12 - 18 AOGOSITRA
AVY AMIN'NY ANDEVO MANKAMIN'NY MPANDOVA
| LESONA 1 | SAB | ALAH | LAT | TAL | ALAR | ALAK | ZOM |
SABATA HARIVA Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 3:26--4:20; Rôm. 6:1–11; Heb. 2:14–18; 4:14,15; Rôm. 9:4,5.
Tsianjery: “Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.” - Gal. 4:7.
Milaza amin’ny Galatianina i Paoly fa tsy tokony hiaina sy hitondra tena tahaka ny andevo izy ireo, fa tahaka ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra, miaraka amin’ny zo sy ny tombontsoa rehetra mifandraika amin’izany. Fahamarinana izay nilain’i Martin Luther, fony izy mbola tanora, norenesina izany. Rehefa nihalalina ny fahatsapany ny fahotany, dia nikely aina tamin’ny alalan’ny asany io tanora lahy io mba hahazoana famelan-keloka sy fiadanana. Nivelona fiainana faran’izay mafy izy, ka nanao ezaka mafy tamin’ny fifadian-kanina, ny alim-bavaka, ary ny fikapohana ny tenany mba hampileferana ny faharatsiana eo amin’ny teotrany. Tsy nitondra fiadanana ho azy tokoa mantsy ny fiainany tamin’ny naha-relijiozy azy. Niaretany avokoa ny fanaovana sorona rehetra mety hahafahany manatratra ny fahadiovam-po izay hanampy azy hijoro eo anatrehan’Andriamanitra ka hankasitrahany. Nilaza izy tatỳ aoriana fa relijiozy vontom-pinoana izay nanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy izy, kanefa tsy nanana fiadanana tao anatiny. “Raha toa ka afaka mahazo ny lanitra noho ny asany amin’ny maha-relijiozy azy ny relijiozy, dia azo antoka fa tokony hanan-jo hahazo izany aho”. Tsy nisy zavatra nety anefa tamin’izay rehetra nataony.
Tatỳ aoriana izy dia nanomboka nahatakatra ny fahamarinana momba ny famonjena ao amin’i Kristy irery ihany, araka izay aseho ao amin’ny epistily ho an’ny Galatianina. Tamin’izay ihany vao nanomboka nanana karazana fahafahana ara-panahy sy fanantenana ho an’ny fanahiny izy. Vokatr’izany koa, dia tsy tahaka ny taloha intsony izao tontolo izao.
Pejy ambony
Ny toetrantsika ao amin’i Kristy (Gal. 3:26–29)
Vakio ny Gal. 3:25. Hazony ao an-tsaina io andininy io dia vakio ny Gal. 3:26. Ahoana no anampian’io andininy io antsika hahatakatra ny fifandraisantsika amin’ny lalàna, amin’izao isika navotan’i Jesôsy izao?
Ny voanteny “Fa” eo amin’ny fiantombohan’ny and. 26 dia maneho fa mahita fifandraisany mivantana eo amin’io andininy io sy ny andininy eo alohany i Paoly. Nianarantsika fa tamin’ny andron’ny TV, dia teo ambany fifehezan’ny mpampianatra iray ny zanaky ny tompo iray. Nifarana io fifehezana io rehefa lasa olon-dehibe ilay zanaka. Tahaka izany koa, milaza i Paoly fa ireo izay tonga amin’ny finoana an’i Jesôsy dia tsy zaza tsy ampy taona intsony. Miova ny fifandraisan’izy ireo amin’ny lalàna satria “zanak’”Andriamanitra efa lehibe izy ireo ankehitriny.
Ao amin’ny Gal. 3:26, ny voambolana nadika hoe “zanakalahy” (dikanteny NKJV) dia avy amin’ny voambolana grika hoe hyios. Ireo dikantenin’ny Baiboly hafa dia milaza io voambolana io hoe: “zanaka”, saingy amin’ny teny grika, ny hyios dia midika hoe “zanakalahy”. Mazava loatra anefa fa tsy voafaritra ho an’ny lehilahy ihany ny fomba fiteny hoe zanakalahy. Nampiditra mazava tsara ny vehivavy ao anatin’io sokajy io i Paoly (Gal 3:28), saingy misy antony manokana nahatonga azy hampiasa ny voambolana grika hoe zanakalahy, fa tsy ny voambolana hoe zanaka. Ny lovan’ny fianakaviana izay hafindra ho amin’ny zanakalahy no tao an-tsainy eto. Eo koa ny zava-misy fa ny teny hoe “zanakalahy” (NKJV) no fiantsoana manokana ny Isiraely ao amin’ny TT (Deo. 14:1; Hos. 11:1). Ao amin’i Kristy, ireo Jentilisa koa ankehitriny dia migoka ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra, izay natokana ho an’ny Isiraely irery ihany fahiny.
Inona momba ny batisa no mahatonga azy ho trangan-javatra tena manan-danja? Gal. 3:27,28; Rôm. 6:1–11; 1 Pet. 3:21.
Ny fampiasan’i Paoly ny voanteny hoe “Fa” eo amin’ny and. 27 dia maneho indray fa mifampitohy akaiky ny hevitra avohiny. Raisin’i Paoly ho fanapahan-kevitra hentitra ho fampifandraisana ny fiainantsika amin’i Kristy ny batisa. Ao amin’ny Rôm. 6 izy dia manoritsoritra ara-tandindona ny batisa ho firaisantsika amin’i Jesôsy, eo amin’ny fahafatesany sy eo amin’ny fitsanganany amin’ny maty. Mampiasa sary an’ohatra hafa anefa i Paoly ao amin’ny Gal. 3:27: ny batisa dia fitafiana an’i Kristy. Mampahatsiahy ireo andalan-teny mahafinaritra ao amin’ny TT izay miresaka momba ny fitafiana ny fahamarinana sy ny famonjena ny teny ampiasain’i Paoly (jereo ny Isa. 61:10; Jôba 29:14). “Raisin’i Paoly ho fotoana izay andrakofan’i Kristy, tahaka ny fitafiana, ny mpino ny batisa. Na dia tsy mampiasa ny voambolana hoe fahamarinana aza i Paoly, dia io fahamarinana izay omena ny mpino io no faritany eto.” — Frank J. Matera, Gal. (Collegeville, Minn.: The Liturgical Press, 1992), t. 145.
Ny firaisantsika amin’i Kristy izay aseho ara-tandindona amin’ny alalan’ny batisa dia midika fa izay marina momba an’i Kristy dia marina momba antsika koa. Satria “taranak’” i Abrahama i Kristy, amin’ny maha-mpiray lova amin'i Kristy (Rôm. 8:17) ny mpino, dia mandray ireo teny fikasana rehetra voafaoka tao anatin’ny fanekena natao tamin’i Abrahama sy ireo taranany izy ireo.
Diniho lalina ity hevitra ity: izay marina momba an’i Kristy dia marina momba antsika koa. Inona no tokony ho fiantraikan’io fahamarinana mahatalanjona io eo amin’ny lafiny tsirairay amin’ny fisiantsika?
Pejy ambony
Andevozin’ny zavatra fototra (Gal. 4:1–3)
Vao avy naneho i Paoly fa tahaka ny zanaka sy mpandova isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ankehitriny izy dia mamelabelatra misimisy kokoa io sary an’ohatra io, ka mampiditra ny lohahevitra momba ny fandovana, ao amin’ny Gal. 4:1–3. Ny teny ampiasain’i Paoly dia maneho toe-javatra iray tahaka izao: maty ny tompom-pananana betsaka anankiray, ka namela ny fananany rehetra tamin’ny zanany lahimatoa. Mbola tsy ampy taona anefa io zanany io. Tahaka ny fahita matetika amin’ny didim-pitsarana na dia amin’izao vanim-potoana izao aza, dia milaza mazava tsara ny didim-pitsaran’ilay ray fa tsy maintsy ho eo ambanin’ny fanaraha-mason’ny mpitaiza sy mpitondra aloha ilay zanany, mandra-pahalehibe azy. Na dia tompon’ny fananan-drainy noho ny zo ananany aza izy, satria mbola tsy ampy taona, dia manan-tombo kely fotsiny amin’ny andevo izy eo amin’ny zavatra atao.
Sahala amin’ny mpitaiza hentitra resahina ao amin’ny Gal. 3:24 ny fampitahana ataon’i Paoly. Eto amin’ity Gal. 4:1-3 ity anefa dia ambony lavitra sy manan-danja kokoa ny fahefan’ireo mpitaiza sy mpitondra. Tsy hoe tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny zanak’ilay tompo fotsiny ihany izy ireo, fa hiantsoroka koa ny resaka ara-bola sy ara-pitantanana, mandra-pahamatotr’ilay zanaka ka hahafahany hiantsoroka samirery ireo adidy ireo.
Vakio ny Gal. 4:1–3. Inona no ambaran’i Paoly eto, izay tokony hanampy koa amin’ny fanazavana izay tokony ho anjara asan’ny lalàna eo amin’ny fiainantsika, ankehitriny raha efa ao amin’i Kristy isika?
Tsy mitovy hevitra ny olona momba izay tena tian’i Paoly hambara amin’ny teny hoe: “zavatra fototra” (Gal. 4:3,8, DIEM). Ny voambolana grika hoe stoicheia dia midika ara-bakiteny hoe: “zavatra”. Ny olona sasany dia nandray azy io ho toy ny famaritana ireo zavatra fototra izay mandrafitra izao tontolo nohariana rehetra izao (2 Pet. 3:10,12); na ho toy ny herin’ny maizina izay mifehy izao andro ratsy izao (Kôl. 2:15); na ho toy ireo abidim-piainana ara-pivavahana (Heb. 5:12). Ny fanamafisan’i Paoly ny toetran’ny olombelona amin’ny maha-“zaza” azy mialoha ny fiavian’i Kristy (Gal. 4:1–3) dia maneho fa ireo abidim-piainana ara-pivavahana no tiany resahina eto. Raha izany no izy, dia milaza izany i Paoly fa ny andron’ny TT, niaraka tamin’ireo lalàny sy ireo sorona natao nandritra izany, dia fampidirana fotsiny ny filazantsara, izay nanoritsoritra ireo fototry ny famonjena. Noho izany, na dia zava-dehibe sy nanolotra fanabeazana ho an’ny Isiraely aza ireo lalàna momba ny fisoronana, dia tandindon’ny zavatra mbola ho avy izy ireny. Tsy nokendrena, na oviana na oviana, haka ny toeran’i Kristy izy ireny.
Tahaka ny faniriana hiverina any amin’ny andro fahagola ny fanamboarana ny fiainana hifanaraka amin’ireo fitsipika ireo fa tsy amin’i Kristy. Ho an’ny Galatianina, ny fiverenana amin’ireo zavatra fototra ireo taorian’ny niavian’i Kristy dia tahaka ilay zanaka lahy efa lehibe nefa te hiverina ho zaza indray, araka izay ambaran’ny fampitahana ataon’i Paoly!
Mety ho zavatra tsara ny finoana tahaka ny an’ny zaza (Mat. 18:3), saingy tsy maintsy hitovy amin’izany ve ny amin’ny fahamaotinana ara-panahy? Sa afaka milaza ve ianao fa arakaraka ny itomboana ara-panahy, no anananao finoana tahaka ny an’ny zaza kokoa? Finoana tahaka ny an’ny zaza sy “tsy manan-tsiny” ary feno fatokiana manao ahoana no anananao?
Pejy ambony
“Nirahin'Andriamanitra ny Zanany” (Gal. 4:4)
“Fa rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voafetra, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, fa izay natera-behivavy ary nateraka teo ambanin’ny lalàna” - Gal. 4:4 (DIEM).
Ny fifidianan’i Paoly ireo voambolana hoe “tapitra tanteraka” dia maneho ny anjara asa mavitrika ataon’Andriamanitra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasany eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Tsy tongatonga tamin’izay mety ho fotoana i Jesôsy, fa tonga tamin’ny fotoana raikitra efa nomanin’Andriamanitra. Raha amin’ny fomba fijery ara-tantara, dia fantatra amin’ny hoe Pax Romana (ilay fiadanana rômanina) io fotoana io. Izy io dia fotoana naharitra nandritra ny roanjato taona, izay nisian’ny firindrana sy fiadanana nanerana ny ampira rômanina. Ny fandresen’i Rôma ny tontolo manodidina ny Mediteraneanina dia nitondra fiadanana, fiteny tokana, fitaovam-pifamoivoizana tsara, ary kolontsaina mitovy, izay nanamora ny fielezan’ny filazantsara haingana. Raha amin’ny fomba fijery ara-Baiboly kosa, dia nanamarika ny fotoana napetrak’Andriamanitra mialoha ho amin’ny fiavian’ilay Mesia nampanantenaina io (jereo ny Dan. 9:24–27).
Nahoana no tsy maintsy naka ny maha-olona antsika i Kristy mba hanavotana antsika? Jao. 1:14; Gal. 4:4,5; Rôm. 8:3,4; 2 Kôr. 5:21; Fil. 2:5–8; Heb. 2:14–18; 4:14,15.
Mirakitra ny iray amin’ireo famaritana fohy indrindra ny filazantsara manerana ny Baiboly iray manontolo ny Gal. 4:4,5. Mitantara ny fomba nahatongavan’i Jesôsy teo amin’ny tantaran’ny olombelona izany; tsy kisendrasendra izany fahatongavany izany. “Nirahin'Andriamanitra ny Zanany”. Andriamanitra no nandray ny fanapahan-kevitra voalohany teo amin’ny famonjena antsika, raha atao amin’ny fiteny hafa io andalan-teny io.
Aseho mazava ao amin’ireo andalan-teny ireo koa ny foto-pinoana kristianina tena manan-danja momba ny maha-Andriamanitra mandrakizay an’i Kristy (Jao. 1:1–3,18; Fil. 2:5–9; Kôl. 1:15–17). Tsy naniraka mpitondra hafatra avy tany an-danitra Andriamanitra. Izy Tenany mihitsy no tonga satria Andriamanitra irery ihany no afaka mamonjy antsika.
Na dia Zanak’Andriamanitra efa nisy hatrizay aza i Jesôsy, dia “naterakin'ny vehivavy” koa Izy. Na dia voafono ao anatin’io teny io aza ny fahaterahany avy tamin’ny vehivavy virijiny, dia manambara amin’ny fomba miavaka kokoa ny tena maha-olombelona Azy izany.
Ny teny hoe: “nateraka tao ambanin'ny lalàna” dia tsy hoe manondro fotsiny ihany ny maha-Jiosy an’i Jesôsy, fa mahafaoka koa ny hoe nitondra ny fanamelohana antsika Izy, ary nateraka mba ho faty noho ny fahotantsika.
Tena nilaina ny fahatongavan’i Kristy ho olombelona, satria tsy afaka mamonjy ny tenantsika isika. Tamin’ny fampiraisany ny maha-Andriamanitra Azy tamin’ny maha-olombelona lavo antsika, dia nanan-jo ara-dalana Izy ny ho tonga Solontsika sy Mpamonjintsika ary Mpisoronabentsika. Amin’ny maha-Adama faharoa Azy, dia tonga Izy mba hitaky izay rehetra verin’i Adama voalohany noho ny tsy fankatoavany (Rôm. 5:12–21). Tamin’ny alalan’ny fankatoavany dia nahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fitakian’ny lalàna Izy, ka nanavotra ny tsy fahombiazan’i Adama izay nitera-doza tokoa. Ary tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, dia nanatanteraka ny fahamarinan’ny lalàna Izy, izay nitaky ny fahafatesan’ny mpanota. Noho izany dia nahazo ny zo hanavotra izay rehetra manatona Azy amin’ny finoana sy fileferana marina Izy.
Pejy ambony
Ireo tombontsoa amin’ny fananganan’anaka (Gal. 4:5–7)
Mamelabelatra misimisy kokoa hatrany ny lohahevitra navohiny i Paoly ao amin’ny Gal. 4:5–7, ka manamafy fa tonga i Kristy, mba “hanavotany izay ambanin'ny lalàna” (and. 5). Ny voambolana hoe “manavotra” dia midika hoe “manonitra amin’ny vola”. Izy io dia nentina nilazana ny vola nefaina mba hividianana ny fahafahan’ny takalon’aina na ny andevo. Araka izay asehon’io tontolon-kevitra io, mifono sehatra ambadika tsy dia tsara loatra ny fanavotana: misy olona iray mila fanafahana.
Fanafahana amin’inona anefa no ilaintsika? Mitanisa zavatra lehibe efatra ny TV: (1) fanafahana amin’ny devoly sy ny hafetseny (Heb. 2:14,15), (2) fanafahana amin’ny fahafatesana (1 Kôr. 15:56,57), (3) fanafahana amin’ny herin’ny ota izay manandevo antsika (Rôm. 6:22), ary (4) fanafahana amin’ny fanamelohan’ny lalàna (Rôm. 3:19–24; Gal. 3:13; 4:5).
Inona no tanjona tsara notratrarin’i Kristy ho antsika amin’ny alalan’ny fanavotana azontsika ao Aminy? Gal. 4:5–7; Efes. 1:5; Rôm. 8:15,16,23; 9:4,5.
Matetika isika no mamaritra izay notanterahin’i Kristy ho antsika amin’ny hoe “famonjena”. Na dia marina aza izany, dia tsy dia mazava sy mahavoafaritra tsara ny tian-kambara tahaka ny ampiasan’i Paoly manokana ny voambolana hoe “fananganan’anaka” (huiothesia) io voambolana io. Fanao ara-dalàna fantatra tsara teo amin’ny tontolon’ny Grika sy Rômanina ny fananganan’anaka, na dia i Paoly irery ihany aza no mpanoratra ny TV mampiasa io voambolana io. Amperora rômanina maro nandritra ny androm-piainan’i Paoly no nampiasa ny fananganan’anaka ho fomba fifidianana izay ho mpandimby azy raha toa ka tsy nanana mpandova ara-dalàna izy ireo. Nanome antoka tombontsoa maro ny fananganan’anaka: “(1) Lasa tena zanaka lahin’ny mpanangana azy izay zanakalahy natsangana (...) (2) Manaiky ilay mpanangana fa hanabe ilay zaza araka ny tokony ho izy, sy hanome izay ilainy eo amin’ny sakafo sy ny fitafiana. (3) Tsy afaka mandroaka ilay zananilahy natsangany ilay mpanangana. (4) Tsy azo andevozina ilay zaza. (5) Tsy manan-jo hitaky azy indray ireo ray aman-dreny niteraka ilay zaza. (6) Mampiorina ny zo ho amin’ny fandovana ny fananganan’anaka.” — UAP, t. 216.
Raha azo antoka eo amin’ny sehatra eto an-tany ireo zo ireo, dia alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe betsaka kokoa manao ahoana ireo tombontsoa ananantsika amin’ny maha-zanaka natsangan’Andriamanitra antsika!
Vakio ny Gal. 4:6, ka hazony ao an-tsaina fa ny voambolana hebreo Abba no voambolana nampiasain’ny ankizy mba hiantsoana ny rainy, tahaka ny voambolana hoe Dada na Papa fampiasa ankehitriny. Nampiasa io voambolana io tao anatin’ny vavaka nataony i Jesôsy (Mar. 14:36), ary amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia manan-jo hiantso an’Andriamanitra hoe “Aba” koa isika. Ankafizinao ve izany karazana fifanakaikezana amin’Andriamanitra izany eo amin’ny fiainanao manokana? Raha tsy izany, dia inona no olana? Inona no azonao ovana mba hisian’io fifanakaikezana io?
Pejy ambony
Nahoana no miverina amin’ny fanandevozana? (Gal. 4:8–20)
Vakio ny Gal. 4:8–20. Fintino izay lazain’i Paoly eto. Hentitra manao ahoana izy manoloana ireo fampianaran-diso teo amin’ireo Galatianina?
Tsy faritan’i Paoly ny tena endriky ny fanao ara-pivavahana teo amin’ireo Galatianina, saingy hita miharihary fa rafi-piankohofana diso, izay nitarika ho amin’ny fanandevozana ara-panahy, no tao an-tsainy. Noraisiny ho tena mampidi-doza sy manimba tokoa mantsy izany, ka nahatonga azy nanoratra taratasy tena mirehidrehitra tahaka izany, ho fampitandremana ireo Galatianina fa sahala amin’ny fialana amin’ny maha-zanaka ho amin’ny fahandevozana ny zavatra nataon’izy ireo.
Na dia tsy miditra amin’ny tsipiriany aza i Paoly, dia inona no lazainy fa ataon’ny Galatianina, izay hitany fa tena tsy azo leferina? Gal. 4:9–11.
Miresaka momba ny “andro sy volana sy fotoana ary taona” i Paoly ao amin’ny Gal. 4:10. Olona maro no nanazava ny dikan’io teny io fa toherin’i Paoly, tsy ireo lalàna momba ny fisoronana irery ihany, fa ny Sabata koa. Tena diso anefa ny fanazavana tahaka izany. Voalohany, raha tena naniry ny hanasongadina ny Sabata sy ireo fomba amam-panao jiosy hafa i Paoly, dia mazava loatra fa azony natao mora foana ny nitanisa azy ireny. Faharoa, apetrak’i Paoly mazava tsara fa izay rehetra nataon’ireto Galatianina ireto dia nitarika azy ireo hiala tamin’ny fahafahana tao amin’i Kristy ho amin’ny fanandevozana. “Raha toa ka mahatonga ny olona ho andevo ny fitandremana ny Sabata andro fahafito, dia tsy maintsy ho nanandevo ny Tenany ny Mpahary rehefa nitandrina ny Sabata voalohany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao Izy.” - SDABC, b. 6, t. 967. Dia nahoana koa i Jesôsy no nitandrina ny Sabata, no sady nampianatra ny hafa ny fomba fitandremana izany, raha toa ka manaisotra amin’ny olona ny fahafahana ananan’izy ireo ao Aminy ny fitandremana izany araka ny tokony ho izy? (jereo ny Mar. 2:27,28; Lio. 13:10–16.)
Mety misy fomba amam-panao eo amin’ny fiangonana Advantista izay manala ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy ve? Na raha tsy ireo fomba amam-panao no tena olana, dia manao ahoana indray ny fihetsitsika manoloana ireo fomba amam-panao ireo? Ahoana no mety hitarihan’ny fihetsika diso iray antsika ho amin’ny karazam-panandevozana izay nampitandreman’i Paoly mafy ireo Galatianina?
Pejy ambony
ZOMA
Fianarana fanampiny : “Nandritra ny filan-kevitra tany an-danitra, dia nisy drafitra napetraka mba tsy havela ho very ao anatin’ny tsy fankatoavany ny olona, na dia mpandika lalàna aza. Nomena ho solony sy ho antoka ho azy ireo i Kristy, ka amin’ny alalan’ny finoana Azy, dia ho lasa olom-boafidin’Andriamanitra izy ireo, izay notendreny rahateo amin'ny fitiavana mba ho Azy amin'ny fananganan’anaka amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony. Irin’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra; satria lehibe ilay drafitra napetraka, dia ny fanomezany ny Zanany Lahitokana mba hanefana ny onitra ho fanavotana ny olombelona. Ireo izay ho very dia ho very satria nandà tsy hatsangana ho zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy izy ireo. Manakana ny olona tsy handray ny drafitry ny famonjena ny avonavony. Tsy hahafahan’ny fanahy hitoetra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra anefa ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny zavatra mahatonga ny olona ho ankasitrahan’Andriamanitra dia ny fahasoavana natolotr’i Kristy izay noraisiny tamin’ny alalan’ny finoana ny anarany. Tsy afaka miankina amin’ny asany na amin’ny fihetseham-pony izay miserana ihany ny olona mba hanaporofoana fa voafidin’Andriamanitra izy; satria fidina amin’ny alalan’i Kristy ireo olom-boafidy.” – CC, ST, 2 Jan. 1893.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :
- Diniho misimisy kokoa izay tiana hambara sy tsy hambara amin’ny hoe: tahaka ny zaza isika eo amin’ny fiarahantsika mandeha amin’ny Tompo. Lafiny inona amin’ny ankizy no tokony alaintsika tahaka eo amin’ny finoantsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Etsy ankilan’izany, ahoana no mety anitarantsika io hevitra io lavitra loatra? Mifanakaloza hevitra.
- Inona no mahatonga ny olona tena hatahotra ny hevitra momba ny fahasoavana sy ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana irery ihany? Nahoana no aleon’ny olona maro miezaka ny mametraka ny fomba hamonjena azy, raha toa ka azo atao izany?
- Avereno jerena ao amin’ny kilasy ny fanontaniana farany tamin’ny lesona Alakamisy. Amin’ny fomba ahoana, amin’ny maha-Advantista antsika, no hahalatsaka antsika ao anatin’ny karazana fanandevozana izay nanafahana antsika? Ahoana no mety hitrangan’izany amintsika, ahoana no ahafantarantsika raha toa ka mitranga izany, ary ahoana no ahafahantsika ho afaka amin’izany?
Famintinana : Natsangana ho ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra ao amin’i Kristy isika, ka tonga zananilahy sy zananivavy. Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia mahazo ny zo sy ny tombontsoa rehetra ateraky ny fatoram-pianakaviana tahaka izany isika. Hadalana ny mametraka ny fitsipika sy ny lalàna ho fototra fotsiny ihany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ho tahaka ny zanakalahy izay maniry ny hamoy ny toerany sy ny lovany mba ho tonga andevo indray izany.
Pejy ambony