SS 6 2T 2017

LESONA 6

29 APRILY - 05 MAY  2017

MIJALY NOHO NY AMIN'I KRISTY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 1:6; 1 Pet. 3:13–22; 2 Tim. 3:12; 1 Pet. 4:12–14; Apôk. 12:17; 1 Pet. 4:17–19.

Tsianjery: “Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany” – 1 Pet. 2:21.

Tsy zava-baovao amin’ny maro ny tantaran’ny fanenjehana tao anatin’ireo taonjato vitsivitsy nisian’ny fiangonana kristianina. Ny Baiboly mihitsy aza, indrindra indrindra fa ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly, no efa mampiseho ny karazana fanenjehana hihatra amin’ny fiangonana. Mitondra fahoriana ny fanenjehana ary zava-misy tsy azo lavina hita teo amin’ny fiainan’ireo Kristianina nanoratan’i Petera izany.

Ao amin’ny toko voalohany amin’ny taratasiny, i Petera dia miresaka momba ny fahoriana iainan’ny mpino vokatry ny fanenjehana. “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza)” – 1 Pet. 1:6,7. Mbola fijaliana koa no resahin’i Petera ao anatin’ny iray amin’ireo fanazavana farany ataony. (Vakio ny 1 Pet. 5:10).

Ao amin’io epistily fohy io, dia tsy latsaky ny telo ireo andalan-teny miresaka ny fahorian’ny mpamaky azy noho ny amin’i Kristy (1 Pet. 2:18-25; 3:13–21; 4:12–19). Araka izany dia lohahevi-dehibe iray ao amin’ny 1 Petera ny resaka fahoriana ateraky ny fanenjehana. Eo indrindra no hiompanan’ny fianarantsika.


Pejy ambony

 

ALAHADY


Ny fanenjehana ireo Kristianina voalohany (1 Pet. 1:6)

Vakio ny 1 Pet. 1:6 sy ny 1 Pet. 5:10. Inona no resahin’i Petera ao amin’ireo andininy ireo ary inona no fihetsika tiany hasehon’ny mpamaky azy eo anatrehan’ny zava-manjo azy ireo?

Tao anatin’ireo taonjato vitsivitsy voalohany, dia mety hahatonga fahafatesana mahatsiravina tamin’ny olona iray mihitsy ny maha-Kristianina azy. Mampiseho ny zava-doza mety hihatra tamin’izany fotoana izany ny taratasy iray izay nosoratana tany amin’ny Amperora rômanina Trajan. Avy tany amin’i Pliny izany taratasy izany, Pliny izay governoran’i Ponto sy Bitynia (111-113 TrK), faritra roa voalaza ao amin’ny 1 Pet. 1:1.

Nanoratra tany amin’i Trajan i Pliny mba hahazoany hevitra ny amin’izay tokony hatao amin’ireo olona voampanga ho Kristianina. Nohazavain’i Pliny fa tsy maintsy novonoiny ho faty ireo izay nilaza ny tenany ho Kristianina. Tao koa ny sasany izay nilaza fa Kristianina ihany teo aloha saingy efa tsy izy intsony. Navelan’i Pliny hanaporofo ny tsy fananany tsiny ireo olona ireo. Tsy nokasihiny kosa ny ainy raha neken’izy ireo ny hanolotra ditin-kazo manitra ho an’ireo sarivongan’i Trajan sy ny sampy hafa ary koa ny hanozona an’i Jesôsy.
Toe-javatra tsy dia fahita firy tany Rôma ny fiankohofana tamin’ny amperora nofo aman-dra, na dia namela ary nampirisika mihitsy ny hananganana tempoly ho azy aza ny amperora tany amin’ny faritra atsinanan’ny fanjakana rômanina izay nandefasana ny 1 Petera. Nanana ny mpisorony sy ny alitarany manokana izay nanaovana sorona ny sasantsasany tamin’izany tempoly izany. Fomba amam-panao nisy hatry ny ela tany Azia minora àry no narahin’i Pliny rehefa nandidy ny Kristianina izy hanolotra ditin-kazo manitra sy hiankohoka amin’ny sarivongan’ny amperora ho fanehoany ny fahatokiany tamin’ny fanjakana.

Nisy fotoana tany amin’ny taonjato voalohany, izay niatrehan’ny Kristianina loza lehibe tokoa, indrindra indrindra teo ambanin’ny fanapahan’ireo Amperora toa an-dry Neron (54-68 TrK) sy ry Domitien (81-96 TrK).

Miseho amin’ny endriny hafa kosa anefa ny fanenjehana voaresaka ao amin’ny 1 Petera. Ahitana ohatra vitsivitsy momba izany ao anatin’ny taratasin’i Petera, saingy angamba fiampangana diso (1 Pet. 2:12) sy fanomezan-tsiny na fitsikerana be fahatany (1 Pet. 3:9;4:14) no hita ao. Na dia henjana aza anefa ny fizahan-toetra nisy, dia toa tsy tonga tamin’ny fampidirana an-tranomaizina na famonoana ho faty kosa izany, fara faharatsiny, tamin’izany fotoana izany. Na dia izany aza, ny fiainana maha-Kristianina dia nametraka ny mpino tamin’ny toerana mampidi-doza, eo anatrehan’ireo lalàna sy fomba amam-panao naha-sarotiny tamin’ny vanim-potoan’ny taonjato voalohany. Izay indrindra no antony nanehoan’i Petera fiheverana lalina sy azo tsapain-tanana rehefa nanoratra ity taratasy voalohany ity izy.


Pejy ambony

ALATSINAINY


Ny fahoriana sy ny ohatr’i Kristy (1 Pet. 3:13-22)

Vakio ny 1 Pet. 3:13-22. Inona no tokony ho fihetsiky ny Kristianina eo anatrehan’ireo izay manenjika azy noho ny finoany? Inona no mampitovy ny fahorian’i Jesôsy amin’ny fahoriana lalovan’ny mpino noho ny finoany ao amin’ny 1 Petera?

Hoy i Petera: “Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo” – 1 Pet. 3:14. Raha nilaza izany i Petera, dia namerina indray ny tenin’i Jesôsy manao hoe: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra” – Mat. 5:10. Nambarany koa avy eo fa tsy tokony hatahotra izay mamely azy ny Kristianina, fa tokony “hanamasina an’i Kristy ho Tompo” ao am-pony kosa (1 Pet. 3:15). Ny fanamasinana an’i Jesôsy ao am-po mantsy dia hanala ny tahotr’izy ireo rehefa eo anatrehan’ny mpanohitra.

Ambaran’i Petera avy eo fa ny Kristianina dia tokony hahay manazava ny anton’ny fanantenana ao aminy, saingy amin’ny fomba mahataona ny hafa. Izany hoe tokony ho amin’ny fo manetry tena sy feno fanajana lalina izany (Vakio ny 1 Pet. 3:15,16).

Mampitandrina koa izy fa tokony hataon’ny Kristianina izay tsy hahazoan’ny hafa manome tsiny azy ireo noho ny fitondran-tena tsy mendrika. Tokony hihazona ny eritreriny ho mazava mandrakariva izy ireo (1 Pet. 3:16). Tena ilaina mihitsy io satria hanjary menatra eo anatrehan’ny fiainana tsy misy tsiny ananan’ny Kristianina ireo izay miampanga azy amin’ny fitondran-tena tsy nasehony akory.

Mazava loatra fa tsy misy dera na voninahitra tokony ho azon’ny mpanao ratsy raha voa amin’ny ataony izy (1 Pet. 3:17). Tsy mitovy velively amin’ny fijaliana vokatry ny fanaovana ny soa sy ny marina izany. “Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy” – 1 Pet. 3:17.
Nampiasa ny ohatr’i Jesôsy i Petera avy eo. Na dia i Kristy aza nijaly noho ny fahamarinany; toy ny nanome tsiny mandrakariva an’ireo mpankahala Azy mantsy ny fahamasinany sy ny fahadiovan’ny fiainany. Raha nisy ny nijaly noho ny fanaovana ny marina fa tsy ny diso, dia i Jesôsy.

Izany fahoriany izany anefa no hany fomba tokana nahazoana namonjy antsika. Maty teo amin’ny toeran’ny mpanota Izy (“ny Marina hamonjy ny tsy marina” – 1 Pet. 3:18) mba hahazoan’izay rehetra mino Azy ny teny fikasan’ny fiainana mandrakizay.  

Efa nijaly ve ianao, tsy noho ny fanaovanao zava-dratsy, fa noho ny fanaovanao ny mety? Inona no nitranga? Inona no nianaranao avy tamin’izany hoe eo amin’ny toerana maha-Kristianina izany? Ary midika inona ny fanehoana ny fiainan’i Kristy madio sy masina?


Pejy ambony

TALATA


Fizahan-toetra mahamay

Vakio ny 1 Pet. 4:12-14. Inona no antony nilazan’i Petera fa tsy tokony hahagaga azy ireo ny fahoriana manjo azy? Jereo koa ny 2 Tim. 3:12 sy ny Jao. 15:18.

Ambaran’i Petera mazava fa fiombonana anjara amin’ny fahorian’i Kristy ny fiaretana fanenjehana noho ny maha-Kristianina. Toe-javatra ampoizina tanteraka izany. Izao mantsy no nosoratan’i Paoly: “Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina” – 2 Tim. 3:12. I Jesôsy mihitsy aza no nampitandrina ireo mpanara-dia azy ny amin’izay zavatra hanjo azy ireo: “Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako. Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy” – Mat. 24:9,10.

Araka ny voalazan’i Ellen G. White dia: “Toy izany koa no hihatra amin’izay rehetra te ho velona ao amin’ny fanompoana ny Tompo Jesosy Kristy. Efa miandry ny Kristiana rehetra onenan’ny Fanahin’ny Mpamonjy ny fankahalana. Miova endrika arakaraka ny fotoan’andro ny endriky ny faharetana; nefa koa ny fitsipika – sy ny toe-tsaina mampiavaka azy – dia tsy miova toy izay hita hatramin’ny andron’i Abela, dia ny namonoana ny olom-boafidin’ny Mpamonjy” – VM, t. 510.

Vakio ny Apôk. 12:17. Milaza inona izany mikasika ny maha-zava-misy marina ny fanenjehana ny Kristianina amin’ny andro farany?

Tsy misy iadian-kevitra ny hoe toe-javatra mety hanjo ny Kristianina mandrakariva ny fanenjehana, ary izay indrindra no tian’i Petera hahatongavana rehefa nampitandrina ny mpamaky azy izy momba ny “fizahan-toetra mahamay” hihatra amin’izy ireo.

Fanoharana tena sahaza tokoa ny afo eto. Mety hitondra faharavana be ny afo kanefa koa afaka hanaisotra loto. Miankina amin’izay zavatra lalovan’ny afo izany. Levon’ny afo ny trano, saingy mahavita manadio ny volafotsy sy ny volamena koa izy. Na dia tsy zavatra inian’ny Kristianina velively aza ny hisian’ny fanenjehana eo amin’ny fiainany, dia azon’Andriamanitra atao kosa ny mamadika izany ho zava-tsoa ho azy. Izany no mahatonga an’i Petera hilaza amin’ny mpamaky azy (sy amintsika) hoe: “Eny tokoa, tena mampahory ny fanenjehana, saingy aza atao mahakivy anareo izany, toy ny hoe tsy nampoizinareo ny nitrangany. Mandrosoa amim-pinoana hatrany”.

Inona no azontsika atao mba hampitraka sy hampaherezana ary hanampiana mihitsy aza, ireo izay tra-pahoriana noho ny finoany?


Pejy ambony

ALAROBIA


Fitsarana ny vahoakan’Andriamanitra

Ampitahao ny 1 Pet. 4:17–19 sy ny Isa. 10:11,12 ary ny Mal. 3:1–6. Samy milaza inona izy rehetra ireo?
 
Araka ny voalazan’ireo andalan-teny rehetra ireo, dia miantomboka amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny fitsarana. Ampifandraisin’i Petera amin’ny fitsaran’Andriamanitra mihitsy aza ny fahoriana manjo ny mpamaky azy. Aminy, ny fahoriana izay mihatra amin’ny Kristianina mpamaky ny taratasiny, dia azo heverina ho fitsaran’Andriamanitra, izay miantomboka ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. “Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy” – 1 Pet. 4:19.

Vakio ny Lio. 18:1-8. Ahoana no hanampian’io andininy io antsika hahatakatra ny atao hoe fitsaran’Andriamanitra?

Toe-javatra nirin’ny vahoaka fatratra tokoa ny fitsarana tamin’ny andron’ny Baiboly. Mampiseho ny foto-pisainana an-kapobeny tao anatin’ny olona ny tantaran’ilay mpitondratena malahelo ao amin’ny Lio. 18:1-8. Fantatr’ilay mpitondratena fa hahazo rariny izy raha toa ka mahita mpitsara afaka hijery manokana ny raharahany. Tsy mba olona nanam-bola izy na koa nanana toerana ambony teo amin’ny fiarahamonina mba hihainoana azy, kanefa vitany ihany nony farany ny nandresy lahatra ilay mpitsara mba hihaino azy sy hanome ny rariny tokony ho azy. Araka ny tenin’i Jesôsy: “Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy?” – Lio. 18:7. Efa nampiditra ny faharatsiana teto amin’izao tontolo izao ny fahotana, ary efa ela no niandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra manerana ny vanim-potoana rehetra ny hamerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny zavatra rehetra.

“Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao” – Apôk. 15:4.

Saintsaino ny amin’ireo faharatsiana rehetra izay efa niseho teto amin’izao tontolo izao, ary mbola miseho ankehitriny, kanefa tsy iharan’ny famaizana. Eo anatrehan’izany, nahoana no tokony horaisintsika Kristianina ho misy lanjany tokoa ny foto-kevitra momba ny fitsarana ary koa ny fitsarana marina ataon’Andriamanitra? Inona no fanantenana azonao avy amin’ny teny fikasana fa ho tò ihany ny rariny amin’ny farany?

Pejy ambony

ALAKAMISY


Finoana eo anivon’ny fitsapana

Araka ny efa hitantsika, dia nanoratra ho an’ireo mpino izay nihari-pahoriana noho ny finoany i Petera. Ny tantara Kristianina rahateo, dia mampiseho fa niharatsy hatrany ny fandehan-javatra, fara fahakeliny tao anatin’ny fotoana voafaritra. Azo inoana àry fa Kristianina maro niaina tao anatin’ny vanim-potoana nanarakaraka izany no nahita fiononana sy fampaherezana avy tao amin’izay nosoratan’i Petera. Tsy ambakan’izany koa ny maro amin’izao andro izao.

Nahoana no misy ny fahoriana? Mazava loatra fa efa hatry ny ela izany fanontaniana izany no nipetraka. Ny bokin’i Jôba, izay anisan’ireo boky nosoratana voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly, dia miresaka lohahevi-dehibe momba ny fahoriana. Raha misy olona (ankoatra an’i Jesôsy) niaritra fangirifiriana mafy, tsy hoe “satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona” – 1 Pet. 4:15, dia i Jôba. Andriamanitra rahateo aza no nilaza izao mikasika an’i Jôba: “Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy”. Kanefa jereo ange ny nanjo an’i Jôba mahantra e, tsy satria hoe ratsy izy fa tena olona tsara aza!

Ahoana no hanampian’ireto andininy ireto anao 7hamaly ny fanontaniana momba ny niavian’ny fahoriana? 1 Pet. 5:8, Apôk. 12:9, Apôk. 2:10.

Ny valin-teny fohy mahalaza ny anton’ny fahoriantsika dia hoe satria mbola eto anivon’ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana isika. Tsy sary an’ohatra tsotra fotsiny io, na tandindona maneho ny tsara sy ny ratsy eo amin’ny toetrantsika. Tsia, tena misy ny devoly ary tena misy i Jesôsy izay samy miatrika ady tena izy ho an’ny taranak’olombelona.

Vakio ny 1 Pet. 4:19. Amin’ny fomba ahoana no anampin’io voalaza io antsika eo amin’ny tolona rehetra atrehina amin’izao fotoana izao?

Rehefa tojo fahoriana isika, indrindra rehefa hita fa tsy vokatry ny faharatsiantsika mivantana izany, dia mandeha ho azy amintsika ny mametraka ilay fanontaniana napetrak’i Jôba ombieny ombieny hoe: Nahoana? Ary araka ny mpiseho matetika indrindra, dia tsy mahazo valiny isika. Ny hany azontsika atao eo anivon’ny toe-javatra sarotra, araka ny voalazan’i Petera, dia ny manankina ny fanahintsika amin’Andriamanitra, ny mitoky Aminy “Ilay mahatoky, dia ny Mpanao” antsika, ary ny manohy “ny fanaovan-tsoa” – 1 Pet. 4:19.

Nahoana no zavatra tena ilain’ny Kristianina iray tokoa, indrindra raha mandalo fizahan-toetra izy, ny mahafantatra manokana ny toetran’Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny fitiavany azy manokana?


Pejy ambony

ZOMA

Fianarana fanampiny: Niresaka momba ny fanenjehana nanjo ny Kristianina ny lesona tamin’ny Alahady. Inty ny ampahany feno kokoa ny amin’ilay taratasy nosoratana tany amin’ny amperora momba ireo Kristianina nampahoriana tao anatin’ireo taonjato voalohandohany ireo: “(...) Izao no fomba nampiasaiko tamin’ireo nolazaina tamiko fa Kristianina: Nanontaniako aloha izy ireo raha Kristianina tokoa; rehefa niaiky izy, dia naveriko fanindroany taminy indray ny fanontaniana, sady norahonako ihany izy fa hiharan’ny famaizana fara-tampony; raha mbola nikiry ihany izy, dia nanome baiko aho ny hamonoana azy. Na inona na inona mantsy karazam-pinoana tanany, amiko, dia mendrika ny hofaizina hatrany ny fiziriziriana sy ny toetra mafy hatoka tsy mety ampileferina.

“Tao koa ireo izay nilaza fa tsy Kristianina ary tsy mba izany na oviana na oviana. Namerina ny vavaka notononiko teo anatrehan’ireo andriamanitra izy sady nanolotra zava-manitra sy divay teo amin’ny sarivonganao. Nampanalaiko mantsy io, niaraka tamin’ny an’ireo andriamanitra mba hanatanterahany izany. Nanozona an’i Kristy koa izy nony farany. Voalaza mantsy fa ny tena Kristianina dia tsy nety noterena hanao ireo voalaza ireo, ka dia navelako handeha ireo efa voasedra ireo. Ny hafa indray, izay notononin’ny mpilaza tatitra, dia niaiky ihany tamin’ny voalohany fa Kristianina, ary avy eo dia nandà indray. Marina tokoa fa resy lahatra izy ireo tamin’ny voalohany saingy nandao ny finoana indray avy eo, ny sasany afaka telo taona, afaka taona maromaro, ary vitsivitsy tamin’izy ireo no tao anatin’ny 25 taona lasa izay. Niankohoka teo amin’ny sarivonganao avokoa ireo sy teo amin’ny sarin’ireo andriamanitra, sady nanozona an’i Kristy.” - —Pliny Letters (London: William Heinemann, 1915), b. 10:96 (b. 2, tt. 401–403).    

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Inona no olana lehibe natrehin’ny Kristianina, araka ny hita tao amin’io taratasin’i Pliny eo ambony io? Inona no lafiny hitantsika eto ka mitovy amin’izay hiseho amin’ny andro farany, araka ny voalaza ao amin’ny hafatry ny anjely fahatelo ao amin’ny Apôk. 14:9-12? Milaza inona amintsika izany mikasika ny sasany amin’ireo olana fototra iorenan’ny ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy?

2. “Endrikendrehina ho mahatonga loza amin’izao tontolo izao ireo izay manaja ny lalàn’Andriamanitra, ary izy ireo no heverina ho antony mahatonga izao fikorontanana mahatsiravina eo amin’ny zava-boahary izao sy ny ady mbamin’ny ra mandriaka eo amin’ny olona izay mahafeno fahoriana ny tany. Mampisafoaka ny ratsy fanahy ny hery izay nanampy ny hafatra fampitandremana farany; mirehitra amin’izay rehetra mandray ny hafatra ny fahatezerany, ary mainka hampirisihin’i Satana hihamafy hatrany ny fanahin’ny fankahalana sy ny fanenjehana” – HM, t. 640. Na dia tsy fantatsika aza ny fotoana hisehoan’izany rehetra izany, dia ahoana kosa no hahavonona antsika mandrakariva hiatrika ny fanoherana ny finoantsika, na inona endrika isehoan’izany na inona? Inona no tsiambaratelo haha-tafaomana antsika?

3. Jereo ireo faharavana nateraky ny toaka eo amin’ny fiainana maro. Inona no azontsika atao amin’ny maha-fiangonana antsika mba hanampiana ny hafa hahita ny loza aterak’io zava-mahadomelina io? Inona no azontsika atao mba hanairana mandrakariva ny tanorantsika fa hadisoana lehibe na dia ny manandrana fotsiny ny zavatra izay hitondra fahasimbana mahatsiravina eo amin’izy ireo?

Pejy ambony