavan’Andriamanitra antsika izany no manokatra ny varavarana ho Azy mba hiasany eo amin’ny fiainantsika. Ny fifidianana ny hanome ny fontsika ho eo ambany fitantanan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra no hitondra ny fiadanany ho antsika. Homeny tombontsoa maro isika hahatonga antsika ho fitahiana ho an’ny hafa. Ilaintsika anefa ny maniry izany hery izany eo amin’ny fiainantsika. Tsy manery na dia ny iray amintsika rahateo Andriamanitra; malalaka isika amin’ny safidy ny hanompo an’Andriamanitra na hiodina Aminy.


Andeha atao hoe maniry ny hanana fahafahana ao amin’i Kristy isika. Ilaintsika araka izany ny fialana amin’ny lalantsika taloha izay feno fahotana. Tsy maintsy maniry ny herin’ny Fanahy Masina hameno antsika isika. Raha tiantsika ny ho afaka tanteraka dia tsy maintsy manolo-tena tanteraka ho eo ambany fifehezan’ny Fanahy Masina isika. Ny fahafahantsika dia miorina amin’ny fanafahana amin’ny herin’ny ota, satria ny fahotana no manandevo antsika hatrany. Mitarika ho amin’ny fahafatesana mandrakariva izany. Araka izany, dia tsy maintsy manolo-tena ho an’ny Tompo isika, tsy maintsy mamela ny Fanahy Masina honina ao anatintsika.


Tsy eo ambany fanamelohan’Andriamanitra intsony isika (vakio ny Rôm. 8:1), ary miaina fiainana izay “tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny fanahy” (Rôm. 8:4). Ny fahafahana amin’ny fahotana tahaka izany dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra. Izany ihany no fahafahana marina fantatsika amin’ny maha-mpanota antsika.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.     
Ny olona sasany dia mieritreritra fa ny fahafahana dia ny fahafaha-manao izay tiana, amin’ny fotoana izay tiana, ary amin’izay fomba itiavana anaovana izany. Inona no mahadiso izany hevitra izany raha amin’ny fomba fijery kristianina? Inona ny hevitry ny Baiboly momba ny tena fahafahana? (vakio ny Sal. 119:45; Lio. 4:18; Jao. 8:34-36; 2 Kôr. 3:17; ary ny Gal. 5:1.)

2.      Zava-dehibe ny famelana ny “izaho”. Manan-danja ny fanolorana feno ny fiainantsika ho an’Andriamanitra, mba hahafahan’ny Fanahy Masina miasa amin’ny fomba mahery amin’ny alalantsika. Alaivo sary an-tsaina izay hiseho raha mamela ny “izaho” ianao. Alaivo sary an-tsaina izay hitranga raha manokatra midanadana ny fonao ho amin’ny asan’ny Fanahy Masina ao anatinao ianao. Inona no heverinao fa azon’Andriamanitra atao amin’ny alalanao?  Ahoana no hahatonga izany hanjary fitahiana ho an’ny hafa?

3.      Ny fiainana kristianina dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny teo aloha, fa fanavaozana azy. Misy fahafatesana amin’ny tena sy amin’ny fahotana, ary fiainam-baovao miaraka amin’izany. Tsy misy afa-tsy ny asa mahomby ataon’ny Fanahy Masina ihany no mahatanteraka io fanovana io.” – IFM, t. 167. Ifanakalozy hevitra ny tian’ireo teny ireo hambara.


Ampitahao ny zavatra miharihary eo amin’ny fiainana feno fitiavan-tena sy ny fiainana feno ny Fanahy (jereo ny tabilao tamin’ny Alakamisy). Ifanakalozy hevitra amin’ireo mambra ao amin’ny Sekoly Sabata ny fahitan’ny tsirairay ny fitahiana lehibe indrindra amin’ny fananana fiainana feno ny Fanahy.


 Pejy ambony