SS 5 2T 2017

LESONA 5

22 - 28 APRILY  2017

MIVELONA HO AN'ANDRIAMANITRA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 3:8–12; Gal. 2:20; 1 Pet. 4:1,2; Rôm. 6:1–11; 1 Pet. 4:3–11; 2 Sam. 11:4.

Tsianjery: “Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy.” - 1 Pet. 3:12.
    
Fantatr’ireo mpanoratra ny Baiboly fa tena misy ny fahotana. Ahoana moa no tsy ahafantarany? Maimbo amin’izany izao tontolo izao. Etsy ankilan’izay, fantany koa ny maha-mpanota azy (vakio ny 1 Tim. 1:15). Fantatr’izy ireo koa ny hamafin’ny fahotana; na izany na tsy izany, jereo ny zavatra nilaina mba hamahana ny olan’ny fahotana: ny hazo fijalian’i Jesôsy Kristy. Izany no tena halalin’ny olan’ny fahotana sy ny fihanak’izany. Tena tsapan’ireo mpanoratra ny Baiboly ireo koa anefa ny herin’i Kristy eo amin’ny fanovana ny fiainantsika sy ny fanaovana antsika ho olom-baovao ao Aminy.

Amin’ity herinandro ity dia manohy io lalana io ihany i Petera: ny karazana fiainam-baovao izay hananan’ny Kristianina ao amin’i Kristy rehefa avy nanolotra ny tenany ho Azy sy natao batisa izy ireo. Ho lehibe tokoa mantsy ny fiovana hany ka ho tsikaritry ny hafa izany. Tsy milaza akory i Petera fa ho mora mandrakariva io fiovana io. Tsy izany, milaza izy fa ilaina ny miaritra amin’ny nofo (1 Pet.

Manohy lohahevitra iray izay mahenika ny Baiboly koa i Petera, dia ny fisian’ny fitiavana eo amin’ny fiainan’ny mpino an’i Jesôsy. Hoy izy: “ny fitiavana manarona fahotana maro” - 1 Pet. 4:8. Rehefa tia isika, rehefa mamela heloka isika, dia maneho izay nataon’i Jesôsy sy mbola ataony ho antsika.



Pejy ambony

 

ALAHADY


“Miraisa saina” (1 Pet. 3:8–12)

Vakio ny 1 Pet. 3:8–12. Inona no teboka lazain’i Petera eto momba ny tokony ho fomba fiainan’ny Kristianina? Inona no mbola averina indray amin’izay efa nosoratany ao amin’ny 1 Pet. 2:20,21

Atombok’i Petera amin’ny filazana azy ireo hoe “miraisa saina” (homophrones amin’ny teny grika) ny teniny. Tsy miresaka momba ny fitoviana anefa izy, izany hoe hieritreritra, hanao zavatra, ary hino amin’ny fomba tena mitovy ny tsirairay. Hita ao amin’ny 1 Kôr. 12:1–26 ny ohatra tsara indrindra anehoana io hevitra io. Marihin’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo fa ampahany maro no mandrafitra ny tena. Misy tanana ary misy maso, saingy mbola miara-mandrafitra ny tena iray manontolo ihany ny ampahany tsirairay. Tahaka izany koa, olona manana fanomezam-pahasoavana maro samihafa no mandrafitra ny fiangonana. Miara-miasa izy ireo mba handrafitra fiangonana miray.
Mazava loatra fa tsy mora mandrakariva ny manatratra ny firaisana tahaka izany. Mampalahelo fa ny tantaran’ny fiangonana kristianina dia naneho matetika mihitsy ny fahamarinan’io. Koa mampitandrina ny mpino i Petera momba ny tsy firaisan-tsaina. Rehefa izay dia lazainy amin’ny mpamaky azy ny fomba ahazoan’izy ireo maneho io filamatra kristianina io, dia ny firaisana izany.

Ohatra, tokony hanao zavatra amim-piraisam-po ny Kristianina (1 Pet. 3:8). Ny firaisam-po dia midika fa rehefa mijaly ny Kristianina anankiray, dia hiara-mijaly aminy ihany koa ny sasany; rehefa misy Kristianina iray indray mifaly, dia hiara-mifaly aminy ny Kristianina sasany (ampitahao amin’ny 1 Kôr. 12:26). Ny firaisam-po dia manampy antsika hahita ny fomba fijerin’ny hafa, ary dingana manan-danja mankamin’ny firaisana izy io. Rehefa izay dia milaza amintsika i Petera hoe: “mifankatiava” (1 Pet. 3:8). I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ny fomba ahafantaranao ny tena mpianany dia ny ifankatiavan’izy ireo (Jao. 13:35). Ankoatra izay, milaza i Petera fa hanana fo malefaka ny Kristianina (1 Pet. 3:8). Hifamindra fo izy ireo noho ny olan’ny hafa sy ny tsy fahatanterahany.

“Homboy ny izaho; raiso ho ambony noho ny tenanao ny hafa. Amin’izay dia ho tafaray amin’i Kristy ianao. Eo anatrehan’ny tontolo any an-danitra, sy eo anatrehan’ny fiangonana sy eo anatrehan’izao tontolo izao, dia hitondra ny porofo miharihary ianao fa zanak’Andriamanitra. Homem-boninahitra amin’ny ohatra apetrakao Andriamanitra.” — TFC, b. 9, t. 188.   

Impiry isika no manao izay lazain’i Petera eto, indrindra ny ampahany momba ny hoe: “tsy mamaly ratsy ny ratsy” (1 Pet. 3:9)? Inona no karazana fahafatesan’ny izaho izay tsy maintsy andramantsika mba hanarahantsika ireo teny ireo? Ahoana no ahafahantsika mahazo io karazana fahafatesana io? (Jereo ny Gal. 2:20.)


Pejy ambony

ALATSINAINY


Miaritra amin’ny nofo (1 Pet. 3:18,21)

Tena maty noho ny otantsika tokoa i Jesôsy, ary ny fanantenantsika famonjena dia hita ao Aminy irery ihany, ao amin’ny fahamarinany, izay mandrakotra antsika sy mahatonga antsika hisaina ho marina eo imason’Andriamanitra. Noho i Jesôsy, dia “hankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra ianao, toy ilay tsy nanota iny akory.” – TH, t. 75.
Tsy mifarana fotsiny eo amin’ny fanononana sy fanambarana fa voavela ny helotsika anefa ny fahasoavan’Andriamanitra. Omen’Andriamanitra hery handresena ny fahotana koa isika.

Vakio ny 1 Pet. 3:18,21; 4:1,2; ary ny Rôm. 6:1–11. Inona no ifandraisan’ny fijaliana sy ny fandresena ny fahotana?
 
    
Misy voambolana grika kely ampiasaina ao amin’ny 1 Pet. 3:18 izay manamafy fa feno ary mahafaoka ny rehetra ny fanatitra nataon’i Jesôsy. Hapax izany voambolana izany, izay midika hoe “indray mandeha dia ampy”. Mampiasa ny voambolana hapax i Petera mba hanamafisana fa feno ary mahafaoka ny rehetra ny fijalian’i Jesôsy sy ny fahafatesany ho antsika.

Ny teny hoe “koa satria” ao amin’ny 1 Pet. 4:1 dia mampifandray ny 1 Pet. 4:1,2 amin’izay vao avy nolazaina ao amin’ny 1 Pet. 3:18–22. Ao amin’ireo andininy teo aloha ireo, dia marihin’i Petera fa niaritra fijaliana noho ny fahotantsika i Kristy mba hahafahany mitondra antsika ho amin'Andriamanitra (1 Pet. 3:18), ary marihiny koa fa “ny batisa” no “mamonjy anareo koa ankehitriny” (1 Pet. 3:21).
    
Koa ny batisa izany, angamba, no fomba tsara indrindra hanampiana antsika hahatakatra ny tenin’i Petera: “(...) fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka amin'ny ota” - 1 Pet. 4:1. Amin’ny alalan’ny batisa no andraisan’ny Kristiana anjara amin’ny fijalian’i Jesôsy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Nandray safidy ilay Kristianina fa “tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra” 1 Pet. 4:2. Tsy tanteraka io safidy io raha tsy amin’ny alalan’ny fampileferana isan’andro ny izaho amin’ny Tompo sy fanomboana eo amin’ny hazo fijaliana “ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny” (Gal. 5:24) irery ihany.  
Milaza i Paoly ao amin’ny Rôm. 6:1–11 fa amin’ny batisa, dia tafaray amin’i Jesôsy tamin’ny fahafatesany sy tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty isika. Maty ny amin’ny ota isika tamin’ny nanaovana batisa antsika. Koa ilaintsika ankehitriny ny manao io fahafatesana ny amin’ny ota io ho tena zava-misy eo amin’ny fiainantsika. Manome ny tsiambaratelon’ny fiainana kristianina ny tenin’i Paoly manao hoe: “aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy” - Rôm. 6:11.

Oviana ny fotoana farany nahitanao fa “miaritra amin’ny nofo” ianao mba hiadianao amin’ny fahotana? Inona no ambaran’ny valin-teninao aminao momba ny fiainanao amin’ny maha-Kristianina anao?

Pejy ambony

TALATA


Nateraka indray (1 Pet. 4:3–6)

Manana fiainam-baovao sy fiaingana vaovao isika ao amin’i Kristy. Raha midika zavatra maro izany, indrindra ho an’ireo izay nandray an’i Kristy taorian’ny fahazazany, dia tsy maintsy midika izany fa hiaina amin’ny fomba hafa amin’izay niainany teo aloha izy ireo. Iza no tsy mbola nandre tantara tsy mampino momba ireo izay niaina araka ny fanaon’izao tontolo izao, saingy niaina fiovana tanteraka noho ny amin’i Jesôsy sy ny fahasoavany mamonjy tatỳ aoriana?  

Aorian’ny iresahan’i Petera momba ny fahafatesan’ny izaho sy ny fiainam-baovao ananantsika ao amin’i Jesôsy (rehefa avy natao batisa ho amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty) tokoa mantsy, dia miresaka momba ny karazam-piovana hiainan’ny olona anankiray izy.

Vakio ny 1 Pet. 4:3–6. Inona ireo fiovana mitranga eo amin’ny fiainan’ny olom-baovao ao amin’i Kristy? Ary ahoana no fihetsiky ny hafa manoloana ireo fiovana ireo?

Indreto no voambolana telo ampiasain’i Petera momba ny fampiasana toaka: “fisotroana toaka”, “hamamoana” ary “fanasana” (KJV). Raha atao amin’ny teny môderina kokoa dia hoe: tapitra ny fotoana anaovan’ny olona iray lanonana. Araka izay voalazan’i Petera tokoa mantsy, tokony ho tena goavana tokoa ny fiovana andraman’ny Kristianina mba ho “gaga” ireo izay nahafantatra ilay Kristianina nandritra ny fiainany lasa fa tsy mandray anjara amin’ireny fanaranam-po ireny intsony izy (1 Pet. 4:4). Koa manana tombony fanararaotra isika eto mba hijoro ho vavolombelona amin’ireo tsy mpino, nefa tsy mila mitory teny. Ny fiainana kristianina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia ho fijoroana ho vavolombelona mahery vaika kokoa noho ny toriteny rehetra eto amin’izao tontolo izao.

Inona no ambaran’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 4:3–6 momba ny fitsarana?

Eto, tahaka ny any amin’ny toerana hafa ao Baiboly (Jao. 5:29; 2 Kôr. 5:10; Heb. 9:27), dia apetrak’i Petera mazava tsara fa hisy fitsarana indray andro any noho ny asa natao tamin’ny “nofo” rehetra (1 Pet. 4:2). Miresaka momba ny filazantsara notorina “tamin'izay maty aza” i Petera (1 Pet. 4:6). Ny tiany lazaina tamin’izany dia hoe: na dia tamin’ny lasa aza, ireo olona any am-pasana ankehitriny dia nanana tombontsoa nahafantarana ny fahasoavana mamonjy avy amin’Andriamanitra, fony izy ireo mbola velona. Noho izany dia afaka mitsara azy ireo ara-drariny ihany koa Andriamanitra.

Amin’ny maha-mpino an’i Jesôsy anao, manao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao ankehitriny, raha ampitahaina amin’ny fiainanao fony ianao mbola tsy nino Azy? Inona no fiovana nataon’i Jesôsy teo amin’ny fiainanao?


Pejy ambony

ALAROBIA


Ireo fahotan’ny nofo (1 Pet. 4:3)

Tanisain’i Petera ireo zava-dratsy nataon’ny olona tamin’ny lasa. Nitsahatra tsy nanao ireo zavatra ireo intsony anefa izy ireo rehefa lasa mpino an’i Jesôsy. Rehefa izay dia tanisain’i Petera koa ireo fahotana izay azo antsoina hoe: “fahotana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo”.

Vakio indray ny 1 Pet. 4:3. Inona koa no tanisain’i Petera eto?


Misy voambolana roa ao amin’io andininy io manana heviny mazava tsara mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo: “fijejojejoana” sy ny “fanirian-dratsy”. Ny voambolana hoe “fijejojejoana” dia avy amin’ny voambolana grika aselgia, izay midika hoe “fahafinaretana ara-nofo”. Ny “fanirian-dratsy” dia avy amin’ny voambolana grika epithumia, izay midika hoe “fanirian-dratsy” na “faniriana miredareda”.
    
Tena mora ho an’ny Kristianina anefa ny manana hevitra diso momba ny firaisana ara-nofo sy ny filàna. Tsy manohitra ny firaisana ara-nofo ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany aza fa namorona ny taovam-pananahana Andriamanitra, ary nomeny ny olombelona ny faniriana hanao firaisana ara-nofo mba ho fitahiana lehibe ho azy ireo. Nisy tao Edena ny faniriana hanao firaisana ara-nofo, tany am-boalohany. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.” - Gen. 2:24, 25. Natao ho iray amin’ireo zavatra fototra izay hampiray ny mpivady ao anatin’ny fanambadiana maharitra mandritra ny androm-piainana izany. Io fanambadiana io no mandrafitra ny tontolo tsara indrindra hitaizana ny zaza. Ary io fifanakaikezana sy io fitiavana io koa no ho taratry ny fifandraisana tadiavin’Andriamanitra avy amin’ny vahoakany (vakio ohatra ny Jer. 3; Ezek. 16; Hôs. 1-–3).  

Raha ao amin’ny toerana tokony hisy azy, eo amin’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny fanambadiana, dia fitahiana lalina ny firaisana ara-nofo. Raha tsy ao amin’ny toerana tokony hisy azy kosa, ao anatin’ny tontolon-kevitra diso, dia mety ho iray amin’ireo hery manimba lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao izany. Manoatra lavitra ny kajikajin’olombelona ireo vokatra mahatsiravin’ireo fahotana ireo. Iza amintsika tokoa moa no tsy mahafantatra fiainan’olona rava noho ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy io fanomezana kanto loatra io?

Inona no itovian’ireto andininy manaraka ireto? 2 Sam. 11:4; 1 Kôr. 5:1; Gen. 19:5; 1 Kôr. 10:8.

Mazava loatra fa tsy mila ny Baiboly ny olona iray mba hahafantarana tantara ahitana fahoriana sy fijaliana vokatr’ireo fahotana ireo.

Mila mitandrina koa anefa isika. Azo antoka fa mety hisy fiantraikany ratsy mahery vaika eo amin’ny olona ny fahotana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna, ary mirona amin’ny tsy fanekena izany sy ireo izay manao izany ny fiarahamonina. Ny fahotana anefa dia fahotana, ary manarona ireo fahotana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna koa ny fahafatesan’i Kristy. Koa amin’ny maha-Kristianina antsika dia ilaintsika ny mitandrina tsara, indrindra amin’io lafin-javatra sarotra io, mba tsy hitsara ireo izay lavo tao anatin’ny fahotana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo (vakio ny Lio. 6:42).



Pejy ambony

ALAKAMISY


Manarona ny zava-drehetra ny fitiavana (1 Pet. 4:7–11)

Na dia tamin’ny andron’i Petera aza, dia niaina tao anatin’ny finoana ny fiverenan’i Kristy tsy ho ela intsony sy ny fiafaran’ity tontolo amin’izao fotoana izao ity ireo Kristianina. Fantatsika izany satria manoratra izy ao amin’ny 1 Pet. 4:7 hoe: “Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.” Amin’ny teny hafa: aoka ho vonona ho amin’ny farany. Amin’ny heviny iray tena mivaingana koa, ny “farany”, raha mbola voakasik’izany isika tsirairay, dia tsy hihoatra ny fotoana iray aorian’ny ahafatesantsika. Manakimpy ny masontsika ao anatin’ny fahafatesana isika, ary ny fiavian’i Jesôsy fanindroany sy ny fiafaran’izao tontolo izao no zavatra fantatsika manaraka izany – na arivo taonany maro, na andro vitsivitsy monja no efa lasa taorian’ny fahafatesantsika.

Araka izay lazain’i Petera, satria “antomotra ny faran'ny zavatra rehetra”, dia ahoana no tokony ho fiainan’ny Kristianina? Vakio ny 1 Pet. 4:7–11.

Ankoatra ny hoe hendry sy mahonon-tena ho amin’ny fivavahana, dia hoy koa i Petera amin’ny Kristianina: “mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro” - 1 Pet. 4:8.

Inona no hevitr’izany? Ahoana no anaronan’ny fitiavana ny fahotana? Misy tsiambaratelo hita ao amin’ny andalan-teny izay notsongain’i Petera, dia ao amin’ny Ohab. 10:12 izany: “Ny fankahalana dia manetsika ady; fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra”. Rehefa mifankatia isika, dia manana fahavonona sy mora mamela kokoa ireo izay nandratra sy nanao ratsy tamintsika. Mitarika Azy hamela ny hadisoantsika ny fitiavan’i Kristy; ary tokony hitarika antsika hamela ny hadisoan’ny hafa ny fitiavantsika. Rehefa manjaka ao am-po ny fitiavana, dia mora kokoa ny manamaivana sy manadino ireo hadisoana kely na ireo hadisoana goavana mihitsy koa aza, izay nataon’ny hafa.
Azo antoka fa i Petera koa dia naneho ny hevitr’i Jesôsy sy i Paoly, izay nilaza fa azo fintinina amin’ny adidy hitia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika ny lalàna iray manontolo (Mat. 22:34–39; Rôm. 13:8–10).

Mananatra ny Kristianina koa i Petera mba hampiantrano vahiny. Mety ho efa akaiky ny fiavian’i Jesôsy fanindroany, saingy tsy tokony hiala amin’ny fifaneraserana amin’ny fiarahamonina noho izany ny Kristianina. Farany, rehefa miteny ny Kristianina, dia tokony hanao izany tahaka ireo izay milaza ny tenin’Andriamanitra izy ireo. Amin’ny teny hafa, mitaky fifampiresahana matotra momba ireo fahamarinana ara-panahy ny fahamatoran’ilay fotoana.

“Ny fitiavana manarona fahotana maro” – 1 Pet. 4:8. Iza no nanao hadisoana taminao? Ahoana no ahafahanao maneho ny fitiavana ilaina mba hanaronana izany hadisoana izany? Nahoana no tombontsoa ho anao ny manao izany?



Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: “Ny fitiavana izay mahari-po sady mora fanahy dia tsy hanao izay ahitana ny tsy fitandremana bitika ho toy ny heloka goavana tsy azo havela, na koa hanararaotra ny hadisoan’ny hafa. Mampianatra mazava tsara ny Soratra Masina fa tokony horaisina amim-pandeferana sy amim-piheverana ireo nania. Raha arahina tsara ny fomba fiasa sahaza, dia mety ho babo ho an’i Kristy ilay fo izay toa miziriziry amin’ny fahotana. Manarona fahotana maro ny fitiavan’i Jesôsy. Tsy mitarika ho amin’ny fanabaribariana ny hadisoan’ny hafa na oviana na oviana ny fahasoavany, raha tsy hoe misy ilàna izany.” — Counsels to Parents, Teachers, and Students, t. 267.

Eritrereto, ohatra, ny tantaran’i Jesôsy sy ilay vehivavy tratra nijangajanga (Jao. 8:1–11). Amin’ny kapobeny, isika dia mandray io tantara io ho tantara momba ny fahasoavan’i Kristy manoloana ny vehivavy lavo anankiray, ary marina izany. Misy teboka lalindalina kokoa koa anefa eto. Raha niatrika ireo mpitarika ara-pivavahana izay nitondra ilay vehivavy teo Aminy i Jesôsy, dia nahoana Izy no nanoratra “ireo hadisoany, tsiambaratelon’ny fiainany” (IFM, t. 494) teo amin’ny vovoka, izay mety hahavoafafa ireo teny teo no ho eo? Nahoana no tsy niampanga azy ireo miharihary Izy, ka nanambara teo anatrehan’ny rehetra izay fantany momba ny fahotan’izy ireo, izay mety ho ratsy na ratsy kokoa noho ny an’ilay vehivavy mihitsy aza? Tsy izany no nataon’i Jesôsy fa nasehony tamin’ireo mpitarika ireo fa fantany ny fihatsarambelatsihiny sy ny faharatsiany, kanefa tsy habaribariny amin’ny hafa izany. Io angamba no fomba nampiasain’i Jesôsy mba hanatrarana ireo lehilahy ireo, sy hanehoany fa fantany ny fikasan’izy ireo, ary hanomezana azy ireo tombony fanararaotra mba hahavoavonjy azy. Lesona ho antsika mahery vaika manao ahoana re izany rehefa ilaintsika ny miatrika ireo izay nanota e!

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Saintsaino lalindalina kokoa ny resaka momba ny firaisana sy ny fitoviana. Misy lafin-javatra sasany ve izay ilàntsika ny ho ao anatin’ny firaisan-tsaina tanteraka mba hiarahantsika miasa amin’ny maha-fiangonana antsika? Raha eny, inona avy izany, ary ahoana no ahafahantsika mahita io fitoviana ilaina io? Mifanohitra amin’izany, inona ireo lafin-javatra izay tsy maninona na dia misy hevitra samy hafa aza, ary mety hanampy antsika mihitsy koa aza ireo hevitra samy hafa ireo?

2. Nanao ahoana ny fanandramanao ny hevitra momba ny ilàna izany hoe “niaritra tamin'ny nofo” izany mba tsy hanotana intsony? Inona no hevitr’izany? Moa ve ny fahefan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika mba hanova antsika dia midika avy hatrany fa tsy mila miaritra amin’ny nofo isika mba hahazoantsika ny fandresena? Raha tsia, dia nahoana?

3. Jereo ireo faharavana nateraky ny toaka eo amin’ny fiainana maro. Inona no azontsika atao amin’ny maha-fiangonana antsika mba hanampiana ny hafa hahita ny loza aterak’io zava-mahadomelina io? Inona no azontsika atao mba hanairana mandrakariva ny tanorantsika fa hadisoana lehibe na dia ny manandrana fotsiny ny zavatra izay hitondra fahasimbana mahatsiravina eo amin’izy ireo?

Pejy ambony