SS 7 3T 2017

LESONA 7

05 - 11 AOGOSITRA

NY LALANA MANKAMIN'NY FINOANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 3:21–25; Lev. 18:5; Rôm. 3:9–19; 1 Kôr. 9:20; Rôm. 3:1,2; 8:1–4.

Tsianjery: “Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy” – Gal. 3:22.

Efa hatry ny ela no nahafantarana ny karazam-boromahailala izay ampianarina hahay miverina eo amin’izay niaingany tamin’ny voalohany rehefa avy manidina an-kilômetatra maromaro ao anatin’ny iray andro. Na dia ny mahay indrindra amin’izy ireny aza anefa dia voan’ny tamberintany, indraindray, ka tsy tafaverina intsony eo amin’izay niaingany. Tany Angletera no nisehoan’ny toe-javatra ratsy indrindra momba izany, dia ny amin’ireo vorona dimy arivo sy dimy alina teo ho eo izay tsy tafaverina intsony tao amin’ny fitoerany.

Ny ankamaroany amintsika dia efa nandalo izany tsy fahafantarana intsony ny lalan-kombana izany na koa hoe very, ary toe-javatra tsy mahafinaritra velively izany. Tahotra sy tebiteby no mameno ny ao anaty ary mety ho very hevitra tanteraka mihitsy aza vokatr’izany.

Izany koa no mitranga eo amin’ny sehatry ny ara-panahy. Na dia efa nanaiky an’i Kristy aza isika, dia mety ho toy ny tsy mahita ny lalan-kombana ihany indrindray, ary toy ny tsy ho tafaverina eo amin’ny Tompo mihitsy aza.

Soa ihany anefa fa tsy mbola namela antsika ho irery Andriamanitra. Efa nofaritany ny lalana mankamin’ny finoana araka ny asehon’ny filazantsara, ary ao anatin’izany ny lalàna. Olona maro no miezaka mampisaraka ny lalàna sy ny filazantsara; ny sasany aza mahita azy roa ireo ho mifanohitra mihitsy. Tsy vitan’ny hoe diso ihany izany fomba fijery izany fa mety hitondra vokatra mahatsiravina mihitsy koa. Raha tsy misy ny lalàna dia tsy manana ny filazantsara isika ary raha tsy eo ny lalàna, dia tena sarotra ny mahatakatra ny filazantsara.

Pejy ambony

 

ALAHADY


Ny lalàna sy ny teny fikasana

“Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna?” – Gal. 3:21.

Tsapan’i Paoly fa ny fanazavana nomeny dia mety hahatonga ny mpanohitra azy hihevitra fa tsy dia manisy lanja loatra ny lalàna izy. Ny anton’izany dia satria nambarany fa mijoro ho ambonin’ny zavatra rehetra ny teny fikasan’Andriamanitra. Napetrak’i Paoly tamin’ireo mpanohitra azy àry ny fanontaniana izay tao an-tsain’izy ireo indrindra manao hoe: “Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna?” Hentitra ny valintenin’i Paoly: “Sanatria izany!" Tsy mifanipaka velively amin’ny lalàna ny teny fikasan’Andriamanitra, satria tsy afaka ny hanohitra ny Tenany Izy. Samy nomeny na ny teny fikasana na ny lalàna saingy samy manana ny kendreny ireo eo amin’ny drafi-panavotana.

Vakio ny Gal. 3:21; Lev. 18:5; ary ny Deo. 6:24 Inona no fahadisoan-kevitra tao amin’ireo mpanohitra an’i Paoly momba ny anjara asan’ny lalàna?

Ninoan’ireo olona ireo fa afaka hanome aim-panahy ho azy ny lalàna. Azo heverina fa izany fomba fijery izany dia niainga avy tamin’ny fanazavana diso ny amin’ny andalan-teny sasantsasany toy ny Lev. 18:5 sy ny Deo. 6:24. Ireo andininy ireo mantsy dia miresaka ny amin’ny tokony ho fomba fiainan’izay mitoetra ao amin’ny faneken’Andriamanitra. Ny lalàna no mifehy ny fiainana ao anatin’izany fifandraisana izany, saingy diso hevitra ireo mpanohitra an’i Paoly raha nihevitra fa ny lalàna no ipoiran’ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra. Mazava anefa ny voalazan’ny Baiboly, Andriamanitra sy ny Fanahiny irery ihany no afaka “hanome aina” ny maty ara-panahy (Rôm. 4:17; vakio koa ny 2 Mpanj. 5:7; Neh. 9:6; Jao. 5:21). Tsy midika anefa izany fa manohitra ny teny fikasan’Andriamanitra ny lalàna.

Nitady izay hanaporofoana ny tsy fahavitan’ny lalàna manome aina i Paoly ka nanoratra izao tao amin’ny Gal. 3:22: “Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana”. Ao amin’ny Rôm. 3:9-19 izy dia nampiasa andalan-teny avy ao amin’ny TT mba hanehoana ny maha-mpanota ratsy antsika. Ny fitiavan-tena, izay fahotana manimba ny fon’olombelona no nanombohany izany. Rehefa avy eo dia nikisaka teo amin’ireo andalan-teny milaza ny maha-manerana izao tontolo izao ny fahotana izy.

Ny tian’i Paoly hazavaina? Mahatratra ny olona rehetra ny fahotana ary ny lalàna dia voafetra, noho izany dia amin’ny alalan’i Kristy irery ihany no hahatanteraka amintsika ny teny fikasan’ny fiainana mandrakizay. Eto isika dia mahita indray ilay fahamarinana lehibe izay nitarika an’i Martin Luther handrodana ny fahefan’i Rôma.  

Na dia tsy afaka hamonjy antsika aza ny lalàna, dia inona kosa ireo tombontsoa lehibe azontsika amin’ny fanarahana azy? Izany hoe: inona no soa efa noraisinao teo amin’ny fiainanao vokatry ny fankatoavanao ny lalàn’Andriamanitra?


Pejy ambony

ALATSINAINY


“Voambina tao ambanin’ny lalàna” (Gal. 3:23)

Ao amin’ny Gal. 3:23 i Paoly dia nanoratra fa “fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika”. Ny “isika” lazain’i Paoly eto dia ireo mpino jiosy tao amin’ny fiangonana Galatianina. Efa nampahafantarina ny lalàna izy ireo ary niresaka taminy manokana i Paoly nanomboka tao amin’ny Gal. 2:15. Hita izany eo amin’ny fifanoherana misy eo amin’ny “isika” ao amin’ny Gal. 3:23 sy ny “hianareo” ao amin’ny Gal. 3:26.

Izao no voalaza ao amin’ny Gal. 3:23: “Fa fony tsy mbola tonga ny finoana”, ary izao kosa raha amin’ny teny grika “Fa fony tsy mbola tonga ilay finoana”. Koa satria nampifanoherin’i Paoly ny toeran’ny lalàna taloha sy taorian’i Kristy (Gal. 3:24), ny hoe “ilay finoana” dia azo heverina ho manondro ny finoantsika fa tsy ny finoana kristianina an-kapobeny.

Ao amin’ny Gal. 3:22,23 i Paoly dia milaza fa “voambina tao ambanin’ny lalàna” ny Jiosy talohan’ny fahatongavan’i Kristy. Inona no tiany hambara amin’ny hoe “ambanin’ny lalàna”? Ampitahao amin’ny Rôm. 6:14,15; 1 Kôr. 9:20; Gal. 4:4,5,21; 5:18 ireo andininy ireo.

Indroa ambin’ny folo no ampiasan’i Paoly ny teny hoe “ambanin’ny lalàna” ao amin’ny taratasiny.

1. Ny hoe “ambanin’ny lalàna” dia midika hoe ambanin’ny fahefana na ny famaizan’ny lalàna. Niezaka ny hahazo famonjena amin’ny fitandremana ny lalàna ireo mpanohitra an’i Paoly. Efa nohazavain’i Paoly anefa fa tsy vonjena amin’ny asa velively isika, satria raha tsy teo i Kristy dia tsy afaka hankatò ny lalàna isika. Asongadin’i Paoly mihitsy aza avy eo fa tena nandà an’i Kristy tokoa ny Galatianina rehefa naniry ny ho eo ambanin’ny lalàna toy izany (Gal. 5:2-4).

2. Tafiditra ao anatin’ny hoe “ambanin’ny lalàna” koa ny hoe eo ambanin’ny fanamelohany (Rôm. 6:14,15). Koa satria tsy afaka hanao fanavotana ho an’ny ota ny lalàna, ny fandikana ny fitakiany amin’ny farany dia hitondra fanamelohana. Eo amin’izany toerana izany no misy ny taranak’olombelona rehetra. Toy ny mpiambina ny fonja, araka izany, ny lalàna ka manidy izay rehetra mandika azy ary mitondra eo amin’izy ireo ny fanamelohany ho faty. Araka ny ho hitantsika ao amin’ny lesona rahampitso, ny fampiasana ny teny hoe “voambina” (Gal. 3:23) dia milaza ny tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “ao ambanin’ny lalàna” ao amin’io andalan-teny io.

Ny teny grika mifandraika amin’izany, ennomos, izay adika an-kapobeny  hoe “ao ambanin’ny lalàna”, dia midika ara-bakiteny hoe “ao anatin’ny lalàna” ary entina hilazana ny fiainana ao anatin’ny fitakian’ny lalàna amin’ny alalan’ny firaisana amin’i Kristy (1 Kôr. 9:21). Tsy azo hamarinina velively amin’ny “asan’ny lalàna” isika, izany hoe amin’ny fiezahana hitandrina ny lalàna ivelan’ny fahasoavan’i Kristy, satria ny marina amin’ny finoana ihany no ho velona (Gal. 3:11). Tsy manafoana ny lalàna io fahamarinana io fa mampiseho fotsiny ihany ny tsy fahavitan’ny lalàna manome antsika ny fiainana mandrakizay.

Pejy ambony

TALATA


Ny lalàna amin’ny maha-“Mpiambina” antsika azy (Gal. 3:19-24)

Tsoa-kevitra roa lehibe no omen’i Paoly mikasika ny lalàna: (1) Tsy manafoana na mandrava ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny lalàna (Gal. 3:15-20); (2) Tsy mifanohitra amin’ny teny fikasana ny lalàna (Gal. 3:21,22).

Inona àry izany no tena anjara asan’ny lalàna? Izao no fanontaniana napetrak’i Paoly: “Inona ary ny lalàna?” – Gal. 3:19. Ao amin’io andininy io ihany ny valinteniny: “Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana”. Nampiasa teny telo hafa i Paoly mba hanampiana antsika hahatakatra izany hevitra izany: “voambina” – and. 23, “voahidy” – and. 23 ary “mpitaiza” – and. 24.

Vakio amim-pivavahana sy amim-pitandremana tsara ny Gal. 3:19-24. Inona no ambaran’i Paoly mikasika ny lalàna?

Ny ankamaroan’ny dikanteny môderina dia mahita fa amin’ny fomba fijery miiba tanteraka no hanazavan’i Paoly momba ny lalàna ao amin’ny Gal. 3:19. Raha ny dikan-teny Grika nandikana azy anefa dia ahitana fa tsy tokana monja ny hevitry ny teny nampiasainy. Ny teny Grika nadika hoe “voambina” – and. 23, dia midika ara-bakiteny hoe “voaro”. Izany hoe na dia azo ampiasaina hanana hevitra tsy dia tsara loatra aza izany, toy ilay hoe “nampiambina” ao amin’ny 2 Kôr. 11:32, ao amin’ny TV kosa izany dia mitovy hevitra amin’ny hoe “voaro” (Fil. 4:7, 1 Pet. 1:5). Toy izany koa ny amin’ny teny nadika hoe “voahidy” (Gal. 3:23). Azo adika koa izany amin’ny hoe “nahamomba” – Gen. 20:18, “voahidy” (Eks. 14:3, Jos. 6:1, Jer. 13:19), “nanidy” – Rôm. 11:32. Araka ny asehon’ireo ohatra ireo, dia miankina amin’ny tontolon-kevitra hisehoany ny lafiny tsara na ratsy tian’izany teny izany hambara.

Vakio ny Rôm. 3:1,2; Deo. 7:12-24; ary ny Lev. 18:20-30. Inona no soa nomen’ny lalàna (môraly sy seremôniely) ny zanak’Isiraely?

Na dia somary miresaka ny lafiny ratsy momba ny lalàna aza i Paoly (Rôm. 7:6, Gal. 2:19), dia milaza lafiny tsara maro mikasika izany koa izy (jereo ny Rôm. 7:12,14; 8:3,4; 13:8). Ny lalàna dia tsy ozona napetrak’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fa ny mifanohitra amin’izany aza, nokendrena ho fitahiana mihitsy izany. Na dia tsy afaka hanaisotra ny ota velively aza amin’ny farany ny rafitra fanaovana fanatitra, dia nanondro ny Mesia nampanantenaina kosa izany izay afaka hanaisotra ny ota. Ireo lalàna tao anatin’izany rafitra izany koa dia niaro ny Isiraely tamin’ny ota fanaon’ny firenen-kafa manodidina.

Mety hisy zava-tsoa izay tsy ampiasaina amin’ny tokony hilàna azy. Ahoana no hanampian’io voalaza io antsika hahatakatra ny olana natrehin’i Paoly rehefa nanampy ny olona hahazo ny zava-kendren’ny lalàn’Andriamanitra izy?
 


Pejy ambony

ALAROBIA


Ny lalàna, amin’ny maha-“Mpitaiza” antsika azy

Ao amin’ny Gal. 3:23, i Paoly dia mamaritra ny tantara ho hery miaro sy miambina. Ampitoviany amin’ny inona izany ao amin’ny and. 24, ary inona no hevitr’izany?

Ny teny nadika hoe “mpitaiza” dia avy amin’ny teny Grika hoe paidagogos. Misy dikan-teny hafa mandika izany hoe “mpifehy” (NRSV), “mpanabe” (NKJV) na koa “mpiambina” (ESV) mihitsy aza, saingy tsy misy hevitra mahafaoka ny tena heviny. Ny paidagogos dia andevo teo amin’ny fiarahamonina rômanina. Nomena fahefana hiambina ny zanaky ny tompony manomboka eo amin’ny fahenin-taonany na fahafiton-taonany izy mandra-pahatonga azy amin’ny fahamatorana. Ankoatra ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo ankizy ireo amin’ny ara-nofo, toy ny hoe fampandroana azy sy fanomezana azy hanina ary fampiakanjoana azy, dia andraikiny koa ny miaro azy ireo amin’izay mety ho loza, miandraikitra ny fandehanany any an-tsekoly ary ny fanaovany ny enti-modiny. Izy koa no natao hampianatra azy ireo hanana fiainana araka ny tokony ho izy sy hanampy amin’ny fampiharana izany.

Azo antoka fa nisy tamin'izany paidagogos na mpampianatra izany no tsara fanahy sady tian'ilay zanaky ny tompony. Na izany aza anefa dia mazàna indrindra izy ireny no mpanabe tena hentitra tokoa. Tsy tamin'ny fandrahonana na ny fibedibedena henjana ihany no nitakiany ny fankatoavan'ireo mpianany fa tamin'ny alalan'ny karavasy sy ny tsorakazo mihitsy.

Ny fanoritsoritan'i Paoly ny lalàna ho tahaka ny mpampianatra hentitra dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa izay heveriny fa anjara asan'ny lalàna. Nomena ny lalàna mba hanehoana mazava ny ota sy hanomezana fampianarana. Mibedy antsika sy mampiseho ny maha-meloka antsika ny lalàna, kanefa na dia izany lafiny tsy mahataona izany aza dia efa ampiasain'Andriamanitra ho fitahiana ho antsika, satria izany fahamelohana entin'ny lalàna izany no mitaona antsika hanatona an'i Kristy. Noho izany dia tsy mifanohitra velively ny lalàna sy ny filazantsara. Nokendren'Andriamanitra hiara-miasa ho an'ny famonjena antsika izy ireo.

"Ao amin'io andalan-teny io [Gal. 3:24] ny Fanahy Masina, amin'ny alalan'ny apôstôly, dia miresaka indrindra indrindra ny amin'ny lalàna môraly. Mampiseho ny ota amintsika ny lalàna ary mahatonga antsika hahatsapa fa mila an'i Kristy sy hihazakazaka hanatona Azy mba hahazo famelan-keloka sy fiadanana, amin'ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy Kristy Tompontsika" - SlM, b. 1, t. 234.

Vakio ny Mat. 5:28 sy ny Rôm. 7:6. Inona no asehon'ny lalàna aminao mikasika ny asanao sy ny eritreritrao ary ny fiteninao? Milaza inona aminao ny valinteninao momba ny filazan'i Paoly fa ny lalàna dia mpampianatra hentitra izay manondro mazava ny fahotantsika?


Pejy ambony

ALAKAMISY


Ny lalàna sy ny mpino (Gal. 3:25)

Maro no mihevitra fa manilika na mandà tanteraka ny lalàna i Paoly raha ny teniny ao amin'ny Gal. 3:25 no jerena. Tsy mitombina anefa izany fiheverana izany raha ny fanasongadinany ny fahatsaran'ny lalàna any amin'ny toeran-kafa ao amin'ny Baiboly.
Inona àry no tiany holazaina?

Voalohany aloha, dia tsy eo ambanin'ny fanamelohan'ny lalàna intsony isika (Rôm. 8:3). Amin'ny maha-mpino antsika, dia an'i Kristy isika ary amin'ny maha-Azy antsika, dia ifaliantsika ny tombontsoa maha-eo ambanin'ny herin'ny fahasoavany antsika (Rôm. 6:14,15). Koa satria eo ambanin'ny fahasoavana isika dia olona afaka ka manome lalana an'i Kristy hiasa ao anatintsika. Izany no manome antsika ny fahafahana hanompo an'i Kristy amin'ny fo tsy voazarazara ary tsy misy tahotra ny ho voaheloka noho ny fahadisoana izay mety atao. Izany no tena fahafahana sy fahalalahana marina ao amin'ny filazantsara, izay mifanohitra tanteraka amin'ny hoe tsy voatery hankatò ny lalàna intsony isika. Io mantsy no antsoin'ny olona sasany hoe "fahafahana" ao amin'i Kristy. Ny tsy fankatoavana ny lalàna anefa dia fahotana ary ny fahotana dia tsy azo heverina ho fahafahana velively (Jao. 8:34).

Vakio ny Rôm. 8:1:3. Inona no hevitry ny hoe tsy melohin'ny lalàna intsony? Ahoana no fiantraikan'io fahamarinana mahatalanjona io eo amin'ny fomba fiainantsika?

Vokatry ny nahazoantsika famelan-keloka ao amin'i Kristy, dia hafa ny fifandraisantsika amin'ny lalàna. Efa nantsoina hanana fiainana izay mahafaly an'i Jesôsy isika izao (1 Tes. 4:1) ary fandehanana ao amin'ny Fanahy no ilazan'i Paoly izany (Gal. 5:18). Tsy midika akory izany fa tsy azo ampiharina intsony ny didy folo, tsy izay velively no izy. Na ahoana na ahoana dia ny lalàna môraly no mamaritra ny atao hoe ota ary nosoratana tao am-pontsika izany (Heb. 8:10).

Ny lalàna dia fanehoana amintsika ny toetran'Andriamanitra; koa amin'ny fitandremana izany dia mampiseho ny toetrany isika. Mihoatra noho izany aza, tsy andiana fitsipika fotsiny no arahintsika fa ny ohatr'i Jesôsy mihitsy, izay nanatanteraka ho antsika izay tsy azon'ny lalàna notanterahina na oviana na oviana: Tao amintsika no niainany ny lalàna (Heb. 8:10) ka nahatanteraka tao amintsika ny fitakiana marin'ny lalàna (Rôm. 8:4). Izany hoe amin'ny alalan'ny fifandraisantsika amin'i Jesôsy no hananantsika ny hery hankatoavana ny lalàna mihoatra lavitra noho ny hatramin'izay.


Vakio ny Rôm. 8:4. Inona no lazain'i Paoly eto? Ahoana no efa nahitanao ny fisehoan'io teny fikasana io teo amin'ny fiainanao manokana? Na dia eo aza ireo fiovana mahavelom-bolo efa nandramanao, dia nahoana ny famonjena no tsy maintsy miorina hatrany eo amin'izay nataon'i Kristy ho antsika fa tsy amin-javatra hafa?
 



 Pejy ambony


ZOMA


Fianarana fanampiny
: "Rehefa nanontaniana ahy hoe lalàna inona ao amin’ny Galatianina no antsoin’i Paoly hoe mpampianatra antsika, ny lalàm-pisoronana sa ny didy folo, dia hoy aho hoe: izy roa.
“Kristy no fototra iorenan’ny toe-karena jiosy iray manontolo. Ny fahafatesan’i Abela dia vokatry ny fandavan’i Kaina ny drafitr’Andriamanitra tao amin’ny sekolin’ny fankatoavana mba hovonjena amin’ny ràn’i Jesôsy Kristy. Izany anefa no nasehon’ireo fanatitra izay nanondro an’i Kristy. Nandà ny fandatsahana rà izay naneho ny ràn’i Kristy tsy maintsy halatsaka ho an’izao tontolo izao i Kaina. Andriamanitra no nanomana izany fanompoam-pivavahana manontolo izany ka i Kristy no tonga fototra iorenan’ny rafitra iray manontolo. Teo no niandohan’ny anjara asan’ny lalàna amin’ny maha-mpampianatra azy mba hitarika ny olombelona mpanota hihevitra an’i Kristy, Fototra iorenan’ny toe-karena jiosy iray manontolo.

“Ireo izay nanao ny fanompoana nifandraika tamin’ny fitoerana masina dia nahazo fitaizana mandrakariva mikasika ny fidiran’i Kristy an-tsehatra ho an’ny taranak’olombelona. Izany fanompoana izany dia nokendrena hiteraka ao amin’ny fo tsirairay avy fitiavana ny lalàn’Andriamanitra, izay lalàn’ny fanjakany” – SlM, b. 1, t. 233.

“Tsy tokony ho amin’ilay lafiny mandrara sy misakantsakana no hijerena ny didy folo, fa amin’ilay lafiny hisehoan’ny famindrampon’Andriamanitra. Ireo fandrarana ireo mantsy dia antoka tsy misy atahorana hahazoana ny fahasambarana avy amin’ny fankatoavana. Raisina avy amin’i Kristy izany ary miteraka fahadiovan-toetra ao anatintsika, izay hitondra fifaliana maharitra mandrakizay. Manda fiarovana ho an’ny mpankatò tokoa izany” – SlM, b. 1, t. 235.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

-Matetika isika no mitolona amin’ny hoe ahoana no fomba handresentsika ny ota eo amin’ny fiainantsika. Inona no teny fikasana ananantsika ao amin’ny Baiboly momba ny fandresena ny ota? Ahoana no hataontsika mba hahatanteraka izany teny fikasana izany eo amin’ny fiainantsika? Nahoana koa anefa no mila mitandrina isika fa ny fanantenantsika ny famonjena dia miorina tanteraka eo amin’ny famonjena efa azon’i Kristy ho antsika?

-Matetika isika no mandre Kristianina milaza fa efa rava ny lalàna. Mazava loatra fa ireo Kristianina ireo ihany no hilaza ny maha-ratsy ny fahotana. Midika io, araka izany, fa tsy ny fahafoanan’ny lalàna loatra no tiany hambara. Koa inona àry izany no tena tiany holazaina? (Tsipi-kevitra kely: Didy inona mazàna no ambaran’izy ireo fa tsy ilaina tandremana intsony?)

Famintinana: Ny lalàna dia nomena mba hanehoana amin’ny mpanota fa mila an’i Kristy izy. Amin’ny maha-mpanabe ny lalàna, dia mampianatra mikasika an’Andriamanitra sy ny fiarovana amin'ny ratsy izy. Amin’ny maha-mpifehy hentitra azy koa anefa, dia manondro mazava ny maha-mpanota antsika izy sady manameloka antsika. Manafaka antsika amin’ny fanamelohan’ny lalàna i Kristy ary manoratra ny lalàna ao am-pontsika.


 Pejy ambony