SS 7 1T 2017

LESONA 7

11 - 17 FEBROARY 2017

NY VOKATRY NY FANAHY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 15:1-11; Gal. 5:22; 1 Kôr. 13; Rôm. 14:17; Efes. 5:9; Mat. 5:5.

Tsianjery: “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.”Gal. 5:22,23

Ny fananana ny vokatry ny fanahy no dikan’ny hoe miaina fiainana tena kristianina. Mitanisa vokatry ny fanahy sivy ny apôstôly Paoly, saingy iray ihany ireo vokatry ny fanahy ireo. Miara-mitombo mantsy izy ireo amin’ny maha-vokatra iray azy eo amin’ny fiainana kristianina. Na dia tsy maneho amintsika izay azon’ny olona iray atao ho an’Andriamanitra aza ny vokatry ny fanahy, dia mampiseho kosa ny fomba fiainan’izany olona izany ho an’Andriamanitra. Milaza ny maha-izy ilay olona izany. Ireo vokatra rehetra tanisaina ao amin’ny Gal. 5:22,23 dia hita ao amin’i Jesôsy Kristy. Araka izany, ny vokatry ny Fanahy dia ny fiainan’i Jesôsy Kristy ao amintsika. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no mampisy izany fiainana izany.

Ny vokatry ny Fanahy anefa dia tsy zavatra ambolentsika amin’ny asa mafy na ny ezaka ataontsika. Eny, azo atao ny miasa mafy mba hamokatra zavatra izay hita ho toy ny vokatry ny Fanahy, saingy tsy mitovy amin’izay ataon’ny Fanahy Masina ao anatintsika izay vokatra hovokarintsika. Ho tahaka ny voankazo nohosorana loko mba hahatsara endrika azy ny vokatra vokarintsika raha mitaha amin’izay tena izy. Ny tena vokatry ny Fanahy dia tsy vitan’ny ezaka ataon’ny olombelona fa mitombo ao anatin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no mampifandray antsika amin’i Jesôsy amin’ny alalan’ny Teniny Voasoratra, dia ny Baiboly. Avy eo isika vao manomboka miasa sy mieritreritra sy mahatsapa araka izay irin’Andriamanitra. Manomboka maneho ny Voany eo amin’ny fiainantsika isika.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

IZAY ILAINA MBA HAMPISY NY VOKATRY NY FANAHY (Jao. 15:1-11)

Vakio ny Jao. 15:1-11. Nahoana no amin’ny fifandraisana velona amin’i Jesôsy irery ihany no hahafahan’ny vokatra mitombo? Jesôsy no Voaloboka. Nahoana no zava-dehibe ny firaisana amin’ny Voaloboka? Ahoana no itoerantsika ao Aminy?

Ny tsiambaratelo voalohany amin’ny famokarana ny vokatry ny Fanahy tena izy dia ny firaisana amin’i Kristy. Raha misaraka Aminy isika dia tsy afaka ny hanana ny tena vokatry ny Fanahy marina. Tsy noterana hiditra ao anatintsika ny vokatry ny Fanahy fa vokatry ny fiainan’i Kristy ao anatintsika. Ao amin’ny Jao. 15:1-11, dia milaza amintsika i Jesôsy fa Izy no Voaloboka ary ny mpino no sampana. Ny voa mitombo dia vokatry ny fiainan’i Kristy manenika ny sampan’ireo mpino. Ny fitomboan’izany dia asa ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy ao anatintsika.

Andraikitry ny mpino anefa ny mitoetra ao amin’i Kristy. Raha avelatsika hitoetra ao amin’ny fisainantsika i Kristy, dia ho hita eo amin’izay ataontsika izany. Hiaina ao amintsika Izy. Ho hita indray eo amintsika ny fiainana nananan’i Kristy fony Izy tety an-tany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia haneho ny toetrany isika. Ho hitan’ny hafa eo amintsika ny fisainany, ny fihetseham-pony ary ny asany.

Ny vokatry ny Fanahy dia ireo toetran’i Jesôsy. Ambolen’ny Fanahy Masina ao anatin’ireo mpanara-dia an’i Kristy izany. Rehefa mitoetra ao anatintsika i Kristy, dia handeha “araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo” (Gal. 5:16).

Hoy i Jesôsy hoe: “Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.” – Mat. 7:17,18. Araka izany, ny voa tsara no vokatry ny fifandraisana velona iainantsika miaraka amin’i Jesôsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Araka izany, dia tsy maintsy miara-miasa amin’ny Fanahy izay ao anatintsika isika, izay vao ho hita eo amin’ny fiainantsika ny vokatry ny Fanahy. Ary hiova ny toetrantsika, ka hanjary haneho ny toetran’i Jesôsy Kristy. Samy haneho ny toetrany na izay lazaintsika, na izay ataontsika na eritreretintsika. Ny Fanahy Masina no hanome hery antsika hanana fiainam-pandresena ao amin’i Kristy. Izy ihany koa no hanampy antsika hampitombo ireo fahatsarana hita ao amin’izay zanak’Andriamanitra.

Ao amin’ny 2 Tim. 3:5, ny apôstôly Paoly dia miresaka momba ireo olona “manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. Inona ny fahasamihafana hita eo amin’ny fiainana misy sarintsarim-pahamasinana sy ny fiainana feno ny Fanahy Masina? Ahoana no hahafantarantsika ny karazana fiainana iainantsika amin’ireo?



 Pejy ambony

ALATSINAINY


NY VOKATRY NY FITIAVANA (Gal. 5:22)


Vakio ny Gal. 5:22 sy ny 1 Kôr. 13. Nahoana ny fitiavana no voalohany sy manan-danja indrindra amin’ny vokatry ny Fanahy? Ahoana no fiasan’ny fitiavana amin’ireo vokatra hafa?

Ny fitiavana no voatonona voalohany amin’ny vokatry ny Fanahy. Izany dia satria manenika ireo vokatra rehetra ireo ny fitiavana. Amin’ny heviny iray, ireo vokatry ny Fanahy hafa voatanisa dia azo heverina ho anisan’ny fitiavana. “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jao. 4:8) rahateo. Araka izany, ny toetra kristianina tsara, lehibe indrindra dia ny fitiavana (1 Kôr. 13:13). Ny fitiavan’Andriamanitra no fanorenana sy loharanon’ny fahatsarana rehetra. “Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Rôm. 5:5). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fitiavana no porofo maneho fa zanak’Andriamanitra isika.

Izany fitiavana izany dia mihoatra lavitra ny fitiavana na fihetseham-pon’olombelona. Tsy mba vokatry ny ezaka ataon’ny olombelona izany, fa vokatry ny fitoerana ao amin’i Kristy. Ny fitiavana toy izany dia tia manome no sady tsy tia tena. Tsy misy zavatra ataontsika mba hahazoana izany na hahatonga antsika ho mendrika hahazo izany. Izany fitiavana izany ihany no manana ny hery hanova ny fiainantsika, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia sady mahery no mora fo. Mitarika ny mpanota ho amin’ny fibebahana izany, ary mamoha ny faniriana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Ny fitiavana toy izany no manana hery hampihavana ireo mpifahavalo taloha (Lio. 6:27,28; Rôm. 5:8). Avy amin’ny fifankatiavantsika no hahafantaran’izao tontolo izao fa ny Kristianina no tena mpanara-dia an’i Jesôsy Kristy (Jao. 13:35). Ny vokatry ny fitiavana koa dia mitarika ny Kristianina hahatsapa ny zavatra mahazo ny hafa.

Mahaliana tokoa fa ny famaritana ny fitiavana ao amin’ny 1 Kôr. 13 dia tafiditra eo anelanelan’ny toko roa miresaka momba ny fanomezan’ny Fanahy. Miresaka momba ny fitiavana ny toko faha-13, izay vokatry ny Fanahy. Izany dia mampiseho antsika fa na ny fanomezana lehibe indrindra aza dia tsinontsinona raha tsy eo ny fitiavana. Raha tsorina, dia tsy manan-kery ireo fanomezan’ny fanahy raha tsy eo ny vokatry ny Fanahy. Raha mandeha irery izany dia tsy hamokatra ny fitahiana izay irin’Andriamanitra. Ny fitiavana no dity mampikambana ireo toetra tsara vokatry ny Fanahy ho iray ihany. Ny fitiavana no mahatonga izay ataontsika rehetra ho marina sy azo inoan’ny hafa.

Lafiny inona amin’ny fiainanao no tsy ampy ny vokatry ny fitiavana? Angataho ny Fanahy hameno anao fitiavana an’ireo olona mifandray aminao isan’andro. Tadidio fa tia antsika amin’ny alalan’ny hafa koa Andriamanitra. Inona avy ny fomba azonao anehoana fitiavana amin’ny hafa? Inona no fiantraikan’ny fitiavana eo amin’ireo toetra tsara hafa amin’ny vokatry ny Fanahy?


 Pejy ambony

TALATA

 

FIFALIANA SY FIADANANA ARY FAHARI-PO (2 Pet. 3:9)

Ny Rôm. 14:17 dia mivaky toy izao: “Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.” Ny tian’izany holazaina dia izao: ny fifaliana no valiny asetrin’ny fitiavana ho an’ireo fitahian’Andriamanitra sy famindram-pony ary ny famelany ny helotsika.

Ny fifalian’ny olombelona matetika dia mifantoka amin’ny zavatry ny tany vokatry ny toe-javatra izay misy manodidina antsika, fa ny tena fifaliana dia miorim-paka amin’ny vokatry ny Fanahy. Mifantoka amin’Andriamanitra sy izay nataony ho antsika izany, ary tsy miantraika aminy ny toe-javatra manodidina azy. Amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika, dia tokony ho falifaly isika. Ny hoe faly dia tsy voatery hitsiky lalandava, fa na dia ny tsiky iray maneho fitiavana aza dia mizara hafaliana be dia be. Ny fatokiantsika an’Andriamanitra no hanome antsika antony maro hahafaly amin’izay nataony ho antsika sy ao amintsika, satria ny fifaliana ara-panahy dia vokatry ny finoana velona.

Vakio ny Jao. 14:27 sy ny Rôm. 14:17. Ahoana no ifandraisan’ny fiadanana amin’ny asan’ny Fanahy Masina?

Maharitra noho ny fifaliana ny fiadanana. Izany dia vokatry ny “fihavanana amin’Andriamanitra” amin’ny finoana an’i “Jesosy Kristy Tompontsika” (Rôm. 5:1). Ny Fanahy no manampy antsika hanana fihavanana amin’Andriamanitra. Izy no mitarika antsika ho tia fihavanana sy ho mahari-po amin’ny hafa. Ary ho amintsika “ny Andriamanitry ny fiadanana” (Fil. 4:9) amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ka tsy hifanditra isika. Tsy haniry hamaly faty isika, fa haniry raha azo atao ny hihavana “amin'ny olona rehetra” (Rôm. 12:18).

Vakio ny 2 Pet. 3:9. Ahoana no anehoana an’Andriamanitra amin’ny fahari-po?

Vitsy ny olona manana fahari-po. Ny fahari-po dia fahaizana mifanaraka amin’ny hafa na amin’ny toe-javatra, na dia amin’ny fotoana mahasarotra izany aza. Na dia amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza anefa, dia tsy irery isika. Mihazona antsika hahery amin’ny alalan’ny Fanihiny Masina Andriamanitra. Izy no manorina ny fahari-po ao anatintsika. Ny fananana faharetana dia famantarana iray ny mpino amin’ny andro farany (Apôk. 14:12). Ny fianarana ny fahari-po dia tanjona iray mendrika. Ireo izay miezaka haneho fahari-po no hianatra izany.

Ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fahari-po. Firy amin’ireo voa ireo no iainanao eo amin’ny fiainana? Inona amin’ireo no ilainao bebe kokoa eo amin’ny fiainanao?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

FAHAMORAM-PANAHY SY FANAOVAN-TSOA ARY FAHATOKIANA (1 Kôr. 13:4)

Vakio ny 1 Kôr. 13:4. Nahoana ny olona no mankasitraka ny hatsaram-panahy marina eo amin’ny hafa? Aiza no ahitanao ny fahamoram-panahin’Andriamanitra eo amin’ny fitondrany ny olona?

Ny “fahamoram-panahy” dia teny iray ampiasaina matetika hilazana ny zavatra izay asehon’Andriamanitra amin’ny olony. Ny fahamoram-panahy koa dia izay asehontsika amin’ny hafa rehefa tsy manao izany izy ireo. Manan-jo ny hasiaka amintsika Andriamanitra eo anoloan’ny fahadisoantsika. Tsy izany anefa fa mitondra antsika tahaka ny fitondran’ny Ray be fitiavana ny zanany Izy (Hôs. 11:1-4). Mety tsy misy angamba zavatra manimba ny fijoroana ho vavolombelona sy ny asa fanompoana ataon’ny Kristianina mihoatra ny faharatsiam-panahy atao amin’ny hafa. Tsy vidim-bola ny fahatsaram-panahy. Ny fahamoram-panahy anefa dia afaka manokatra varavarana hidirana ao am-pon’ny olona iray. Mety ilaintsika ny ho hentitra rehefa manasazy olona isika na miteny amin’izany olona izany fa tsy mety ny zavatra nataony, saingy tsy voatery ho ratsy fanahy isika. Ny fanehoana fahatsaram-panahy amin’olona iray nanao fahadisoana no iray amin’ireo famantarana lehibe fa manana fo tsara isika.

Vakio ny Efes. 5:9. Inona, araka io toko sy andininy io, no miara-dalana amin’ny fahatsarana?

Ny fanaovan-tsoa dia fitiavana aseho amin’ny asa. Ao anatin’ny fanaovan-tsoa izay mitombo ao anatintsika, amin’ny maha-vokatry ny Fanahy azy, ny asa sy ny fihetsika maneho fahatsarana. Aseho amin’ny hafa isan’andro izany amin’ny asam-pitiavana mitondra fanampiana. Tsy maintsy monina ao anatintsika anefa aloha ny Fanahy Masina, amin’izay vao hivoaka avy ao amintsika ho amin’ny olona mifanerasera amintsika isan’andro ny fanaovan-tsoa.

Vakio ny Gal. 5:22. Nahoana no zava-dehibe ny mitoetra ho mahatoky eo amin’ny dia ataontsika Kristianina miaraka amin’Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny hafa ny fahafahana mitoky amintsika?

Mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina ka mahatonga antsika ho mahatoky. Rehefa izany dia ho tsapan’ny hafa fa afaka matoky antsika izy ireo. Ny hoe mahatoky dia izay azon’ny hafa itokiana na iankinana. Ny olona mahatoky dia manatanteraka hatrany izay nampanantenainy. Toetran’i Jesôsy ny fahatokiana, Izy mihitsy aza dia antsoina hoe “Vavolombelona mendri-pitokisana” (Apôk. 1:5, DIEM). Mahatoky koa Andriamanitra Ray, mihazona ny fampanantenany Izy ary mahatoky amin’izay ataony (1 Kôr. 1:9; 1 Kôr. 10:13; 1 Tes. 5:24; 2 Tes. 3:3). Koa rehefa mahatoky isika, dia maneho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. “Ny vokatra lehibe vitantsika dia tsy zava-dehibe loatra amin’Andriamanitra. Ny zava-dehibe Aminy dia ny antony nanosika antsika hanao asa. Omeny valisoa izay tsara sy mahatoky ao amintsika. Ireo zavatra roa ireo no omeny valisoa mihoatra noho ny vokatry ny asantsika.” – Ellen G. White, Testimonies for the Church, b. 2, t. 510,511.


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

NY FAHALEMEM-PANAHY SY NY FAHONONAM-PO (Mat. 5:5)

Vakio ny Gal. 5:23 sy ny Mat. 5:5. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpitarika Kristianina ny ho malemy fanahy?

Tsy fahalemena ny fahalemem-panahy. Ny fananana fahalemem-panahy dia tsy midika ho tsy fahaiza-mitarika na hakanosana. I Mosesy no lazaina fa lehilahy malemy fanahy indrindra tetỳ ambonin’ny tany (Nom. 12:3). Mpitarika mahery ireo vahoakan’Andriamanitra anefa izy. Tokony hotadidintsika koa anefa fa ny olona malemy fanahy dia tsy mampiaka-peo sy mitabataba, tsy mifanditra izy. Tsy tia tena izy ireny na manery, fa manompo amin-kalemem-panahy. Ny fahalemem-panahy no fanehoana ny finoana ao anaty sy ny fatokiana ny herin’ Andriamanitra miasa ao anatintsika. Matetika, ireo mpitabataba, mahery setra, sy ireo matoky tena no manao izany hanaronana ny fahalemeny sy ny tahotra ao anatiny.

Vakio ny Gal. 5:23 sy ny Ohab. 16:32. Inona ny fitahiana azontsika raha toa ka manana fifehezan-tena isika eo amin’ny fiainantsika? Inona ny fahoriana tonga amintsika raha tsy manana fifehezan-tena isika?

Ny tapany farany amin’ny vokatry ny Fanahy dia ny fahononam-po na fifehezana ny tena. Mila fifehezan-tena avokoa ny olon-drehetra, ary samy miady mafy amin’ny filàna ny fifehezana eo amin’ny fiaintsika isika rehetra. Tsy afaka mitondra tanàna, na fiarahamonina, na fiangonana ny olona iray raha tsy mahay mifehy ny fanahiny aloha. Tsy fahaizana mifehy ny tena amin’ny fihinana sy ny fisotro ihany no atao hoe fahononan-tena marina, fa fifehezana ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana.

Ny fanahafana an’i Kristy amin’ny lafiny rehetra no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mpino iray. Ny vokatry ny Fanahy no famantarana fa an’i Kristy isika. Izany no mampikambana ny mpino rehetra ho iray ihany ao amin’i Kristy.

Eritrereto ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay anananao fifehezan-tena kokoa. Mety ho manana fifehezan-tena eo amin’ny lafiny iray amin’ny fiainanao ianao, saingy tsy toy izany kosa amin’ny lafiny hafa. Amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra no hahafahana mifehy ny fiainana. Nahoana no zava-dehibe ny fananana izany fifehezana izany amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fiainanao?


 Pejy ambony

ZOMA


FIANARANA FANAMPINY:
“Raha lazaina amin’ny fiteny amin’izao androntsika izao izay hita ao amin’ny Gal. 5:22,23 dia mety ho toy izao izany: ‘Ny vokatry ny Fanahy dia hafanam-po, be fitiavana, fanahy mamiratry ny hafaliana sy fahasambarana, manana saina tony sy manetry tena rehefa miteny sy manao zavatra, mahari-po amin’ny toe-javatra sy ny olona sarotra, mampiseho firaisam-po amin’ny hafa, manampy sy malala-tanana, mijery ny tsara eo amin’ny hafa, be fiantrana, mahatoky ary marina, azo itokiana amin’ny fotoana rehetra, manetry tena ka manadino ny tena amin’ny fifaliana eo amin’ny fanampiana ny hafa, mahono-tena amin’ny zavatra rehetra. Ny fahononam-po no famantarana farany maneho fa lasa nanahaka an’i Kristy isika. Ireo rehetra ireo no maneho ny vokatry ny Fanahy. Tsy amin’ny herin’ny tenantsika no ahazoantsika ireo vokatry ny Fanahy ireo, fa amin’ny fitoerana ao amin’i Kristy sy amin’ny famelana ny Fanahiny haneho ny fiainany ao amintsika. Tsy amin’ny fiezahana mafy, fa amin’ny fitoerana ao amin’i Kristy; tsy amin’ny tebiteby, fa amin’ny fatokiana; tsy amin’ny asa maro, fa amin’ny finoana.” - S. Chadwick, in Arthur Walkington Pink, The Holy Spirit (Bellingham, Wash.: Logos Bible Software, n.d.), toko. 30.


“Alaivo sary an-tsaina hoe ao am-ponao ny fitiavana ny fahamarinana. Dia hiresaka momba ny fahamarinana ianao. Hiresaka momba ny fanantenana voatahy azonao ao amin’i Jesôsy. Raha manam-pitiavana ianao ao am-po, dia hitady ny hampiorina sy hanangana ny rahalahinao ao amin’ny finoana masina indrindra. Raha misy olona milaza teny ratsy na teny mitory haratsiam-panahy mikasika ny namana na rahalahinao, dia aza mampirisika izany fitenenan-dratsy izany. Asan’ny fahavalo izany. Ampahatsiahivo amin-kalemem-panahy izany olona miteny izany fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mamela antsika hiresaka amin’ny hafa amin’izany fomba izany.” – Ellen G. White, You Shall Receive Power, t. 76.


Fanontaniana hifanakalozan-kevitra
:

1. Resaho amin’ny kilasy ny fanontaniana farany ao amin’ny faran’ny fizaràna Alakamisy, mikasika ny ilàntsika ny fifehezan-tena. Raha vonjena amin’ny fahasoavana isika, dia nahoana no zava-dehibe tokoa ny fandresena ny ota? Moa tsy momba ny famelana ny fahotana rahateo ny filazantsara? Eritrereto ny momba ny toetran’i Jodasy, inona ny vokatry ny fahotan’ny fitiavan-karena nihatra taminy? Inona ny lesona azontsika tsoahina amin’ny ohatra nasehony, izay afaka manampy antsika hamaly ny fanontaniana mikasika ny ilàna ny fandresena? Ahoana no anampian’izay ambaran’i Ellen G. White antsika hahatakatra ny filàntsika ny fandresena? “Ny fisainana, na fihetseham-po na asa tsy mety iray, ny faniriana feno ota iray ankamamian’ny fanahy, dia hanimba ny herin’ny filazantsara amin’ny farany.” – Testimonies for the Church, b. 5, t. 53.

2. Nahoana ny vokatry ny Fanahy no zava-dehibe kokoa mihoatra ny fanomezana rehetra avy amin’ny Fanahy?


3. Vakio mafy ao amin’ny kilasy ny 1 Kôr. 13. Resaho ny tian’io toko io hambara. Nahoana no omen’i Paoly lanja lehibe ny ilàna ny fitiavana? Ahoana no hianarantsika mitia amin’ny fomba izay resahin’i Paoly eto? Nahoana ny fahafatesan’ny tena sy ny fitoerana ao amin’i Kristy no zava-dehibe amin’ny fahombiazantsika eo amin’ny fianarana mitia araka izany fomba izany? Nahoana isika no tsy maintsy mamono ny “izaho” ary velona ao amin’i Kristy mba hitiavantsika ireo olona izay tsy tiantsika mihitsy?

 Pejy ambony