29 JOLAY - 04 AOGOSITRA
NY LAHARAM-PAHAMEHAN'NY TENY FIKASANA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 3:15-20; Gen. 9:11-17; Mat. 5:17-20; Eks. 16:22-26; Gen. 15:1-6.
Tsianjery: “Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.” – Gal. 3:18
Nanontaniana ny mpanolo-tsaina akaiky indrindra ny filoham-pirenena hoe: “Nihazona ny teny fampanantenany rehetra tamin’ny fampielezan-kevitra ve ny filoham-pirenena?” Namaly ilay mpanolo-tsaina hoe: “Nihazona ny teny fampanantenana rehetra nokasainy hohazonina ny filoha.”
Amin’ny fotoana iray na amin’ny fotoana hafa, iza moa no tsy mbola nandika ny teny fampanantenana nataony, na nampanantena zavatra kanefa tsy tanteraka izany?
Misy fotoana anaovan’ny olona fampanantenana, ary tena mikasa ny hihazona izany tokoa izy, saingy tsy tanterany izany atỳ aoriana. Ny hafa indray mampanantena saingy tsy misaina ny hihazona ny fampanantenana nataony, samy lainga avokoa izany.
Sambatra tokoa anefa isika, satria tsy mitovy amin’izany ny teny fampanantenan’Andriamanitra. Azo antoka ny Baiboly, ary tsy miova. Koa azontsika atao ny mitoky Aminy fa hanao izay lazainy tokoa Izy. “Efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” – Isa. 46:11.
Ao amin’ny lesona mandritra ity herinandro ity, dia mampitodika ny saintsika ho amin’ny fifandraisana manokana iray i Paoly. Tsy inona izany fa ny fifandraisana teo amin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny lalàna nomena ny Isiraely 430 taona taty aoriana. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny teny fikasan’Andriamanitra sy ny lalàna? Inona no hevitr’izany fifandraisana izany amin’ny fomba itoriana ny filazantsara?
Pejy ambony
LALANA SY FINOANA (Gal. 3:15-18)
Nanome lalàna ho an’ny Isiraely Andriamanitra efajato taona taorian’i Abrahama. Nampihen-danja ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ve anefa ny nanomezany ny didy?
Ao amin’ny Gal. 3:15-18, dia manazava ny hevitry ny faneken’Andriamanitra i Paoly. Ampiasainy amin’izany ny sary an’ohatry ny didim-pananana ataon’ny olona iray hoenti-manazava ny atao hoe fanekena. Nahoana i Paoly no mampiasa izany fampitahana izany hanazavana ny faneken’Andriamanitra? Inona no tiany hasongadina?
Amin’ny kapobeny, dia samy hafa ny fanekena sy ny didim-pananana. Ny fanekena dia izay antsoina matetika hoe “fifanarahana” na “fifanekena”. Ny didim-pananana kosa dia ataon’olon-tokana. Ny teny Grika ampiasain’ny TT dia fantatra amin’ny hoe Septuagint. Ny Septuagint dia tsy mba nampiasa ny teny Grika ho an’ny fifanekena (syntheke) hoenti-milaza ny faneken’Andriamanitra tamin’i Abrahama, fa ny teny ilazana ny didim-pananana (diatheke) no ampiasainy. Nahoana? Azo heverina fa takatry ny mpandika teny fa tsy fifanarahana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Amin’ny fifanarahana mantsy, dia samy manao fampanantenana ny roa tonta ary takina aminy ny fihazonana izany. Ny faneken’Andriamanitra anefa dia tsy mitoetra eo amin’izay fampanantenana nataon’i Abarahama, fa miorina amin’izay tian’Andriamanitra hatao. Ny mihazona an’Andriamanitra amin’ny teniny no nilain’i Abrahama natao.
Fantatr’i Paoly tsara fa ny “didim-pananana” dia entina hilazana “fanekena”. Nampiasa io hevi-teny roa io izy hanazavana ireo toetry ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Samy natao tamin’olona iray ny didim-pananana sy ny teny fikasan’Andriamanitra. Raha izay, dia i Abrahama sy ny taranany izany (Gen. 12:1-5; Gal. 3:16). Ny didim-pananana koa dia ahitana ny anaran’izay handray ny fananana na ny vola (Gen. 13:15; Gen. 17:8; Rôm. 4:13; Gal. 3:29). Zava-dehibe indrindra tamin’i Paoly ny tsy fiovan’ny teny fikasana ataon’Andriamanitra. Tahaka izany koa, ny didim-pananana ataon’ny olona iray dia tsy azo ovana raha vao mihatra. Izany dia manampy amin’ny fanazavana fa ny lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy dia tsy nampiato ny fifanarahana nataony tamin’i Abrahama teo aloha. Fa Andriamanitra tsy mba miala amin’ny teny fampanantenany (Isa. 46:11).
Soloy “teny fampanantenana” ny “fanekena” ao amin’ny Gen. 9:11-17; Gen. 15:18; ary ny Gen. 17:1-21. Inona avy no voalaza ao amin’ireo fanekena ireo? Teny fampanantenana ny faneken’Andriamanitra. Ahoana no hanazavan’izany hevitra izany kokoa ny toko sy andininy? Ahoana no hanampian’izany antsika hahatakatra ny hevitry ny fanekena? Inona no ampianarin’ny fanekena antsika momba an’Andriamanitra sy ny antony ahazoantsika mitoky Aminy?
Pejy ambony
FINOANA SY LALANA (Rôm. 3:31)
Resahin’i Paoly amin’ny fomba mahery vaika ny lanjan’ny finoana ao amin’ny fifandraisan’ny tena manokana amin’Andriamanitra. Tsy misy asan’ny lalàna ilaina hahazoana famonjena mihitsy, mazava ny ambaran’i Paoly mikasika izany. “Tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna” – Gal. 2:16. Tsy mampiseho ny maha-izy azy marina ny mpino iray ny asan’ny lalàna, ny finoana no manao izany. Tsy maintsy mametraka fanontaniana anefa isika hoe: “Midika ve izany fahamarinana izany fa tsy manana tombambidy ny lalàna? Nofoanan’Andriamanitra ve ny lalàna?
Avy amin’ny finoana ny famonjena fa tsy avy amin’ny asan’ny lalàna. Moa ny tian’i Paoly holazaina dia hoe mandrava ny lalàna ny finoana? Ahoana no anampian’ireo toko sy andininy ireo amin’ny famaliana izany fanontaniana izany: Rôm. 3:31; Rôm. 7:7,12; Rôm. 8:3; ary ny Mat. 5:17-20?
Ny teny ataon’i Paoly ao amin’ny Rôm. 3 dia mitovy amin’izay nolazainy mikasika ny finoana sy ny lalàna ao amin’ny Galatianina. Fantany fa ny teniny dia mety hitarika ny olona sasany hihevitra fa mametraka ny finoana ho ambonin’ny lalàna izy. Koa nametraka fanontaniana iray i Paoly: “Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika?” – Rôm. 3:31. Ny teny nadika hoe “mahafoana ny lalàna” dia katargeo. Matetika i Paoly no nampiasa izany teny izany, izay azo adika hoe “mamafa”, “manapitra” (Efes. 2:15), “manilika”, “manafoana” (Rôm. 6:6), na “mandrava” mihitsy (1 Kôr. 6:13). Raha naniry hanohana ny hevitra manambara fa foana teo amin’ny hazo fijaliana ny lalàna i Paoly, araka ny fiampangan’ny olona sasany azy, dia ho izay no fotoana nanaovany izany. Nolaviny anefa izany, ary nambarany aza fa “mampiorina” ny lalàna ny filazantsarany (Rôm. 3:31).
“Ny drafitry ny fanamarinana amin’ny finoana dia mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra ny lalàny. Ny lalàny dia nitaky sy nanolotra fanatitra ho an’ny fahotana. Raha manilika ny lalàna ny fahazoana fanamarinana avy amin’Andriamanitra, dia tsy ho nilaina ny fahafatesan’i Kristy manadio mba hanafahana ny mpanota amin’ny ota sy hampihavana azy amin’Andriamanitra.
“Ny finoana marina koa dia midika ho fanarahana an’Andriamanitra tanteraka sy fitandremana ny didiny. Ny finoana marina dia miandoha amin’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. Ny finoana toy izany no afaka hitarika ho amin’ny fankatoavana.” – SDABC, b.6, t. 510.
Raha nanafoana ny lalàna ny finoana, midika ve izany fa tsy fahotana intsony ny fijangajangana, ny halatra na ny vonoan’olona? Eritrereto ny alahelo, ny fijaliana sy ny fahoriana azonao sorohina raha mankatò ny didin’Andriamanitra ianao. Inona no fijaliana nandalovanao sy ny hafa ho setrin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra?
Pejy ambony
NY TANJON’NY LALÀNA (Gal. 3:6)
Ao amin’ny Gal. 3:19-29, dia averin’i Paoly imbetsaka ny teny hoe “lalàna”. Inona no lalàna tiany hambara?
Ny olona sasany dia mihevitra fa ny teny hoe “ambara-“ ao amin’ny and. 19 dia midika fa tsy maharitra izany lalàna izany. Inoan’izy ireo fa miresaka momba ny lalàna seremôniely ireo andininy ireo, satria ny tanjon’izany lalàna izany dia tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana ka tapitra araka izany. Manasongadina teboka iray hafa anefa i Paoly eto; nilaina ny lalàna roa noho ny fahotana: ny lalàna môraly sy ny lalàna seremôniely. Ny lalàna môraly dia ny didy folo. Hitantsika fa ny lalàna môraly no tian’i Paoly hambara ao amin’ireo toko sy andininy ireo.
Vakio ny Gal. 3:19 sy ny Rôm. 5:13,20. Nahoana i Paoly no nilaza fa nampiana ny lalàna? Inona no nanampiana izany?
Tsy milaza i Paoly fa nanampian’ny lalàna ny faneken’Andriamanitra tamin’i Abrahama tahaka ny hanampiana fitakiana vaovao amin’ny didim-pananana. Efa nisy mialoha ny tany Sinay ny lalàna. Araka izany dia nomena ny Isiraely ho amin’ny tanjona hafa tanteraka ny lalàna, nomena mba hamerenana ny olona amin’Andriamanitra sy ny fahasoavany izany. Ny fahasoavana dia fanomezan’ny famindrampon’Andriamanitra izay omeny mamaimpoana ho antsika mba hanaisotra ny otantsika. Manolotra izany fahasoavana izany ho an’izay rehetra manatona Azy amim-pinoana Izy. Mampiseho ny maha-mpanota antsika ny lalàna, mampiseho ny ilàntsika ny fahasoavana. Tsy natao ho fomba “hahazoana” ny famonjena izany. I Paoly dia nilaza fa nomena ny lalàna mba “hihabiazan’ny ota” (Rôm. 5:20). Inona no hevitr’izany teny izany? Midika izany fa nomena ny lalàna mba hampiseho antsika mazava ireo fahotana eo amin’ny fiainantsika (Rôm. 7:13).
Manondro an’i Jesôsy ireo lalàna seremôniely. Maneho ny filàna fahamasinana sy Mpamonjy izany. Ny lalàna môraly kosa, amin’ireo “Aza” dia mampiseho antsika ny fahotana. Mampiseho izany fa singa ao anatintsika ny fahotana. Ary ny fahotana dia fandikana ny didin’Andriamanitra (Rôm. 3:20; Rôm. 5:13,20; Rôm. 7:7,8,13). Izany no nilazan’i Paoly hoe: “fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.” – Rôm. 4:15.
“Ny lalàna dia tahaka ny vera fanalehibiazana (“loupe”), izay tsy manampy isa ny loto eo amin’ny fitafiana iray fa mampiavaka izany loto izany ho hita mazava tsara. Maneho izany loto izany be lavitra noho izay hitan’ny maso amin’izao izany.” - William Hendriksen, New Testament Commentary, Exposition on Galatians (Grand Rapids, Mich.: Baker Book House, 1968), t. 141.
Pejy ambony
NY FAHARETAN’NY LALAN’ANDRIAMANITRA (Gal. 3:16-19)
Vakio ny Gen. 9:5,6; Gen. 18:19; Gen. 26:5; Gen. 39:7-10; ary ny Eks. 16:22-26. I Paoly dia nilaza fa nomena teo an-tendrombohitr’i Sinay ny lalàna. Midika ve izany fa tsy nisy lalàna nialoha io fotoana io? Raha tsy izany, inona no maha-samy hafa ny lalàna teo aloha sy taorian’ny nanomezana azy tao Sinay?
Tsy nilain’Andriamanitra ny naneho ny lalàny tamin’i Abrahama tamin’ny alalan’ny tselatra, ny kotroka ary ny famaizan’ny fahafatesana (Eks. 19:10-23). Araka izany, nahoana no tamin’izany fomba izany no nanomezan’Andriamanitra ny lalàna ho an’ny vahoakan’ny Isiraely? Ny antony dia ny nanadinoan’ny Isiraely ny fahalehibiazan’Andriamanitra sy ny lalàny. Koa nilain’ny vahoaka ny fampahatsiahivana ny maha-mpanota azy sy ny maha-masina ny lalàn’Andriamanitra.
Vakio ny Gal. 3:16-19. Inona no tian’i Paoly hambara rehefa nilaza izy fa nanampy ny lalàna “ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana” – and. 19?
Olona maro no mino fa midika io toko sy andininy io fa ny lalàna izay nomena teo an-tendrombohitr’i Sinay dia maharitra mandritra ny fotoana voafetra fotsiny ihany. Araka izany, izy ireo dia mahita fa nomena 430 taona taorian’i Abrahama izany ary tapitra tamin’ny fotoana nahatongavan’i Kristy. Manohitra izay lazain’i Paoly mikasika ny lalàna ao amin’ny Rômanina anefa izany, sy izay lazain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 5:17-19.
Ny fahadisoana nataon’ireo mpamaky mikasika ny Gal. 3:16-19 dia ny fieritreretana fa ny teny “ambara-“ dia midika mandrakariva ho fetram-potoana, saingy tsy marina izany fiheverana izany. Ny Sal. 112:8, ohatra, dia miresaka momba ny lehilahy iray izay manara-dia an’Andriamanitra: “Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.” Ary i Jesôsy dia milaza hoe: “izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko” – Apôk. 2:25. Moa nanambara ve i Jesôsy fa vao tonga Izy dia tsy ilaintsika intsony ny ho mahatoky? Mazava loatra fa tsia!
Ny maha-zava-dehibe ny lalàna dia tsy tapitra eo amin’ny nahatongavan’i Kristy. Izy Ilay “Taranaka” resahin’i Paoly. Hanondro ny fahotana mandrakariva ny lalàna. I Paoly dia milaza fa manamarika kihon-dalana lehibe eo amin’ny tantaran’ny tany ny nahatongavan’i Kristy. Azon’i Kristy atao izay tsy azon’ny lalàna atao. Afaka “manasitrana” ny aretin’ny fahotana Izy, afaka mampihavana ny mpanota amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Fanahiny no hampitoerany ny lalàny ao anatin’izy ireo (Rôm. 8:3,4).
Eritrereto ireo famantarana ny fahefan’Andriamanitra rehetra izay hitan’ny Isiraelita tany an-tendrombohitr’i Sinay. Inona anefa no mbola nataon’izy ireo? Inona no tokony hambaran’ny fahotana nataony mikasika ny finoana marina ary ahoana no hahazoana sy hihazonantsika izany? Vakio ny Kôl. 2:6.
Pejy ambony
NY FAHALEHIBIAZAN’NY TENY FIKASANA (Asa. 7:38)
Ao amin’ny Gal. 3:19,20, i Paoly dia manohy miresaka momba ny tsy fanafoanan’ny lalàna ny fanekem-pahasoavana; zava-dehibe tokoa izany satria raha toa ka marina ny fampianaran’ireo mpiampanga azy dia ho izay no ataon’ny lalàna. Eritrereto ny toerana hisy antsika amin’ny maha-mpanota antsika raha tsy maintsy hiankina amin’ny fitandremantsika ny lalàna isika, fa tsy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hamonjy antsika. Raha izany dia tsy hanana fanantenana intsony isika amin’ny farany.
Mazava ny hevitra fototra tian’i Paoly hambara ao amin’ny Gal. 3:19,20: manamafy ny teny fikasana ny lalàna, satria nomena tamin’ny alalan’i Mosesy sy ireo anjely. Tsy voalaza ao amin’ny Eksôdôsy ny fifandraisan’ny anjely amin’ny fanomezana ny lalàna, saingy hita ao amin’ny boky marobe ao amin’ny Soratra Masina izany (Deo. 33:2; Asa. 7:53; Heb. 2:2). Mampiasa ny teny “mpanalalana” i Paoly ao amin’ny 1 Tim. 2:5 hilazana an’i Kristy; ny teny ambarany eto anefa dia ahitana taratra fa ao an-tsainy ny Deo. 5:5, rehefa nilaza i Mosesy hoe: “Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy hianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah”.
Na dia tamin’ny fomba manetriketrika aza no nanomezana ny lalàna tany Sinay, niaraka tamin’ny fanatrehan’ny anjely tsy hita isa, ary manan-danja ny nanolorana izany tamin’i Mosesy tamin’izany fotoana izany, dia tsy nivantana ny nanomezana ny lalàna ho an’ny olona. Tsy nisy mpanelanelana kosa ny nanomezan’Andriamanitra ny teny fikasany tamin’i Abrahama (sy ho an’ny mpino rehetra). Na dia zava-dehibe aza ny lalàna, dia tsy natao ho solon’ny teny fampanantenana ny famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavana avy amin’ny finoana izany. Ny lalàna aza no manampy antsika hahatakatra bebe kokoa fa tena mahatalanjona izany teny fikasana izany.
Vakio ny Gen. 15:1-6; Gen. 18:1-33; ary ny Gen. 22:1-18. Toy ny ahoana ny fihaonan’i Abrahama tamin’Andriamanitra? Inona ny tombontsoan’ireny fihaonana tamin’Andriamanitra ireny ho an’i Abrahama? Eritrereto ny sasany tamin’ireo fihaonan’Andriamanitra tamin’ny olona hafa ao amin’ny Baiboly. Ohatra, ny nihaonany tamin’i Adama sy i Eva tao Edena (Gen. 3), ny tohatr’i Jakôba (Gen. 28) na i Paoly teny an-dalana ho any Damaskôsy (Asa. 9). Mety tsy mbola niaina fanandramana mampientanentana tahaka izany ianao, fa nanao ahoana kosa ny nisehoan’Andriamanitra taminao? Inona no zavatra mety mihazona anao eo amin’ny fiainanao tsy hanananao fanandramana miaraka amin’Andriamanitra tahaka izay nananan’i Abrahama? Inona no dingana azonao atao hanovana izany?
Pejy ambony
ZOMA
FIANARANA FANAMPINY: “(...) nandritra ny fanandevozana dia saika hadinon’ny Hebreo manontolo ny fahalalana an’Andriamanitra sy ireo fitsipika voarakitra tao amin’ny fanekena natao tamin’i Abrahàma. Ankoatra izany, tamin’ny fanafahana azy ireo tany Egipta dia nataon’Andriamanitra ny fomba hanehoana amin’ireo ny heriny sy ny famindrampony mba hahatonga azy ireo ho tia sy hiankina Aminy ary hahatsiaro ny fitadiavany fanampiana, tamin’ny fitondrany azy teo amin’ny Ranomasina Mena, izay toerana tsy nahafahany nandositra, raha nanenjika azy ny Egiptianina. Tratra izany fetra izany? Nameno fitiavana sy fankasitrahana an’Andriamanitra ny fony ny fanafahana azony, ary koa ny fitokisana ny fiarovana mafy azo taminy.
Mbola misy koa fahamarinana ambony lavitra noho izany tokony ho nampianarina azy tsara. Nivelona tao anivon’ny fanompoan-tsampy izy ka tsy hainy intsony na ny mandanjalanja ny fahamasinan’Andriamanitra, na ny faharatsiam-panahiny miafina sy ny tsy fahafahany tanteraka hankatò ny lalàn’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany samirery, ary ny filàny Mpamonjy noho izany.” – PM, t. 363
“Ny lalàn’Andriamanitra, izay nambara tamin’ny fahalehibiazana mahatahotra tany Sinay, dia fanambarana ny fanamelohana ny mpanota. Natao hanondroana ny fahotana ny lalàna, saingy tsy misy fahefana hamela heloka na hamonjy ao aminy.” – SDABC, b. 6, t. 1094.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. Eritrereto ny lohahevitra mikasika ny teny fikasana. Nanao ahoana ny fihetsehamponao manoloana ireo tsy nihazona ny teny fampanantenany taminao? Toy ny ahoana ny fahasamihafana rehefa naniry ny hihazona izany ilay olona kanefa tsy nahatanteraka, na tsapanao fa tsy nihevitra ny hihazona izany mihitsy izy? Mbola natoky izany olona izany ihany ve ianao taorian’izay? Midika inona aminao ny hoe afaka mitoky amin’ny teny fikasan’Andriamanitra? Ahoana no hianaranao mitoky amin’ny teny fikasany aloha voalohany indrindra?
2. Amin’ny fomba ahoana no maha-tandindomin-doza antsika amin’ny fahasimban’ny manodidina antsika ka tsy hahita intsony ny fahamarinana manan-danja izay nomen’Andriamanitra antsika? Ahoana no hahafahantsika miaro tena amin’izany loza izany?
Famintinana: Ny nanomezana ny lalàna teo Sinay dia tsy nanafoana ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama; tsy nanova ny fifanarahana ihany koa izany. Nomena ny lalàna mba hahitan’ny olona fa tena mpanota tokoa izy ka mila ny teny fikasan’i Kristy izay nataony tamin’i Abrahama sy ny taranany
Pejy ambony