06 - 12 MAY 2017
FITARIHAN'NY TOMPO
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 5:1-10; Asa. 6:1-6; Jer. 10:21; Mat. 20:24-28; Ohab. 3:34; Apôk. 12:7-9.
Tsianjery: “Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” – 1 Pet. 5:7.
Ny fandinihana momba ireo fiangonana mitombo dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fitarihana mahomby. Miorina amin’Andriamanitra sy ny Baiboly izany ary manome fahafahana ho an’ny mambran’ny fiangonana rehetra hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany ho famitana ny asa fitoriana.
Mety ho fihaikana goavana anefa ny fitarihana fiangonana. Iray amin’ireo fihaikana atrehin’ny mpitarika izao: olona manolo-tena matetika no mitondra fiangonana ary manana fandaharam-potoana feno izany olona izany. Fihaikana hafa koa ny fanehoana’ny mambra ny tsy fifaliany amin’ny alalan’ny fisintahana rehefa misy zavatra mitranga tsy ankasitrahany. Matetika koa ny fiangonana no miatrika fanenjehana tahaka ny tamin’ny andron’i Petera. Amin’ny fotoana tahaka izany no maha-mora tohina indrindra ny mpitarika fiangonana. Tsy maintsy manana fiainam-panahy tsara ny mpitarika hahafahany miatrika fihaikana tahaka izany. Mety hanontany isika hoe: iza no manana izay ilaina hahatongavana ho mpitarika tsara?
Ao amin’ny 1 Pet. 5:1-10, i Petera dia manoratra mikasika ny lohahevitry ny fitarihana kristianina ao amin’ny fiangonana. Resahiny ao amin’ireo andalan-teny ireo ny sasany amin’ireo toetra manan-danja ilaina, tsy ho an’ny mpitarika fiangonana ihany fa ho an’ny mambra koa. Mbola zava-dehibe ho antsika amin’izao fotoana izao ny teny nambarany, tahaka ny tamin’izany andro izany.
Pejy ambony
NY LOHOLONA TAMIN’IREO TAONA NIANDOHAN’NY FIANGONANA (Asa. 6:1-6)
Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto: Asa. 6:1-6; Asa. 14:23; Asa. 15:6; 1 Tim. 5:17; 1 Pet. 5:2. Inona no ampianarin’ireo toko sy andininy ireo antsika mikasika ireo fihaikana atrehin’ny fiangonana nandritra ireo taona voalohany nijoroany? Inona no nataon’ireo mpitarika teo anatrehan’ny toe-javatra?
Olona marobe no nanjary mpino ka niray tamin’ny fiangonana nandritra ireo taona voalohany nijoroan’ny fiangonana. Fitahiana lehibe manao ahoana re izany, izay avy amin’Andriamanitra! Ny fanandramana niainan’ireo Kristianina voalohany anefa dia mampiseho fa ny fitomboana haingana dia mety hitondra olana.
Ny Asa. 1-5 ohatra, dia mandraikitra ny nitarihan’ny Fanahy Masina olona maro ho tonga Kristianina. Asehon’ny Asa. 6:1-6 ny vokatr’izany: nanjary lehibe loatra ho an’ny mpitarika azy ilay vondron’olona. Araka izany dia nilain’ireo mpitarika ny nandamina indray ny fomba fanaovana ny raharahan’ny fiangonana isan’andro.
Hita mazava tsara araka ny toe-javatra manokana iray fa nisy olana teo amin’ny fandaminana ny fiangonana. Nisy vondrona niteny Grika tao amin’ny fiangonana. Nitaraina izy ireo fa tsy mba nisy nihevitra ireo mpitondratena tao aminy rehefa mizara sakafo ny fiangonana isan’andro. Mba hanarenana izany olana izany, dia nifidy olona maromaro hanampy ny apôstôly roa ambin’ny folo ny fiangonana hitantana ny fananany. Fantatra tamin’ny anarana hoe diakona ireo vondron’olona ireo.
Marina fa nitarika ny fiangonana tany am-piandohana tamin’ny fomba miavaka ny Fanahy Masina; na izany aza dia nilaina ihany ny fandaminana. Ny vondron’olona tena nilain’ny fiangonana dia ireo loholona. Nofidina ho an’ireo fiangonana isan-toerana ireo loholona. Koa nifidy loholona i Paoly sy i Barnabasy mba hitarika ireo Kristianina vaovao. Midika izany fa nifidy ireo loholona izy ireo raha nifindrafindra tamin’ny toerana maro izay tsy mbola nahare mikasika an’i Jesôsy (Asa. 14:23).
Nomena andraikitra samy hafa ireo loholona tamin’ny taona voalohany niandohan’ny fiangonana. Nanao fanompoana tamin’ny maha-mpitarika ny fiangonana nisy azy izy ireo. Nisy fotoana nanaovan’izy ireo ny asan’ny mpampianatra ho an’ireo mpino vaovao. Nitory teny koa izy ireo ary nitandrina fatratra ny fikarakarana sy fanaovana izay tsara ho an’ny fiarahamonina (Asa. 15:6; 1 Tim. 5:17; 1 Pet. 5:2).
Inona avy ireo fomba ahafahanao mianatra hanao asa tsaratsara kokoa miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny fiangonana misy anao, na dia tsy mitovy hevitra mandrakariva aza ianareo?
Pejy ambony
NY LOHOLONA (1 Pet. 5:1-4)
Vakio ny 1 Pet. 5:1-4. Araka izay hita ao amin’ireo andalan-teny ireo, ahoana no tokony ho fisainana sy fihetseham-pon’ny mpitarika amin’ny asa ataony ao amin’ny fiangonana? Ahoana no hanampian’ny fitsipika manan-danja hita ao amin’ireo toko sy andininy ireo antsika ho mpiasa mahasoa kokoa ao am-piangonana?
Mananatra ny loholona i Petera ao amin’ny 1 Pet. 5:1-4. Natombony tamin’ny filazana fa loholona koa ny tenany izany. Nanamarika zavatra roa momba azy izy avy eo: (1) vavolombelon’ny fijalian’i Kristy izy, ary (2) miandrandra ny hiombona voninahitra efa haseho amintsika amin’ny fiavian’i Kristy. Amin’ny filazana ireo teny ireo, dia manondro ireo zavatra tokony ho hita ao amin’ny loholona i Petera. Tsy inona izany fa ny fahatakarana ny nijalian’i Kristy ho antsika sy ny fanantenana lehibe atolony antsika.
Nilaza koa i Petera fa tahaka ny asan’ny mpiandry ondry ny asan’ny loholona. Ny mpiandry ondry dia mikarakara ny andian’ondry; tahaka izany koa, ny loholona dia mitandrina ny andian’ondrin’Andriamanitra. Ny fampitahan’i Petera ny fiangonana amin’ny andian’ondry dia midika fa mety mania tahaka izay ataon’ny ondry ny mambra. Araka izany, dia mila mpiandry (loholona) ireo ondry hitarika azy hiverina indray ao amin’ny andian’ondry (fiangonana). Manampy ny ondry hiasa amim-pirindrana amin’ny andian’ondry ny mpiandry. Tsy tokony hiavonavona ny loholona, fa haneho ohatra feno fanetren-tena amin’izay tokony ho fihetsiky ny Kristianina.
Vakio ny Jer. 10:21; Ezek. 34:8-10; ary ny Zak. 11:17. Inona no fampitandremana omen’ireo toko sy andininy ireo ny mpiandry ondry?
Tsy maintsy manana faharetana amin’ny olona iarahany miasa ao amin’ny fiangonana ny mpitarika Kristianina. Tokony ho mahari-po tahaka ny ataon’ny mpiandry ondry amin’ny ondriny izy ireo. Tena zava-dehibe mantsy izany asa izany. Tokony hanangona ny olona amim-pahalemem-panahy ny loholona ho amin’ny fiankohofana, sy manangona azy ireo hizara ny hafatr’i Jesôsy amin’ny hafa sy ny famonjena ao Aminy.
Nomarihin’i Petera koa fa tokony hanana fanoloran-tena ny loholona, fa tsy hoterena amin’ny fitarihana. Tsy mora mandrakariva ny mahita olona manolo-tena hitarika ao amin’ny fiangonana. Mba hahatonga ny fiangonana hahomby, dia asa fitarihana maro no ilaina hotanterahina. Maromaro anefa ny antony mahatonga ny olona maro ho malaina ny ho mpitarika. Ny sasany amin’izany asa izany dia mitaky fotoana betsaka; ny olona afaka hanao asa toy izany anefa dia mety manana asa maro tokony hatao. Mety tsy mahatsapa tena ho vonona hanao izany asa izany ny sasany, saingy i Petera dia nilaza fa rehefa asaina manao isika, dia tokony hanaiky hitarika raha azo atao.
Pejy ambony
FITARIHAN’NY MPANOMPO (1 Pet. 5:3)
Vakio ny 1 Pet. 5:3 sy ny Mat. 20:24-28. Inona ny fenitra manan-danjan’ny fitarihana kristianina hita ao amin’ireo toko sy andininy ireo?
Iray amin’ireo teny manan-danja indrindra ao amin’ny 1 Pet. 5:3 ny hoe “mpanjakazaka”. Amin’ny teny Grika dia katakurieuontes izany. Hita ao amin’ny Mat. 20:25 koa io teny io, izay midika hoe “manjaka” na “miavonavona na manambony tena” eo anatrehan’ny olona iray. Azo adika ho toy izao ny fananarana nomen’i Petera ireo loholona ao amin’ny 1 Pet. 5:3: “Aza manao toy ny mpanapaka amin’ireo izay eo ambany fiahianao”. Mitovy amin’izay nolazain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 20:25 izany.
Ny Mat. 20:20-23 dia milaza amintsika ny tontolon-kevitra hanampy antsika hahatakatra izay nolazain’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 20:24-28. Nanatona an’i Jesôsy ny renin’i Jakôba sy i Jaona mba hanao fangatahana iray. Niriny ny hanomezan’i Jesôsy voninahitra ireo zanany lahy, mihoatra noho ny hafa rehetra, rehefa tonga any amin’ny Fanjakany Izy. Nangatahiny tamin’i Jesôsy ny hipetrahan’ny zanany lahy iray eo ankavanany ary ny iray eo ankavia.
“Nentin’i Jesosy tamim-pitiavana izy, tsy nanome tsiny azy ireo noho ny fitiavan-tenany Izy amin’izy nitady hiangarana mihoatra noho ny rahalahiny. Namaky ny tao am-pony Izy, fantany ny halalin’ny firaiketany taminy. Tsy fitiavan’olombelona tsotra ny fitiavany; na dia voaloton’ny toetra ara-nofo eo amin’ny fantsona maha-olombelona aza, dia mitosaka avy tamin’ny loharanon’ny fitiavany manavotra izany. Tsy nanome tsiny izy, fa handalina sy hanadio kosa.” – IFM, t. 583.
Nohazavain’i Jesôsy fa tsy Izy no hanome ny vonin ahitra amin’ny fipetrahana eo ankavia sy eo ankavanany, fa ny Ray no manana izany fahefana izany. Notohizan’i Jesôsy izany tamin’ny fanazavany ny fahasamihafana manan-danja eo amin’ny Fanjakany sy ny fanjakan’izao tontolo izao. Ireo izay maniry ny hitarika ao amin’ny fanjakana anjakan’i Jesôsy dia tsy maintsy tonga mpanompo. Ho tahaka an’i Jesôsy izy ireo. “Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” – Mat. 20:28.
Niantso ireo mpitarika fiangonana i Petera mba ho tahaka an’i Jesôsy. Ny fanoloran-tena feno sy ny fahafatesan’ny tena tao amin’i Jesôsy dia tokony ho hita ao amin’ireo loholona koa.
Vakio ny Fil. 2:4-8. Ahoana no itovian’ny teny ataon’i Paoly eto amin’izay lazain’i Petera ao amin’ny 1 Pet. 5:3? Manan-danja kokoa, ahoana no hahafahantsika manao izay asaina ataontsika ao amin’ireo toko sy andininy ireo?
Pejy ambony
MISIKINA FANETREN-TENA (1 Pet. 5:5-7)
Nozaraina ho sokajy maro ny fiarahamonina tamin’ny andro taloha izay niainan’i Petera. Nanam-pahefana lehibe ny sokajy misy ny mpanapaka. Manodidina azy ireo ny olona nanana saranga ambany noho izy, ary ny saranga ambany indrindra dia ny mpanompo. Tany amin’ny tontolo ivelan’ny fivavahana Jiosy sy Kristianina, ny teny hoe manetry tena dia nampifandraisina tamin’ny olona amin’ny saranga ambany. Hitantsika izany amin’ny teny grika ilazana ny hoe manetry tena. Izany dia midika hoe “tsy manana fireharehana”, “tsy manan-danja”, “osa” ary “mahantra”. Izany no ilazana ny olona izay sady tsy manana fahefana no tsy manana toerana ambony eo amin’ny fiarahamonina. Koa ny fanetren-tena no fihetsika nasehon’ireo ambany saranga tamin’ireo ambony. Ny fanetren-tena dia noheverina fa tsy fomba mendrika iainan’ny olona afaka.
Vakio ny 1 Pet. 5:5-7. Eritrereto ny toerana sy ny fotoana niainan’i Petera. Raha ao an-tsainao izany, inona no tena misongadina amin’izay soratan’i Petera eto?
Ao amin’ny Baiboly, ny fanetren-tena dia heverina ho tsara sy deraina tokoa. Hafa tanteraka amin’izay fahitana ny fanetren-tena tamin’ny fotoana sy ny kolontsaina niainan’i Petera anefa ny fijerin’ny Baiboly ny fanetren-tena. Naverin’i Petera ny teny ao amin’ny Ohab. 3:34 mba hanehoana izay heverin’Andriamanitra mikasika ny avonavona. Ny TT aza dia maneho fa ny ampahany tamin’ny asa nataon’Andriamanitra teo amin’ny tantara dia ny fampietrena ny mpiavonavona (Isa. 13:11; Isa. 23:9; Jôba 40:11).
Inona no fisainana na fihetseham-po tokony hananantsika eo anatrehan’Andriamanitra? Ny valiny dia izao: tokony hanana fanetren-tena eo anatrehany isika (1 Pet. 5:6). Ny Kristianina dia mahalala fa mpanota novonjena tamin’ny alalan’ny famindram-pon’Andriamanitra ny tenany; ary koa satria samy mpanota ny rehetra, dia mitovy avokoa. Araka izany, dia tsy tokony hanana fireharehana isika eo anoloan’ny hazo fijaliana. Eny tokoa, mora ny manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra. Izy rahateo no Mpamorona ny tany sy ny lanitra. Mora ny manetry tena eo anatrehan’izay ambony noho isika, izay manana fahefana amintsika, izay “avo toerana” noho isika, saingy ny tena fitsapana dia ny fanehoana fanetren-tena amin’ireo “ambany” noho isika, ireo tsy manana fahefana amintsika.
Araka izany, ny Kristianina dia tokony hanana laza tsara amin’ny fanetren-tena. Tokony ho hita amin’ny fifandraisany amin’ny hafa ny fo tsy miavonavona, tsy amin’Andriamanitra ihany fa amin’ny hafa koa (1 Pet. 5:5). Tokony hanetry tena eo anatrehan’izay miasa ho antsika sy eo ambany fiahiantsika isika. Izany no toe-tsaina ambaran’i Petera fa tokony hananantsika.
Inona amin’izay mahakasika ny hazo fijaliana sy izay asehony no tokony hahatonga antsika hanetry tena mandrakariva?
Pejy ambony
TAHAKA NY LIONA MIERONA (1 Pet. 5:8-10)
Araka ny efa fantatsika, dia nanoratra epistily tao anatin’ny tontolon-kevitry ny fanenjehana i Petera. Tsy lohahevitra na fampianarana tsy mahakasika ny mpamaky tsy akory ny ady lehibe ifanaovan’i Kristy sy i Satana, fa niaina izany ady izany tamin’ny fomba tsy mbola hitan’ny ankamaroantsika izy ireo.
Vakio ny 1 Pet. 5:8-10 sy ny Apôk. 12:7-9. Inona no ampianarin’ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny niandohan’ny ratsy sy ny asan’i Satana eto amin’ny tontolo misy antsika?
Ny bokin’ny Apôkalipsy dia mampiseho amintsika fa mandray anjara amin’ny ady ara-panahy goavana ataon’ny tafiky ny tsara sy ny ratsy ny Kristianina. Hita ao amin’ny Apôkalipsy fa tarihin’i Jesôsy ny tafiky ny tsara, Jesôsy Ilay Tenin’Andriamanitra. Izy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo (Apôk. 19:13,16). Ny devoly no mitarika ny tafiky ny ratsy, antsoina hoe Satana koa izy. Aseho amin’ny sarin’ny dragona izy (Apôk. 12:7-9; Apôk. 20:7,8). Ny fandaharana amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra ary ny teny ataon’ny Kristianina sasany dia manambara fa tsy tena misy ny devoly. Ny marina anefa dia voary mahery tokoa ny devoly, ary ny hanimba antsika no hany faniriany. Izao anefa ny vaovao mahafaly: horavana ny devoly amin’ny andro farany (Apôk. 20:9,10).
Tsy nohamaivanin’i Petera ny loza asehon’ilay ratsy. “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona”. Mitady izay “harapany” izy (1 Pet. 5:8). Nasehon’i Petera koa fa hitan’ny mpamaky ny herin’ny ratsy eo amin’ny fahoriana izay lalovan’izy ireo, saingy hifarana amin’ny voninahitra mandrakizay izany fahoriana izany (1 Pet. 5:10).
Vakio indray ny 1 Pet. 5:10. Inona no ambaran’i Petera amintsika ao anatin’io toko sy andininy io?
Tsy fantatsika ny fitsapana nolalovan’ireo nandefasan’i Petera ny epistiliny; ny hitantsika dia ny fanantenana ambarany. Eny, tena misy tokoa ny devoly, tena misy tokoa ny ady lehibe, ary tena misy ny fahoriantsika, saingy ilay Andriamanitry ny famindram-po sy ny famelan-keloka dia efa naharesy ny devoly. Koa mety handalo fahoriana isika, nefa tokony hitoetra ho mahatoky –raha ilaina aza, hatramin’ny fahafatesana (vakio ny Heb. 11:13-16), dia ho azontsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesôsy.
Ahoana no hianarantsika hifikitra amin’ny finoana? Ahoana no hijoroantsika ho mahery hatramin’ny farany, na inona na inona sedraintsika?
Pejy ambony
ZOMA
FIANARANA FANAMPINY: Ohatra iray lehibe maneho ny fitarihan’ny mpanompo nasehon’i Jesôsy no hita ao amin’izay nataony nandritra ny fisakafoana hariva farany. Tamin’izay fotoana izay, dia fantatr’i Jesôsy tsara fa Zanak’Andriamanitra Izy. Rehefa avy nisakafo, dia nanasa ny tongotry ny mpianatra Izy (Jao. 13:14, 15). Isaky ny mifanasa tongotra ny mpanara-dia an’i Jesôsy, dia mamerina indray izay niseho tamin’izany, ary mifampahatsiahy izy ireo amin’izany fa izay maniry ny ho mpitarika ao amin’ny fanjakan’i Jesôsy dia tsy maintsy tonga tahaka ny mpanompo. Tsy isalasalana fa tao an-tsain’i Petera ny fihetsika feno fanetren-tena nasehon’i Jesôsy, raha niantso ny loholon’ny fiangonana tsy hanjakazaka amin’ny hafa izy (1 Pet. 5:5).
“Nanaiky ny ho tonga olombelona Andriamanitra. Tamin’ny nanaovany izany, dia naneho fanetren-tena izay nampitolagaga ny lanitra iray manontolo Izy. Andriamanitra i Kristy nialoha ny nahatongavany ho olombelona. Koa tsy maintsy nampietry ny Tenany Izy mba ho tonga tahaka ny iray amintsika. Tokony hanokatra ny saintsika amin’izay tena hevitr’izany isika. Tokony ho tsapatsika fa nanaisotra ny akanjom-piandrianany sy ny satroboninahiny i Kristy. Navelany ny zo ananany amin’ny maha-mpanjaka Azy. Notafiany nofo ny maha-Andriamanitra Azy. Nanjary olona Izy mba ahazoany mihaona amin’ny olombelona amin’ny toerana misy azy. Nirin’i Kristy ny hitondra ho an’ny taranak’olombelona ny hery handresena ny fahotana, ary niriny ny hahatonga antsika ho zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra.” – SDG, t. 81.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1.Nanomboka ny asan’Andriamanitra teto an-tany i Jesôsy tamin’ny fiatrehana ny devoly tamin-kerim-po. Rehefa nanao izany Izy dia torovan’ny fifadian-kanina nandritra ny efapolo andro, saingy nahatohitra ireo fakam-panahy nataon’ny devoly Izy tamin’ny namerenany izay voasoratra ao amin’ny Baiboly (Mat. 4:1-11; Mar. 1:12, 13; Lio. 4:1-13). Inona no ambaran’izany amintsika momba ny fahafahantsika manohitra ny devoly ihany koa?
2.Manomeza ohatra maneho fanetren-tena. Inona no lesona azonao sintonina avy amin’izany?
3.Manomeza valinteny ho an’ireto fanontaniana ireto, ao amin’ny kilasy: inona no mahatonga ny Kristianina ho mpitarika tsara? Ahoana no hahatonga ny mpitarika ara-pôlitika iray hitovy amin’ny mpitarika Kristianina tsara? Inona no mety maha-samy hafa azy ireo?
4.Andeha atao hoe misy olona milaza fa tsy tena misy i Satana fa tandindona na sary an’ohatra maneho ny ratsy ao amin’ny olombelona fotsiny ihany. Inona no holazainao amin’izany olona izany?
Pejy ambony