SS 9 2T 2017

LESONA 9

20 - 26 MAY  2017

TANO NY MAHA-IZY ANAO

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 1:1–15; Efes. 2:8; Rôm. 5:3–5; Heb. 10:38; Rôm. 6:11; 1 Kôr. 15:12–57.

Tsianjery: “Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra” – 2 Pet. 1:5-7.

Ny zavatra anisan’ny mahasondriana mikasika ny TV dia ny nampidirana fahamarinana maro ao anatina toerana voafetra dia voafetra. Ohatra amin’izany ny lesona amin’ity herinandro ity, izay mandinika ny 2 Pet. 1:1-14. Ao anatin’ireo andininy 14 ireo no ampianaran’i Petera momba ny fahamarinana amin’ny finoana. Rehefa avy eo izy dia miresaka ny amin’izay azon’ny herin’Andriamanitra tanterahina eo amin’ny fiainan’izay nanolo-tena ho an’i Jesôsy. Ambarany koa avy eo ny fahamarinana mahatalanjona izay milaza fa isika dia afaka ny ho tonga “mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” – 2 Pet. 1:4 ary afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna.

Lafin-toetra tsara sasantsasany izay tokony hananan’ny Kristianina no tanisain’i Petera ao amin’ireo andininy ireo, saingy misy filaharany manokana nilazany izany. Ataony mifanarakaraka izany mandra-pahatonga any amin’izay lehibe indrindra amin’izy rehetra.

Nanoratra tamin’ny mpino koa i Petera ny amin’ny hevitry ny hoe ao amin’i Kristy sy ny hoe “voadio” (2 Pet. 1:9) tamin’ny fahotana fahiny. Nambarany koa aza fa azo antoka ny famonjena ary efa ananantsika ny teny fikasan’ny fiainana mandrakizay any amin’ilay “fanjakana mandrakizay” – 2 Pet. 1:11 izay an’Andriamanitra.  

Farany, dia somary natsidik’i Petera ilay lohahevi-dehibe momba ny toetran’ny maty. Fahamarinana lalina sady maro tokoa no voarakitra ao anatin’ny andininy 14 monja!

Pejy ambony

 

ALAHADY


Finoana soa

Vakio ny 2 Pet. 1:1-4. Inona no voalazan’i Petera fa efa nomena antsika ao amin’i Jesôsy Kristy? Izany hoe ahoana no fomba nanehoana eto fa zava-misy marina tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra?

Ho fanombohan’i Petera ity taratasiny faharoa ity, dia nilaza izy fa nosoratana ho an’ireo ”izay efa nahazo finoana soa tahaka anay” – 2 Pet. 1:2 izany. Ny teny nandikana ny hoe “soa” dia midika hoe “sarobidy” na koa “be voninahitra” – 2 Pet. 1:2, DIEM. Voalazany fa tsy hoe nahazo izany noho ny fisasarany izy ireo na mendrika ny nahazo izany, fa efa nandray izany kosa, toy ny fanomezana avy tamin’Andriamanitra. Araka ilay voasoratr’i Paoly manao hoe: “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra” – Efes. 2:8. Sarobidy tokoa izany satria “raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” – Heb. 11:6, ary amin’ny finoana no hifikirantsika amin’ny teny fikasana maro mahatalanjona.

Antitranterin’i Petera fa efa nomen’ny “herin’Andriamanitra” antsika ny zavatra rehetra mahakasika ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (2 Pet. 1:3). Tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra irery ihany no nampisy antsika ary amin’ny alalany no hanatrarantsika ny fahamasinana. “Amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany” – 2 Pet. 1:3 no anomezana antsika izany hery izany (jereo koa ny Jao. 17:3).

Nantsoina hitia an’Andriamanitra isika, saingy ahoana no hitiavantsika an’Andriamanitra izay tsy fantatsika akory? Amin’ny alalan’i Jesôsy no hahalalantsika an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, amin’ny alalan’ny zava-boary ary amin’ny alalan’ny fanandramana fiainam-pinoana sy fankatoavana. Mahafantatra an’Andriamanitra sy ny tena fisiany marina isika rehefa miaina ny zavatra tanterahiny eo amin’ny fiainantsika, ary izany fahafantarana izany no hanova antsika. Noho izany, dia manjary mahalala Azy isika noho ny fahatsapantsika ny fahasoavana izay arotsany amintsika.

Manambara zavatra iray tsy takatry ny saina koa i Petera avy eo, dia ny hoe: efa nomena antsika “ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” ka tafiditra ao anatin’izany ny fahatongavantsika ho mpiray amin’ny “fomban’Andriamanitra” – 2 Pet. 1:4. Tamin’ny voalohany ny olombelona dia nohariana ho araka ny endrik’Andriamanitra, saingy efa niova sy nihanitotongana be tokoa izany. Rehefa ateraka indray anefa isika, dia manana fiainam-baovao ao amin’i Jesôsy, izay miasa hamerina ilay endrik’Andriamanitra ho ao amintsika. Saingy mila mandositra ny fahalotoan’izao tontolo izao sy ny filàny isika raha tiantsika ny hisian’izany fiovana izany.

Hanao ahoana ny fiainanao raha tsy misy finoana? Ahoana no hanampian’ny valin’io fanontaniana io antsika hahatakatra ny maha-zava-tsoa lehibe ny fanomezan’ny finoana?

Pejy ambony

ALATSINAINY


Fitiavana, tanjona fara tampon’ny fiainana Kristianina

Vakio ny 2 Pet. 1:5–7; Rôm. 5:3–5; Jak. 1:3,4; ary ny Gal. 5:22,23. Inona no lohahevitra iraisan’ireo andalan-teny ireo?

Efa fanaon’ny mpandinika tany amin’ny andro taloha ny mitanisa fahatsaran-toetra maromaro. Ahitana ohatra betsaka momba izany ao amin’ny TV (Rôm. 5:3-5; Jak. 1:3,4; Gal. 5:22,23). Azo inoana tokoa araka izany fa tsy zava-baovao amin’ny mpamaky ny bokin’i Petera ny lisitra toy izany, na dia misy fahasamihafana lehibe aza eo amin’ny zavatra tanisain’ny filôzôfy iray sy izay tanisain’i Petera. Mariho ny fomba nandaharan’i Petera izany mba hanehoana fa miorina eo amin’ny fahatsaran-toetra iray ny fahatsaran-toetra voatanisa manaraka, mandra-pahatonga any amin’ilay fara tampony, dia ny fitiavana!

Manana hevitra manan-danja avokoa ny fahatsaran-toetra tsirairay voalazan’i Petera:

Finoana: Eo amin’io tontolon-kevitra io, ny finoana dia tena finoana an’i Jesôsy, izay mahavonjy tokoa (jereo ny Gal. 3:11, Heb. 10:38).

Fahatanjahan-tsaina: ny teny grika hoe arête no niavian’io teny io, dia izay mety ho karazana fahatsaran-toetra rehetra. Na dia ny filôzôfy fahizany aza dia nihevitra azy io ho manan-danja tokoa. Marina fa tena iankinan’aina tokoa ny finoana saingy tsy maintsy mitarika ho amin’ny fiovam-piainana izany, dia izay hisehoan’ny fahatanjahan-tsaina.

Fahalalana: Azo antoka fa tsy ilay fahalalana araka ny iheveran’ny maro azy no resahin’i Petera eto fa ilay fahalalana avy amin’ny fifandraisana mahavonjy amin’i Jesôsy Kristy.

Fahononam-po: Ny Kristianina matotra dia mahavita mifehy ny fironan’izy ireo, indrindra fa ny fironana izay mitondra ho amin’ny fihoaram-pefy.

Faharetana: Izany dia hery hahazoana miaritra, indrindra raha eo anatrehan’ny fizahan-toetra sy ny fanenjehana.
Toe-panahy araka an’Andriamanitra: Teo amin’ny tontolon’ny Jentilisa, ny teny nandikana ny hoe “toe-panahy araka an’Andriamanitra” eto, dia midika hoe fanaovana ny mety. Izany toe-panahy izany dia noheverina ho vokatry ny finoana ny andriamanitra iray (1 Tim. 2:2).

Fitiavana ny rahalahy: Tahaka ny fianakaviana iray ny Kristianina ka ny fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra dia hanorina fiarahamonina izay anjakan’ny halemem-panahy eo amin’izy samy izy.

Fitiavana: Ny fitiavana no namaranan’i Petera ny lisitra, tahaka ny fandrenesana an’i Paoly nilaza izao: “Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo” – 1 Kôr. 13:13.

Mialoha ny nanombohany ny lisitr’ireo fahatsaran-toetra ireo, i Petera dia nilaza fa tokony hanao “izay zotom-po rehetra” isika (2 Pet. 1:5) mba hahazoana ireo lafin-toetra tsara rehetra ireo. Inona no tiany holazaina? Inona no anjara asan’ny ezaka ataon’ny olombelona eo amin’ny fananana fiainana mahatoky sy araka an’Andriamanitra?

Pejy ambony

TALATA


Tano ny maha-izy anao

Rehefa avy nanome antsika ny lisitr’ireo zavatra tokony hokatsahintsika Kristianina fatratra i Petera, dia nilaza ny ho vokatr’izany.

Vakio ny 2 Pet. 1:8-11. Inona no fifandraisana misy eo amin’izay efa notanterahina ho an’ny Kristianina tsirairay sy ny tokony ho fomba fiainany?

Mampirisika ny mpamaky azy i Petera mba hivelona amin’ny fahamarinana vaovao izay maharesy lahatra azy fa avy amin’i Jesôsy. Ny finoana, ny fahatanjahan-tsaina, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ny fitiavana ny rahalahy ary ny fitiavana, dia samy “anananareo (…), sady anananareo betsaka” – 2 Pet. 1:8.

Ny olana dia izao: tsy ny Kristianina rehetra no miaina araka io fahamarinana vaovao io. Ao ny tsy mahomby na koa tsy mitondra vokatra eo amin’ny fahalalana an’i Jesôsy Kristy (2 Pet. 1:8). Ny olona toy izany dia nanadino fa efa voadio tamin’ny “fahotany fahiny” – 2 Pet. 1:9. Koa noho izany, hoy ihany i Petera, ny Kristianina dia tokony hiaina araka ny fahamarinana izay maharesy lahatra azy ireo fa avy amin’i Jesôsy. Tao amin’i Kristy no efa nandraisan’izy ireo ny famelan-keloka sy ny fanadiovana ary ny zo ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Noho izany dia ilainy ny “mazoto kokoa, (…), hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy (2 Pet. 1:10). Tsy manana fialan-tsiny ny Kristianina ny amin’ny tsy fitondrany voa.

“Maro ny zavatra efa rentsika momba ny finoana, saingy mbola mila mandre be lavitra momba ny asa isika.  Maro no mamitaka ny fanahiny amin’ny alalan’ny fiainana tsy mba rototra amin’ny fivavahana, ary tsy ahitana taratra fandavan-tena velively” –FW, t. 50.
Vakio ny Rôm. 6:11. Inona no ambaran’i Paoly eto ka ahitana taratra koa ny zavatra voalazan’i Petera ao anatin’ny andalan-teniny androany?

Amin’ny lafiny iray, i Petera sy i Paoly dia samy milaza hoe: “tano ny maha-izy anao”. Isika mantsy dia olom-baovao ao amin’i Kristy, nodiovina tamin’ny ota ary mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Izany no hahazoantsika manana ilay karazam-piainana niantsoana antsika. Tokony ho “tahaka an’i Kristy” isika, ary izay no hevitry ny atao hoe “Kristianina”.

Manao ahoana ny fanahafanao an’i Kristy? Inona no lafiny azonao hatsaraina bebe kokoa?

Pejy ambony

ALAROBIA


Manaisotra ny trano-lay

“Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny mampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo, satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa” – 2 Pet. 1:13,14.

Tamin’ny taona 1956, i Oscar Cullman dia nanao fandinihana fohy nampitondrainy ny lohateny hoe: Tsy fahafatesan’ny fanahy sa Fitsanganana amin’ny maty?: Porofo omen’ny Testamenta Vaovao. Antitranteriny ao anatin’izany fandinihana izany fa mifanipaka be ihany ny foto-kevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny foto-kevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Ankoatra izany, dia ambarany koa fa ny TV dia miorina tanteraka eo amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.
“Tsy misy fanadihadiana hafa navoakako,” hoy ihany izy taty aoriana raha nanoratra, “ka niteraka fahalianana mivaivay be na fankahalana feno herisetra be tahaka ity”.

Vakio ny 1 Kôr. 15:12-57. Inona no mitranga rehefa maty ny olona, araka ny nambaran’i Paoly?

Ny fandinihana ny voalazan’ny TV momba ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty dia nandresy lahatra ny mpanao fikarohana momba ny TV fa marina ny voalazan’i Cullman. Ny TV mihitsy mantsy no mampianatra ny fisian’ny fitsanganana amin’ny maty fa tsy ilay hoe mbola velona hatrany ny fanahy na dia efa maty aza ny vatana. Ao amin’ny 1 Tes. 4:16-18, ohatra, i Paoly dia mampahery ireo izay namoy havan-tiana mba hionona amin’ny fahafantarana fa rehefa hiverina indray i Jesôsy, dia hatsangany ny maty. Mivelatra kokoa ny fanazavan’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny 1 Kôr. 15:12-57. Ho fanombohany azy dia notsindriany fa ny finoana kristianina dia miorina eo amin’ny nitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty. Raha tsy natsangana i Jesôsy, dia zava-poana ihany ny finoana Azy. Voalazan’i Paoly àry fa natsangana tamin'ny maty tokoa i Kristy ho santatr'izay efa nodimandry, ary noho izany dia manan-kery amin’izay rehetra ao Aminy koa izany fitsanganana izany.

Miresaka ny amin’ny tena vaovao, hotafin’ny mpino rehefa hatsangana amin’ny maty, i Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 15:35-50. Ampifanoheriny amin’ny tenantsika amin’izao fotoana izao izany vatana vaovao horaisintsika izany. Ilay vatana ananantsika amin’izao fotoana izao io dia ho faty ihany, saingy izay homena antsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy ho faty na oviana na oviana.

Raha fintinina dia izao, rehefa miresaka ny amin’ny fahafatesana ny TV, dia voakasik’izany ny fitsanganana amin’ny maty, fa tsy ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Tena ilaina ny mahatakatra izany rehefa mamaky ny 2 Pet. 1:12-14 isika.

Pejy ambony

ALAKAMISY


Finoana eo anatrehan’ny fahafatesana

Vakio ny 2 Pet. 1:12-15. Inona no tian’i Petera hambara rehefa nilaza izy fa tsy ho ela dia hoesorina aminy ny trano-lainy na ny tenany?  

Omen’ny 2 Pet. 1:12-14 ny antony nanoratany io epistily faharoa io. Nihevitra i Petera fa efa ho faty izy ka ao amin’io taratasy io no nametrahany hafatra farany.

Hita taratra izany eo amin’ilay fehezan-teny hoe: “Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, (…), satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko” – 2 Pet. 1:13,14. Ampitovian’i Petera amin’ny trano-lay (tabernakely) ny tenany, izay hoesorina rehefa ho faty izy. Mazava loatra tokoa mantsy fa ny tenany no tian’i Petera holazaina rehefa milaza ny amin’ny hanesorana ny trano-lainy izy. Matetika io teny io no adikan’ny mpandika teny môderna toy izao: “Fa raha mbola ato amin’ity tena ity aho (…) satria fantatro fa tsy ho ela aho dia ho faty” (NRSV). Tsy misy na inona na inona milaza ao amin’io fomba fitenin’i Petera io fa rehefa “hohesorina” ny trano-lainy na ny tenany, dia mbola ho velona ihany ny fanahiny, toy ny hoe zavatra iray mitokana mihitsy.

Vakio indray ny 2 Pet. 1:12-15. Manao ahoana no fiatrehan’i Petera ny fahafatesany efa mananontanona? Ary inona no ampianarin’izany foto-pisainana izany antsika mikasika ny finoana?

Nanoratra ny 2 Pet. 1:12-15 i Petera na dia fantany tsara aza fa efa antomotra ny andro hahafatesany. Fantany izany, araka ny nilazany hoe: “dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko”. Toa tsy ahitana soritra tahotra anefa izany, na adin-tsaina na koa fanahiana. Ny mahasoa an’ireo mbola ho tra-pahavelomana no nantitranteriny hatrany. Tiany ny hiorenan’izy ireo mafy tsara eo amin’ny “fahamarinana ankehitriny”, ary raha mbola velona koa izy, dia hampahatsiahy hatrany ny mpino mba ho mahatoky.

Hitantsika eto ny halalina sy ny maha-azo tsapain-tanana ny fanandraman’i Petera miaraka amin’ny Tompo. Eny, ho faty tokoa izy, ary tsy mba ho fahafatesana mahafinaritra izany (jereo ny Jao. 21:18 sy ny VM, tt. 472-473. Tsy ny momba azy anefa no nanahiran-tsaina an’i Petera fa ny momba ny hafa. Tena lehilahy tsy mba nisy fitiavan-tena ary niaina ny finoana izay nampianariny tokoa i Petera.

Ahoana no hanampian’ny finoantsika antsika hiatrika ny maha-toe-javatra mahatsiravina ny fahafatesana? Ahoana no ianarantsika mifikitra amin’ny fanantenana mahafinaritra ananantsika, na dia eo anatrehan’ny fahafatesana aza, noho ny zavatra efa nataon’i Jesôsy ho antsika?

Pejy ambony

ZOMA


Fianarana fanampiny: Araka ny hitantsika, dia fantatr’i Petera fa ho faty tsy ho ela izy ary fantany koa ny ho fomba fisehon’izany. I Jesôsy mihitsy mantsy no efa nanambara izany taminy. “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao” – Jao. 21:18.
Nanao ahoana tokoa ny fomba nahafatesan’i Petera?

“Araka ny maha-Jiosy sy vahiny an’i Petera dia voaheloka hokapohina sy hohomboana izy. Lasa tany amin’ny fahotana lehibe nataony ny sainy raha nametsovetso izany fiafarana mahatsiravina niandry azy izany izy, dia ny nandavany ny Tompony teo am-pitsarana Azy. Ka raha nankahalainy fatratra ny hazo fijaliana teo aloha, dia noheveriny ho fifaliana kosa ny hanolotra ny ainy noho ny filazantsara. Noheveriny ho voninahitra lehibe loatra ho azy ny hihombo amin’ny hazo fijaliana toy ny fomba nanomboana ny Tompony, na dia efa nibebaka tamin’ny fahotany tamin’ny fony rehetra aza izy, sady fantany fa efa namela ny helony Kristy. Ary moa ve tsy efa hitany porofo izany famelan-keloka izany tamin’ny nanoloran’i Kristy azy ny fiandrasana ny ondriny sy ny hamahanany ny ondrikely?

Tsy nety afaka tao an-tsain’i Petera mihitsy ny haratsian’ny fahotana nataony, ka noheveriny fa tokony hampiharina aminy tokoa ny fampijaliana mafy indrindra, na dia efa nokekerin’ny nenina mafy aza izy, sady efa nibebaka tamin’ny fony tokoa. Koa dia niangavy ireo mpamono azy izy mba hitsingoloka ny fomba hanomboana azy eo amin’ny hazo fijaliana, ka ny lohany no ambany. Nekena ny faniriany, ka teo amin’izany fomba mampihoronkoditra izany no nahataperan’ny ain’ity apostoly malaza ity” – VM, tt. 472-473. Na dia efa fantatr’i Petera mialoha avokoa aza izany rehetra izany, dia ny zava-tsoa ara-panahin’ny ondriny hatrany no nifantohan’ny sainy.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Na dia eo aza ny zavatra rehetra efa nosoratan’i Petera (sy ireo hafa nanoratra ny Baiboly) mikasika ny tokony hananan’ny Kristianina fiainam-pahamasinana, dia nahoana no mbola maro amintsika ihany no tsy “mihazona ny maha-isika antsika” ao amin’i Jesôsy?
2. Ivereno jerena eo amin’ny kilasy ny lisitra ao amin’ny 2 Pet. 1:5-7. Resaho tsirairay ny zavatra hita ao ary apetraho aminareo izao fanontaniana izao: Ahoana no fomba tsaratsara kokoa hanehoantsika ireo lafin-toetra tsara ireo, ary ahoana no hanampiantsika ny hafa hiezaka haneho izany koa?
3. Nandiso fanantenana an’i Jesôsy i Petera teo aloha. Asehon’ny tenin’i Petera amin’ny fomba mahery vaika kosa anefa ny asa lehibe nataon’i Kristy tao aminy taorian’izay. Inona no fanantenana sy fampaherezana azontsika raisina avy amin’ny ohatr’i Petera?
4. Nanoratra ny amin’ny hoe “fahamarinana ankehitriny” i Petera ao amin’ny 2 Pet. 1:12. Inona no atao hoe “fahamarinana ankehitriny” tamin’ny andron-dry Petera, ary inona izany amin’izao androntsika izao?


Pejy ambony