SS 9 1T 2017

LESONA 9

25 FEBROARY - 03 MARTSA 2017

NY FANAHY MASINA SY NY FIANGONANA

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Efes. 1:22,23; 1 Kôr. 12:13; Rôm. 6:3-7; Asa. 17:11; Efes. 4:5,6; Asa. 2:4-11.

Tsianjery: “mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.”Efes. 4:3-5

 

Indraindray isika dia mieritreritra fa eo amin’ny fiainan’ny olona iray ihany no iasan’ny Fanahy Masina. Eny tokoa, miasa amin’ny fiainan’ny olona tsirairay ny Fanahy Masina, ary ireo mpino ireo no fanorenan’ny fiarahamonina ara-panahy. Ny Fanahy Masina ihany koa anefa no tompon’andraikitra amin’ny fiainan’ny fiangonan’i Kristy.

Matetika isika no mieritreritra fa velona sy mitombo ny fiangonana noho ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra. Eny, tian’Andriamanitra raha tanteraka ny drafitra be voninahitra ananany ho an’ny fiangonana. Te hanao izany miaraka amin’ny fanampiantsika Izy. Tsy ny asa ataontsika anefa no tena antony mampisy ny fiangonana. Tsy noho ireo mpitarika tsara sy ny fandaminana no mahavelona ny fiangonana. Zava-dehibe ireo zavatra ireo, saingy ny mahavelona ny fiangonana dia izay efa nataon’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Velona ny fiangonana satria mbola manohy miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina no mampisy ny fiarahamonina miorina amin’ny ara-panahy sy ny firahalahiana ao amin’ny fiangonana. Ny Baiboly no fototry ny fahefan’ny fiangonana. Ny Fanahy Masina no nanome tsindrimandry ny olona mba hanoratana ny Baiboly. Io Fanahy io ihany no mitarika ny olona hiaina araka ny Baiboly. Ny Baiboly no fanorenana ny maha-iray ny finoana ao amin’ny fiangonana. Tsy hisy ny fiangonana raha tsy eo ny asan’ny Fanahy. Raha tsy eo ny Fanahy, dia tsy ho vitan’ny fiangonana ny hanapariaka ny Vaovao Mahafaly amin’izao tontolo izao.


 Pejy ambony

ALAHADY

 

MAMPIRAY ANTSIKA AMIN’I KRISTY NY FANAHY MASINA (1 Pet. 2:6,7)

Mampiray antsika amin’ny fomba maro ny Fanahy Masina. Izy no mampiray antsika ao amin’i Kristy. Izany firaisana izany no antony mampisy ny fiangonana. I Kristy, araka izany, no lohan’ny fiangonana (vakio ny Efes. 1:22,23; 5:23), ary ny Fanahy Masina no manampy antsika ho tafaray amin’i Kristy.

Ny firaisana amin’i Kristy no fiantombohan’ny fitahian’ny famonjena rehetra, satria izay ananantsika ao amin’Andriamanitra rehetra dia avy amin’ny Fanahy Masina. Ny firaisantsika amin’i Kristy no mahatonga antsika ho zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra. Avy amin’ny firaisana amin’i Jesôsy ny fanadiovana antsika sy ny famelan-keloka. Izany firaisana Aminy izany no manamasina antsika, sy manome antsika hery handresena ny fahotana.

Handalo fanovana ny vatantsika sy ny toetsika amin’ny fiaviana fanindroany. Izany fanovana izany dia vokatry ny firaisantsika amin’i Kristy. Araka izany, dia tokony i Jesôsy no fanorenan’ny fanandramantsika manontolo amin’ny maha-Kristianina.

Vakio ny Efes. 2:18,20-22 ary ny 1 Pet. 2:6,7. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny asan’i Kristy sy ny Fanahy Masina eo amin’ny famoronana ny fiangonana?

Amin’ny alalan’ny Fanahy, dia afaka manatona an’Andriamanitra Ray isika. I Jesôsy no Vatolampy fanorenana ny famonjena antsika. Ny ampahany rehetra amin’ny fiangonana dia miorina eo Aminy.

Ny asa ataon’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay no mitarika ho amin’ny fananganana fiarahamonin’ny finoana fantatra amin’ny hoe fiangonana. Amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy irery ihany no iainantsika ny famonjena. Mikasika ny fontsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay vao misy ny “firaisana amin’ny Fanahy Masina” (2 Kôr. 13:14).

Ny mpino tsirairay dia tahaka ny vato fanorenana. Mampiasa azy ireo Andriamanitra hananganana fiangonana vaovao amin’ny alalan’ny Fanahiny (Efes. 2:22). Araka izany, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika, dia tokony ho “mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana” (Efes. 4:3) isika. Amin’ny fomba rehetra izay azo atao, dia ilaintsika ny miezaka hiray amin’ireo mpino hafa. Mazava loatra anefa fa ny firaisana dia tsy midika ho fanekena ny hevi-diso momba ny fahamarinana.

Vakio ny Kôl. 3:12-14. Ahoana no tokony ho fitondran’ny Kristianina ny hafa? Ahoana no anampian’izany fihetsika izany ho amin’ny firaisana ao amin’ny fiangonana? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny firaisana ao amin’ny fiangonana ny fitondrana ny hafa tahaka izany?

 Pejy ambony

ALATSINAINY

MAMPIRAY ANTSIKA AMIN’NY ALALAN’NY BATISA NY FANAHY MASINA (1 Kôr. 12:13)

Vakio ny 1 Kôr. 12:13. Ahoana no ampiraisan’ny batisa antsika amin’i Kristy sy amin’i Fanahy Masina?

Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika ho mpino maro anatin’ny tena iray ihany. Amin’ny alalan’ny batisa no idirantsika ao amin’ny fanjakana ara-panahin’i Kristy. Natao batisa tao amin’ny trano fiangonana iray isika. Koa ny batisa dia tafiditra ao anatin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpino hafa sy ny fifandraisany amintsika ao anatin’ny fiangonana; tsy afaka miaina samirery mantsy ny mpanara-dia an’i Kristy. Isika rehetra dia samy mila ny fanohanana, ny fankaherezana ary ny fanampian’ny hafa. Azo antoka koa fa tsy ho vitantsika samirery ny asan’Andriamanitra. Izany no antony namoronan’Andriamanitra ny fiangonana. Ny fanarahana an’i Kristy dia midika koa ho fiaraha-miaina amin’ireo mpino hafa ao amin’ny fiangonana. Noho izany antony izany no anaovana ny batisa ampahibemaso, izay manambara fa nifidy ny hanara-dia an’i Kristy isika.  

Vakio ny Rôm. 6:3-7. Tandidon’ny inona ny batisa?

Ny batisa dia ny fandevenana miaraka amin’i Jesôsy Kristy ao anatin’ny fasana rano, ary hatsangana avy ao anaty rano ho amin’ny fiainam-baovao miaraka amin’i Jesôsy, ilay Tompo sy Mpamonjy antsika.

Ny batisa no fanehoana ampahibemaso fa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ilay fiainana taloha. Ny batisa koa dia fanehoana ampahibemaso fa efa nandray an’i Kristy ho Tompontsika isika.

“Ny batisa dia famoizana izao tontolo izao. Ny batisa no tandindona maneho fa maty ao amin’ny fiainan’ny fahotana isika. Manarona ny mpino ny rano. Ny batisa no fanekena hiaina fiainam-baovao ao amin’i Kristy, fanekena izay atao eo anatrehan’ny lanitra sy ny voary manontolo. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no idiran’ny olona iray ao anatin’ny fasana rano, ka alevina miaraka amin’i Kristy amin’ny batisa izy. Rehefa izay dia atsangana avy ao anaty rano izy mba hiaina fiainam-baovao amin’ny fanoavana mahatoky an’Andriamanitra.” – Ellen G. White, SDABC, b. 6, t. 1074.

Ny batisa dia dingana tsara eo amin’ny fandehanana amin’ny finoana. Ireo izay maniry ny ho an’Andriamanitra sy maniry hiaina eo ambany fahefan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy dia tsy maintsy atao batisa. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny batisa dia mariky ny fibebahana marina, mariky ny fahafatesan’ny tena ao amin’ny fiainana feno fahotana taloha. Izany koa dia mariky ny fiovana ho amin’ny fomba fiaina vaovao ao amin’i Kristy. Ny batisa dia marika fa nanao fanekena tamin’Andriamanitra isika. Amin’ny maha-mpino antsika dia manome toky ny hitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra sy amin’ny didiny isika. Ary Andriamanitra koa dia manome toky fa azontsika atao ny miankina amin’ny fanampiany na oviana na oviana ilàntsika izany.

Efa nanapa-kevitra ny hatao batisa ve ianao? Raha tsia, dia inona no misakana anao tsy hanara-dia an’i Kristy amin’ny batisa? Efa vita batisa ve ianao? Inona ny fahasamihafana nateraky ny batisa eo amin’ny dia ara-panahy iarahanao amin’i Jesôsy?


 Pejy ambony

TALATA

 

MAMPIRAY NY FIANGONANA AMIN’NY ALALAN’NY BATISA NY FANAHY MASINA (Asa. 17:11)

Vakio ny Asa. 17:11. Vakio koa ny Jao. 5:39,46,47 ary ny Jao. 8:31,32. Inona ny famantarana ny fanarahana marina an’i Kristy? Nahoana ny Baiboly no tena ilaina amin’ny fampitodihana antsika ho amin’i Kristy? Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika amin’ny fanarahana Azy amim-pahatokiana?

Ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Ny Baiboly dia loharano azo itokiana amin’ny fahafantarana an’i Jesôsy sy ny sitrapon’Andriamanitra. Koa ny famakiana ny Baiboly sy ny fitadidiana ireo toko sy andininy dia zava-dehibe tokoa. Ny Baiboly rahateo dia Tenin’Andriamanitra natao ho antsika mihitsy. Manampy antsika izany, ahafahantsika mahita ny fahasamihafana eo amin’ny fahamarinana ara-panahy sy ny fahadisoana. I Paoly dia nidera ireo mponina tany Beria (Asa. 17:11), nolazainy fa nanana toe-panahy tsara ireo satria nandinika sy nandalina ny Baiboly mba hahitany ny fahamarinan’izay teny reny.

Araka izany, ny fiainam-baovao ao amin’ny fiangonana sy ny fiovana rehetra ho amin’ny tsara kokoa dia tsy maintsy miorina amin’ny Baiboly, satria izany no fototra iorenan’ny finoantsika, ary ny fitiavantsika an’i Jesôsy sy ny Teniny no mampiray antsika rehetra.

Vakio ny Jao. 17:17-21. Miresaka momba ny firaisana ao amin’ny finoana i Jesôsy ao amin’ireo toko sy andininy ireo. Milaza Izy fa ny firaisan’ny olon-drehetra no marika manokana hamantarana ny mpanara-dia Azy. Araka izay hita ao amin’ny Jao. 17:17, inona no antony mahatonga ny firaisan’ny finoana eo amin’ny samy mpino?

Ny Tenin’Andriamanitra dia fahamarinana (Jao. 17:17; Sal. 119:160). Ny firaisana amin’ny finoana ao amin’ny fiangonana dia asan’ny Fanahy Masina miaraka sy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia tsy hitarika antsika hisalasala, hitsikera, hihoatra na tsy hahatakatra ny fampianaran’ny Baiboly, fa manampy antsika kosa hitia ny fahefana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Tsy hisintona antsika hiala amin’ny Teny Voasoratra na ilay Teny Velona (Jesôsy) mihitsy ny Fanahy Masina, fa mameno antsika amin’ny faniriana ny hankatò ireo.

Ny Baiboly no loharano fototry ny foto-pinoana manerana izao tontolo izao. Koa raha manamaivana ny finoantsika ny Baiboly amin’ny maha-Tenin’ny fahamarinana azy isika, dia inona no vokatr’izany? Ny valiny dia ny faharavan’ny firaisan’ny fiangonana.

Fotoana toa inona no laninao amin’ny famakiana Baiboly? Zava-dehibe kokoa noho izany, ahoana no hianaranao hankatò amin’ny fahafenoany ny fampianarana hita ao?


 Pejy ambony

ALAROBIA

 

NY FANAHY MASINA NO MAHATONGA NY FIRAISAN’NY FIANGONANA AO AMIN’NY FINOANA (Efes. 4:5,6)

“Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.” (Efes. 4:5,6). Inona no ambaran’i Paoly eto mikasika ny firaisana ao amin’ny finoana? Avy aiza izany firaisana izany?

Ny firaisana ao amin’ny finoana dia vokatry ny fahatokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tompo dia tsy miova, omaly sy anio ary ho mandrakizay. Mampisy fifandraisana ara-panahy amin’ny mpino tsirairay Izy, izany no miteraka fahateraham-baovao. Ny Fanahy Masina no manome hery ho amin’ny fahateraham-baovao, no sady manampy antsika hanoa ny Tenin’Andriamanitra. Ireo no mitarika ho amin’ny firaisan’ny finoana, ary koa mitarika antsika amin’ny firaisana eo amin’ny fampiharana ny zavatra inoantsika. Amin’izay dia ho azon’ny mpino atao ny hihoatra ny fahasamihafana rehetra manasaraka azy ireo.

Miantso antsika hankatò ny Teniny Andriamanitra. Mangataka antsika hanao izay azontsika atao mba hihavanana amin’ny olon-drehetra Izy (Rôm. 12:18). Isika rahateo dia tsy manana ny hery hiraisana ao amin’ny finoantsika sy ny tanjontsika amin’ny maha-fiangonana maneran-tany antsika. Tsy isika no mahatonga ny firaisana, fa fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izany, ny Fanahy izay miasa ao amin’ny mpino tsirairay sy ao amin’ny fiangonana iray manontolo.

Ny Tenin’Andriamanitra ny fototry ny finoantsika rehetra. Izany Teniny izany no manampy antsika ho iray ao amin’ny finoantsika amin’ny maha-fiangonana antsika. Ary mitovy hevitra ny Fanahy sy ny Tenin’Andriamanitra, iray ihany ny fampianaran’izy ireo. Araka izany, dia ilaintsika ny manaraka azy roa ireo. Raha raisintsika ny iray ka avela ny iray hafa dia mety hahita loza tokoa isika. Ny fanarahana ny Fanahy kanefa tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra dia mety hahatonga antsika hino fampianaran-diso, na mety hahatonga antsika ho latsaka amin’ny fampiharana diso. Tahaka izany koa, ny fiezahana hanaraka ny Baiboly tsy omban’ny fanampian’ny Fanahy dia mety hanaisotra ny herin’ny Baiboly. Iray ihany rahateo ny Tompo, iray ny finoana, ary ireo no mitarika ho amin’ny batisa iray ihany.

Tokony ho feno fifaliana isika ao amin’ny finoantsika ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay vao hisy ny firaisana ao amin’ny fiangonana. Ny firaisana ao amin’ny finoana sy ny foto-pampianarana dia hitarika ho amin’ny firaisana ao amin’ny asa izay ataontsika ho an’Andriamanitra.

“Iray ihany ny Tompontsika, ny finoana ary ny batisa. Natao hikasika ny sokajin’olona rehetra ny filazantsaran’i Kristy, natao hanatratra ny firenen-drehetra izany. Natao hanatratra ny olona amin’ny fiteny rehetra. Ny Filazantsara dia natao hampiray ny olona amin’ny firahalahiana. Iray ny Ohatra nomena antsika, tokony hanahaka Azy isika amin’ny fisainana, fihetseham-po, ary koa amin’ny asa. Izay isika vao hiaina amin’ny firindrana tonga lafatra. Hanjary iray ihany ny olona maro avy amin’ny firenena samihafa ao amin’i Jesôsy Kristy. Hanana saina iray ihany izy ireo, hitovy ny fomba fijeriny, ary iray no holazainy. Hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny vava iray ihany izy ireo.” – Ellen G.White, Our High Calling, t. 171.

Jereo izay nambaran’i Ellen G. White. Aza matahotra ny amin’izay eritreretin’ny hafa momba anao na izay ataon’ny hafa. Apetraho fotsiny ny fanontaniana: inona no azoko atao hanampiana ny fiangonana hanatratra ny tanjona mahafinaritry ny firaisana ao amin’ny finoana?


 Pejy ambony

ALAKAMISY

 

MAMPIFANDRAY NY FIANGONANA AO AMIN’NY ASA ATAONY HO AN’ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA (Asa. 2:16-21)

Vakio ny Asa. 2:4-11,16-21. Nirotsaka tamin’ireo mpino ao amin’ny TV ny Fanahy Masina. Inona no vokatr’izany firotsahan’ny Fanahy Masina izany?

Ny Fanahy Masina no tompon’antoka amin’ny asa fanatrarana ny hafa mahery vaika indrindra teo amin’ny tantara. Ity tantara ity no mampiseho fa afaka manao zavatra lehibe Andriamanitra amin’ny alalan’ny vondron’olona vitsy izay nitambatra ho iray amin’ny fitiavana Azy, mihoatra noho izay azony atao amin’ny alalan’ny vondron’olona maro mizarazara fo. Zavatra lehibe lavitra noho izany aza anefa no azon’Andriamanitra atao rehefa atolotsika Azy ny fiainantsika, ny herintsika, ny talentantsika ary izay rehetra ananantsika.

Nitombo ny fiangonan’ny TV noho ny firaisam-pon’ny mpino. Iray ihany izy ireo tao amin’ny finoana, ny fiainana, ary ny fanompoana an’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany, dia vitsy sady natahotra ireo vondron’ny mpino, saingy nanova azy ireo ho tafika mahery Andriamanitra. Tamin’izany fomba izany no nanatraran’izy ireo ny olona avy amin’ny kolontsaina sy fiteny samihafa. Ary iray ihany izy ireo raha nilaza tamin’ny hafa ny amin’ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” (Asa. 2:11).

Ilay Andriamanitra niasa tao amin’ny TV no mbola hiasa amin’ny andro farany. Mila vitaina mialoha ny hiaviany indray anefa ny asa.

Vakio ny Asa. 2:42-47. Niray fo tamin’inona koa ireo mpino tao amin’ny TV?

Nitambatra ho iray ihany ny fiangonana voalohany noho ny antony maro. Iray ihany izy tamin’ny fandinihana ny Baiboly. Nanolo-tena tanteraka izy ireo ho amin’ny fianarana sy fanarahana ny fampianaran’ny apôstôly (Asa. 2:42). Iray tao amin’ny fiainam-piangonana izy ireo. Nifampizara izay hohanina izy ireo, izay midika fa iray tamin’ny fivavahana (Asa. 2:42). Iray izy tamin’ny vavaka sy ny fiderana an’Andriamanitra (Asa. 2:47). Iray koa izy ireo tamin’ny fanompoana ireo sahirana, ary nifampizara izay nananany (Asa. 2:44,45). Koa amin’izany, dia tokony hiara-mianatra ny Baiboly isika ka tokony hitambatra ho iray amin’ny maha-fiangonana antsika. Dia haniry ny hizara ny vaovao mahafaly amin’ny hafa isika sy hanampy azy ireo. Ny Fanahy Masina no hanokatra ny masontsika hahita izay ilain’ireo manodidina antsika.

Inona avy ireo fanompoana na asa atao ho an’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana misy anao? Ahoana no ahitana avy amin’ireny fa misy ny firaisam-po ao amin’ny fiangonanao? Inona koa no azo atao?


 Pejy ambony

ZOMA

FIANARANA FANAMPINY: “Izao no tsy maintsy ataontsika. Tsy hiandry zavatra manokana hitranga isika, fa tokony hanararaotra ny fotoana rehetra ananantsika. Tsy maintsy ataontsika izay tokony hatao mba hamonjena fanahy maro. Tsy tokony handany ny fotoantsika hamantatra ny zavatra izay efa notazonin’Andriamanitra ho tsiambaratelo isika. Ny tokony ataontsika dia ny manolotra ny tenantsika ho eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy manao ny asa nampanaovin’Andriamanitra isika. Tsy maintsy omentsika ireo fanahy maty mosarin’ny fahamarinana ny mofon’ny fiainana.” – Ellen G. White, SM, b. 1, t. 186.

“Samy te hanana fahefana hifehy ny hafa ny tsirairay. Ny vahoakan’Andriamanitra anefa dia tokony hahita fa ny fametrahana ny tena eo ambany fifehezan’Andriamanitra tanteraka no hany fomba hiarovana azy ireo amin’ny faniriana hifehy ny hafa. Ny fahasoavan’Andriamanitra no manova ny fo. Hitarika ho amin’ny firaisam-po mbola tsy hita hatrizay izany. Ireo izay manolo-tena ho an’i Kristy dia hiaina amim-pirindrana miaraka amin’ny hafa. Ny Fanahy Masina no hamorona ny firaisana ao amin’ny finoana.” – Ellen G. White, SM, b. 3, t. 20,21.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1.Inona no tian’i Ellen G. White hambara amin’ny hoe: “Samy te hanana fahefana hifehy ny hafa ny tsirairay”? Nahoana no voajanahary amintsika rehetra izany faniriana izany? Inona no azontsika atao handresena izany faniriana izany eo amin’ny fiainantsika? (vakio ny Fil. 2:3,4).

2.Misy milaza fa ny fanompoana no tena mampiray antsika fa tsy ny finoantsika. Raha ny marina, dia milaza izy ireo fa toa mampizarazara ny olona ny fampianaran’ny fiangonana. Koa heveriny fa tsy tokony homena toerana manan-danja eo amin’ny asa atao ho an’Andriamanitra ny fampianaran’ny fiangonana. Nahoana anefa isika no tsy maintsy mampisy ny firaisana eo amin’ny fampianarana sy ny finoantsika? Nahoana no tsy misy ny firaisana eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra raha tsy misy aloha ny firaisana ao amin’izay inoantsika? Nahoana ny finoana zaraina no fitaovana mahery vaika ho amin’ny fitambarana ho iray eo amin’ny asan’Andriamanitra?

3.Firy moa ny toerana ho an’ny fahasamihafana eo amin’ny finoana? Vitsy ihany ny olona hahatakatra ny fahamarinana amin’ny fomba tena mitovy. Ahoana no hahatonga antsika ho iray ao amin’ny finoana amin’ny maha-fiangonana antsika? Ahoana no amelantsika ny fahasamihafana madinika hisy eo amin’izay inoantsika? Ahoana no ataon’ny olona ao amin’ny fiangonanao manoloana ny fahasamihafana eo amin’ny fahatakarana kanefa mbola mitana ny firaisana ao amin’ny finoana?

4.Ahoana no hahatonga ny Baiboly ho fitaovana hampiray ny fiangonana ao amin’ny finoana? Inona ny fisainana na fihetseham-po ilaintsika ananana eo amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra mba hahatonga antsika ho iray amin’ny maha-fiangonana antsika ao amin’ny asa sy ny finoana?

 Pejy ambony