13 - 19 MAY 2017
JESOSY AO AMIN'NY ASASORATR'I PETERA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 1:18,19; Kôl. 1:13,14; Isa. 53:1–12; Jao. 11:25; Sal. 18:50; 2 Pet. 1:1.
Tsianjery: “Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo.” - 1 Pet. 2:24.
Tokony hazava ankehitriny, avy amin’ny fianarantsika ny 1 Petera, fa nifantoka tamin’i Jesôsy i Petera, na nanao ahoana na nanao ahoana ny tontolon-kevitra, ary na inona na inona ireo olana manokana noresahiny. Miditra ao anatin’ny asasorany rehetra ny lohahevitra momba an’i Jesôsy. Io lohahevitra io no kofehy volamena voatenona manerana ny taratasiny.
Manomboka eo amin’ny andalana voalohany, izay ilazan’i Petera fa “apostolin'i Jesosy Kristy” izy, hatramin’ny andalana farany, rehefa manoratra izy hoe: “Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana” (1 Pet. 5:14), dia i Jesôsy no lohahevitra fototra noresahiny. Ary miresaka momba ny fahafatesan’i Jesôsy ho sorona hisolo antsika izy ao anatin’io epistily io. Miresaka momba ny fijaliana lehibe niaretan’i Jesôsy izy, ka mampiasa ny ohatra nomen’i Jesôsy tao anatin’izany fijaliana izany ho ohatra ho antsika. Miresaka momba ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty sy ny hevitr’izany ho antsika izy. Fanampin’izany, miresaka momba an’i Jesôsy izy, tsy amin’ny maha-Mesia Azy, ny Christos, ilay “voahosotra” fotsiny ihany, fa momba an’i Jesôsy amin’ny maha-Mesian’Andriamanitra Azy mihitsy. Izany hoe: mahita porofo fanampiny ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesôsy isika ao amin’ny 1 Petera. Izy mihitsy no Andriamanitra, izay tonga tao anatin’ny nofon’olombelona, ka niaina ary maty mba hananantsika ny fanantenana sy ny fampanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay.
Amin’ity herinandro ity isika dia hiverina handinika ny 1 Petera, ka hijery akaiky kokoa izay ambarany momba an’i Jesôsy.
Pejy ambony
I Jesôsy, ilay sorona nisolo antsika (Kôl. 1:13,14)
Misy lohahevitra iray lehibe izay mandrakotra ny Baiboly iray manontolo, ary angamba izany mihitsy no lohahevitra lehibe indrindra mandrakotra ny Baiboly iray manontolo, dia ny asan’Andriamanitra ho famonjena ny taranak’olombelona lavo. Hatramin’ny fahalavoan’i Adama sy i Eva ao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny fahalavoan’i Babilôna ao amin’ny Apôkalipsy, dia mampiseho ny asan’Andriamanitra ho fiezahana hamonjy “ny very” (Lio. 19:10) ny Soratra Masina, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ary voalaza ao amin’ireo taratasin’i Petera koa io lohahevitra io.
Vakio ny 1 Pet. 1:18,19 sy ny Kôl. 1:13,14. Inona no hevitr’izany hoe: navotana, ary inona no ifandraisan’ny ra amin’ny fanavotana?
Manoritra ny hevitry ny fahafatesan’i Jesôsy tahaka izao manaraka izao ny 1 Pet. 1:18,19: “Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo (…), fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina”. Misy sary fototra roa ao anatin’ireo teny ireo: fanavotana sy biby atao sorona.
Ny Fanavotana dia ampiasaina amin’ny fomba maro ao amin’ny Baiboly. Ohatra, navotana tamin’ny alalan’ny fanaterana zanak’ondry ho solony ny voalohan-teraky ny boriky (izay tsy azo natao fanatitra) sy ny zanaka lahimatoa (Eks. 34:19,20). Azo nampiasaina ny vola mba hividianana indray (hanavotana) ireo zavatra izay namidy noho ny fahantrana (Lev. 25:25,26). Ary ny manan-danja indrindra dia izao: azo navotana ny andevo (Lev. 25:47–49). Ampahafantarin’ny 1 Pet. ny mpamaky fa ny saran’ny nividianana azy ireo indray (nanavotana) “tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana” (1 Pet. 1:18) dia tsy zavatra latsa-danja noho ny “ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” - 1 Pet. 1:19. Mazava loatra fa manambara hevitra mifandraika amin’ny biby atao fanatitra ny sary an’ohatra momba ny zanak’ondry.
Koa ampitovin’i Petera amin’ny fanaterana biby hatao fanatitra ao amin’ny Baiboly hebreo ny fahafatesan’i Kristy. Nitondra ondry tsy nisy kilema teo amin’ny fitoerana masina ny mpanota iray. Rehefa izay dia napetrak’ilay mpanota teo amin’ilay biby ny tanany (Lev. 4:32,33). Novonoina ilay biby, ka natentina teo amin’ny alitara ny sasany amin’ny rany; ny ambiny kosa dia naidina teo am-bodin’ny alitara (Lev. 4:34). Ny fahafatesan’ilay biby natao fanatitra dia nanome “fanavotana” ho an’ilay nanolotra ilay fanatitra (Lev. 4:35). Milaza i Petera fa maty teo amin’ny toerantsika i Jesôsy, ary ny fahafatesana dia nanavotra antsika tamin’ny fiainantsika teo aloha sy ny anjara mahatsiravina izay miandry antsika raha toa ka tsy izany no zava-misy.
Mitoetra eo amin’ny mpisolo iray nohelohina teo amin’ny toerantsika irery ihany ny fanantenantsika famonjena. Inona no ampianarin’io fahamarinana io antsika momba ny fiankinantsika tanteraka amin’Andriamanitra?
Pejy ambony
Ny fijalian’i Kristy (Isa. 53:1–12)
Matetika ny Kristianina no miresaka momba ny “fijalian’i Kristy”. Amin’ny kapobeny, ny teny hoe “fijalian’i Kristy” dia manondro ny fijaliana niaretan’i Jesôsy nandritra ny vanim-potoana farany teo amin’ny fiainany, nanomboka tamin’ny fidirany tamim-pihobiana tao Jerosalema. Niresaka momba ny lohahevitra mikasika ny fijalian’i Kristy tamin’ireo andro farany ireo koa i Petera.
Vakio ny 1 Pet. 2:21–25 sy ny Isa. 53:1–12. Inona no ampianarin’izany antsika momba izay niaretan’i Jesôsy ho antsika?
Misy heviny manokana ny fijalian’i Jesôsy. “Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo [entina ilazana ny hazo fijaliana; ampitahao amin’ny Asa. 5:30], mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana” - 1 Pet. 2:24. Mitarika ho amin’ny fahafatesana ny fahotana (Rôm. 5:12). Mendrika ny ho faty isika, amin’ny maha-mpanota antsika. Kanefa, maty teo amin’ny toerantsika ilay Jesôsy tonga lafatra – ilay tsy nisy fitaka teo amin’ny molony (1 Pet. 2:22). Ao anatin’io fifanakalozan-toerana io no ahitantsika ny drafi-pamonjena.
Vakio indray ny Isa. 53:1–12. Inona no ambaran’ireo andininy ireo fa niaretan’i Jesôsy raha nanatanteraka ny drafi-pamonjena ho antsika Izy? Inona no ambaran’izany amintsika momba ny toetran’Andriamanitra?
“Nandrotidrotika ny fon’i Jesosy i Satana tamin’ireo fakam-panahy mahery vaika nalefany. Tsy afaka nahita izay tany ankoatry ny varavaram-pasana ny Mpamonjy. Tsy nasehon’ny fanantenana teo anatrehany intsony ny fivoahany avy ao am-pasana toy ny mpandresy, ary tsy nolazainy taminy ny faneken’ny Ray ny sorona nataony. Natahotra Izy sao mahatsiravina loatra an’Andriamanitra ny fahotana ka ho mandrakizay ny fisarahany. Tsapan’i Kristy ny tebiteby izay ho tsapan’ny mpanota rehefa tsy hifona ho an’ny taranaka meloka intsony ny famindrampo. Ny fahatsapana ny fahotana izay nahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra, teo Aminy tamin ny naha-solon’ny olona Azy, no nampangidy toy izany ny kapoaka izay nosotroiny, ka nahavaky ny fon’Ilay Zanak’Andriamanitra.” — IFM, t. 812.
Inona no tokony ho valiny hasetrintsika ny zavatra izay niaretan’i Kristy ho antsika? Ahoana no tokony hanarahantsika ny ohatra nomeny, araka izay lazain’ny 1 Pet. 2:21?
Pejy ambony
Ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty (Jao. 11:25)
Vakio ny 1 Pet. 1:3,4,21; 3:21; Jao. 11:25; Fil. 3:10,11; Apôk. 20:6. Inona no fanantenana lehibe tondroin’ireo andininy ireo? Ary inona no hevitr’io fanantenana io ho antsika?
Araka ny efa hitantsika, dia nosoratana ho an’ireo izay mijaly noho ny finoany an’i Jesôsy ny 1 Pet. Tena mety tokoa izany raha any am-piandohan’ny taratasiny mihitsy no avy hatrany dia atodik’i Petera any amin’ny fanantenana izay miandry azy ireo ny fifantohan’ireo mpamaky azy. Araka ny voalazany, fanantenana velona ny fanantenan’ny Kristianina, satria fanantenana mitoetra eo amin’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty mihitsy izany (1 Pet. 1:3). Noho ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty, dia afaka miandry lova any an-danitra izay tsy mety simba na levona ny Kristianina (1 Pet. 1:4). Raha atao amin’ny teny hafa, na ho lasa ratsy manao ahoana aza ny toe-java-misy, dia eritrereto ny zavatra izay miandry antsika rehefa tapitra avokoa izany rehetra izany.
Tena antoka ho antsika tokoa ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty fa afaka ny hatsangana amin’ny maty koa isika (1 Kôr. 15:20,21) araka izay lazain’i Paoly: “ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo” - 1 Kôr. 15:17. Satria natsangana tamin’ny maty anefa i Jesôsy, dia nasehony fa manana ny hery handresena ny fahafatesana mihitsy Izy. Noho izany, ny fanantenan’ny Kristianina dia mifototra amin’io trangan-javatra niseho teo amin’ny tantara io, dia ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izany. Ny fitsanganany tamin’ny maty no fototry ny fitsanganantsika amin’ny maty amin’ny andro farany.
Taiza isika raha tsy nisy io fanantenana sy io fampanantenana io? Ny zava-drehetra nataon’i Kristy ho antsika dia mipaka amin’ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty. Raha tsy misy izany, dia inona no fanantenana ananantsika, indrindra fa fantatsika fa tsy araka ny finoana kristianina hazonin’ny besinimaro, fa tena ao anatin’ny torimaso ary tsy mahatsiaro tena any am-pasana tokoa ny maty?
“Ho an’ny kristiana, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin’ny fahanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra, ary ‘raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra hianareo’. (…) Amin’ny fiaviany fanindroany dia handre ny feony avokoa ireo maty sarobidy rehetra, ka hivoaka amim-boninahitra, manana ny fiainana mandrakizay.” – IFM, t. 846.
Toa tsy azo ovana na atsimbadika ny fahafatesana. Eritrereto ny amin’izany. Tena mafy, tena tsy mifaditrovana, ary tena misy izany. Nahoana àry izany no tena manan-danja amin’ny finoantsika sy amin’izay rehetra inoantsika sy antenaintsika ny teny fikasana momba ny fitsanganana amin’ny maty?
Pejy ambony
I Jesôsy amin’ny maha-Mesia Azy
Hitantsika tany aloha ny iray tamin’ireo kihon-dalana lehibe indrindra teo amin’ny asan’i Jesôsy teto an-tany. Nitranga izany tamin’ny fotoana namalian’i Petera, ho valin’ny fanontaniana izay napetrak’i Jesôsy momba izay iheveran’ny olona Azy, nanao hoe: “Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona” - Mat. 16:16. Ny voambolana hoe Kristy (christos amin’ny teny grika) dia midika hoe: ilay “voahosotra”, ny “Mesia”. Amin’ny teny hebreo dia mashiyach izany. Avy amin’ny fototeny izay midika hoe “hosorana” izy io, ary nampiasaina tamin’ny tontolon-kevitra maro samihafa tao amin’ny TT. (Nampiasaina tamin’ny toerana iray mba hanondroana mpanjaka jentilisa, (Kirosy), mihitsy aza izany [jereo ny Isa. 45:1].) Noho izany, rehefa niantso an’i Jesôsy hoe Mesia i Petera, dia nampiasa teny iray izay maneho hevitra hita manerana ny ankamaroan’ny TT izy.
Vakio ireto andalan-teny manaraka avy ao amin’ny TT ireto. Samy mampiasa ny voambolana hoe Mesia na voahosotra tsirairay avy izy ireo. Inona no ampianarin’ny tontolon-kevitra tsirairay avy antsika momba ny hevitr’izany voambolana izany? Ahoana no mety nandraisan’i Petera ny hevitr’izany rehefa niantso an’i Jesôsy ho Mesia izy?
Sal. 2:2 _________________________________________________
Sal. 18:50________________________________________________
Dan. 9:25________________________________________________
1 Sam. 24:6______________________________________________
Isa. 45:1________________________________________________
Na dia tsindrimandry avy tamin’ny Tompo aza no nanosika an’i Petera hilaza fa i Jesôsy no Mesia (Mat. 16:16,17), dia tsy isalasalana fa tsy takany tamin’ny fahafenoany ny tian’izany holazaina. Tsy takany hoe iza marina moa ny Mesia, inona no hotanterahiny, ary, angamba ny manan-danja indrindra, ahoana no hanatanterahany izany.
Tsy irery i Petera amin’io tsy fahatakaran-javatra io. Nisy hevitra maro samihafa mikasika ny Mesia tany Isiraely. Ireo fampiasana ny voambolana hoe Mesia na voahosotra ao amin’ireo andalan-teny etsy ambony ireo dia tsy manome sary feno sy mazava momba ny hoe iza moa ny Mesia, na dia mety maneho mialoha aza izy ireo hoe hanao ahoana ilay Mesia ary inona no hataony.
Manambara ny sasany amin’izay niandrandra tamin’i Mesia ny Jao. 7:42: ho avy amin’ny taranak’i Davida Izy, ary avy ao amin’ny tanànan’i Betlehema (Isa. 11:1–16, Mika 5:2). Takatr’izy ireo tsara iny ampahany iny. Amin’ny eritreritry ny besinimaro anefa, dia hanao izay nataon’i Davida ny Mesia avy amin’ny taranak’i Davida: handresy ny fahavalon’ny Jiosy. Tsy nisy olona na dia iray aza niandrandra Mesia izay hohomboan’ny Rômanina eo amin’ny hazo fijaliana.
Mazava loatra fa tamin’ny nanoratan’i Petera ireo epistiliny, dia takany mazava kokoa ny maha-Mesia an’i Jesôsy (indimy ambin’ny folo Izy no antsoina hoe Jesôsy Kristy ao amin’ny 1 Pet. sy 2 Pet). Ary takany koa izay rehetra hotanterahiny ho an’ny taranak’olombelona.
Pejy ambony
I Jesôsy, ilay Mesia Andriamanitra (Jao. 20:28)
Fantatr’i Petera fa tsy hoe Mesia fotsiny ihany i Jesôsy, fa Tompo koa. Izany hoe, fantatr’i Petera, tamin’ny fotoana nanoratana ireo epistily ireo, fa ny Mesia dia Andriamanitra mihitsy. Na dia mety hanana heviny tsy mifandraika amin’ny fivavahana aza ny fiantsoana hoe: “Tompo”, dia azo anondroana an’Andriamanitra mazava tsara koa io voambolana io. Ao amin’ny 1 Pet. 1:3 sy 2 Pet. 1:8,14,16, dia manondro an’i Jesôsy, ny Mesia, ny Kristy, ho Tompo, ho Andriamanitra mihitsy i Petera.
Tahaka ireo mpanoratra hafa ao amin’ny TV, i Petera koa dia manoritra ny fifandraisana eo amin’i Jesôsy sy Andriamanitra amin’ny voambolana hoe: Ray sy Zanaka. Ohatra: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika” - 1 Pet. 1:3 (ampitahao amin’ny 2 Pet. 1:17). Faritana amin’ny hoe Zanaka malala i Jesôsy (2 Pet. 1:17), ary avy amin’io fifandraisana manokana iarahany amin’Andriamanitra Ray io ny sasany amin’ny fahefan’i Jesôsy amin’ny maha-Tompo Azy, sy ny toerany any an-danitra.
Vakio ny 2 Pet. 1:1; Jao. 1:1; 20:28. Inona no ambaran’ireo amintsika momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesôsy?
Hoy ny 2 Pet. 1:1: “Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy”. Amin’ny dikanteny grika, dia samy ampiasana ny mpanoritra “ilay” ny voanteny Andriamanitsika sy ny Mpamonjy. Midika izany fa samy ampiasaina mifandraika amin’i Jesôsy ny hoe “Andriamanitsika” sy “Mpamonjy”. Koa ny 2 Pet. 1:1 izany no iray amin’ireo porofo mazava indrindra fa tena Andriamanitra tokoa i Jesôsy.
Nanahirana ireo Kristianina voalohany ny nahatakatra an’i Jesôsy, ka nakamban’izy ireo tsikelikely ireo fahamarinana momba Azy ao amin’ny TV. Ao amin’ireo asasoratr’i Petera dia Persônina miavaka tsara ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina (ohatra Ray/Zanaka: 1 Pet. 1:3; 2 Pet. 1:17; Fanahy Masina: 1 Pet. 1:12; 2 Pet. 1:21). Hitantsika ao amin’ny TV sisa rehetra koa io fiavahana io. Etsy ankilan’izany anefa dia aseho ho tena Andriamanitra tokoa i Jesôsy, ary tahaka izany koa ny Fanahy Masina. Rehefa nandeha ny fotoana, ary taorian’ny adihevitra maro, dia nandray ny foto-pinoana momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray ny fiangonana mba hanazavana ny zava-miafin’ireo Persônina telo amin’ny Andriamanitra Telo Izay Iray. Mampiditra io foto-pinoana momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray io ho iray amin’ireo fototra inoana valo amby roapolo ny fiangonana Advantista. Koa hitantsika ao amin’ny asasoratr’i Petera ny fanehoana mazava an’i Jesôsy, tsy hoe amin’ny maha-Mesia Azy fotsiny ihany, fa amin’ny maha-Andriamanitra Azy mihitsy.
Rehefa mandinika ny fiainan’i Jesôsy sy ny fahafatesany ianao, ka mahatsapa fa Andriamanitra Izy, dia inona no ambaran’izany aminao momba ny karazan’Andriamanitra izay tompointsika? Ary nahoana isika no tokony hitia sy hatoky Azy? Ento eo amin’ny kilasy ny valinteninao amin’ny Sabata.
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny: “Toa lôjika ny manomboka amin’ny hoe “Mesia”, satria avy amin’ny voambolana grika mitovy aminy, Christos, ilay ‘Voahosotra’, no nahazoan’ny fiangonana kristianina ny anarany. Ny voambolana hebreo dia manondro ilay mpanafaka izay nandrasan’ny Jiosy sy izay ho masoivoho hampiasain’Andriamanitra mba hitondra vanim-potoana vaovao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Na ilay teny hebreo na ilay teny grika dia samy avy amin’ny matoanteny izay midika hoe: ‘manosotra’. Koa hita miharihary fa rehefa miantso an’i Jesôsy hoe ‘Kristy’ ireo mpanoratra ny TV, dia i Jesôsy natokana ho amin’ny asa manokana no tiany hambara.
“Mipoitra mihoatra ny indimanjato ny anaram-boninahitra hoe Christos ao amin’ny TV. Nisy hevitra momba ny Mesia mihoatra ny iray teo amin’ireo mpiara-belona tamin’i Jesôsy. Na dia izany aza, amin’ny kapobeny, dia tsapa fa lasa nandray ny Mesia ho toy ny olona izay nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra ireo Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Amin’ny andro farany Izy no hiditra eo amin’ny sehatra, rehefa hapetraka ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny alalany no hidiran’Andriamanitra eo amin’ny tantara ho fanafahana ny olony. Neken’i Jesôsy ny anaram-boninahitra hoe “Mesia”, saingy tsy nampirisika ny fampiasana izany Izy; satria nitondra hevitra ambadika ara-pôlitika io voambolana io, ka mahatonga ny fampiasana azy ho sarotra tokoa. Nisalasala ny hanararaotra ny fampiasana izany teo imason’ny olona mba hanoritsoritana ny iraka notanterahiny i Jesôsy. Na dia izany aza, dia tsy nandrara na an’i Petera (Mat. 16:16,17) na ilay vehivavy samaritanina (Jao. 4:25, 26) tsy hampiasa izany Izy. Fantany fa Izy no Mesia, araka izay hita ao amin’ny fitantaran’i Marka ny teniny mikasika ny fanomezana rano eran’ny kapoaka ho an’ny iray amin’ireo mpianany ‘satria an'i Kristy hianareo’ (Mark 9:41).” — SDABC, b. 12, t. 165.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1. Vakio ny Isa. 53:1–12. Araka ireo andininy ireo, inona no nataon’i Jesôsy ho antsika? Soraty ireo tsipirian-javatra nataony ho antsika. Amin’ny lafiny inona ahitantsika mazava tsara, ao anatin’ireo andininy ireo, ny hevitra momba an’i Jesôsy amin’ny maha-mpisolo toerana antsika Azy? Nahoana no ilaintsika Izy amin’ny maha-Mpisolo toerana antsika Azy?
2. Nandritra ny tantara nifandimby, dia nisy olona sasany nampiasa ny fampanantenan’ny Baiboly fiainana aorian’ny fahafatesana mba hihazonana olona eo ambanin’ny fifehezany na eo ambanin’ny fampahoriany. “Eny e, ekena fa sarotra ny fiainanao eto ankehitriny, saingy mifantoha fotsiny amin’izay nampanantenain’Andriamanitra antsika rehefa hiverina i Jesôsy.” Satria nampiasaina tsy araka ny tokony ho izy io fahamarinana ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra io, dia maro no nandà ny foto-pinoana kristianina momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Tahaka ny paikady ampiasain’ny olona sasany mba hampahoriana ny hafa fotsiny mantsy no fahitan’izy ireo izany. Ahoana no hamalianao izany fiampangana izany?
3. Ao amin’ny kilasy, miverena amin’ny valinteninareo amin’ny fanontaniana tamin’ny Alakamisy momba ny maha-Andriamanitra an’i Kristy sy ny ambaran’izany amintsika momba ny toetran’Andriamanitra. Nahoana no tena vaovao mahafaly tokoa ny maha-Andriamanitra Azy sy ny zavatra asehon’izany momba an’Andriamanitra?
Pejy ambony