18 - 24 FEBROARY 2017
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA
Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kôr. 12:4-7,11; Efes. 4:7; 1 Kôr. 12:14-31; Rôm. 12:3-8; 1 Jao. 4:1-3.
Tsianjery: “Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.” - 1 Kôr. 12:4-6.
Nisy lehilahy iray nandeha nanao dia momba ny asa lavitra dia lavitra. Navelany hokarakarain’ny zanany lahy ny raharaha teo an-toerana, ka nomeny andraikitra manokana hatao izy. Tsy ela anefa dia hitan’ilay zanaka lahy fa tsy nanome ny vola sy ny fitaovana nilaina ho amin’ilay asa ny rainy. Very hevitra ilay zanaka lahy, ary voatery namela ilay asa nefa tsy vita akory.
Tahaka izany koa, rehefa nandao ny mpianany i Jesôsy, ka nankany an-danitra mba hiaraka amin’ny Rainy, dia nanome azy ireo andraikitra manokana Izy: hitory ny vaovao mahafalin’ny filazantsara amin’izao tontolo izao. Tsy nandao ny mpianany tsy nisy fitaovana anefa i Jesôsy. Nataony izay hahavitan’ny mpianany ny zavatra nasainy nataon’izy ireo, saingy amin’ny anarany sy amin’ny alalan’ny hery sy ny fanampian’ny Fanahy Masina no hanatanterahan’izy ireo izany. Ao amin’ny 1 Kôr. 1:4–7 i Paoly dia misaotra “noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, (...) ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra hianareo.” Koa tokony hotsaroantsika mandrakariva fa manome antsika fanomezam-panahy i Kristy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mba hanorenana ny fiangonany.
Amin’ity herinandro ity isika dia handalina ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpanome fara tampony ireo fanomezam-pahasoavana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra Azy. Hojerentsika koa ny fahasamihafana eo amin’ny vokatry ny Fanahy sy ireo fanomezam-panahy.
Ny vokatry ny Fanahy sy ireo fanomezam-panahy (1 Kôr. 12:4–7,11)
Mitovy ihany ny Mpanome (Andriamanitra) ny vokatry ny Fanahy sy ireo fanomezam-panahy. Tsy sahala anefa izy roa ireo. Tsy misy olona takina haneho fa manana fanomezam-panahy izy, saingy ny Kristianina tsirairay dia tokony haneho ny vokatry ny Fanahy. Ny fananana fanomezam-panahy dia tsy voatery haneho fa ambony aim-panahy ny olona iray, fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia maneho izany. Raha iray ihany ny vokatry ny Fanahy, dia maro kosa ireo fanomezam-panahy, ary ny fanomezam-panahy sasany dia lehibe kokoa noho ny fanomezam-panahy hafa.
Vakio ny 1 Kôr. 12:4-7,11. Inona no tena hevitry ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo?
Nokendren’Andriamanitra ho hita eo amin’ny fiainan’ny mpanara-dia Azy ireo lafiny rehetra amin’ny fanomezam-panahy. Tsy mitovy avokoa anefa ny fanomezana ananan’ny mpino tsirairay. Tsy misy baiko izay milaza fa tokony hanana fanomezam-pahasoavana mitovy ny rehetra, tahaka ny hoe miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ohatra. Tsy izany velively fa omen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana samy hafa ny mpino, araka izay hitany fa sahaza ny tsirairay. Ary omena antsika ireo fanomezam-panahy mba ahafahantsika manompo ny hafa sy mba hanorenana ny tenan’i Kristy, dia ny fiangonany izany. Tsy nomen’Andriamanitra antsika mba hampiasaintsika ho amin’ny fahafinaretantsika sy ho amin’ny voninahitsika manokana ireo fanomezam-panahy ireo. Nomena izy ireny mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
Tsy misy lanjany anefa ireo fanomezam-panahy ireo raha tsy misy ny vokatry ny Fanahy. Mahaliana tokoa fa matetika i Paoly no miresaka momba ny fitiavana rehefa manoratra momba ireo fanomezam-panahy izy. Ohatra: miresaka momba ireo fanomezam-panahy i Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 12. Aorian’io avy hatrany no anoritsoritany ny endriky ny fitiavana ambony indrindra, ao amin’ny toko 13. Miresaka momba ireo fanomezam-pahasoavana omen’Andriamanitra ny fiangonana ny Efes. 4:11-13. Rehefa izay dia resahina eo amin’ny and. 15 sy 16 ny fitiavana. Miresaka momba ireo fanomezam-panahy i Paoly ao amin’ny Rôm. 12:3–8. Rehefa izay dia miresaka momba ny fitiavana izy eo amin’ny and. 9 sy 10.
Fanomezam-pahasoavana ireo fanomezana ireo, izany hoe fanomezam-pitiavana. Nomen’Andriamanitra antsika noho ny fitiavana izy ireo. Nomeny antsika izy ireo mba hizarantsika ny fitiavany amin’ny hafa. Rehefa mitia ny hafa isika, dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra amin’izy ireo. Andriamanitra be fitiavana sy mahalala ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika. Omeny avokoa izay rehetra ilaina mba hamitana ny asa nampiandraiketiny ny olony. Izany angamba no antony mahatonga ny fitiavana ho ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra (1 Kôr. 13:13).
Nahoana no tena ivon’ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny maha-Kristianina antsika ny fitiavana? Ahoana no anomezan’ny fitiavana hery ny teny vavolombelona entintsika?
Andriamanitra no Mpanome fara tampony ireo fanomezam-panahy (Efes. 4:7)
Tsy isika no mifidy ny fanomezana ananantsika. Ny voambolana grika entina hilazana ireo fanomezam-panahy dia charismata. Milaza amintsika io voambolana io fa fanomezam-pahasoavana ireo fanomezam-panahy. Andriamanitra mihitsy no nizara sy nanome izany. Tsy azontsika noho ny satantsika, na ny toerana tanantsika, na ny voninahitra ananantsika, na ny fanabeazana azontsika, na ny fatran’ny aim-panahintsika izany. Fanomezana izy ireo, nomena maimaim-poana noho ny fitiavana, mba ahafahantsika mamita ny asa nankinin’Andriamanitra tamintsika.
Vakio ny Efes. 4:7. Matetika isika no mieritreritra fa ny Fanahy Masina no ilay Iray izay manome ireo fanomezam-panahy. Mampifandray an’i Jesôsy Kristy amin’ny fanomezana ireo fanomezam-panahy koa anefa ny apôstôly Paoly. Ahoana no idiran’i Jesôsy an-tsehatra eo amin’ny fanomezana ireo fanomezam-panahy?
Milaza i Paoly fa ny fahasoavan’i Kristy no nahazo ny zo hanome antsika ireo fanomezam-panahy. Ny Fanahy Masina anefa no mizarazara izany amin’ny mambran’ny fiangonana. Ireo izay manaiky an’i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana sy mino Azy dia homen’ny Fanahy Masina fanomezam-panahy “araka ny sitrapony” (1 Kôr. 12:11). Koa Andriamanitra irery ihany izany no tompon’ny fanapahan-kevitra eo amin’ny fanomezana ireo fanomezana ireo.
Tsy fanomezam-panahy ny fahaizana azo hatrany am-bohoka. Ny fanomezam-panahy dia tsy mitovy amin’ny talenta izay mety nokolokoloin’ny olona iray tamin’ny alalan’ny fianarana mafy sy maharitra. Misy tsy Kristianina maro izay voatahy amin’ny talenta nomen’Andriamanitra tahaka izany. Raha ny marina, “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” dia avy amin’Andriamanitra (Jak. 1:17). Andriamanitra anefa no nifidy ny hanome fanomezana manokana ireo mpino Azy mba hitahiana ny fiainan’ny Kristianina hafa sy hanorenana ny fiangonany. Afaka mampiasa talenta iray ho amin’io tanjona io koa Andriamanitra. Ilain’ilay olona anefa ny miaiky fa na ny talenta tahaka izany aza dia avy amin’Andriamanitra. Ilainy koa ny manokana io talenta io amim-bavaka sy amim-pileferana ho amin’ny asan’ny Tompo.
Inona no ambaran’i Paoly, amin’ireo mpamaky azy, ao amin’ny 1 Kôr. 12:14-31 mahakasika ny fizarazarana ny fanomezam-panahy? Nahoana io fomba fijery io no tena zava-dehibe eo amin’ny fahatakarana ny fomba tokony hampiasana ireo fanomezam-panahy ireo ao amin’ny fiangonana?
Ny Fanahy Masina no mizara ireo fanomezam-panahy, araka ny fahendreny sy ny sitrapony. Tia antsika Izy ary mahafantatra tsara ny fomba ahafahantsika manompo Azy amim-pahombiazana. Koa tsy mila mialona ny hafa sy ny fanomezana azony isika. Ny fitsiriritana fanomezana hafa dia fanehoana tsy fankasitrahana an’Andriamanitra sy fisalasalana ny amin’ny fahendreny eo amin’ny fizaràny ny fanomezany.
Inona ireo fanomezam-panahy nomen’Andriamanitra ireo mambran’ny fiangonanao? Inona no hafatra azonao raisina avy amin’ny zava-misy fa manana fanomezam-panahy samy hafa ny olona samy hafa?
Ny tanjon’ireo fanomezam-panahy (Rôm. 12:3–8)
Vakio ny Rôm. 12:3-8 sy ny Efes. 4:8-12. Inona no tanjon’ireo fanomezam-panahy izay omen’Andriamanitra antsika?
Ireo fanomezam-panahy dia nomena mazava tsara ho amin’ny fanompoana, fa tsy ho amin’ny fanamasinana antsika velively. Tsy paika manokana na fahagagana avy amin’Andriamanitra izany. Tsy nomeny antsika izany mba hanome fahafaham-po ny fitiavantsika hizaha fahagagana, ary tsy nomena ho fanafody amin’ny fahasorisorenana.
Matetika anefa isika no mihevitra fa nomena mba hameno ny zavatra ilaintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ireo fanomezam-panahy. Mety mihevitra koa isika fa natao hanome hery antsika eo amin’ny fiarahantsika mandeha amin’Andriamanitra izany. Ny vokatr’io karazam-piheverana io dia fahitana ny fanomezam-panahy mifototra kokoa amin’ny Kristianina fa tsy amin’i Kristy. Mifantoka kokoa amintsika fa tsy amin’Andriamanitra io fomba fijery io. Tokony ho Andriamanitra mandrakariva anefa no ataontsika eo amin’ny ivon’ny fomba fijerintsika ireo fanomezam-panahy ireo. Amin’izay dia ho takatsika fa manatanteraka tanjona maro avy amin’Andriamanitra ireo fanomezana izay omen’Andriamanitra ireo. Nomena izy ireo mba hampiroboroboana ny firaisan’ny fiangonana sy hanorenana ny fiangonana (Efes. 4:12–16). Nomena koa izy ireo mba hanatontosana ny asa nanirahan’Andriamanitra ny fiangonana (Efes. 4:11,12). Ary ambonin’izany rehetra izany, nomena izy ireo mba hankalazana an’Andriamanitra (1 Pet. 4:10,11).
Izany no antony tsy anomezana na oviana na oviana ireo fanomezam-pahasoavana mba hahafinaritra fotsiny antsika. Natao hampandroso ny hafa izy ireny (1 Pet. 4:10; 1 Kôr. 14:12,26). Nomena mba hitondra tombony ara-panahy sy fampandrosoana ho an’ny fiangonana iray manontolo izy ireny. Koa zava-doza rehefa tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ireo fanomezam-panahy, izay natao ho fampiroboroboana ny firaisana ao am-piangonana. Zava-doza tokoa mantsy rehefa misy olom-bitsy hasandratra ho ambonin’ny olona hafa rehetra. Rehefa miseho io tranga io, dia mahazo fifantohana sy lanja mihoatra noho izay tokony ho azony ireo olona ireo. Izany kosa indray dia miteraka fisaraham-bazana ary manome toerana ho an’ny fifanoherana.
Matetika koa isika no mihevitra fa talenta fotsiny na fahaizana manokana fotsiny azontsika avy amin’Andriamanitra ny fanomezam-panahy. Voafaoka ao anatin’ny fanomezam-panahy ny talenta. Tokony hotsaroantsika mandrakariva anefa fa rehefa manome fanomezam-pahasoavana ny Fanahy Masina, dia manome asa na andraikitra manokana miaraka amin’izany mandrakariva koa Izy (1 Pet. 4:10). Koa azontsika lazaina izany fa fahafaha-manao manokana nomen’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny fanomezam-panahy. Manomana ny tsirairay avy amintsika ho amin’ny karazam-panompoana manokana, fanompoana izay hanorina ny fiangonana, ireo fanomezana ireo. Mila karazam-panomezam-pahasoavana maro samy hafa mba hanatrarana io tanjona io isika.
Araka ny hevitrao, nahoana no ny hisian’ny firaisam-po sy firaisan-tsaina eo amin’ny fiangonana no tanjona fototry ny fanomezam-panahy? Ahoana no ahafahan’ny mpino, izay samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa, hikendry ny hisian’ny firaisana ao am-piangonana? Inona no tokony hitranga mba hahatonga ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa ao amin’ny fiangonana ho fitahiana fa tsy ho loharanom-pisaraham-bazana?
Ireo fanomezam-panahy, tamin’izany fotoana izany sy ankehitriny (1 Kôr. 14:1)
Vakio ny 1 Kôr. 14:1. Rehefa izay dia ampitahao ireo lisitra misy ireo fanomezam-pahasoavana ao amin’ny 1 Kôr. 12:7-11,27-31; Rôm. 12:3-8; ary ao amin’ny Efes. 4:11,12. Nomena ireo mpino tamin’ny andron’ny TV fotsiny ihany ve ireo fanomezam-pahasoavana ireo? Nahoana no mbola misy hatramin’izao ankehitriny izao ireo fanomezam-pahasoavana ireo?
Misy Kristianina sasany mihevitra fa voafetra tamin’ny andron’i Jesôsy sy ny apôstôly ireo fanomezam-panahy resahina ao amin’ny TV. Milaza izy ireo fa tsy misy ao am-piangonana intsony ireo fanomezam-panahy manokana, taorian’ny nahafatesan’ireo apôstôly voalohany. Mampiasa ny 1 Kôr. 13:10 ireo Kristianina mihevitra tahaka izany mba hanohanany ny fomba fijeriny. Manambara ny apôstôly Paoly ao amin’io andininy io fa: “rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.” Ekena tokoa fa hisy fotoana izay tsy hisian’ny fanomezam-panahy intsony. Rehefa ho tonga tokoa anefa ny tanteraka, izay vao hifarana tsy hisy intsony izany, izany hoe rehefa tsy mizaha ao amin'ny fitaratra maizina intsony isika fa hifanatrika, rehefa ho avy indray i Jesôsy.
Milaza amintsika ny Baiboly fa nomena mba hanorenana ny fiangonana ireo fanomezam-panahy (1 Kôr. 12:28). Mananatra ny mpino i Paoly hoe: “maniria fatratra ny zava-panahy” - 1 Kôr. 14:1. Ilaina amin’ny fiadanan’ny fiangonana ireo fanomezam-panahy ireo. Tsy misy porofo avy ao amin’ny Baiboly izay milaza fa efa nitsahatra tsy nanome antsika izany intsony Andriamanitra, na koa efa noravany izany. Koa tokony hino isika fa tiany hitoetra ireny mandra-pamitan’ny fiangonana ny asany, sy mandra-piverin’i Kristy.
Amin’ny andro farany dia ho vita amin-kery sy fahatanjahana, mihoatra lavitra noho ny fiandohany tamin’ny andron’ny apôstôly, ny asan’Andriamanitra. Raha mbola antsoina ny fiangonana mba hanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany, dia tsy hamela ny mambran’ny fiangonana tsy hahazo fanampiana eo amin’ny famitana io asa io Andriamanitra. Tsy hanolo ny Baiboly na oviana na oviana anefa ireo fanomezam-panahy, ary tsy hameno ny toerana mitovy amin’ny an’ny Baiboly. Raha ny marina dia fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izy ireo, dia ny hanome fitaovana ny mpino mba ahafahan’izy ireo mandrafitra ny tenan’i Kristy sy manomana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’i Jesôsy tsy ho ela intsony.
Vakio ny Efes. 4:11-13, indrindra fa ny and. 13, izay manao hoe: “mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy.” Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika mahakasika ny ilàntsika ireo fanomezam-panahy eo amin’ny fiangonana, amin’izao ankehitriny izao mihitsy?
Ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafantarana fanahy samy hafa (1 Jao. 4:1–3)
Vakio ny 1 Kôr. 12:10; 14:29; ary ny 1 Jao. 4:1-3. Nahoana no zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafantarana fanahy samy hafa?
Misy fanomezam-panahy tena izy ao amin’ny fiangonana. Mampitandrina antsika koa anefa ny Baiboly mba tsy hino ny fanahy rehetra, fa hizaha toetra ny fanahy mba hahitana raha toa ka manaiky izay voalazan’ny Baiboly izy ireo. Tokony mifanaraka amin’ny Baiboly koa izy ireo, ary tokony manandratra an’i Jesôsy ho Tompo sy manome voninahitra Azy. Koa ilaina ny “mahafantatra fanahy samy hafa” (1 Kôr. 12:10), satria tsy ny zavatra rehetra izay milaza fa avy amin’Andriamanitra no tena avy amin’Andriamanitra marina tokoa.
Mampitandrina antsika Andriamanitra fa misy fanahin’ny demonia izay hiezaka ny hitarika ny fiangonana ho amin’ny fahadisoana. Mampitandrina antsika koa Izy fa hiezaka hanao hosoka ireo tena fanomezam-panahy marina i Satana, ka hampiditra fampianaran-diso, faminaniana diso, fahitana mamitaka, fitenenana amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra, herin’ny maizina ahafahana manasitrana, famantarana sy fahagagana izay mitondra ho amin’ny fahadisoana, sy ny sisa.
Maro no manaiky ny fahamarinana fa ilain’ny fiangonana ireo fanomezam-panahy, na dia amin’izao fotoana izao aza. Nanome lanja be loatra ny fanomezam-pahasoavana sasany mihoatra noho ny fanomezam-pahasoavana hafa anefa izy ireo. Ohatra: Nanome lanja be loatra ny famantarana sy ny fahagagana manokana izy ireo. Mahaliana tokoa anefa fa ny fanomezam-panahy hahafantatra fanahy samy hafa dia tanisain’i Paoly avy hatrany aorian’ny itanisany ny fanomezam-pahasoavan’ny fanaovana fahagagana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana, ary mialoha ny itanisany ny fanomezam-pahasoavan’ny fitenenana amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra (1 Kôr. 12:10).
Irin’Andriamanitra ny hihazonana ny fiangonany ao anatin’ny fahamarinana sy ny firaisana. Iriny koa ny hiaro ny mambran’ny fiangonana amin’ny fanarahana mpaminany sandoka. Tiany harovana mba tsy ho voafitaky ny famantarana sy ny fahagagana sandoka ny mpino. Koa nomen’Andriamanitra ny fiangonana ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafantarana fanahy samy hafa. Ilaina eo amin’ny fisedrana tsara ny fanahy ny fahamatorana amin’ny fianarana ny Baiboly, sy ny fahafantarana tsara izany ary ny fahatokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra, amim-pinoana sy eo amin’ny fahazarana. Ny Tenin’Andriamanitra anefa no tsy maintsy fototry ny fahafantarana fanahy rehetra. Tsy maintsy sedraintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. Ny fisedrana tahaka izany no hany fomba tokana ahafahantsika mahafantatra tsara raha toa ka tena avy amin’ny Tompo ny zavatra henontsika sy hitantsika, na avy any an-kafa.
“Ny olona izay manao ny fanaovana fahagagana ho famantarana ny finoany dia hahita fa azon’i Satana atao ny manao fahagagana, izay miseho ho toy ny tena fahagagana marina avy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny karazam-pamitahana maro. (...) Aza avela handalo foana ny fotoana na ireo tombony fanararaotra sarobidy maro, fa tadiavo amin’ny fo sy saina ary fanahy iray manontolo ny Tompo. Raha tsy ekentsika amim-pitiavana ny fahamarinana, dia mety ho anisan’ireo izay hahita ireo fahagagana ataon’i Satana amin’izao andro farany izao isika, ka hino azy ireny. Hiseho tahaka ny fahagagana mahatalanjona ny zavatra hafahafa maro, izay tokony hojerena tahaka ny famitahana ataon’ilay rain’ny lainga. (...) Hanao fahagagana ireo olona eo ambanin’ny herin’ny fanahy ratsy.” —SM, b. 2, tt. 52,53.
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: Vakio ny Ellen G. White, HM, tt. 531-538, 619-628.
Nisy olona sasany nanontany: “Nahoana isika ankehitriny no tsy mahita intsony ny karazana fahagagana, ny fanasitranana mahagaga ohatra, tahaka izay hita tamin’ny andron’ny Baiboly?” Voalohany, tena mahare tantara maro momba ny fahagagana niseho isika. Ary azo antoka fa nisy olona nahita izany mivantana mihitsy koa aza. Faharoa, rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia tahaka ny mahatsapa fa nisy fahagagana nitranga mandrakariva. Manana izany fahatsapana izany anefa isika satria ny Fanahy Masina no nanindry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly mba hitantara ireo trangan-javatra nanan-danja teo amin’ny fanorenana ny fiangonana voalohany. Matetika no nisy fahagagana tamin’ireo trangan-javatra ireo. Azontsika heverina fa matetika, ary amin’ny lafiny maro, dia tahaka ny ankehitriny ihany ny fandehan-javatra tamin’izany fotoana izany: nampianarina ny Tenin’Andriamanitra ny olona ary avy teo dia namaly ny antson’ny Fanahy Masina. Ary, farany, nanoratra i Ellen G. White hoe: “Tahaka izao no fomba niasan’i Kristy: nitory ny Teny izy, ary nanamaivana ny fahoriana tamin’ny alalan’ny asam-panasitranana mahagaga. Nampahafantarina ahy anefa fa tsy afaka miasa tahaka izany isika amin’izao fotoana izao, satria hampiasa ny heriny amin’ny alalan’ny fanaovana fahagagana i Satana. Tsy afaka miasa amin’ny alalan’ny fahagagana ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao, satria hisy hanao asam-panasitranana sandoka, izay lazaina fa avy amin’Andriamanitra. Noho io antony io no nahatonga an’Andriamanitra hamaritra ny fomba hanatanterahan’ny vahoakany ny asam-panasitranana ara-batana. Tanterahina miaraka amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra io. Hisy toeram-pitsaboana hatsangana. Ireo mpiasa raisina hiasa ao anatin’izany dia hanatanteraka asa misiônera ara-pitsaboana tena izy. Amin’izay dia hiaro ireo marary izay tonga mba hitsabo tena ao amin’izany toeram-pitsaboana izany Andriamanitra.” – SM, b. 2, t. 54.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Inona no fahasamihafana eo amin’ny vokatry ny Fanahy sy ireo fanomezam-panahy?
2. Tokony ho takatsika fa nomen’Andriamanitra be fitiavana sy hendry ireo fanomezam-panahy. Ahoana no anampian’ny fahatakarana io fahamarinana io antsika mba hankasitraka ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa eo amin’ny fiangonantsika?
3. Nahoana no tsy marika azo antoka hamantarana ny fahamarinana ny fahagagana? Inona koa no ilaintsika, ankoatra ireny fahagagana ireny?
4. “Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.” Rôm. 12:3. Inona no fananarana manan-danja omena antsika eto? Hatraiza no tokony hiheverantsika ny tenantsika?