22 - 28 JOLAY
NY FINOAN'NY TESTAMENTA TALOHA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 3:1–14, Rôm. 1:2; 4:3; Gen. 15:6; 12:1–3; Lev. 17:11; 2 Kôr. 5:21.
Tsianjery: “Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: ‘Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo’” - Gal. 3:13.
“Nisy zazalahy kely iray nanamboatra sambokely, voaloko sy voalamina tsara. Indray andro anefa dia nisy olona nangalatra ny sambony, ka tena nalahelo mafy izy. Raha nandalo teo amin’ny mangazay mpividy sy mpivarotra entana efa niasa izy indray andro, dia hitany ny sambokeliny. Nihazakazaka tamim-pifaliana nankeny amin’ny tompon’ilay mangazay izy ka niteny hoe: ‘Sambokeliko io.’ ‘Tsia’, hoy ilay tompon’andraikitra, ‘ahy io satria novidiko”. “Eny e”, hoy ilay zazalahy, ‘saingy ahy io, satria namboariko.’ ‘Eny àry’, hoy ilay mpivarotra, ‘raha handoa roa dôlara amiko ianao, dia ho azonao alaina io’. Vola be izany ho an’ny zazalahy izay tsy nanana na dia farantsa kely aza. Na izany aza, nanapa-kevitra ny haka izany izy; nanapaka bozaka, ary nanao izao karazana asa aman-draharaha rehetra izao izy, ka tsy ela dia azony ny vola nilainy.
“Nihazakazaka tany amin’ilay mangazay izy ka niteny hoe: “Alaiko ny samboko’. Naloany ny vola, ary noraisiny ny sambony. Noraisiny teny an-tsandriny ny sambony, nofihininy sy norohany, dia hoy izy: ‘Tiako ianao, ry sambokely malalako. Ahy ianao. Ahy indroa miantoana ianao. Namboariko ianao, ary izao dia novidiko ianao’.
“Tahaka izany koa ny amintsika. An’ny Tompo indroa miantoana isika, amin’ny heviny iray. Noforoniny isika, ary avy eo dia tafiditra tao amin’ny mangazain’ny devoly fivarotan-javatra efa tonta. Rehefa izay dia tonga i Jesôsy ka nividy antsika tamin’ny sarany tena lafo – tsy volafotsy sy volamena – fa ny rany soa. An’ny Tompo noho ny famoronana sy ny fanavotana isika.” — PI, t. 97.
Pejy ambony
Ireo Galatianina adala (Gal. 3:1–5)
Vakio ny Gal. 3:1–5. Fintino izay nolazain’i Paoly tamin’ireo Galatianina. Nanomboka tamin’ny fahamarinana izy ireo, saingy rehefa avy eo dia lavo tao anatin’ny finoana fa vonjena amin’ny alalan’ny asa ny olona. Amin’ny lafiny inona no mety hahatandindomin-doza antsika ho latsaka ao anatin’io fandrika ara-panahy io koa?
Antsoin’i Paoly hoe “adala” ireo Galatianina eo amin’ny and. 1. Dikan-tenin’ny Baiboly môderina maro no niezaka nanakatra ny tian’i Paoly hambara tamin’io voambolana io. Mbola mafy kokoa noho io aza ny voambolana ampiasain’i Paoly amin’ny teny grika. Ny nampiasainy dia ny anoetoi, ary avy amin’ny voambolana entina ilazana ny saina izany (nous). Raha atao ara-bakiteny, dia midika hoe “tsy misy saina” izany. Tsy mba misaina ireto Galatianina ireto. Tsy mijanona eo anefa i Paoly. Satria manao zavatra amin-kadalana tahaka izany izy ireo, dia manontany tena izy raha toa ka nisy mpanao fankatovana namosavy azy ireo. “Iza no nanimba anareo?” Toa maneho mihitsy ny fifidianany ny voambolana ampiasainy fa ny devoly no fototra fara tampon’ny toerana misy azy ireo (2 Kôr. 4:4).
Ny tena mahasanganehana an’i Paoly manoloana ny fialan’ny Galatianina amin’ny filazantsara dia ny fahafantaran’izy ireo fa mifototra amin’ny hazo fijalian’i Kristy ny famonjena. Tsy zavatra izay mety ho tsy azon’izy ireo izany. Ny voambolana nadika hoe “nanehoana” ao amin’ny Gal. 3:1 dia midika ara-bakiteny hoe “natao peta-drindrina” na “natao sary”. Tamin’ny andron’ny Baiboly koa dia nampiasaina mba hamaritana fanambarana ampahibemaso izany. Koa tian’i Paoly hambara eto fa ampahany tena nanan-danja teo amin’ny toriteniny ny Hazo fijaliana ka tena hitan’ny Galatianina tamin’ny masom-panahiny sy ny mason’ny sainy tokoa i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana (1 Kôr. 1:23; 2:2). Amin’ny heviny iray, dia milaza izy fa miala amin’ny Hazo fijaliana izy ireo, noho ny fihetsiny.
Rehefa izay dia ampitahain’i Paoly ny fanandramana iainan’ny Galatianina ankehitriny sy ny fiainan’izy raha vao nino voalohany an’i Kristy izy ireo. Amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay toa miendrika fanambarana no anaovany izany. Ahoana no nandraisan’izy ireo ny Fanahy Masina, izany hoe ahoana no nahatongavan’izy ireo ho Kristianina tamin’ny voalohany? Ary avy amin’ny fomba fijery somary hafa kokoa: Nahoana no nomen’Andriamanitra azy ireo ny Fanahy? Moa ve satria nanao zavatra mba hahazoana Azy izy ireo? Azo antoka fa tsia! Tsy izany velively! Nahazo ny Fanahy izy ireo satria nino ny vaovao mahafaly momba izay efa nataon’i Kristy ho azy. Raha nanomboka tsara tahaka izany izy ireo, dia inona no nahatonga azy ireo hihevitra fa tsy maintsy miantehitra amin’ny fitondran-tenany manokana ankehitriny?
Impiry, raha efa nisy izany, no efa nahatsapanao ny tenanao nieritreritra hoe: Tena tsara izany ataoko izany! Kristianina tena mafy orina aho, tsy manao izao aho ary/na tsy manao izatsy aho ... ary rehefa avy eo, na dia amin’ny fomba misoko mangina aza, mieritreritra fa efa tsara ianao ka tokony ho voavonjy? Inona no tsy mety amin’izany sary izany?
Pejy ambony
Mifototra amin’ny Soratra Masina (Gal. 3:6–8)
Hatreto, raha ny ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina, dia niaro ny filazantsarany momba ny fanamarinana amin’ny finoana i Paoly, tamin’ny alalan’ny firesahana momba ny fanekena nifanaovana tamin’ireo apôstôly tany Jerosalema (Gal. 2:1–10) sy ny fanandramana manokana niainan’ireo Galatianina (Gal. 3:1–5). Manomboka eo amin’ny Gal. 3:6, dia mitodika eo amin’ny fanambaran’ny Soratra Masina i Paoly ho fanamafisana farany sy fara tampony ny filazantsarany. Ny Gal. 3:6–-4:31 tokoa mantsy dia mirakitra fanohanan-kevitra miandalana izay mifototra amin’ny Soratra Masina.
Inona no tian’i Paoly hambara rehefa manoratra momba ny “Soratra Masina” izy ao amin’ny Gal. 3:6–8? Diniho ny Rôm. 1:2; 4:3; 9:17.
Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy mbola nisy ny TV tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Galatianina. Rehefa mamerina teny avy ao amin’ny “Soratra Masina” i Paoly, dia ny teny avy ao amin’ny TT hatrany.
Mitana andraikitra manan-danja eo amin’ny fampianaran’i Paoly ny soratra rehetra ao amin’ny TT. Tsy raisiny ho toy ny andalan-teny maty ireny, fa toy ny Tenin’Andriamanitra velona sy manana fahefana. Izao no nosoratany ao amin’ny 2 Tim. 3:16: “Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra”. Ny voambolana nadika hoe “tsindrimandry” dia “heopneustos”. Ny ampahany voalohany amin’io voambolana io (theo) dia midika hoe “Andriamanitra”, ary ny ampahany faharoa kosa dia midika hoe “nofofonina”. Ny Soratra Masina dia “nofofonin’Andriamanitra”. Mampiasa ny Soratra Masina i Paoly mba hanehoana fa i Jesôsy no ilay Mesia nampanantenaina (Rôm. 1:2), sy mba hanomezana toromarika momba ny fomba fiainana kristianina (Rôm. 13:8–10), ary hanaporofoana ny fahamarinan’ny fampianarany (Gal. 3:8,9).
Sarotra ny mamaritra tsara hoe impiry i Paoly no mamerina teny avy ao amin’ny TT, saingy ahitana teny avy ao amin’izany manerana ny taratasiny rehetra, afa-tsy ao amin’ireo taratasiny fohy indrindra, dia ny Titosy sy Filemôna.
Vakio tsara ny Gal. 3:6–14. Mariho ireo andalan-teny avy ao amin’ny TT izay averin’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny fahefan’ny TT?
Efa nieritreritra ve ianao indraindray fa misy ampahany iray ao amin’ny Baiboly “voatsindry mandry” kokoa noho ny ampahany sasany? Araka ny fanambaran’i Paoly ao amin’ny 2 Tim. 3:16, inona no loza mandindona amin’ny fidinana amin’izany lalana izany?
Pejy ambony
Isaina ho marina (Gal. 3:6)
Araka ny hevitrao, nahoana i Paoly no niresaka momba an’i Abrahama, voalohany indrindra, raha niantehitra tamin’ny Soratra Masina mba hanamarina ny hafatry ny filazantsara nentiny? (Gal. 3:6).
Olona tena nanana ny maha-izy azy i Abrahama teo amin’ny Jodaisma. Tsy hoe razamben’ny taranaka jiosy fotsiny ihany izy, fa ireo Jiosy tamin’ny andron’i Paoly dia nandray azy ho toy ny ohatry ny tokony ho endriky ny tena Jiosy marina. Maro no nino fa ny fankatoavany no toetoetra mamaritra an’i Abrahama. Nino koa anefa izy ireo fa nambaran’Andriamanitra ho marina izy noho izany fankatoavany izany. Na izany na tsy izany, nandao ny firenena nahaterahany sy ny fianakaviany i Abrahama, nanaiky ny famorana izy, ary vonona mihitsy koa aza ny hanatitra ny zanany lahy ho an’Andriamanitra, rehefa nibaiko azy Izy. Izany ka fankatoavana! Azo antoka fa nanohana ny heviny araka izany zavatra izany ireo mpanohitra an’i Paoly raha nanizingizina ny momba ny famorana izy ireo.
Natsimbadik’i Paoly anefa ny zavatra tamin’ny fanondroana an’i Abrahama – intsivy ao amin’ny Galatianina – ho ohatry ny finoana fa tsy ho ohatry ny fitandremana ny lalàna.
Diniho ny famerenan’i Paoly ny Gen. 15:6 ao amin’ny Gal. 3:6. Inona no tian’izany hambara rehefa milaza izany fa ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra dia “nisaina ho fahamarinany”? (Jereo koa ny Rôm. 4:3–6,8–11,22–24.)
Raha sary an’ohatra avy amin’ny tontolo momba ny lalàna ny hoe “fanamarinana”, ny voambolana hoe “isaina” kosa dia sary an’ohatra notsongaina avy tamin’ny tontolon’ny fandraharahana. Mety hidika izany hoe: “ampidirana ao amin’ny kaontin’ny olona iray”. Tsy momba an’i Abrahama ihany no nampiasana izany voambolana izany, fa mipoitra indraika ambin’ny folo koa, izay mifandraika amin’ny patriarika.
Araka ny sary an’ohatra ampiasain’i Paoly, dia ny fahamarinana no apetraka ao amin’ny kaontintsika. Izao anefa no fanontaniana mipetraka: inona no fototra anisan’Andriamanitra antsika ho marina? Azo antoka fa tsy mifototra amin’ny fankatoavana izany – na dia eo aza ny zavatra lazain’ireo mpanohitra an’i Paoly. Milaza ny Soratra Masina fa noho ny finoan’i Abrahama no nanisan’Andriamanitra azy ho marina, na inona na inona nolazain’izy ireo momba ny fankatoavan’i Abrahama.
Mazava ny voalazan’ny Baiboly: tsy ny fankatoavan’i Abrahama no fototry ny fanamarinana azy; fa vokatry ny fanamarinana azy ny fankatoavany. Tsy nanao ireo zavatra nataony izy mba hohamarinina; nanao izany izy satria efa nohamarinina. Ny fanamasinana no mitarika ho amin’ny fankatoavana, fa tsy ny mifanohitra amin’izany, dia ny hoe ny fankatoavana no mitarika ho amin’ny fanamasinana.
Diniho lalina ny hevitr’izao: hamarinina amin’ny alalan’izay nataon’i Kristy ho anao irery ihany ianao, fa tsy amin’ny alalan’ny zavatra ataonao. Nahoana no tena vaovao mahafaly lehibe izany? Ahoana no ianaranao mandray izany fahamarinana izany ho anao manokana; izany hoe: mino fa ampiharina aminao, ianao manokana, izany, na inona na inona ny tolona natrehinao tamin’ny lasa, ary atrehinao ankehitriny mihitsy koa aza?
Pejy ambony
Ny filazantsara ao amin’ny Testamenta Taloha (Gen. 12:1–3)
“Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: ‘Aminao no hitahiana ny firenena rehetra’” – Gal. 3:8. Manoratra i Paoly fa tsy hoe notorina tamin’i Abrahama fotsiny ihany ny filazantsara, fa Andriamanitra mihitsy no nitory izany; koa tsy maintsy ho ny tena filazantsara marina izany. Oviana anefa Andriamanitra no nitory ny filazantsara tamin’i Abrahama? Ny famerenan’i Paoly ny Gen. 12:3 dia maneho fa ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, raha niantso azy ao amin’ny Gen. 12:1–3 Izy, no tao an-tsainy.
Vakio ny Gen. 12:1–3. Inona no ambaran’io amintsika momba ny toetran’ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama?
Nifantoka tamin’ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny fototry ny fanekena nataon’Andriamanitra taminy. Niteny inefatra tamin’i Abrahama tamin’ny fomba izay maneho fa hanao zavatra amin’ny nahim-pony Andriamanitra; Izy mihitsy no mampanantena fa hanao zavatra ho an’i Abrahama. Mahatalanjona tokoa ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama satria tena mandeha ilany tanteraka izany. Manao ny fampanantenana rehetra Andriamanitra; i Abrahama kosa tsy mampanantena na inona na inona. Mifanohitra amin’ny fomba hiezahan’ny ankamaroan’ny olona hifandraisana amin’Andriamanitra izany. Mazàna isika no mampanantena fa hanompo Azy, raha toa ka hanao zavatra ho antsika Izy ho setrin’izany. Fitadiavam-pamonjena amin’ny alalan’ny asa anefa izany. Tsy nangataka an’i Abrahama mba hampanantena zavatra Aminy Andriamanitra, fa ny handray amim-pinoana fotsiny ny fampanantenana ataony. Mazava loatra fa tsy zavatra mora izany, satria tsy maintsy nianatra ny hatoky tanteraka an’Andriamanitra i Abrahama, fa tsy hatoky ny tenany (jereo ny Gen. 22). Koa ny fiantsoana an’i Abrahama izany dia maneho ny hevitra fototry ny filazantsara, dia ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana.
Misy olona sasany manatsoaka hevitra diso fa mampianatra fomba anankiroa hahazoana famonjena ny Baiboly. Milaza izy ireo fa tamin’ny andron’ny TT dia nifototra tamin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ny famonjena; rehefa avy teo, satria tsy tena nahomby tsara izany, dia nofoanan’Andriamanitra ny lalàna ka nataony ho azo amin’ny alalan’ny finoana ny famonjena. Tsy ho avy amin’ny fahamarinana mihitsy izany. Tsy misy afa-tsy filazantsara iray ihany, araka izay nosoratan’i Paoly ao Gal. 1:7.
Inona koa ireo ohatra hafa hitanao ao amin’ny TT momba ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana irery ihany? Jereo, ohatra, ny Lev. 17:11; Sal. 32:1–5; 2 Sam. 12:1–13; Zak. 3:1–4.
Matetika isika no mandre ny fomba fiteny hoe: “fahasoavana mora vidy”. Fomba fiteny tena tsy sahaza mihitsy anefa izany. Tsy mora vidy ny fahasoavana – maimaim-poana izany (fara faharatsiny ho antsika). Simbaintsika anefa izany rehefa mieritreritra isika fa afaka manampy izany amin’ny asantsika na rehefa mieritreritra fa afaka mampiasa izany hanalana tsiny ny finiavantsika hanota. Araka ny fanandramanao manokana, inona amin’ireo eritreritra anankiroa ireo no mampirona anao kokoa, ary ahoana no ahafahanao mampitsahatra izany?
Pejy ambony
Voavotra tamin’ny ozona (Gal. 3:9–14)
Tsy isalasalana fa tohina tamin’ny teny feno fahasahiana nataon’i Paoly ao amin’ny Gal. 3:10 ireo mpanohitra azy. Azo antoka fa tsy nieritreritra ny tenany ho eo ambanin’ny ozona izy ireo; ampoizina fa nanantena ny ho voatahy noho ny fankatoavany izy ireo. Tsy miroaroa saina anefa i Paoly, ka nilaza mazava hoe: “Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna’”.
Mampitaha safidy anankiroa tena samy hafa i Paoly: ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana sy ny famonjena amin’ny alalan’ny asa. Mahitsy ireo fitahiana sy ireo ozona tafiditra tao anatin’ny fanekena, izay voasoritra ao amin’ny Deo. 27 sy 28. Voatahy ireo izay nankatò, ary voaozona ireo izay tsy nankatò. Midika izany fa raha maniry ny hiantehitra amin’ny fankatoavana ny lalàna ny olona mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia ilaina tandremana ny lalàna iray manontolo. Tsy manana zo haka sy hifidy izay tiantsika harahina isika; ary tsy tokony hieritreritra koa isika fa vonona ny hanamaivana ka hanadino ny fahadisoana vitsy etsy sy eroa Andriamanitra. Na ianao mahatandrina ny lalàna rehetra, na ianao tsy mahatandrina mihitsy.
Mazava loatra fa vaovao ratsy, tsy ho an’ny Jentilisa ihany, fa ho an’ireo mpanohitra an’i Paoly izay mitady famonjena amin’ny alalan’ny asa koa izany, satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra” - Rôm. 3:23. Na dia mafy manao ahoana aza ny ezaka ataontsika mba ho tsara, dia tsy afaka ny tsy hanameloka antsika amin’ny maha-mpandika lalàna ny lalàna.
Ahoana no nanavotan’i Kristy antsika tamin’ny ozon’ny lalàna? Jereo ny Gal. 3:13, 2 Kôr. 5:21.
Mampiditra sary an’ohatra iray hafa indray i Paoly mba hanazavana ny zavatra nataon’Andriamanitra ho antsika tao amin’i Kristy. Ny voambolana hoe manavotra dia midika hoe “manonitra amin’ny vola”. Izy io dia nampiasaina entina hilazana ny onitra aloa mba hanafahana olona natao takalon’aina, na ny sarany naloa mba hanafahana andevo anankiray. Satria fahafatesana no tambin’ny ota, dia didim-pitsarana fampamonoana, matetika, no ozona azo noho ny tsy fitandremana ny lalàna. Tsy zavatra tsy misy lanjany ny onitra naloa ho famonjena antsika; ny ain’ny Zananilahy no saran’izany teo amin’Andriamanitra (Jao. 3:16). Lasa mpitondra ny fahotantsika i Jesôsy, ary tamin’ny alalan’izany no nanavotany antsika tamin’ny ozona vokatry ny tsy fitandremanana ny lalàna (1 Kôr. 6:20; 7:23). Noraisiny an-tsitrapo teo Aminy ny ozona tokony nihatra tamintsika, ka niaritra ny sazin’ny fahotana iray manontolo ho antsika Izy (2 Kôr. 5:21).
Manondro ny Deo. 21:23 i Paoly ho porofo ara-tSoratra Masina. Araka ny fanaon’i Jiosy, voaozon’Andriamanitra ny olona iray raha toa ka nahantona teo amin’ny hazo ny fatiny rehefa avy novonoina izy. Noraisina ho ohatra maneho io ozona io ny fahafatesan’i Jesôsy teo amin’ny hazo fijaliana (Asa. 5:30; 1 Pet. 2:24).
Koa tsy isalasalana izany fa ny hazo fijaliana dia vato manafintohina ho an’ny Jiosy sasany izay tsy afaka hahatakatra ny hevitra fa voaozon’Andriamanitra ny Mesia. Izany mihitsy anefa no drafitra napetrak’Andriamanitra. Eny, tena nitondra ozona tokoa ny Mesia, saingy tsy ny Azy – fa ny antsika!
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: “Teo amin’i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin’ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan’ny mpanao meloka Izy mba hahazoany manavotra antsika avy amin’ny fanamelohan’ny lalàna. Nitambesatra teo amin’ny fony ny fahadisoan’ny taranak’i Adama tsirairay. Ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoana dia nahazendana ny fanahin’ny Zanany. Nandritra ny fiainany manontolo dia notorian’i Kristy tamin’izao tontolo izao lavo ireo vaovao mahafaly momba ny famindrampon’ny Ray sy ny fitiavany mamela heloka. Famonjena ho an’ny lohan’ny mpanota no lafin-kevitra nasehony. Nefa ankehitriny, noho ny vesatra mahatsiravin’ny heloka nentiny, dia tsy afaka mahita ny tavan’ny Ray mitory fampihavanana Izy. Ny fialan’ny tavan’Andriamanitra tsy ho hitan’ny Mpamonjy tamin’ity fotoana nampitebiteby Azy mafy indrindra ity, dia nanindrona ny fony tamin’ny alahelo izay tsy ho takatry ny olona na oviana na oviana amin’ny fomba feno. Mafy loatra io ady mihatra aman’aina niaretany io ka saika tsy reny ny fanaintainany ara-nofo.” — IFM, tt. 811,812.
“Niditra tamin-kasahiana teo amin’ny asa maha-mpiaro ny fahamarinana azy tamin’izay i Lotera. Re avy amin’ny polipitra ny feony nanao fampitandremana mafana sy miezinezina. Nasehony teo anatrehan’ny vahoaka ny toetra maharikorikon’ny fahotana, ary nampianariny azy fa tsy azon’ny olona atao, amin’ny asan’ny tenany ny mampihen-danja ny heloka noho izany na ny mandositra ny famaizana vokany. Tsy misy afa-tsy ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Kristy ihany no afaka mamonjy ny mpanota. Tsy azo vidim-bola ny fitiavan’i Kristy; fanomezana maimaimpoana izany. Nanoro hevitra ny olona izy tsy hividy ‘indolzansy’ fa hibanjina amim-pinoana Ilay Mpanavotra voahombo.” — HM, t. 130.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
- Na ao amin’ny fiangonantsika amin’izao fotoana izao aza, dia mbola misy olona sasany ihany izay sanganehana amin’ny fanekena fa amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no ahazoana famonjena, ary ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy, no mamonjy antsika, fa tsy ny asantsika. Inona no ao ambadiky ny fisalasalan’ny olona sasany manoloana ny fanekena io fahamarinana iankinan’ny aina io?
- Tena niteny mafy nanohitra ny fampianaran-diso momba ny famonjena amin’ny alalan’ny asa i Paoly? Inona no ambaran’izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fampianarana marina? Amin’ny maha-fiangonana antsika, dia nahoana isika no tokony hijoro, amin-kery mihitsy aza raha ilaina izany, rehefa misy hevi-diso ampianarina eo anivontsika?
Famintinana: Manomboka amin’ny voalohany hatramin’ny fiafaran’ny fiainana kristianina, ny fototry ny famonjena antsika dia ny finoana ao amin’i Kristy irery ihany. Noho ny finoan’i Abrahama ireo teny fikasana nomen’Andriamanitra no nahatonga azy nisaina ho marina, ary omena izay rehetra mizara ny finoan’i Abrahama amin’izao fotoana izao koa io fanomezana io, dia ny fanamarinana izany. Ny antony tokana tsy anamelohana antsika noho ny hadisoantsika dia satria naloan’i Jesôsy ny saran’ny fahotanntsika raha maty teo amin’ny toerantsika Izy.
Pejy ambony