SS 6 1T 2017

LESONA 6

04 - 10 FEBROARY 2017

NY FANAHY MASINA SY NY FIAINAM-PAHAMASINANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

HODINIHINA MANDRITRA NY HERINANDRO: 1 Pet. 1:14-16; Isa. 6:3; Heb. 12:14; 1 Kôr. 6:11; 1 Tim. 1:8; Sal. 15:1,2.

 

Tsianjery: Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.” - 1 Tes. 5:23.

 

Mora tokoa ho antsika ny ho lasa mafy fo manoloana ny fahamasinan’Andriamanitra ka tsy hieritreritra loatra ny momba ny fankahalan’Andriamanitra miharihary ny fahotana sy ny faharatsiana.

Lohahevitra iray iankinan’ny aina ao amin’ny Baiboly anefa ny fahamasinana. Tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny Kristianina tsirairay anefa ny fikatsahana fahamasinana, ho lasa maha-te ho tia sy madio tahaka an’i Jesôsy. Rariny isika raha mahatsiaro ho tohina mafy manoloana ireo manana ny fihetsika “Masina-noho-ianareo-aho.” Kanefa, etsy ankilan’izany, mety hadinontsika mora foana ny hevitr’izany hoe miaina fiainana madio sy masina izany.

Miaraka, tsy afa-misaraka ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamasinany. Raha tsy eo ny fahamasinan’Andriamanitra, dia ho tandindomin-doza ho lasa fihetseham-po fotsiny ny fitiavany. Raha tsy eo ny fitiavan’Andriamanitra, dia ho tahaka ny hentitra sy mangatsiaka ny fahamasinany. Ireo toetra roa ireo, ny fitiavany sy ny fahamasinany, no fototry ny toetrany.

Mifandray akaiky amin’ny fikatsahantsika fiainana masina ny Fanahy Masina. Na izany na tsy izany, ny anaran’Andriamanitra dia Fanahy Masina, ary antsoina hoe “Fanahin'ny fahamasinana” (Rôm. 1:4) Izy. Koa mampahatsiahy antsika ny anarany fa masina Andriamanitra ary fanirian’Andriamanitra lalina ny hanao ny mpanota ho masina tahaka Azy.

Amin’ity herinandro ity isika dia hijery akaiky ny hevitry ny hoe masina sy ny hoe miaina fiainana masina.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

Ny fahamasinan’Andriamanitra (1 Pet. 1:14–16)


Vakio ny 1 Pet. 1:14-16. Nahoana no maneho ny fisian’Andriamanitra ny faniriana fara tampony ny ho masina? Inona no manosika anao hiaina fiainam-pahamasinana? Inona no hevitr’izany hoe masina Andriamanitra?


Fanao mahazatra ankehitriny ny miresaka momba ny fitiavan’Andriamanitra, kanefa manadino ny fahamasinany. Marina fa Andriamanitra dia fitiavana. Etsy ankilan’izany anefa, ao amin’ny Baiboly, ny anaran’Andriamanitra dia matetika kokoa no mifandray amin’ny hevitra mahakasika ny fahamasinana noho ny amin’ny hevitra hafa (Sal. 89:18; Isa. 40:25; Jer. 51:5; Ezek. 39:7; Apôk. 4:8). Ny antony dia satria manoritra ny fahadiovan’ny fony sy ny sainy ny voambolana hoe fahamasinana. Ny fahamasinan’Andriamanitra dia maneho fa tena tsara aoka izany Izy, ary tsy misy ratsy mihitsy ao Aminy. Ny fahamasinan’Andriamanitra no fahatanterahan’ireo toetrany hafa rehetra.

Raha manana hery tsy voafetra sy fahalalana feno sy tanteraka ary mitoetra amin’ny toerana rehetra amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra, nefa tsy nanana fahamasinana tanteraka, dia ho hery izay hatahorantsika ara-drariny tokoa Izy. Andriamanitra tokony hotiavintsika anefa Izy.

Hery masina ny heriny. Famindrampo masina ny famindrampony. Fahendrena masina ny fahendreny, ary fitiavana masina ny fitiavany. Koa amin’io heviny io dia ny fahamasinana no voambolana manoritra tsara indrindra an’Andriamanitra, satria mifandraika amin’ny tena toetrany mihitsy izany. Ny fandavana fa madio sy masina Andriamanitra dia mety ho ratsiratsy kokoa noho ny fandavana ny fisiany. Ny fandavana ny fisiany dia fanaovana Azy ho tsy misy, ary ny fandavana ny fahadiovany sy ny fahamasinany dia filazana fa Andriamanitra tsy maha-te ho tia sy mendri-pankahalana mihitsy aza Izy.

Ny fahamasinan’Andriamanitra dia midika fa misaraka amin’ny fahotana Izy, ary manokan-tena tanteraka amin’ny fikatsahana ny tsara izay asehony ao amin’ny Tenany ihany. Amin’ny voambolana hafa, ny fahamasinana dia midika ho fananana fo madio sy fandraisana safidy tsara sy madio irery ihany. Midika ho fisarahana amin’ny fahotana sy fanokanan-tena tanteraka ho voninahitr’Andriamanitra izany.

Ny Isa. 6:3 sy ny Apôk. 4:8 dia manoritra an’Andriamanitra ho “Masina, masina, masina.” Rehefa maniry ny hanamafy zavatra iray ireo mpanoratra ny Baiboly, dia averimberiny ilay voambolana mba hisintonana ny fifantohantsika amin’ny zavatra lazaina. Nisintona ny fifantohantsika tamin’ny fanambaràna manan-danja koa i Jesôsy tamin’ny famerimberenana ny voambolana hoe: “marina dia marina tokoa” (Jao. 5:24; Jao. 6:47) na ny hoe “Ry Jerosalema, ry Jerosalema” (Mat. 23:37). Namerina anaran’olona indroa koa Izy: “Marta, Marta” (Lio. 10:41). Amin’ny toetrany rehetra, dia ny fahamasinan’Andriamanitra irery ihany no averina intelo amin’ny andalana iray. Maneho zavatra tena manan-danja ambony indrindra izany. Tena masina tokoa Andriamanitra. Madio sy tsara Izy.


Hanao ahoana ny fahatahoranao raha toa ka tsy masina sy be fitiavana ilay Andriamanitsika sy Mpahary antsika izay mahefa ny zavatra rehetra? Inona no ambaran’ny valinteninao aminao momba ny antony tokony hahafeno fankasitrahana antsika noho ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra?

 Pejy ambony

ALATSINAINY

 

Inona no hevitr’izany hoe masina (Efes. 5:25–27)

Arakaraka ny anakekezanao an’i Jesosy no mainka hisehoan’ny tenanao ho be tsiny kokoa eo anatrehanao, satria mihamazava kokoa ny fahitanao ara-panahy ary ny kilemanao koa ho hita mifanohitra indrindra amin’ny toetrany tsy misy tsiny. Izany no vavolombelona fa efa lany hery ny fanangolen’i Satana; ka ny hery mahavelona avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra no manetsika anao avy ao amin’ny tsy fihontsonanao.” – TH, t. 77.

Vakio ny Efes. 1:4; Efes. 5:25-27; ary ny Heb. 12:14. Inona no tanjon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany rehetra sy ho an’ny fiangonana?

Sady fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahamasinana no baikony. Koa tokony hivavaka ho amin’izany sy hiezaka ny haneho izany isan’andro isika. Ny fahamasinana dia vokatry ny Fanahy izay miseho eo amin’ny fiainantsika rehefa miara-mandeha amin’i Kristy amin’ny Fanahy isan’andro isika (Gal. 5:16,22,25). Raha atao amin’ny voambolana tokana, ny fahamasinana dia fitoviana amin’i Kristy. Midika ho fitoviana amin’i Jesôsy sy fiainana ny fiainana tsy misy fitiavan-tena niainany izany. Midika izany fa an’i Jesôsy ny olona iray, ary miaina tahaka ny zanany ao anatin’ny fankatoavana sy ny fanoloran-tena amim-pitiavana. Ary midika izany fa mitombo amin’ny fanahafana Azy hatrany hatrany ilay olona. Amin’ny voambolana hafa, ny famaritana fototra mifandraika indrindra amin’ny fahamasinana dia midika ho fisarahana, fitokanana ho amin’ny tanjona manokana ho an’Andriamanitra. Etsy ankilan’izany, ny fahamasinana koa dia midika ho fahamarinana sy fahadiovana eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy maintsy ampiarahina ireo lafiny roa ireo.

Ao amin’ny TV dia antsoina hoe masina ireo mpino, noho ny fifandraisany miavaka amin’i Jesôsy izay manokana azy ireo ho amin’ny tanjona manokana. Tsy manao azy ireo ho tonga lafatra ara-pitondran-tena sy tsy misy fahotana anefa ny maha-masina azy ireo, fa manova kosa. Amin’izay dia afaka manomboka miaina fiainana madio sy masina izy ireo (Vakio ny 1 Kôr. 1:2 izay iantsoan’i Paoly ny Kôrintianina hoe “olona masina”, na dia tsy tonga lafatra sy tsy manam-pahotana aza izy ireo.) Nasaina nikatsaka fahamarinana ny mpino, satria tsy mba hahita an’Andriamanitra ny olona tsy masina (Heb. 12:14). Manaiky ny mpino tsirairay amin’ny fitiavany tanteraka Andriamanitra vantany vao manatona Azy izy. Dingana mandritra ny androm-piainana kosa anefa ny fitomboantsika ho amin’ny fahamasinana. Ary mila mitombo hatrany hatrany izany mba hahavoaova antsika hatrany hatrany amin’ny endrika tsy misy kileman’Ilay namonjy antsika.


Misy fifanoherana eo amin’ny hoe efa masina sy ny hoe mbola tsy maintsy mikatsaka fahamasinana. Ho hafa manao ahoana ny fikatsahantsika fahamasinana raha fantatsika fa efa an’Andriamanitra isika, ary fantatsika koa fa ekena ao Aminy isika noho ny sorona nataon’i Jesôsy ho antsika?


 Pejy ambony

TALATA

 

Ilay mpanamasina antsika (1 Kôr. 6:11)

Inona no ambaran’ny 1 Kôr. 6:11; Tit. 3:5; ary ny Heb. 13:12 amintsika mahakasika ny fanamasinana?

Tanteraka amin’ny alalan’ny finoana ny fanamasinana antsika (Heb. 11:6), amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (2 Tes. 2:13; 1 Pet. 1:2). Manoratra tahaka izao ny apôstôly Paoly: “saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.” - 1 Kôr. 6:11. Koa nataon’i Jesôsy izay hampitombo antsika amin’ny fahamasinana, mandritra ny androm-piainantsika. Nataony izay hitomboan’ny vokatry ny Fanahy ao anatintsika. Manova antsika ho tahaka Azy Izy. Ary io fiovana io dia “avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy” - 2 Kôr. 3:18.


Vakio ny Gal. 5:16,17. Inona no ambaran’i Paoly amintsika ao amin’ireo andininy ireo?

Misy ady miseho eo amin’ny mpino tsirairay. Ny ady atrehintsika rehetra dia avy amin’ny fitoeran’ny fahotana ao amintsika (Rôm. 7:20). Fantatry ny apôstôly Paoly io ady io rehefa nilaza izy tany amin’ny fiafaran’ny fiainany nanao hoe: “Tsy mbola ataoko efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.” - Fil. 3:13,14.

Vakio ny Heb. 12:1,2. Ao amin’ireo andininy ireo, inona no adin’ny finoana izay tsy maintsy ataontsika amin’ny fahotana?

Ny ady izay iantsoana antsika mba hataontsika dia ny hijery “an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy” - Heb. 12:2. Matetika loatra anefa ny fivavahantsika no mifantoka amin’ny tenantsika. Mifantoka be loatra amin’ny fandresentsika sy ny faharesentsika isika, fa tsy amin’Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany anefa no afaka manome fandresena antsika eo amin’ny adintsika amin’ny fahotana. Rehefa manampy antsika hijery an’i Jesôsy ny Fanahy Masina, dia tsy hanam-paniriana ny amin’ny fahotana intsony isika ary avela avokoa ny zavatra rehetra izay maningotra antsika ka hitarika antsika mora foana ho amin’ny fahotana (Heb. 12:1). Koa tsy tokony hifantoka amin’ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika isika, ary tsy tokony hijery ny tenantsika, fa hijery an’i Jesôsy. Mitarika antsika ho amin’ny faharesena mora foana ny fijerentsika ny tenantsika. Mahatonga antsika ho mora kivy ny fijerentsika ny fahadisoantsika. Rehefa mijery an’i Jesôsy anefa isika dia hahery ary afaka miaina fiainam-pandresena.


Inona no havalinao, ary nahoana, raha misy olona manontany anao hoe: “Ahoana no hahazoako ny fandresena amin’ny fahotana izay ampanantenaina ahy ao amin’ny Baiboly?” Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.

 Pejy ambony

ALAROBIA

 

Lalàn’Andriamanitra ny fitsipiky ny fahamasinana (Rôm. 7:12)

Fantatsika fa miantso antsika mba hitandrina ny lalàny Andriamanitra. Mampipoitra fanontaniana anefa io zava-misy io. Nahoana isika no tokony hitandrina ny lalàny raha tsy afaka mamonjy antsika akory izany? Hita ao anatin’ny hevitra mahakasika ny fahamasinana ny valin’izany?

Vakio ny Rôm. 7:12 sy ny 1 Tim. 1:8. Inona no voambolana ampiasain’i Paoly mba hanoritana ny lalàna ao anatin’ireo andininy ireo? Ahoana no anehoan’ny lalàna ny toetran’Andriamanitra?

Masina sy marina ary tsara ny lalàna. Manondro tsara an’Andriamanitra irery ihany ireo toetra telo ireo. Koa fanehoana ny toetran’Andriamanitra izany ny lalàna.

Ny miaina fiainana fenon’ny Fanahy dia midika fa miaina araka ny lalàn’Andriamanitra isika. Ny lalàna no fitsipika tsy miova izay maneho ny fahamasinany. Tsy miova ny fenitra asehon’ny lalàna, ary tsy miova ihany koa Andriamanitra. Nilaza i Jesôsy fa tsy tonga mba handrava ny lalàna Izy, fa mba haneho amintsika fa tsy maintsy tandremana ny ampahany tsirairay amin’ny lalàny (Mat. 5:17–19). Na izany aza, ny fitandremana ny lalàna dia tsy fiezahana hamonjy ny tenanao amin’ny alalan’ireo asa tsara ataonao, fa fihetsika feno finoana kosa. Tsy mamonjy antsika ny lalàna. Tsy afaka manao izany na oviana na oviana ny lalàna. Tsy lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena na oviana na oviana ny lalàna, fa lalan’ireo voavonjy. Ny lalàna dia maneho amintsika ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika sy ny fomba tokony hitiavantsika ny hafa. Izany no nahatonga an’i Jesôsy hilaza tamin’ny fomba manaitra indrindra fa “noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.” - Mat. 24:12. Amin’ny voambolana hafa, mihena ny fitiavana rehefa tsy ankasitrahana ny lalàna.

Vakio ny Rôm. 13:10 sy ny Mat. 22:37-40. Nahoana no fahatanterahan’ny lalàna ny fitiavana?

Raha ny lalàn’Andriamanitra no fitsipika sy fenitry ny fahamasinana, dia ny fitiavana kosa no ivon’ny fahamasinany. Ny fitiavana no valy asetrintsika ny fihetsik’Andriamanitra ho famonjena antsika. Ary aseho amin’ny fiainam-pinoana sy fankatoavana Azy izany. Tsy afaka ny ho mpianatra marin’i Jesôsy ianao raha tsy mpitandrina tsara amim-pitiavana ny lalàna. Azo atao ny miseho mitandrina ny lalàna kanefa manao izany tsy amim-pitiavana, saingy tsy ho vita ny haneho fitiavana marina nefa tsy mitandrina ny lalàna. Maniry ny ho mahatoky ny fitiavana marina. Tsy mandrava ny lalàna ny fitiavana, fa manatanteraka izany.

Nahoana ny lalàna no fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika? Ahoana no ifandraisan’ny fitiavana sy ny fankatoavana?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

Mikatsaka fahamasinana (Efes. 4:22–24)


Vakio ny Sal. 15:1,2; Efes. 4:22-24; ary ny 2 Tim. 2:21. Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika mahakasika ny fahamasinana?


Ny fahamasinana no zavatra tsy maintsy ananantsika voalohany indrindra mialoha ny ahafahantsika migoka fifaliana sy fisakaizana miaraka amin’Andriamanitra. Mila fahamasinana isika mba ahafahantsika manompo marina an’Andriamanitra sy ho azony ampiasaina. Fantatsika ny fahamarinan’ny fomba fiteny hoe: “Mamafaza fihetsika, dia hioty fahazarana ianao; mamafaza fahazarana, dia hioty toetra ianao.” Ny tian’io fomba fiteny io hambara dia hoe: ny zavatra ataontsika sy ny fihetsitsika no manao ny maha-antsika antsika. Ary misy fomba fiteny mitovy amin’io koa, manao hoe: “Ny toetranao no ho hoavinao.” Raha atao amin’ny voambolana hafa, dia hoe: ny eritreritrao, ny fihetseham-ponao ary ny fihetsikao dia misy akony lalina amin’ny hoavinao eto amin’ity fiainana ity sy izay hataonao vokatr’izany. Ary ny toetrantsika no zavatra tokana hoentintsika miaraka amintsika hiakatra any an-danitra.

Tsy fanamasinan-tena noho ny ezaka ataon’ny tena manokana anefa ny fikolokoloana fahazarana sy toetra vaovao. Ny fikolokoloana fahazarana vaovao dia fomba mahazatra izay itarihan’ny Fanahy antsika ho amin’ny fahamasinana. Koa tena manan-danja eo amin’ny diantsika ara-panahy izany ny fahazarana, indrindra fa ireo fahazarana mifandraika amin’ireo hatsaram-panahy ao amin’ny Baiboly, toy ny: faharetana, fitiavana, fahatokiana, fahalemem-panahy, fanaovan-tsoa, fahamoram-panahy, ary fahononam-po.

Inona no mitranga rehefa nameno ny fontsika ny Fanahy Masina? Tsy isalasalana fa ho mpiasa mavitrika ho an’Andriamanitra isika. Matetika loatra anefa isika no manadino fa Andriamanitra no manamasina antsika sy mamita hatramin’ny farany ny asa tsara izay natombony tao amintsika (Fil. 1:6). Matetika isika no seriny loatra amin’ny fanaovana izao karazan-javatra rehetra izao ho an’Andriamanitra, hany ka hadinontsika ny manokana fotoana iarahana Aminy ao anatin’ny vavaka. Rehefa seriny loatra ka tsy manam-potoana hivavahana anefa isika, dia tena seriny loatra ka tsy afaka ny ho Kristianina.

Angamba nahatonga antsika ho miankina amin’ny tenantsika sy matoky tena ny fahalalantsika sy ny fahombiazantsika. Vokatr’izany dia raisintsika ho mandeha ho azy ny fahaizantsika sy ireo fandaharana tsara ataontsika. Tsy tokony hohadinointsika anefa fa tsy mahavita na inona na inona isika raha tsy miaraka amin’i Kristy sy ny Fanahy Masina. Ny antony dia satria tsy fahamasinana ny fanaovana zavatra goavana. Hisy olona izay hieritreritra fa nanao asa lehibe ho an’ny Tompo, saingy tena tsy nanaraka an’Andriamanitra mihitsy izy ireo, raha ny marina. Hoy i Jesôsy: “Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?” (jereo ny Mat. 7:22,23). Entina ilazana io teny io fa misy ireo izay nantsoin’Andriamanitra, ary misy ireo izay voatariky ny tenantsika mba hanao zavatra ho an’Andriamanitra. Ary misy fahasamihafana goavana eo amin’ireo roa ireo. Raha mbola tsy nanokana fotoana mangina mba hihainoana ny antson’Andriamanitra isika, dia tandindomin-doza ny ho voatariky ny tenantsika mba hanao izay tiantsika. Tsy hisy tanjaka, na hery, na fiadanana, na fitahiana maharitra anefa avy amin’ny asantsika, raha tsy vokatry ny antson’Andriamanitra izany. Tena ilaintsika koa, eo amin’ny fahamasinantsika manokana, ny fanokanana fotoana miaraka amin’Andriamanitra. Amin’izany no ihainoantsika ny feony sy andraisantsika hery vaovao avy amin’ny Teniny, ka ny Fanahy Masina no mitarika antsika. Koa hampitombo ny fatokian’ny olona ny asantsika sy hanome hery mandresy lahatra izany asantsika izany ny fitarihan’Andriamanitra antsika sy ny fihainoantsika ny feony.


 Pejy ambony

ZOMA


FIANARANA FANAMPINY:
Vakio ny Ellen G. White, “Tahaka ny masirasira,” tt. 69-76, ao amin’ny HF.

 

Ahoana no ahafahantsika manomboka mahatakatra ny fahamasinan’Andriamanitra? Tena sarotra ho antsika izany, satria mpanota isika, Andriamanitra kosa masina tanteraka. Ny fahamasinany dia mamaritra Azy ho miavaka sy misaraka amin’ny tontolom-pahotana sy fahafatesana izay iainantsika olombelona. Ity anefa no zavatra mahatalanjona indrindra: omen’Andriamanitra tombontsoa handray anjara amin’ny fahamasinany isika. Io tombontsoa io dia ampahany amin’ny hevitry ny hoe fanekem-pifandraisana Aminy. “Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.” – Lev. 19:2). Na, araka izay ambaran’ny bokin’ny Hebreo: “Indro avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda. (...) Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” - Heb. 8:8,10. Hitantsika tsara ao amin’ireo andininy ireo ny fifandraisana eo amin’ny fahamasinana sy ny fanekena ary ny lalàna. Tsy afaka ny ho masina isika raha tsy mitandrina ny lalàn’Andriamanitra. Ary mankatò ny lalàny isika satria Izy mihitsy, ny Fanahy Masina, no manoratra izany ao am-po sy saintsika. Tombontsoa manokana manao ahoana re no nomena antsika, dia ny “handraisantsika ny fahamasinany” (Heb. 12:10! Ary asehontsika amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pitiavana ny lalàny izany fahamasinantsika izany.

 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

 

1. Ao amin’ny kilasy, ivereno jerena ny valinteninareo tamin’ny fanontaniana tamin’ny lesona Talata. Inona no holazainareo amin’ireo izay maniry ny hahafantatra ny fomba hahazoana ny fandresena amin’ny fahotana eo amin’ny fiainan’izy ireo?

2. Inona no hevitr’izany hoe voasoratra ao am-po sy saintsika ny lalàn’Andriamanitra? Nahoana no tsy mitovy amin’ny hoe voasoratra eo amin’ny vato fisaka fotsiny izany lalàna izany?

3. Rehefa mieritreritra momba ny fahamasinan’Andriamanitra ianao, dia inona no eritreretinao? Ampifandimbiaso ny kilasy ka avelao hilaza ny heviny momba ny famisavisany ny endriky ny fahamasinan’Andriamanitra ny mpianatra tsirairay. Inona no asehon’i Jesôsy antsika momba ny fahamasinan’Andriamanitra?

4. Inona no fototry ny fahamasinantsika? Ahoana no hanatrarantsika fahamasinana?

5. Izao no zavatra novakintsika tamin’ny lesona Alarobia tamin’ity herinandro ity: “Tsy mamonjy antsika ny lalàna. Tsy afaka manao izany na oviana na oviana ny lalàna. Tsy lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena na oviana na oviana ny lalàna, fa lalan’ireo voavonjy.” Ahoana no anampian’ireo hevitra ireo antsika hahatakatra hoe tokony hanan-danja manao ahoana ho an’ny Kristianina ny lalàna, dia ireo Kristianina izay iasan’ny Fanahy Masina?


 Pejy ambony